Inona no tena hamantarana fa tena Kristianina marina ny olona na fiangonana iray ?
21. Tefigasy
(
31/07/2012 08:12)
didi10:
Miahazakazaha namana, maniria mafy handray ny Fanahy Masina, hiteny ny fitenin'ny Anjely fa tsy amin'ny saina, tsy amin'ny fahalalana, tsy amin'ny fampianaram-piangonana no ahafantarana ny tena Krsitiana fa izay manana Azy no tena kristiana.
Mazava be kosa angamba sady efa nambarako teny aloha fa raha tsy mandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy izay tsy eken'ny sasany dia tsy hahazo ny Fanahy Masina mihitsy. Ary noho izany dia tsy handray na hanana ireo famantarana eo ambony ireo.
22. didi10
(
31/07/2012 08:29)
Tefigasy:

Dia mbola mankahery anao hatrany aho aloha amin'ny fahazotoana mitarika ny sasany hamoha ny varavaran'ny fony mba hidiran'i Kristy izay mandondona eo ivelany.
Fa raha nandray Azy ho Tompo (Andriamanitra) sy mpamonjy ianao dia tafiditra ao amin'ny finoana. Mino ianao fa Jesosy kristy ilay Andriamanitrao dia mahavita zavatra tsy takatry ny saina, amin'ny anarany no ahazoana ny zavatra rehetra na inona na inona saingy tsy ampy hamonjena ny fanahinao ny fahagagana sy ny fahasoavana avy amin'i Jesosy fa mila manana ny Fanahiny hitoetra ao aminao ianao dia ny Fanahy Masina izany.
23. jojo3t
(
31/07/2012 08:40)
Tefigasy:Hono oà namana tefigasy, amim-pitiavana no hamaliako anao fa tsy fahatezerana toy ny ataonao sao tsy hiasa tsara eo ny fanahy, tsy fantatrao ve hoe noforonin'Andriamanitra i Jesosy, tsy hanome andininy ny tenako eto, fa tsy haiko hoe tsy hitanao ao amin'ny baiboly ve izany, ny maha-iray an'Andriamanitra sy Jesosy koa ve dia tsy azonao, sa tsy mba nandalina mihitsy enao, ary fantatrao koa ve fa ireo mpisorona iara-manjaka amin'ny Jesosy dia nolazainy fa iray ihany miaraka amin'izy sy ny Ray.
jojo3t:
Marihiko amin'ny namana tefigasy aloha fa ny baiboly dia tsy azo hovaina, fa ny fandikan-tenin'ny tontolo vao2 dia mazava kokoa mba ahazoan'ny saram-bambem-bahoaka azy, ary ny andininy nomeko teto dia isan-karazany mba hanaporofoana fa iray ihany ny baiboly, fa dikan-teny baiboly katolika no tena betsaka nampiasaina teto.
Aza afenipenina fa mazava be fa baiboly sandoka ny ""la traduction du nouveau monde " e. Omeko andalan-tsoratra ao anatin'io baiboly sandoka io ianao izay novaina tanteraka mba hanamarihana ny fotokevitr'ilay gourou mpitarika anareo ao izay FM :
Baiboly kristianina : Jaona 1:1 "Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra."
La traduction du nouveau monde : Jaona 1:1 "Tamin’ny voalohany dia teo ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia andriamanitra iray."
Natao io fanovana io mba hanohanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fandavany ny maha-Andriamanitra an’i Jesosy.
Baiboly kristianina : Kolosiana 1:16 "Fa tao Aminy no nahariana ny zavatra rehetra … Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany."
La traduction du nouveau monde : Kolosiana 1:16 "satria tamin’ny alalany no nahariana ny zavatra (hafa) rehetra … Nohariana tamin’ny alalany ny zavatra (hafa) rehetra, ary ho Azy."
Nampiana ilay teny hoe "hafa," izay nanjary nandiso ny tena heviny, mba hanohanana ilay fampianaran-dison’ny Vavolombelon’i Jehovah milaza fa anjely noforonina iJesosy.
Baiboly kristianina : Hebreo 1:8 "Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: Ny seza fiandriananao Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria."
La traduction du nouveau monde : Hebreo 1:8 "Fa ny firesahany ny amin’ny Zanaka kosa dia manao hoe: Andriamanitra no seza fiandriananao mandrakizay doria."
Nampifamadihan’ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny toeran’ny teny hany ka nanjary lasa diso ny heviny, mba hanafenana fa antsoina hoe Andriamanitra i Jesosy (Zanaka).
Tsy ho tapitra ity page ity raha ambarako eto daholo ireo teny rehetra novaina netin'ilay gourou-anareo mba handravana ny tena fivavahana kristianina !
Ny tsy fantatrao koa ngamba de izao, andininy vitsy milaza ny anaram-boninahitra nomena an'i Jesosy hoe andriamanitra no hitanao, fa ny tena toerany voalaza maro ao tsy hitanao, ny teniny mahakasika azy sy ny Ray tsy fantatrao? Ny tena tsy hitoviana hevitra eto dia izao : natao ivavahana ve i Jesosy?
Raha voavalinao mazava sy mivantana ara-baiboly ireto fanontaniana telo ireto : dia hivavaka amin'ny Jesosy iaraka aminao ny tenako :
Valio tsotra toy ny hametrahako azy ihany fa aza avily azafady :
1. Tomasy, niantso an'i Jesosy hoe andriamanitra, nivavaka tamin'i Jesosy ve izy ? Manomeza andininy.
2. Nilaza ve i Jesosy hoe izy no ivavahana fa tsy ny Ray ? Manomeza andininy.
3. Nilaza ve Andriamanitra hoe amin'i Jesosy mivavaka ianareo? Manomeza andininy.
Miandry valiny ny tenako fa maika hanaraka anao.
24. didi10
(
31/07/2012 09:07)
Jaona 6,44
44 Tsy misy olona mahay manatona Ahy raha tsy taomin'ny Ray Izay naniraka Ahy;
Mangataka mafy amin'i Jehovah aho mba ho tonga aminao izany antsony izany mba hahaizanao hanatona an'i Jesosy fa tsy misy mankany amin'ny Ray raha tsy amin'ny alàlany.
Tim I 4 : 1 - 16
[-4-] Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia, 2 amin'ny fihatsarambelatsihin'ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany,
Tsy haiko aloha ireto namana TJ ireto raha tao amin'i Jesosy vao niala na mbola tsy tao amin'i Jesosy mihitsy fa mampahery anareo aho fa sarotra ny mamafa izany fampianarana napetraka tamin'ny vy mahamay izany an!

25. Tefigasy
(
31/07/2012 09:15)
Tsy maninona fa avilintsika amin'ny lohahevitra ny resaka, nefa kosa aloha ambarako dia ety am-piandohana fa raha handika vilana ny ao anatin'ny baiboly kristianina toy ny mahazatra anareo sy toy ny ao amin'ny "la traduction du nouveau monde" dia afaka miteny irery eto ianao fa tsy ilaina akory ny mamaly anao toy ny nataoko tamin'ny lohahevitra sasany ato ireo.
Voalohany ary, aleo aloha hazavaina fa sao tsy azonao akory ny atao hoe "Vavaka". Ny vavaka dia resaka ataon'ny olona amin'Andriamanitra. Marihiko tsara hoe Andriamanitra fa tsy manavaka aho hoe ny Ray na ny Zanaka na ny Fanahy Masina . Tsy resaka mandeha ho azy anefa izany resaka izany, toy ny olona mifampiresaka: miteny ny iray dia mamaly ny iray fa tsy samy miteny ze tiany hotenenina akory dia avy eo tsy mifankahazo ny resaka. Miteny aloha Andriamanitra amin'ny alalan'ny teniny voaraikitra ao anaty baiboly, dia mamaly azy amin'ny alalan'ny vavaka ny mpanompony. Izany no atao hoe mivavaka amin'Andriamanitra, izany no fomba fivavaka amin'Andriamanitra fa mino aho fa tsy izany no ataon'ilay sefonareo any.
Faharoa: Andriamanitra ihany ny anay no hivavahana araka ny Apok.22:9 "Dia hoy izy tamiko : Tandremo , aza manao izao ; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ny mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny teny amin'ity boky ity ; Andriamanitra ihany no ivavaho ."
Dikan'izany dia izao, izay rehetra natsoina sy notenenina ao anaty baibolin'ny Kristianina fa Andriamanitra dia mendrika sy tokony hivavahana. Jesosy ve ? Andriamanitra mahery Izy, mendrika ny hivavahana sy omem-boninahitra (Isa 9 : 5). Ny Fanahy Masina ve, mbola Andriamanitra ihany koa izy ka tokony hivavahana (Jao.4:24) , ny Ray moa tsy ambarako intsony ny maha-Andriamanitra Azy rahateo
Fahatelo farany: tsy nilaza Jesosy hoe manaova ianao akanjo mafana rehefa mangatsiaka ny andro, tsy nilaza Jesosy hoe mihinana ianao vary, tsy nilaza Jesosy hoe misasa sy borosio ny nify rehefa avy misakafo. Be dia be ny teny tsy nolazain'i Jesosa ao anaty baiboly, saingy kosa mino aho fa na tsy nolazainy tamin'ny vavany aza izany, dia manao ireo tanisaiko ireo ianao ....
Saingy ireo ambarako anao eo ambony ireo dia nambaran'ireo iraka maro samihafa (mpaminany, apostoly, anjely, ...) voarakitra ao anaty baibolin'ny kristianina !
[color=green]
Farany: Raha tsy ateraka indray ianao, dia tsy ho hitanao mihitsy ny voninahitr'Andriamanitra, tsy hanaiky ireo voalazako ireo ianao satria tsy mbola omena anao ny Fanahy Masina, ary noho izany dia tsy handova ilay fiainana mandrakizay ! Koa manainga anao hatrany aho, tongava ao amin'i Kristy fa tsy hanenina ianao !
[color]

26. jojo3t
(
31/07/2012 09:32)
Tena tsy mahavaly fanontaniana na iray aza ny andininy omenao, sady izay indray adikanao vilana, ny isaia 9 : 5 dia tsy milaza mihitsy fa natao ivavahana i Jesosy na nantsoina hoe andriamanitra aza, ny jaona 4 : 24 indray dia vao mainka zava-doza no ilazanao azy, ny vatan'Andriamanitra fanahy esprits no lazainy eo fa tsy ny hery miasan'Andriamanitra fanahy masina, namana a, sao miteniteny foana enao.
27. Tefigasy
(
31/07/2012 09:37)

Averiko eto ity teniko ity izay efa nolazaiko teo ambony fa tsy hahagaga ahy mihitsy io valinteninao io.
Farany: Raha tsy ateraka indray ianao, dia tsy ho hitanao mihitsy ny voninahitr'Andriamanitra, tsy hanaiky ireo voalazako ireo ianao satria tsy mbola omena anao ny Fanahy Masina, ary noho izany dia tsy handova ilay fiainana mandrakizay ! Koa manainga anao hatrany aho, tongava ao amin'i Kristy fa tsy hanenina ianao !
28. jajajaly
(
31/07/2012 12:29)
Raha ny fahitako an'i Tfigasy aloha hatreto dia tsy hay hoe tezitra ve sa tsy mahazaka fahamarinana. Rehefa voaporofo ohatra fa i Jehovah no tokony hivavahana ary tokony ampitondraina an'i Jesosy, voaporofo ihany koa fa tsy ho any an-danitra daholo ny olomarina rehetra ma misy ireo handova ny tany sy ny sisa dia noforonina ity sujet ity mba hilazana fa any aminy ny fanahy masina (Manasitrana sns). Rehefa fantatra araka ny soratra masina indray anefa fa tsy mitovy amin'ny asan'ny fanahy masina hita tamin'ny taonjato 1 ny ataondry zareo amin'izao na ny endrika hisehoany izany na ny vokatra azo na ny fomba fiasan'ilay fanahy miasa ao amindry zareo ankehitriny dia miala bala indray miresaka ireo andin-teny naverin'ny TJ tamin'ny toerany rehefa nodisoavina tamin'ny taonjato 4 tany ho any taorian'ny Kristy. Azontsika porofoina daholo hoe iza no tena fandikan-teny tany amboalohany raha tianao, manampy anao hisaintsaina koa izany hoe tena tian'Andriamanitra ianao ka nomeny tombotsoa hahita ny fahamarinana na dia eto @ Forum aza.
Vita
Vita
29. Tefigasy
(
31/07/2012 13:04)
jajajaly:
Raha ny fahitako an'i Tfigasy aloha hatreto dia tsy hay hoe tezitra ve sa tsy mahazaka fahamarinana.
Tefigasy dia tsy mahazaka ny fanaovana tsinotsinona an'Andriamanitra sy ny baiboly ho fitaovana (adika vilana) entin'ny amboadia mitafy odin-janak'ondry handripahana ny ondry namany.
Noho izany indrindra no netiko mba handinihina kely hoe, inona marina moa no marika hanaraka ny tena kristianina, hiavahany amin'ireo amboadia ireo ! Ary hita mazava moa eto hoe iza no tena izy sy tsy izy!
jajajaly:
Rehefa voaporofo ohatra fa i Jehovah no tokony hivavahana ary tokony ampitondraina an'i Jesosy, voaporofo ihany koa fa tsy ho any an-danitra daholo ny olomarina rehetra ma misy ireo handova ny tany sy ny sisa dia noforonina ity sujet ity mba hilazana fa any aminy ny fanahy masina (Manasitrana sns). Rehefa fantatra araka ny soratra masina indray anefa fa tsy mitovy amin'ny asan'ny fanahy masina hita tamin'ny taonjato 1 ny ataondry zareo amin'izao na ny endrika hisehoany izany na ny vokatra azo na ny fomba fiasan'ilay fanahy miasa ao amindry zareo ankehitriny dia miala bala indray miresaka ireo andin-teny naverin'ny TJ tamin'ny toerany rehefa nodisoavina tamin'ny taonjato 4 tany ho any taorian'ny Kristy. Azontsika porofoina daholo hoe iza no tena fandikan-teny tany amboalohany raha tianao, manampy anao hisaintsaina koa izany hoe tena tian'Andriamanitra ianao ka nomeny tombotsoa hahita ny fahamarinana na dia eto @ Forum aza.
Vita
Anisan'ny fandikana vilany ataonareo amin'ny baiboly daholo ireo voatanisanao ireo ry jajajaly. Efa maro ny teny netin'ireo namana hafa (ny tenako dia ninia tsy nandray anjara tamin'ireo fanehoan-kevitra izay efa hita fa mivialana ataonareo fa ialana tsiny) nanazava taminareo saingy ny anareo moa dia izay lazain'i gourou ihany no iaingana fa tsy izay tena ambaran'ny baiboly, en plus tsy mahagaga hoy aho fa efa dika vilana ny baiboly ampiasainareo amin'ny "la traduction du nouveau monde"
Averiko ihany fa tsy misy tezitra akory eto fa ny tena mampalahelo ahy ary mbola hamaliako anao dia ny fahitako ny dianao mandeha any amin'ilay lalana faran'izay mahatsiravina dia tsy ny lalana mankany amin'ny fiainana fa ny fahafatesana raha mbola minia tsy mandray an'i Jesoa ho Tompo sy Andriamanitrao koa ianao ry jajajaly
30. jojo3t
(
01/08/2012 04:51)
Tefigasy:Lasa mivoana ny lohahevitra ary hita hoe miteny amim-pahatezerana ny sasany, fa zao, namana didi10 sy ny namana tefigasy, tsy mbola nisy na iray taminareo aza nahavaly ilay fanontaniana telo ery ambony momba ny ivavahana amin'i Jesosy, ka mba tsy hivoana sy hivily, valio raha mahita andininy milaza izany ianareo, ny hitako voavaly eo izao dia ny maha-mpanalalana an'i Jesosy fa tsy i Jesosy ivavahana, aiza ilay valin-teny mazava?
jajajaly:
Raha ny fahitako an'i Tfigasy aloha hatreto dia tsy hay hoe tezitra ve sa tsy mahazaka fahamarinana.
Tefigasy dia tsy mahazaka ny fanaovana tsinotsinona an'Andriamanitra sy ny baiboly ho fitaovana (adika vilana) entin'ny amboadia mitafy odin-janak'ondry handripahana ny ondry namany.
Noho izany indrindra no netiko mba handinihina kely hoe, inona marina moa no marika hanaraka ny tena kristianina, hiavahany amin'ireo amboadia ireo ! Ary hita mazava moa eto hoe iza no tena izy sy tsy izy!
jajajaly:
Rehefa voaporofo ohatra fa i Jehovah no tokony hivavahana ary tokony ampitondraina an'i Jesosy, voaporofo ihany koa fa tsy ho any an-danitra daholo ny olomarina rehetra ma misy ireo handova ny tany sy ny sisa dia noforonina ity sujet ity mba hilazana fa any aminy ny fanahy masina (Manasitrana sns). Rehefa fantatra araka ny soratra masina indray anefa fa tsy mitovy amin'ny asan'ny fanahy masina hita tamin'ny taonjato 1 ny ataondry zareo amin'izao na ny endrika hisehoany izany na ny vokatra azo na ny fomba fiasan'ilay fanahy miasa ao amindry zareo ankehitriny dia miala bala indray miresaka ireo andin-teny naverin'ny TJ tamin'ny toerany rehefa nodisoavina tamin'ny taonjato 4 tany ho any taorian'ny Kristy. Azontsika porofoina daholo hoe iza no tena fandikan-teny tany amboalohany raha tianao, manampy anao hisaintsaina koa izany hoe tena tian'Andriamanitra ianao ka nomeny tombotsoa hahita ny fahamarinana na dia eto @ Forum aza.
Vita
Anisan'ny fandikana vilany ataonareo amin'ny baiboly daholo ireo voatanisanao ireo ry jajajaly. Efa maro ny teny netin'ireo namana hafa (ny tenako dia ninia tsy nandray anjara tamin'ireo fanehoan-kevitra izay efa hita fa mivialana ataonareo fa ialana tsiny) nanazava taminareo saingy ny anareo moa dia izay lazain'i gourou ihany no iaingana fa tsy izay tena ambaran'ny baiboly, en plus tsy mahagaga hoy aho fa efa dika vilana ny baiboly ampiasainareo amin'ny "la traduction du nouveau monde"
Averiko ihany fa tsy misy tezitra akory eto fa ny tena mampalahelo ahy ary mbola hamaliako anao dia ny fahitako ny dianao mandeha any amin'ilay lalana faran'izay mahatsiravina dia tsy ny lalana mankany amin'ny fiainana fa ny fahafatesana raha mbola minia tsy mandray an'i Jesoa ho Tompo sy Andriamanitrao koa ianao ry jajajaly
31. jojo3t
(
01/08/2012 04:55)
Hanampiako ny voalaza etsy ambony dia izao, tsy zakan'i namana tefigasy ny mandre ny fahamarinana ka any amin'ny fandikan-teny no hamiliany ny resaka, toy ny efa natao hatrami'zay, dia aleo dikan-teny katolika na protestanta ary no andininy ampiasaina eto e, dia aza avily ntsony ny resaka rehefa tsy mahita havaly enao.
32. Jigs
(
01/08/2012 05:39)
Hono ho'ah ry Tefigasy, Vavolomben'i Jehovah mipetraka any an inona kay no nanazova anao an zany hoe: anjely novana izany i Jesosy???? Mba tiako ho ita izany olona izanya an. ianao koa aza angamba no tena tiko ho ita alohan izay olona izay, raha tinao.
Tefigasy:
jojo3t:
Marihiko amin'ny namana tefigasy aloha fa ny baiboly dia tsy azo hovaina, fa ny fandikan-tenin'ny tontolo vao2 dia mazava kokoa mba ahazoan'ny saram-bambem-bahoaka azy, ary ny andininy nomeko teto dia isan-karazany mba hanaporofoana fa iray ihany ny baiboly, fa dikan-teny baiboly katolika no tena betsaka nampiasaina teto.
Aza afenipenina fa mazava be fa baiboly sandoka ny ""la traduction du nouveau monde " e. Omeko andalan-tsoratra ao anatin'io baiboly sandoka io ianao izay novaina tanteraka mba hanamarihana ny fotokevitr'ilay gourou mpitarika anareo ao izay FM :
Baiboly kristianina : Jaona 1:1 "Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra."
La traduction du nouveau monde : Jaona 1:1 "Tamin’ny voalohany dia teo ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia andriamanitra iray."
Natao io fanovana io mba hanohanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fandavany ny maha-Andriamanitra an’i Jesosy.
Baiboly kristianina : Kolosiana 1:16 "Fa tao Aminy no nahariana ny zavatra rehetra … Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany."
La traduction du nouveau monde : Kolosiana 1:16 "satria tamin’ny alalany no nahariana ny zavatra (hafa) rehetra … Nohariana tamin’ny alalany ny zavatra (hafa) rehetra, ary ho Azy."
Nampiana ilay teny hoe "hafa," izay nanjary nandiso ny tena heviny, mba hanohanana ilay fampianaran-dison’ny Vavolombelon’i Jehovah milaza fa anjely noforonina iJesosy.
Baiboly kristianina : Hebreo 1:8 "Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: Ny seza fiandriananao Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria."
La traduction du nouveau monde : Hebreo 1:8 "Fa ny firesahany ny amin’ny Zanaka kosa dia manao hoe: Andriamanitra no seza fiandriananao mandrakizay doria."
Nampifamadihan’ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny toeran’ny teny hany ka nanjary lasa diso ny heviny, mba hanafenana fa antsoina hoe Andriamanitra i Jesosy (Zanaka).
Tsy ho tapitra ity page ity raha ambarako eto daholo ireo teny rehetra novaina netin'ilay gourou-anareo mba handravana ny tena fivavahana kristianina !
33. Tefigasy
(
01/08/2012 06:13)
Jigs:
Hono ho'ah ry Tefigasy, Vavolomben'i Jehovah mipetraka any an inona kay no nanazova anao an zany hoe: anjely novana izany i Jesosy???? Mba tiako ho ita izany olona izanya an. ianao koa aza angamba no tena tiko ho ita alohan izay olona izay, raha tinao.
Ny zavatra nambarako aloha ry jigs dia hoe :
Tefigasy:
Nampiana ilay teny hoe "hafa," izay nanjary nandiso ny tena heviny, mba hanohanana ilay fampianaran-dison’ny Vavolombelon’i Jehovah milaza fa anjely noforonina iJesosy.
Anjely noforonina hoy ny vavolombelona mandainga. Tsy hiteny aminao aho hoe jereo ny site web n'izareo (http://www.watchtower.org/mg/bh/article_04.htm) satria tsy mahasoa akory ny mijery izany site izany fa abaribariny ao ity teny ity hoe "Anjely tany an-danitra i Jesosy, ela be talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany."
Mikasika ny fikasanao hihaonana amiko, dia mety ho sarotsarotra ihany satria somary teritery ny fandahara-potoanako amin'izao fotana manakaiky fanadinana izao. Na izany aza anefa tsy mahasakana antsika tsy hifampizara ny tena tenin'andriamanitra akory izany, afaka mametraka mail eto ianao na numero de tel de afaka miantso anao aho raha ilainao izany !
34. didi10
(
01/08/2012 07:10)
Lasa mivoana ny lohahevitra ary hita hoe miteny amim-pahatezerana ny sasany, fa zao, namana didi10 sy ny namana tefigasy, tsy mbola nisy na iray taminareo aza nahavaly ilay fanontaniana telo ery ambony momba ny ivavahana amin'i Jesosy, ka mba tsy hivoana sy hivily, valio raha mahita andininy milaza izany ianareo, ny hitako voavaly eo izao dia ny maha-mpanalalana an'i Jesosy fa tsy i Jesosy ivavahana, aiza ilay valin-teny mazava?
OK
Vakio tsara ity andinin-teny ity namana:
Fil 2,5-11
5 Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa, 6 Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra, 7 fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona; 8 ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana. 9 Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, 10 mba ho AMIN'NY ANARAN'I JESOSY NO HANDOLIHAN'NY LOHALIKA REHETRA, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambanin'ny tany, 11 SY HANEKEN'NY LELA REHETRA FA JESOSY KRSITY NO TOMPO HO VONINAHITR'ANDRIAMANITRA RAY.
1- Jesosy talohan'ny naha-olombelona azy (And 5-6)
- Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita (Kol 1:15), ny Voninahitr'Andriamanitra oo amin'ny tavan'i Jesosy Kristy (Kor II, 4-6)
- Nitovy tamin'Andriamanitra (égale à Dieu)
2- Jesosy tonga olombelona (And 7-8)
- Nofoanany ny tenany, inona ilay tenany? ny maha-Tompo azy ka nakany ny endriky ny mpanompo manam-pitoviana amin'ny olona. Raha mitovy amin'ny olona izy dia maninona? mivavaka amin'ny Ray, manontany Azy ny tokony atao, ny lalàna tokony aleha sy ny sitrapoNy rehetra. Sanatria i Jesosy tamin'ny nitovy tamin'ny olona no hiteny hoe mivavaha amiko, satria noesorina tamiNY ny Voninahiny, ny maha-Andriamanitra azy.
3- Nasandratra Jesosy
- Raha oharina amin'ny miaramila nahavita mission dia nasondrotra grady izy ka mbola be Voninahitra kokoa noho ny teo aloha, ary nasaina nandohaliika amin'ny Anarany (Jesosy) ny lohalika rehetra na ety ambonin'ny tany, na any an-danitra na ny any ambanin'ny tany.
- Ny faneken'ny lelanao fa Jesosy Kristy no Tomponao dia ho Voninahitr'Andriamanitra, mazava ho azy fa faniratsirana an'Andriamanitra ny fandavanao an'i Jesosy ho Tomponao.
Amena!
35. jojo3t
(
01/08/2012 07:48)
didi10:Malahelo aho namana milaza aminao fa tsy voavalinao ny fanontaniana, mbola i Jesosy mpanalalana amin'ny Ray foana no omenao fa tsy izy natao ivavahana, efa notanterina foana tsy ny fiantsoana an'i Jesosy hoe Tompo na Andriamanitra no olana fa ny toerany amin'ny vavaka mihitsy, nemana grady izy, ary manaiky azy ny firenena rehetra ary na nandohalika teo antrehany ary ny rehetra, dia tsy milaza mihitsy izy fa izy no ivavahana, ary na ahoana na ahoana dia mifanohitra amin'ny teniny rehetra ao amin'ny baiboly ny hoe mivavaka aminy, tsy voavaly mihitsy namana ilay fanontaniana.
Lasa mivoana ny lohahevitra ary hita hoe miteny amim-pahatezerana ny sasany, fa zao, namana didi10 sy ny namana tefigasy, tsy mbola nisy na iray taminareo aza nahavaly ilay fanontaniana telo ery ambony momba ny ivavahana amin'i Jesosy, ka mba tsy hivoana sy hivily, valio raha mahita andininy milaza izany ianareo, ny hitako voavaly eo izao dia ny maha-mpanalalana an'i Jesosy fa tsy i Jesosy ivavahana, aiza ilay valin-teny mazava?
OK
Vakio tsara ity andinin-teny ity namana:
Fil 2,5-11
5 Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa, 6 Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra, 7 fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona; 8 ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana. 9 Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, 10 mba ho AMIN'NY ANARAN'I JESOSY NO HANDOLIHAN'NY LOHALIKA REHETRA, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambanin'ny tany, 11 SY HANEKEN'NY LELA REHETRA FA JESOSY KRSITY NO TOMPO HO VONINAHITR'ANDRIAMANITRA RAY.
1- Jesosy talohan'ny naha-olombelona azy (And 5-6)
- Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita (Kol 1:15), ny Voninahitr'Andriamanitra oo amin'ny tavan'i Jesosy Kristy (Kor II, 4-6)
- Nitovy tamin'Andriamanitra (égale à Dieu)
2- Jesosy tonga olombelona (And 7-8)
- Nofoanany ny tenany, inona ilay tenany? ny maha-Tompo azy ka nakany ny endriky ny mpanompo manam-pitoviana amin'ny olona. Raha mitovy amin'ny olona izy dia maninona? mivavaka amin'ny Ray, manontany Azy ny tokony atao, ny lalàna tokony aleha sy ny sitrapoNy rehetra. Sanatria i Jesosy tamin'ny nitovy tamin'ny olona no hiteny hoe mivavaha amiko, satria noesorina tamiNY ny Voninahiny, ny maha-Andriamanitra azy.
3- Nasandratra Jesosy
- Raha oharina amin'ny miaramila nahavita mission dia nasondrotra grady izy ka mbola be Voninahitra kokoa noho ny teo aloha, ary nasaina nandohaliika amin'ny Anarany (Jesosy) ny lohalika rehetra na ety ambonin'ny tany, na any an-danitra na ny any ambanin'ny tany.
- Ny faneken'ny lelanao fa Jesosy Kristy no Tomponao dia ho Voninahitr'Andriamanitra, mazava ho azy fa faniratsirana an'Andriamanitra ny fandavanao an'i Jesosy ho Tomponao.
Amena!
36. jojo3t
(
01/08/2012 08:27)
Tefigasy:Hono oà namana tefigasy, mailaka ery enao zany mandà an'ilay hoe Anjely koa i Jesosy, hita marina fa tsy hainao ny baiboly ary tsy nandalina enao ka mora aminao ny manenjika, ianaro aloha ny tenin'Andriamanitra vao manao resaka ara-panahy :
Jigs:
Hono ho'ah ry Tefigasy, Vavolomben'i Jehovah mipetraka any an inona kay no nanazova anao an zany hoe: anjely novana izany i Jesosy???? Mba tiako ho ita izany olona izanya an. ianao koa aza angamba no tena tiko ho ita alohan izay olona izay, raha tinao.
Ny zavatra nambarako aloha ry jigs dia hoe :
Tefigasy:Anjely noforonina hoy ny vavolombelona mandainga. Tsy hiteny aminao aho hoe jereo ny site web n'izareo (http://www.watchtower.org/mg/bh/article_04.htm) satria tsy mahasoa akory ny mijery izany site izany fa abaribariny ao ity teny ity hoe "Anjely tany an-danitra i Jesosy, ela be talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany."
Nampiana ilay teny hoe "hafa," izay nanjary nandiso ny tena heviny, mba hanohanana ilay fampianaran-dison’ny Vavolombelon’i Jehovah milaza fa anjely noforonina iJesosy.
Mikasika ny fikasanao hihaonana amiko, dia mety ho sarotsarotra ihany satria somary teritery ny fandahara-potoanako amin'izao fotana manakaiky fanadinana izao. Na izany aza anefa tsy mahasakana antsika tsy hifampizara ny tena tenin'andriamanitra akory izany, afaka mametraka mail eto ianao na numero de tel de afaka miantso anao aho raha ilainao izany !
Tsy fantatrao mihitsy ve hoe Arkanjely i Jesosy, izay antsoina hoe Mikaela ao amin'ny baiboly, anjely mahery noho ny anjely rehetra any an-danitra io Arkanjely io na hoe Mikaela, iantsoan'ny baiboly an'i Jesosy io, araho ny fanazavana :
Miseho indimy na inenina monja ao amin'ny baiboly io anarana hoe Mikaela io. Be voninahitra izy io, ary antsoina koa hoe "anankiray amin'ireo andriana lehibe", izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenena, ary "arikanjely", Daniela 10 : 13 ; 12 : 1 ; Joda 9, protestanta.
Resahin'ny 1 Tesaloniana 4 : 16 (prot) fa hibaiko "amin'ny feon'ny arikanjely" i Jesosy Kristy rehefa hanangona ny maty, ary lazain'ny Joda 9 fa i Mikaela io arkanjely io. Mety ve raha amin'ny feon'ny anjely ambany kokoa no hibaikoan'i Jesosy? I Jesosy Kristy ary ilay Mikaela arkanjely.
Resahin'ny Apoka 12 : 7,12 fa rehefa mahazo fahefana ho Mpanjaka i Kristy, dia hiady amin'i Satana i Mikaela sy ny anjeliny ka hanjera azy ety an-tany, voalaza ao fa hitarika ireo tafiky ny lanitra i Jesosy mba hiady amin'ireo firenena eto an-tany. Apoka 19 : 11-16.
Faharoa : enao ve dia tsy mahalala mihitsy fa noforonin'Andriamanitra i Jesosy :
Kolosiana 1 : 15, 16 : lazainy tsara ao fa i Jesosy no lahimatoa sy voalohan-teraka tamin'ny zava-boary rehetra, ary avy eo taminy no nahariana ny zava-drehetra, mazava tsara tsy mila hazavaina io.
I Jesosy no noforon'Andriamanitra voalohany indrindra, nanam-piandoahana izy, Andriamanitra irery no tsy nanam-piandohana voaresaka ao amin'ny baiboly.
Mandalina tsara namana mba tsy hiteniteny foana enao, ka hijoro vavolombelona mandainga, jereo tsara aloha ny vatan-kazo eo amin'ny masonao fa aza mijery ny sombi-kazo amin'ny hafa enao. Tsy tezitra akory ny tenako raha milaza io fa tiako hampieritreritra anao io.
37. Tefigasy
(
01/08/2012 08:51)
jojo3t:
......
Na ho tapitra ho tanisaiko eto daholo aza izay voalaza ao anaty baiboly ao dia sur 100% za fa tsy hanaiky izay voalaza ao ianao, satria tsy izay no ambaran'ilay gourou manome teny anareo. Ary averina foana fa raha mbola tsy mandray an'i Jesoa , miditra ao Aminy ianao dia tsy hahazo ny Fanahy Masina mihitsy , ary hanohitra hatrany ny fampianarana tsy misy kilema inianareo hadika vilana ao anaty baiboly !
Tsy handany andro hamaly anao eto intsony koa ny tenako fa efa hita miavaka ankehitriny ny ondry sy ny amboadia noho ireo famantarana misy eny amin'ny tsirairay avy.
Manao veloma mandrakizay an'i jojo3t sy ireo namany ao amin'ny vavolombelona mandainga, tsy hihaona intsony isika rehefa misaraka eto amin'ity tany ity, de toute les façons toerana samihafa no tanjontsika handehanana fa tsy mitovy rehefa mifarana izao fiainana mandalo eto izao.
TAPITRA
38. jojo3t
(
01/08/2012 09:27)
Tefigasy:Izay ve sisa ny teny azonao hambara namana tefigasy rehefa tsy hitanao intsony ny havaly amin'ilay fanazavana mazava ao amin'ny baiboly, tsoriko aminao aloha fa tsy tezitra mihitsy ny tenako ary enao dia mahatanteraka faminaniana ny amin'ny fanenjehana, tsy manao faran-teny toy ny ataonao kosa nefa ny tenako fa safidinao ny nisaraka, tsy asiako andininy intsony fa efa tsy tianao, fa lazaiko ihany ny voalaza hoe : ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako, sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana, ary farany dia ny hoe, tiavo foana ny fahavalonao ary mivavaha ho an'izay manenjika anao.
jojo3t:
......
Na ho tapitra ho tanisaiko eto daholo aza izay voalaza ao anaty baiboly ao dia sur 100% za fa tsy hanaiky izay voalaza ao ianao, satria tsy izay no ambaran'ilay gourou manome teny anareo. Ary averina foana fa raha mbola tsy mandray an'i Jesoa , miditra ao Aminy ianao dia tsy hahazo ny Fanahy Masina mihitsy , ary hanohitra hatrany ny fampianarana tsy misy kilema inianareo hadika vilana ao anaty baiboly !
Tsy handany andro hamaly anao eto intsony koa ny tenako fa efa hita miavaka ankehitriny ny ondry sy ny amboadia noho ireo famantarana misy eny amin'ny tsirairay avy.
Manao veloma mandrakizay an'i jojo3t sy ireo namany ao amin'ny vavolombelona mandainga, tsy hihaona intsony isika rehefa misaraka eto amin'ity tany ity, de toute les façons toerana samihafa no tanjontsika handehanana fa tsy mitovy rehefa mifarana izao fiainana mandalo eto izao.
TAPITRA
39. didi10
(
01/08/2012 09:53)
jojo3t:
Malahelo aho namana milaza aminao fa tsy voavalinao ny fanontaniana, mbola i Jesosy mpanalalana amin'ny Ray foana no omenao fa tsy izy natao ivavahana, efa notanterina foana tsy ny fiantsoana an'i Jesosy hoe Tompo na Andriamanitra no olana fa ny toerany amin'ny vavaka mihitsy, nemana grady izy, ary manaiky azy ny firenena rehetra ary na nandohalika teo antrehany ary ny rehetra, dia tsy milaza mihitsy izy fa izy no ivavahana, ary na ahoana na ahoana dia mifanohitra amin'ny teniny rehetra ao amin'ny baiboly ny hoe mivavaka aminy, tsy voavaly mihitsy namana ilay fanontaniana.
Efa fantatro ka, efa haiko fa tsy ho resy lahatra ianao.
Fitoriana ihany no ataoko satria izay no nanirahana ahy, fampahalala ihany no anjarako fa sarotra hoy aho ny mikiky izany fampianarana napetraka tamin'ny vy mahamay (Tim I 4,2)izany.
Andriamanitra ihany no tompon'ny fanapahan-kevitra na hiantso anao Izy na tsia satria tsy misy mahay manatona an'i jesosy raha tsy notaomin'Andriamanitra (Jaona 6,44).
40. jajajaly
(
01/08/2012 14:03)
Valin'ny lohahevitra? Toy ny nataon'i Jesosy sy ireo apostoly ihany .

Ialana tsiny raha tsy mety amin'ny didi10 ilay sary fa io no mahavaly ny lohahevitra