Tsy renin'i Jesosy i Maria
1. didi10
(
10/04/2012 07:31)
Misy karazany telo ny atao hoe Reny:
1- Ny reny biolojika (mère biologique ou mère génétique)
2- Ny reny mpiteraka (mère porteuse)
3- Ny reny mpitaiza mère tuteur
Ny reny 1 na ny reny biolojika ihany no tena afaka miteny hoe zanako ity zaza iray ity na dia tsy naterany (2) aza (insémination artificielle), na tsy notaizany (3)aza.
Ny reny (2) dia kibo indramina fotsiny ihany mba hitondra vohoka ny zaza tahaka an'i Maria fa tsy misy gène-ny mihitsy tao amin'i Jesosy na dia bitika aza.
I Maria dia sady (2) no (3) fa tsy (1)
Fehiny: Diso dia diso ny filazana fa MARIA DIA RENIN'ANDRIAMANITRA

novalian'i mangakely ny 29/05/2012 11:11
2. Tefigasy
(
10/04/2012 07:55)
Ianao mpitady toko sy andininy io, mba aiza ho aiza ao amin'ny baiboly no misy hoe : "ny reny biolojika ihany no tena afaka miteny hoe zanako ity zaza iray ity"
Dia sahy hiteny ve ianao fa tsy manana zo hiteny koa Andriamanitra hoe "zanako ianao" satria tsy zanany biolojika mihitsy ianao tsinona !
Aza dia faly mitsikera r'ingahy a, raha mba misy zavatra tsara any aminao any dia izay zaraina fa aza ny an'olona no haratsiana .
Tsy katolika aho ary tsy ho katolika velively mihitsy mandrapahafatiko saingy tsy mety ny fanaratsiana be fahatany toy izao ataonao izao. Tsy toa izao no fomba fitory r'ingahy, tsy toa izao no fizarana fitiavana !
Toro-hevitra ihany iny fa afaka tsy raharahina a!

3. hery
(
10/04/2012 08:30)
Vao eo izy no miteny hoe
Misy karazany telo ny atao hoe Reny:
1- Ny reny biolojika (mère biologique ou mère génétique)
2- Ny reny mpiteraka (mère porteuse)
3- Ny reny mpitaiza mère tuteur
Dia avy eo indray miteny hoe ny 2 sy 3 ihany no reny :-)
fa angaha tsy misy karazany 3 indray? dia samy reny daholo na 1 na 2 na 3?
Dia tsy haiko koa aloha ny dikan'ny hoe biologique. Hatraiza ny fetran'ny hoe biologique.

4. didi10
(
10/04/2012 09:11)
Tefigasy:
Ianao mpitady toko sy andininy io, mba aiza ho aiza ao amin'ny baiboly no misy hoe : "ny reny biolojika ihany no tena afaka miteny hoe zanako ity zaza iray ity"
Dia sahy hiteny ve ianao fa tsy manana zo hiteny koa Andriamanitra hoe "zanako ianao" satria tsy zanany biolojika mihitsy ianao tsinona !
Aza avadikao ny resaka fa ny amin'i Maria sy Jesosy aloha izao no resaka, saingy ho valiako ihany ianao:
Rom 9.8
Tsy ny zanaky ny nofo no zanak'Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.
Ary aza mora tezitra ianao namana fa mba raiso am-pitiavana ny fitoriana:
Jak 5, 19
19 Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin'ny fahamarinana, ary misy anankiray mampibebaka azy, 20 aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin'ny làlan'ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be.
5. hery
(
10/04/2012 09:17)
didi10:
Rom 9.8
Tsy ny zanaky ny nofo no zanak'Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.
Ianao ihany izany no mamaly ilay resaka voalohany.
Tsy ny zanaka biolojika ihany no tena antsoina hoe zanaka (raha tsy izany dia tsy zanak'Andriamanitra koa ianao)
cqfd. Renin'i Jesoa i Maria :-)
6. Miharena
(
10/04/2012 09:30)
Jak 5, 19
19 Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin'ny fahamarinana, ary misy anankiray mampibebaka azy, 20 aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin'ny làlan'ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be.
Tsara faritana ilay fibebahana Didi10 fa tsy ny fanekeko na tsia ny momba ny atao hoe Renin'Andriamanitra angamba izy io an!
7. didi10
(
10/04/2012 09:43)
Miharena:

Tena mampibebaka mihitsy aho Miharena a! ny hevi-diso anie dia ny fampitoviana an'i Maria amin'Andriamanitra satria renin'andriamanitra hono ka ivavahana e!
Lev 26 : 1
AZA manao andriamani-tsi-izy; ary aza manangana sarin-javatra voasokitra, na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin'ny tarnnareo: fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
8. didi10
(
10/04/2012 09:48)
hery:
didi10:
Rom 9.8
Tsy ny zanaky ny nofo no zanak'Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.
Ianao ihany izany no mamaly ilay resaka voalohany.
Tsy ny zanaka biolojika ihany no tena antsoina hoe zanaka (raha tsy izany dia tsy zanak'Andriamanitra koa ianao)
cqfd. Renin'i Jesoa i Maria :-)
Manaiky izany ianao fa tsy reny biolojikan'i Jesosy i Maria? ary samy mpitaiza fotsiny ihany izy sy i Josefa?
9. Miharena
(
10/04/2012 10:13)
Tena mampibebaka mihitsy aho Miharena a! ny hevi-diso anie dia ny fampitoviana an'i Maria amin'Andriamanitra satria renin'andriamanitra hono ka ivavahana e!
Lev 26 : 1
AZA manao andriamani-tsi-izy; ary aza manangana sarin-javatra voasokitra, na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin'ny tarnnareo: fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Tsy fantatrao marina aloha ny antony mahatonga ny olona hahatsapa fa Andriamanitra i Maria, toa an'i Kristy nateraNY ara-nofo.
Toa saro-piaro be loatra moa Didi10 amin'io resaka Andriamantira io nefa rehefa miteny i Jajajay atsy hoe tsy Andriamanitra i Krsity fa Zanak'Andriamantira dia toheriny koa!
Tsara angamba aloha mijery ity resaka nifanaovan'i Krsity tamin'ny Jiosy ity ahafahana maka tsoa-kevitra:
Jaona 10: 32 Jesosy namaly azy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin'ny Ray; koa ny asa manao ahoana amin'ireny moa no itorahanareo vato Ahy?
33 Ny Jiosy namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy*, satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra. [*Gr. blasfemia, izahao Mat. 9,3]
34 Jesosy namaly azy hoe: Tsy voasoratra ao amin'ny lalànareo va hoe: Hoy Izaho: Andriamanitra ianareo? (Sal. 82. 6).
35 Raha ireny izay nanaovana izany tenin'Andriamanitra izany no natao hoe andriamanitra (ary ny Soratra Masina tsy azo foanana),
36 moa Izay nohasinin'ny Ray ka nirahiny ho amin'izao tontolo izao va no ataonareo hoe: Miteny ratsy Hianao, satria hoy Izaho: Zanak'Andriamanitra Aho?
37 Raha tsy manao ny asan'ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy.
38 Fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy mino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asa, mba ho fantatrareo sy hekenareo fa ny Ray no ato amiko, ary Izaho ao amin'ny Ray.
Raha marina ireo dia ao amin'ny Ray daholo izany na Maria, na Jesosy na ny Jiosy sy ny olombelona rehetra arak'i Kristy.
10. Tefigasy
(
10/04/2012 10:13)
Ho an'iilay mpanokatra lohahevitra :
Averiko indra ity fa tsy nisy valiny :
mba aiza ho aiza ao amin'ny baiboly no misy hoe : "ny reny biolojika ihany no tena afaka miteny hoe zanako ity zaza iray ity"
Sa ity no tianao atao ho valiny :
Tsy ny zanaky ny nofo no zanak'Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.
Dia aza miteniteny foana intsony ary amin'ny manaraka ka hiteny hoe : "Ny reny biolojika ihany no tena afaka miteny hoe zanako ity zaza iray ity"
Ny gasy ary mamadibadika in-pito ny lelany vao miteny, maika fa ny olona te-hitory ny tenin'andriamanitra izany mila ny fanahy masina mitari-dalana fa tsy izao fanenjehana tsy amin'antony rehetra izao no andeha hanamarina-tena !

11. hery
(
10/04/2012 10:14)
Ny firindran'ny hevitrao aloha no valiako eto. Fa ny momba ny hoe Reny biolojika na tsia dia io efa novaliako tamin'ny hafatrao voalohany io hoe "Dia tsy haiko koa aloha ny dikan'ny hoe biologique aminao. Hatraiza ny fetran'ny hoe biologique."
Valio eny na tsia hoe ireto?
- Araka ilay hafatrao voalohany indrindra io. Reny biolojika ve sa tsia i Maria?
- Araka ilay Rom 9.8. Renin'i Jesoa ve sa tsia i Maria?
- Ny Renin'Andriamanitra ve midika hoe Andriamanitra? ny renin' didi10 zany izao didi10 ihany?

12. hery
(
10/04/2012 10:25)
Rehef voavaly mantsy ireo dia toa voavaly ity lohahevitra napetrakao ity. Marihiko fa ny lohahevitra eto dia hoe "Tsy renin'i Jesosy i Maria".
Raha mila fanazavana ankoatra an'io ianao dia afaka manokatra lohahevitra hafa indray. Satria hita eto fa ianao ihany no miteny mazava hoe Renin'i Jesosy i Maria

13. didi10
(
10/04/2012 10:30)
Tefigasy:
Ho an'iilay mpanokatra lohahevitra :
Averiko indra ity fa tsy nisy valiny :
mba aiza ho aiza ao amin'ny baiboly no misy hoe : "ny reny biolojika ihany no tena afaka miteny hoe zanako ity zaza iray ity"
Sa ity no tianao atao ho valiny :
Tsy ny zanaky ny nofo no zanak'Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.
Dia aza miteniteny foana intsony ary amin'ny manaraka ka hiteny hoe : "Ny reny biolojika ihany no tena afaka miteny hoe zanako ity zaza iray ity"
Ny gasy ary mamadibadika in-pito ny lelany vao miteny, maika fa ny olona te-hitory ny tenin'andriamanitra izany mila ny fanahy masina mitari-dalana fa tsy izao fanenjehana tsy amin'antony rehetra izao no andeha hanamarina-tena !
Tsy hitako koa izay antony mampitroatroatra ity namana iray ity, ianao ve tsy efa niteny tatsy ambony fa tsy concerné e! matoa ianao tsy mivavaka sy tsy mandohalika na mangata-pitahiana sy fiarovana eo anoloan'ny sary vongana maro isankarazany dia misy antony ao.
Faly manohitra ny hevitra ajoroko fotsiny ianao fa na ianao mitovy hevitra amiko amin'ny finoanao!!!!!
14. didi10
(
10/04/2012 10:58)
hery:
- Araka ilay hafatrao voalohany indrindra io. Reny biolojika ve sa tsia i Maria?
Eny, Reny Biolojika i Maria fa amin'ireo zanany hafa izay nananany tamin'i Josefa, fa tsy reny biolojikan'i Jesosy izy fa Reny mpiteraka (mère porteuse), tsy nisy conception mihitsy tao fa "embryon" efa vonona no napetrak'Andriamanitra tao.
Matio 1,20
"Fa ny zaza ao ankibony dia avy amin'ny Fanahy Masina"
hery:
Araka ilay Rom 9.8. Renin'i Jesoa ve sa tsia i Maria?
Vao maika io mi-confirme fa zanaky ny Teny fikasana Jesosy fa tsy zanak'olombelona.
hery:
- Ny Renin'Andriamanitra ve midika hoe Andriamanitra? ny renin' didi10 zany izao didi10 ihany?
Anjaranao no mamaly eo satria tsy izaho no mivavaka amin'i Maria sy ny olona efa maty fa ianao.
15. hery
(
10/04/2012 18:44)
didi10:
tsy nisy conception mihitsy tao fa "embryon" efa vonona no napetrak'Andriamanitra tao.
ah. Io izany aminao ny dikan'ny hoe incarnation. Tsy nisy conception. Izany ve dia mbola olombelona ihany? Raha toa ka lazaina fa tena olombelona sy tena Andriamanitra i Jesoa? Fa tsy iadiako hevitra fa aminareo mety tsy tena olombelona nanana ny maha olombelona azy afatsy ny fahotana i Jesoa fa mety Andriamanitra fotsiny niditra tao ankibon'i Maria tamin'ny alalan'ny fahagagana. Izany hoe ho anareo dia angamba tsy maty koa i Jesoa satria tsy possible hoe maty ilay Andriamanitra, dia noho izany tsy nitsangana tamin'ny maty koa izy satria tsy maty. Tsy iadiako hevitra satria samy manana ny finoany. izahay mantsy dia mino an'i Jesoa tonga olombelona (fa tsy mody nanao masque olombelona), notorotoronin'ny Fanahy masina (conçu), naterak'i Maria Virjiny, maty dia nalevina ary nitsangana tamin'ny andro fahatelo.
didi10:
Rom 9.8
Tsy ny zanaky ny nofo no zanak'Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.
Raha tsy zanaka ny zanaky ny nofo, ka lazainao fa tsy zanaky ny nofon'i Maria i Jesoa, dia vao mainka ianao ihany indray no manaporofo fa zanak'i Maria ihany i Jesoa. Na zanaky ny nofo i Jesoa na tsy zanaky ny nofo dia zanak'i Maria foana?
didi10:
Anjaranao no mamaly eo satria tsy izaho no mivavaka amin'i Maria sy ny olona efa maty fa ianao
Diso cible ianao satria raha izaho sy ny fiangonako (katolika) tsy manana Andriamanitra hafa afatsy ny Trinite Masina Ray Zanaka Fanahy Masina. Fa raha hoe heverinao hoe mivavaka ny miresaka dia mivavaka amin'ny ray sy ny reniko, amin'ny namako, aminao koa aza angamba, aho izany.
16. niry17
(
11/04/2012 11:04)
mampalahelo ahy ny mijery ny ady hevitrareo,tsy tokony hatao akory zany fitsikerana izany na reny inn na reny inn i maria izy no efa nosafidin'Andriamanitra,mitsikeran'Andriamanitra enao rehefa mitsikera ny asany, fa fahaizandra olombelona zay nomen'Andriamanitra no nahatonga zany karazana reny zany, zavatra hafa zay hiahinanao à zao fotoana zao tsikeraina raha tsy mahita atao,sa leo ny miaina?
17. hery
(
11/04/2012 11:15)
niry17> ka ny tena mahamaika ny olona eto dia ny hijery hoe mety sa tsy mety ny ataon'i anona sy anona...
Rehefa mety ny ataon'ny tena dia tokony hifaly amin'izay dia tohizo :-)
Ny hafa moa inona no ivakianao loha aminy raha very any aza? Surtout rehefa mafy loha ohatra anay lolll
Izay hahavonjy ny fanahinao ataovy fa aza raharahiana akory izay lazain'ny fiangonan'olon-kafa any... indrindra raha tsy hiditra ao akory ianao.

18. didi10
(
11/04/2012 11:46)
hery:
Ny hafa moa inona no ivakianao loha aminy raha very any aza? Surtout rehefa mafy loha ohatra anay lolll
Maminany ho an'ny fanahinao ianao ka hotanteraka aminao araka ny teninao.
19. hery
(
11/04/2012 11:52)
didy10> io indray. Averimberiko foana hoe raha ny zavatra soratan'olona tahaka ahy aza sarotra aminao no mahazo azy... ahoana no hahafahanao mihambo ho manana ny fahamarinana mikasika ny tenin'Andriamanitra?
Io zavatra soratako io fotsiny ara dia efa tsy takatrao ny tiako hambara :-)

20. didi10
(
11/04/2012 12:10)
na olona tsy mahalala an'Andriamanitra aza ry Hery tsy mba manozona ny tenany ohatr'io ataonao io a!
Asa 17 : 30
30 Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka,,
Efa tsy ao anatin'ny andron'ny tsy fahalalana intsony ianao izao namana fa ao anatin'ny hamafisan-doha araka ny teninao.
Mibebaha fa efa akaiky ny andron'ny Tompo!!!