Tsy tonga namonjy ny olona rehetra eran'izao tontolo izao ny Tompo fa misy olona tsy novonjeny.
21. niryna
(
19/03/2012 16:25)
Tefigasy:ary mbola miala nenina foana Izy hatramin'izao e
Inona moa ny atao hoe zanaka ?
Azo faritana ho roa: na nateraka - na natsangana , tsy maintsy hoe zaza aloha na farafaharatsiny kely taona kokoa noho ny nanangana ilay natsangana sy nateraka fa raha tsy izany dia tsy azo atao hoe zanaka
Misy kosa anefa na dia zanaka aza dia nanolo-tena sy nisadify ny tsy ho zanaka, niala tao amin'ny tranon'izay nitaiza na nanagana na niteraka azy ka lasa tsy zanaka intsony satria nanangana ady tamin'izay niteraka azy.
[B] Hitanao eo anivon'ny fiaraha-monina daholo ireo na ny tonga ho zanaka na ny nivadika tsy ho zanaka intsony
Toa izany ny zanak'olom-belona eo anatrehan'andriamanitra :[/B]
Isaia 5:4 "Inona moa no mbola azo natao tamin'ny tanim-boaloboko ka tsy efa nataoko taminy? Koa raha nanantena azy hamoa voaloboka tsara Aho, Nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?"
Efa nanao izay azony natao ho an'ny tanimboalobony Andriamanitra saingy ilay tanimboaloka no nisafidy hamoa voalobo-dratsy.
izay ilay ondry mania na zanaka adala e,kanefa mbola nisy niverina ihany kosa aloha ilay zanaka adala ary mbola manana ondry hafa ivelan'ny vala koa izy e
Rehafa nanota i Adama dia nihatra tamin'ny olombelona ny fahafatesana noho ny ota, tafasaraka tamin'andriamanitra ilay zanany izay asan'ny tanany: zanaka lasa tsy zanaka
dia izay rehetra mandray Azy no tonga ho zanak'Andriamanitra indray e ?
Rehefa tonga Jesoa hitady sy hamonjy ny very : izay nandray azy indray no lasa zanaka fa izay tsy nandray azy dia mijanona any ivelany (tsy zanaka)
misaotra anao fa mazava tsara
Be dia be ny tenin'andriamanitra azo hanaporofoana izany fa raha ataoko eto daholo dia lasa ny baiboly manontolo mihitsy no lasa copie/coller eto fa aleo mba miezaka ny mamaky baiboly ny tsirairay e!
22. Miharena
(
20/03/2012 05:33)
Ny tokony hampahafantarina ny olona dia voa tsara (fanahy tsara avy amin'Andriamanitra)avokoa no nafafy fa tonga amin'y sehatra tsy madio no nitombenany avy ka tokony hazava eo amin'io sehatra maloto io izy ary hizara fiainana amin'ny manodidina azy reefa mahalala fa voa tsara no niandohany na ny Loharanony.
Raha manao io fitoriana io dia hahita olona betsaka hibebaka ianao fa raha tsy izany no fitoriana fa hanavaka hoe zanaka sy tsy zanaka dia efa manavaka sahady iana ompitory nefa voary. Izay no nilazako hoe ideolojia no toriana sa ny marina moba ny olona mihitsy?
Raha manao io fitoriana io dia hahita olona betsaka hibebaka ianao fa raha tsy izany no fitoriana fa hanavaka hoe zanaka sy tsy zanaka dia efa manavaka sahady iana ompitory nefa voary. Izay no nilazako hoe ideolojia no toriana sa ny marina moba ny olona mihitsy?
