Tsy tonga namonjy ny olona rehetra eran'izao tontolo izao ny Tompo fa misy olona tsy novonjeny.

1. laloanany ( 12/03/2012 10:22)
Marobe amintsika ny mino fa rehefa tonga teto antany i Jesoa dia tonga hamonjy ny olona rehetra eran'izao tontolo izao Izy. Diso anefa io fomba fijery io raha ny Soratra Masina no jerena. Maro ny Kristianina mi-ignorer ny teny sasany @ Soratra Masina satria tsy mifanaraka @ zavatra nampianarina azy ilay izy. Mampalahelo anefa dia nampianarina antsika t@ tsika mbola kely ilay hoe "maty ho an'ny olombelona rehetra eto antany i Kristy". Andeha iverenana ny Soratra Masina dia vakio tsy miangatra:

1. Maty hamonjy ny OLONY, na ny ONDRINY (ireo voafidy) ny Tompo fa tsy izay olona rehetra erantany. "ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy ; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ ny fahotany." (Mat 1:21)

2. Ireo olona voafidin'Andriamanitra ihany no voavonjy fa ireo tsy voafidy dia very satria efa nohajambaina ny mason'izy ireo. "Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela ." (Mat 13:11), (Lioka 19:42)

3. Izay rehetra NOMEN' Andriamanitra an'i Jesoa ihany no afaka manantona Azy. Ary izay rehetra manantona Azy dia tsy ho laviny mihitsy. (Jaona 6:37). Matetika isika tsy mijery ny tapany voalohany amin'ilay andinitSoratra Masina fa tonga dia maika be amin'ilay hoe "izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy." Saingy vakio tsara ilay tapany voalohany. Aoka hotadidintsika fa tsy isika velively no nifidy an'i Jesoa fa i Jesoa no nifidy antsika. Izany no mahatonga antsika ho antsoina hoe olomboafidy. Fony isika mbola tsy voaforona akory dia efa nofidian'Andriamanitra ho zanany ireo olony. Ireo tsy voafidy dia tsy ho voavonjy velively satria tampona ny mason'izay ireo.

Marobe ireo andinitSoratra Masina milaza fa tsy maty ho an'ny olona rehetra eran'izao i Jesoa fa maty ho an'n ondriny na ny olony (ireo olomboafidy).

Ny Tompo dia Mpanjaka ary mahefa ny zavatra rehetra. Raha tonga hamonjy ny OLONY izy dia tonga HAMONJY NY OLONY. Izany hoe rehefa izy no hamonjy dia mahavoavonjy Izy fa tsy hoe tonga hamonjy izy nefa tsy nahavoavonjy tampoka teo. Matoa very ny olona iray dia tsy novonjen'Andriamanitra izy. Fa tsy hoe novonjen'Andriamanitra ihany izy saingy Andriamanitra tsy nahavonjy azy.
novalian'i Miharena ny 20/03/2012 05:33
2. laloanany ( 12/03/2012 10:26)
Ho an'ireo izay mazoto dia vakio TSY MIANGATRA ireto andinitSoratra Masina ireto dia diniho tsara:
Matthew 1:21, 11:25-27, 13:10-15, 44-46, 15:13, 20:28, 22:14, 24:22; Luke 8:15, 13:23, 19:42; John 5:21, 6:37, 44, 65, 8:42-47, 10:11, 14, 26-28, 11:49-53, 12:37-41, 13:1, 18, 15:16, 17:2, 6, 9, 18:9, 37; Acts 2:39, 13:48, 18:27, 19:9; Romans 9:10-26, 11:5-10; 1 Corinthians 1:18-31, 2:14; 2 Corinthians 2:14-16, 4:3; Galatians 1:3; Ephesians 2:1-10; Colossians 2:13; 2 Thessalonians 2:9-14; 2 Timothy 2:20, 25; Titus 2:14; Hebrews 1:3, 14, 2:9, 16 (cp. Galatians 3:29, 4:28-31), 9:28; 1 Peter 2:8; 2 Peter 2:7; 1 John 4:6; Jude 1, 14; Revelation 13:8, 17:8, 15-18, 21:27.
3. didi10 ( 12/03/2012 13:47)

laloanany:

Marobe amintsika ny mino fa rehefa tonga teto antany i Jesoa dia tonga hamonjy ny olona rehetra eran'izao tontolo izao Izy. Diso anefa io fomba fijery io raha ny Soratra Masina no jerena. Maro ny Kristianina mi-ignorer ny teny sasany @ Soratra Masina satria tsy mifanaraka @ zavatra nampianarina azy ilay izy. Mampalahelo anefa dia nampianarina antsika t@ tsika mbola kely ilay hoe "maty ho an'ny olombelona rehetra eto antany i Kristy". Andeha iverenana ny Soratra Masina dia vakio tsy miangatra:

1. Maty hamonjy ny OLONY, na ny ONDRINY (ireo voafidy) ny Tompo fa tsy izay olona rehetra erantany. "ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy ; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ ny fahotany." (Mat 1:21)

2. Ireo olona voafidin'Andriamanitra ihany no voavonjy fa ireo tsy voafidy dia very satria efa nohajambaina ny mason'izy ireo. "Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela ." (Mat 13:11), (Lioka 19:42)

3. Izay rehetra NOMEN' Andriamanitra an'i Jesoa ihany no afaka manantona Azy. Ary izay rehetra manantona Azy dia tsy ho laviny mihitsy. (Jaona 6:37). Matetika isika tsy mijery ny tapany voalohany amin'ilay andinitSoratra Masina fa tonga dia maika be amin'ilay hoe "izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy." Saingy vakio tsara ilay tapany voalohany. Aoka hotadidintsika fa tsy isika velively no nifidy an'i Jesoa fa i Jesoa no nifidy antsika. Izany no mahatonga antsika ho antsoina hoe olomboafidy. Fony isika mbola tsy voaforona akory dia efa nofidian'Andriamanitra ho zanany ireo olony. Ireo tsy voafidy dia tsy ho voavonjy velively satria tampona ny mason'izay ireo.

Marobe ireo andinitSoratra Masina milaza fa tsy maty ho an'ny olona rehetra eran'izao i Jesoa fa maty ho an'n ondriny na ny olony (ireo olomboafidy).

Ny Tompo dia Mpanjaka ary mahefa ny zavatra rehetra. Raha tonga hamonjy ny OLONY izy dia tonga HAMONJY NY OLONY. Izany hoe rehefa izy no hamonjy dia mahavoavonjy Izy fa tsy hoe tonga hamonjy izy nefa tsy nahavoavonjy tampoka teo. Matoa very ny olona iray dia tsy novonjen'Andriamanitra izy. Fa tsy hoe novonjen'Andriamanitra ihany izy saingy Andriamanitra tsy nahavonjy azy.

Tsara ny Tompo

Raha omenao ahy ny porofo fa misoratra eny amin'ny tarehin'ny olombelona iray fa tsy ho voavonjy izy dia mety hiray fijery aminao aho.

Fomba fijerinao ihany izay fa izahay dia nahazo iraka mba hitory ny vaovao mahafaly amin'ny olombelona rehetra ary anisan'izany ianao.
4. kiriah ( 12/03/2012 15:56)

laloanany: ao amin ny baiboly misy soratra hoe : zay tsy manam-pahendrena aoka izy hangataka.
koa raha tsy mazava aminao ny soratra masina dia aoka ianao hangataka
NY NANOMEZAN ANDRIAMANITRA NY ZANANY DIA MBA TSY HO VERY ZAY REHETRA MINO AZY.
5. laloanany ( 12/03/2012 19:54)

didi10:

Tsara ny Tompo

Raha omenao ahy ny porofo fa misoratra eny amin'ny tarehin'ny olombelona iray fa tsy ho voavonjy izy dia mety hiray fijery aminao aho.

Fomba fijerinao ihany izay fa izahay dia nahazo iraka mba hitory ny vaovao mahafaly amin'ny olombelona rehetra ary anisan'izany ianao.

Io zavatra soratanao eto io anie ry didi10 dia MANOHANA tanteraka ny zavatra nosoratako tetsy ambony eee.

1. Naniraka ny olona hitory ny vaovao mahafaly amin'ny OLOMBELONA REHETRA ny Tompo satria tsy nosoratan'Andriamanitra teo amin'ny tarehin'ny olombelona iray fa hoe voavonjy izy na tsia. Tsy fantatra ireo olomboafidin'ny Tompo ka tsy maintsy toriana amin'ny olona rehetra na h an'ny olomboafidy (ondry) na ho an'ny olona tsy voafidy (osy) ny Vaovao Mahafaly SAINGY izay ONDRIN'ANRIAMANITRA ihany no hamaly sy hihaino izany fa izay tsy ondriny dia tsy afaka ny hamaly izany satria tsy nomenn'ny Tompo fahafahana ny hamaly ny antsony izy ireo. "Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy," (Jaona 10:27)

Aoka tsy hoteren'ny zavatra nampianarina antsika isika fa aoka ny Soratra Masina ihany no ho reference. Tsotra koa ny zavatra lazaiko aminao: Omeo porofo ao amin'ny SORATRA MASINA (fa tsy hoe katesizy Katolika na Katesizy FJKM na le zavatra nolazain'i Pasiteranay) aho milaza fa tonga hamonjy NY OLONA REHETRA eto antany ny Tompo dia miaiky anao aho. Fa lazaiko aminao fa TSY HAHITA mihitsy ianao na dia iray aza milaza izany na ankolaka na mivantana.
6. laloanany ( 12/03/2012 20:12)

kiriah:

laloanany: ao amin ny baiboly misy soratra hoe : zay tsy manam-pahendrena aoka izy hangataka.
koa raha tsy mazava aminao ny soratra masina dia aoka ianao hangataka
NY NANOMEZAN ANDRIAMANITRA NY ZANANY DIA MBA TSY HO VERY ZAY REHETRA MINO AZY.

Misaotra anao nanohana ny hevitrao ara-tSoratra Masina. Azavaiko kely ny hevitrao.
1. Mikasika ilay hoe "manam-pahendrena": TSY MISY OLONA AFAKA HILAZA ny tenany ho "hendry". Satria mpanota ny olona rehetra ary ratsy fony. Na izaho na ianao dia samy adala avokoa. Tsy misy marina na dia iray monja aza (Romana 3:9-12). Ary tsy hisy olona sahy hilaza ny tenany hoe "Izaho nino an'i Jesoa satria izaho hendry kokoa noho ireo olona tsy mety mino ireo fa ireo olona tsy mety mino dia vendrana daholo." Lazaiko eto fanindroany fa TSY MISY OLONA MARINA na dia iray ary. Matoa ianao nino sy nandray ny Tompo dia satria tsy noho ny fahendrenao fa satria NOSOKAFAN'ANDRIAMANITRA ny fonao fa tsy hoe IANAO HENDRY DIA NISOKATRA HO AZY tampoka teo ilay fonao. Ireo very tsy mety mino dia nohajambain'ny Tompo ny mason'ny fon'izy ireo. Azonao hamarinina @ Soratra Masina etsy ambony nomeko ireo io.

2. Mikasika ilay hoe, "tsy ho very izay rehetra mino Azy" no tiako iverenana kely. Izay MINO dia tsy ho very satria ireo MINO no ondrin'Andriamanitra fa ireo tsy voavonjy dia tsy mino no tsy hino mandrakizay satria efa nohajambain'ny Tompo ny mason'izy ireo.
"Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." (Jaona 3:16)
Aoka tsy ho raisina velively hoe "Izao Tontolo izao = olombelona rehetra erantany". Ny "izao tontolo izao" dia misy dikany MARO BE ao amin'ny Baiboly ary ny "Izao tontolo izao" eto dia midika hoe ireo karazan'olona rehetra erantany na Jiosy na Grika na Jentily, na vehivavy na lehilahy sns. Ny antony dia satria eto ny Tompo dia miresaka @ Jiosy ary ireo Jiosy ireo dia mihevitra fa ho azy ireo irery ihany ny famonjena saingy hoy ny Tompo hoe tsy ho azy ireo irery ny famonjena fa ho an'ny Jentilisa ihany koa. Fa misy ondrin'Andriamanitra ivelan'ny vala hoy Izy izay.
Fanontaniako apetrako aminao "Mahavoavonjy ve ny Tompo sa TSIA?", "Mahasasa ny fahotana REHETRA ve ny ran'ny Zanak'ondrin'Andriamanitra sa tsia???". Koa raha tonga hamonjy ny olona rehetra erantany ny Tompo, maninona ary no misy olona tsy voavonjy tampoka eeeee. Tsy voavonjy ireo satria tsy novonjena. Fa rehefa mamonjy ny MPAMONJY dia MAHAVOAVONJY.
7. kiriah ( 12/03/2012 20:51)
lalaonany:
tsy haiko raha ny fomba famaliko azy angamba no tsy azonao na mody tsy mahazo ianao mba ahafahanao mitanisa soratra masina be dia be eto anohananao ilay HEVITRA efa RAIKI-TAPISAKA ao amponao.
-inona ary ny atao hoe FAHENDRENA ? , lay fahendrena teneniko dia mety hidika hoe fahalalàna .
-matoa ianao mametraka fanotaniana dia mila valiny , ary ny olona mitady valiny dia MIKAROKA fahalalàna na ilay fahendrena voaresaka teo.
-raha olona no anotanianao dia mbola ho soratra masina ihany no ho tanisainy aminao ary samy hanany ny heviny ireny. ny sasany hanohana ny sasany hanohitra.

io indrindra no nahatonga ahy hiteny hoe IZAY TSY MANAM-PAHENDRENA AOKA IZY HANGATAKA, fa tsy sanatria akory hoe FIAVONAVONANA , raha nanam-pahendrena aho valiny hafa no nomeko anao fa tsy niteny anao hangataka fahendrena amin Andriamanitra aho.
Ary sahiko ny milaza eto fa ianao mintsy no misy fiavonavonana matoa tsy mahay mandray resak olona.
8. laloanany ( 13/03/2012 00:58)

1. Diso fandray aho t@ ilay fahendrena ary rehefa nodinihiko ny Soratra Masina dia hitako fa marina ny teninao milaza fa midika fahalalana ilay fahendreana nolazainao. Ialako tsiny.

2. Ilay fanontaniana napetrako dia efa misy valiny fa matoa aho nametraka fanontaniana taminao dia tiako ho ianao no hamaly ilay fanontaniako izay tsy mety valianao.

Tsotra ny teniko. Manao fanamby @nao aho, azonao anontaniana daholo ze karazana Pasitera na Mopera rehetra ity fa raha manome andini-tSoratra Masina manohana ny heviny izy dia soraty eto ilay andini-tSoratra Masina ary azavao ny heviny afaka milaza ankolaka na mivantana fa tonga hamonjy ny olona rehetra erantany ny Tompo. Fa lazaiko aminao fa tsy hahita an'izany ianao.
Tandremo sao dia lasa " HEVITRA efa RAIKI-TAPISAKA ao amponao" ilay fampianarandiso MANAKELY mametra ny fahefan'Andriamanitra ka hoy ianao hilaza "tonga hamonjy ny olona rehetra erantany ny Tompo saingy ny olona [na ny devoly ao anatin'ny olona] natanjaka noho i Tompo dia na dia efa nosasany t@ RAny tsotra izao ary ilay olona dia tsy voavonjy. Tsy nahavonjy an'ilay olona Andriamanitra." Sanatria anie izany, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra ary ambonin'ny zavatra rehetra. Ny sitrapony irery ihany no aoka ho tanteraka amin'ireo zavaboahariny.
9. LazaDaddy ( 13/03/2012 03:52)
laloanany,
Mitanila ny zavatra ambaranao fa tsy marina tanteraka, noho izany dia diso, satria toy ny manambara ianao fa "miangatra" Andriamanitra, tsia! Tsy miangatra Izy fa diniho tsara ireto:

  • Tsy ny fahafatesana na fahaverezan'ny ratsy fanahy no sitrak'Andriamanitra fa ny hibebahan'izy ireo.
  • "Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao" Jaona 3:17

Be fitiavana ny Tompo ka tsy manery fa manome safidy malalaka. Nozarainy tamin'ny olona rehetra tokoa ny famonjena fa saingy tsy ny olona rehetra no mandray izany. Tsy miangatra Andriamanitra fa marina, raha sanatria niangatra araka ny fijerinao Izy dia tsy nilaina akory ny namoizan'i Kristy ny ainy teo amin'ny hazo fijaliana.

10. laloanany ( 13/03/2012 12:18)

LazaDaddy:

Misaotra an'i LazaDaddy naneho ny hevitrao ary nanohana izany ara-tSoratra Masina. Zaraiko roa ny valiny hosoratako ka ity ny tapany voalohany.
1. Mikasika ilay hoe "safidy malalaka" nomen'i Tompo. Tsy misy izany safidy malalaka izany ary tsy aratSoratra Masina velively io raha ny famonjena no jerena. Izaho koa dia nampianarina an'io fony zahay nianatra katesizy t@ zahay mbola kely (ary inoako fa ianao koa dia nianatra io) nefa dia fampianarana na "doctrine" ihany ilay hoe "safidy malalaka" nomen'Andriamanitra ny olona fa tsy voaporofo aratSoratra Masina mihitsy. Mitovy @ ilay foe doctrinen'ny fiangonana Katolika izao ny hoe "nakarin'Andriamanitra velona tany andanitra i Maria" saingy tsy voasoratra ao anatin'ny Soratra Masina ilay izy. Dia toy izany koa ny doctrinen'ny safidy malalaka.
Santionampanazavana fotsiny ity omeko anao manaraka eto ity fa raha toa moa ianao tsy mety resy lahatra dia mbola azoko ampiana fanazavana ihany satria zavatra aratSoratra Masina no lazaiko: Isika dia mpanota fony isika mbola tao ankibondrenitsika. Tsy misy marina na dia iray akory aza ny olombelona (Romana 3:9-11). Ratsy Fanahy ny olombelona rehetra. Ary raha omena safidy malalaka ny olona ratsy fanahy dia tsy hifidy ny tsara izany mandrakizay izy fa hifidy ny ratsy foana na inona hitranga na inona hidona. Ny olombelona dia taranak'i Adama izay mpanohitra an'Andriamanitra. Ary MATY noho ny fahotantsika isika. Ny olona MATY dia tsy afaka ny hihaino na HISAFIDY na HANDRAY. Ny maty dia olona tsy afaka manao n'inon'inony. Ka na dia apetraka amin'ireo maty aza ny famonjena ka hiandry olona maty hiteny hoe raisiko ilay izy fa za anie tsy maty fa nilevombelona tato anaty fasana fotsiny eee (lol) de hiandry an'i Paoly eo fa tsy hisy izany. Saingy i Jesoa anefa no FANANGANANA ny MATY (Efesiana 2:1). Ary ny Tompo rehefa manangana ny maty dia mitsangana ny maty fa tsy hisy maty afaka hilaza ndray hoe "aaaa, za tsy manaiky ny ho velona".
Santionany fotsiny hoy aho io nentiko nanazavana fa tsy misy izany hoe "safidy malalaka" izany fa fampianarana na doctrinena fiangonana io fa tsy aratSoratra Masina. Raha mangataka fanazavana fanampiny moa ianao dia azoko omeko andinitSoratra Masina hafa koa manazava ny tsy fisian'ny "safidy malalaka".

2. Mikasika ilay hoe "Tsy ny fahafatesana na fahaverezan'ny ratsy fanahy no sitrak'Andriamanitra fa ny hibebahan'izy ireo.". Ity ny Soratra Masina milaza ilay zavatra teneninao io: "Moa sitrako akory va ny fahafatesan’ ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin’ ny alehany mba ho velona izy?" (Ezekiela 18:23)
Marina ny zavatra lazainao ary aratSoratra Masina tanteraka, izaho koa dia mitovy hevitra aminao. Andriamanitra dia tsy mankasitraka no tsy mifaly amin'ny fahafatesan'ny ratsy fanahy. Ohatra: Tsy nahafaly an'Andriamanitra velively ny nandringanany ny taranak'olombelona t@ safodrano (nefa nataony). Tsy nahafaly an'Andriamanitra ny namonoany ny Ejiptianina mpandevo ny Israely. Tsy dia any loatra anefa no tena tian'ny Ezekiela 18:23 holazaina eto fa ny hoe: Ny ratsy fanahy raha mibebaka dia velona, ary raha tsy mibebaka dia ho faty (vakio ilay tohiny ao amin'ny Ezekiela 18:24). Zavatra marina io. Marina mitovy amin'ny hoe "raha tondrahako rano ny vonikazo dia velona, fa raha tsy tondrahako rano dia ho faty" izay tsisy idiran'ny voninkazo velively amin'ny fahafahany "mifidy malalaka" ny hahavelona azy na tsia.

Mbola hitohy...(hovaliako amin'ny manaraka ilay mikasika ny hoe "izao tontolo izao" fa lava loatra ny zavatra lazaiko dia tapahako atreo)

PS: Izaho tsy Pasitera na mpitondra fivavahana fa olontsotra, injeniera ny asako. Mampiasa ny site: http://www.smartbaiboly.org/online aho rehefa te hitady zavatra ao anatin'ny Soratra Masina. Jereo io site io fa mety hanampy anao amin'ny ady hevitra izay ataonao eto. Mazotoa.

11. kiriah ( 13/03/2012 12:33)
laloanany:
le izy ange dia izao e! , maro ireo soratra masina mifono zava-dalina , ka ndraindray mitady ampiroaroa saina, satria tsy fantatra intsony hoe ahoana no andraisana azy , ary matetika ny olona ohatra anao( zay inoako fa TIA MANDINIKA SORATRA MASINA ) no tena voany.
ohatra iray:
"Adriamanitra dia tsy mamaly ny heloky ny Ray ao antratran ny zanaka"
nefa misy soratra masina hafa koa milaza fa
" mamaly zany hatrany amin ny taranaka fara-mandimby" IZY
Rehefa nodiniko ny baiboly ary anagataka tamin Atra aho dia ny valiny azoko dia izao : raha manompo ny zanaka, ka miala amin ny fanaony rainy, dia tsy ahazo azy ilay ozona.

Koa mino aho fa raha tena mila valiny marina amin ireo fanotaniana napetrakao ireo ianao ka mangataka amin Atra dia omeny anao ny valiny ,tsisy olona afaka hanome valiny mahafa-po anao satria :zava -dalina ny soratra masina ,fa manam-pahendrena tapitr ' ohatra Andriamanitra izay nanome azy, ka ndraindray tsy takatry ny saitsika , ny hany azoko ambara anao dia izao : na voafidy tsika na tsy voafidy , na olony na tsy olony, na hisy famonjena na tsy hisy famonjena , dia zavatra tokana monja no aoka ho tazonina : ANDRIAMANITRA DIA FITIAVANA , " ary mahalala ny hevitra hieverako anareo aho " hoy ny teniny " dia tsy hevitra ahatonga loza fa fiadanana "
12. LazaDaddy ( 14/03/2012 01:30)
Laloanany,
Ny mahatonga ity adihevitra ity dia ny fiezahantsika hanakatra ny fisainan'Andriamanitra vao mino isika. Izay no mahasamihafa antsika "mpino" amin'ny "tsy mpino". Ho an'ny "tsy mpino" dia tsy hino mihitsy izy raha tsy takatry ny sainy sy ny lojikany ilay resaka, fa ho an'ny mino kosa dia ny Fanahy no mandresy lahatra azy fa tsy ny sainy. Izay no mahatonga ny olona miantso ny mpino sasany hoe "jamban'ny finoana", satria tsy takatry ny sainy sy ny lojikany ilay izy ka sarotra aminy ny hino azy.

laloanany:
Tsy tonga namonjy ny olona rehetra eran'izao tontolo izao ny Tompo fa misy olona tsy novonjeny.

Soratra Masina:
"Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao" Jaona 3:17 .

13. Miharena ( 14/03/2012 05:23)
Saika tsy handray anjara mihitsy aloha aho amin'ity lohahevitra ity fa rehefa mahita anareo mihodinkodina dia te-hanamarika fotsiny:

Raha milaza aho manko fa zanak'Andriamanitra daholo ny olon-drehetra dia misy manakana atsy ambadika, nefa eto indray izy dia mitady teny ao anaty Baiboly fa hanavotra izao tontolo izao no nahatongavan'i Kristy rehefa ametrahan'i Laloanany fa tsy tonga hanao izany IZY fa ny sasany ihany.

Mandihy ambony sahafa moa no ilazako izany toetra izany ary rehefa tsy mahita havaly amin'izay toetrany izay izy ireo dia hoy izy fotsiny hoe izany no lazain'ny Baiboly.

Firifiry tokoa moa n teny mifanohitra ao anaty Baiboly ao ary ny tena fatratra dia ilay fampianarana azo, rehefa mahita fa tsy misy afa-tsy izay voasoratra ihany dia tsy miresaka ny momba izay ankehitrinin'i Kristy (na amin'ny alalan'n tsindrmandry io, na amin'ny alalan'ny fampanoratana ilayolona hoe soraty ity fa ity no teny mamintna izay famonjena omena ny olona ankehitriny.

Raha izaho ohatra no mamaly io resaka ataon'i Laloanany io dia tsotra ihany;

1- Tsy misy na iray aza tsy avy amin'Andriamanitra
2- Ny tsy fahalalàna no rindrina tsy mampivoaka ny maha-zanak'Andriamanitra ka ilazàna fa mpanota ny olombelona
3- Tonga hilaza i Krsity hoe zanak'Andriamanitra isika rehetra
4- Ny tsy finoana dia izay mitsipaka izay fitenenan'i Kristy izay satria efa voavolavolan'ny mpitaiza ara-panahy mpandova avy amin'ny razam-be ny saina ka tsy hino izay fanazavana rehetra fa ny ao amin'y fiangonany ihany no marina sady milaza fa izay tsy toa azy dia tsy voavonjy fa tsy jereny mihitsy ny teny manaraka ilay teny tenenina. Ohatra, raha nilaza ny mpianatra hoe nisy olona tsy fantatray akory na avy aiza na avy aiza nefa nanala demonia tamin'ny anaranao. Ary novalian'i Krsity hoe : izay tsy manohitra antsika dia namantsika.

Ankehitrny moa dia tena fivoizana ny fampianarana manatonga ny olona hihivingivina ny kristianina sasany (fa tsy izy rehetra) ny amin'izao Andriamanitra tsy azo hivalozana izao. Hany ka tsy mandeha araka mazava ny olona fa araka ny devoir sao tsy ho voavonjy sisa.

Rehefa io no mahazo laka dia tonga ny fitenenana hoe : tsy izay manao Amiko hoe Tompko Tompoko....

Fa anatra ihany io lazain'i Krsity io fa tsy mahafaka velively ny maha-zanak'Andriamanitra anao akory na dia maloto toy ny jaky aza ny fahotanao. Ny hany tsy ampy fotsiny amin'ny olona nivoizana fampianarana fa tsy misy afa-tsy eto an-tany no hanonerana ny ota dia ny fomba fanadiovana ataon'Andriamanitra ny nodimadry sy ny mbola mitafy nofo.
14. LazaDaddy ( 14/03/2012 05:50)
Miharena:
1- Tsy misy na iray aza tsy avy amin'Andriamanitra
Andriamanitra no nahary izao zavatra ary rehetra izao, eny fa na i Satana aza dia noharian'Andriamanitra. Tsy midika izany hoe "zanak'Andriamanitra" daholo ny olona. I Jesosy dia nibedy mafy ireo tsy nino Azy ka niantso azy ireo ho "zanaky ny devoly". Nandainga ve i Jesosy?
Miharena:
3- Tonga hilaza i Krsity hoe zanak'Andriamanitra isika rehetra
Oviana izany? Dia ny namorona ny "3e testament-" notsipotsiponinao tao amin'ny google ve sanatria no lazainao fa milaza ny marina ka mahatonga anao miampanga lainga an'i Jesosy? Aza mampmiampanga lainga an'i Jesosy toy izany fa tsy mendrika anao izany.

Tandremo fatratra ny famakiana zavatra vilana fa ny Soratra Masina ihany no raiso am-panahy.
15. Miharena ( 14/03/2012 11:13)
Lazadaddy:

Miharena
3- Tonga hilaza i Krsity hoe zanak'Andriamanitra isika rehetra

Lazadaddy
Oviana izany? Dia ny namorona ny "3e testament-" notsipotsiponinao tao amin'ny google ve sanatria no lazainao fa milaza ny marina ka mahatonga anao miampanga lainga an'i Jesosy? Aza mampmiampanga lainga an'i Jesosy toy izany fa tsy mendrika anao izany.

Aiza ianao izany LD a! manontany ianao amiko hoe oviana izany nefa ianao efa etsy ambony mamaly soa aman-tsara an'i Laloanany amin'ity Soratra Masina ity.

Lazadaddy:

Soratra Masina"
Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao" Jaona 3:17 .

LazaDAddy:

Andriamanitra no nahary izao zavatra ary rehetra izao, eny fa na i Satana aza dia noharian'Andriamanitra. Tsy midika izany hoe "zanak'Andriamanitra" daholo ny olona. I Jesosy dia nibedy mafy ireo tsy nino Azy ka niantso azy ireo ho "zanaky ny devoly". Nandainga ve i Jesosy?

Mivadibadika toa lelamay anie ianao LD e! lazaina fa IZY no namorona, avy eo indray milaza fa tsy zanaNY daholo.
Inona moa ny famoronana omenareo an'i Satana raha izany? Tena namorona toa an'Andriamanitra ve izy sa izay efa teo ihany no navadibadiny? Ary iza no olombelona noharian'i Satana raha tananao hatramin'ny farany fa tsy ny olombelona rehetra no zanaNY?

Raha mampianatra toy izao miolakolaka tsy misy valiny matotra toy izao ianao dia mazava fa teraka ireo karazana adihevitra tsy misy fitombenany na dia kely aza fa fandaniana andro fotsiny ary tsy mahasoa satria tsy mampandroso velively.
16. Tefigasy ( 14/03/2012 11:34)
Inona moa ny atao hoe zanaka ?

Azo faritana ho roa: na nateraka - na natsangana , tsy maintsy hoe zaza aloha na farafaharatsiny kely taona kokoa noho ny nanangana ilay natsangana sy nateraka fa raha tsy izany dia tsy azo atao hoe zanaka

Misy kosa anefa na dia zanaka aza dia nanolo-tena sy nisadify ny tsy ho zanaka, niala tao amin'ny tranon'izay nitaiza na nanagana na niteraka azy ka lasa tsy zanaka intsony satria nanangana ady tamin'izay niteraka azy.

Hitanao eo anivon'ny fiaraha-monina daholo ireo na ny tonga ho zanaka na ny nivadika tsy ho zanaka intsony

Toa izany ny zanak'olom-belona eo anatrehan'andriamanitra :

Isaia 5:4 "Inona moa no mbola azo natao tamin'ny tanim-boaloboko ka tsy efa nataoko taminy? Koa raha nanantena azy hamoa voaloboka tsara Aho, Nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?"

Efa nanao izay azony natao ho an'ny tanimboalobony Andriamanitra saingy ilay tanimboaloka no nisafidy hamoa voalobo-dratsy.

Rehafa nanota i Adama dia nihatra tamin'ny olombelona ny fahafatesana noho ny ota, tafasaraka tamin'andriamanitra ilay zanany izay asan'ny tanany: zanaka lasa tsy zanaka

Rehefa tonga Jesoa hitady sy hamonjy ny very : izay nandray azy indray no lasa zanaka fa izay tsy nandray azy dia mijanona any ivelany (tsy zanaka)

Be dia be ny tenin'andriamanitra azo hanaporofoana izany fa raha ataoko eto daholo dia lasa ny baiboly manontolo mihitsy no lasa copie/coller eto fa aleo mba miezaka ny mamaky baiboly ny tsirairay e!
17. kiriah ( 14/03/2012 12:41)
Izany idd no antony tsy nidirako lalina tamin ity ady hevitra ty loatra ka naha-tonga ahy hiteny hoe AOKA HANAGATA-PAHENDRENA satria vao nipetraka io loha-hevitra io dia efa tsinjoko fa misy FOFOMPOFONA MIHARENA zany le izy.
Indray mandeha jesosy nanontanian ' ny olona ny amin' ny ampahafolon-karena , fantany fa MIFONO FANDRIKA izany ka hoy izy : ALOAVY AMIN' I KAISARA ZE AN ' I KAISARA , ARY AMIN ' ANDRIAMANITRA ZAY AN ' ANDRAMANITRA.
AZA tefitefena hifanaraka amin' ny itiavatsika azy lay soratra masina ndrao tsy hahazaka ny fahatezeran' Andriamanitra raha hoavy ny andro hitakiany ny anjarany.
TIA ny olon-drehetra Andriamanitra( tsy ankanavaka) , nomena ho sorona ho an' ny olon-drehetra Kristy ( tsy ankanavaka) . Misy ny famonjena . Matoa nomena ny lalàna dia natao hankatoavina , ary ny tsy fanakatoavana dia tsy maintsy misy vokany( fa tsy hoe tsy misy zany ny HELO), tsy ny olon-drehetra no ho any andanitra saingy tsy misy helok ' Andriamanitra amin ' izany ( tsy izy no sanatria hoe mpanavakavaka fa ny olona no nisafidy zay lalana nizorana ).

Noho izany AMIN ' NY MANARAKA REHEFA TE HANAO ADY HEVITRA , aza MISAFELIFELIKA OHATRAN ' NY BIBILAVA , fa mandehàna mahitsy tsara , fa zay manao ny RATSY sy ny TSY METY no miafinafina.
18. Miharena ( 14/03/2012 13:52)
Tefigasy:

Inona moa ny atao hoe zanaka ?

Azo faritana ho roa: na nateraka - na natsangana , tsy maintsy hoe zaza aloha na farafaharatsiny kely taona kokoa noho ny nanangana ilay natsangana sy nateraka fa raha tsy izany dia tsy azo atao hoe zanaka

Misy kosa anefa na dia zanaka aza dia nanolo-tena sy nisadify ny tsy ho zanaka, niala tao amin'ny tranon'izay nitaiza na nanagana na niteraka azy ka lasa tsy zanaka intsony satria nanangana ady tamin'izay niteraka azy.

Ideolojia ihany daholo izany Tefigasy a! Ny marina dia izay olombelona rehetra na iza na iza dia IRAY no Mpamorona. Ny tsirairay fotsiny no lasa manana fahadisoana na fahamarinana noho ny tantara izay itombenany avy. fa matoa ampahafantarina sy ampianarina ary omanina ny sehatra misy ny fahamarinana dia drafitra izay hanadiovana izay tsy mety levona dia ny Fofon'Ain'Andriamanitra iveloman'ny tsirairay izany.
19. tefigasy ( 14/03/2012 14:26)
Miharena:

Ideolojia ihany daholo izany Tefigasy a!

lol
20. pomderenette ( 16/03/2012 15:41)
HAFATRA AVY AMIN’NY MASINA MARIA VIRIJINY
Voaray avy amin’ny Taranak’I Herzgovine ny 14/08/94

Ry zanako Malalako,

Misaotra anao aho androany amin’ny vavaka ataonareo; satria izany hampitsahatra ny ady mandatsa-drà izay mahafaty olona an’arivony sy fahasimban-javatra maro. Eo akaikinareo mandrakariva aho, amin’ny lanitra hanapotika sy handringana ny ratsy eto an-tany ary koa manafaka olona amin’ny loza tahaka ny ady. Mitory ny fitiavako, ary mivavaka ho anareo amin’Andriamanitra izay mahery indrindra aho.
Mivavaha in-3: ARAHABA RY MARIA, sy in-3 RAINAY IZAY ANY ANIDANITRA. Ity hafatra ity avy any Brésil dia tokony hanenika izao totolo izao. Adika in-21 ity hafatra ity. Alefa amin’olompantatra, fianakaviana, alohan’ny 8 andro, fa ahita fahagagana ianao. Aza heverina ho zava-poana ity hafatra ity.
I CHRISTIEN, naharay ity hafatra ity, novakiany ary nivavaka sy nangataka izy, avy eo nandika azy in-21 isa, valo andro taty aoriana dia nahazo ny Million de Dollard izy.
LAVIA, naharay ity hafatra ity, novakianay ary norovitiny. Nahita fahasahiranana isan’andro teo amin’ny fianakaviany, ary maty no niafarany.
MPIASA BIRAO, nahray ity, adinony izy io. Valo andro taty aoriana dia voaroaka tamin’y asany izy, tadidiny izany taty aoriana, ary najainy ny hafatra. Lasa mpanakarena sy anisan’ny olona malaza indrindra teto an-tany izy. Noho izany aza tsiratsiraina ity hafatra ity raha tsy te hahita fahasahiranana ianao. Nalefa tamiko ity araka ny fiangaviana tamiko dia notohizako ny fampielezana azy. Avy any VENEZUELA ny niaavian’ity hafatra ity.
Atoa BRANAIVO, naharay ity hafatra ity tamin’ny taona 1993, nanohy araka ny fangatahana taminy, sivy andro taty aoriana dia nahazo 55tapitrisa tamin’ny loterie iraisam-pirenena izy.
Atoa GETERE ihany koa, saingy nanadino ny fisian’ity hafatra ity. Indrisy voaroaka tamin’ny asany izy. Kanefa andro vitsivitsy taty aoriana dia sendra nahita ity taratasy nalefa taminy izy, dia nandika in-29. Sivy andro taty aoriana dia nahita asa tsara sy ambony noho ilay teo aloha izy.
Atoa BORI naharay ny hafatra, nandika in-29 ary nanely. Sivy andro taty aoriana dia nisondro-boninahitra teo amin’ny asany izy.
MADAMA izay nahazo ny azy, dia nodorany ka may ny tranony, simba tanteraka, maty ny ray aman-dreniny, ary niditra amponja ny vadiny.
Atoa BUCHILBAN dia nahazo, niangavy ny mpitan-tsoratrany izy handika azy in-29 ary nanely izany. Andro vitsivitsy taty aoriana dia vola 10 tapitrisa de dollard no azony. NOho izany, na inona na inona antony dia tokony hajaina ny hampielezana ity hafatra ity, ary adika in-29, ary alefa amin’ny olona. Afaka sivy andro dia hisy fahagagana hitranga amin’ny fiainanao.
Tsara ary ho tsara vintana ianao, ka ahita fitia avy amin’Andriamanitra sy ny olona. Tsy mila mandefa vola. Ny zavatra hiangaviako anao, aza mitahiry ity taratasy ity na dia ilay dikan-teny nataonao aza dia tokony hiala ao an-tranonao. Ity taratasy ity dia, tsy nataotao foana na dia tsy isan’ireo minmino foana aza, ka dia ezaho hitohy ity taratasy ity.
Misionera iray no nitrangan’ity hafatra sy vavaka avy any Saint Augustin. Afaka sivy andro dia ahita fahagagana lehibe ianao.
VAVAKA
Andriamanitra no nahary ahy, nisy aho satria nisy Andriamanitra. Tsy misy tsy azo aminy. Nomeny ahy ny aina, fitiavana, fifaliana. Izy no namonjy ny fiainako ka tiako hamonjy ny fiainanao koa. Manampy ny olona rehetra izy, tsy manadino ao amiko izy. Saingy izaho no minia tsy mandray azy. Ary mamela ahy izy amin’ny fahotako rehetra. Mihaino izay rehetra mivavaka izy saingy izaho no tsy manampaharetana. Andriamanotra ô! Manomboka izao aho dia hezaka ny hanara-dia Anao. Henoy ny fitarainako. Mitalaho Aminao aho. Haparitako izao vavaka izao mba ho fantatr’izay hadalovany. Nofafanao ny ranomasoko. Ampio aho Andriamaitra o ! Nahary ahy Ianao. Amen !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2314