Fariseo sy ny Kristianina - aiza ho aiza isika?

1. Miharena ( 10/04/2012 12:58)
Sokafana indray aloha ity loha-hevitra ity mba ahafahana mahatsiaro tena na tena kristianina marina na mbola mpandova ny Fariseo isika ankehitriny.

Asa na mba mahatsapa tsara ny toetran'ny Fariseo isika na tsia fa indraindray isika kristianina ankehitriny mihitsy no manana toetran'ny Fariseo.

Ilay izy tsy dia hoe fitsarana an'iza na iza fa fitsaran-tena ihany no mahatonga ny tena hanokatra ny lohahevitra.

Dia mba manasa ny rehetra fa mety mampifoha kokoa raha mahafantatra ny andry be manoloana ny masontsika isika.
répondu par Miharena le 13/04/2012 15:55
2. didi10 ( 10/04/2012 14:52)
Mat 5,20
20 Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy hianareo.
3. Miharena ( 10/04/2012 15:12)
Misaotra namana nanome sahady ampahany iray.

Fa mba azo fantarina ve ny fonosin'io teny io?
4. bichette ( 11/04/2012 11:16)
Mila sincere isika fa tsy mihatsara velatsihy, tsy manao sarintsariny na misehoseho, fa tsotra sy tena humble eo anatrehan'i Jehovah
5. didi10 ( 11/04/2012 12:30)
Tim II 4 : 1 - 22
[-4-] Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: 2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. 3 Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; 4 ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano. 5 Fa hianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao
6. mirananirina ( 11/04/2012 13:53)
Ka efa taranany ihany daholo isika !!!Inona kay ilay toetran ny Fariseo izany eh??
7. didi10 ( 11/04/2012 14:20)
Ny atao hoe Fariseo dia ireo antokon'olona fatra-pitana indrindra ny lalàna amin'ny fivavahana(Asa 26 : 5)

8. Miharena ( 11/04/2012 16:32)

Ny atao hoe Fariseo dia ireo antokon'olona fatra-pitana indrindra ny lalàna amin'ny fivavahana(Asa 26 : 5)

Marina tsy azo lavina ary io fatra-pitana ny lalàna io dia nanjary lasa poakaty ny finoana fa ny fahalalàna lalàna no nitambesatra ka tsinjon'i krsity izany tamin'ireo Jiosy ireo satria tsy ny maha-Andriamanitra intsony no voatory fa ilay lalàna nampitambesarana ny olona. Ka iza amintsika kristiana ankehitriny no mahatsapa fa mandehandeha mitety fiangonana be lalàna? Satria ny tena mahazendana dia izao, misy fiangonana anankiray ohatra mampianatra finoana dia misy foto-dalàna omena koa ao, dia rehefa misy mitsikera iny lalàna iny dia mifindra indray izy amin'y fiangonana manaraka heveriny fa manana lalàna mampety azy satria hevriny f amifandraika amin'ny ao anaty Baiboly. Dia rehefa misy mitsikera indray io satria voatsikera toy ny Fariseo izy mitana io lalàna io dia miditra amin'ny mpampianatra matematika indray izy, dia rehefa misy mitsikera indray io dia lasa indray izy mitady mpampianatra hafa, dia izay hatrany fa tsy misy fitombenany mihitsy.

Dia mila manontany tena ihany noho ireo toe-javatra ireo.
9. didi10 ( 12/04/2012 08:23)
Ny tsara ho fantatry ny Kristiana fa tsy misy olona hohamarinina amin'ny lalàna fa voaozona izay rehetra mandeha amin'ny asan'ny lalàna.

Gal 3,10
10 Fa izay rehetra amin'ny asan'ny lalàna dia eo ambanin'ny fanozonana; fa voasoratra hoe: "Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankato ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna." (Deo. 27. 26). 11 Ary hita marimarina fa amin'ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan'Andriamanitra; fa "ny marina amin'ny finoana no ho velona"[ny marina ho velon'ny finoana](Hab. 2. 4). Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa "izay mahatandrina izany no ho velona aminy" (Lev. 18. 5). 12 Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa "izay mahatandrina izany no ho velona aminy" (Lev. 18. 5).

Mipetraka ary ny fanontaniana hoe: Foana va ny lalàna sy ny Didy 10?

Mizara roa mazava tsara ny valiny:

1. Ho an'ireo efa zanak'Andriamanitra: Vita Batisa asitrika amin'ny anaran'i Jesosy
Rom 6,8
8 Ary raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika; 9 ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin'ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana. 10 Fa ny amin'ny nahafatesany, dia maty ny amin'ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin'ny ahavelomany kosa, dia velona ho an'Andriamanitra Izy. 11 Ary aoka ho tahaka izany koa hianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin'ny ota, fa velona ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy. 12 Koa aza avela ny ota hanjaka amin'ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany; 13 ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra. 14 Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin'ny lalàna hianareo, fa ambanin'ny fahasoavana.

Tsy mandeha amin'ny fangejan'ny lalàna intsony ny zanak'Andriamanitra satria ny ota tsy manan-kery aminy, tsy mahay manota ireo ary izay rehetra ataony dia ataony amin'ny fitiavana(I Kor 16,14)
Ohatra: Satria tiako Jehovah dia mandeha fivoriana masina aho rehefa Sabata fa tsy hoe satria didy.
Satria tiako ny namako dia tsy hanao ratsy na inona na inona aminy aho fa tsy hoe satria didy.

2.Ho an'ireo zanak'izao tontolo izao: ireo jentilisa sy ireo kristiana tsy natao Batisa asitrika amin'ny anaran'i Jesosy
Ny lalàna no mpifehy azy ireo hahafahany manatona sy mino an'Andriamanitra ary izay mino dia atao Batisa avy eo.

Gal 3,19
19 Inona ary ny lalàna? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin'ny taranaka izay nomena ny teny fikasana; ary nalahatr'anjely teo an-tànan'ny mpanalalana izany. 20 Ary ny mpanalalana dia tsy an'ny irery fa Andriamanitra dia iray ihany.
21 Ka moa manohitra ny teny fikasan'Andriamanitra va ny lalàna? Sanatria izany! Fa raha nisy lalàna mahavelona nomena, dia avy tamin'ny lalàna tokoa ny fahamarinana. 22 Fa ny Soratra Masina efa nanidy azy rehetra teo amin'ny fahotana, mba homena ny mino ny teny fikasana noho ny finoana an'i Jesosy Kristy.
23 Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin'ny lalàna isika ka voahidy ho amin'ny finoana izay efa haseho ato aoriana. 24 Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin'i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika. 25 Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika. 26 Fa hianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy. 27 Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy. 28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. 29 Fa raha an'i Kristy hianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.

Fehiny:

izay mbola tsy ao amin'ny Tompo no tsy maintsy taizana amin'ny lalàna ary hotsaraina araka ny lalàna.
Rom 2,12
12 Fa izay manota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; fa izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna. 13 Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina; 14 fa na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian'ny lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia lalàn-tenany ihany;

Izay efa vita Batisa kosa dia eo ambany fahasoavana fa tsy ambany lalàna, fa kosa tsy maintsy mampianatra ny jentilisa ny lalàna mba hahatonga ny finoana ka hirosoany amin'ny Batisa.

AMENA!


10. Miharena ( 12/04/2012 14:03)

izay mbola tsy ao amin'ny Tompo no tsy maintsy taizana amin'ny lalàna ary hotsaraina araka ny lalàna...
...
Izay efa vita Batisa kosa dia eo ambany fahasoavana fa tsy ambany lalàna, fa kosa tsy maintsy mampianatra ny jentilisa ny lalàna mba hahatonga ny finoana ka hirosoany amin'ny Batisa.


Tsy mazava fa mampiditra mamoaka ilay fanazavana sy ny fahazoanao izay voambaran'ny Baiboly.
Tsy hitan'ny mpamaky izay arahana, tokony hanaraka ny lalàna ve izy sa ahoana? Satria raha milaza ianao fa izay tsy mbola ao amin'y Tompo no tsy maintsy taizana amin'ny lalàna dia izy aza tsy manana lalàna satria tsy mahafantatra an'Andriamanitra akory ko no hotezainao ao?

Hazavao tsara fa aza atao tanisa fotsiny ny Teny ampamakiana ny mpamaky. Ary aoka koa hiavaka tsara hoe fihevitr'i Paoly ve ireo sa fihevtr'i Kristy sa fihevitr'i Jehovah?
11. didi10 ( 12/04/2012 15:55)
Eny re e!

Raha ireo mbola tsy ao amin'ny Tompo no resahana dia ampianarina hanaraka ny lalàna sy ny didin'Andriamanitra izy mba hahafantatra ny sitrapon'Andriamanitra sy hanatona Azy, ka raha sanatria izy maty kanefa mbola tsy vita Batisa dia hotsaraina araka izay didy nodikainy satria misy ny ota mahafaty ary misy ny ota tsy mahafaty, raha tsy nety nanaraka ny lalàna moa izy dia efa fanamelohana no miandry azy.

Fa rehefa vita ny Batisa dia tsy eo ambany lalàna intsony izy fa eo ambany fahasoavana satria tsy mahay manota ka ny fitiavana no manjaka eo amin'ny fiainany. Tsy manao zavatra iray izy noho ny didy sy lalàna fa ny fitiavana no manery azy hanantanteraka na tsia zavatra iray. Fa ny lalàna kosa dia tazominy ao am-pony mba ho enti-mitaiza ireo Jentilisa mandrapaha-vita Batisa azy.
12. niryna ( 12/04/2012 16:22)

didi10:

Ny tsara ho fantatry ny Kristiana fa tsy misy olona hohamarinina amin'ny lalàna fa voaozona izay rehetra mandeha amin'ny asan'ny lalàna.

Gal 3,10
10 Fa izay rehetra amin'ny asan'ny lalàna dia eo ambanin'ny fanozonana; fa voasoratra hoe: "Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankato ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna." (Deo. 27. 26). 11 Ary hita marimarina fa amin'ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan'Andriamanitra; fa "ny marina amin'ny finoana no ho velona"[ny marina ho velon'ny finoana](Hab. 2. 4). Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa "izay mahatandrina izany no ho velona aminy" (Lev. 18. 5). 12 Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa "izay mahatandrina izany no ho velona aminy" (Lev. 18. 5).

Mipetraka ary ny fanontaniana hoe: Foana va ny lalàna sy ny Didy 10?

Mizara roa mazava tsara ny valiny:

1. Ho an'ireo efa zanak'Andriamanitra: Vita Batisa asitrika amin'ny anaran'i Jesosy
Rom 6,8
8 Ary raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika; 9 ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin'ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana. 10 Fa ny amin'ny nahafatesany, dia maty ny amin'ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin'ny ahavelomany kosa, dia velona ho an'Andriamanitra Izy. 11 Ary aoka ho tahaka izany koa hianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin'ny ota, fa velona ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy. 12 Koa aza avela ny ota hanjaka amin'ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany; 13 ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra. 14 Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin'ny lalàna hianareo, fa ambanin'ny fahasoavana.

Tsy mandeha amin'ny fangejan'ny lalàna intsony ny zanak'Andriamanitra satria ny ota tsy manan-kery aminy, tsy mahay manota ireo ary izay rehetra ataony dia ataony amin'ny fitiavana(I Kor 16,14)
Ohatra: Satria tiako Jehovah dia mandeha fivoriana masina aho rehefa Sabata fa tsy hoe satria didy.
Satria tiako ny namako dia tsy hanao ratsy na inona na inona aminy aho fa tsy hoe satria didy.

2.Ho an'ireo zanak'izao tontolo izao: ireo jentilisa sy ireo kristiana tsy natao Batisa asitrika amin'ny anaran'i Jesosy
Ny lalàna no mpifehy azy ireo hahafahany manatona sy mino an'Andriamanitra ary izay mino dia atao Batisa avy eo.

Gal 3,19
19 Inona ary ny lalàna? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin'ny taranaka izay nomena ny teny fikasana; ary nalahatr'anjely teo an-tànan'ny mpanalalana izany. 20 Ary ny mpanalalana dia tsy an'ny irery fa Andriamanitra dia iray ihany.
21 Ka moa manohitra ny teny fikasan'Andriamanitra va ny lalàna? Sanatria izany! Fa raha nisy lalàna mahavelona nomena, dia avy tamin'ny lalàna tokoa ny fahamarinana. 22 Fa ny Soratra Masina efa nanidy azy rehetra teo amin'ny fahotana, mba homena ny mino ny teny fikasana noho ny finoana an'i Jesosy Kristy.
23 Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin'ny lalàna isika ka voahidy ho amin'ny finoana izay efa haseho ato aoriana. 24 Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin'i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika. 25 Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika. 26 Fa hianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy. 27 Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy. 28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. 29 Fa raha an'i Kristy hianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.

Fehiny:

izay mbola tsy ao amin'ny Tompo no tsy maintsy taizana amin'ny lalàna ary hotsaraina araka ny lalàna.
Rom 2,12
12 Fa izay manota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; fa izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna. 13 Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina; 14 fa na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian'ny lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia lalàn-tenany ihany;

Izay efa vita Batisa kosa dia eo ambany fahasoavana fa tsy ambany lalàna, fa kosa tsy maintsy mampianatra ny jentilisa ny lalàna mba hahatonga ny finoana ka hirosoany amin'ny Batisa.

AMENA!



MANDRERAKA BE ILAY RESAKA,TSY MISY TSIRONY INTSONY FA LASA DRINDRAN'NY NGILO FOTSINY IHANY SISA OOOPS
13. Miharena ( 12/04/2012 18:44)

Eny re e!

Raha ireo mbola tsy ao amin'ny Tompo no resahana dia ampianarina hanaraka ny lalàna sy ny didin'Andriamanitra izy mba hahafantatra ny sitrapon'Andriamanitra sy hanatona Azy, ka raha sanatria izy maty kanefa mbola tsy vita Batisa dia hotsaraina araka izay didy nodikainy satria misy ny ota mahafaty ary misy ny ota tsy mahafaty, raha tsy nety nanaraka ny lalàna moa izy dia efa fanamelohana no miandry azy.

Fa rehefa vita ny Batisa dia tsy eo ambany lalàna intsony izy fa eo ambany fahasoavana satria tsy mahay manota ka ny fitiavana no manjaka eo amin'ny fiainany. Tsy manao zavatra iray izy noho ny didy sy lalàna fa ny fitiavana no manery azy hanantanteraka na tsia zavatra iray. Fa ny lalàna kosa dia tazominy ao am-pony mba ho enti-mitaiza ireo Jentilisa mandrapaha-vita Batisa azy.


Dia tafiditra amin'y fanekena indray izany ianao fa misy olona tsy vita Batisa ho voanvonjy. Amen be mihitsy amin'izay satria mitovy amiko mihitsy ianao hoe tsy misy olona ho very satria misy alternative omen'ny Tompo ny rehetra na mivavaka na tsy mivavaka.
14. didi10 ( 13/04/2012 06:02)

Miharena:


Dia tafiditra amin'y fanekena indray izany ianao fa misy olona tsy vita Batisa ho voanvonjy. Amen be mihitsy amin'izay satria mitovy amiko mihitsy ianao hoe tsy misy olona ho very satria misy alternative omen'ny Tompo ny rehetra na mivavaka na tsy mivavaka.


An'Andriamanitra ny fitsarana Miharena a! mety ho hisy voavonjy fa tena vitsy dia vitsy ny tsy vita Batisa (an'Andriamanitra hoy aho ny fitsarana) fa tsy misy fitenenana kosa aloha ao hoe tsy misy olona ho very izany a! tsy ilaina ny fitoriana raha tsy hisy ny ho very.
15. didi10 ( 13/04/2012 06:08)

niryna:


MANDRERAKA BE ILAY RESAKA,TSY MISY TSIRONY INTSONY FA LASA DRINDRAN'NY NGILO FOTSINY IHANY SISA OOOPS


Tsara rehefa mahatsapa fa drindran'ny ngilo ianao satria efa tafita aminao ny fitoriana ka te hiroso amin'ny zavatra hafa ianao, aleo ny namana hafa handray ny fitoriana fa izay no tanjona.
16. Miharena ( 13/04/2012 06:41)

An'Andriamanitra ny fitsarana Miharena a! mety ho hisy voavonjy fa tena vitsy dia vitsy ny tsy vita Batisa (an'Andriamanitra hoy aho ny fitsarana) fa tsy misy fitenenana kosa aloha ao hoe tsy misy olona ho very izany a! tsy ilaina ny fitoriana raha tsy hisy ny ho very.


Raha niteny i Krsity tamin'ny fampianarana nataony dia hoy Izy : Izaho tsy mitsara anareo fa ny teny izay ambarako no hitsara anareo. Izany hoe hohenjehin'ny eritreritra izany ny olona no azo andraisana izany fanambarana izany amin'ny fomba tsotra.

Koa raha Andriamanitra i Krsity dia tsy mitsara izany IZY arak'io teny io fa izay afafin'ny olona ihany no jinjainy. Ka ao no mamery rondoha amin'y hevitra bontolo sy tsy misy varany ary ao no miaina araka an'Andriamanitra dia misonanina tsara tsy manana ahiana ary mazava hatrany amin'ny fieritreretany rehetra.

Ilay avy hatrany koa dia milaza fa vitsy no ho voavonjy dia isika izay manana toe-tsaina voafetra no mametraka izany fa tsy azontsika atao velively ho hevitr'Andriamanitra tompon'ny mandrakizay izany.

Izay aloha no fahatsapako azy fa asa ny an'ny hafa.
17. didi10 ( 13/04/2012 06:49)
Ka izay no lazain'ny Soratra Masina dia mino aho Miharena a! sady Jesosy en personne no miresaka eto!

Lioka 13,23
23 Dia hoy ny anankiray taminy: Tompoko, moa vitsy va no hovonjena? Ary hoy Izy tamin'ny olona: 24 Miseseha hiditra amin'ny varavarana èty hianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka. 25 Rehefa mitsangana ny tompon-trano ka manidy ny varavarana, ary hianareo mijanona eo ala-trano mandòndòna ny varavarana ka manao hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hamaly Izy ka hanao aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza hianareo; 26 ary amin'izay hianareo dia hanao hoe: Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay, ary nampianatra teny an-dalambenay Hianao. 27 Fa Izy hiteny hoe: Lazaiko aminareo: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza hianareo; mialà amiko, hianareo rehetra mpanao meloka. 28 Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitrohan-nify, raha mahita an'i Abrahama sy Isaka sy Jakoba ary ny mpaminany rehetra eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra hianareo, fa ny tenanareo kosa dia voaroaka any ivelany. 29 Ary ho tonga avy any atsinanana sy avy any andrefana ary avy any avaratra sy avy any atsimo ireny ka hipetraka hihinana eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
18. Miharena ( 13/04/2012 06:59)
Io ohatra io dia tena mamaly ilay resaka Fariseo sy Krsitianina mihitsy. Dia tsy matahotra ve ianao mahita io fahaverezana be dia be io ? Ary ilay izy ilay mpanao Tompoko Tompoko no very fa tsy ireo hafa mihitsy.

Mba anisan'ny vitsy àry ve ianao sa anisan'ilay maro?

Fa raha izaho aloha no mijery dia toa izaho irery no vitsy manana finoana fa mandrakizay ny famindrampon'Andriamanitra ato fa ny sasany toa mivoy finoana fahaverezana mandrakizay hatrany.

Mba azonao zaraina tsara ve ilay hoe Fanjakan'Andriamanitra ? sao dia lasa tanisa fotsiny manko ka manahirana.
19. didi10 ( 13/04/2012 07:46)

Miharena:

Dia tsy matahotra ve ianao mahita io fahaverezana be dia be io ? Ary ilay izy ilay mpanao Tompoko Tompoko no very fa tsy ireo hafa mihitsy.


Tsy ny afobe no tokony atahorana fa Andriamanitra namana a! ny fahatahorana Azy mihitsy no antony mampazoto ahy mitory eto.

Miharena:

Mba anisan'ny vitsy àry ve ianao sa anisan'ilay maro?


An'Andriamanitra hoy aho ny fitsarana, ny zavatra tokony hataontsika olombelona fotsiny dia ny maka assurance amin'ny fanarahana ny sitrapoNY fa hiandry amnistie, na grâce rahatrizay.
Fa mbola confirmeko fa vitsy no ho vonjena raha ny fahitako ny fifikiran'ny olona amin'ny fampianaram-piangonana izay hita fa diso eto fotsiny ohatra.

Miharena:

Fa raha izaho aloha no mijery dia toa izaho irery no vitsy manana finoana fa mandrakizay ny famindrampon'Andriamanitra ato fa ny sasany toa mivoy finoana fahaverezana mandrakizay hatrany.

Tsy misy olona omena famindram-po nefa tsy nibebaka Miharena a! izay mifona sy miverina Aminy ihany no mahazo famindram-po!

[quote=Miharena]
Mba azonao zaraina tsara ve ilay hoe Fanjakan'Andriamanitra ? sao dia lasa tanisa fotsiny manko ka manahirana.
[quote/]
Andeha aho hoy Jesosy ka hanomana toerana ho anareo, raha matoky Azy ianao dia tokony hino fa fahasambarana ny miandry anao any. Mazava tsara fa toerana hafa io lazaiNY io fa tsy ety an-tany amin'izao akory.
20. Miharena ( 13/04/2012 09:35)
Raha tena manaraka tsara ny lojika rehetra momba ny famoronana izao tontolo izao ianao dia tantara sisa ireo tanisainao fa fahamarinana ireo. Ny lalàna rehetra napetraka na izany tamin'izany andor izany, na amin'izao fotoana izao arakarak'izay nitarika dia fomba fitondrantena ihany fa tsy misy hidirany amin'ny ara-panahy mihitsy. Izay no nanjo ny Fariseo ary raha tsy mihotra noho izy ireo isika dia tafiditra hatrany amin'ny fiheveran-diso.

Dia tokony hofaritana tsara ilay hoe "mihoatra" fa tsy tokony heverina fotsiny hoe raha tsy manaraka an-tsakany sy andavany izay voalazan'ny Baiboly dia tsy ho voavonjy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0769