Fiangonan na antokom-pinoana inona?

21. hery ( 30/03/2012 08:09)
Tsy voatery hitaona olona ianao ka.

Fa raha zavatra hitanao hoe Tsara ho anao ve, maninona kosa no tsy mba zaraina? Tsy hitako izay mahamenatra amin'izany. Raha tsy hoe angaha, zavatra tsara ho anao ilay izy nefa efa eken'izao tontolo izao ho zavatra ratsy (ohatra hoe satanisme sns).
22. tefigasy ( 30/03/2012 08:18)
hery:

Fiangonan na antokom-pinoana inona?

Tsy haiko na mody fanina i Hery na mba te hitsapa fotsiny hoe sahy miteny ny fiangonana misy azy eto daholo ve ny mpandray anjara rehetra.
Izaho manokana mantsy; na dia tsy misy miteny ary ireo mpandray ajara ato dia fantatro ny antokom-piangonana misy azy ireo tsirairay avy satria ny voany no hahafantarana ny hazo.
Mora fantatra be hoe ity aviavy ity rotra ity goavy.
Ary na samy aviavy koa aza dia fantatra eny ihany hoe ity aviavin'i Betania ity aviavin'i .... Aleo tsy teneniko eto daholo fa sao misy mahatsiaro ho voapaingotra eo indray ny sasany dia izaho indray no ilany vaniny. Nefa tsy fantany fa tsy izaho no ilany vaniny raha manao izany izy fa ilay Jesoa ato anatiko.

@+
23. RBNIR ( 30/03/2012 08:25)
hery:

Tsy voatery hitaona olona ianao ka.

Manahirana ihany namana a! indraindray raha vao miteny anaram-piangonana ianao dia na lazain'ny sasany mpanindraindra fiangonana ao koa ny milaza hoe te hanambara ianao fa ny anao ihany no marina. Ao koa no mihevitra fa tianao ho any aminao ny olona.

Vokatr'izay, ilay tena hafatra dia ilay tenin'Andriamanitra ampitaina tsy voapita,

Matoa aho aloha mifikitra mafy ao namana dia satria TSARA NY AO. Ary ny voany azoko avy tao dia nohezahiko nozaraina teto na dia sombitsombiny kely ihany aza. Enga anie ka ho lasa any amin'ny tany lonaka mahavokatra.

Samy ho tahin'ny Tompo namana


24. hery ( 30/03/2012 08:32)
RBNIR> Ao anaty vala famaritana iray mazava tsara kosa isika. Lohahevitra iray misy fanontaniana hoe fiangonana avy aiza. Angamba tsy mitombona hoe ny famaliana ilay fanontaniana dia midika hoe fanindraindrana na fanambarana fa ny anao ihany no marina. Raha tsy hoe efa mpanao izany ilay fiangonanao ka raha vao tenenina fotsiny ny anarany dia tonga dia izay no ao antsain'ny olona rehetra.

Izaho ohatra niteny hoe Katolika aho, fa tsy misy mihitsy eo milaza hoe ny ahy ihany no marina, ary tsy mitarika n'iza n'iza ho any aho. Fizaràko ny ahy fotsiny hoe katolika aho ary tsy menatra aho ny miteny izany.

Sa Katolika koa i RBNIR? :-) Tsy mahamenatra anie izany e. Raha katolika ianao dia afaka mifanampy isika hoe misy mivaona amin'ny fampianarana Katolika ny zavatra lazainao.
25. RBNIR ( 30/03/2012 08:49)
hery:

RBNIR> Ao anaty vala famaritana iray mazava tsara kosa isika. Lohahevitra iray misy fanontaniana hoe fiangonana avy aiza. Angamba tsy mitombona hoe ny famaliana ilay fanontaniana dia midika hoe fanindraindrana na fanambarana fa ny anao ihany no marina. Raha tsy hoe efa mpanao izany ilay fiangonanao ka raha vao tenenina fotsiny ny anarany dia tonga dia izay no ao antsain'ny olona rehetra.

Izaho ohatra niteny hoe Katolika aho, fa tsy misy mihitsy eo milaza hoe ny ahy ihany no marina, ary tsy mitarika n'iza n'iza ho any aho. Fizaràko ny ahy fotsiny hoe katolika aho ary tsy menatra aho ny miteny izany.

Sa Katolika koa i RBNIR? :-) Tsy mahamenatra anie izany e. Raha katolika ianao dia afaka mifanampy isika hoe misy mivaona amin'ny fampianarana Katolika ny zavatra lazainao.

Olon'Andriamanitra (JEHOVAH Andriamanitra) aho namana hery a! olon'Andriamanitra tahaka anao sy ireo namana rehetra mpifanerasera eto.
Saingy izaho aloha dia tena an'isan'ny nandositra an'i Babylona fa matahotra ny hiombona heloka aminy e.

Samia tahin'ny Tompo e



26. mirananirina ( 30/03/2012 08:49)
Tena mahaliana ahy mht ny ahafantatra hoe inona aza ny finoan'i didi 10???????
27. hery ( 30/03/2012 08:55)
Ah, Témoin de Jehovah koa izany i RBNIR.

Tsy hitako hoe inona no mahamenatra anao miteny izany :-) Tsy misy hanenjika anao mihitsy eo. Ny olona zatra mpanenjika ihany no matahotra enjehana. Ny olona zatra mitsara no matahotra hotsaraina. Sa noho ianao miteny ny fiangonana hafa hoe Babilona ve dia matahotra ianao sao dia misy manome anarana ratsy koa ny fiangonanao?

Aza manahy fa raha izaho aloha, amin'ny maha-katolika ahy, tsy hanome anarana tsy mendrika na manafintohina ny fiangonanao mihitsy. Matoa ianao ao anatin'ny Vavolombelon'i Jehovah dia manana ny faharesen-dahatra anananao. Raha sanatria misy katolika manaratsy ny fiangonanao na nanome anarana manafintohina ny fiangonanao, na nampitaha ny fiangonanao tamin'i babylona na losifera sns, dia ifonako ary hamafisiko fa tsy toetra katolika izany.

Koa dia mahereza hatrany.
28. RBNIR ( 30/03/2012 09:34)
hery:

Ah, Témoin de Jehovah koa izany i RBNIR.
Tsy hitako hoe inona no mahamenatra anao miteny izany :-) Tsy misy hanenjika anao mihitsy eo. Ny olona zatra mpanenjika ihany no matahotra enjehana. Ny olona zatra mitsara no matahotra hotsaraina. Sa noho ianao miteny ny fiangonana hafa hoe Babilona ve dia matahotra ianao sao dia misy manome anarana ratsy koa ny fiangonanao?

Tsy Témoin aho ka,
Ary izaho mbola tsy nilaza hoe iza i Babylona an! Tsy hilaza mihitsy aho hoe iza i Babylona satria Andriamanitra no tokony hampahafantatra an-tsika hoe iza marina i Babylona fa tsy izaho.
Samia ho tahin'ny Tompo namana hery a! Hohampafantarin'ny Tompo anao anie i Babylona.


29. RBNIR ( 30/03/2012 09:43)
Fa ny zavatra tena mahafaly ahy aloha ry namana hery, dia olon'Andriamanitra daholo isika na mbola ao anaty Babylona na efa tafala tao satria hoy ny tenin'Andriamanitra hoe mialà tao ry oloko.

saingy mba mila mangataka mafy kosa ihany isika hoe tafiditra ao anaty Babylona v aho sa tsia satria loza anie no anjaran'ilay Babylona fa tsy Fiainana e!

Samia ho tahin'ny Tompo ry namana isany a
30. hery ( 30/03/2012 09:50)
RBNIR:

satria loza anie no anjaran'ilay Babylona fa tsy Fiainana e


Oh, mahazo matoky aho izany, inao no asa :-)

Sao dia mba izany Babylona izany kosa ara no fiangonanao matoa tsy sahy lazaina. Amin'izao mantsy misy karazam-piangonana maro mitsangana ka mety efa nisy namorona koa ny fiangonana babilona?

Fa averiko indray, tsy hitsara ny fiangonanao mihitsy aho ka aza menatra.

Tamin'ny nanoratako ity lohahevitra ity dia noheveriko hitsangana daholo isika hoe Izaho loterana, izaho katolika, izaho Jesosy Mamonjy, izaho Batista, izaho Temoin de Jehovah, izaho Advantista, izaho Tsy mpino, izaho Tsy miditra am-piangonana sns...

hay misy menatra ny mijoro...

31. RBNIR ( 30/03/2012 09:56)
hery:

Oh, mahazo matoky aho izany, inao no asa :-)
Sao dia mba izany Babylona izany kosa ara no fiangonanao matoa tsy sahy lazaina. Amin'izao mantsy misy karazam-piangonana maro mitsangana ka mety efa nisy namorona koa ny fiangonana babilona?

Ilay izy kosa fiangonana efa ela B no nijoroany e, efa tamin'ny andron'ilay anjelin'ny fiangonana tao Tyatira. Fiangonana efa antitra B izany.

Fiangonan'Andriamanitra ny fiangonako miorina amin'ny fampianaran'i Jesosy Kristy Tompo, ary tsy menatra ny amin'izany aho.

Samia ho tahin'ny Tompo namana a! Hampafahantarin'ny Tompo an-tsika anie ilay Babylona.
32. hery ( 30/03/2012 10:39)

Fiangonan'Andriamanitra ny fiangonako miorina amin'ny fampianaran'i Jesosy Kristy Tompo


Katolika koa toa ohatra an'io? Ah, mety Katolika izany RBNIR

Sa Assemblée de Dieu?

Sa mbola vao hoforonina dia mbola tsy misy anarana?

Milaza RBNIR hoe tsy menatra nefa tsy mety milaza fa mialokaloka ao anatin'ny hoe Fiangonan'Andriamanitra.
33. kiriah ( 30/03/2012 12:08)
Ny raiko ORTHODOXE , ny reniko PROTESTANTE , tsy nijanona tamin ireo aho fa tapitra voajeriko sy fantapatatro daholo ny fiangonana rehatra toy ny : jesosy mamonjy ( teo akaikin ny tranonay) , ny islam (manana namana) , adventiste ( prof de maths-ko tamin ny terminale), temoin de jehovah (ankizy niara-niasa tamiko), adventiste , mormons , ......

Nianatra tamin ny sekoly katolika aho nandritra ny 12 taona , mpamonjy LAMESA ,sady mahalala tsara ny " doctrine catholique ", marina fa misy hevitra sasany tsy hitovizako hevitra amin ny katolika ( satria ny rehetra dia manana zo hanaiky na tsy hanaiky ) , fa kosa ny filazàna fa i VATICAN no BABILONA dia laviko sady tsy mandresy lahatra ahy.( sao dia hors sujet aloha aho fa mbola ady hevitra hafa ndray iny.)
34. didi10 ( 30/03/2012 12:10)

mirananirina:

Tena mahaliana ahy mht ny ahafantatra hoe inona aza ny finoan'i didi 10???????


Misaotra namana.
Ninia tsy nanonona anaram-piangonana mihitsy aho hatramin'ny voalohany satria tsy foto-kevim-piangonana no toriako eto fa ny fampianarana tsy misy kilema izay takian'ny Soratra Masina dia ny Baiboly izany.

Tit 2 1-15
Fa hianao kosa dia milazà izay miendrika ny fampianarana tsy misy kilema.

Tim II 4, 1-5
Tim II 4 : 1 - 15
[-4-] Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: 2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. 3 Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; 4 ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano. 5 Fa hianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.

ireto avy ny fahamarinana toriana amin'ny fampianarana tsy misy Kilema izany.

- Ny Fibebahana
- Ny Batisan'ny rano atao amin'ny anaran'i Jesosy Kristy
- Ny Batisan'ny Fanahy Masina
- Ny Didy 10
- Ny Fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah.
- Ny fitsaran'Andriamanitra : Fiavian'ny Tompo, Lanitra sy Helo
- Ny Paska 14 Abiba
- Ny fisaronan-dohan'ny vehivavy rehefa mivavaka
- ..

Ny fampianaran-diso nialana:
- Noely 25 Desambra
- Paska Alahady
- Ny fiankohofana amin'ny sary vongana sy ny lakroa sy ny fivavahana amin'ny maty (olomasina)
- Ny Sabata lazaina fa alahady andro voalohany
- Ny Batisan'ny zaza sy tsy asitrika
- Didy 10 noravaina na novaina
- Ny filazana fa tsy misy ny helo
- Ny fiankinana amin'ny filazan-tsara hafa sy ny fampianaran'olombelona
- Ny tsy finoana sy tsy fivavahana amin'i Jesosy ho zanak'Andriamanitra
-...

Tahian'i Jesosy
35. hery ( 30/03/2012 12:43)
Dia tsy azo lazaina sa mahamenatra koa ny fiangonan'i didi10?

Tsy voatery hitsara izahay hoe izay lazainao eto dia hevitry ny fiangonanao. Raha ianao no miteny hoe tsy hevitr ny fiangonanaoo no entinao eto dia angamba tsy mitory izay torianao izany ny fiangonanao?

Na izany aza, tokony tsy ho menatra ny hilaza izany fiangonanao izany ianao, raha tsy hoe efa mieritreritra ny hiala ao koa angamba.
36. Noue ( 30/03/2012 13:11)

RBNIR:


Ny tena marina namana hery,
Tsy hitako loatra izay antony mahasoa amin'ny hanambarako eto ny anaran'ilay fiangonana.
Satria ny tanjona tsy hitaona ny olona hanabe isa any.


Fa ny tanjona hampianatra ny olona ny Sitrapon'Andriamanitra sy hitaona ny olona hanantanteraka izany ka hanaraka ny FAHAMARINANA.
Rehefa manao izay ny olona dia FALY satria tafita ny hafatra sy hiraka nampanaovin'ny Tompo. izay ilay hoe VITAO NY ASAN NY FAHAMARINANA.
Samy ho tahin'ny Tompo e

Ny tanjona hoy ianao dia hampianatra ny olona ny Sitrapon'Andriamanitra SY HITAONA NY OLONA hanantanteraka sy hanaraka ny FAHAMARINANA

aiza re izany eee ??? hitaona olona sy hampianatra ny olona ve ianao dia tsy HILAZA hoe INONA ILAY FIANGONANA ? mba lozika ve zany eee ???
37. Noue ( 30/03/2012 13:15)
misy dia misy manko ny tahak'izany kanjo mianjera any @ sekta koo
38. RBNIR ( 30/03/2012 13:19)
Ary iza tokoa moa ry namana isany no anaran'ilay fiangonana natsangan'i Jesosy Kristy Tompo tany amboalohany? Tena tsy mety mahita aho fa hoy fotsiny Izy ho "VALA";
Raha niteny ireo fiangonana fito koa aza Izy tao amin'ny bokin'ny apokalipsy otran'ny tsy nilaza mazava hoe fiangonana ranona na fiangonana ranona fa hoy IZY hoe lazao amin'ny anjelin'ny fiangonana any ananona na ananona e??
Tsy aleo v mampitovy fijery amin'i Jesosy Kristy Tompo isika e?

Samia tahin'ny Tompo daholo e!
39. hery ( 30/03/2012 13:28)

RBNIR:

Tsy aleo v mampitovy fijery amin'i Jesosy Kristy Tompo isika e?


Miova izany lohahevitra izany. Na i RBNIR aza dia ao anaty fiangonana ka tsy haiko io na "VALA" na tsia.

Ny fanontaniako tsy misy ifandraisany mihitsy amin'izay noforonin'i Jesoa na tsia. Mba manontany ny fiangonana na finoana misy antsika fotsiny aho. Averiko ihany hoe aza menatra satria tsy hisy hiteny mihitsy eo hoe kay ny anareo fiangonana tsy naorin'i Kristy.

Fa dia tena mahamenatra loatra tokoa ve?

Fantatro anie fa misy tsy sahy hiteny mihitsy ny fiangonany eto e, indrindra ireo izay fatra-pilaza hoe tsy izy ny fiangonan'ny hafa. Ny antony mahatonga ahy hi-insiste fotsiny dia nanandrana namaly ianareo :-)

40. tefigasy ( 30/03/2012 14:33)
Inona izao no olana raha mba misy olona mijoro vavolombelona toa izao :
- Tefigasy dia kristianina
- Efa vita batisa tamin'ny fahakeliny ary tsy mila atao batisa intsony satria fanimbazimbana ny fanahy masina ny famerenana izany indray
- Efa nateraka indray tamin'ny taona 2000
- Efa voasoratra any amin'ny bokin'ny fiainana ny tena anarako ary tsy mieritreritra ny hanagoma an'izany intsony aho
- Mpandray ny fanasan'ny tompo
- Miangona amin'ny fiangonana FJKM
- Miezaka ny manao tafika masina sy mamerina ny vahoakan'andriamanitra amin'ny zava-panahy noho ny famitahana maro ataon'ny sasany ankehitriny
- Tsy mitaona olona ho any amin'ny FJKM mihitsy anefa i Tefigasy satria tsy mahavonjy olona ny FJKM fa any amin'i Jesoa ihany ny famonjena, saingy kosa inona moa ny olana raha ao amin'io fiangonana io no hahafantaran'ny olona an'i Jesoa misimisy kokoa ka andraisany Azy.

Ho voninahitr'Andriamanitra daholo izany rehetra izany satria raha tsy noho ny fahasoavany dia tsy mbola afaka nijoro toa izao ny mpanompony. Tsy fanaovana pub an'ny FJKM akory ny fitenenana izany ary hamafisina ihany fa tsy mahabata olona iray ho any an-danitra ny FJKM satria TSY MPAMONJY ny FJKM.

N.B : Ny olona tsy mijoro tsara no matahotra maneho ny momba azy

Ekena fa tsy nisy denomination ny fiangonana nitsangana hatrizay (tamin'ny andron'i Petera, Paoly, ...). Saingy atao ahoana tokoa moa fa na eto amin'ity sehatra ity ary dia betsaka ny miteny ny tenany ho kristianina nefa sahy manimbazimba, sahy mitsara, ary maneso mihitsy ireo namany ary moa indraindray ka fomba ahoana no mety hampivondronana indray ny kristianina rehetra hiverina tamin'ny andron'i Paoly sy ry Petera ?
....
Miteny ny sasany fa tsy misy kilema ny fampianarany, nefa fanontaniana apetraky ny tsy mino an'i Jeso ho Andriamanitra aza tsy hainy ny mamaly azy mikasika ny voaloham-bolana, sabata, ....

Hors sujet fa ajanoko hatreo fa lasa io indray no hitarina eto dia very ny lohahevitra fa ny miharihary eto dia tsy sahy mijoro amin'ilay heveriny fa fiangonana tsy misy kilema izy ireo raha tsy hoe angaha tsy manana fiangonana mihitsy koa!
Tsy mahamenatra ihany koa ny miteny hoe: tsy mbola manana fiangonana fa vao hanangana tsy ho ela, ho hitanareo eny amin'ny pub eny ihany izy any aoriana
Na tsy manangana mihitsy koa ary moa maninona fa dia tsy miangona fotsiny amin'izao !
Vakio ihany anefa ny baiboly fa tsy adala akory ry Paoly taloha raha nanangana fiangonana

@+ de bonne week-end daholo e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3664