andrinay foana io e

1. milamm ( 23/05/2012 00:18)
mapalelo fa tsy itsahatra intsony ny tsy fankatoavany mponina iharany tsindry hazo lena sy ramatahora satria voafitaka ny rehetra sy ny taranaka handimby, efa firenena fantadaza fahatelo @ fahantrana eratany vokatry ny asanjiolahy, tsorina fa tsy tia no tsy mankasitraka ireto fitondrana mpangalatra, mpamono olona sy manadevo vahoaka amantapitrisany toa an'i fat ny tenako noho ireo zavabitany mampihoronkoditra ny lanitry Gasikara, fanoharana mahitsy (ialana fondro)/sarintsariteny no raisiko eto atao hoe vatan'olombelona 1 ny firenena mila lohany mahay mitarika sy mandrindra ny fiainany hafa rehetra ary mahay mifanaraka sy miahy ny rehetra zay no ela fa zao zany ny fandehany

- Nanontany ny rehetra hono ny vatana iza no sefo?
Avy de namaly ny fo hoe : za zay mampikoriana ny ra ho an'ny vatana tsy ankanavaka, tsy nanaiky nefa ny atidoha nilaza fa izy no mandinika sy mikarakara ny asany rehetra, tsy vitan'izay fa mbola nitsivalana koa ny aty nilaza fa izy no mizara ny sakafo mamelona ny daholobe farany moa tsy nisalasala ny lavab*d* niteny fa izy no sefo. Nihomehezany hafa rehetra izy ... hay tsy koi zany hoy izy fa 7 andro nikatona nigrevy tsy miasa tsony inona no niseho nipoaka ny aty, nalemy ny betro nijanona teo tsy nidoboka intsony fo vita teo daoly kalo mandrapahatongany radoko.
===> lesona sintomina eto de tsotra na ny lavab*d* aza de afaka manao ankerisetra ho sefo tsy nitsinjo ny hafa rehetra (foza zay lavabado satria mihevitra izy ireo ho atidoha misandoka ho sefo), telo taona zay tsy misy mandeha ny raharahampanjakana, fifandraisana any ivelany (tsy ho toa teny mandrakizay @ firenena mikambana sns). Efa fiatombohany farany izao ry fat ho avy ny dokotera anamboatra sy andidy anareo, ny vatana iray manotolo hafa nosimbainareo dia efa vary mangotraka ka miandry ny aharitra azy sisa e tena ho ratsy be kokoa noho ireo 4 mianaka nifandimby teo aloha
novalian'i milamm ny 09/06/2012 23:42
2. dadabe ( 24/05/2012 08:40)
aoungany ny fitonddrana eee
3. milamm ( 24/05/2012 12:08)
efa ambivitra sy idaboka oazy ka arahintosika @ fidinana andalambe tsy ankiato sisa io mamafy rivotra ony mbola ijinja tadio e
4. andrywui ( 25/05/2012 10:04)
Marina zany mlamn à ...
Vao masaka tokoa io vary mangotrakanao io ry mlamm de sur marina fa mirodana io faty faty io oo ...

...fa hono oa ra mlammn ! Fa innn no laoka nataon'i toi ao e ...? Sao kosa rambomanga s'y patsa ary de kivy n'y oul e , efa mangidingidy vava manko n
vahoaka zao ,mila kiendiendy kely ...
5. milamm ( 25/05/2012 16:12)
tsy ho foza ve no nandrahoany fat 3 taona zao e? tsy mety iala ao anaty vilany mitokona efa leo ny rehetra ka tsy maintsy atsipy any @ fanariampako ho dorana.
ny laoka hafa mety azo asolo azy kalo de bobaka (raha za no mahandro) vorontsiloza sy henakisoa na black bass-n' Itasy na karpa asina rougaille kely, akoho voatono sy masikita no tsakitsaky lool ... tsy za nefa no mahandro fa ny vahoaka mitaky sy manolotra ireo fangarontsakafo ilainy izy ireo (fandravana ty tetezamita fat ty no vahaolana mahomby indrindra ka P.M ao anaty governemanta ikambanana ankolafy rehetra sy ireo teknisiana sivily isantsokajiny mitantana ny fampandehanandraharaha rehetra fifandraisana ara diplaomasia sy ekonomika any ivelany, ravana ny cst sy ct)
alalahana zo sy fahafahana maneho hevitra, fanondrotana ny fahafahamividy n' ireo mpiasampanjakana rehetra manoloana ny fiakarany vidimpiainana nampanantenaina izany isantsokajiny 2009 atr@ zao, fahandriampahalemana, antso farany anarahany fat ny tondrozotra art. 20)
ilaina ny fihaonan'izy efa-mianaka eto Gasikara haingana indrindra andaminana izany rehetra dia afaka miroso @ fikarakarana fifidianana avy eo, raha te anagadra ny filoha Ravalomanana de avelao izy hiditra fa aza sakanana tsony tonga de mlamm
6. dadabe ( 26/05/2012 04:32)
fa mety ho henjana ihany raha toa ka oe voky b noo raikitra ny sakoroka a, possible vita matavy io fitondrana io an ,hummm
7. andrywui ( 26/05/2012 11:43)

dadabe:

fa mety ho henjana ihany raha toa ka oe voky b noo raikitra ny sakoroka a, possible vita matavy io fitondrana io an ,hummm
ka ny blemm kely ry bainnn de fahanandramalamm laoka fopla ny vahoaka de kivy hanaraka ny dian'ny mpiondana !! ny vola misy any amindry zalah hanaovana kiendiendy kely ,, fa ze tonga avy any am dada de ambavandry be volombava daolo
8. milamm ( 27/05/2012 00:26)
bainnbe a, loool alao ho tratrany sakoroka any refa voky @tsy rariny sy halatra tsy misaina ny hafa olona mijaly @ herisetran'ny vidimpiainana ve mbola toratorahana entona mandatsa-dranomaso haintoi ny kozy marina oe nahitsoky fat ny firenena sy ny fianany vahoaka 1 manontolo, tsy kafara nena fa giravy aty tena mahantra be tokoa ny firenena iombonatsika sy reo marobe tsy manampeo hiteny.

lewui a, averiko farany na de vao noteneniko tetsy aloha aza fa tsy za no mahandro raha tsy zany kila forehitra any ampanarimpako dolidoly ny foza !!! henoy tsara zao lazaiko zao
. fitakiana sy tsy fankasitrahana reny teny akaikin'Ambohijatovo reny mbola nisy ny tifitra nataony milisiny bruno razafinababakoto sy risara (voarakitra antsary sy horonantsary mandehana nge ao @ fb manifestation anti-rajoelina) in-2 t@ ty volana ty, any @ provinsa ko efa mihetsika tsikelikely mihamivondrona ireo tsy makasitraka midina andalambe haneho hevitra iombonana asory ny fat faranze haingana ... mitombo ny tsy faly (valiny avy @ fat : ze tsy faly aleo ibotsina), tsy mahagaga ra hipoaka fa nihoatra fefy azo zakainy fibotsonana
lakolosy fahatelo io fa mandady ny trambo maneno alohany faharoa sy ny anjombona farany aza manatena ny anemotra fifidianana aorinany 2013 zany ry fat isany (satria oe fahavaratra io vanimpotoana io zay manko no lainga2 nataony lavanify t@ Ban-Ki -Moon, tsisy azon'ny lery na 1 aza moa fanotaniana nataony mpanao gazetiny radio UN tao N.Y fa nilana mpandika teny ary tena bolokiny rolly mercia @ valiteny tsisy porofo fa fandrebirebena resaka no bobaka) te hijanona eo mandrakizay reto andianjiolahy efa nisy reo tolona teo aloha fa ity 1 ty 2012 ty no anaraka ny 2009 teo... isao @ zay manomboka izao reo mitsambikina eny ambony sambo itsoaka (indrindra i hajo sy ny hasina, resampa, krisy ankoatry reo mipita taloha)
9. Miharena ( 28/05/2012 05:44)
Ny vazaha hono mody miady fa ny gasy mody mihavana. Dia mifanipaka toy ny valala an-karona no atao. Fa raha izao fotoana izao no iheverana ny hanakorontanana dia fefika tanteraka ity tany ity eo amin'ny toekarena sy ny toe-pon'ny olona.

Mandeha moramora izy ity ary specialité malagasy io. Dia tetezana lavabe eo io. Fa izany eo ihany fa tsy aleo ve mijery ny fihetsehana ataon'ny mpikarakara fifidianana dia ho hita eo izay olona tian'ny vahoaka fa tsy manao izay hetsika mampilentika tsy misy fivoarana mankany amin'ny tsaratsara kokoa fa mitontongana andro amna'alina eto e!
10. sitlo ( 28/05/2012 16:26)
Miharena:

Ny vazaha hono mody miady fa ny gasy mody mihavana. Dia mifanipaka toy ny valala an-karona no atao.


Hafa kely indray iny ry Miharena. [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Respect/c074.gif[/IMG]

[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Films_et_TV/cow-boy-98.gif[/IMG]
11. milamm ( 29/05/2012 02:51)
loool misy marina tokoa zany miharena, ekena nefa isika nge mora rebirebeny mpanao politika ka ireto lazaina fa mpikarakara lalampifidianana cenit (olona notendrena i beatrice) refa nojereny HCC de betsaka no itsivalanany izy ireo (volavolandalana natolotry ny cenit asa zay ho lazainy fivoriany cst,ct (olona notendrena dolidoly ko), ka isika ve hihevitra fifidianana (tsy ho voavatsy vola any ivelany raha tsisy fitoniana sy voahaja ny tondrozotra sahady nefa ireto olana @ fampandehanandraharaha ankapobeny tsisy mande @ laoniny misy andraikitra sy adidy takiany ireo olompirenena rehetra tsy tanteraka @ izao fotoana efa nahalala izany ireo filoha nifandimby teo aloha rehetra ary fantatsika ny tohiny ... mametrapialana no tsara sy miala tsiny, mikajy ny filaminana fa tsy seza dongiana intsony
12. Miharena ( 29/05/2012 03:54)
Ny sarotra am le izy anie Milamm dia raha mametra-pialana àry ireo izay tsy mahavita ny asany, azontsika antoka ve fa izay misolo azy eo mahavita izay takiana aminy?

Tsy fantatro hoe raha resaka fampandehanan-draharaha, tsy izay eo am-pelatanana ihany ve no ampiasaina amin'izany fa izay tsy eo tsy hita hoe ahoana no hanaovana azy. Ilay fangaharaharana no tokony apetrala tsara hoe izao no fidiram-bolam-panjakana ary izao no azo laniana hampandehanan-draharaha.

Raha fialonana ny karaman'ny andrim-panjakana notendrena no ao amin'ny mpiasam-panjakana ankehitriny dia tokony handini-tena ihany tokoa ireo mpitantana ankehitriny hampihena izay fandaniana ataony raha fantatra fa azo atao ihany ny manateanteraka ny fangatahana.

Ny olana fotsiny dia rehefa mody mifandrirarira eo dia mitohy ihany ilay tetezana ka rehefa miala eo ireo dia tetezana vaovao indray izay tsy fantatra hoe ho efa -taona indray no hanohy azy !

Ny vaha-olana amiko tsy ny fialana fa ny fanatanterahana faran'izay aingana ny adidy norombahan'ny olona mitarika ankehitriny. Anjaran'ny vahoaka no mijery hoe efficace sa tsia ry zalahy dia any amin'ny urne no itarafana azy. Raha toa ka tsy manara-dalàna ilay fifidianana dia tsy omena karama ry zalahy mandra-pahatontosa tsara ny andraikiny avy fa manjary mandany volam-bahoaka fotsiny.
13. milamm ( 29/05/2012 13:26)
ny antompisiany fat anie dia itondra any @ fifidianana ary tokony ho tapitra sept 2011 araky ny fanambiny, tsy nahita vahaolana sy nahavita andraikitra sy lokaloka notazominy ary mivadika @ teny sonia 3 taona izay nampiandrasina sy namahanana lalitra ny ambany lanitra, zany oe tsy azo alana zany reo na mametra-pialana fa tsisy asolo raha ny hevitry mIharena tsia, nanoratena toy ny voatango fa tsy voafidy ireo ka ny fanekena na tsy fitenenana manoloana ny tsy mety dia mitovy @ fankasitrahana. Tany efa foana ny sata maha repoblikana azy manao saimpantany manjaka sy mandroba fananampanjakana sy harempirenena ary volambahoaka ... tsy manaja ny zo fototra sy hasiny mpiaramonina ataoko fa isika rehetra na ny mpanaramaso any ivelany mahita akaiky zany rangory fototry izao krizy izao ka hiandry ho gisitra sy laharana voalohany @ fahantrana sy tsy fahandriampahalemana ve vao ho tonga saina, fitondrampanjakana sy fitantanana andraikitra ambony eo @ firenena dia mitaky adidy sy fanatanterahana andraikitra n'aiza2 io refa tsy tanteraka izany dia na mametra-pialana na ho esoriny ireo vahoaka marobe indray io tsisy fanafana toy ny teo aloha
14. Miharena ( 29/05/2012 13:47)
Marina dia marina daholo izany Milamm fa ny zavatra tsy azontsika hodiana fanina dia ny tsy fankasitrahan'ny fiombonambem-pirenena ny FAT hatramin'ny fotoana nanaovana ilay fanamby sept 2011 araka ny filazanao. Taorian'io vao mody nanaiky ry zalahy ka zary vola nararaka an-tany fotsiny ilay roa taona nifandrirarirana teto. Izao dia mbola mifandrirarira ihany ka asa hoe iza marina no marina amin'izy ity.

Ilay resaka hoe misy mpanohitra tampoka nefa tetezamita no tena mahavalalanina amin'ity toe-draharaha ity. Tsy hoe efa olona voafidy no toherina.

Ka aiza ho aiza marina no tokony handraisana ny toe-javatra misy raha ny hevitrareo?
Ny fahtao manokana azy dia tsy misy mahit aizay lalan-kombana raha tsy mahatsiaro tena tsara amin'izay fomba fiheverana rehetra entina hirosoana satria raha toa ka miala ny eo (izay tsy nakatoavina raha tsy efa elabe taty aoriana) dia hiditra ny manaraka izay tsy mbola hankatoavina koa aloha raha tsy elabe indray dia miverina amin'ny resaka teo aloha ihany dia amin'ny 2018 indray isika manao fifidianana sy miverina amin'ny ara-dalàna araka ny fiombonambem-pirenena.

Cycle novolena hatrany manko ilay hoe misy mpanohitra dia iny koa ny mpanao politika Gasy fa manao ilay izy na tetezamita aza. Ka rehefa toy izany foana dia tetezamita toherina mifandimby izany izy ity. Ka ahoana no tokony hatao?
15. milamm ( 29/05/2012 23:28)
1. iza no eo misoratena hamaha ny olana?
2. rehefa tsy voavaha izany iza no andrasanao hanao izany, ny ol tsy tompon'andraikitra tsy mahavaha olana ve?
3. olona voafidy aza voaongana rehefa tsy mahavita azy maika fa tsy voafidy, ny antony aza adino fa ny mpanohitra dia ilaina @ fitondrampanjakana rehetra hiara-mitantana n'aiza2 fa tsy ho gadraina sy tifirina na andefasana entona mandatsadranomaso na ampihorohoana
valiny: mora ny mampanatena fiovana refa tsy mahatanteraka izany dia miala na mametrapialana, sanatria tsy tetezamita lavabe no antenainy olona fa vahaolana maharitra sy haingana ( fihavanana, fifampiraharahana ) izany sy tsy lany olomanga Gasikara na dia voatampibava aza izy ireny, ny mahatofoka ny ol nge de averina indray ireo fomba mamohehitra nataony teo aloha ary injato avo heny ka raha aritrao de iafio ny rehetra dia mihatonga saina oe ampy izay ka arodano @ izay io fanjakampoza io
16. Miharena ( 30/05/2012 03:42)
Ny maha fanjakam-poza azy anie dia rehefa miaraka ao daholo nefa tsy misy mandeha amin'ny lalana tokony hizorana e! Ny sasany mandrirotra atsy, ny sasany mandrirotra aroa fa tsy zavatra tokana no jerena.

Matoa mbola misy ireo resaka baomba mandatsa-dranomaso dia mazava fa mbola miana-draharaha amin'ny fandaminana korontana. Io baiko miaramila izay efa nampianarina hatrizay ary eken'ny eran-tany ilay fomba matoa atao fa tsy mbola misy hoe i Madagasikara dia efa manana endrika hafa tanteraka handaminana manifestation publique.

Izay no olana eto, tsy misy manana vaha-olana mahomby. Ny olona te-hiteny tsy mahay miresaka tsara sy mazava mba ho azon'izay tokony hiantefany, izay olona tokony hanetri-tena satria hitondra ny vahoaka lasa mihevitra fa manam-pahefana ambony. Raha tsy mahatsiaro fa mitovy amin'ny rehetra ny tsirairay tsy afaka eo isika satria ilay politika asiana hoe mpanohitra sy tsy mpanohitra dia lasa mifandrombaka fahefana nefa tsy fahefana no tokony hilazana ilay toerana fa toeram-panompoana. Rehefa tsy mahay mipetraka eo dia tokony hiala tokoa.

Ka raha amin'izao fotoana izao isika no mahita tsy miala fa mihaino izay lazain'ny rehetra alohan'ny hanapahana hevitran sady tsy afaka manapa-kevitra irery koa fa tsy maintsy iraisana, dia rehefa tsy mifampihaino dia tsy handeha mihitsy io.

Mila neutre eo amin'ny fomba fijery dia mandray fanapahan-kevitra mazava amin'y lafinny rehetra fa ny fiziriziriana tsy hitondra hoa aiza velively.
17. milamm ( 31/05/2012 01:24)
tsotra ny antony tsy ihevitra itatana raharahampanjakana na fianampirenena sy ny vokatr'izany eo @ fiarahamonimpirenena ankehitriny ny fat koto faniraka mpantanteraka baiko, manao daniny kibony izay ireo @ fahefana norombasiny na ray na reny anabavy rahalahy zanaka ny tany ala harena ankibony tany sns amidin'ireo fa tsy raharahany mameno paosy tsara sy mitsangatsangana @ volampanjakana mitady fankatoavana any ivelany aoka izay !!! hirotsaka ny girevy general tsy itondra vahaolana intsony vavabasy miala ianareo fat efa tsy fotoanany resabe 500 ar/kg vary, 2500 Ar/l sy demokrasia tsisy otr'izao
Dingana izay fa tsy tanjona, satria ny tanjona dia fifidianana malalaka iarahamitantana arahina fepetra volavolandalana any @ tondrozotra
nofinofy ny ahy oe inona no andrasan'ny Firenentsika amintsika rehetra mba ampivoatra ny farimpiainana mivantana ny daholobe tsy ilana ny fanjakazakany mpanao politika, milisy mangarahara sy mifamatotra ny fifandraisana isamparitra (jereo nge i Soisa tena mandroso indrindra azo tsongaina @ zany)
18. Miharena ( 31/05/2012 01:56)
Tokony ho tanteraka ilay nofinofy Milamm raha toa ka ny maro an'isa miasa mangina tsy azon'ny politisiana mpanararao-pahefana no miray hina tsara manana fomba fijery mivoatra sy mahita hoe inona no tena valeurs durables tokony harovana eto amin'ity tanindrazana ity ho an'ny taranaka afara mandimby.

Ny secteur rehetra no mila mahatsiaro tena eto fa raha toa ka mandeha ila toy ny kiraron'i beminahy dia tsy mandeha io. Raha feno mpangalatra daholo manko any anaty milim-pitantanana rehetra any dia mbola mihisatra tsy tonga any amin'ny alehany mihitsy izay hevitra tsara sy madio amin'ity tany ity.
19. loubou633 ( 31/05/2012 12:35)
Fanonganam-pitondrana vaovao anie = tetezamitatra vaovao = fahantrana faratampony e. Sa mbola mety indray izany ? Raha mba izay izao no tsy nisy nanao be lazao teo hatramin'izay nanombohan'ny krizy izay dia efa mba président vaovao no nisafo ny andian-tafika amin'ny 26 juin manaraka eo. Ilay misakantsakana ny fanaovana ny fifidianana koa mantsy anie mazava be fa te hameno paosy mandritra ny transition aloha satria efa sûr fa ho tapi-dàlana indray rehefa ara-dalàna am'izay ny tany e. Ohatr'izay izao efa hitan'ny havany teo hoe iza mihitsy amin'izay àry ilay tena tian'ny olona fa tsy avo vava daholo nefa hay 2% (ny namana akaiky sy ny fianakaviana) fotsiny no azo rehefa tonga ny présidentielle.Andao asaina mihozona amin'ny taranany mihitsy amin'izay izay miteny rehetra eo manomboka izao, ho hita eo izay sahy. Tsy hisy ho sahy hanonontonona an'izany fahatany mantsy. Sa ahoana ?
20. milamm ( 31/05/2012 13:23)


Tokony ho tanteraka ilay nofinofy Milamm raha toa ka ny maro an'isa miasa mangina tsy azon'ny politisiana mpanararao-pahefana no miray hina tsara manana fomba fijery mivoatra sy mahita hoe inona no tena valeurs durables tokony harovana eto amin'ity tanindrazana ity ho an'ny taranaka afara mandimby.

Ny secteur rehetra no mila mahatsiaro tena eto fa raha toa ka mandeha ila toy ny kiraron'i beminahy dia tsy mandeha io. Raha feno mpangalatra daholo manko any anaty milim-pitantanana rehetra any dia mbola mihisatra tsy tonga any amin'ny alehany mihitsy izay hevitra tsara sy madio amin'ity tany ity.quote

izay mihitsy, hevitra fifohazantsaina iaramanorina ilay fiarahamonim-pirenena vaovao io no nandrasany Firenetsika amintsika ela izay nosimbainy mpanao politika nifandimby hatrizay (efa nanangasanga io t@ ilay mpitarika Ralaimongo, Jen. Ratsimandrava - fokonolona).
hoy ny frantsay oe " agir mais pas toujours subir ", asa vadi-drano izany tsy efan'irery mitaky finiavana sy zotompo ary finoana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.455