Inona no tena hamantarana fa tena Kristianina marina ny olona na fiangonana iray ?

1. Tefigasy ( 27/07/2012 11:02)
Ohatran'ny toa samy milaza ny tenany ho kristianina daholo ny olona rehetra mitondra baiboly nefa toa samy mahita izay fomba fahitany ny ao anatiny ao. Andeha ary isika mba hanavaka kely ny vary amin'ny tsimparifary ka samy hijery fitaratra mba hahafahan'ny tsirairay mandinika vetivety izay lalana mety hizorany ankehitriny:

Maraka.16:17-18 "Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy; handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny."

Io no anisan'ny famantarana iray lehibe ho an'ny Kristianina. Maro tokoa ny mody mampianatra sy mitondra baiboly sy boky kely etsy sy eroa nefa toa sady tsy mamoaka demonia no tsy mametra-tanana amin'ny marary, ary na ny manasitrana ny marary ary moa toa tsy rahirahian'izy ireo mihitsy.

Fantatrareo angamba hoe iza izy ireo !

Dia aoka isika rehetra mba hitandrina ary fa hoy ny teny hoe : "Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro ."(Mat 24 : 11)
novalian'i diniho ny 28/12/2013 20:51
2. didi10 ( 27/07/2012 11:26)
Namana Tefigady
Inona tamin'ireo famantarana ireo no efa tanteraka taminao na ny fiangonanao?

Misy fandroahana demonia amin'ny anaran'i Jesosy ve ao? na mahavita ve ianao?
Misy fiantsoana ny Fanahy Masina sy fitenenana amin'ny teny tsy fantatra va ao? na efa nandray ve ianao?
Misy fahagagana natao amin'ny anaran'i Jesosy ve ao? na efa nahavita ve ianao?

ireo tokoa mantsy dia famantarana, maro tokoa ny milaza azy ho Kristiana satria mahay toko sy andininy fa izany dia vitan'ny herin'ny tena, ny mamakafaka Baiboly sy mitory etsy sy eroa dia vitan'ny finiavana sy fitiavana haneho fahendrena sy fahaizana fa ireo famantarana ireo dia ny natao ho an'ny manam-pinoana sy manana ny Fanahy Masina.
3. Tefigasy ( 27/07/2012 11:39)
didi10 >>Tsy hamaly anao mivantana eto ny momba ahy aho satria tsy fitoriana ny tenako no atao eto fa fitoriana an'i Jesosy Kristy. Tsy izaho no tokony ho tazana fa Jesosy Kristy irery ihany.

Marka.16:17-18 >> Io no famantarana hanaraka izay mino (kristianina izany), atolotro ny tsirairay avy, dia aoka samy handinika ny zava-misy isika rehetra fa izay tsy manana io famantarana io (farafaharatsiny iray) dia tsy kristianina izy izay !

Mahita maro aho, ary tsapako eto amin'ity serasera ity izany fa maro no mitondra fampianarana nefa na dia ny famantarana iray ihany amin'io Marka.16 io aza tsy hita soritra eo amin'izy ireo akory !
Koa aoka isika hitandrina hatrany fa tena misy ny mpaminany sandoka
4. jigs ( 27/07/2012 12:27)

Tefigasy:

Maro ny hevitra novakiko tato, fa ito dia anisan'ny nahafinaritra ahy mihintsy. Iangaviko kely fotsiny ianareo naneho hevitra mba hianatra hatrany am-boalohany ny tena tantara marina niaingan'ny kristianina, satria raha tsy mahalala izany akory ianareo fa kely ihany no nampianarina anareo, dia zary resaka manidina fotsiny izay lazaina eto. Ohatra ami'izany ny hoe: ny mpitondra fivavahany ve mampianatra ny tena marina voalazan'ny Baiboly sa manao izay saim-patany fotsiny???? Nahoana ny kristianina sasany mino izay zavatra tsy misy ao anaty Soratra Masina akory???? SNS
Afaka manohy zavatra betsaka eto aho raha ilaina izany. Misaotra anareo rehetra
5. Miharena ( 27/07/2012 14:41)
Tefigasy:

Mahita maro aho, ary tsapako eto amin'ity serasera ity izany fa maro no mitondra fampianarana nefa na dia ny famantarana iray ihany amin'io Marka.16 io aza tsy hita soritra eo amin'izy ireo akory !

Tena azo zaraina tsara anie namana Tefigasy ny fahatsapanao ahafahan'ny rehetra mahatsapa koa fa tsy miresaka zava-panahy izy e!

Inona avy no marika ahafantarana azy? Voafetra amin'ny resaka voambara ao amin'i Marka 16: 17-18 io ihany ve? sa misy hafa?
6. Jigs ( 28/07/2012 06:27)

Miharena:

Raha ny marina an, dia tsy tokony hionona @ andalan-teny 1 iray fotsiny ao @ Baiboly isika, satria maro ny hevitra azo atambatra aloha izay vao mandray fanapahan-kevitra iray. Raisiko ohatra io lazain'i Tefigasy io; maro no mihevitra fa rehefa nanasitrana @ anaran'i Jesosy sy niteny @ fiteny tsy fantatra na nisy fifohazam-panahy izy dia tena kristianina, tsy izay ihany anefa no porofo satria Izy Tompo ihany aza no nilaza hoe: "Ary @ izany andro (fitsarana) izany dia maro no hilaza hoe: tsy efa namoaka demonia sy nanasitrana ... t@ anaranao va izahay?? Dia ho lazaiko amin-dry zareo hoe TSY FANTATRO AKORY IANAREO hatrizay ela izay". Misy zavatra hafa maro be azonao ilazana fa tena kristianina ny olona iray, fa ny tena base dia ny hoe: IREO IZAY MINO SY MANARAKA ARY MANATANTERAKA izay voasoratra ao @ Baiboly no tena kristianina.
7. Tefigasy ( 28/07/2012 11:06)
Famantarana hanaraka izay mino. Ny mino dia nomena famantarana. Toy ny mpilalao baolina eny ambony kianja: nomena maillot mba ho famantarana. Fa na manao maillot daholo aza ny mpilalao rehetra dia tsy voatery hahafaty baolina avokoa akory. Izay ilay efa voalaza tetsy ambony fa hisy ny hiteny hoe "tsy efa nanao toy izao sy toy izao ve izahay". Nefa hoy ny teny hoe "izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena".

Raha mino ianao. Izany hoe kristianina, dia tokony hanaraka anao (automatique) aloha ny famantarana. Fa mahagaga ihany izany hoe milalao baolina tsy manana maillot izany nefa manao match. Tsy ny hanenjika ny famantarana anefa no tanjona, tsy ny fanaovana maillot eny ambony kianja no tena zava-dehibe, famantarana manaraka hoazy izy ireny mba hamantarana ny tena kristianina amin'ny tsy izy, fa ny tena zava-dehibe dia ianao mahazo vokatra avo 10 heny, avo 100 heny, ... araka izay nafafy teo aminao.

Antsika rehetra no mieritreritra tsara izay olona mitondra baolina eny ambony kianja nefa tsy manao maillot akory, mitondra baiboly nefa tsy manana ilay famantarana manaraka izay mino akory. Hanaiky ny hitorian'ireny olona ireny teny ve ianao, raha milalao baolina ianao, misy olona tsy mitondra an'ilay maillot famantarana izay tsy mitovy aminao eny ambony kianja: ho pasinao any aminy ve ny baolina ? Mila mitandrina ny tsirairay fa izay hahatafiditra ny baolina any anaty but no tanjotsika !
8. Miharena ( 29/07/2012 11:34)

fa ny tena zava-dehibe dia ianao mahazo vokatra avo 10 heny, avo 100 heny, ... araka izay nafafy teo aminao

Inona àry ilay nafafy. Teny maro ve sa voantsinampy?
9. jojo3t ( 30/07/2012 04:45)
Tsara ity lohahevitra ity mba ahalalan'ny maro hoe ahoana marina ny Kristiana :

Manao fanasitranana mahagaga ny mpitondra fivavahana sasany mihambo ho kristiana, ankehitriny, misy hafa koa milaza ho mahay manasitrana nefa tsy misy resaka fivavahana mihitsy ilay izy.
Matio 24 : 24 "Hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka hanao famantarana lehibe sy fahagagana mba hamitahana hatramin'ny olom-boafidy aza".
Matio 7 : 15-23 : "Mitandrema amin'ny mpaminany sandoka..."
Mampitandrina mafy ny amin'ireo milaza fa manao famantarana i Jesosy eo.

Miharihary ve fa tena manana ny fanahin'Andriamanitra ny mpiara-mivavaka amin'ireo mpanao fanasitranana ?
Maneho ny vokatry ny fanahy ve izy ireo, toy ny fitiavana, fahari-po, fahalemem-panahy, ary fifehezan-tena ? Galatiana 5 : 22,23.
Tsy anisan'izao tontolo izao tokoa ve izy ireo, ka tsy manao politika mihitsy? Tsy mandatsa-dra ve izy ireo rehefa misy ady? Malaza ho tsara fitondran-tena ve izy ireo? Jaona 17 : 16, Isaia 2 : 4, 1 Tesaloniana 4 : 3-8.

Ny fahaiza-manasitrana ve no amantarana ny tena Kristianina ankehitriny ?
Jaona 13 : 35 : "Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo."

1 korintiana 12 : 29,30, 13 : 8,13 : "Angaha izy rehetra no mpaminany? Angaha izy rehetra no mahay manasitrana? Angaha izy rehetra no miteny amin'ny fiteny samihafa? Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana. Fa na misy aza fahaiza-maminany, dia hofoanana izany, ary na misy aza ni fitenenana amin'ny fiteny samihafa, dia hitsahatra izany... Fa mitoetra ireto telo ireto ankehitriny : finoana, fanantenana,fitiavana,fa ny fitiavana no lehibe indrindra.

Asehon'ny baiboly anefa hoe hatramin'ny oviana ny Kristianina voalohany no nanao zava-mahagaga. Rehefa nametra-tanana ireo apostoly na rehefa teo anatrehan'izy ireo foana, vao nisy nahazo io fahaizana io sy ny fahaizana hafa avy amin'ny fanahy Asan'ny Apost 2 : 4, 14, 17, 10 : 44-46, 19 : 6 ao koa ny Asan'ny Apost 8 : 14-18. Rehefa maty ary ireo apostoly, ary maty koa ireo nomeny an'ireo fahaizana mahagaga avy amin'ny fanahy, dia azo antoka fa nitsahatra ireny fahaizana ireny. Mifanaraka amin'ny Hebreo 2 : 2-4 izany, satria resahina ao ny antony nanomezana ireny fahaizana ireny.

Manana ny fanahin'Andriamanitra tokoa ve izy ireo, ka mitovy ny an'ny Apostoly tamin'ny taonjato voalohany ny fanasitranany? Efa nahazo maimai-mpoana ianareo, ka manomeza maimaim-poana Matio 10 : 8. Mahavita manangana ny maty toy ny nataon'ireo Apostoly ve
izy ireo ?

Marka 16 : 17, 18 : voalaza ao hoe mandray menarana sy misotro zava-mahafaty. Manao izany anefa ve ireo milaza ho mahay famantarana?

Raha izany no izy, avy aiza zany ny famantarana hataon'izy ireo :

2 Tesaloniana 2 : 9, 10 : "Ny fanatrehan'ilay tsy tan-dalàna dia araka ny asan'i Satana, miaraka amin'ny fahagagana rehetra, mbamin'ny famantarana sy fambara mandainga rehetra, ary amin'ny famitahana tsy marina rehetra.....

Inona no zava-dehibe indrindra ankehitriny sy amantarana ny tena Kristiana : mamafy voa, ary hiavaka koa rehefa mandeha ny fotoana hoe iza no voa tsara, dia iza no tsiparifary.

Hanao famantarana sy hanao fanasitranana ve no zava-dehibe aminao raha kristiana enao, mario tsara na nanao fahagagana aza izy dia ny zava-dehibe indrindra tamin'ny Jesosy tety an-tany dia ny hitory sy hampianatra an'ireo vahoaka toy ny ondry tsy misy mpiahy, satria zany no tena mamonjy ny ain'ny olona.

Ankoatra ny fitiavana mampiavaka ny kristiana, inona no tena asain'i Jesosy hataon'ny mpanara-dia azy ankehitriny, izay maro amin'ireo milaza ho kristiana no tsy manao azy :

Nilaza i Jesosy fa hahazo fanahy masina ny mpianany, ka ho vavolombelony hatrany amin'ny faritra lavitra indrindra amin'ny tany Asan'ny Apost 1 : 8.
Nandidy azy ireo izy hoe : "Ataovy mpianatra ny olona any amin'ny firenena rehetra Matio 28 : 19,20.
Hoy koa izy : "Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran'ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra Matio 24: 14. Manao ireo ve ireo milaza azy ho kristiana, tsy tokony ho izany ve no hamantarantsika an'izay manana ny fanahy masina?
10. Tefigasy ( 30/07/2012 07:28)
jojo3t:

Manao fanasitranana mahagaga ny mpitondra fivavahana sasany mihambo ho kristiana, ankehitriny, misy hafa koa milaza ho mahay manasitrana nefa tsy misy resaka fivavahana mihitsy ilay izy.
Matio 24 : 24 "Hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka hanao famantarana lehibe sy fahagagana mba hamitahana hatramin'ny olom-boafidy aza".
Matio 7 : 15-23 : "Mitandrema amin'ny mpaminany sandoka..."
Mampitandrina mafy ny amin'ireo milaza fa manao famantarana i Jesosy eo.

Miharihary ve fa tena manana ny fanahin'Andriamanitra ny mpiara-mivavaka amin'ireo mpanao fanasitranana ?
Maneho ny vokatry ny fanahy ve izy ireo, toy ny fitiavana, fahari-po, fahalemem-panahy, ary fifehezan-tena ? Galatiana 5 : 22,23.
Tsy anisan'izao tontolo izao tokoa ve izy ireo, ka tsy manao politika mihitsy? Tsy mandatsa-dra ve izy ireo rehefa misy ady? Malaza ho tsara fitondran-tena ve izy ireo? Jaona 17 : 16, Isaia 2 : 4, 1 Tesaloniana 4 : 3-8.

Na ireo manao maillot ary moa misy sandoka, maika fa ireo tsy manao maillot fa mody mitondra boky kely maro samihafa miaraka amin'ny baiboly eny rehetra eny ! Tena mila fitandremana mihitsy !

jojo3t:

Ny fahaiza-manasitrana ve no amantarana ny tena Kristianina ankehitriny ?
Jaona 13 : 35 : "Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo."

Anisan'ny famantarana fanampiny amin'ny maha-kristianina koa ity. Misy ireo antokom-pivavahana izay tsy mahay miara-monina amin'ireo manodidina azy: tsy miditra amin'ny fiangonan'ny hafa, tsy miaraka ory amin'ny fianakaviany raha sendra misy maty ary tsy mikitika faty mihitsy ary moa, tsy mahay manampy olona raha tsy ao anatin'ny fiangonany io olona io no miangona,...

jojo3t:

1 korintiana 12 : 29,30, 13 : 8,13 : "Angaha izy rehetra no mpaminany? Angaha izy rehetra no mahay manasitrana? Angaha izy rehetra no miteny amin'ny fiteny samihafa? Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana. Fa na misy aza fahaiza-maminany, dia hofoanana izany, ary na misy aza ni fitenenana amin'ny fiteny samihafa, dia hitsahatra izany... Fa mitoetra ireto telo ireto ankehitriny : finoana, fanantenana,fitiavana,fa ny fitiavana no lehibe indrindra.

Nozarazaraina ho samihafa ny fanomezam-pahasoavana, fa tsy midika akory izany fa tsy manana ireo famantarana ireo ny kristianina. Misy ao ny maminany, ny miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, ny manasitrana, ... toy ny mpialalo baolina eny ambony kianja ihany: tsy ho poste 10 daholo akory ny rehetra fa misy ny goal, arriere, milieu, avant, ...fa mitovy amin'ny mahazo carte rouge raha sady tsy goal no tsy arriere no tsy milieu no tsy avant.

jojo3t:

Rehefa maty ary ireo apostoly, ary maty koa ireo nomeny an'ireo fahaizana mahagaga avy amin'ny fanahy, dia azo antoka fa nitsahatra ireny fahaizana ireny.

Mety ho hevitry ny olona efa nahazo carte rouge kosa ny toy izao e ! Satria ny tenin'Andriamanitra dia mitoetra foana fa tsy mbola levona akory: Jao.14:12 "Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mino Ahy , ny asa ataoko no hataony koa ; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy."

jojo3t:

Manana ny fanahin'Andriamanitra tokoa ve izy ireo, ka mitovy ny an'ny Apostoly tamin'ny taonjato voalohany ny fanasitranany? Efa nahazo maimai-mpoana ianareo, ka manomeza maimaim-poana Matio 10 : 8. Mahavita manangana ny maty toy ny nataon'ireo Apostoly ve
izy ireo ?

Ianao angamba no tsy mahita na tsy mino fa tena misy amin'izao vanim-potoana misy antsika izao ny fitsanganana amin'ny maty. Tsy ho ampy ity site ity raha tataraiko eto daholo ireo olona rehetra efa hitako sy reko fa nitsangana tamin'ny maty ary anisany aho izay miresaka aminao ankehitriny. Fa raha te hahita mivantana ianao, sady izay no tsara indrindra dia mba mandehana any amin'ireny fiangonana mifoha ireny (betsaka sy misy eto amintsika) dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra.

jojo3t:

Marka 16 : 17, 18 : voalaza ao hoe mandray menarana sy misotro zava-mahafaty. Manao izany anefa ve ireo milaza ho mahay famantarana?

Averina indray fa tsy ny famantarana na hanenjika ny famantarana no zava-dehibe, sady tsy ho entina maka fanahy an'ilay Andriamanitra akory izany, saingy toy ny maillot ihany izy ireny,, ireny no entina hamantarana hoe ito mpilalao na tsia

jojo3t:

Raha izany no izy, avy aiza zany ny famantarana hataon'izy ireo :

2 Tesaloniana 2 : 9, 10 : "Ny fanatrehan'ilay tsy tan-dalàna dia araka ny asan'i Satana, miaraka amin'ny fahagagana rehetra, mbamin'ny famantarana sy fambara mandainga rehetra, ary amin'ny famitahana tsy marina rehetra.....

Ny zava-bitan'i satana ihany ve hatramin'izao no hitanao fa ilay voninahitr'Andriamanitra ao anatin'ny asany mahagaga mbola tsy niseho teo anatrehanao mihitsy ! Mety tsy mahagaga ihany izany satria TSY MBOLA NANDRAY AN'I KRSITY HO TOMPO SY MPAMONJINAO IANAO!
11. jojo3t ( 30/07/2012 07:33)

Diniho tsara ny voalaza rehetra eo ambony, atao tsy maimaika, fa atao tsirairay dia hazava aminao ny valiny.
12. jojo3t ( 30/07/2012 08:01)

Dia raha hijery ny momba an'i Jesosy ndrai enao dia midira ao amin'ilay lohahevitra hoe "Iza no hitsara, i Jehovah sa i Jesosy, ho hitanao ao tsara ny anjaran-toerany.
13. Tefigasy ( 30/07/2012 08:37)
jojo3t >> Iangaviana mba tsy hivoaka ny lohahevitra.
Famantarana hanaraka ny kristianina no jerena eto aloha fa tsy zavatra hafa ! Raha tsy misy na dia ny iray amin'ireo famantarana ireo akory aza eo aminao dia mieritrereta tsara, mandiniha tena, mametraha fanontaniana hoe: fa maninona moa aho no tsy manao maillot nefa miakatra kianja, fa maninona moa aho no tsy manana izay hananan'ny kristianina hafa! Mbola tsy tara izao fa mbola fotoana tsara mihitsy ahafahana miditra ho tena kristianina, ahafahana mandray an'i Kristy ho Tompo sy Andriamanitra, fa raha tsy izany dia carte rouge foana!
14. jojo3t ( 30/07/2012 09:32)

Mazava ny lazain'ny baiboly fa hitsahatra ny fahaizana mahagaga, ary mazava koa ny antony nanomezany fahaizana ho an'ireo apostoly, mazava koa ny toetra mampiavaka ny tena nomena famantarana sy ny amin'zao fotoana zao, mazava be toy ny masoandro koa ny famantarana ny tena Kristiana lazain'i Jesosy ireo, ny asa lehibe indrindra hampiasana ny fanahy masina, na ahoana na ahoana dia io lazain'ny baiboly io, ilay asa mamonjy aina, dia ny fitoriana ny vaovao tsara, ary enao raha manao ireo famantarana lazainao ireo, dia manomeza porofo hoe iza amin'ireo no ataonao, amin'ny fomba ahoana no hanaovanao azy, manao ahoana koa ny mpiara-mivavaka aminao, sns... Aza tononina fotsiny fa raha izany tsy hazava amin'olona fa manomeza porofo mba inoan'ny olona...
15. Tefigasy ( 30/07/2012 10:04)
jojo3t:

Mazava ny lazain'ny baiboly fa hitsahatra ny fahaizana mahagaga, ary mazava koa ny antony nanomezany fahaizana ho an'ireo apostoly, mazava koa ny toetra mampiavaka ny tena nomena famantarana sy ny amin'zao fotoana zao, mazava be toy ny masoandro koa ny famantarana ny tena Kristiana lazain'i Jesosy ireo, ny asa lehibe indrindra hampiasana ny fanahy masina, na ahoana na ahoana dia io lazain'ny baiboly io

Hay tokoa moa efa manana baiboly hafa mihitsy ianareo vita avy amin'ny fandikan-teny "la traduction du nouveau monde " !. Tsy mahagaga raha izany no hitanao fa MAZAVA be ao anatin'ny bokinareo ao ! Fa ity misy teny ambara ao amin'ny baiboly nalaina avy tamin'ny teny fototra hebreo aramenianina :
Maraka.16:17-18 "Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy; handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny."
Jao.14:12 "Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mino Ahy , ny asa ataoko no hataony koa ; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy."
Apo 22 : 18 : "Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity : raha misy manampy ireo , Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra ato anatin'ity boky ity ho azy ;"
Hamafiso ihany ny fo, aza mety miova, fa hita miavaka eny foana ny amboadia sy ny tena ondry na dia samy mampiasa ny anarana kristianina daholo aza hatramin'ny mpaminany sandoka !
16. jajajaly ( 30/07/2012 11:00)
Tefigasy
Maraka.16:17-18 "Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy; handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny."

Aleo ary io no hiangantsika aloha.
- hamoaka demonia amin'ny anarako izy[/b]: Toy izao ny endrin'ilay avy amin'Andriamanitra. «Nentin’ny olona teny an-dalambe mihitsy aza ny marary ka napetrany teny, teo ambony farafara kely sy fandriana. Amin’izay mantsy dia mba[b] azon’ny alok’i Petera, fara faharatsiny, ny sasany amin’izy ireo, rehefa mandalo izy. Ary nisy olona maro be tonga foana avy tamin’ireo tanàna manodidina an’i Jerosalema. Nitondra ny marary sy ny nampahorin’ny fanahy maloto izy ireo, ary sitrana daholo izy rehetra.» (Asa 5:15,16) = Azon'ny aloka fotsiny dia sitrana ary tsy nisy mody maina!
Toy izao ny avy amin'i SATANA: Sady efa hanaovana teny maro nefa tsy ampy finoana hono ny sasany dia tsy sitrana.
Fanontaniana: Sitrana daholo ve ireo mankany amin’ny mpanao fanasitranana na toerana fanasinana?

- hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy:
Toy izao ny avy amin'Andriamanitra.
"Ary samy feno fanahy masina izy rehetra, ka niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, araka izay nampitenenan’ny fanahy azy... Koa ahoana no andrenesantsika azy miteny amin’ny fitenin-drazantsika avy? " Asa 2:4,8
Rehefa ‘niteny tamin’ny fiteny samihafa’ ireo Kristianina voalohany, dia nahazo izay nolazainy ny olona nahay ilay fiteny.
Ny avy amin'ny SATANA toy ny ankehitriny : Tsy misy azo

Avy amin'Andriamanitra : Resahin’ny Baiboly fa tokony hoferana ho roa na telo ny olona ‘niteny tamin’ny fiteny samihafa’ tao amin’ny fivoriana kristianina tamin’ny taonjato voalohany, ary tokony «hifandimby» izy ireo. Tokony hangina anefa izy ireo raha tsy nisy mpandika teny. (1 Kor. 14:27, 28)

Avy amin'i SATANA: Mandika an'io didin'Andriamanitra io.

- handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany Tsy asiako resaka satria tsy sahin'ireo olon'i SATANA ankehitriny.

Inona no antony nanaovana an'ireny taloha? Betsaka fa ity aloha ny iray:
Mba hanamporofoana amin'ny rehetra fa tsy ny jiosy taloha intsony no vahoakan'Andriamanitra fa ilay fiangonana vao niforina antsoina hoe ny lalana (Misy jiosy + hafa firenena). Porofo : Asa 19:11-20
Mbola ilaina hampahafantarana ny rehetra ve ankehitriny fa efa tsy jiosy irery intsony izao?

Inona no miandry ireo mpanao fahagagana mitovy amin'ilay an'i satana etsy ambony?
Manantena be izy ireo momba azy i Jesosy. Ho diso fanantenana izy ireo tsy ho ela satria hoy i Jesosy Maro no hilaza amiko amin’izany andro izany hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô, moa ve izahay tsy efa naminany tamin’ny anaranao, sy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao, ary efa nanao fahagagana maro tamin’ny anaranao?’ 23 Hotsoriko aminy anefa amin’izay fotoana izay hoe: Tsy fantatro mihitsy ianareo! Mialà amiko, ianareo mpandika lalàna. Matio 7: 21-23

Hafatra ho an'i rehetra ary!

1 Jaona 4:1: «Ry malala, aza mino izay fanambarana rehetra avy amin’ny fanahy, fa fantaro aloha raha avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ireny fanambarana ireny na tsia.»

TOKONY HO TONGA SAINA ISIKA REHETRA TSY HO VOAFITAKA. JEREO TSARA IREO TENIN'ANDRIAMANITRA IREO ARY AMPITAHAO AMIN'IZAY HITANAO SY JERENAO

17. Maranatha ( 30/07/2012 11:05)
-Inona no tena hamantarana fa tena Kristianina marina ny olona na fiangonana iray ?

Raha io fanontaniana io anie no mipetraka tsy isika no tokony hamaly azy e fa aleo ny soratra masina no hamaly azy tsara. tsy voatery ireo voalazan'ny Marka 16:17,18."Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy; handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny." Tsy ireono izy satria ny Tompo ihany no efa nilaza fa tsy izay manao aminy hoe tompoko tompoko no hiiditra ny fanjakan'ny lanitra fa izay manao ny sitrampon'ny Rainy. Tsy izay fiangonana na vondrona mifankatia ihany koa satria ny rehetra dia mety hahay hifankatia na tsy mpivavaka aza izy.

fa ny tena hahafantarana azy dia ny faminaniana hoan'ireo izay efa tonga any an-danitra:
Apok 7:13 Ary ny anankiray tamin'ny loholona* namaly ka nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy? [* Gr. presbytera]14 Fa hoy iraho taminy: Tompoko, ianao no mahalala. Dia hoy iry tamiko: Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry.15 Ary noho izany ny akanjony nosasany sy mitoetra eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman'alina eo amin'ny tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana dia hamelatra ny trano-lainy handrakotra ary.
sy ny Apok 20:4 Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona.
ireo no kristiana tonga any an-danitra dia izay nataon'ireo no tokony harahana raha te ho any. fa tsy hoe miteny amin'ny fiteny tsy fantatra sns... dia ho any daholo tsy fantatra na fanahy ratsy no mampiteny ilay olona dia ho any ve izy.
Mandiniha tsara fa efa nomena antsika ny piste hahatongavana any ny tsirairay sisa no manapaka ny anjarany na hanaraka na tsia. Izay no mahafitiavana an'A/tra mbola nomeny safidy isika. Mahereza
18. jojo3t ( 31/07/2012 04:25)

Tefigasy:

jojo3t:

Mazava ny lazain'ny baiboly fa hitsahatra ny fahaizana mahagaga, ary mazava koa ny antony nanomezany fahaizana ho an'ireo apostoly, mazava koa ny toetra mampiavaka ny tena nomena famantarana sy ny amin'zao fotoana zao, mazava be toy ny masoandro koa ny famantarana ny tena Kristiana lazain'i Jesosy ireo, ny asa lehibe indrindra hampiasana ny fanahy masina, na ahoana na ahoana dia io lazain'ny baiboly io

Hay tokoa moa efa manana baiboly hafa mihitsy ianareo vita avy amin'ny fandikan-teny "la traduction du nouveau monde " !. Tsy mahagaga raha izany no hitanao fa MAZAVA be ao anatin'ny bokinareo ao ! Fa ity misy teny ambara ao amin'ny baiboly nalaina avy tamin'ny teny fototra hebreo aramenianina :
Maraka.16:17-18 "Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy; handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny."
Jao.14:12 "Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mino Ahy , ny asa ataoko no hataony koa ; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy."
Apo 22 : 18 : "Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity : raha misy manampy ireo , Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra ato anatin'ity boky ity ho azy ;"
Hamafiso ihany ny fo, aza mety miova, fa hita miavaka eny foana ny amboadia sy ny tena ondry na dia samy mampiasa ny anarana kristianina daholo aza hatramin'ny mpaminany sandoka !

Marihiko amin'ny namana tefigasy aloha fa ny baiboly dia tsy azo hovaina, fa ny fandikan-tenin'ny tontolo vao2 dia mazava kokoa mba ahazoan'ny saram-bambem-bahoaka azy, ary ny andininy nomeko teto dia isan-karazany mba hanaporofoana fa iray ihany ny baiboly, fa dikan-teny baiboly katolika no tena betsaka nampiasaina teto.

Mampalahelo namana raha ireo famantarana nolazainao momba ny fananganana ny maty, Kristiana amin'zao fotoana zao ve dia mbola mino sy voafitaka toy izany ihany, ary ny anjara asan'i Jesosy amin'ny ho avy mihitsy no tsinontsinoavina amin'zany, tokony tsy hisy ho faty intsony raha izany no izy, enao koa zany tokony tsy harary sy ho faty intsony fa efa mahita izany mahay fahagagana zany, amim-pitiavana namana no hitenenana anao mba handinika sy handalina tsara ny tenin'Andriamanitra mba tsy ho ratsy fiafarana, ary rehefa dinihina ny teninao rehetra dia tsy ao aminao mihitsy ilay asa lehibe nandidian'i Jesosy ny mpianany dia ny asa fitoriana izay tena amantarana ny kristiana, fa variana amin'ny zavatra tsy lehibe sy tsy mamonjy aina enao.
19. Tefigasy ( 31/07/2012 06:26)
jojo3t:

Marihiko amin'ny namana tefigasy aloha fa ny baiboly dia tsy azo hovaina, fa ny fandikan-tenin'ny tontolo vao2 dia mazava kokoa mba ahazoan'ny saram-bambem-bahoaka azy, ary ny andininy nomeko teto dia isan-karazany mba hanaporofoana fa iray ihany ny baiboly, fa dikan-teny baiboly katolika no tena betsaka nampiasaina teto.

Aza afenipenina fa mazava be fa baiboly sandoka ny ""la traduction du nouveau monde " e. Omeko andalan-tsoratra ao anatin'io baiboly sandoka io ianao izay novaina tanteraka mba hanamarihana ny fotokevitr'ilay gourou mpitarika anareo ao izay FM :

Baiboly kristianina : Jaona 1:1 "Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra."

La traduction du nouveau monde : Jaona 1:1 "Tamin’ny voalohany dia teo ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia andriamanitra iray."

Natao io fanovana io mba hanohanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fandavany ny maha-Andriamanitra an’i Jesosy.

Baiboly kristianina : Kolosiana 1:16 "Fa tao Aminy no nahariana ny zavatra rehetra … Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany."

La traduction du nouveau monde : Kolosiana 1:16 "satria tamin’ny alalany no nahariana ny zavatra (hafa) rehetra … Nohariana tamin’ny alalany ny zavatra (hafa) rehetra, ary ho Azy."

Nampiana ilay teny hoe "hafa," izay nanjary nandiso ny tena heviny, mba hanohanana ilay fampianaran-dison’ny Vavolombelon’i Jehovah milaza fa anjely noforonina iJesosy.

Baiboly kristianina : Hebreo 1:8 "Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: Ny seza fiandriananao Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria."

La traduction du nouveau monde : Hebreo 1:8 "Fa ny firesahany ny amin’ny Zanaka kosa dia manao hoe: Andriamanitra no seza fiandriananao mandrakizay doria."

Nampifamadihan’ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny toeran’ny teny hany ka nanjary lasa diso ny heviny, mba hanafenana fa antsoina hoe Andriamanitra i Jesosy (Zanaka).

Tsy ho tapitra ity page ity raha ambarako eto daholo ireo teny rehetra novaina netin'ilay gourou-anareo mba handravana ny tena fivavahana kristianina !
20. didi10 ( 31/07/2012 07:52)
Jojo3T, Jajajaly, Tefigasy

Tsy hitondra anareo ho aiza ny ady hevitra momba ny fahafantarana an'Andriamanitra.
Averiko foana fa tsy mitovy ny olona mahalala an'Andriamanitra sy ny manana an'Andriamanitra.
Na haintsika tsianjery aza ny Baiboly, na mahavita fahagagana maro amin'ny anaran'i Jesosy aza isika dia tsy misy dikany izany raha tsy manana ny Fanahy Masina isika.

Miahazakazaha namana, maniria mafy handray ny Fanahy Masina, hiteny ny fitenin'ny Anjely fa tsy amin'ny saina, tsy amin'ny fahalalana, tsy amin'ny fampianaram-piangonana no ahafantarana ny tena Krsitiana fa izay manana Azy no tena kristiana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1673