Nandray ny Fanahy Masina: ireto miteny amin'ny teny tsy fantatra ihany ve?

1. didi10 ( 27/07/2012 08:01)
Kor I 14 : 1 - 17
[-14-] Miezaha mitady ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny zava-panahy koa, indrindra fa ny haminany. 2 Fa izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny amin'olona, fa amin'Andriamanitra; fa amin'ny fanahy no itenenany zava-miafina, ka tsy misy olona mahalala; 3 fa izay maminany kosa miteny amin'olona ho fampandrosoana sy ho famporisihana ary ho fampiononana. 4 Izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny tenany; fa izay maminany kosa mampandroso ny fiangonana.

Mazava aloha eto fa misy karazany roa ny miteny amin'ny teny tsy fantatra:
1- Miresaka amin'Andriamanitra "de fanahy à Fanahy" (miakatra)
2- Ny maminany: mitondra ny hafatra avy amin'Andriamanitra (midina)

Asa 10,44
44 Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin'izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina. 45 Ary talanjona ny mino isan'ny voafora izay niaraka tamin'ny Petera, satria nilatsaka tamin'ny jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina. 46 Fa nandre azy niteny tamin'ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an'Andriamanitra izy.

Fa misy porofo hafa ve ahafantarana fa nandray ny Fanahy Masina ny olona iray?

novalian'i didi10 ny 02/08/2012 06:45
2. jajajaly ( 27/07/2012 08:58)


didi10
Fa misy porofo hafa ve ahafantarana fa nandray ny Fanahy Masina ny olona iray?



ENY NY VALINY
«Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin’ny mahantra izy, ary naniraka ahy hitory fanafahana amin’ny babo sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka sy handefa ny ory"
Lioka 4:18

" Fa hahazo hery kosa ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.» Asa 1:18

Voalaza fa «niantsoantso mafy» i Elizabeta rehefa nahazo ny fanahy masina. Mariho anefa fa tsy nanatrika fotoam-pivavahana izy tamin’izay, fa niarahaba ny havany tonga nitsidika azy fotsiny izy. (Lioka 1:41, 42) Milaza koa ny Asan’ny Apostoly 4:31 fa nilatsahan’ny fanahy masina ireo mpianatra. Ilay toerana nivoriany anefa no nihovotrovotra, fa tsy izy ireo no nangovitra na nihinjitrinjitra. «Nitory ny tenin’Andriamanitra tamim-pahasahiana» kosa izy ireo tamin’izay. Toy izany koa no porofo hafa ahalalana fa nahazo ny fanahy masina ny olona iray ankehitriny. Sahy mampahafantatra ny tenin’Andriamanitra izy sady mazoto mitory.

Valin'ny lohahevitra: Nandray ny Fanahy Masina: ireto miteny amin'ny teny tsy fantatra ihany ve?
TSIA
3. universal ( 27/07/2012 09:01)

didi10 - 27/07/2012 10:01
Kor I 14 : 1 - 17
[-14-] Miezaha mitady ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny zava-panahy koa, indrindra fa ny haminany. 2 Fa izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny amin'olona, fa amin'Andriamanitra; fa amin'ny fanahy no itenenany zava-miafina, ka tsy misy olona mahalala; 3 fa izay maminany kosa miteny amin'olona ho fampandrosoana sy ho famporisihana ary ho fampiononana. 4 Izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny tenany; fa izay maminany kosa mampandroso ny fiangonana.

Mazava aloha eto fa misy karazany roa ny miteny amin'ny teny tsy fantatra:
1- Miresaka amin'Andriamanitra "de fanahy à Fanahy" (miakatra)
2- Ny maminany: mitondra ny hafatra avy amin'Andriamanitra (midina)



Raha io lohahevitra napetrakao io no dinihina dia sarotra ny mamakafaka azy. Raha ny fijeriko aloha dia mbola tsy nahalala aho olona miteny amin'ny teny tsy fantatra hatramin'izao. Ny zavatra hitako dia ny adi-hevitra mikasika azy io ataon'ny olona amin'ny fitanisana toko sy andininy ihany, tsy misy ny ankoatr'izay.

Maro ny gasy miseho azy ho mpaminany, manahirana ny saiko ny mieritreritra an'izany satria Kristy dia efa nampitandrina antsika fa betsaka ny ho avy amin'ny anaraNY, nefa aza mino an'izany ianareo fa mpaminany sandoka daholo izy ireny... Malama vava daholo ny olona amin'izao fotoana izao raha ny fitanisana ny toko sy andininy no lazaina... Na izaho izao aza mba afaka ny hanao izany saingy honnétement tsy mety amiko ny manao zany satria ANDRIAMANITRA NO MAHALALA NY ATO AM-POKO NA DIA TSY MILOA-BAVA AZA AHO, fa tsy mila miteny amin'ny teny tsy fantatra aho (ilay lazainao hoe de fanahy à fanahy).


Asa 10,44
44 Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin'izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina. 45 Ary talanjona ny mino isan'ny voafora izay niaraka tamin'ny Petera, satria nilatsaka tamin'ny jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina. 46 Fa nandre azy niteny tamin'ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an'Andriamanitra izy.

Fa misy porofo hafa ve ahafantarana fa nandray ny Fanahy Masina ny olona iray?


Amiko manokana, ny fifandraisko amin'Andriamanitra dia ahy samirery, tsy iraisako amin'ny olona, satria ny fahasoavana dia samy manana ny anjara tandrify azy avy ny tsirairay. Ny tsirairay ihany no mahatsapa ny fahasoavana azony, mahatsapa ny fanahy masina voarainy ka izany tsy ilaina aderadera amin'ny olona ka ilazana fa izany no POROFO fa nandray izy. Amiko ny olona mampiseho porofo izany dia olona mieboebo, te hanandra-tena fa izy ihany no notahin'Andriamanitra ary mitaona ny olona hivavaka any aminy.

Ialàna tsiny fa mety ho hors sujet ny resako, tsy arakaraky ny nandrasanao fa fanehoan-kevitra fotsiny ihany ato amin'ny forum

4. Miharena ( 27/07/2012 09:02)
Fa maro ireo manitrikitrika fa raha tsy miteny amin''ny teny tsy fantatra dia tsy Fanahy Masina izay.

Sao dia mifanohitra amin'izany no tena izy aza? Izay miteny amin'ny teny tsy fantatra no tsy itoeraNY fa izay miteny amin'y teny mazava no tena itoeraNY?

5. jojo3t ( 27/07/2012 09:27)
Asa 1 : 8 : "Hahazo hery ... ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko... any amin'ny faritra lavitra indrindra amin'ny tany ianaoreo".

Io asa lehibe io no tena nasain'i Jesosy nataon'ny mpianany, vakio koa ny Matio 24 : 14, 28 : 19,20.

Ny porofo fa mahazo ny fanahy masina ny kristiana ankehitriny, dia manatanteraka ary be zotom-po amin'ny asa fitoriana ny vaovao tsara.

6. Miharena ( 27/07/2012 09:33)

Ny porofo fa mahazo ny fanahy masina ny kristiana ankehitriny, dia manatanteraka ary be zotom-po amin'ny asa fitoriana ny vaovao tsara.

Ary raha hoe tsy azo ilay Fanahy Masina fa mifoha ao ami'ny olona iray? Inona no fampianarana ataon'io olona io? Hilaza amin'ny namana ve izy hoe angataho ny FAnahy Masina sa hilaza izy hoe mifohaza ianao fa aza matory?
7. RBNIR ( 27/07/2012 09:50)
Faly miarahaba ny rehetra indray,
AM- PITIAVANA BE :
Tena mila fitandremana dia mila fitandremana namany isany ity lohahevitra ity.
« Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny ota sy fitenenan-dratsy* samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny fitenenan-dratsy* ny Fanahy Masina. » (Mat.12:31)
Diniho tsara ihany aloha an!
Samia ho tahin'ny Tompo ry namana isany,
8. bor2lais ( 27/07/2012 10:04)
didi10:

Mazava aloha eto fa misy karazany roa ny miteny amin'ny teny tsy fantatra:
1- Miresaka amin'Andriamanitra "de fanahy à Fanahy" (miakatra)
2- Ny maminany: mitondra ny hafatra avy amin'Andriamanitra (midina)

Raha ny fahazoako ilay tsimpona anefa dia ny 1. ihany no lazaina fa miteny amin'ny teny tsy fantatra, fa ny 2. kosa dia tokony ho fantatra izay tenenina ka ! ;-)

Amiko dia resaka "personnel" ilay 1. ka izay no tokony tsy ahafantaran'ny hafa azy (ilay atao ao amin'ny mangingina ohatra) ! ;-)

Eo amin'ilay 2. io indrindra, rehefa "tafita" ny hafatra dia ataoko fa niasa tao amin'ny mpandray azy (ilay nihaino) ny Fanahy Masina, nefa koa izany tsy milaza amiko fa tsy nandray ny Fanahy Masina ny nihaino ilay hafatra fa mety koa ny mpitondra no "nandiso" ny hafatra nentiny : io moa ilay antsoina izany eto hoe "mpaminany sandoka".

Marihina fa tsy milaza velively aho hoe ny hafatra rehetra tsy tafita dia diso daholo a ! Ny mpaminany mantsy ohatra toa tsy dia masina an-taniny loatra hono ! ;-)

Fomba fijeriko, ihany anefa ireo a ! :-)
9. didi10 ( 27/07/2012 10:08)

jajajaly:


ENY NY VALINY
«Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin’ny mahantra izy, ary naniraka ahy hitory fanafahana amin’ny babo sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka sy handefa ny ory"
Lioka 4:18

" Fa hahazo hery kosa ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.» Asa 1:18


Ireto andian-teny roa nomenao ireto dia mampiseho ny asan'ny Fanahy Masina rehefa avy nandray Azy, mahita ohatra betsaka afaka omena anao aho anefa fa tsy izay mazoto mitory ny vaovao mahafaly ny manana ny FanahiNY, ary tsy izay rehetra manana hery dia tonga tao aminy ny Fanahy Masina.

Amiko ny fahazoana ny Fanahy Masina dia tsy "sensation" anaty fotsiny hoe manana aho, misy moment Précis io fandraisana azy io ary misy seho ivelany eo am-pandraisana Azy, toa an'i Elisabeta resahanao etsy ambony.

jajajaly:


Voalaza fa «niantsoantso mafy» i Elizabeta rehefa nahazo ny fanahy masina. Mariho anefa fa tsy nanatrika fotoam-pivavahana izy tamin’izay, fa niarahaba ny havany tonga nitsidika azy fotsiny izy. (Lioka 1:41, 42) Milaza koa ny Asan’ny Apostoly 4:31 fa nilatsahan’ny fanahy masina ireo mpianatra. Ilay toerana nivoriany anefa no nihovotrovotra, fa tsy izy ireo no nangovitra na nihinjitrinjitra. «Nitory ny tenin’Andriamanitra tamim-pahasahiana» kosa izy ireo tamin’izay. Toy izany koa no porofo hafa ahalalana fa nahazo ny fanahy masina ny olona iray ankehitriny. Sahy mampahafantatra ny tenin’Andriamanitra izy sady mazoto mitory.



Tonga ary dia misy fanontaniana apetrako aminao manokana!
Efa nandray ny Fanahy Masina ve ianao? Oviana? ahoana ny fisehony?

10. didi10 ( 27/07/2012 10:27)

universal:

Raha io lohahevitra napetrakao io no dinihina dia sarotra ny mamakafaka azy. Raha ny fijeriko aloha dia mbola tsy nahalala aho olona miteny amin'ny teny tsy fantatra hatramin'izao. Ny zavatra hitako dia ny adi-hevitra mikasika azy io ataon'ny olona amin'ny fitanisana toko sy andininy ihany, tsy misy ny ankoatr'izay.


Izaho koa taloha tsy nanaiky ny fisian'ny asan'ny demony raha tsy nahita "exorcisation",
Sarotra tokoa ny maminavina izany hoe manao ahoana izany olona miteny amin'ny teny tsy fantatra izany raha tsy mahita aloha, tokony hanosika anao handalina momba ny Fanahy Masina sy ny fiteny amin'ny teny tsy fantatra anefa izany satria izay manana ny Fanahy Masina (voaisy tombokase) ihany no handova ny fiainana mandrakizay.

[quote=universal]
Maro ny gasy miseho azy ho mpaminany, manahirana ny saiko ny mieritreritra an'izany satria Kristy dia efa nampitandrina antsika fa betsaka ny ho avy amin'ny anaraNY, nefa aza mino an'izany ianareo fa mpaminany sandoka daholo izy ireny... Malama vava daholo ny olona amin'izao fotoana izao raha ny fitanisana ny toko sy andininy no lazaina... Na izaho izao aza mba afaka ny hanao izany saingy honnétement tsy mety amiko ny manao zany satria ANDRIAMANITRA NO MAHALALA NY ATO AM-POKO NA DIA TSY MILOA-BAVA AZA AHO, fa tsy mila miteny amin'ny teny tsy fantatra aho (ilay lazainao hoe de fanahy à fanahy).


Kor I 14,35
39 Koa amin'izany, ry rahalahiko, maniria fatratra ny haminany ary aza mandrara tsy hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra; 40 kanefa aoka ny zavatra rehetra hatao amin'ny fahamendrehana sy ny filaminana.

Miainga amin'ny faniriana io rahalahy, indraindray koa anie afangarontsika ny tena dikan'ny teny hoe maminany e! tsy hoe mamantatra ny ho avy foana akory fa rehefa ampitondrain'Andriamanitra hafatra ho an'ny Fiangonana dia efa maminany izay, mazava ho azy fa izay rehetra milaza faminaniana tsy tanteraka dia miteny ratsy ny Fanahy Masina satria mampandainga an'Andriamanitra.


[quote=universal]
Amiko manokana, ny fifandraisko amin'Andriamanitra dia ahy samirery, tsy iraisako amin'ny olona, satria ny fahasoavana dia samy manana ny anjara tandrify azy avy ny tsirairay. Ny tsirairay ihany no mahatsapa ny fahasoavana azony, mahatsapa ny fanahy masina voarainy ka izany tsy ilaina aderadera amin'ny olona ka ilazana fa izany no POROFO fa nandray izy. Amiko ny olona mampiseho porofo izany dia olona mieboebo, te hanandra-tena fa izy ihany no notahin'Andriamanitra ary mitaona ny olona hivavaka any aminy.

Ialàna tsiny fa mety ho hors sujet ny resako, tsy arakaraky ny nandrasanao fa fanehoan-kevitra fotsiny ihany ato amin'ny forum


Azoko tsara fa efa milaza manana ny Fanahy Masina ianao, fa mba misy fanontaniana tiako apetraka aminao raha tsy mahadiso.

Ahoana ny ahafantaranao fa efa nandray ianao?
11. didi10 ( 27/07/2012 10:31)

Miharena:

Fa maro ireo manitrikitrika fa raha tsy miteny amin''ny teny tsy fantatra dia tsy Fanahy Masina izay.

Sao dia mifanohitra amin'izany no tena izy aza? Izay miteny amin'ny teny tsy fantatra no tsy itoeraNY fa izay miteny amin'y teny mazava no tena itoeraNY?


Izahao toetra ny fanahy!!!
Efa nahita olona miteny amin'ny teny tsy fantatra aho rehefa nesorina devoly kanefa kosa aza manao catégorique hoe tsy izy izay rehetra miteny amin'ny teny tsy fantatra.
Manana faniriana namana a! mivavaha mafy, angataho ny Fanahy Masina sao dia mba hiteny amin'ny teny tsy fantatra koa ianao.
12. didi10 ( 27/07/2012 10:33)

RBNIR:

Faly miarahaba ny rehetra indray,
AM- PITIAVANA BE :
Tena mila fitandremana dia mila fitandremana namany isany ity lohahevitra ity.
« Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny ota sy fitenenan-dratsy* samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny fitenenan-dratsy* ny Fanahy Masina. » (Mat.12:31)
Diniho tsara ihany aloha an!
Samia ho tahin'ny Tompo ry namana isany,



Ny an'i RBNIR ny tahotra ny hiteny ratsy ny Fanahy Masina no tonga aloha, izaho anefa mino fa manana témoignage betsaka afaka entina amin'ity lohahevitra ity ianao.
13. didi10 ( 27/07/2012 10:37)

jojo3t:

Asa 1 : 8 : "Hahazo hery ... ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko... any amin'ny faritra lavitra indrindra amin'ny tany ianaoreo".

Io asa lehibe io no tena nasain'i Jesosy nataon'ny mpianany, vakio koa ny Matio 24 : 14, 28 : 19,20.

Ny porofo fa mahazo ny fanahy masina ny kristiana ankehitriny, dia manatanteraka ary be zotom-po amin'ny asa fitoriana ny vaovao tsara.


Be masony be loatra ity filtre nao ity ka tsy afaka hanavahana ny tena manana sy ny tsy manana.
Raisiko amintsika sy ianao fotsiny ny ohatra, izaho tsy hino velively fa manana ianao ary ianao tsy hino fa manana aho na dia samy mitory ny vaovao mahafaly aza, na iray ihany aza ny Baiboly ampiasaina saingy tsy mitovy ny fitoriana atao.
14. didi10 ( 27/07/2012 10:50)

bor2lais:


Raha ny fahazoako ilay tsimpona anefa dia ny 1. ihany no lazaina fa miteny amin'ny teny tsy fantatra, fa ny 2. kosa dia tokony ho fantatra izay tenenina ka ! ;-)
Amiko dia resaka "personnel" ilay 1. ka izay no tokony tsy ahafantaran'ny hafa azy (ilay atao ao amin'ny mangingina ohatra) ! ;-)

Eo amin'ilay 2. io indrindra, rehefa "tafita" ny hafatra dia ataoko fa niasa tao amin'ny mpandray azy (ilay nihaino) ny Fanahy Masina, nefa koa izany tsy milaza amiko fa tsy nandray ny Fanahy Masina ny nihaino ilay hafatra fa mety koa ny mpitondra no "nandiso" ny hafatra nentiny : io moa ilay antsoina izany eto hoe "mpaminany sandoka".

Marihina fa tsy milaza velively aho hoe ny hafatra rehetra tsy tafita dia diso daholo a ! Ny mpaminany mantsy ohatra toa tsy dia masina an-taniny loatra hono ! ;-)

Fomba fijeriko, ihany anefa ireo a ! :-)



Mbola tsy nahita maso ny firotsahan'ny Fanahy Masina ihany koa ny namana angamba.

Mazava fa ilay voalohany dia resaka entre -nao sy Andriamanitra (tena teny tsy fantatra io ary tsy misy mahalala) fa ny faminaniana kosa dia miteny amin'ny fiteny tsy fantatra ihany koa ilay olona fa :
- Na sady mandika teny izy no miteny amin'ny teny tsy fantatra
- Na olona hafa tsindrian'ny Fanahy Masina no mandika teny ilay faminaniana.

I Kor 14,27
27 Raha misy miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, dia avelao ho roa na telo, fa aza atao mihoatra noho izany, ka ampifanarakarahina; ary avelao hisy iray mandika teny. 28 Fa raha tsy misy mpandika teny, dia aoka izy hangina eo amin'ny fiangonana; fa aoka hiteny amin'ny tenany sy amin'Andriamanitra ihany izy. 29 Ary aoka ny mpaminany roa na telo no hiteny, fa aoka ny hafa hamantatra. 30 Fa raha misy tsindrian'ny Fanahy ao am-pipetrahana, dia aoka hangina kosa ny voalohany; 31 fa mahazo maminany tsirairay hianareo rehetra, mba hianaran'izy rehetra sy hamporisihana azy rehetra; 32 ary ny fanahin'ny mpaminany dia manaiky hozakain'izy mpaminany.




15. RBNIR ( 27/07/2012 11:53)

didi10:

Ny an'i RBNIR ny tahotra ny hiteny ratsy ny Fanahy Masina no tonga aloha, izaho anefa mino fa manana témoignage betsaka afaka entina amin'ity lohahevitra ity ianao.

Faly miarahaba namana,
Minitra maromaro no nianarako an'io, ary ny olona nampianatra ahy azy dia tsy NINO NY MARINA taloha, kanefa rehefa nampianarin'i Jesosy (mivantana) dia nazava taminy tsara ary hainy tsara ny nampita ilay izy ka na dia tena sarotra tokoa aza dia niaiky ny maro fa dia tena MARINA tokoa.
Aleo aho tsy andray anjara aloha fa SAROPADY ity resaka iray ity.
Samia ho tahin'ny Tompo namana
16. bor2lais ( 27/07/2012 13:03)
didi10:

Mbola tsy nahita maso ny firotsahan'ny Fanahy Masina ihany koa ny namana angamba.

Ny hoe nahita dia mbola tsy nahita maso tokoa ny tenako (mitarehy lelafo ohatra) saingy ny fahatsapana ny asaNY kosa dia eny : na dia teto amin'ity sehatra ity fotsiny aza dia imbetsaka no nahatsapako izany ! ;-)
Io koa moa ilay efa nolazaiko teto foana hoe samy manana ny fomba fiasany amin'ny tsi11 ny Fanahy Masina fa tsy ary hitovy daholo akory !
didi10:

Mazava fa ilay voalohany dia resaka entre -nao sy Andriamanitra (tena teny tsy fantatra io ary tsy misy mahalala) fa ny faminaniana kosa dia miteny amin'ny fiteny tsy fantatra ihany koa ilay olona fa :
- Na sady mandika teny izy no miteny amin'ny teny tsy fantatra
- Na olona hafa tsindrian'ny Fanahy Masina no mandika teny ilay faminaniana.

Marihiko fa niainga avy tamin'ilay tsimpona nomenao voalohany ny fanamarihana nentiko etsy ambony.
didi10:

Miezaha mitady ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny zava-panahy koa, indrindra fa ny haminany. 2 Fa izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny amin'olona, fa amin'Andriamanitra; fa amin'ny fanahy no itenenany zava-miafina, ka tsy misy olona mahalala; 3 fa izay maminany kosa miteny amin'olona ho fampandrosoana sy ho famporisihana ary ho fampiononana. 4 Izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny tenany; fa izay maminany kosa mampandroso ny fiangonana.


Na izany na tsy izany eo amin'ilay "mandika teny" no malina hatrany bor2lais e ! ;-) Ary tsy izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra rehetra akory dia ateliny (bor2lais io) avy hatrany izay lazainy : avy any "beria" mantsy i bor2lais ! :-)

Ahy manokana izay ka tsy voatery arahina ! :-)
17. Miharena ( 27/07/2012 14:31)
Raha manontany isika hoe oviana no nirotsahan'ny Fanahy Masina dia hoy aho hoe ilay fiasaNY mihitsy no tsy hitovy arakaraka ny olona tsirairay avy. Miombon-kevitra amin'y namana sasanay aho amin'izay.

Raha ny tenako manokana moa dia arakaraka ny nitadiavana AZY amin'y herin'ny saina no nanalaviraNY ahy. Hay IZY ao anaty no miasa fa tsy rantovina lavitra. Izaho tototry ny fitodihana teny ivelany no tsy nahita AZY sy ny fiasaNY.

Izy ity moa dia ny Fanahy iraisan'ny rehetra sy ahafahan'ny rehetra mifankahazo ary mifankahazo amin'Andriamanitra. Mila manana fisandratana lehibe nefa tsy hireharehana izany fisandrantana izany. Satria Andriamanitra miteny ao anaty mihitsy no Fanahy Masina ary amitaina amin'y olona ny fiasaNY.

Tsy ftenenana ihany na zavatra tsy takatry ny saina fa rehefa miasa IZY dia tsapa isaky ny ankehitriny iainana ary tsy miala satria tsy rantovina fa mifoha ao anaty.
18. lovetheos ( 28/07/2012 12:43)

universal - 27/07/2012 11:01
Raha io lohahevitra napetrakao io no dinihina dia sarotra ny mamakafaka azy. Raha ny fijeriko aloha dia mbola tsy nahalala aho olona miteny amin'ny teny tsy fantatra hatramin'izao. Ny zavatra hitako dia ny adi-hevitra mikasika azy io ataon'ny olona amin'ny fitanisana toko sy andininy ihany, tsy misy ny ankoatr'izay.

Maro ny gasy miseho azy ho mpaminany, manahirana ny saiko ny mieritreritra an'izany satria Kristy dia efa nampitandrina antsika fa betsaka ny ho avy amin'ny anaraNY, nefa aza mino an'izany ianareo fa mpaminany sandoka daholo izy ireny... Malama vava daholo ny olona amin'izao fotoana izao raha ny fitanisana ny toko sy andininy no lazaina... Na izaho izao aza mba afaka ny hanao izany saingy honnétement tsy mety amiko ny manao zany satria ANDRIAMANITRA NO MAHALALA NY ATO AM-POKO NA DIA TSY MILOA-BAVA AZA AHO, fa tsy mila miteny amin'ny teny tsy fantatra aho (ilay lazainao hoe de fanahy à fanahy).

Amiko manokana, ny fifandraisko amin'Andriamanitra dia ahy samirery, tsy iraisako amin'ny olona, satria ny fahasoavana dia samy manana ny anjara tandrify azy avy ny tsirairay. Ny tsirairay ihany no mahatsapa ny fahasoavana azony, mahatsapa ny fanahy masina voarainy ka izany tsy ilaina aderadera amin'ny olona ka ilazana fa izany no POROFO fa nandray izy. Amiko ny olona mampiseho porofo izany dia olona mieboebo, te hanandra-tena fa izy ihany no notahin'Andriamanitra ary mitaona ny olona hivavaka any aminy.


Tena mitombona tokoa ny voalazanao ary maha resilahatra ahy. Maro tokoa ny olona amin'izao fotoana izao mitonona ny tenany ho mpaminany sy nandray ny fanahy masina, saingy tena izany tokoa ve satria i Kristy dia efa nampitandrina antsika araky ny voalazanao.

Mankasitrak'e
19. jojo3t ( 30/07/2012 03:35)

didi10:


jojo3t:

Asa 1 : 8 : "Hahazo hery ... ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko... any amin'ny faritra lavitra indrindra amin'ny tany ianaoreo".

Io asa lehibe io no tena nasain'i Jesosy nataon'ny mpianany, vakio koa ny Matio 24 : 14, 28 : 19,20.

Ny porofo fa mahazo ny fanahy masina ny kristiana ankehitriny, dia manatanteraka ary be zotom-po amin'ny asa fitoriana ny vaovao tsara.


Be masony be loatra ity filtre nao ity ka tsy afaka hanavahana ny tena manana sy ny tsy manana.
Raisiko amintsika sy ianao fotsiny ny ohatra, izaho tsy hino velively fa manana ianao ary ianao tsy hino fa manana aho na dia samy mitory ny vaovao mahafaly aza, na iray ihany aza ny Baiboly ampiasaina saingy tsy mitovy ny fitoriana atao.
Marina ny teninao hoe be masony, miseho amin'ny endriny samihafa ny fahazoana ny fanahy masina, ary dia mila angatahina amim-bavaka fa tsy tonga ho azy ao aminao, ny fitoriana no nolazaiko satria io no asa lehibe indrindra sy nasain'i Kristy natao amin'zao fotoana izao zai vao manaraka ny sisa, porofo namana fa manana ny fanahy masina enao dia izao, tokony ho hita amin'ny asa fitoriana ireto : ny fitoriana ataonao dia miorina amin'ny baiboly irery ihany, manova olona mba ho tsara fiton-dratena sy hanana fahalalana marina ka hanafaka azy amin'ny fampianaran-diso, miely maneran-tany ny fitoriana ataonao na dia maro aza ny fanoherana ary tsy mitsahamitombo ny olona manolo-tena hanao ny sitrapon'Andriamanitra rehefa avy nahalala tsara ny baiboly, tsy vita io raha tsy manana fanahy masina enao, be zotom-po enao ary mifanaraka amin'ny zavatra torinao ny fiton-dratenanao.
20. jajajaly ( 30/07/2012 06:08)

didi10
Tonga ary dia misy fanontaniana apetrako aminao manokana!
Efa nandray ny Fanahy Masina ve ianao? Oviana? ahoana ny fisehony?


Efa voavaly!!!

jajajaly
Toy izany koa no porofo hafa ahalalana fa nahazo ny fanahy masina ny olona iray ankehitriny. Sahy mampahafantatra ny tenin’Andriamanitra izy sady mazoto mitory.


Fa izao, mba misy afaka milaza ve eto hoe ahoana ny fisehoan'ny fitenenana tsy fantatra ankehitriny. Efa nisy nahita ve, Ma tantarao kely!!!
Faharoa. Inona moa no antony nitenenana ny fiteny tsy fantatra tamin'ny taonjato voalohany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1142