Andro Paska : ny nahafatesaNY sa ny nitsanganaNY?
1. didi10
(
23/02/2012 06:19)
Tsara ny Tompo,
Ity indray ry namana misy lohahevitra mahafinaritra, izay manainga antsika handalina bebe kokoa momba ny Paska izay fety lehibe indrindra amin'ny Kristianina.
Ahoana ny hevitrao, ahoana ny fampianarana ao amin'ny fiangonanao, ahoana ny lazain'ny Soratra Masina?

novalian'i Miharena ny 29/02/2012 12:18
2. bichette
(
23/02/2012 15:49)
manan-danja be ny paska. indrisy fa ilaozan'ny olona manararaotra io fotoana io hitsangatsanganana fotsiny. tsy fahotana ny mitsangatsangana fa tsara raha maka fotoana miangona, na tena mivavaka misaotra ny Tompo ny amin'ny nanekeny hitondra ny fahotantsika teo amin'ny hazo fijaliana, andro lehibe tokoa satria nitsangana tamin'ny maty jesosy ary naharesy izao tontolo izao , mandohalika avokoa ny lohalika rehetra hatrany an-danitra, ety an-tany ary hambanin'ny tany
3. Ratoa
(
23/02/2012 20:53)
afaka mivavaka eny ampitsangatsanganana ka. "Raha misy roa na telo ..." moa hoy IZY?
4. ari.malala
(
24/02/2012 06:35)
lohahevitra efa nandeha teto ity! Amiko manokana, ny Paka no andro lehibe nandresen'i Kristy Tompo ny fahafatesana ka nitsanganany ho velona.
5. didi10
(
24/02/2012 09:39)
ari.malala:
lohahevitra efa nandeha teto ity! Amiko manokana, ny Paka no andro lehibe nandresen'i Kristy Tompo ny fahafatesana ka nitsanganany ho velona.
Tsara ny Tompo,
Ny Andro Paka ankalazain'ny ankamaroan'ny Kristianina ankehitriny dia ilay Paka noterena ho andro Alahady izay fankalazana ny nitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty.
Tsy niova mihitsy hatramin'ny voalohany nanaovan'Andriamanitra azy ny atao hoe Paka:
Paka voalohany
- Ran-janakondry natetina teo amin'ny tataom-baravarana sy tolanam-baravarana ho famonjena ny zanaka lahimatohan'Israely tamin'ny loza fahafolon'i Egypta. (Eks 12 1-29)
Natao lalàna: Fotoam-pivavahana voatendrin'Andriamanitra
Lev 23, 4-8
4 Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amn'ny fotoany avy: 5 Ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan'i Jehovah. 6 Ary ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana izany dia andro firavoravoana ho an'i Jehovah, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira. 7 Ary amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo: aza manao tao-zavatra akory hianareo; 8 fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah hafitoana; ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao tao-zavatra akory hianareo.
Paska: Andro namonoana ny zanakondry dia Jesosy
Ny alina alohan'ny nahafatesany dia niaraka nihinana ny Paka tamin'ny mpianany Jesosy, aza adino fa amin'ny fanisanandron'Andriamanitra dia andro iray ihany io fiaraha-misakafo io sy ny nisamborana Azy, ny nitsarana Azy ary ny nanombohana Azy teo amin'ny hazo fijaliana dia andro Paska izany.
Ny dikan'ny Paska noho izany hatramin'ny voalohany dia fankalazana ny nanaovana sorona ny ain'ny zanakondry ho famonjena ny olona izay mino izany.
Raha hamaly ny fanontaniana eo amin'ny lohahevitra aho noho izany dia milaza fa ny paska dia fankalazana ny nahafatesany fa tsy ny nitsanganany velively.
Io fanovana io dia nentin'ny fiangonana zokiny hanindriana fa ny andro alahady no tokony hivavahana satria tamin'io Jesosy no nitsangana, Ny paka dia mety ho andavanandro mety ho sabotsy maty ho alahady satria daty io: 14 nissan na 14 abib.
6. ari.malala
(
24/02/2012 11:24)
hevitrao manokana izay, d tano. Ampy ahy Izay inoako, fantatro Izay inoako ary mahatoky ny Fitiavany aho. MIsaotra!
7. hery
(
24/02/2012 11:30)
hozy didi10 "fanisanandron'Andriamanitra"
sao de mba misy amidy io fanisanandron'Andriamanitra io? :-)
Raha ny tokony ho izy angamba ngeza be io na fohy kely tsy hita satria toa hoe ny iray andro toa ny arivo taona...
Izany eo ihany :-)
Fa ho an'ny Katolika, ny Paska dia ny fankalazana ny nitsanganan'i Jesoa. Nandreseny ny fahafatesana. Izay no ankalazainay. Ny anareo no asa.
Efa miaina ao anatin'ilay Fifanekena vaovao izahay izao, ilay "didy vaovao", ilay fanekem-pihavanana vaovao, na nouvelle alliance, nouveau testament... dia Paka vaovao ihany koa.
ho an'ny Katolika izay hoy aho...

9. Tefigasy
(
24/02/2012 13:51)
Ny paska dia avy amin’ny teny hebreo hoe «pesa» ary adika hoe fandalovana. Misy hery iray manana fahefana, mandalo, manimba sy mandrava nefa ihany koa mitsimbina. Izany hoe manala izay tsy mahazo toerana tsara ary mitsimbina izay rehetra mbola manana fahavelomana sy mafy orina.
10. tsioka
(
24/02/2012 15:22)
Tefigasy:Miarahaba ny namana rehetra , io voalazan'i Tefigasy io angamba dia efa mahazava kokoa ny atao hoe paska fa fandalovana , ka ny @ maha fandalovana azy dia izao i Kristy maty paska ho antsika izany hoe ny fahafatesana izay nolalovany izay tsy nahatana azy fa resiny
Ny paska dia avy amin’ny teny hebreo hoe «pesa» ary adika hoe fandalovana. Misy hery iray manana fahefana, mandalo, manimba sy mandrava nefa ihany koa mitsimbina. Izany hoe manala izay tsy mahazo toerana tsara ary mitsimbina izay rehetra mbola manana fahavelomana sy mafy orina.
Ka ny tsy azoko @ tsika kristiana dia izao misy ny hevitra mazava be ! araka ny soratra masina izay voalaza ohatra io lazain'i didi10 io izay tsy heviny manokana fa araka ny soratra masina izay tao @ io soratra masina io no niaingan'ny finoantsika tsirairay avy koa asa re raha toa ve isika manaiky fa marina ny voalazan'ny namana iray dia mahafaty antsika ny manaiky hoe marina ary tokony ho harahana , mba tokony hasiana lohahevitra koa eto hoe inona no atao hoe finoana
11. hery
(
24/02/2012 15:34)
Tsy haiko ny tian'i tsioka lazaina.
- Ny Soratra Masina dia marina, sainy ny interprétation-n'ny tsirairay ny Soratra Masina no samihafa.
Voalohany indrindra, na ny nandikàna ny Soratra Masina ka tonga hatramin'izao fotoana izao aza dia efa niovaova be. Mbola tsy nisy photocopie sy ordinateur fa dia olona no nandika tànana ny taratasy maromaro, dia natambatra ho boky iray avy eo sns...
Koa tsy misy afaka miteny hoe ny an'ny namana itsy dia marina satria tao amin'ny soratra masina no nakàny azy... satria samy maka ao amin'ny Soratra Masina isika

12. didi10
(
27/02/2012 10:13)
hery:
Tsy haiko ny tian'i tsioka lazaina.
- Ny Soratra Masina dia marina, sainy ny interprétation-n'ny tsirairay ny Soratra Masina no samihafa.
Koa tsy misy afaka miteny hoe ny an'ny namana itsy dia marina satria tao amin'ny soratra masina no nakàny azy... satria samy maka ao amin'ny Soratra Masina isika
Tsara ny Tompo
Misaotra ny namana Hery manday anjara eto, fa izy matsy raha tsy izay zavatra maharary azy tsy miteny izy.
Efa henonao ve namana Hery ny tenin'Andriamanitra momba ny olona mitompo teny fatratra amin'ny fampianaran-diso?
Tim I 4 : 1 - 6
[-4-] Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia, 2 amin'ny fihatsarambelatsihin'ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany,
Hitanao nomarihina tamin'ny vy mahamay ao anaty atidohanao io fampianaran-diso io ka sarotra aminao ny hanaiky,tsy izay teneniko fa izay voalazan'ny Soratra Masina momba ny Paka tena izy.
Raha manana ny fahamarinana ianao dia azavao amiko ny antony mahatonga ny Paka ho ankalazaina ny 08 Aprily amin'ity taona ity, 24 Avril tamin'ny herintaona, ary 31 Mars amin'ny herintaona?
13. hery
(
27/02/2012 10:18)
Tsy azoko mihitsy ilay olan'i didy10.
Toa variana loatra amin'ny zavatra maivana (firy ny didy 10 ee, andro inona tsara ny paska eee, oviana tsara ny farandro eee, oviana tsara ny noely ee) dia manadino ny tena manan-danja.
Amiko dia paka foana isanandro. Isaky ny mamonjy lamesa (sorona masina) dia mankalaza hatrany ilay namantsihana sy nitsanganan'i Jesoa tamin'ny maty.
Ny zava-dehibe amiko indrindra indrindra dia hoe nitsangana tamin'ny maty i Jesoa. Izay no tena fahamarinana. Ka tsy haiko na manana fahamarinana aho na tsia. Ny hoe oviana ny paka amin'ity dia oviana izy amin'ny herintaona, dia litorjia, izany hoe nifanarahan'ny Fiangonana.
Ny tena mahagaga dia ny Katolika no lazaina fa mifikitra betsaka amin'ny fombafomba kanefa izao hita hoe misy olona mifikitra kokoa amin'ny fombafomba noho ny amin'ilay tena fototra.

14. bor2lais
(
27/02/2012 10:19)
Tefigasy:
Ny paska dia avy amin’ny teny hebreo hoe «pesa» ary adika hoe fandalovana.
{/quote]
[quote=Radidi]
ny paska dia fankalazana ny nahafatesany fa tsy ny nitsanganany velively
[quote=ari.malala]
Amiko manokana, ny Paka no andro lehibe nandresen'i Kristy Tompo ny fahafatesana ka nitsanganany ho velona.
{/quote]
Amiko dia tsy azo lazaina fa nandalo toerana iray raha tsy niditra sy nivoaka tao amin'izany toerana izany.
Ny Paska Kristiana amiko dia fanamarihana ny fahavitan'ny asa iraka nataoNY teto an-tany.
Fa raha ny fijeriko manokana kosa dia ny fandalovaNY teto an-tany mihitsy angamba no azo antsoina hoe Paska (na fandalovana) : nanomboka tamin'ny fahaterahaNY ka hatramin'ny fiakaraNY ! ;-)
Fomba fijeriko ihany anefa izay ! :-)
15. didi10
(
27/02/2012 12:12)
Namana Hery
Mibebaha ianao fa
I Jaona 5,17
OTA AVOKOA NY TSY FAHAMARINANA REHETRA.
Aleo fa hohazavaiko aminao hoe maninona ny Paka ho ankalazaina ny 08 Aprily amin'ity taona ity, 24 Avril tamin'ny herintaona, ary 31 Mars amin'ny herintaona?
Tsy haiko aloha raha fantatrao fa ny fiandohan'ny taona araka ny nanamboaran'Andriamanitra azy dia manomboka ny maizim-bolana amin'ny fahatongavan'ny lohataona (saison), raha manana ireny calendrier misy sary volana ireny ianao dia tokony ahita fa 22 Mars io andro io.
http://kalender-365.de/calendrier-lunaire.php
Ny Paka dia manisa 14 andro aorinan'io daty io , izany hoe ny 06 Avril
(Lev 23,5)
5 Ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan'i Jehovah.
Ka ny Pakan'ny fiangonana lehibe rehetra dia izay Alahady aorian'io Paka tena izy io.

17. Miharena
(
27/02/2012 14:05)
Mandringa ihany tokoa ny finoana rehefa misy adihevitra tsy itovizana indrindra fa eo amin'y fomba fanao isan-tokony avy.
Tokony ho fantatra anefa fa ny fototra ihany no tokony hojerena fa tsy varina mijery ireo haingony apetraky olona araka ny fahazoany azy avy.
Raha tena mila fahamarinan aisika dia tsy izay manaraka ireo fomban-drazana no arahana fa ny fahamarinan'i Kristy ihany. Saingy tsy hay io fahamarinan'i Krsity io raha tsy IZY mihitsy no miteny amintsika.
Ny hany mba tsapa dia zary tsy manana fampianarana ara-panahy intsony isika fa fampianarana fombafomba.
Tsy maha-kristianina izany fombafomba izany satria tsy manome izay atao hoe FOTOTRA ijoroan'i Kristy akory.

18. hery
(
27/02/2012 14:23)
didi10:
Namana Hery
Mibebaha ianao fa
I Jaona 5,17
OTA AVOKOA NY TSY FAHAMARINANA REHETRA.
Fa ianao IRERY no tena manana ny fahamarinana? Toa mamofom-pofona sekta izany :-)
Anisan'ny famaritana ny sekta ny filazana fa izy irery no manana ny fahamarinana fa ny hafa dia diso daholo.
didi10:
Aleo fa hohazavaiko aminao hoe maninona ny Paka ho ankalazaina ny 08 Aprily amin'ity taona ity, 24 Avril tamin'ny herintaona, ary 31 Mars amin'ny herintaona?
Tsy mampaninona ahy na 31 desambra aza ny paka. Raha hoy ianao hoe tsy nitsangana tamin'ny maty i Kristy dia izay aho vao tena miakatra aminao :-)
Fa izay datin'ny paka dia ataovy izay metimety aminao fa mety amiko daholo.
didi10:
Tsy haiko aloha raha fantatrao fa ny fiandohan'ny taona araka ny nanamboaran'Andriamanitra azy dia manomboka ny maizim-bolana amin'ny fahatongavan'ny lohataona (saison),
Tsy mitovy fijery avy hatrany isika satria aminao dia tao anaty 6 andro = 24 heures x 6 no nanaovan'Andriamanitra ny tany aman-danitra. Amiko dia fantatro fotsiny hoe Andriamanitra no nanao ny lanitra sy ny tany fa tsy ivakiako loha na 1er janvier izy no nanamboatra na maizim-bolana na diavolana na fararano. Satria ireo fizaran-taona ireo dia taty aoriana avokoa.
Donc tsy miditra sahady ny fanazavanao hoe fiandohan'ny taona araka ny nanamboaran'Andriamanitra.
19. didi10
(
27/02/2012 15:23)

Aza dia misendoatra be ohatran'io moa Rahery fa izaho anie tsy milaza ny hevitro na niteny hoe izaho no manana ny fahamarinana fa milaza izay lazain'ny Soratra Masina e!
Mbola tsy nanonona anaram-piangonana aho na niantso anao hoe mialà ao amin'ny fiangonanao na hoe mankanesa aty, fa ny Tenin'Andriamanitra no avelatro aminao dia tsy zakanao!
Tena iankinan'ny famonjena anie namana io resaka Paka io e, tsy azo entina amin'ny saina izany io hoe: fantatro izay inoako, na koa hoe: tsy fampianarana fototra (oz Miharena) fa miankina amin'ny fahazoana (comprehension) tanteraka ny amin'ny Paka no irosoan'ny olona iray lalindalina kokoa amin'ny finoana hanatonany an'Andriamanitra.
Ity misy tenin'Andriamanitra entiko hampaherezana anao rahalahy
I Tes 5 9-17
9 Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. 10 Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory. 11 Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.
12 Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin'ny Tompo ary mananatra anareo, 13 ary mba hohajainareo indrindra amin'ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara.
14 Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin'ny olona rehetra. 15 Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra.
16 Mifalia mandrakariva. 17 Mivavaha, ka aza mitsahatra.
20. didi10
(
27/02/2012 15:33)
bor2lais:
Ary mahay manandro mihitsy ity Radidi ity a ! :-)
Tsy hoe mahay tonon'Andro ry ise fa ny Baiboly anie mampianatra zavatra be dia be antsika e!
Zavatra fondamentale ny tokony hahaizan'ny olona ny momba ny ora, ny andro, ny volana, ary ny taona araka ny nanaovan'Andriamanitra azy, fa isika mantsy rehefa ampianarina dia avy isika amin'ny hoe" tsy important", "tsy mampaninona anay" nefa raha atao ny fanisana dia Kristianina 1/200 no mahay io resaka andro sy volana sy taona io, nefa maro dia maro ny toko sy andininy tsy azo (incomprehensible) raha tsy mahay io resaka io, ohatra;
Mat 27 45
Ary hatramin'ny ora fahenina ka hatramin'ny ora fahasivy dia maizina ny tany rehetra. 46 Ary nony tokony ho tamin'ny ora fahasivy, dia niantso tamin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: ,,Ely, Ely, lamà sabaktany?" izany hoe: ,,Andriamanitro o, Andriamanitro o, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?" (Sal. 22. 1). 47
Dia tsy mba manitikitika ny saintsika ve ny hahalala hoe mba tamin'ny firy ary izany zavatra mitranga izany? amin'ny 6 maraina ka hatramin'ny 9 maraina ve?