Fariseo sy ny Kristianina - aiza ho aiza isika?

21. didi10 ( 13/04/2012 10:36)
Tsy misy olona afaka handrava ny Tenin'Andriamanitra Miharena a! tsarovy fa mbola misy fiainana miandry anao aorian'izao, na dia samy fofon'ain'i Jehovah aza isika dia samy ho faty ihany fa aorian'izao no tena fiainana ka zay no tokony hiomanana amin'ny fanatanterahana ny voasoratra.

Isaia 40 7-8
7 Maina ny ahitra, malazo ny voniny,
satria tsofin'ny fofonain'i Jehovah ireny;
Eny, ahitra tokoa ny olona.
8 Maina ny ahitra, malazo ny voniny;
Fa ny tenin'Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.
22. Miharena ( 13/04/2012 15:55)

Fa ny Tenin'Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay


Andriamanitra velona miteny mandrakariva fa tsy ao anaty boky ihany no fandraisana io teny io. Tsy tantara fa fiainana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.9488