Fiangonan na antokom-pinoana inona?
41. sitlo
(
31/03/2012 04:11)
In-10 isan-taona eo aho no mankany am-piangonana. Ny ankamaroany dia fiangonana katolika. Dia protestanta koa.
Ny finoako indray dia tahaka ny finoan'ny malagasy taloha. Marihiko eto fa maro isankarazany ireo fa ny ahy tsy misy idiran'ny sikidy sy ny ohatra izany mihitsy.
Mino koa aho fa misy ny fanahy ratsy ary anjaranao no mandresy azy. Mila fahaizana amam-pahalalana izany, ary Jesosy, Davida ary ireo nanoratra ny boky Ohabolana no hitako fa tsara fakan-tahaka indrindra. Rehefa tsy salama ianao na reradreraka ara-tsaina dia mila manantona expert (dokotera raha ara-batana, pastera sy mopera raha ara-tsaina, na olo-tsotra fantatrao fa tsara saina).
Mitovitovy amin'ny finoana tantsinanana izany, ary isika moa avy any ihany raha ny tantara no dinihina.

42. RBNIR
(
02/04/2012 05:59)
hery:
Fa dia tena mahamenatra loatra tokoa ve?
Faly miarahaba namana hery a!
Raha izaho manokana aloha dia tsy noho ny henatra fa noho ny antony hafa mihitsy no tsy hanambarako ny anaran'ny fiangonako eto. (Efa nazavaiko ihany io antony io fa toa tsy tafapita ka aleo tsy dia mi insiste loatra fa sao lasa adi hevitra B namana).
Menatra v ry namana dia hilazalaza ny momba ny tena eto?? sy hanoro an-tsika ilay Fandaharana Vitao ny Asan'ny Fahamarinana isa-maraina amin'ny 5 ora ka hatramin'ny 6 ora ao amin'ny télé jery???
Samia tahin'ny Tompo e
43. didi10
(
02/04/2012 08:32)
Tsara ny Tompo
Averiko eto hatrany fa ny tanjona dia tsy ny hampianatra ny fampianaram-piangonana fa hampianatra ny Teny tsy misy kilema voalazan'ny Soratra Masina.
Fa raha tianao ny handalina ny fahamarinana ao amin'ny Soratra Masina dia vakio ny Baiboly na manorata amin'ny didyfoloarobazyahoo.fr raha mila fanazavana fanampiny.
PS: Efa nijoro vavolombelona teto ny namana RBNIR ry namana Hery fa eny Andranovelona FVA izy no mivavaka.

44. RBNIR
(
02/04/2012 08:59)
didi10:
PS: Efa nijoro vavolombelona teto ny namana RBNIR ry namana Hery fa eny Andranovelona FVA izy no mivavaka.
Faly miarahaba namana,
ary ny an'i didi10.
sa eny Itaosy??
samy ho tahin'ny Tompo e
45. RBNIR
(
02/04/2012 09:14)
RBNIR:
didi10:
PS: Efa nijoro vavolombelona teto ny namana RBNIR ry namana Hery fa eny Andranovelona FVA izy no mivavaka.
Faly miarahaba namana,
ary ny an'i didi10.
sa eny Itaosy??
samy ho tahin'ny Tompo e
Nijoro vavolombelona = Marina.
Fa otran'ny tsy nahatadidy nahatadidy niteny ilay anarana aho e???
Tsy maninona fa efa voalazanao e.
Fiangonana kely dia kely ry namana isany fa ny mahafinaritra dia tazaina amin'ny FAHAMARINANA sy ny FAHATAHORANA ary ny FITIAVANA AN ANDRIAMANITRA ny mpino.
Ary izaho manokana dia mahatsapa fa HARENA LEHIBE tokoa no zarain'ny TOMPO ao.
Samia tahin'ny Tompo namana a
46. didi10
(
02/04/2012 09:25)
Namana RBNIR tsy mba efa vakiana fotsiny kosa ve ity Vitao ny asan'ny fahamarinana atao Pub lava ity namana a! afaka tononinao ny fiangonana eny Itaosy fa tsy mampaninona ka sady misy tantara iraisana koa ny fiangonantsika sa tsy izany namana?
47. hery
(
02/04/2012 09:34)
Tsy mbola fantatro ilay FVA kanefa inoako fa ao no ahitan'i RBNIR ny fahamarinana koa dia isaorana na dia tsy ianao mivantana aza no niteny azy.
Toa izany koa i didi10 sy ny eny Itaosy.
Angamba tsy tafita ilay hevitra tiako haseho na isika no reticents be amin'ny resaka fiangonana. Raha ny fiangonana be mpanenjika indrindra eto (sy tsy eto ihany) dia angamba ny fiangonako, kanefa tsy mampaninona ahy mihitsy ny miteny ny fiangonako eto, satria ao no ahitako ny fahamarinana.
Noheveriko ho faly amin'ilay lohahevitra ny tsirairay, hoe mba nisy fomba iray, na fotoana iray hilazako ny misy ny fiangonako fa tsy any amin'ny lohahevitra sasany no ezahiko ampahafantarina ankolaka ny fiangonana misy ahy. Kinanjo hitako izao fa ny mahafaly antsika dia ilay mampiditra teny ankolaka amin'ny lohahevitra hilazana hoe izao ny fiangonako sy ny foto-keviny.
Koa tsy maninona izany, efa fantampantatra daholo ihany izany fa noheveriko hoe hanampy anareo hampahafantatra ny fiangonanareo ity lohahevitra ity.
Dia amin'ny manaraka indray ary.

48. didi10
(
02/04/2012 09:57)
Maro tokoa namana ny olona rehefa toriana ny fahamarinana dia miafina ao ambadiky ny anaram-piangonana satria io no lehibe sy matanjaka, tadidio anefa fa tsy misy mifampibaby any an-danitra, ary ianao efa notoriana fa tsy hoe tsy nahalala akory.
49. hery
(
02/04/2012 10:07)
marina mihitsy fa tsy misy mifampibaby any an-danitra.
Izany indrindra no iezahana mifampibaby ety an-tany.
Sambatra ny olona manana mpibaby azo itokisana sy mahery fototra.

50. pissoa
(
02/04/2012 13:01)
Katolika (EKAR). Fa te hahafantatra be ilay fomba malagasy ireny, na sikidy na tsy sikidy : Maso mijery tsy mitondra mody hi hi hi.
Eo izao dia falifaly sahady ny sasany :P