Fiangonan na antokom-pinoana inona?

1. hery ( 28/03/2012 17:47)
Mba nahaliana ahy, ho'aho, hoe mba inona avy ny Fiangonana misy antsika ireto? Dia menatra ny mijoro amin'izany ve isika sa mirehareha? Dia hatraiza ny lanjan'io fiangonana na antokom-pinoana misy antsika io amintsika? Izany hoe inona ny sandany omena antsika dia hiala ao isika?
Fifampizarana izy ity ka inoako fa samy hirehareha amin'ny azy.

Mety hanampy ny tsirairay hahazo ny fombam-pisainana ananan'ny hafa koa ilay izy. Ary ho an'ireo mitady namana, mety hahitany hoe iza no mety mra alaina :-)

novalian'i pissoa ny 02/04/2012 13:01
2. hery ( 28/03/2012 18:00)
Atomboko amin'ny ahy.

Izaho dia Katolika. Ao anatin'ny Fiangonana Katolika Romana (EKAR). Ireharehako sy tsy mahamenara ahy ny miteny izany. Izaho kosa anefa dia manaiky fa tsy ho voatery Katolika dahoolo ny olona.

Manan-danja lehibe mihitsy eo amin'ny fiainako ny maha Katolika ahy satria izany no nampahalala ahy an'i Jesoa ka mahatonga ahy ho Kristianina.
3. Miharena ( 28/03/2012 18:58)
Izaho indray Protestanta fa voataiza tamin'ny Katolika ary nisy nitaiza tamin'ny Advantista. Tsy mijanona eo fa nampifoha koa ny fitaizan'ny radio sy televiziona ary ny aterineto noho ny fisian'ireo izay miezaka mizara fiainana.
Ary ny fitazonako ny maha-Protestanta dia tsy hireharehako fa malalatsaina be aho noho ny fitaizana azoko sy ny bitsiky ny Fanahy Masina.
4. LazaDaddy ( 29/03/2012 04:44)
Izaho dia mpikambana amin'ny fiangonana Kristianina, tsy ireharehako anefa izany fa i Jesosy irery ihany no reharehako.

Arak' ilay hira hoe:
"Tsy misy reharehako afa-tsy Ianao Jesosy O!
Anao ny dera, anao ny laza sy voninahitra ...."
5. hery ( 29/03/2012 06:34)
Aza avadik ny resak LazaDaddy a.Aza miteny hoe tsy misy zavatra mampirehreha (maha-fier) anao mihitsy. Tsy mirehreha (fier) amin'ny maha Malgasy anao ve ianao ohatra fa menatra? Dia menatra ny anaram-piangonanao ve ianao sanatria?

Misy mantsy gravy raha hitsikera fiangonan'olona nefa menatra ny milaza ny fiangonany
6. mirananirina ( 29/03/2012 06:58)
Izaho aloha tsy menatra @ finoako anakiroa eh!!Katolika aho ary manambady ol musulman,natao mariazy tany @ mosqué!Mazava hoazy fa lasa musulman koa ny tenanay,izany akory tsy manakana ahy tsy hivavaka @ finoako hatrizay (moa ny vadiko koa tsy sarotiny rahateo na dia tsy tiany ihany aza)Manaraka ny fombandry zareo aho,manaraka ny fivavahany ihany koa,nefa araka ny nolazaiko dia tanako ihany koa ny finoako katolika.Miditra ampiangonana katolika ihany koa.Ohatra fotsiny raha misy fianakaviana atao batisa na batemy sns...dia ny zanako sy ny vadiko miandry eny ivelany dia izaho miditra ao mivavaka.
7. Noue ( 29/03/2012 10:29)
Izaho kosa aloha dia protestanta ve ? satria tsy nisy nanakana ahy hivavaka any @ protestanta.

Protestanta avy @ reniko , anglikana avy @ raiko , ary tsy nisy nanakana ahy koa hivavaka any @ anglikana.

Manambady katolika , ary mivavaka any @ fiangonana katolika satria katolika ny vadiko , tsy nisy nanakana ahy koa ny hivavaka any @ katolika.

Amiko aloha dia tsotra dia tsotra: Andriamanitra Iray ihany no hivavahako na kato , na anglikana , na protestanta , eny na dia fantatro aza fa misy ny tsy fitoviana . Isaorako an'Andriamanitra fotsiny fa mino Azy aho.

Ny tena mahazatra ahy aloha dia ny katolika satria vita batemy tao ny zanako ary aleko kosa katolika ihany no andehanana noho ny ankizy satria aty ivelany no mipetraka ary lavitra dia lavitra ny fiangonana protestanta na anglikana ny misy ahy.

Satria koa moa katolika ny vady dia manaraka. Nefa tsy manakana ahy hivavaka any @ protestana na anglikana rehefa misy ny "occasion"
8. LazaDaddy ( 29/03/2012 11:32)
Tena tsy misy ireharehako tokoa afa-tsy i Jesosy irery ihany. Zava-poana avokoa tsinona na ny maha Malagasy, na ny anaram-piangonana, na vola amin-karena, na inona na inona.
9. hery ( 29/03/2012 13:08)
Fa mahamenatra anao ve?
10. LazaDaddy ( 29/03/2012 22:14)
"Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin’ Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany." Romana 1:16
11. hery ( 30/03/2012 04:58)
Rah azoko tsara dia tsy menatra ny filzantsara fa menatra milaza ny fiangonana?
12. Miharena ( 30/03/2012 05:57)
Ny mety mahatonga ny fahamenarana hilaza fiangonana angamba Hery dia noho ny fisian'ny mpitondra ao mifanenjika na henjehin'ny hafa fa tsy misy fiorenam-pinoana tsy azo hozongozonina. Iray io, fa ny faharoa dia tsy fahamenarana indray ny tsy hilazana fiangonana satria tsy voafefin'ny fiangonana ny finoana fa mahenika hatraiza hatraiza.

Asa aiza amin'ireo LD.
13. naritsimba ( 30/03/2012 06:42)
Ny tenako Protestant, fa miditra @ fiangonana rehetra katôlika, anglikana, loterana, jesosy mamonjy, mormons, adventista, sns. Tsy misy mandrara an'izany rahateo koa ao anatin'ny foto-pinoana misy anay, Andriamanitra mpahary dia iray ihany. Manaja ny finoan'ny hafa tanteraka sady tsy manaratsy no tsy manenjika.
14. RBNIR ( 30/03/2012 06:53)
hery:

Mba nahaliana ahy, ho'aho, hoe mba inona avy ny Fiangonana misy antsika ireto? Dia menatra ny mijoro amin'izany ve isika sa mirehareha? Dia hatraiza ny lanjan'io fiangonana na antokom-pinoana misy antsika io amintsika? Izany hoe inona ny sandany omena antsika dia hiala ao isika?
Fifampizarana izy ity ka inoako fa samy hirehareha amin'ny azy.

Mety hanampy ny tsirairay hahazo ny fombam-pisainana ananan'ny hafa koa ilay izy. Ary ho an'ireo mitady namana, mety hahitany hoe iza no mety mra alaina :-)

Faly miarahaba namana hery,
Inona marina tokoa moa no antony tokony hialana amin'ny fiangonana izay misy an-tsika?
Aleo Andriamanitra no hamaly mba ho MARINA ny valiny azon-tsika namana.
« [Ny amin'ny nandravana an'i Babylona, sy ny nisaonan'ny olona azy] Rehefa afaka izany, dia hitako fa indro, nisy anjely izay koa nidina avy tany an-danitra, nanana fahefana lehibe; ary ny tany nohazavain'ny voninahiny. » (Apokalypsy 18:1)
« Ary niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! ka tonga fonenan'ny demonia sy fieren*'ny fanahy maloto rehetra ary akanin*'ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina. [* Gr. tranomaizina] » (Apokalypsy 18:2)
« Fa tamin'ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany no nahalavoan*'ny firenena rehetra, ary ny mpanjakan'ny tany nijangajanga taminy, ary ny mpandranto amin'ny tany tonga mpanankarena noho ny hafatratry ny nitiavan'io ny zava-mahafinaritra ny tena. [* Na: (nisotrohan')] » (Apokalypsy 18:3)
« Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. » (Apokalypsy 18:4)

Araka io teny io dia mandidy ny olona Andriamanitra hiala amin'ilay Babylona mba tsy hikambanan'ny olona heloka aminy.

Fa iza moa ilay Babylona?

« [Ny amin'ilay vehivavy janga (dia Babylona), izay nitaingina ny bibi-dia nivolon-jaky] Ary tonga ny anjely anankiray tamin'izy fito izay nanana ny lovia fito, dia niteny tamiko nanao hoe: Avia aty; dia hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe, izay mipetraka eny ambonin'ny rano maro, » (Apokalypsy 17:1)
« dia ilay nijangajangan'ny mpanjakan'ny tany, sady natao leon'ny divain'ny fijangajangany ny mponina tamin'ny tany. » (Apokalypsy 17:2)

Ny vehivavy moa eto dia manambara fiangonan'Andriamanitra.
Tena Fiangonan'Andriamanitra Marina tokoa io Babylona io tany am-piandohana. Nisy heloka nataon'io fiangonana io ary nasain'Andriamanitra nibebaka izy saingy tsy nety ka dia nanozona an'io fiangonana io Andriamanitra.
Io fiangonana io no noleferin'ilay anjelin'ny tao Tiatyra (Apok.2:20....)

Ny olona mivavaka ao anefa dia olon'Andriamanitra satria hoy Andriamanitra hoe mialà tao ianareo ry oloko.

Fehiny: ny antony tokony hialana amin'ny fiangonana dia raha sanatria hitanao fa tena misy heloka tsy tian'Andriamanitra ao nefa miziriziry ny mpitondra ao hitazona an'iny.
Mba tsy hiombonana heloka aminy no antony hialana ao amin'izay fotoana izay araka ny tenin'Andriamanitra.

Personnel ny fivavahana ry namana isany. Tadidio i lota sy ny vadiny ary ny zanany. Samy nitenenan'Andriamanitra iziroa ireo hoe "Aza miherika". Niherika ny vadin'i lota dia lasa vongan-tsira. I lota sy ny zanany nefa na izany aza notohizany ihany ny diany. Izay no fomba fijery andrasan'Andriamanitra amin-tsika OLONY. tsy manaiky hiray heloka amin'ny zavatra Tsy marina, fa rehefa hoe ity no marina dia iny no hijoroana hatramin'ny farany. Tsy hijerevana na an'iza na iza fa ianao sy Andriamanitra ihany no jerevana.


Samia tahin'ny Tompo namana
15. hery ( 30/03/2012 07:11)
Toa nivoaka ny lohahevitra kely RBNIR.

Ny fanontaniako ary arak'io dia hoe inona ny fiangonana misy an'i RBNIR ? Sao dia mba mahaliana mantsy.

Dia hoe inona no mahatonga anao tsy hiala ao? Fa tsy hoe inona no mahatonga anao hiala ao sa Hiala ao ianao?
16. jajajaly ( 30/03/2012 07:19)
Kristianina mazoto mitory eran-tany momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fikasany. Avy ao amin’ny Baiboly irery ihany ny zavatra inoanay.

Iza izany ary aviana no niforina?
Resahin’ny Baiboly fa i Abela no vavolombelon’i Jehovah voalohany. Hoy ny Hebreo 11:4–12:1: «Finoana no nanoloran’i Abela ho an’Andriamanitra sorona nisy vidiny kokoa noho ny an’i Kaina. ... Finoana no nanehoan’i Noa tahotra an’Andriamanitra ..., rehefa nahazo fampitandremana avy tamin’Andriamanitra ny amin’ny zavatra mbola tsy hitany izy. ... Finoana no nankatoavan’i Abrahama rehefa nantsoina izy. Nankatò tokoa izy ka nandeha ho any amin’ny toerana voatendry ho lovany. ... Finoana no nandavan’i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao, rehefa nihalehibe izy. Naleony nampijalina niaraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra, toy izay hifaly vetivety tamin’ny fahotana. ... Koa satria misy vavolombelona maro be toy ny rahona manodidina antsika, dia aoka koa isika hanaisotra izay rehetra manavesatra antsika sy ny ota izay mora mamatopatotra antsika, ary aoka isika hihazakazaka amim-paharetana amin’ilay hazakazaka eo anoloantsika.»

Hoy ny Baiboly momba an’i Jesosy Kristy: «Izao no lazain’ny Amena, ilay vavolombelona mendri-pitokisana sy marina, ilay fiandohan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra.» Vavolombelon’iza izy? Ny tenany mihitsy no nilaza fa nampahafantatra ny anaran-dRainy izy. Izy àry no vavolombelon’i Jehovah lehibe indrindra.—Apok. 3:14; Jaona 17:6.

Nifanontany ny Jiosy sasany, indray mandeha, raha «fampianarana vaovao» no nataon’i Jesosy Kristy. (Mar. 1:27) Nisy Grika koa nihevitra fa nitondra «fampianarana vaovao» ny apostoly Paoly. (Asa. 17:19, 20) Vaovao tamin’ireo nandre azy tokoa izany, nefa ny tena zava-dehibe dia hoe izany no fahamarinana mifanaraka tanteraka amin’ny Tenin’Andriamanitra.
Nanomboka taoriana kelin’ny 1870 ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, rehefa nisy olona vitsivitsy niara-nianatra Baiboly tany Allegheny, any Pennsylvanie, Etazonia. Mpianatra Baiboly no nahafantarana azy ireo tamin’ny voalohany, kanefa noraisiny ilay anarana ao amin’ny Baiboly hoe Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1931. (Isaia 43:10-12) Tsy vaovao akory ny zavatra inoany sy ny fanaony, fa ny Fivavahana Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ihany no naveriny tamin’ny laoniny.
17. hery ( 30/03/2012 07:24)
Misaotra an'i jajajaly fa tahaka izay no ilaiko. Avy ao amin'ny Vavolombelon'i Jehovah izany i jajajaly.

Hitanareo fa tsy maninona mihitsy ilay izy. Milaza fotsiny hoe inona ny finoana na fiangonana misy anao.
18. RBNIR ( 30/03/2012 07:47)

hery:

Toa nivoaka ny lohahevitra kely RBNIR.

Ny fanontaniako ary arak'io dia hoe inona ny fiangonana misy an'i RBNIR ? Sao dia mba mahaliana mantsy.

Dia hoe inona no mahatonga anao tsy hiala ao? Fa tsy hoe inona no mahatonga anao hiala ao sa Hiala ao ianao?

Marina ny fanamarihanao namana hery ary mety tsy nahazo resaka angamba aho, nefa mba nahafahako nampita ny hevitr'Andriamanitra ihany koa ilay izy na izany aza,
Mba hampahery ireo olona efa te hiala mafy ao nefa tsy mahafantatra mazava izay antony tokony hialany ao. :-)
Any an-dafy ianao ka mety ho sarotra aminao ihany ny hanapa-kevitra hamonjy ilay fiangonako na izany aza tsy ny fahatongavana ao amin'ilay fiangonana no mahavonjy. Fa ny fanantanterahana ny zavatra rehetra ampianarina ao (ny Sitrapon'Andriamanitra).

Samia ho tahin'ny Tompo namana
19. hery ( 30/03/2012 07:55)
RBNIR: Tsy ho ahy irery ny hevitra eto ka. Mety misy liana ihany koa hahalala ny fiangonanao. Sa zavatra mahamenatra ilay izy? Sa fiangonana tsy misy mpahalala ilay izy? Sa tsy te hiteny ianao satria efa hiala ao atsy ho atsy?
20. RBNIR ( 30/03/2012 08:06)
hery:

RBNIR: Tsy ho ahy irery ny hevitra eto ka. Mety misy liana ihany koa hahalala ny fiangonanao. Sa zavatra mahamenatra ilay izy? Sa fiangonana tsy misy mpahalala ilay izy? Sa tsy te hiteny ianao satria efa hiala ao atsy ho atsy?


Ny tena marina namana hery,
Tsy hitako loatra izay antony mahasoa amin'ny hanambarako eto ny anaran'ilay fiangonana.
Satria ny tanjona tsy hitaona ny olona hanabe isa any.
Fa ny tanjona hampianatra ny olona ny Sitrapon'Andriamanitra sy hitaona ny olona hanantanteraka izany ka hanaraka ny FAHAMARINANA.
Rehefa manao izay ny olona dia FALY satria tafita ny hafatra sy hiraka nampanaovin'ny Tompo. izay ilay hoe VITAO NY ASAN NY FAHAMARINANA.
Samy ho tahin'ny Tompo e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6071