Paska, inona no fonosiny?
1. Miharena
(
03/04/2012 15:19)
Mety mitovy amin'ny lohahevitra nosokafan'i Jajajaly izy ity nefa tsy ny resaka Mpisorona sy Mpaminany no tokony hametrahana azy fa ho an'ny tsirairay mihitsy.
Dia misokatra ho an'ny rehetra ny lohahevitra hanehoan'ny tsirairay izay tsapany momba ny asan'Andriamanitra momba ny Paska.

novalian'i Miharena ny 10/04/2012 12:45
2. didi10
(
04/04/2012 06:34)
Miharena:
Mety mitovy amin'ny lohahevitra nosokafan'i Jajajaly izy ity nefa tsy ny resaka Mpisorona sy Mpaminany no tokony hametrahana azy fa ho an'ny tsirairay mihitsy.
Dia misokatra ho an'ny rehetra ny lohahevitra hanehoan'ny tsirairay izay tsapany momba ny asan'Andriamanitra momba ny Paska.
Tsara ny Tompo
Mahafinaritra ry namana rehefa liana amin'ny zava-panahy isika.
Faly miarahaba antsika rehetra aloha nahatratra ny Paska ara-baiboly izay ankalazaina androany izay efa niatomboka omaly hariva fankalazana ny fanasan'ny Tompo.
Paska, inona no fonosiny?
1/Paska voalohany
Eks 12 : 1 - 50
[-12-] ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona teo amin'ny tany Egypta ka nanao hoe: 2 Ity volana ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin'ny taona ho anareo izy.
3 Mitenena hianareo amin'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka manaova hoe: Amin'ny andro fahafolo amin'ity volana ity dia aoka samy haka zanak'ondry iray avy izy rehetra, araka ny fianakaviany, dia zanak'ondry iray avy no ho an'ny isan-trano; 4 ary raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak'ondry iray, dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy haka araka izay isan'ny olona; ny olona rehetra samy araka izay tokony ho laniny avy no hunisanareo ny zanak'ondry.
5 Zanak'ondry tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin'ny ondry na amin'ny osy izy; 6 ary hotehirizinareo izy hatramin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana ity; dia hamono azy amin'ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.
7 Ary hanalany ny ra, ka hatentiny amin'ny tolam-baravarana roa sy amin'ny tataom-baravaran'ny trano izay hihinanany azy.
8 Dia hohaniny amin'izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin'ny afo no hihinanany azy mbamin'ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin'ny anana mangidy. 9 Aza hanina manta na voahandro amin'ny rano izy, fa atsatsiho amin'ny afo mbamin'ny lohany sy ny tongony ary ny fadiny. 10 Ary aza asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha tahiny misy sisa tsy lany ka tra-maraina, dia hodoranareo amin'ny afo.
11 Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin'ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tànanareo; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan'i Jehovah.
Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin'izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin'ny tany Egypta hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah. 13 Ary ny ra dia ho famantarana ho anareo eo amin'ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny ra Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho.
14 Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah; hatramin'ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalana mandrakIzay.
Paska voalohany, inona no fonosiny?
Famonoana ny zanak'ondry ho famonjena ny zanak'Israely tamin'ny fanandevozan'i Egypta.
2/ Nataon'Andriamanitra ho lalàna: Fotoam-pivavahana voatendry ho fivoriana masina
Lev 23,5
4 Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amn'ny fotoany avy: 5 Ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan'i Jehovah. 6 Ary ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana izany dia andro firavoravoana ho an'i Jehovah, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira. 7 Ary amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo: aza manao tao-zavatra akory hianareo; 8 fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah hafitoana; ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao tao-zavatra akory hianareo.
Miverina tsara eto ilay andro faha efatra ambin'ny folon'ny volana voalohany izay andro mitovy tamin'ny Paska Voalohany ihany.
3/ Jesosy: zanak'ondrin'ny Paska, Jesosy paska ho antsika
Marka, 14,12
12 Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany taminy: Aiza no tianao halehanay hanamboaranay mba hihinananao ny Paska?
Jesosy dia nihinana ny Paska tahaka ireo Jiosy rehetra satria efa lalàna napetrak'i Jehovah izany.
Marka 14, 17
17 Ary nony hariva ny andro, dia tonga Izy sy ny roa ambin'ny folo lahy. 18 Ary raha nipetraka nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo, dia izay iray miara-mihinana amiko, no hamadika Ahy. 19 Dia nalahelo izy, ka samy nanontany Azy tsirairay hoe: Izaho va izany? 20 Ary Izy nanao taminy hoe: Izay anankiray amin'ny roa ambin'ny folo lahy miara-manatsoboka amiko ao anatin'ny lovia no izy. 21 Fa ny Zanak'olona dia mandeha tokoa, araka ny nanoratana Azy, nefa lozan'izay olona hahazoana ny Zanak'olona hatolotra! Tsara ho an'izany olona izany raha tsy ary akory.
22 Ary raha mbola nihinana izy, Jesosy nandray mofo; ka nony efa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy ary nataony hoe: Raiso, ity no tenako. 23 Dia nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy; ka dia nisotroan'izy rehetra izany. 24 Ary hoy Izy taminy: Ity no rako amin'ny fanekena,izay alatsaka hamonjy ny maro. 25 Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pihavin'ny andro hisotroako izay vaovao any amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
Noporofoin'i Jesosy teto fa Izy no zanak'ondrin'ny Paska hatao sorona ho famonjena ny olona, ka izay mihinana ny nofony sy misotro ny rany no handray ny famonjena.
Ary ny androtr'iny ihany (14 nisan) dia nofantsihina, maty teo amin'ny hazo fijaliana ary nalevina Jesosy ho famonjena antsika.
I Kor 5,7
7 Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao hianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; 8 ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana;
Fehiny: Tsy niova ny hevitra fonosin'ny Paska hatramin'ny voalohany ka hatramin'izao dia ny famonoana ny zanak'ondry ho famonjena ny olona.
Tsy ny alahady nitsanganan'ny Tompo velively no atao hoe Paska ry namana fa ny andro nahafatesan'i Jesosy 14 nisan (ankalazaina androany).
Amena.
3. Maranatha
(
04/04/2012 10:25)
didi10:
Fehiny: Tsy niova ny hevitra fonosin'ny Paska hatramin'ny voalohany ka hatramin'izao dia ny famonoana ny zanak'ondry ho famonjena ny olona.
Tsy ny alahady nitsanganan'ny Tompo velively no atao hoe Paska ry namana fa ny andro nahafatesan'i Jesosy 14 nisan (ankalazaina androany).
Amena.
Tsy diso,... fa ny zanank'ondry efa maty hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao ka raha izao ise vao hamono azy tsy izy intsony. I Kristy (Mesia) maty r'ise no paska ho an-tsika. tsy mila mamono zanank'ondry intsony.
Faharoa ny daty entin'ise dia diso satria datin'ny 03/04/2012 izao ny anio n'ise. Jero tsara aloha hoe oviana no nitsinana ny volana dia manisa 14 aorian'io. 22,23 mars izao no tsinam-bolana teo 4 Avril eo no tena paska raha hanaraka io.
Fahatelo: ny PASKA dia efa nosoloin'ny Tompo amin'ny fanompoam-pivavahana Fandraisana ny fanasan-tompo. Ka na oviana na oviana hianareo no mandray ny fanasan'ny Tompo dia izay no atao hoe Paska. Ny fankalazana ireny andro izay efa notanterahain'ny Tompo ireny dia midika fa tsy mino ny asa efa vitany isika. Izay rehetra efa vita r'ise tsy atao intsony a!
Mahereza ise!
4. didi10
(
04/04/2012 12:43)
Maranatha:
Tsy diso,... fa ny zanank'ondry efa maty hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao ka raha izao ise vao hamono azy tsy izy intsony. I Kristy (Mesia) maty r'ise no paska ho an-tsika. tsy mila mamono zanank'ondry intsony.
Vakio tsara r'ise ny soratra fa tsy miteny mihitsy aho hoe vonoina isaky ny Paska ny zanak'ondry fa ny hevitra fonosina no nambara teo ambony.
Paska voalohany = famonoana ny zanak'ondry namonjena an'Israely
Jesosy Paska ho antsika = Zanak'ondrin'Andriamanitra maty ho famonjena antsika
Maranatha:
Faharoa ny daty entin'ise dia diso satria datin'ny 03/04/2012 izao ny anio n'ise. Jero tsara aloha hoe oviana no nitsinana ny volana dia manisa 14 aorian'io. 22,23 mars izao no tsinam-bolana teo 4 Avril eo no tena paska raha hanaraka io.
Fahatelo: ny PASKA dia efa nosoloin'ny Tompo amin'ny fanompoam-pivavahana Fandraisana ny fanasan-tompo. Ka na oviana na oviana hianareo no mandray ny fanasan'ny Tompo dia izay no atao hoe Paska. Ny fankalazana ireny andro izay efa notanterahain'ny Tompo ireny dia midika fa tsy mino ny asa efa vitany isika. Izay rehetra efa vita r'ise tsy atao intsony a!
Mahereza ise!
Tsy diso io ka : tamin'ny 22 Mars tokoa no nitsinana ny volana fa raha ny fanisana ara-baiboly dia efa nanomboka ny 21 Mars maty masoandro io andro io. Noho izany io 22 Mars io no andro voalohany amin'ny volana sy amin'ny taona (ohatriny ny hoe 1er janvier e) sa nareo tsisy 1 fa 2 vao manisa?
Afaka tsy mankalaza ny Paska ise raha tsy hankalaza fa ny Paska dia andro lehibe loatra amin'ny fiainana Kristianina ka hanaovanay fivoriam-bavaka ny fahatsiarovana azy.
5. didi10
(
04/04/2012 14:09)
raha mila fanazavana fanampiny
http://www.ccg.org/french/s/A_P2012.html
http://www.lettre-chretienne.org/calendrier-lunaire-astromique-biblique.htm
6. Miharena
(
05/04/2012 03:54)
Misaotra antsika amin'ny fahazoantsika tsirairay avy ny Paska.
Fa ilay resaka fanisana andro tokoa no tsy mba haiko loatra. Raha mijery calendrier aho izao dia ny 22 mars dia maizim-bolana ary 30 MArs no tsinan-kerinandro. Ka iza no tian'i Didi10 lazaina amin'ilay hoe tsinambolana?

7. Maranatha
(
05/04/2012 10:31)
didi10:
Tsy diso io ka : tamin'ny 22 Mars tokoa no nitsinana ny volana fa raha ny fanisana ara-baiboly dia efa nanomboka ny 21 Mars maty masoandro io andro io. Noho izany io 22 Mars io no andro voalohany amin'ny volana sy amin'ny taona (ohatriny ny hoe 1er janvier e) sa nareo tsisy 1 fa 2 vao manisa?
Didi10 ny tsinam-bolana r'ise a! tsy toy ny filentiky ny masoandro toy ny fanao sabata fa ny tsinam-bolana dia mety ho amin'ny 02 ora atoandro, mety ho amin'ny 10 ora alina arakaraka izay hitsinanan'ny volana eo, tamin'ity izao dia t@ 07 ora sy sasany maraina ny tsinam-bolanan-tsika teto M/car dia teo no nanomboka ny taom-baovao ara-baiboly tsika teto M/car raha nanao ianareo.
Mahafinaritra ahy ny miresaka amin'ise. Nitovy tamin'ise ohatri'izao koa izaho taloha. Nianatra dia avy eo nampiatra dia nizara, nanantena izaho fa mba isany efa tena nahafehy ny soratra masina satria ireny pasitera sy mompera ireny raha miady hevitra amiko dia mitsoaka; tsy vitany nahafehy ny soratra masina aho fa nahay toko sy andininy be ihany koa raha tsianjery.
Fa rehefa tena niiditra lalina kokoa dia nahatsapa fa taim-boraka ny fahalalako hatramin'izay kely dia kely. Nanomboka teo dia ny nihaino fotsiny indray no nataoko dia nanitsy izay diso, dia nahatakatra zavatra be dia be (velaro ny saina dia aza avela hifototra amin'ny finoan'ny fiangonan'ise ny finoan'ise fa rehefa hitan'ise fa zavatra marina voaporofon'ise tsara dia ekeo sy ampiaro)
Misy mantsy ny fahamarinana tsy zakan'ny fiangonanaka ka tsy azo hampiarina ao. Fa ise kosa afaka mampihatra izany any an-tranon'ise. Mahereza ! dia manàna fahazarana mihaino fotsiny indray aloha indrindra raha olona voalazain'ny Isaia 8:20.
8. didi10
(
05/04/2012 13:51)
Miharena:
Misaotra antsika amin'ny fahazoantsika tsirairay avy ny Paska.
Fa ilay resaka fanisana andro tokoa no tsy mba haiko loatra. Raha mijery calendrier aho izao dia ny 22 mars dia maizim-bolana ary 30 MArs no tsinan-kerinandro. Ka iza no tian'i Didi10 lazaina amin'ilay hoe tsinambolana?
Ilay sarina volana boribory miloko mainty be eo amin'ny calendrier iny ry Miharena no jerena a! diso filaza angamba aho fa maizim-bolana no teny hilazana azy amin'ny teny gasy fa "nouvelle lune" amin'ny teny vahiny.
9. didi10
(
05/04/2012 14:16)
Maranatha:
Mahafinaritra ahy ny miresaka amin'ise. Nitovy tamin'ise ohatri'izao koa izaho taloha. Nianatra dia avy eo nampiatra dia nizara, nanantena izaho fa mba isany efa tena nahafehy ny soratra masina satria ireny pasitera sy mompera ireny raha miady hevitra amiko dia mitsoaka; tsy vitany nahafehy ny soratra masina aho fa nahay toko sy andininy be ihany koa raha tsianjery.
Fa rehefa tena niiditra lalina kokoa dia nahatsapa fa taim-boraka ny fahalalako hatramin'izay kely dia kely. Nanomboka teo dia ny nihaino fotsiny indray no nataoko dia nanitsy izay diso, dia nahatakatra zavatra be dia be (velaro ny saina dia aza avela hifototra amin'ny finoan'ny fiangonan'ise ny finoan'ise fa rehefa hitan'ise fa zavatra marina voaporofon'ise tsara dia ekeo sy ampiaro)
Misy mantsy ny fahamarinana tsy zakan'ny fiangonanaka ka tsy azo hampiarina ao. Fa ise kosa afaka mampihatra izany any an-tranon'ise. Mahereza ! dia manàna fahazarana mihaino fotsiny indray aloha indrindra raha olona voalazain'ny Isaia 8:20
Misaotra an'ise amin'ny fankaherezana, maro tokoa namana ny olona mitovy amin'ise, rehefa notaomin'Andriamanitra hanantona an'i Jesosy dia nafana fo ery tamin'ny voalohany ary tena "gardien de la vérité biblique" mihitsy na any am-piangonana na any amin'ny fiaraha-monina, satria nino ny tenin'i Jesosy hoe:"Raha tsy mihoatra noho ny an'ny fariseo sy ny an'ny mpanora-dalàna ny fahamarinanareo dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra hianareo" saingy tsy nahay nanavaka ny atao hoe fampianarana tsy misy kilema, fampianaram-piangonana ary ny fampianaran'izao tontolo izao ka nanafangaro izany.
Mahereza namana mitory ny fahamarinana lazain'ny Tenin'Andriamanitra fa isika anie efa lasa lavitra amin'ny fahalalana e!saingy zava-poana tokoa izany eo anatrehan'ny fitiavana, fitiavana ireo namana maro izay mbola tena lavitry ny famonjena!
Mahereza fa izay maharitra hatramin'ny farany ihany no hovonjena.
10. ranovelona
(
06/04/2012 08:56)
salama,
somary asiako tsindrim-peo kely fa ny paska dia tsy ilay andro akory fa ilay sakafo hohanina mandritry ny diavolana faha 14n'ny volana voalohany.
ny composé ohatra dia ahitana macédoine, lasary karaoty, ovy, haricot vert, pate jaune kely, sauce, mayonnaise,... ny paska kosa indray dia henondry natsatsika, anana mangidy ary divay mena koa raha makeny amin'ny gargoty ianao ka manao commande paska dia ireo no arosony...
raoviana kay vao misy lundi de composé e!
mirary soa
Ranovelona
somary asiako tsindrim-peo kely fa ny paska dia tsy ilay andro akory fa ilay sakafo hohanina mandritry ny diavolana faha 14n'ny volana voalohany.
ny composé ohatra dia ahitana macédoine, lasary karaoty, ovy, haricot vert, pate jaune kely, sauce, mayonnaise,... ny paska kosa indray dia henondry natsatsika, anana mangidy ary divay mena koa raha makeny amin'ny gargoty ianao ka manao commande paska dia ireo no arosony...
raoviana kay vao misy lundi de composé e!
mirary soa
Ranovelona
Miharena:
Mety mitovy amin'ny lohahevitra nosokafan'i Jajajaly izy ity nefa tsy ny resaka Mpisorona sy Mpaminany no tokony hametrahana azy fa ho an'ny tsirairay mihitsy.
Dia misokatra ho an'ny rehetra ny lohahevitra hanehoan'ny tsirairay izay tsapany momba ny asan'Andriamanitra momba ny Paska.
11. didi10
(
06/04/2012 12:27)
ranovelona:
salama,
somary asiako tsindrim-peo kely fa ny paska dia tsy ilay andro akory fa ilay sakafo hohanina mandritry ny diavolana faha 14n'ny volana voalohany.
ny composé ohatra dia ahitana macédoine, lasary karaoty, ovy, haricot vert, pate jaune kely, sauce, mayonnaise,... ny paska kosa indray dia henondry natsatsika, anana mangidy ary divay mena koa raha makeny amin'ny gargoty ianao ka manao commande paska dia ireo no arosony...
raoviana kay vao misy lundi de composé e!
mirary soa
Ranovelona
Tsara ny Tompo!
Tonga dia vakiana fotsiny ianao fa naman'i RBNIR
Sao dia samihafa ary ny Baibolintsika?
Lev 23,5
Ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan'i Jehovah.
Ary ny atoandron'io andro Paska io ihany no maty teo amin'ny hazo fijaliana Jesosy, Paska ho antsika.
Ary tsy mihinana bozaka sy divay sy mofo (composé any aminareo) no atao amin'io fa manao ny fanasan'ny Tompo hihinanana ny vatana sy ran'i Kristy amin'ny endrika mofo tsy misy masirasira sy divay.
Tahin'ny Tompo ianao namana!
12. jajajaly
(
06/04/2012 12:39)
Mifandray ity lohahevitra ity sy ilay atsy ambadika. Inona marina moa ny paska? Talohan'ny nanovan'i Jesosy ilay fanekena vaovao dia izao no tsaron'ireo zanak'israely.
Rehefa tonga ny 14 Nisana dia novonoina sy natsatsika nandritra ny ora maromaro ilay biby voatokana ho an’ny Paska. Rehefa nadiva hisasaka ny alina dia nihinana ilay zanak’ondry sy ny mofo tsy nisy lalivay ary anana mangidy, ny fianakaviana. Araka ny fomba amam-panao, dia nanontany toy izao ny zanakalahy iray: «Inona no anton’izao fanompoana ataonareo izao?» Ary dia nanome fampianarana ara-pomba ny ray ka nilaza hoe: «Izao dia famonoana ny Paskan’i Jehovah, Izay nandalo ny tranon’ny Zanak’Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika.» — Eksodosy 12:26, 27; 13:8.
Mbola nakalaza paska ve ireo kristianina rehefa nitsangana i Jesosy? araho akaiky ity lohahevitra ity sy ilay atsy ambadika!!

13. didi10
(
06/04/2012 12:49)
Jesosy r'ise no Paska ho antsika a! normal ko nareo raha tsy mankalaza ny Paska satria ianareo tsy mino fa izy no zanak'Andriamanitra = Andriamanitra.
14. Miharena
(
06/04/2012 15:21)
Misaotra ny rehetra hatrany amin'ny fanehoan-kevitra.
Azo aroso tsara ny hevitra rehetra ary misy koa aza ny mbola te-hamelabelatra ny momba ny finoany. Ka aoka angamba aloha tsy tonga dia tapahana Didi10 ny namana rehafa manohy ny hevotra momba ny Paska.
Mipetraka tokoa aloha ny fanontaniana amin'i Jajajaly hoe inona no nitranga taorian'ny niakaran'i Kristy?

15. Miharena
(
07/04/2012 06:42)
Fa izy ity moa hevitra fa misy tsy mahalala ve hoe ny anton'ny Paska dia fivoarana ho amin'ny fampiombonana?
Ireto no zavatra nitranga tamin''ny fotoana nametrahan'i Krsity ny AINY teo am-pelatanan'Andriamanitra:
Maizina ny andro,
Nisy horohorontany
Triatra ny lamba manasaraka ny efitra masina indrindra teo amin'ny alitara
Ity farany no tokony hojerena akaiky ny antony. Raha ny marina dia tapitra eo ny fanasarahana ny mpisorona sy ny olon-tsotra fa tonga ny fiombonana amin'Andriamanitra Ray ho an'ny tsirairay. Tafiditra avokoa ny rehetra eo fa tsy misy mbola lazaina ho tsy miditra no sady manakana ny vavahady tsy hidiran'ny hafa.
Kristy no Vavahady tamin'io fotoana io ary voaporofo teo fa Izy no Lalana sy Fahamainana ary Fiainana.
Tsy amin'ny fombafomba intsony sy ny fanatitra no hanompoana an'Andriamanitra manomboka eo fa amin'ny Fiainana araka an'Andriamanitra na ny maha-Kristy ny tsirairay, izany hoe afaka hilaza toa an'i Paoly fa tsy isika intosny no velona fa i Krsity no velona ao anatintsika. Izany hoe fampiainana an'i Krsity ao anaty mamelona tsara ilay maha-zanak'Andriamanitra antsika tsirairay avy.
Io aloha no FOTOTRY ny Paska araka ny fahatsapako azy.
Dia mahereza miaina miaraka AMINY syao AMINY avokoa rehefa maheno io teny io lazain'ny mpitari-pivavahana ary hihazava amin'ity Paska ity ka ho mandrakizay f tsy ho zary famerenan-desona fotsiny ny Paska na fahatsiarovana tantara izay fantara fa poakaty raha tsy efa niainana sy nitomboana elabe izay.

16. jajajaly
(
10/04/2012 06:54)
didi10
Jesosy r'ise no Paska ho antsika a! normal ko nareo raha tsy mankalaza ny Paska satria ianareo tsy mino fa izy no zanak'Andriamanitra = Andriamanitra.
Izay indray ilay maika hitsara. Rehefa tsy zaka ilay fahamarinana dia aza misera, aiza amin'io noresahako io izao no diso. Azonao resahana koa anie ny admin hoe fafao ny hevitra atolotr'i jajajaly eh!
Tadidio fa raha mandainga ny fitsaranao olona dia zanak'i Satana ianao ka fidifidio ny zavatra soratana satria mipetraka ireny.
Jesosy r'ise no Paska ho antsika
Aiza ao amin'ny baiboly?
17. didi10
(
10/04/2012 07:02)
Tena voasoratra noir sur blanc ao anaty Baiboly Masina io namana a! sa efa nisy nanesorana ny Baibolinareo?
I kor 5 7-8
7 Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao hianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; 8 ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana;
I kor 5 7-8
7 Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao hianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; 8 ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana;
18. jajajaly
(
10/04/2012 07:20)
Miharena
Mipetraka tokoa aloha ny fanontaniana amin'i Jajajaly hoe inona no nitranga taorian'ny niakaran'i Kristy?
Miala tsiny fa tena mifandray ity sy ilay atsy araka ny nambaranao tamin'ny voalohany. Nihinana ny Paska ny Israelita mba hampahatsiaro azy ny fotoana ‘nandalovan’ny’ anjelin’Andriamanitra ny tranon’izy ireo tany Ejipta, nefa namonoany ny lahimatoa tao amin’ireo tranon’ny Ejipsianina. Tafaran'ny fankalazana ny paska rehefa lasa i Jodasy dia tian’i Jesosy ny mpanara-dia azy hahatsiaro azy (i Jesosy), sy ny fomba hanomezany ny ainy ho azy ireo, io indray no nasainy hankalazana na hotsarovan'ny Mpanara-dia azy. Mbola paska ihany ve ny anaran'izany? TSIA. Nahoana isika no milaza izany?
Nitsingerina ny 14 Nisana fotoana fankalazan'ny Jiosy ny paska taorian'ny niakaran'i Kristy, namonjy olona rehetra anefa ny ran'i Kristy ary efa lasa mpanaradia an'i Kristy koa ny hafa firenena izay tsy JIOSY. Mbola Paska ihany nankalazan'izy ireo? hojerentsika ny fitantarana ao amin'ny soratra masina.
19. Miharena
(
10/04/2012 10:26)
Tena voasoratra noir sur blanc ao anaty Baiboly Masina io namana a! sa efa nisy nanesorana ny Baibolinareo?
I kor 5 7-8
7 Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao hianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; 8 ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana;
Mazava aloha eto Didi10 fa fitondran-tena ilay Paska voalazan'i Paoly. Izany hoe fahadiovam-po ilay Paska eto.
Ny fahazoako azy dia tsy fomba intsony ilay izy fa efa i Kristy velona ao anaty, I Krsity enti-miaina fa tsy tompoina toy ny nataon'ny Fariseo tamin'i Jehovah. Ilay nahatonga ny lamba manasaraka amin'ny toerana masina indrindra triatra tamin'io fotoana nanoloran'i Kristy ny AiNY io no porofo fa foana ny rindrina manasaraka antsika amin'Andriamanitra fa miaina ao anatintsika IZY manomboka teo. Ny fandraisana io no misy tsy mahazo mihitsy raha ny fahazoako azy ary zary lasa fombafomba no iafarany ka mahatonga ilay resaka hoe tsy izay manao Amiko hoe Tompoko Tompoko ....fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko...
20. didi10
(
10/04/2012 11:31)
Ka manao ahoana izany manao andro firavoravoana amin'ny fahadiovam-po sy fahamarinana izany ry Miharena?