Nandray ny Fanahy Masina: ireto miteny amin'ny teny tsy fantatra ihany ve?
41. didi10
(
01/08/2012 09:44)
Moa ve ny batisan' ny Fanahy Masina ho an' ireo Apostoly na ireo mpianatra
voalohany ihany ?
Moa ve olona voafidy vitsivitsy ihany no mahazo azy amin' izao fotoana
izao ?
TSIA.
Nambaran' ny Apostoly Petera mazava tsara tamin' ny hafany tamin' ny
Andro Pentekosta, fa ny fanomezana - dia ny Fanahy Masina – dia ho an' ny olona rehetra
: "Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin' ny. anaran' i Jesosy Kristy hianareo rehetra
mba hahazofamelana ny helokareo ; ary hianareo handray ny fanomezana dia ny Fanahy
Masina : fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an' izay rehetra lavitra na iza
na iza hantsoin' i Jehovah Andria- mani-tsika hanatona .Azy" (Asa 2: 38, 39). Ny
fankatoavantsika an' i Jesosy Tompo sy ireo tenin' ny Filazantsarany no ahatsapantsika
izany fahatspana mahafaly indrindra izany. "Koa amin' ny fifaliana no hantsakanareo rano
amin' ny loharanom-pamonjena" (Isaia 12 : 3).

42. jojo3t
(
02/08/2012 03:47)
didi10:Rehefa miresaka amin'Andriamanitra enao namana didi10, dia tsy mila miteny tsy fantatra fa ny fiteninao ihany, amin'ny alalan'ny vavaka no iresahanao aminy, satria ny vavaka dia asainy ataonao mandrakariva, ary rehefa mivavaka enao dia tokony hangataka ny fanahy masina, nampirisihany hangataka an'io foana ny mpanompony, ary ny fanahy masina dia mahazo azy ny olona rehetra ankasitrahany sy mangataka aminy, tsy hoe mahazo fanahy masina enao dia lasa mahay zava-mahagaga, ka raha tsy mahay izany dia lasa manao hoe tsy nandray fanahy masina, fantaro ny zava-dehibe indrindra ilàna io fanahy masina amin'zao fotoana zao.
I kor 14,2
Miezaha mitady ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny zava-panahy koa, indrindra fa ny haminany2 Fa izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny amin'olona, fa amin'Andriamanitra; fa amin'ny fanahy no itenenany zava-miafina, ka tsy misy olona mahalala.
Tsy ho azonao na oviana ny dikan'ny teny voasoratra io raha tsy efa mandray ny Fanahy Masina ianao ka miteny amin'ny fiteny tsy fantatra.
Maniria namana a! mbola afaka miresaka amin'Andriamanitra ianao (ny fanahinao) fa aza manaiky adalain'ny fampianaran-diso.
43. didi10
(
02/08/2012 06:45)
Tsara raha mazoto mivavaka ianao, mila miavavaka tokoa isan'andro isan'alina, fa anisan'ny vavaka tokony hatao ny fangatahana ny Fanahy Masina.
Ny fitenenana amin'ny teny tsy fantatra dia porofo fotsiny fa tonga taminao ny Fanahy Masina, tsy midika izany hoe isaky ny mivavaka ianao dia hiteny amin'ny teny tsy fantatra foana satria tsy teny hainao izany, tsy amin'ny saina fa amin'ny fanahy hoy ny teny.