Tsy ho ela intsony ilay ady lehibe farany.

1. Maranatha ( 20/03/2012 06:15)
Raha mamaky ny Apok 14:9 Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany,
10 dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry iry;
11 ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany.
12 Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy.

Ny andininy faha 9 dia manambara fa Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany,dia .... Efa fantatsika ny tantara fa efa manomboka mamoaka ilay puce hapetaka amin'ny olona tsirairay avy ny Nouvelle Ordre Mondual na ny NOM ahafahana manaramaso ny tsirairay. Misy hapetaka mivantana, misy amin'ny alalan'ny vaksiny izay atao hoe maimaimpoana. Ny hevitra mody hitondrana io puce io dia hoe pour securuté ho an'ny olona. Mety ho marina izany. Fa ny tena izy dia hahafahana manenjika ireo zanaky ny Avo indrindra izay mitandrina ny didiny sy mino ny Zanany dia Jesoa ilay Mesia.
Hiisy fifidianana any amerika amin'ity taona ity raha sanatria tsy lany eo intsony ny Democrate izay misy an'i Barak Obama dia hiakatra eo ny Repoblikana izay hitondra ny Didy jadona, hahafahana mifehy ny tany.Raha mahatsikaritra isika dia izay olona rehetra manebatsembana an'i Amerika na ilay Bibidia faharoa dia efa hataony hazalambo avokoa (Ben Laden, Sadam houssen, Kadafi sns....)
Ho avy amin'izay ilay hoe fivavahana tokana ihany no atao eto ambonin'ny tany izay tarihin'n'ilay tandroka kely (Bibidia). Rehefa voahoriny ao Jerosalema ny tananany ao Roma (vatican) dia hoy ny Matio 24:15 Koa raha hitanareo mitsangana ao amin'izay fitoerana masina ny fahavetavetan'ny fandravana, izay nampilazaina an'i Daniela mpaminany (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany). Hipetraka ao Jerosalema ilay Bibidia ( Ny Pape)dia tsy iza fa ilay manao ny tenany ho ny Avo indrindra.ka hivavahana, ilay nanova ny fotoana sy ny lalàna.
Mazava fa tsy maintsy ho ny andro napetrany no andro hivavahana dia ny alahady izany. Izay manohitra izay napetrakin'ny Avo indrindra dia ny sabata.
Ho mafy ny ady satria izay rehetra nanaiky nandray ilay mariky dia ilay puce hanamafisany ny mariky ny Bibidia dia ny alahady dia ho henjehina mandrapahafatiny. Ho tanterka ialy hoe tsy mahazo mividy na mivarotra....
Dia mihomana hihaona amin'ny Tompo Mpahary anao ry Israely fa ho mafimafy noho ny taloha ny fanenjehana sy ny fampijaliana satria fantany fa akaiky ny androny ety ambonin'ny tany.
Io no ady farany ho anao ry zanakin'i Avo indrindra fa raha efa mafy ny ady dia ho avy fa tsy hitaredretra ilay mpanao anao. Mahereza!
Rava, rava i Babilona dia ilay tananan'ny fijangajangana ( Ilay tanana izay nampisotro ny olona ny divain'ny fijangajangany)
Avia Jesoa Tompo o! Maranatha
Mivoaha teo aminy ianareo ry oloko fa aza miombona ota aminy.

novalian'i Miharena ny 26/03/2012 13:55
2. Tefigasy ( 20/03/2012 07:03)
Fanontaniana tsotra no apetrako amin'i Maranatha, aza taritina lava be ny valiny fa na "Eny" na "Tsia"

1- Manoloana ilay fitsarana farany ianao: Misy fanontaniana mipetraka ve hoe nivavaka asabotsy ianao sa nivavaka alahady ?
Eny sa Tsia

2- Sa ve mety ho fanontaniana mikasika ny finoana no hipetraka satria izay tsy mino no helohina - izay tsy hita ao amin'ilay bokin'ny fiainana no ....(tsy teneniko ny tohiny fa sao dia ambaran'ny hafa ndray hoe mampitahotra)
Eny sa Tsia

==> Mahavonjy ve izany ny andro ?
Eny sa Tsia

-----------------------------
Raha ilay bibidia no tianao ho resahina:

Nanomboka oviana moa no nisy ny Pape na tsy maninona ataotsika hoe ny amperora?
Daty omena raha mahafantatra ianao

Hitatsika ao amin’ny soratra masina fa ny andro alahady dia efa nivavahan’ny apostoly, andro
natokan’ny mpianatra hivavahana, natokan’ny fiangonana voalohany hivavahana na dia mbola tsy nisy aza ny Pape lazainao fa nametraka ny andro alahady ho mariky ny bibidia

Ireto misy andininy omeko maneho izany fa efa nivavahana ela talohan’ny taona 321 ny andro alahady.
Jao.20:19: ary rehefa arivan’ilay andro voalohany amin’ny herin’andro (alahady io) raha voarindrina ny varavarana niangonan’ny mpianatra (niangona ny mpiantra izany) noho ny fatahorany ny jiosy dia tonga Jesoa ka nitsangana teo afovoany dia nanao taminy hoe fiadanana ho anareo.

Andro alahady, niangona ny mpianatra, narindrina ny varavarana, ary tonga teo Jesoa. Tena nekena izany ilay nivavahan’ireo tamin’io andro alahady hariva io ary tsy hoe tonga fotsiny Izy fa niteny hoe fiadanana ho anareo. Tena notsofiny rano mihitsy ilay fivoriana, ilay fiangonana tamin’io alahady hariva io.

Jao.20:26: ary nony afaka havaloana dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa tomasy dia tonga Jesoa rehefa voarindrina ny varavarana ka nitsangana teo afovoany dia nanao taminy hoe fiadanana ho anareo.

Afaka havalona, izany hoe afaka herinandro taoriana, ny alahady no andro voalohany dia ny alahady manaraka no andro fahavalo. Mbola alahady ihany ity fotoana ity, ary andro niangonana indray.

Asa.20:6-7: «dia niondrana an-tsambo niala tany Filipy izahay , rehefa tapitra ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira , dia nankany aminy tany Troasy izahay nony afaka hadimiana; ary tany no nitoeranay hafitoana . Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro , rehefa niangona hamaky mofo izahay , Paoly dia nitoriteny taminy , fa nikasa handeha maraina izy; dia naharitra nitori-teny mandrapahamamaton'alina izy .»

Dimy andro no nandehanany tany, fito andro no nitoerany tao filipy fa saingy tamin’ny andro
voalohany amin’ny herinandro izy vao nira-nivavaka, namaky mofo, nitory teny mandra-maraina. Fa naninona ny andro enina tsy nivavahana daholo, fa naninona no niandry ilay andro voalohany amin’ny herinandro vao nivavaka. Mazava izay fa tena efa andro nofidian’ny mpianatra sy ny fiangonana voalohany mihitsy ho andro hivavahany sy hivoriany, hanompoany an’Andriamanitra, hamakiany ny mofo, hitoriany teny ny andro
voalohany amin’ny herin’andro.

----------------------
Bokin'ny Apokalipsy : araho tsara hatramin'ny voalohany ny bokin'ny apokalipsy, mikasika ireo tombokase fito nosokafana tsirairay sy ny zavatra nisy fa raha za manokana aloha, efa nisy anjelin'andriamanitra nametraka tombokase ahy ary efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny fiainana ny anarako.

@+
3. Maranatha ( 20/03/2012 10:57)
Tefigasy:

Fanontaniana tsotra no apetrako amin'i Maranatha, aza taritina lava be ny valiny fa na "Eny" na "Tsia"

1- Manoloana ilay fitsarana farany ianao: Misy fanontaniana mipetraka ve hoe nivavaka asabotsy ianao sa nivavaka alahady ?
Eny sa Tsia

Valiny ENY Jakoba 2:11 Fa Ilay nanao hoe: "Aza mijangajanga" no nanao hoe koa: "Aza mamono olona" (Eks. 20.13, 14). Fa raha tahìny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna ianao.12 Aoka ianareo hiteny sy hanao araka izay mahamendrika anareo, izay olona hotsarain'ny lalàn'ny fahafahana.
Tefigasy:

2- Sa ve mety ho fanontaniana mikasika ny finoana no hipetraka satria izay tsy mino no helohina - izay tsy hita ao amin'ilay bokin'ny fiainana no ....(tsy teneniko ny tohiny fa sao dia ambaran'ny hafa ndray hoe mampitahotra)
Eny sa Tsia

izay olona hotsarain'ny lalàn'ny fahafahana.[/color]18 Fa angamba hisy hanao hoe: Hianao manam-pinoana, ary izaho manana asa; asehoy amiko tsy amin'ny asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin'ny asako.
19 Hianao manao fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany,- ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra.20 Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa?[/color]

==> Mahavonjy ve izany ny andro ?
Eny sa Tsia[
Eny mila mitandrina ny Didin'iAvoindrindra ianao Apok 14:12 Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy.

-----------------------------
Tefigasy:

Raha ilay bibidia no tianao ho resahina:

Nanomboka oviana moa no nisy ny Pape na tsy maninona ataotsika hoe ny amperora?
Daty omena raha mahafantatra ianao

321 tao aorian'i mesia
Tefigasy:

Hitatsika ao amin’ny soratra masina fa ny andro alahady dia efa nivavahan’ny apostoly, andro
natokan’ny mpianatra hivavahana, natokan’ny fiangonana voalohany hivavahana na dia mbola tsy nisy aza ny Pape lazainao fa nametraka ny andro alahady ho mariky ny bibidia

Ireto misy andininy omeko maneho izany fa efa nivavahana ela talohan’ny taona 321 ny andro alahady.
Jao.20:19: ary rehefa arivan’ilay andro voalohany amin’ny herin’andro (alahady io) raha voarindrina ny varavarana niangonan’ny mpianatra (niangona ny mpiantra izany) noho ny fatahorany ny jiosy dia tonga Jesoa ka nitsangana teo afovoany dia nanao taminy hoe fiadanana ho anareo.

Andro alahady, niangona ny mpianatra, narindrina ny varavarana, ary tonga teo Jesoa. Tena nekena izany ilay nivavahan’ireo tamin’io andro alahady hariva io ary tsy hoe tonga fotsiny Izy fa niteny hoe fiadanana ho anareo. Tena notsofiny rano mihitsy ilay fivoriana, ilay fiangonana tamin’io alahady hariva io.

Jao.20:26: ary nony afaka havaloana dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa tomasy dia tonga Jesoa rehefa voarindrina ny varavarana ka nitsangana teo afovoany dia nanao taminy hoe fiadanana ho anareo.

Afaka havalona, izany hoe afaka herinandro taoriana, ny alahady no andro voalohany dia ny alahady manaraka no andro fahavalo. Mbola alahady ihany ity fotoana ity, ary andro niangonana indray.

Asa.20:6-7: «dia niondrana an-tsambo niala tany Filipy izahay , rehefa tapitra ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira , dia nankany aminy tany Troasy izahay nony afaka hadimiana; ary tany no nitoeranay hafitoana . Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro , rehefa niangona hamaky mofo izahay , Paoly dia nitoriteny taminy , fa nikasa handeha maraina izy; dia naharitra nitori-teny mandrapahamamaton'alina izy .»

Dimy andro no nandehanany tany, fito andro no nitoerany tao filipy fa saingy tamin’ny andro
voalohany amin’ny herinandro izy vao nira-nivavaka, namaky mofo, nitory teny mandra-maraina. Fa naninona ny andro enina tsy nivavahana daholo, fa naninona no niandry ilay andro voalohany amin’ny herinandro vao nivavaka. Mazava izay fa tena efa andro nofidian’ny mpianatra sy ny fiangonana voalohany mihitsy ho andro hivavahany sy hivoriany, hanompoany an’Andriamanitra, hamakiany ny mofo, hitoriany teny ny andro
voalohany amin’ny herin’andro.

Marina mihintsy ireo teny notsongainao ireo fa ireo akory tsy midika hoe teo ry zareo no nitsahatra. Azo atao ny mivory amin'ny andro alahady mandray ny fanasan'ny tompo fa tsy midika ireo hoe nitsahatra ry zareo.
Mba jero ireto toko sy andininy ao amin'ny asan'ny apostoly ireto e: Asa1:12 Ary izy ireo niverina tany Jerosalema, rehefa avy teo amin'ny tendrombohitra atao hoe Oliva, izay akaikin'i Jerosalema (araka izay mety haleha amin'ny Sabata). Asa13:14 Ary rehefa niala tany Peryga izy ireo, dia nandroso nankany Antiokia any Pisidia, dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata ka nipetraka teo. Asa 13:42 Ary rehefa nivoaka izy, dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany amin'ny Sabata manaraka....44 Ary nony tamin'ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna hihaino ny tenin'Andriamanitra Asa 16:13 Ary tamin'ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan'ny vavahady izahay nankeny amoron'ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin'ny vehivavy vory teo [/color] sns... Fa ity no tsy azo hialana mihintsy Hebreo4:9 Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra. Raha olon'Avo indrindra ise dia mitshara sy mivavaha amin'ny andro sabata.
----------------------
Tefigasy:

Bokin'ny Apokalipsy : araho tsara hatramin'ny voalohany ny bokin'ny apokalipsy, mikasika ireo tombokase fito nosokafana tsirairay sy ny zavatra nisy fa raha za manokana aloha, efa nisy anjelin'andriamanitra nametraka tombokase ahy ary efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny fiainana ny anarako.
@+

Enga anie fa mitandrema ihany sao mba tsy ny anjelin'Avo indrindra no nametraka izany tombo-kase izany tamin'ise. Hapetraka amin'ny handrina mantsy no fomba fametrahana ny tombo-kase dia tsy inona fa ny sabata izay tsy maintsy raisina amin'ny saina satria tsy maintsy tsarovana. io no marika hahafantarana azy sy ny olony Ezek 20:11 Dia nomeko azy ny didiko, ary nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany.12 Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy.

Mandiniha tsara r'ise a!
4. Tefigasy ( 20/03/2012 11:41)
Maranatha:

Valiny ENY Jakoba 2:11 Fa Ilay nanao hoe: "Aza mijangajanga" no nanao hoe koa: "Aza mamono olona" (Eks. 20.13, 14). Fa raha tahìny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna ianao.12 Aoka ianareo hiteny sy hanao araka izay mahamendrika anareo, izay olona hotsarain'ny lalàn'ny fahafahana.

Dia aiza ho aiza amin'io kay no misy hoe alahady sy asabotsy?
Tsy haiko na izaho no tsy mahay mamaky teny na ianao no tsy mahazo izay tian'ny soratra holazaina ka mamadika ny fotsy ho mainty

Maranatha:

izay olona hotsarain'ny lalàn'ny fahafahana.[/color]18 Fa angamba hisy hanao hoe: Hianao manam-pinoana, ary izaho manana asa; asehoy amiko tsy amin'ny asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin'ny asako.
19 Hianao manao fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany,- ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra.20 Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa?[/color]

Apetrako ny fanamarihako alohan'ny nametrahako ny fanontaniana hoe aza ritina any amin'ny zavatra hafa ilay valin-teny. Tsy nanontany aho hoe inona moa ny finoana na koa mitaky inona ny finoana. Ny zavatra napetraka dia hoe "izay tsy mino no helohina" donc mifototra amin'io finoana io ny famonjena fa tsy amin'ny andro alahady sy asabotsy ambaranao eny ambony tompoko !

Maranatha:

==> Mahavonjy ve izany ny andro ?
Eny sa Tsia[
Eny

Fanaovana tsinotsinona an'i Jesoa izay niteny fa Izy ihany no lalana io valiteninao io. fanambaniana Azy satria ampirafesinao amin'ny andro ilay mpamonjy.
Ny ahy manokana aloha dia ampy ahy Jesoa.

Maranatha:

Marina mihintsy ireo teny notsongainao ireo fa ireo akory tsy midika hoe teo ry zareo no nitsahatra. Azo atao ny mivory amin'ny andro alahady mandray ny fanasan'ny tompo fa tsy midika ireo hoe nitsahatra ry zareo.
Mba jero ireto toko sy andininy ao amin'ny asan'ny apostoly ireto e: Asa1:12 Ary izy ireo niverina tany Jerosalema, rehefa avy teo amin'ny tendrombohitra atao hoe Oliva, izay akaikin'i Jerosalema (araka izay mety haleha amin'ny Sabata). Asa13:14 Ary rehefa niala tany Peryga izy ireo, dia nandroso nankany Antiokia any Pisidia, dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata ka nipetraka teo. Asa 13:42 Ary rehefa nivoaka izy, dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany amin'ny Sabata manaraka....44 Ary nony tamin'ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna hihaino ny tenin'Andriamanitra Asa 16:13 Ary tamin'ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan'ny vavahady izahay nankeny amoron'ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin'ny vehivavy vory teo [/color] sns... Fa ity no tsy azo hialana mihintsy Hebreo4:9 Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra. Raha olon'Avo indrindra ise dia mitshara sy mivavaha amin'ny andro sabata.

Aza avadika resaka fitsaharana aloha ny resaka fa resaka bibidia sy pape lazainareo fa nametraka ny andro alahady ho mariky ny bibidia.
Ianao ary manamarina ny zavatra voalaza sady tsy azonao disoina koa izany satria voasoratra ao anaty baiboly. Ny Pape izay lazainareo fa nametraka ny andro alahady ho mariky ny bibidia dia mbola tany aorianabean'ny nisian'ny fivavahana tamin'ny andro alahady.

Maranatha:

Enga anie fa mitandrema ihany sao mba tsy ny anjelin'Avo indrindra no nametraka izany tombo-kase izany tamin'ise. Hapetraka amin'ny handrina mantsy no fomba fametrahana ny tombo-kase dia tsy inona fa ny sabata izay tsy maintsy raisina amin'ny saina satria tsy maintsy tsarovana. io no marika hahafantarana azy sy ny olony Ezek 20:11 Dia nomeko azy ny didiko, ary nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany.12 Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy.

Mandiniha tsara r'ise a!

Fantatro izay hinoako ary Izy koa mahafantatra tsara ahy. Ny hafatro aminao fotsiny dia izahao toetra ny fanahy rehetra fa efa maro sy betsaka ny mpaminany sandoka ankehitriny ka sao lahy ho isan'ireo voafitaka ianao.

Tsy hiresaka ny momban'ny lalàna, sabata ... aminao aho fa fantatro fa mbola tsy tafiditra ao anatin'ilay fitsaharan'i Kristy ianao, mbola tsy tonga aty amin'ilay fahariana vaovao (fahariana faharoa) fa mbola tafajanona any amin'ilay fahariana voalohany, mbola tsy tonga aty amin'ny fahatanterahan'ny zavatra rehetra.... , fa ny mba nanaitra ahy dia ny nanehoanao ilay fanahy mamitaka.
Manaiky aho fa misy ny bibidia, ny dragona ary mahalala azy ireo aho, ... fa tsy misy hidirany amin'ny andro alahady izany tompoko na kely aza.
@+
5. didi10 ( 20/03/2012 14:08)
Sabata = Andro fahafito = Zoma maty masoandro jusqu'à Sabotsy maty masoandro

Eks 20
8 Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. 9 Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. 10 Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory hianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. 11 Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy.

Sabata tandreman'ny olona rehetra na hafa firenena aza.

Isaia 56,6
6 Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an'i Jehovah mba hanompo Azy
sy ho tia ny anaran'i Jehovah mba ho mpanompony
dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina
sady mitana ny fanekeko

Fampianaran'i Jesosy ny tsy maintsy hitandremana ny Sabata

Marka 2,27
27 Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho an'ny olona, fa tsy ny olona ho an'ny Sabata;

Fampianaran'ny Apostoly momba ny Sabata
Heb 4,8
8 Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian'izany. 9 Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra. 10 Fa izay niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy koa no nitsahatra tamin'ny asany, tahaka an'Andriamanitra tamin'ny Azy. 11 Koa aoka isika hazoto hiditra amin'iznay fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa.

Raha azonao tsara ny fampianarana momba ny Paska dia ho fantatrao fa tsy ny Alahady nitsanganana no atao hoe Paska navadika ho andron'ny Tompo, fa ny andro nahafatesan'ny zanakondry no atao hoe Paska.

Donc tsy mitombina mihitsy ny fanizingizinana fa efa niova Alahady ny Sabata.
6. Miharena ( 20/03/2012 16:52)
Tsy dia tsara ny mampiankina amin'y anganongano ny finoana fa mila fantarina ny maha-olona ny olona araka ny nanamboaran'Andriamanitra azy fa raha tsy izany dia hiady teny fotsiny fa tsy manana fitombenan-tsaina sy fo madio ny olona.
7. didi10 ( 21/03/2012 11:44)

Miharena:

Tsy dia tsara ny mampiankina amin'y anganongano ny finoana fa mila fantarina ny maha-olona ny olona araka ny nanamboaran'Andriamanitra azy fa raha tsy izany dia hiady teny fotsiny fa tsy manana fitombenan-tsaina sy fo madio ny olona.

Inona no anganongano?
Ilay olona 'je ne sais pas" nanoratra testament je ne sais pas" tany "je ne sais pas" tamin'ny fotoanandro "je ne sais pas"?
Sa ny fotom-pampianarana voarakitra ao anaty Baiboly Masina?
8. zoheri ( 21/03/2012 13:38)

Tsy midika inona ny andro hivavahana,
9. Miharena ( 21/03/2012 15:23)
Didi10:

Inona no anganongano?
Ilay olona 'je ne sais pas" nanoratra testament je ne sais pas" tany "je ne sais pas" tamin'ny fotoanandro "je ne sais pas"?
Sa ny fotom-pampianarana voarakitra ao anaty Baiboly Masina?

Manàna aloha ianao Didi10 fo mandinika tsara fa raha saina no itondranao ny finoana dia ho reraka fotsiny eo ianao. Na mamaky io Baiboly io aza dia tsy saina fa fo sy fanahy no hamakiana azy. Raha mbola tsy eo amin'izay sehatra izay ianao dia mbola tsy hahatakatra izay tiana ambara mihitsy na iza na iza mitory aminao hoe tsy ny andro no mahavonjy fa ny fahalalàna an'Andriamanitra sy Kristy izay miasa mampahanfantatra antsika fa zanak'Andriamanitra isika. Feno izay resaka izay fa ny fitondrantena dia ambiny ihany avokoa, na ny firesahana Aminy io na ny fombafomba tiana arahina.

Ny Baiboly dia boky ihany raha tsy fantatra ny asa ao anatiny sy ny ohatra betsaka momba ny finoana tian'i Kristy ampitaina amintsika.
10. zoheri ( 22/03/2012 10:09)
Sali, sali, sali

Eh !!, ho anareo mpankafy ny bokin'ny Apokalipsy, tsy fantatrareo ngah ny dikan'ny
Ilay Vehivavy Janga mitaingina an'lay Bibidia voaresaka ao @ Apokalipsy.
Vehivavy Janga : Empira maneran-tany ny Fivavahan-diso (Babylone Lehibe hoy ny Apokalipse)
Bibidia : Hery ara-politika (Fitondran'Olombelona)

Mba jereo ny zava-misy, maneran-tany !!!

Tsy hitanareo ve fa ireo Fivavahana lazaina fa lehibe (Lazaina fa Kristiana) dia mitaingina (manapaka sy mibaiko) an'le Bibidia (Fitondran'Olombelona/politika sns...) tsy lazaina intsony ny fitsabahana @ ady. "Jereo ny eto amintsika"
Ny andraikitry ny TENA KRISTIANA dia ny (Matio 24:14), fa tsy ny raharahan'ity tontolon'i Satana efa madiva ho rava ity.
Jereo ny Daniela 2:44.

Mersii aann!
11. Tefigasy ( 22/03/2012 10:22)

zoheri:

Sali, sali, sali
Bibidia : Hery ara-politika (Fitondran'Olombelona)

Tsy hitanareo ve fa ireo Fivavahana lazaina fa lehibe (Lazaina fa Kristiana) dia mitaingina (manapaka sy mibaiko) an'le Bibidia (Fitondran'Olombelona/politika sns...) tsy lazaina intsony ny fitsabahana @ ady. "Jereo ny eto amintsika"

Dia voararan'ny soratra masina tsy hanao politika izany ny kristianina !
Avela ho viravirain'ny devoly ny firenena !
Jereo ny zava-misy eto amintsika e, rehefa tsy nety nandray ny andraikiny ny kristianina dia ny fanjakan-demony no hita sy miseho lany eto: izay tsy tiana gadraina, ny mpamono olona tsy tambo isaina ny fitombony, ny halatra eo anivon'ny ministera maro samy hafa aoka fotsiny, ... dia hoy ny kristianina izany hoe jereo fotsiny fa aza misy mijoro !

lol, lasa hors sujet le izy fa aleo hajanoko hatreo
12. didi10 ( 22/03/2012 10:26)

zoheri:

Tsy midika inona ny andro hivavahana,

Aza miteniteny foana namana a! ny andro hanaovana fitaom-pivavahana dia voatendrin'Andriamanitra ka tsy misy dikany ahoana?

Lev 23
[-23-] ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy:
3 Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masina; aza manao raharaha akory hianareo, fa Sabata ho an'i Jehovah eny amin'izay fonenanareo rehetra izany.
4 Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amn'ny fotoany avy: 5 Ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan'i Jehovah. 6 Ary ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana izany dia andro firavoravoana ho an'i Jehovah, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira. 7 Ary amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo: aza manao tao-zavatra akory hianareo; 8 fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah hafitoana; ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao tao-zavatra akory hianareo.
13. didi10 ( 22/03/2012 10:32)

zoheri:

Sali, sali, sali

Eh !!, ho anareo mpankafy ny bokin'ny Apokalipsy, tsy fantatrareo ngah ny dikan'ny
Ilay Vehivavy Janga mitaingina an'lay Bibidia voaresaka ao @ Apokalipsy.
Vehivavy Janga : Empira maneran-tany ny Fivavahan-diso (Babylone Lehibe hoy ny Apokalipse)
Bibidia : Hery ara-politika (Fitondran'Olombelona)

Mba jereo ny zava-misy, maneran-tany !!!

Tsy hitanareo ve fa ireo Fivavahana lazaina fa lehibe (Lazaina fa Kristiana) dia mitaingina (manapaka sy mibaiko) an'le Bibidia (Fitondran'Olombelona/politika sns...) tsy lazaina intsony ny fitsabahana @ ady. "Jereo ny eto amintsika"
Ny andraikitry ny TENA KRISTIANA dia ny (Matio 24:14), fa tsy ny raharahan'ity tontolon'i Satana efa madiva ho rava ity.
Jereo ny Daniela 2:44.

Mersii aann!

Tsy lojika
Ny bibidia dia Unité fa tsy groupe quelconque.
Ka raha tonga eo amin'ny fitondrana izany i Mailhol de vehivavy janga mitaingana bibidia koa?
Tsy lojika oa!
Raha bibidia ny politika dia samy anisany daholo isika mianakavy!
Tsy lojika!!!!!!!
14. zoheri ( 22/03/2012 14:02)

didi10:

Sali ihany nareo
Tsy aiko na enao miitsy no tsy lojika !
Raha miresaka hoe "Mpiandry ondry i Jesosy" ny baiboly, de midika ve zany fa Mpiandry ondry tokotrany ve zany ny asany
Tsy novakianao ngah ny Daniela 2:44
Aza afangaro aloha ny fomba firesaka politika sy fivavahana
Tsy oe rehefa tiana na metimety @ hevitra na ny zavatra inoana de izy zay fa ny sasany tsy rarahina.(Tsy tondrozotra akory io)
Tsy nampirisika ny mpianany (Tena Kristiana) miitsy i Jesosy oe mandraisa andraikitra eo @
Raharahan'ity tontolo ity. "Anisan'izany ny firenena malagasy"
Ny antony : I Satana no manapaka an'ity tontolo ity, matoa manjaka ny tsy rariny, ny fijaliana, ny aretina, ny fahafatesana sns...
Noho izany : Ninoninona ataonao, na anongam-panjakana fôna enao, n'iza n'iza itondra eo dia tsarovy fa tsy voavaha zany ny Olan'Olombelona.(Tsy misy Miracle akory eo)
Izay ange no nahatonga an'i Jesosy nilaza hoe "...ho tonga anie ny Fanjakanao" tao @ lay vavaka nampianariny e !!
Ny Tena Kristiana : Manaiky sy manaja an'ze pitondra eo, ary manara-dalàna fôna
raha mbola tsy mifanohitra @ fitsipik'Andriamanitra ny zavatra takiana. ZAy le oe an'i Kaisara zay an'i Kaisara de .......
15. IAVO ( 22/03/2012 15:04)
Slt daoly! marina alo fa efa akaiky ny farany fa ny baiboly ange vo nivoka de efa nisy anio resaka io,fa tsy @ty taona ity kosa angambany eh! manjary diso mantsy ny ao anaty baiboly ra misy mafantatra io. Lasa resabe la oe asabotsy sa alahady io ry zareo refa miantso Anandriamanitra isika dia mihaino fona izy,de le finoana tsy misy oe ary no marina na ary fa refa manao ny sitrapony ny olona iray tsy maintsy voavonjy fona.
16. Miharena ( 22/03/2012 15:22)
Ny fanatisme religieux dia fijangajangana satria tsy fampianarani' Kristy. Ny Kistianina dia manetry tena, manaiky ho kely indrindra noho ny rehetra izay mizahozaho. Tsy mitompo teny fantatra fa miteny izay mahitsy amin'ny fotoana ahafahana milaza izany.

Ny fombafombam-piangonana dia mazava fa toy ny fitafiana fa ny vontoatiNY izay mitory ny maha-Kristy no fantatr'i Kristy.

Ny ady lehibe farany dia fampahafantarana fa manana ny mazava isika ka tsy tokony ho voarebirebin'ny zava-mandalo sy miserana. Tsy manana fanjakana na kely aza Satana satria zava-poana izay miserana dia ny materialy izany. Rehefa tsy manana intsony famaharana hampitodika ny olona amin'ny materialy sy ny fombafomba mamatotra ny herin'ny maizina dia rava ho azy.

Raha fintinina ny ady lehibe farany dia ny fandresena an'i Goliath ao amintsika tsirairay avy izay mitoky amin'ny zavamanodidina azy (akanjo vy be sy fombafomba nanaovany hoe alika angaha aho no antsamotady no entin'ialahy miady amiko?) fa tsy mitoky amin'ny Anaran'i Jehovah ao anatiny toa an'i Davida.

Fehiny : aza diso mitodika ivelany fa ao anaty ihany mitodika dia hahita ny fahasoavan'Andriamanitra isika rehetra.
17. didi10 ( 22/03/2012 17:05)

zoheri:

Ny Tena Kristiana : Manaiky sy manaja an'ze pitondra eo, ary manara-dalàna fôna
raha mbola tsy mifanohitra @ fitsipik'Andriamanitra ny zavatra takiana. ZAy le oe an'i Kaisara zay an'i Kaisara de .......

Itanao fa misy contradiction ny tolo-kevitrao, milaza ianao fa ny vehivavy janga mitaingina bibidia dia ny fiangonana miditra ao anaty fitondrana politika, kanefa asainao manaiky sy manaja ny mpitondra ny tena Kristiana, ohatry ny miteny ianao hoe hajao ny vehivavy janga mitaingina bibidia fa avy amin'Andriamanitra izany. Tsy lojika ooaaaa!!!!
18. zoheri ( 23/03/2012 09:44)

[/quote]

Sali daholo eee!
Nampiasa fanoharana fôna i Jesosy rehefa nampianatra, sa tsy zany !
Oharin'ny Baiboly @ Vehivavy Janga ny fivavahana milaza azy fa kristiana nefa mandray anjara @ politika. (Resahin'ny Apokalipse hoe nijangajanga t@ mpanjakan tany izy io)
Te hilaza ve zany ny baiboly hoe "foza orana" le vehivavy janga mitaingina an le Bibidia voaresaka ao @ Apokalipsy,
sa inona ndray no tiany resahana amin'io. Tsy miteny oe filoham-pirenena(président) ny baiboly fa antsoiny hoe : mpanjaka, mpitondra, mpanapaka sns....

19. zoheri ( 23/03/2012 09:58)

[quote=zoheri]
Itanao fa misy contradiction ny tolo-kevitrao, milaza ianao fa ny vehivavy janga mitaingina bibidia dia ny fiangonana miditra ao anaty fitondrana politika, kanefa asainao manaiky sy manaja ny mpitondra ny tena Kristiana, ohatry ny miteny ianao hoe hajao ny vehivavy janga mitaingina bibidia fa avy amin'Andriamanitra izany. Tsy lojika ooaaaa!!!!

Sali ihany !!

Hono oa ry Mônami ! Inona ny zavatra nataon'ny mpitondra fivavahana raha ny olana eto madagasikara no jerena.
2002 : Nandray anjara t@ fanonganam-panjakana (voavaha ve ny olana)
2009 : Mbola naka Devant miitsy ny sasany (Ny lohan'dohany Mpisorona sasany aza voaray t@ vozon'akanjo miitsy sady voaopa : sa oe nenjehina ndray nohon'ny fahamarinana) ary mbola voavaha ihany ve ny olana @ zao.
Misy ndray zao oe Hetsiky ny Mpitondra fivavahana : Aza manatena miracle oa !!!
Izay ve tena nankinin'i Jesosy ataon' y mpanara dia Azy.
Sa rehefa misy zavatra atao de mody asiana andala-teny soratra masina fôna de oe tena kristiana
20. didi10 ( 23/03/2012 10:03)
Ny atao hoe Théocratie ry namana dia fitondram-panjakana entin'olom-belona fa eo ambany fanendren'Andriamanitra sy eo ambany lalàn' Andriamanitra. Ka raha izay no sitrapon'Andriamanitra ho an'i Madagasikara inona no maharatsy ny manao politika?. Ka raha hoe izay Kristiana rehetra mandray anjara amin'ny politika dia bibidia!!!! pfff tsy lojika
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3504