Afaka Manampy Antsika ve ny Razana?

1. jajajaly ( 26/03/2012 09:37)

EFA ela ny olona no nino fa afaka mitaridalana ny velona ny maty. Manaporofo an’izany ny angano tranainy iray nosoratan’i Homere, poety grika. Tsy nahita fomba hiverenana tany an-tanindrazany, hono, ny lehilahy iray ka nankany amin’ny tontolon’ny maty mba hanontany mpahita efa maty.
Maro no manatona mpanelanelana amin’ny maty, na matory eny am-pasan-drazany, na manao fombafomba hifandraisana amin’ny razana satria manantena fa hamaly ny fanontaniana manahiran-tsaina azy ny maty. Afaka mitari-dalana antsika tokoa ve ny razana?
Tokony hanontany amin’ny maty ve ianao?
novalian'i niryna ny 12/04/2012 18:06
2. didi10 ( 26/03/2012 10:28)
Deo 18, 10
10 Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zanani-lahy na ny zanani-vavy hamaky ny afo, na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody, 11 na manao ho masimbava, na mpanadina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin'ny maty. 12 Fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany, ary izany fahavetavetana izany no androahan'i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao. 13 Aoka ho tanteraka amin'i Jehovah Andriamanitrao hianao. 14 Fa ireo firenena izay efa horoahinao ireo dia mihaino ny mpanandro sy ny mpanao fankatovana; fa hianao kosa tsy navelan'i Jehovah Andriamanitrao hanao izany.

Voafaoka ao anatin'ny maty na razana avokoa na ireo lazaina fa masimbavy sy masindahy izay hiresahana hangataham-bavaka sy fitahiana.
3. pissoa ( 26/03/2012 10:33)
Hi hi hi, i Jesoa aza niresaka tamin'ny maty knou.
4. didi10 ( 26/03/2012 11:51)

pissoa:

Hi hi hi, i Jesoa aza niresaka tamin'ny maty knou.

Mba tantarao kely hoe zany resaky ry zareo zany? sao dia mba ho adinina amin'izany ianao fa aza mivazivazy amin'izany raha mbola Kristianina koa.
5. Miharena ( 26/03/2012 14:23)
Tsy misy fanahy maty indray no fahalalàko io soratra Masina io. Ka raha miteny i Pissoa hoe Jesoa aza niresaka tamin'ny maty dia mazava fa ny fanahy no nitenenaNY.

Aza dia milaza ianao DIdi10 fa tsy niresaka tamin'ny maty i Jesoa! Fa iza Lazarosy? Iza i Elia, iza i Mosesy ? tsy niresaka TamiNY ve?

Raha resaka ara-panahy tokoa no resahantsika fa tsy resaka ara-nofo dia hazava kokoa ny fampianarana momba ny fiainana mandrakizay ary ho azontsika mazava tsara ny antony niresahan'ny Ntaolo tamin'ny razana ary mitohy mandrak'ankehitriny izany fomba izany.

Fa tsy ny fomba no zava-dehibe fa ny fahavelomana sy fahatokisana ao anatin'ny tsirairay fa veolna avokoa ny fanahy rehetra. Anisan'izany isika tsirairay avy sy ireo efa nodimandry. Misy fiangonana tsy milaza hoe fahafatesana fa fodiamandry no misy.
6. IAVO ( 26/03/2012 15:07)
Slt daoly! ra afaka manampy antsika ny razana de isika malagasy no manankarena voalohany indrindra eto atany satry isika mantsy de tena ita fa tena mbola manaja be anio fomba taloha io.Ny fianakaviana ato aminay tsy maintsy manao famadihana fona isakiny 5 taona, le dadatoanay izay no tena mitarika anazy fa alazainy fa nireseka anazy t@i nofy ono i dadabeanay milaza fa mangatsika ao ampasana de novaliko oe ra matsiaro mangatsika ry zareo ao de ny fomba ivoahany ao no atony voalohany de ra mitahy ko ny razana dia ny kamboty no miliardera indrindra.Lasa ady taminay io resaka io fa tsy nety nanao adidy t@i fianakamse za de tsy tonga t@i famadihana anay farany teo tsony,azo daoly ny ty karazana vava rehetra ity oe lasa sekta ony za de misy loza tsy maintsy ahazo ana ono fa tezitra amiko daoly ny razana ao @i fasanay sady mampiomehy la izy no mampalahelo ana fa tena tsy azo aodina mihintsy ry zareo @ finoany.Sangiko ry zareo oe inona no mety ikarakara any bebe izay mbola velona sa ikarakara any dadabe efa maty.
7. didi10 ( 26/03/2012 16:06)

IAVO:

Mahereza namana fa làlana tsy maintsy izoran'ny olona niova fo izany rehetra izany.
Tsy misy mifampibaby any an-danitra fa ny mankany amin'ny fahaverezana kosa dia jamba maro mifampitantana.
8. pissoa ( 26/03/2012 23:01)
didi10, io lazain'i Miharena io no valiny. I Jesoa niresaka tamin'i Lazara, Elia, Moizy !

Ary raha io lazain'i IAVO io no arahina hoe raha toa ka manampy ny razana dia isika no manankarena voalohany indrindra, dia lasa hoe raha misy tokoa Andriamanitra dia lasa manan-karena daholo izay mino Azy rehetra farafaharatsiny. Fa tsy izany no hilazantsika fa misy na tsy misy Andriamanitra.
9. LazaDaddy ( 27/03/2012 00:58)
jajajaly :
Afaka Manampy Antsika ve ny Razana?
Izy aza tsy afaka manampy ny tenany ka amin'ny fomba ahoana no ahafahany manampy ny hafa? I Jesosy irery ihany no famonjena ho an'ny olom-belona, ary isaorana sy deraina Izy noho izany.
10. Miharena ( 27/03/2012 05:37)
LD:

Izy aza tsy afaka manampy ny tenany ka amin'ny fomba ahoana no ahafahany manampy ny hafa? I Jesosy irery ihany no famonjena ho an'ny olom-belona, ary isaorana sy deraina Izy noho izany.

Ahoana no fomba ahafahanao tena manamarina io filazanao io?

Ny fantatro indray dia tsy hoe mamonjy ny tenany intsony no asan'ny olona modimandry fa mitohy ny asany arakarak'izay toerana misy azy avy. Elia, Mosesy, Maria, Davida, sy ny olomasina sns... fa i Kristy no lohany.

Ny ahy moa dia izay voalazan'i krsity momba ny hafaNY ho an'ny olombelona rehetra na ny efa lasa na ny mbola eto ary ho an'ny mbola ho avy eto ambonin'ny tany no mahatonga ahy hilaza izany. Ary evidence ilay izy fa tsy hoe foronina. Azonao vakiana ao anaty Baiboly ny anjara asan'ny olomasina. Vakio manontolo ilay Baiboly dia hahita ianao.

Ary raha tsy afa-po ianao dia vakio ilay 3e Testament fa aza tonga dia tsipahina.
11. LazaDaddy ( 27/03/2012 06:06)
Miharena,

Tsara tokoa ny mamaky tanteraka ny Baiboly, ary tsy misy maha ratsy ny mamaky boky hafa saingy ilaina ampilaharina amin'ny Tenin'ny Soratra Masina ireny fa tsy azo inoana avy hatrany.

Momba ilay fanontanianao dia tsotra, na dia azo hitarina lava be aza ity dinika ity.
Ny "razana" resahina eto aloha dia tsy nosoritan'ny nanolotra lohahevitra na "mpino an'Andriamanitra" na tsia. Arakarak'izay no ahafantarana ny toerana onenany mandrakizay.

1) Raha tsy mpino sy tsy natahotra an'Andriamanitra izy dia na izy aza tsy afa-manampy ny tenany: "Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron’ ny rantsan-tanany amin’ ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin’ ity lelafo ity." Lioka 16:24

2) Raha afaka manampy ny razana dia tokony ho afaka nanampy ny tenany izy ka tsy maty akory. I Kristy irery no afaka manampy antsika satria Izy no fitsanganana amin'ny maty
12. didi10 ( 27/03/2012 06:57)

Miharena:

Tsy misy fanahy maty indray no fahalalàko io soratra Masina io. Ka raha miteny i Pissoa hoe Jesoa aza niresaka tamin'ny maty dia mazava fa ny fanahy no nitenenaNY.

Aza dia milaza ianao DIdi10 fa tsy niresaka tamin'ny maty i Jesoa! Fa iza Lazarosy? Iza i Elia, iza i Mosesy ? tsy niresaka TamiNY ve?

Raha resaka ara-panahy tokoa no resahantsika fa tsy resaka ara-nofo dia hazava kokoa ny fampianarana momba ny fiainana mandrakizay ary ho azontsika mazava tsara ny antony niresahan'ny Ntaolo tamin'ny razana ary mitohy mandrak'ankehitriny izany fomba izany.

Fa tsy ny fomba no zava-dehibe fa ny fahavelomana sy fahatokisana ao anatin'ny tsirairay fa veolna avokoa ny fanahy rehetra. Anisan'izany isika tsirairay avy sy ireo efa nodimandry. Misy fiangonana tsy milaza hoe fahafatesana fa fodiamandry no misy.

Mba omeo daholo hoe azafady ny toko sy andininy ahitana izany resaka izany azafady.
13. pissoa ( 27/03/2012 07:11)
LazaDaddy a, ity aloha ny ahy no resahiko e !
didi10:

Voafaoka ao anatin'ny maty na razana avokoa na ireo lazaina fa masimbavy sy masindahy izay hiresahana hangataham-bavaka sy fitahiana.

Ilay ohatra omenao mantsy dia ny olona any amin'ny helo no heverinao hoe hiresahana sy hangatahana fanampiana, satria ireo no tsy afaka manampy ny tenany. Toa hadalana ihany raha ny olona any no hangatahana izany satria isika mahafantatra fa lavitra an'Andriamanitra izy ireo, ary mahafantatra fa misy ny olona akaiky kokoa an'Andriamanitra (olomasina), ka tsy aleo ve ny olomasina no hangatahana hi hi hi
14. pissoa ( 27/03/2012 07:22)

didi10:

Mba omeo daholo hoe azafady ny toko sy andininy ahitana izany resaka izany azafady.

Hi hi hi i didi10 ve mbola mila atoro fa tsy mahafantatra ny toko sy andininy milaza ny fahaveloman'ny fanahy na efa maty aza ny nofo. Jereo io ohatra nomen'i LazaDaddy io, misy ny olona mijaly any amin'ny afo ! Dia jereo ny Evanjely araka an'i Lioka, Marka ary Matio fa tokony misy an'i Jesoa niresaka tamin'i Moizy sy Elia io daholo. Raha tsy ohatra hoe tsy fanahy izy ireny fa zavatra hafa ... tsy haiko aloha e hi hi
15. didi10 ( 27/03/2012 07:42)
ko efa oe toko sy andininy omena oa: le votoatin'ilay resaka natao mihitsy anie no tiako ho fantatra e!
16. Miharena ( 27/03/2012 07:47)

Tsara tokoa ny mamaky tanteraka ny Baiboly, ary tsy misy maha ratsy ny mamaky boky hafa saingy ilaina ampilaharina amin'ny Tenin'ny Soratra Masina ireny fa tsy azo inoana avy hatrany.

1) Raha tsy mpino sy tsy natahotra an'Andriamanitra izy dia na izy aza tsy afa-manampy ny tenany: "Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron’ ny rantsan-tanany amin’ ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin’ ity lelafo ity." Lioka 16:24

2) Raha afaka manampy ny razana dia tokony ho afaka nanampy ny tenany izy ka tsy maty akory. I Kristy irery no afaka manampy antsika satria Izy no fitsanganana amin'ny maty

Zavatra roa loha io ihany dia azontsika hakana lesona hoe misy mifanohitra ny fanambaran'i LD.

Ilay mpanankarena voalaza dia tsy hoe maty fa nijaly tao anaty afo ka raha milaza ianao hoe raha afaa manampy ny razana dia tokony afaka nanampy ny tenany fa tsy maty akory dia tsy mitombina raha ny SOratra Masina no rehsahanao hampifanarahana izany hevitrao izany.
17. jajajaly ( 27/03/2012 13:12)
Tokony hanontany amin’ny maty ve ianao?
Hoy i Jehovah Andriamanitra tamin’ny vahoakany fahiny: ‘Aoka tsy hisy eo aminao ny olona manontany amin’ny maty.’ (Deoteronomia 18:9-13) Raha afaka mifampiresaka ny velona sy ny maty, Andriamanitra fitiavana ve dia hanakana an’izany? Raha tsorina dia tsy afaka mifampiresaka izy ireo. Nahoana? Imbetsaka ny Soratra Masina no mampianatra fa tsy mahalala na inona na inona ny maty. Hoy ny Mpitoriteny 9:5: «Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona.» Hoy koa ny Salamo 146:3, 4: «Aza matoky ny olona ambony na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny ainy, ary miverina amin’ny tany nakana azy izy, ka androtr’iny ihany, dia foana ny eritreriny.» Nilaza koa i Isaia mpaminany fa «tsy mahefa na inona na inona» ny maty.—Isaia 26:14.
Maro anefa no mino fa afaka nifandray tamin’ny razany izy, rehefa nanao fombafomba hifandraisana amin’ny maty. Betsaka no efa nifampiresaka tamin’ny olona any ankoatra
matoa be dia be no nilaza fa efa nanao izany. Tsy niresaka tamin’ny razany anefa izy ireny, araka ny asehon’ny Baiboly etsy ambony. Iza ary no niresaka taminy?
18. mirananirina ( 27/03/2012 14:16)

pissoa
Hi hi hi, i Jesoa aza niresaka tamin'ny maty knou.

Mba tantarao kely hoe zany resaky ry zareo zany? sao dia mba ho adinina amin'izany ianao fa aza mivazivazy amin'izany raha mbola Kristianina koa

Aza dia milaza ianao DIdi10 fa tsy niresaka tamin'ny maty i Jesoa! Fa iza Lazarosy? Iza i Elia, iza i Mosesy ? tsy niresaka TamiNY ve?

Joany toko 12. 17
17 Koa nanambara azy ny vahoaka izay nanatrika ny fiantsoany an'i Lazara hivoaka tamin'ny fasana sy ny nananganany azy tamin'ny maty,
19. hery ( 27/03/2012 15:18)
didi10:

ko efa oe toko sy andininy omena oa: le votoatin'ilay resaka natao mihitsy anie no tiako ho fantatra e!

Ary mbola misy tantara tsy hitan'i didi10 ve sanatria ao anaty baiboly? Ohatry ny vaovao be aminao ny resaka Lazarosy (na Lazara) sy ny niresahan'i Jesoa tamin'i Moizy sy Elia. Sa tsy dia mikasika ny principe-nao ireny dia tsy vakianao?
20. didi10 ( 27/03/2012 15:50)

hery:

didi10:

ko efa oe toko sy andininy omena oa: le votoatin'ilay resaka natao mihitsy anie no tiako ho fantatra e!

Ary mbola misy tantara tsy hitan'i didi10 ve sanatria ao anaty baiboly? Ohatry ny vaovao be aminao ny resaka Lazarosy (na Lazara) sy ny niresahan'i Jesoa tamin'i Moizy sy Elia. Sa tsy dia mikasika ny principe-nao ireny dia tsy vakianao?

Resaka Lazarosy :
Jao 11,43
43 Ary rehefa nanao izany teny izany Izy, dia niantso tamin'ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha!

Dia io teny fandidiana amin'ny fitsanganana amin'ny maty io ve no hilazana fa niresaka tamin'ny maty Jesosy? ka mitovy aminao mivavaka sy mangatam-pitahiana amin'ny razana?

Resaka Mosesy sy Elia
3 Ary, indro, niseho tamin'ny mpianatra Mosesy sy Elia, niresaka tamin'i Jesosy.

Raha matoatoa na faty mitsangana no niresaka tamin'i Jesosy dia manaiky aho fa niresaka tamin'ny maty izy fa eto dia Mosesy sy Elia en personne mihitsy no niresaka tamiNY.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0408