Nofo ve mira fanahy?

41. jojo3t ( 26/07/2012 03:38)

jojo3t:


didi10:

Tsy novalianao ilay hoe: Taranak'iza amin'ny zanak'Israely ianao na ireo voatondron'olombelona ho isan'ny 144000? efa nanazava ianao fa efa lasa Israely ampanahy ny hafa firenena kanefa ilay ao amin'ny Apok 7,5 dia nitanisa fa 12000 avy amin'i Joda, 12000 avy amin'i Benjamina...


Efa nolazaina ombieny ombieny fa ny fanahy masina, hery miasan'Andriamanitra no miasa ao anatintsika, io le nesoriny tamin'ny Saoly rehefa tsy nankato azy intsony izy, olona ankasitrahan'Andriamanitra no itoeran'io fanahy io na hoe miasa ao aminy io.



tsy haiko hoe toko sy andininy taiza no misy izany fanahy masina herimiasan'Andriamanitra izany!!!
"Andriamanitra dia Fanahy", izany hoe ny Fanahy Masina no mandrafitra an'Andriamanitra, "izay mivavaka amin'Andriamanitra dia mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana" , raha mivavaka ianao dia tsy amin'ny nofo na amin'ny saina fa amin'ny fanahy, ny fanahinao sy ny Fanahy Masina no mifampiresaka rehefa mivavaka. Ny Fanahy Masina izay omeny ny oloNy ho fanomezana dia singa avy Aminy (Une partie de lui)ka izay tsy manana io dia tsy Azy. (Rom 8,9)

Jaona 4,23

23 Fa avy ny andro sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. 24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.

Io Fanahy Masina io ihany koa no manazava ny teny hoe
Jao 14,10 : Izaho ao amin'ny Ray ary ny Ray ato amiko.
Satria Jesosy dia nohariana avy amin'ny Fanahy Masina avy ao amin'ny Ray.
Jao 10,30: Izaho sy ny Ray dia iray ihany.
Satria Fanahy iray ihany no mandrafitra Azy dia ny Fanahy Masina.

Hovaliako eto ny taranak'Israely sy ny fanahy masina fa araho tsara :

Jiosy ara-nofo daholo ve ireo 144000 ?

Apokalipsy 7 : 4-8 : "Reko ny isan'...... (Tsy ny fokon'ny Israely ara-nofo ireo, satria tsy nisy ny hoe fokon'i Josefa. tsy voalaza eo koa ireo foko'i Efraima sy Dana. Ary voatokana hanompo tao amin'ny tempoly ny Levita tsy nisaina ho anisan'ireo foko 12. Jereo ny Nomery 1 : 4-16.)

Vakio koa ny Romana 2 : 28, 29 ary ny Galatiana 3 : 26-29 : ho avy amin'ny olona rehetra no hakana azy ireo fa tsy misy hoe Jiosy na Israely.

Eo koa ny Romana 9 : 6, 16 : "Tsy izay rehetra avy amin'ny Israely no tena "Israely"... Tsy miankina amin'izay maniry na amin'izay mihazakazaka ary izany, fa miankina kosa amin'Andriamanitra izay mamindra fo".

Ka fanontaniana sady mampieritreritra no mihantona inty ? Ny Apostoly Paoly no anisan'ny apostoly be zotom-po indrindra voaresaka ao amin'ny baiboly, ary anisan'ireo voahosotra 144000 ho any an-danitra, mba valio hoe Avy aiza no nipoiran'i Paoly, foko avy aiza izy? Homeko sopapa enao alou fa tsy avy amin'ny fokon'Israely velively izy.

Ny dikan'zany dia zao : aza mihanina amin'ny andinin-teny iray namana fa jereo foana ny teny manodidina, ary mila halalinina ny baiboly fa tsy tsongoina fotsiny, fa tsy maharaka mihitsy raha izany no izy. Ary efa nolazaiko anao foana fa, izaho alou no hitako fa tsy ny hafa, tsy anisan'io 144000 io tenako, aller retour be iny fanontanianao iny.

Ny fanahy masina :
Mampalahelo be namana raha enao hoe mandalina ny baiboly no tsy hahalala hoe hery hampiasain'Andriamanitra ny fanahy masina, hafangaronao le izy, hampiako le Romana lazainao ao amin'ny Asan'ny Apostoly 2 : 17 : homeko ampahany amin'ny fanahiko izy... io no mahatonga anao tsy ahalala fa hery miasa ny fanahy masina fa hoe ampahany amin'ny vatana mandrafitra an'Andriamanitra.

Zao namana, efa nolazainao fa Andriamanitra dia fanahy, ny vatany dia fanahy esprits mitovy amin'ny an'i Jesosy sy ireo anjely maro be any an-danitra, tsy ampahany velively amin'ny vatany ny fanahy masina fa hery, hazavaiko eto ambany :

Enao io dia manana hery ao anatinao ao, tsy ampahany amin'ny vatanao io fa hery tsy hita maso, io no ahafahanao manao zavatra, sy hanatanterahanao ny zava-drehetra ataonao, toy izany ny fanahy masina, maro be ny andininy mampiseho ato fa vitsy2 ihany no omeko :

Vao manomboka ny baiboly dia izao :
Genesisy 1 : 1,2 : "Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. 2 Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny aizina nanarona ny hantsana ary ny fanahin'Andriamanitra nisonenika tambonin'ny rano, tsy ny ampahany vatany mihitsy no nalefany tety fa ny fanahy masina, na ilay hery hampiasainy, mety hozy enao hoe tsy milaza fanahy masina izy eo fa fanahy fotsiny, araho ny tohiny.

Hampisainy amin'ny zavatra rehetra kasainy hatao io fanahy masina io, Asan'ny Apostoly 2 : 4 : "Samy feno fanahy masina izy rehetra ka niteny tamin'ny fiteny samy hafa, niendrika lel'afo ny fanahy masina tamin'ny pentekosta 33, rehefa nilatsaka tamin'ireo mpianatra, nampiasain'Andriamanitra hanampiana azy ireo ny heriny na ny fanahy masina, fa tsy hoe ny ampahany tamin'ny vatany.

2 Timoty 3 : 16, 17 : "Ny soratra masina dia avy amin'ny herin'ny fanahy masin'Andriamanitra", nampiasa ny fanahy masina Andriamanitra mba ahafahan'ireo mpanoratra hanoratra ny baiboly.

2 Korintianina 12 : 4-11 : "fanahy iray ihany no nampiasain'Andriamanitra tamin'izy rehetra dia ny fanahy masina, na mpaminany, na mpanasitrana, na mpampianatra sns..." Io fanahy masina io no nampiasain'Andriamanitra hatramin'ny famoronana ka hatramin'zao mbola iainantsika izao, na i Jesosy aza nomena an'io hery io tamin'izy teto an-tany : araho ny tohiny.

I Jesosy mihitsy no milaza eto hoe inona le fanahi'Andriamanitra nampiasainy, ampahany tamin'ny vatan'Andriamanitra sa fanahy masina :
Matio 12 : 22-31 : Vakio tsara inty : "Namoaka demonia i Jesosy, nefa nolazain'ireo Fariseo fa avy amin'ny demonia ihany no namoahan'i Jesosy ilay demonia, dia nilaza Jesosy eo amin'ny andininy 28 hoe : "avy amin'ny alalan'ny fanahin'Andriamanitra no namoahany ilay demonia", dia hazavainy eo amin'ny andininy faha-31 amin'zay hoe, ny fanahy masina io fanahin'Andriamanitra notevatevain'ny fariseo io, ka tsy hahazoan'izy ireo famelan-keloka intsony.

Tsy haiko hoe inona no iantsonareo an'io fanahy masina io, mazava tsara aminao ngamba zao ny maha-hery miasan'Andriamanitra ny fanahy masina eo, na ny mpamaky aza tsy ho sarotra aminy mihitsy ireo andininy ireo, zai no hilazako foana hoe halalino namana ny baiboly fa zany ve de tsy hitanao tao amin'ny baiboly mihitsy.

Misy ahitsiko le voalaza eo ambony mahakasika an'i Paoly, amim-panetretena no ilazana fa diso le mahakasika an'i Paoly eo, mifamadika amin'ny tokony holazaina, i Paoly dia anisan'ny taranak'Israely, Jiosy izy, saingy kosa nizaka ny zom-pirenena Romanina, fa i Kornelio no anisan'ny voalohany tamin'ny hafa firenena vohahositry ny fanahy ho mpisorona iaraka amin'ny Kristy na ireo 144000.
42. didi10 ( 26/07/2012 07:34)
Mba omeo eto hoe rahalahy ny lisitry ny olona voaisy tombon-kase taorian'i Kornelio sy talohan'ny nitsanganan'ny Tilikambon'ny Fiambenana?
43. jojo3t ( 26/07/2012 08:29)
Msotra anao amin'ilay fanontaniana, tsy afaka hanome anao ny lisitry ny voaisy tombon-kase ny tenako afa-tsy zai voalaza ao amin'ny baiboly, afaka mandalina enao ny amin'zai, ny ankoatr'zai, zava-dehibe io, ary tsy kilalao, ka ny tsirairay ihany no mahafantatra fa isan'ny voaisy tombon-kase izy, azy sy Andriamanitra irery ihany zany, ny fantatro alou dia tsy ao ny tenako, miala-tsiny raha tsy mahafa-po anao ny valin-teniko fa zai no azoko hambara ny amin'io.
44. Ranyah ( 29/08/2012 21:36)
Nofo ve égal fanahy => Réponse non

Isika dia FANAHY ( le tena ianao ) misy AINA ( ao no mipetraka ny état d'esprit-nao, sentiments .... feelings rehetra ) mifono VATANA ( le hitanao @ fitaratra isanandro)

Raha namorona olona Atra jereO

Geneisy 1 : ary Atra namorona olona mitovy ...
Genesisi 2 ary ATRA namorona olona ///

iza ary le voalohany de iza le faharoa ( nefa adama ihany io rsahana io

Genesisy 1 : le fanahy aloa no noforoniny ary nasiany aina
Genesisy 2 : fonosiny vatana amzay le fanahy ( satria NOFO = CORPS no VISA-nao ahafahanao mipetraka eto an-tany)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0345