Nofo ve mira fanahy?

21. didi10 ( 16/07/2012 14:06)
Ezek 18,4
4 Indro, Ahy ny fanahy rehetra: toy ny fanahin'ny ray, dia toy izany koa ny fanahin'ny zanany; samy Ahy ireny; ny fanahy izay manota no ho faty.

Izay fanahy manota tokoa dia ho faty ary hitsangan-ko velona amin'ny Batisan'ny fibebahana ho zanak'Andriamanitra handova ny fiainana mandrakizay.
22. jojo3t ( 17/07/2012 04:32)
Mazava tsara io Ezekiela io, ho faty ny fanahy(âme) izay manota, ny toetry ny maty mihitsy no mila fantarina aloha hoe ahoana no ilazan'Andriamanitra azy zay vo afaka manatsoaka hevitra isika :

Mpitorinteny 9 : 10 sy ny Salamo 6 : 5 ary ny Salamo 146 : 4 : vakio ireo andininy ireo fa lazainy tsara ao fa tsy mahalala na inona na inona ny maty, ary foana androtr'iny ahafatesany iny ny eritreriny sy ny fikasany rehetra, ary tsy afaka manao na inona na inona intsony izy.

Raha lasa fanahy esprit anefa ilay olona maty, mazava ho azy, tsy azo iadian-kevitra fa mbola afaka mieritreritra tsara izy, afaka manao zavatra, ary mahatsiaro tena tsara, ka ahoana ? Tsy mifanipaka be amin'ny voalazan'ny Mpamorona ve izany ? Azo saintsainina tsara izany.

Ahoana indray ity ?

Déoteronomia 18 : 10-12 sy ny Levitikosy 19 : 31 :
Mandidy mihitsy eto ny baiboly hoe "aza mankany amin'ny mpamoha angatra" ary lazainy ao fa maharikoriko sy fahavetavetana eo imason'Andriamanitra ny fanaovana izany. Inona no tiantsika tsoahina eto ?

Raha Andriamanitra fitiavana sy tsara fanahy ve izy dia hanakana antsika tsy hifandray amin'ny havantsika ?

Fantatr'Andrimanitra tsara fa i Satana devoly sy ny demonia no miezaka mamitaka ny olona sy ao ambadik'ireny mpamoha angatra ireny, ary maka ny endriky ny maty ka tonga mino ny olona hoe tsy maty ny olona fa manana fanahy tsy hita maso na hoe angatra, tsara fanahy izy, ka manakana antsika ao amin'ireo andinin-teny ireo mba tsy ho any ka ho voaloton'ny zava-maharikoriko toy izany.


Diniho ny tantaran'i Saoly Mpanjaka teo amin'ny Isaraely, ao amin'ny I Samoela 28 : 1-25, tamin'izany no efa nisy ny mpamoha angatra, ary fantatri Saoly tsara fa tsy azo atao, ary fandikana ny lalàn'Andriamanitra ny fankanesana tany, amin'ny maha Mpanjaka azy, dia nandidy sy nandroaka ireny mpamoha angatra ireny hiala teo amin'ny Israely izy, tamin'ny fomba ahoana anefa no nahavoafitaka an'i Saoly ? Noho ny tahotra :
Voalaza ao fa maty i Samoela ary nalevina, tonga hanafika ny Israely anefa ny filistina ka raiki-tahotra mafy i Saoly, rehefa nanontany an'Andrimanitra izy dia tsy namaly azy Andriamanitra, marihina fa efa i Davida no sitrak'Andriamanitra handimby an'i Saoly tamin'izany fotoana izany, noho i Saoly nanao fahadisoana 2 izay nanalan'Andriamanitra ny fanahiny tsy hiasa amin'ny Saoly intsony, ary i Saoly koa dia nitady izay hamonoana an'i Davida foana, rehefa tsy namaly azy ary Andriamanitra, dia nandeha nankany amin'ny vehivavy mpamoha angatra i Saoly.
Niresaka tamin'ny Samoela efa maty izy rehefa tonga tany, iza anefa raha ny marina ilay Samoela tonga niresaka tamin'i Saoly, efa voalaza tery aloha fa maty i Samoela ary Nalevina tao Rama, i Satana devoly no naka ny endriky Samoela rehefa nantsoin'ilay mpamoha angatra ka niresaka tamin'i Saoly, efa fantatri Saoly fa tsy tokony ho any izy, nefa mbola nankany ihany noho ny tahotra ka loza ny vokany, ary tsy nanampy azy Andriamanitra.
23. Miharena ( 17/07/2012 12:02)
Ohatra iray milaza ny hoe aza any amin'ny maty no mitady famonjena na mila hevitra io voalaza momba an'i Saoly io. Andriamanitra tsy manampy izay mitady hery any amin'ny hafa. Efa nomena ny talenta ny tsirairay izay hery avy amin'Andriamanitra ary anjarantsika no mampitombo izany.

Io no herin'ny fanahy.

Ny mahatonga ny fanahy ho faty dia noho ny tsy fampitomboana io talenta io ataon'ny olona.

Fa ny lohahevitra milaza hoe nofo ve mira fanahy, dia lavina amin'io resaka io ary ilazana fa devoly n ao ambadik'izay fanahy milaza fa velona na manampy.

Io no mila fantarina tsara arak'izay principe ny fanahy tokoa satria tsy voavaly mihitsy ny fanontaniana hoe inona àry no antony nilazana ny fiainana mandrakizay? Inona no velona mandrakizay? Ny nofo ve sa ny fanahy ary nofo ve mira fanahy?

Tsy mety voavaly tsara ilay fanontaniana.
24. jojo3t ( 18/07/2012 04:25)
Ny antony nilazana fa n devoly no ao ambadiky ny fanahy tsy mety maty sy nampisehoana ny tantara ao amin'ny baiboly dia ny ahafantaran'ny olona fa tsy manana fanahy tsy mety maty na tsy hita maso izy.

Ny fanontaniana dia mazava ny valiny araka ny efa voalaza, zao ngamba no ahazoana azy tsara, nofo mira fanahy(âme) fa tsy fanahy(esrprits), Inona no nilana ny fiainana mandrakizay ? raha izany hoy ianao, tsara be io fanontaniana na dia efa notaterina foana aza, mifandray amin'ny resaka tany ihany izy ity fa tsy mivoana amin'ny fanahy akory, satria ny nofo dia hiaina eto an-tany mandrakizay fa ny fanahy no any an-danitra :

Nianatra ny toetry ny maty isika omaly, eto indray dia hiainga amin'ny famoronana kely indray isika, araho tsara ary ny tantara fa lavalava dia afaka manatsoaka hevitra ny rehetra hoe mitombona sy marina ve ny hoe manana fanahy tsy mety maty isika ka ho any an-danitra, sa hijanona nofo ary hiaina eto an-tany :

Namorona ny tany Andriamanitra, hatao inona ? Honenan'ny Olombelona.
Salamo 115 : 16 : "ny lanitra dia an'i Jehovah, fa ny tany kosa nomeny honenan'ny zanak'olombelona".

Isaia 45 : 18 : "Hoy Jehovah, tsy hoe tsy misy antony no namoronana ny tany fa natao honenana".

Genesisy 2 : 15 : "nasain'Andriamanitra hikarakara ny tany i Adama".

Genesisy 1 : 28 : "Manàna taranaka, ary mamenoa ny tany, anjakao ny tany".

Vakio tsara ireo andininy ireo, ny fikasan'Andriamanitra tany am-boalohany dia ny honenan'ny olona mandrakizay eto an-tany ary hikarakara azy io, hameno ny tany, ary hanjaka amin'izay rehetra eo aminy. Tsy nilaza mihitsy izy hoe any aoriana any dia hovaina fanahy esprits nareo dia mankaty amiko aty andanitra. Mety hilaza indray nareo hoe, nanota i Adama sy Eva ka rehefa maty dia lasa fanahy esprits, tsy miresaka izany mihitsy ny Mpamorona. Ahoana indray ny zava-nitranga rehefa nanota i Adama sy Eva ? Araho ny tohiny :

Genesisy 2 : 17 : Nandrara azy ireo aloha Andriamanitra hoe "Aza hihinanana ny voa fahalalana ny tsara sy ratsy, fa ho faty nareo raha mihinana io". Mariho tsara, raha mihinana ianareo hoy izy dia ho faty fa tsy hoe ho lasa fanahy esprits iakatra aty amiko. Mariho ihany koa fa raha tsy nanota i Adama sy Eva, mazava ho azy nijanona mandrakizay teto an-tany izy ireo tao amin'ny paradisa.

Genesisy 3 : 16-19 : Nanota anefa i Adama sy Eva noho ny fitaky Satana Devoly ka vohaozona ny tany vakio tsara io andininy io "vohaozona ny tany, sady hanam-pahoriana, ary ny hatsembohan'ny tavanao no ihinananao hoy Jehovah mandra-piverinao amin'ny vovoka izay nakana anao, fa avy amin'ny tany no nanalana anao ary hiverina ho amin'ny tany enao, sy hiverina ho vovoka. Inona no tiana hambara amin'izany ?

Nanota ve i Adama sy Eva dia niova hevitra Andriamanitra hoe hataoko fanahy esprits ireto dia hiala amin'ny tany, TSIA. Raha izany mantsy no izy dia vao mainka tsara ny nanotan'i Adama satria ho lasa fanahy esprits sy ho any an-danitra daholo isika. Sazy anefa no nahazo ny olona nanomboka teo sady voahozona satria nandika lalàna, koa ahoana, voasazy ve enao dia nalefa any an-danitra ? Lazainy tsara eo fa ho faty ny olona ary hiverina ho vovoka fa tsy ho aiza na ho aiza, ivereno dinihina ny toetry ny maty tery aloha raha tsy tadidinareo. Araho ihany ny tohiny :

Romanina 5 : 12 : "Iray no nidiran'ny fahafatesana, ka nandova ota izy rehetra, ka niely tamin'ny rehetra ny fahafatesana..." Vakio tsara io andininy io fa nandova ota ny taranak'i Adama rehetra ary ny tambin'ny ota dia fahafatesana, ka lasa mety maty daholo isika rehetra. Mariho tsara, fahafatesana no tambiny azon-tsika avy tamin'ny fahotany i Adama fa tsy ho lasa fanahy esprits.

Mifandray amin'ilay Ezekiela 5 : 18 io hoe "ny fanahy(âme) izay manota no ho faty", tsy nilaza mihitsy izy hoe rehefa maty ny vatana fanahy(âme) dia ho lasa fanahy(esprits) isika.

Lava loatra ny fanazavana, nefa araho ihany fa mbola mitohy, inona ny fikasan'Andriamanitra nanomboka teo?

Tsy niova ny fikasany na nanota ary i Adama sy Eva, ny hanavotra sy hamerina ny paradisa very no fikasany, amin'ny fomba ahoana? Rehefa olona lavorary iray no nanary azy dia i Adama, dia olona lavorary iray no nasain'Andriamanitra hanavotra azy, iza izany? i Jesosy Kristy.

Ny hananan'ny olona fiainana mandrakizay no anton'ny nahatongavan'i Jesosy teto an-tany, hanavotra sy hamonjy an'izay rehetra mino azy, nampianatra ny fanjakan'Andriamanitra izy teto, mariho tsara fa tsy nilaina ny soron'i Jesosy raha efa lasa fanahy esprits isika rehefa maty, nilaina izy io, satria voahozona sy maty isika, ka mba hahafahantsika ho velona mandrakizay dia natao io sorona io, lazaina fa i Jesosy no mpanjakan'io fanjakan'Andriamanitra io, any ankoatra miaraka amin'ireo efa maty ve i Jesosy amin'izao fotoana izao? TSIA. Any an-danitra izy zao, ary efa Mpanjaka, sy miandry ny baiko avy amin'Andriamanitra hanantareraka ny didim-pitsarany hamongorana ny ratsy rehetra ety an-tany amin'ny ady Aramagedona, ary eo ampanangonana ireo 144000 iaraman-jaka aminy koa izy, izay hany olombelona navotana hiala amin'ny tany, izy ireo no hitondra ny tany paradisa izay hiainan'ireo olona tafita velona mankato sy ireo hatsangana amin'ny maty aorian'ny Ara-magedona, VAKIO Apokalipsy 5 : 9,10 "Lazaina tsara ato, fa ireo mpisorona iara-manjaka amin'ny Kristy dia hitondra ny tany", averiko ihany, vakio tsara, hitondra ny tany hoy izy, io ilay paradisa an-tany efa noresahina teto foana na ao amin'ny testamenta taloha na vaovao fa tsy ho voatanisa eto intsony.

Fehiny : ry namana malala isany sy mpamaky hajaina, araho tsara ny tantara fa tsy miresaka mihitsy ny baiboly hoe manana fanahy esprits isika hatrany am-boalohany ka hatraty amin'ny farany, ny nofo fanahy(âme) dia hijanona mandrakizay eto an-tany paradisa, fa ny fanahy esprits kosa dia hijanona any an-danitra, aiza isika no hahita fianarana sy fanazavana tsara sy mirindra ankoatra ny ao amin'ny baiboly, moa ny fampianaran'olombelona ve no mibahana ao amintsika, mila mandinika sy misaintsaina isika, ary manana fotoana ampy sy malalaka isika hanaporofoana ireo voalazan'ny baiboly mba ahitana hoe marina sy mitombona ve ny voalazan'ny Mpamorona.


25. didi10 ( 18/07/2012 07:05)
MAtio 10,28
28 Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo.

????
26. Miharena ( 18/07/2012 08:50)

Ny hananan'ny olona fiainana mandrakizay no anton'ny nahatongavan'i Jesosy teto an-tany, hanavotra sy hamonjy an'izay rehetra mino azy, nampianatra ny fanjakan'Andriamanitra izy teto, mariho tsara fa tsy nilaina ny soron'i Jesosy raha efa lasa fanahy esprits isika rehefa maty


Misy asa fanehoana fa tsy io vatana io no zava-dehibe fa ny fanahy mba hahatanteraka ny Paradisa. Izay no nataon'i Kristy.

Asa hoe ahoana no fandraisanao ilay atao hoe mino AZY? Tsy misy mamaritra tsara io teny io manko ny olona fa manao fotsiny hoe minoa fotsiny AZY dia voavonjy ary mampanao ireo fombafomba isan-karazany mifandraika amin'izany izay nifandimbiasan'ny fiangonana samihafa nifanesy. Fa ilay fiovana anaty tsy mba voambara loatra.

Ary koa ny resaka tena lehibe indrindra tokony hovoizina dia hoe aza miahy izay harena mora lo fa izay harena maharitra ao an-tranon-dRAY. Ny harena ara-panahy no tiana lazaina eto fa tsy harena ara-nofo. Ny fifikirana amin'y nofo no mahatonga ny fanahy hiraikitra aminy ka rehefa foana ny nofo dia foana koa ilay fanahy satria mazava fa tsy misy hifikirany intsony. Nefa diso ihany koa io raha heverina ny fanambaran'ny RAY nilaza hoe AHY ny fanahy rehetra.

Raha io manko no resahana dia toy ny milaza hoe tsy isika no velona fa Andriamanitra no velona ao amintsika. Io no nilazan'i Paoly hoe i Kristy no velona ato anatiko.

Ny Apostoly dia tsy nisy natahotra fantsika hazo fijaliana noho ny fahafantarany fa tsy nofo izy.
27. jojo3t ( 18/07/2012 09:15)
Ny hoe mino an'i Jesosy kristy dia mino fa ny sorom-panavotana nataony no hitondra famonjena ho an'ny maro, ary arahin'asa izany dia fanaovana ny sitrapn'Andriamanitra sy ny fankatoavana ny teniny, izany no hanolorana ny tenanao mba hanompo azy, ny vata-tenanao no hatolotrao hanompo azy fa tsy izay tsy hita maso lazaina fa tsy mety maty.

Ny zava-dehibe indrindra amin'ny kristiana dia ny asa fitoriana ny vaovao tsara mba ahafahan'ny ny olona ho voavonjy fa tsy variana hikatsaka harena, ny hoe manakarena ara-panahy ve azontsika tsara ? Manankarena amin'ny fahalalana ny tenin'Andriamanitra ka mampihatra izany ary voatahirn'Andriamanitra ao amin'ny bokin'ny fiainana ka hahazo ny fiainana mandrakizay, izay manankarena ara-panahy dia tsy ho very miaraka amin'ny harenany ara-nofo izay tsy hahavoavonjy azy, fa ny finoany sy fanaovany ny sitrapon'Andriamanitra no hamonjy azy, so heverintsika hoe ilay harena ara-panahy dia midika fa ho lasa fanahy isika, ny hoe fanahy(âme) sy ny fanahy(esprits) ary ny hoe resaka ara-panahy dia samihafa mihitsy.

Ahoana ny hevitrao amin'ny tantaran'ny baiboly voatanisa ery ambony sy ny toetry ny maty, niova lasa fanahy ve ny olona araka ny nahitanao azy, tiako raha mba hazavainao araka ireo andininy ireo hoe mitombina ve sa tsy mitombina ny maha-lasa fanahy esprits ny olona.
28. jojo3t ( 18/07/2012 09:24)
Rehefa manazava enao dia hampiaraho andinin-teny raha azo atao, satria tsy hevintsika no hampianarina ny olona fa ny hevitr'Andriamanitra izay namorona antsika, mariho tsara ilay andininy ao amin'ny Ezekiela, ialana tsiny aloha ilay tery amin'ny voalohany fa nifamadika, toko faha-18, andininy faha-4 no izy fa tsy 5 : 18 : tsy nanakilasy zavatra roa Andriamanitra teo hoe, rehefa nanao izao ny olona dia izay no nahafaty ny fanahiny, fa nofahony tsara ao hoe ny fanahy izay manota no ho faty, iza amintsika no tsy nandova ota ? Hazavao amin'izay ary.
29. Miharena ( 18/07/2012 16:15)

Ny hoe mino an'i Jesosy kristy dia mino fa ny sorom-panavotana nataony no hitondra famonjena ho an'ny maro, ary arahin'asa izany dia fanaovana ny sitrapn'Andriamanitra sy ny fankatoavana ny teniny, izany no hanolorana ny tenanao mba hanompo azy, ny vata-tenanao no hatolotrao hanompo azy fa tsy izay tsy hita maso lazaina fa tsy mety maty.


Ny hany hita eto dia hevitra izany no atao hoe finoana ve?

Ary ilay fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra ve tsy araka ny teny hoe manatanteraka ka raha toa ka io hevitra sorom-panavotana io no resahana dia inona amin'io no tokony hotanterahana?
30. didi10 ( 19/07/2012 06:14)
Romana 8 5-12
5 Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy. 6 Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, (sy fiadanana) 7 satria fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra izy, sady tsy hainy akory izany. 8 Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra.
9 Fa hianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy. 10 Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fahamarinana. 11 Ary raha ny Fanahin'Izay nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an'i Kristy Jesosy tamin'ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin'ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.
12 Ary amin'izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika - tsy amin'ny nofo anefa, ka ho velona araka ny nofo. 13 Fa raha velona araka ny nofo hianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoana ny asan'ny tena, dia ho velona hianareo.

Tsy haiko hoe mila asiana sary ve ilay Tenin'Andriamanitra vao ho azontsika.
31. jojo3t ( 19/07/2012 06:45)
Mazava be io, fa so tsy azontika le hoe velona araka ny fanahy, ka adikantsika hoe ny fanahintsika tsy mety maty no hivelomantsina ao amin'i Kristy, Tsia, afangarontsika le hoe mandeha araka ny fanahy sy ny hoe fanahy maha-olona antsika, aleo alou hazavaina mihitsy hoe ahoana zany mandeha araka ny nofo sy fanahy izany, ny mandeha araka ny nofo dia manao an'ireo fanao maloto toy ny fijanganjangana, fikatsahana harena sns.... tsy votanisa, ny mandeha araka ny fanahy dia mifantoka amin'ny fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra sy mibanjina ny ho avy, miaina mifanaraka amin'ny fitsipiky ny baiboly sns... tsy de hoazavaina be loatra eto, ny resaka eto dia ny hoe manana fanahy tsy mety maty ve isika na hoe misy fanahy esprits miendrika olombelona ve miala ao amintsika rehefa maty isika, fa tsy ny resaka hoe mandeha araka ny fanahy, tsy misy idiran'ny fanahy maha-olona tsy mety maty mihitsy io fanazavana io, efa tafiditra eto ihany enao namana didi10, mba hazavao ireo andininy ery ambony mahakasika ny toetry ny maty sy ny famoronana ny olona hijanona ho olona fa mbola tsy novalin'i Miharena ilay izy, ary aiza ho aiza no milaza fa novan'Andriamanitra ho fanahy esprits ny fanahy âme ankoatra ireo 144000.
32. didi10 ( 19/07/2012 07:41)
Aleo i Miharena no hamaly ny hevitra efa nizorany satria izy mantsy mihevitra fa misaraka ihany ny nofo sy ny fanahy saingy tsy mino no fitsaran'Andriamanitra sy ny fiainana mandrakizay ka tsy afaka hisolo vava azy aho.

Fa hiverenako ihany ny lohahevitra.

Romana 8;9
Fa hianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy.

Tsy asa velively io (fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra hoy ianao) fa fanitsiana ny olona mihevitra toa anao fa io vatana sy saina io no TENA(NAO), fanahy ianao, fanahy mitafy nofo, tsy mitovy ny fahafatesan'ny fanahy sy ny fahafatesan'ny nofo, fa ny nofo mety lo fa ny fanahy raha maty dia ariana any amin'ny afo tsy mety maty satria nitsahatra tamin'izay nisasarany izy fa ny asany manaraka azy.
Fony mbola mpanota isika dia maty (ny fanahy no maty eto fa tsy ny nofo), ny fibebahana sy ny batisan'ny fibebahana no hitsanganana amin'ny maty tahaka ny nitsanganan'i Kristy tamin'ny maty ary eo no handraisana ny Fanahini Kristy hitoetra ao anatintsika mba hotanteraka io Rom 8,9 io, manomboka eo dia efa manomboka ilay fiainana mandrakizay miaraka amin'Andriamanitra ka ny fahafatesan'ny nofo dia lasa dingana tsy maintsy lalovana fotsiny ihany satria ny nofo sy rà tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra.
33. jojo3t ( 19/07/2012 09:12)
Efa nolazaina ombieny ombieny fa ny fanahy masina, hery miasan'Andriamanitra no miasa ao anatintsika, io le nesoriny tamin'ny Saoly rehefa tsy nankato azy intsony izy, olona ankasitrahan'Andriamanitra no itoeran'io fanahy io na hoe miasa ao aminy io.

Ary ireo 144000 nolazaina teto foana no lazaina amin'ilay nofo tsy mandova fanjakan'Andriamanitra, tsy maintsy hovaina ho lasa zava-boary ara-panahy izy ireo, zay vao afaka mankany an-danitra hiaraman-dova sy iaramanjaka amin'i Kristy satria izy ireo no hitondra ny tany, fa ireo izay hiaina amin'ny paradisa eto an-tany kosa dia nofo sy rà toy ny amin'izao fotoana izao ihany, hihinana, hisotro, hifaly, ary hiara-monina amin'ny biby toy izao ihany izy ireo.
34. didi10 ( 19/07/2012 10:28)
Eva novalianao moa ilay fanontaniako hoe taranak'iza amin'ny fokon'Israely ianao? mazava tsara mantsy ny fanazavana ao amin'ny Baiboly fa 144000 ny voaisy tombokase amin'ny taranak'Israely, 12000 joda, 12000 benjamina sns

Ny baibolinao angamba tsy misy ilay tohiny eo ambany milaza ireo olona tsy tambo isaina avy amin'ny firenena maro sy fiteny maro any an-danitra.

Apok 7-4
4 Ary nahare ny isan'izay voaisy tombo-kase aho: efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy amin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely rehetra. 5 Avy tamin'ny firenen'i Joda roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. Avy tamin'ny firenen'i Robena roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Gada roa arivo amby iray alina. 6 Avy tamin'ny firenen'i Asera roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Naftaly roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Manase roa arivo amby iray alina. 7 Avy tamin'ny firenen'i Simeona roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Levy roa arivo amby iray alina. 8 Avy tamin'ny firenen'i Zebelona roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Josefa roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Benjamina roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase.
9 Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin'ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny Zanak'ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany, 10 dia niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe:
Ny famonjena anie ho an'Andriamanintsika,
Izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana,
sy ho an'ny Zanak'ondry
35. jojo3t ( 20/07/2012 04:57)
Misy fanazavana lava ho an'i didi10 mifandray tsara amin'io ao amin'ilay lohahevitra hoe, hijanona eto an-tany tokoa ve isika, lava izy ao ka tsy haveriko eto intsony, fa jereo ao amin'io lohahevitra io dia ho hitanao ao ny tena marina.
36. didi10 ( 20/07/2012 10:21)
Tsy novalianao ilay hoe: Taranak'iza amin'ny zanak'Israely ianao na ireo voatondron'olombelona ho isan'ny 144000? efa nanazava ianao fa efa lasa Israely ampanahy ny hafa firenena kanefa ilay ao amin'ny Apok 7,5 dia nitanisa fa 12000 avy amin'i Joda, 12000 avy amin'i Benjamina...


Efa nolazaina ombieny ombieny fa ny fanahy masina, hery miasan'Andriamanitra no miasa ao anatintsika, io le nesoriny tamin'ny Saoly rehefa tsy nankato azy intsony izy, olona ankasitrahan'Andriamanitra no itoeran'io fanahy io na hoe miasa ao aminy io.



tsy haiko hoe toko sy andininy taiza no misy izany fanahy masina herimiasan'Andriamanitra izany!!!
"Andriamanitra dia Fanahy", izany hoe ny Fanahy Masina no mandrafitra an'Andriamanitra, "izay mivavaka amin'Andriamanitra dia mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana" , raha mivavaka ianao dia tsy amin'ny nofo na amin'ny saina fa amin'ny fanahy, ny fanahinao sy ny Fanahy Masina no mifampiresaka rehefa mivavaka. Ny Fanahy Masina izay omeny ny oloNy ho fanomezana dia singa avy Aminy (Une partie de lui)ka izay tsy manana io dia tsy Azy. (Rom 8,9)

Jaona 4,23

23 Fa avy ny andro sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. 24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.

Io Fanahy Masina io ihany koa no manazava ny teny hoe
Jao 14,10 : Izaho ao amin'ny Ray ary ny Ray ato amiko.
Satria Jesosy dia nohariana avy amin'ny Fanahy Masina avy ao amin'ny Ray.
Jao 10,30: Izaho sy ny Ray dia iray ihany.
Satria Fanahy iray ihany no mandrafitra Azy dia ny Fanahy Masina.
37. Miharena ( 21/07/2012 08:14)
Ny nofo ve mira fanahy no noresahana teto ka raha ny resaka hoe 144000 avy amin'i Israely dia tsy mahavaly na inona na inona.

Aoka angamba ilay izy tsy afangaro Jojo3t fa manjary mampivadibadika ny lohahevitra ka tsy misy hivoahany intsony ilay izy.

Ny fanazavan'i Didi10 eo ambony farany io izao no mamintina tsara ny asan'ny fanahy.

Ny asan'ny nofo dia izay mifandraika amin'ny filan'ny nofo an-davanandro fa tsy isika io. Hoy i Krsity hoe : eto amin'izao tontolo izao nom isy anareo nefa ianareo tsy zanak'izao tontolo izao. Zanaky ny fanahy ny olombelona rehetra no fandraisana io teny io fa ny nofo dia fandalovana fotsiny ihany.
38. jojo3t ( 24/07/2012 04:29)

didi10:

Tsy novalianao ilay hoe: Taranak'iza amin'ny zanak'Israely ianao na ireo voatondron'olombelona ho isan'ny 144000? efa nanazava ianao fa efa lasa Israely ampanahy ny hafa firenena kanefa ilay ao amin'ny Apok 7,5 dia nitanisa fa 12000 avy amin'i Joda, 12000 avy amin'i Benjamina...


Efa nolazaina ombieny ombieny fa ny fanahy masina, hery miasan'Andriamanitra no miasa ao anatintsika, io le nesoriny tamin'ny Saoly rehefa tsy nankato azy intsony izy, olona ankasitrahan'Andriamanitra no itoeran'io fanahy io na hoe miasa ao aminy io.



tsy haiko hoe toko sy andininy taiza no misy izany fanahy masina herimiasan'Andriamanitra izany!!!
"Andriamanitra dia Fanahy", izany hoe ny Fanahy Masina no mandrafitra an'Andriamanitra, "izay mivavaka amin'Andriamanitra dia mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana" , raha mivavaka ianao dia tsy amin'ny nofo na amin'ny saina fa amin'ny fanahy, ny fanahinao sy ny Fanahy Masina no mifampiresaka rehefa mivavaka. Ny Fanahy Masina izay omeny ny oloNy ho fanomezana dia singa avy Aminy (Une partie de lui)ka izay tsy manana io dia tsy Azy. (Rom 8,9)

Jaona 4,23

23 Fa avy ny andro sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. 24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.

Io Fanahy Masina io ihany koa no manazava ny teny hoe
Jao 14,10 : Izaho ao amin'ny Ray ary ny Ray ato amiko.
Satria Jesosy dia nohariana avy amin'ny Fanahy Masina avy ao amin'ny Ray.
Jao 10,30: Izaho sy ny Ray dia iray ihany.
Satria Fanahy iray ihany no mandrafitra Azy dia ny Fanahy Masina.

Hovaliako eto ny taranak'Israely sy ny fanahy masina fa araho tsara :

Jiosy ara-nofo daholo ve ireo 144000 ?

Apokalipsy 7 : 4-8 : "Reko ny isan'...... (Tsy ny fokon'ny Israely ara-nofo ireo, satria tsy nisy ny hoe fokon'i Josefa. tsy voalaza eo koa ireo foko'i Efraima sy Dana. Ary voatokana hanompo tao amin'ny tempoly ny Levita tsy nisaina ho anisan'ireo foko 12. Jereo ny Nomery 1 : 4-16.)

Vakio koa ny Romana 2 : 28, 29 ary ny Galatiana 3 : 26-29 : ho avy amin'ny olona rehetra no hakana azy ireo fa tsy misy hoe Jiosy na Israely.

Eo koa ny Romana 9 : 6, 16 : "Tsy izay rehetra avy amin'ny Israely no tena "Israely"... Tsy miankina amin'izay maniry na amin'izay mihazakazaka ary izany, fa miankina kosa amin'Andriamanitra izay mamindra fo".

Ka fanontaniana sady mampieritreritra no mihantona inty ? Ny Apostoly Paoly no anisan'ny apostoly be zotom-po indrindra voaresaka ao amin'ny baiboly, ary anisan'ireo voahosotra 144000 ho any an-danitra, mba valio hoe Avy aiza no nipoiran'i Paoly, foko avy aiza izy? Homeko sopapa enao alou fa tsy avy amin'ny fokon'Israely velively izy.

Ny dikan'zany dia zao : aza mihanina amin'ny andinin-teny iray namana fa jereo foana ny teny manodidina, ary mila halalinina ny baiboly fa tsy tsongoina fotsiny, fa tsy maharaka mihitsy raha izany no izy. Ary efa nolazaiko anao foana fa, izaho alou no hitako fa tsy ny hafa, tsy anisan'io 144000 io tenako, aller retour be iny fanontanianao iny.

Ny fanahy masina :
Mampalahelo be namana raha enao hoe mandalina ny baiboly no tsy hahalala hoe hery hampiasain'Andriamanitra ny fanahy masina, hafangaronao le izy, hampiako le Romana lazainao ao amin'ny Asan'ny Apostoly 2 : 17 : homeko ampahany amin'ny fanahiko izy... io no mahatonga anao tsy ahalala fa hery miasa ny fanahy masina fa hoe ampahany amin'ny vatana mandrafitra an'Andriamanitra.

Zao namana, efa nolazainao fa Andriamanitra dia fanahy, ny vatany dia fanahy esprits mitovy amin'ny an'i Jesosy sy ireo anjely maro be any an-danitra, tsy ampahany velively amin'ny vatany ny fanahy masina fa hery, hazavaiko eto ambany :

Enao io dia manana hery ao anatinao ao, tsy ampahany amin'ny vatanao io fa hery tsy hita maso, io no ahafahanao manao zavatra, sy hanatanterahanao ny zava-drehetra ataonao, toy izany ny fanahy masina, maro be ny andininy mampiseho ato fa vitsy2 ihany no omeko :

Vao manomboka ny baiboly dia izao :
Genesisy 1 : 1,2 : "Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. 2 Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny aizina nanarona ny hantsana ary ny fanahin'Andriamanitra nisonenika tambonin'ny rano, tsy ny ampahany vatany mihitsy no nalefany tety fa ny fanahy masina, na ilay hery hampiasainy, mety hozy enao hoe tsy milaza fanahy masina izy eo fa fanahy fotsiny, araho ny tohiny.

Hampisainy amin'ny zavatra rehetra kasainy hatao io fanahy masina io, Asan'ny Apostoly 2 : 4 : "Samy feno fanahy masina izy rehetra ka niteny tamin'ny fiteny samy hafa, niendrika lel'afo ny fanahy masina tamin'ny pentekosta 33, rehefa nilatsaka tamin'ireo mpianatra, nampiasain'Andriamanitra hanampiana azy ireo ny heriny na ny fanahy masina, fa tsy hoe ny ampahany tamin'ny vatany.

2 Timoty 3 : 16, 17 : "Ny soratra masina dia avy amin'ny herin'ny fanahy masin'Andriamanitra", nampiasa ny fanahy masina Andriamanitra mba ahafahan'ireo mpanoratra hanoratra ny baiboly.

2 Korintianina 12 : 4-11 : "fanahy iray ihany no nampiasain'Andriamanitra tamin'izy rehetra dia ny fanahy masina, na mpaminany, na mpanasitrana, na mpampianatra sns..." Io fanahy masina io no nampiasain'Andriamanitra hatramin'ny famoronana ka hatramin'zao mbola iainantsika izao, na i Jesosy aza nomena an'io hery io tamin'izy teto an-tany : araho ny tohiny.

I Jesosy mihitsy no milaza eto hoe inona le fanahi'Andriamanitra nampiasainy, ampahany tamin'ny vatan'Andriamanitra sa fanahy masina :
Matio 12 : 22-31 : Vakio tsara inty : "Namoaka demonia i Jesosy, nefa nolazain'ireo Fariseo fa avy amin'ny demonia ihany no namoahan'i Jesosy ilay demonia, dia nilaza Jesosy eo amin'ny andininy 28 hoe : "avy amin'ny alalan'ny fanahin'Andriamanitra no namoahany ilay demonia", dia hazavainy eo amin'ny andininy faha-31 amin'zay hoe, ny fanahy masina io fanahin'Andriamanitra notevatevain'ny fariseo io, ka tsy hahazoan'izy ireo famelan-keloka intsony.

Tsy haiko hoe inona no iantsonareo an'io fanahy masina io, mazava tsara aminao ngamba zao ny maha-hery miasan'Andriamanitra ny fanahy masina eo, na ny mpamaky aza tsy ho sarotra aminy mihitsy ireo andininy ireo, zai no hilazako foana hoe halalino namana ny baiboly fa zany ve de tsy hitanao tao amin'ny baiboly mihitsy.
39. didi10 ( 24/07/2012 12:04)
Hiverina amin'ny lohahevitra aho

Apok 6, 9-11
9 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambanin'ny alitara ny fanahin'izay voavono noho ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana izay nohazoniny. 10 Ary niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Tompo masina sy marina ô, mandra-pahoviana no tsy hitsaranao sy hamalianao ny ranay amin'izay monina eny ambonin'ny tany? 11 Ary samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina niala sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitry ny mpanompo namany sy ny rahalahiny, izay efa hovonoina tahaka azy koa.

Dia inona indray hoe!!!
40. jojo3t ( 25/07/2012 03:47)

didi10:

Hiverina amin'ny lohahevitra aho

Apok 6, 9-11
9 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambanin'ny alitara ny fanahin'izay voavono noho ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana izay nohazoniny. 10 Ary niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Tompo masina sy marina ô, mandra-pahoviana no tsy hitsaranao sy hamalianao ny ranay amin'izay monina eny ambonin'ny tany? 11 Ary samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina niala sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitry ny mpanompo namany sy ny rahalahiny, izay efa hovonoina tahaka azy koa.

Dia inona indray hoe!!!
Namana a, ny olo-masina ihany no maty maritiora, ary izy ireo no nandia fiainana tsy nodiavin'ny kristiana rehetra, ny zavatra miahatra amin'izy ireo dia mafy lavitra noho ny mihatra amin'ny vahoaka be, aza afangaro oà, ireo 144000 no lazaina eo, raha tsy halalininao ny teny voalaza ao amin'ny baiboly hatrany amboalohany ka hatrany amin'ny farany, tsy ho hainao mihitsy ny hanavaka ny voahosotra sy ny vahoaka be, maro mantsy ny andininy miresaka ireo rahalahin'i Kristy ireo izay voaloham-bokatra hiara-hanjaka aminy, andininy faha-11 io efa mazava be, dikan-teny Katolika : 11 Dia nomena akanjo fotsy iray avy izy ireo, sy nasaina hiandry kely aloha mandra-pahafenon'ny isan'ny mpanompo namany sy ny rahalahiny, izay hovonoina toa azy koa, na io hoe mandra-pahatapitry ny namany, tsy indray vohahangona ireo 144000 ireo, ary mandra-pahatongan'ny Ady Aramagedona dia mbola manangona ny sisa amin'ireo foana i Jesosy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4754