Andro Paska : ny nahafatesaNY sa ny nitsanganaNY?
22. hery
(
27/02/2012 16:00)
didi10> Tsy misendaotra aho ka. :-) Rehefa misy an'io :-) io dia sady mitsiky aho ato.
Ny mahagaga ahy fotsiny dia ny anao toa lasa calendrier koa ny baiboly.
Koa mba misy fanontaniana kely ireto :
- Oviana no nanamboaran'Andriamanitra io calendrier io?
- Taona firy tamin'io calendrier io Andriamanitra no nanamboatra ny lanitra sy ny tany?
- Oviana tamin'io calendrier io no voasoratra voalohany ny bokin'ny Baiboly?
- Firy taona i Abrahama no maty?

Tsy haiko aloha raha fantatrao fa ny fiandohan'ny taona araka ny nanamboaran'Andriamanitra azy dia manomboka ny maizim-bolana amin'ny fahatongavan'ny lohataona (saison), raha manana ireny calendrier misy sary volana ireny ianao dia tokony ahita fa 22 Mars io andro io.
http://kalender-365.de/calendrier-lunaire.php
Koa mba misy fanontaniana kely ireto :
- Oviana no nanamboaran'Andriamanitra io calendrier io?
- Taona firy tamin'io calendrier io Andriamanitra no nanamboatra ny lanitra sy ny tany?
- Oviana tamin'io calendrier io no voasoratra voalohany ny bokin'ny Baiboly?
- Firy taona i Abrahama no maty?
23. bor2lais
(
27/02/2012 17:21)
radidi:
Zavatra fondamentale ny tokony hahaizan'ny olona ny momba ny ora, ny andro, ny volana, ary ny taona araka ny nanaovan'Andriamanitra azy
Samy manana ny antsoina hoe "fondamentale" tokoa ny olona a ! :-)
Ary sao mba fantatry Radidi kosa aza ny zavatra (matière) nanamboarana na ny taonan'ilay "rideau" voalaza fa nitriatra tao am-piangonana (rehefa niala aina ny Tompo) fa io ny ahy no mba manitikitika ny saiko ! :-)
24. didi10
(
28/02/2012 07:56)
hery:
Ny mahagaga ahy fotsiny dia ny anao toa lasa calendrier koa ny baiboly.
Koa mba misy fanontaniana kely ireto :
- Oviana no nanamboaran'Andriamanitra io calendrier io?
- Taona firy tamin'io calendrier io Andriamanitra no nanamboatra ny lanitra sy ny tany?
- Oviana tamin'io calendrier io no voasoratra voalohany ny bokin'ny Baiboly?
- Firy taona i Abrahama no maty?
Tsara ny Tompo
Mba tena manam-paniriana hahalala ve ianao namana sa manao fanontaniana fandrabirabiana fotsiny?
Tsy maninona fa rehefa nanontany ianao dia hovaliako.
Ny Calendrier ry namana dia "repère" ahafantarana ny fotoana izany hoe ny ora, ny andro, ny herinandro, ny volana ary ny taona.
Andro
Jenezy 1 5
5 Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro; ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro voalohany izany.
Ny iray andro dia mizara roa, ny mazava ary ny maizina ka ny maizina no manomboka azy izany hoe manomboka amin'ny maty masoandro ka hatramin'ny maty masoandro ny ampitso (calendrier gregorien) ny iray andro araka ny namoronan'Andriamanitra azy.
Ora
Ny maizina =alina dia misy 12 ora ary ny mazava =andro ihany koa dia misy 12 ora.
Jao 11 9
Jesosy namaly hoe: Tsy roa ambin'ny folo va ny ora amin'ny indray andro? Raha misy mandeha amin'ny antoandro, dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan'izao tontolo izao.
Ny fanisana ny ora dia tsy ampifampitohizana ny maizina sy ny mazava fa rehefa tapitra ny 12 ora amin'ny maizina dia miverina ora voalohany rehefa tonga ny mazava, ka rehefa hazavaina ny tenin'Andriamanitra momba ny ora nahafatesan'i Jesosy (tamin'ny ora fahasivy) dia mazava fa manodidina ny tamin'ny 3 ora hariva (oran'izao tontolo izao) satria manisa ora 9 ianao manomboka amin'ny 6 ora maraina.
Porofo hafa:Tsy maintsy nalevina haingana ny fatin'i Jesosy satria efa manakaiky ny Sabata izay nanomboka ny maty masoandro.
Ny Herinandro
Na manampahaizana iza na siantifika iza dia tsy hanana valiteny mazava velively hoe fa maninona no natao fito andro ny herinandro iray.
Andriamanitra Ray no namorona io andro fito mameno ny herinandro io tamin'ny namoronany izao tontolo izao, ary nitsaharany tamin'ny andro fahafito. Tapitra ny andro fahafito dia miverina andro voalohany.
Mat 28 : 1 - 11
[-28-] Ary tamin'ny alin'ny Sabata, raha vao mazava ratsy ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray.
Ny volana
Ny fiandohan'ny volana, dia izay araka ny maha volana azy dia ilay maizim-bola (nouvelle lune) iny, ary tapitra ny volana iray rehefa miverina ny maizim-bolana.
Ny volana fiandohan'ny taona dia ny volana nisan na abib izay Andriamanitra Ray ihany koa no nametraka azy, izay mbola harahin'ny vahoaka Jiosy amin'izao fotoana izao.
Eks 12 : 1 - 11
[-12-] ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona teo amin'ny tany Egypta ka nanao hoe: 2 Ity volana ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin'ny taona ho anareo izy.
Eks 34:18
18 Tandremo ny andro firavoravoana, dia ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira. Hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin'ny fotoan'andro amin'ny volana Abiba, fa tamin'ny volana Abiba no nivoahanao avy tany Egypta.
Ny taona
Ny taona iray dia misy saison 4 : Lohataona - fahavaratra -Fararano- Ririnina
Misy taona 2 misy volana 12 ny taona fahatelo dia misy volana 13.
Tsy haiko raha mahavaly ny fanontanianao izany namana Hery fa fahalalana ankapobeny izany rehetra izany fa anjaranao no mamakafaka sy mandinika.
Misaotra.
25. didi10
(
28/02/2012 07:59)
mirananirina:
Izahay aloha nihosotra lavenona omaly eh
Mba lavenon'inona ary no nohosorana anao?
26. Miharena
(
28/02/2012 08:04)
Manomboka mibirioka tokoa ilay lohahevitra rehefa miezaka mampiditra izay lazaintsika fa marina ao anaty Baiboly isika tsirairay avy fa tsy mahay mandray izay tena vontoatin'ny Baiboly dia ny maha-Kristy an'i Krsity sy ny maha velona Azy ao anatintsika tsirairay avy.
Lasa saina no miasa fa tsy fanahy intsony rehefa fatra-pitady izay fahamarinana amin'ny sehatra dogmatika sy tantara ny olombelona.
Ilay izy lasa mivikana any amin'ny lalan-kafa tanteraka no tena ratsy rehefa tonga eo amin'ny sehatra fitadiavana ny marina ivelantsika. Anisan'izany ny tonon'andro izay rafitra napetraky ny olombelona handrindrany ny fiainany fotsiny ihany fa tsy azo lazaina hisy hifandraisany amin'ny fahadiovam-po takiana amin'ny Krsitianina.

27. didi10
(
28/02/2012 12:56)
Miharena:
Manomboka mibirioka tokoa ilay lohahevitra rehefa miezaka mampiditra izay lazaintsika fa marina ao anaty Baiboly isika tsirairay avy fa tsy mahay mandray izay tena vontoatin'ny Baiboly dia ny maha-Kristy an'i Krsity sy ny maha velona Azy ao anatintsika tsirairay avy.
Marina avokoa izay voalazan'ny Baiboly ka, na iza na iza mandefa toko sy andininy eto.
Raha tena velona ao anatinao Izy dia tokony hanana ity toe-panahy ity ianao:
Kol 2 20
20 Ary raha niara-maty tamin'i Kristy hianareo ka efa afaka tamin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin'izao tontolo izao ihany hianareo ka mety hodidiana hoe: 21 Aza mandray, aza manandrana, aza manendry - 22 levona amin'ny fanaovana ihany izany rehetra izany - araka ny didy sy ny fampianaran'olona? 23 Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin'ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo.
28. Miharena
(
28/02/2012 13:44)

Eo indrindra no mihatra ny teny izay mametraka ihany koa ny fivavahana haitraitra izay zary mitoky amin'ny andro sy volana ary taona fa tsy miaina an'i Kristy. Ny vontoatin'ny Paska no maha-IZY Azy ary nampianariny ny olona fa tsy ny fotoanan'ny Pasla akory. Toy izany koa ny momba ny fandraisana na komonio, ny firaisana AMINY fa tsy hoe ny fandraisana ny mofo sy divay izay samy manana ny endriny avy.
Regefa mahatsiaro AZY Andriamanitra amin'ny zava-drehetra atao na inona fomba sy fotoana anaovana izany dia tokony hahery izany fisandratana izany ka hampahery Azy ao anaty.
Andriamanitra mahafantatra ny ao ampo tsy miloaka fa tsy ny fombafomba no ahazoana fihavanana AMINY fa ny fo madio.
29. didi10
(
28/02/2012 14:04)
Eny e! fombafomba no ilazanao ireo fa fomban'Andriamanitra no ilazan'ny Baiboly azy ka tsy maintsy arahiko satria zanaNY nateraNY aho.
Asa 17; 29
29 Ary satria terak'Andriamanitra isika, dia tsy mety raha ny fomban'Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafosy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain'olombelona. 30 Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka,, 31 satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin'ny fahamarinana amin'ny alalan'ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty.

30. Miharena
(
28/02/2012 14:12)
Eny e! fombafomba no ilazanao ireo fa fomban'Andriamanitra no ilazan'ny Baiboly azy ka tsy maintsy arahiko satria zanaNY nateraNY aho.
Raha tena mandinika tsara ilay ao amin'ny Asa 17: 29 notanisainao io ianao dia tokony handinika tsara ilay andron'ny fahalalàna tiana lazaina ao dia ny fahalalàna an'i Kristy Velona mampita amintsika ny fahavelomantsika mandrakizay.
Ka raha tonga ny fotoana ilazana fa ny lanitra sy ny tany dia ho levona, dia mbola azonao antoka ve hoe mbola ho voatana ireo fombafomba natao teto an-tany ary izany mihitsy no sitrapon'Andriamanitra?
31. didi10
(
28/02/2012 14:32)

Voalazanao
Ho avy ny andro handevonana ny tany sy ny lanitra, fa mandrapihavin'i Jesosy eny amin'ny rahon'ny lanitra ka mbola velon'aina aho dia hanaja ny fombaNy sy hanao ny sitrapoNY.
Fa tsy hoe ho levona ny tany sy ny lanitra dia izao ianao dia manao izay sai-patanao sy manaraka izay fampianarana metimety aminao.
Fantatro fa manam-pahendrena ary manam-pahaizana ianao ry Miharena fa tsy hitsahatra aho mananatra anao:
I Jao 2, 17-19
mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay. 18 Rankizy, izao no ora farany, ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy, sady maro no antikristy efa tonga sahady; koa izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany. 19 Avy tamintsika ihany no niala ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha tahiny namantsika izy, dia ho nitoetra mba haseho fa tsy isantsika izy rehetra.
Ilay jesosy torianao eran'ny vazan-tany fa niseho tamin'ny taon-jato tsy haiko tsy haiko, nilaza fampianarana maro lazainao fa FOTOTRA nefa mifanohitra amin'ny voalazan'ny Soratra Masina no antikristy voalazan'io Soratra Masina io.
32. Miharena
(
28/02/2012 14:57)
Azonao antoka ve Didi10 fa AntiKristy tokoa izay toriana ? Toa tsy mijery izay tena vontoatin'ny fitoriana atao ianao raha ny fahitako azy.
Ny fisavasavana ireo fampianarana FOTOTRA ataon'IZY TENANY Tompon'ny fampianarana ao anaty Baiboly no lazaina eto. Manambara izay mbola tsy voalazaNY tamin'ny nanontana ny Baiboly IZY ary fantatro fa marina ny fanambaraNY araka ny Teniny hoe : mbola misy zavatra maro tiako ambara aminareo saingy mbola tsy zakanareo izany ankehitriny.
Ny hany mba lazaina aminao dia tsy hahalala izay tiaNY lazaina mihitsy na iray aza isika raha tsy mamaky tanteraka n Baiboly aloha vao mamaly izay ambaraNY aty aoriana.
Azonao atao ohatra ny mamaky ny Troisième Testament izay boky azo téléchagena tsara ao amin'ny site Terre Nouvelle (livres à télécharger).
Tsoriko aloha fa tsy mandrodana ny finoako ny famakiako ireo boky ireo fa manamafy azy tanteraka satria tsapa hoe ny Tompo mihitsy no miteny ao ary marina ny fanambaraNY.
Izay tsy mbola vonona ny handre AZY no manana olana ary mitsara avy hatrany fa AntiKristy no mandefa ny hafatra. Ka ataoko fa tokony hahitsy tsara sy ho fantarina tsara izay tena antiKristy (sao dia ny fombam-pivavahana rehetra teraka no mivoy ny fampianaran-diso fa tsy IZY TOMPONY).

33. didi10
(
28/02/2012 16:46)

Ampy ary feno ny Soratra Masina voarakitra ao anaty Baiboly Masina fa tsy mila ampiana révélation atsy e! nouveau nouveau testament ary e! apparution aty anan e! efa nampitandrina io anie Jesosy sy ny Apostoly ao anaty Baiboly Masina e! tafalatsaka ianao zao!
I Tim
Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema, dia ny an'i Jesosy Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, 4 dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona, fa adala [marary] amin'ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy, 5 fifandirana lalandava, fanaon'ny olona vetaveta saina sady efa nialan'ny fahamarinana, manao ny toe-panahy araka an'Andriamanitra ho fahazoan-javatra.
34. Miharena
(
29/02/2012 05:47)

Tsy fampianarana hafa fa fameno hampahazava tsara izay tiana ambara taloha no misy ankehitriny Didi10.
Raha misy ny tafalatsaka dia izay miady teny sy miady hevitra fa tsy manamarina izay voalaza.
Saingy tsy tafalatsaka mihitsy ianao na dia tsy hamaky izay ambara aty afara aza satria ilay fanambarana aty afara dia milaza mazava fa tsy nandao anao hatrizay ny FITIAVANY fa ao anatin"ny olombelona rehetra sy ny voary manontolo.
35. didi10
(
29/02/2012 06:40)

Fantatro fa efa tsy manan-danja aminao intsony ny Baiboly Masina fa efa manana baiboly vaovao (3e testament) ianao fa tsy hitsahatra aho mananatra anao.
Matio 24, 4
4 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo, 5 Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany
Matio 24, 11
11 Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro. 12 Ary noho ny haben'ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan'ny maro. 13 Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.
I Kristy ve efa mampitandrina fa tsy hisy Jesosy hafa intsony mandrapahatongan'ny andron'ny Tompo (Fara andro fa tsy Alahady) fa efa niakatra any an-danitra Izy nanomana toerana ho antsika dia avy eo Izy hanoratra boky hafa indray micontre-dire ny Baiboly?
Miverena Miharena a!
36. Miharena
(
29/02/2012 11:28)
Didi10:
I Kristy ve efa mampitandrina fa tsy hisy Jesosy hafa intsony mandrapahatongan'ny andron'ny Tompo (Fara andro fa tsy Alahady) fa efa niakatra any an-danitra Izy nanomana toerana ho antsika dia avy eo Izy hanoratra boky hafa indray micontre-dire ny Baiboly?
Rehefa tsy novakianao ilay boky ary mitsipaka ilay teniNY manambara ao anaty Baiboly ianao momba ny hafatra aty aoriana mbola homeNY toy ny boky teny antanan'ny Anjely ao amin'ny Apokalypsy milaza ny Filazantsara Mandrakizay dia aza tonga dia mitsara hoe diso izay zavamisy aty aoriana amin'ny AnaraNY.
Ny hany fantatro fotsiny dia tsy azo fitahina aho raha resaka tsy mifandrindra amin'ny fahamarinana no resahan'ny boky iray, indrindra fa ny resaka fitoriana Teny ataon'ny Kristianina ankehitriny izay hita fa mivoana tanteraka tsy manaraka izay lalana tian i Kristy ahatongavana fa miverina any amin'ny fahadisoan'ny Fariseo sy ny Sadoseo tamin'izany fotoana izany.
Aza matahotra koa ianao fa tsy misy lasa lavitra akory eo ka hoe hiverin-dalana fa olona mitombina tsara no mizara aminao izay azony. Ary hevero fa tsy mitsipaka ny Baiboly velively ny voasoratro eo ambony fa mameno.
37. didi10
(
29/02/2012 11:53)
Efa namaky ilay boky aho ka, 644 pages izy raha pdf.
Ny zavatra tonga dia hitako taratra voalohany dia rehefa miresaka an'i Jesosy ilay "mpampianatra" ao anaty bokinao dia miresaka azy matetika"à la 3e personne".
Il ne peut pas étre la méme personne s'il parle de lui méme à la 3e personne.
Marka 13,21
21 Ary amin'izay raha tàhiny misy olona manao aminareo hoe: Indro, ety Kristy, na: Indro ery; aza mino hianareo. 22 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana,ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany. 23 Fa mitandrema kosa hianareo; indro, efa voalazako taminareo rahateo ny zavatra rehetra.

38. Miharena
(
29/02/2012 12:18)
Il ne peut pas étre la méme personne s'il parle de lui méme à la 3e personne.
Aza mamorona ianao fa tsy miteny AZY ho 3e personne IZY fa IZAHO no lazaiNY mandra-pahatapitry ny boky.
Pejy voalohany dia efa izao no hafaNY:
Croyez-vous que tout ce qui a été dit, est seulement pour ceux qui ont entendu? Non peuple aimé, car Ma Parole est destinée aux présents et aux absents pour aujourd'hui, demain et pour toujours, pour les défunts, pour les vivants et ceux qui vont naître (Chap 7, 13)