mpanao fanafody

1. sucrette ( 31/01/2012 09:30)
manaona daoly ny ato,
mba mitady fanampina aminareo sao mba misy mahafantatra mpanao fanafody gasy ato.
misaotra mialoha
novalian'i Ratoa ny 17/08/2012 14:41
2. Ratoa ( 31/01/2012 20:21)
ye, ny mandrava sarotra dia ny ravintsara dia ny rambiazana
3. Fheno ( 10/02/2012 10:09)
Fa mpanao fanafody gasy aôna no tadiavinao
4. mirananirina ( 12/02/2012 15:43)
mpanao fanafody gasy zany ve tsy mpamosavy????Amiko aloha raha tsy voamarika olona mahay oh Ratsimamanga sns...tsy mba mahatoky fanafody gasy aho!Aleo ihany dokotera raha azo atao.
sery vitan' anamalaho hozy ny gasy izay!!,raha resaka zvt azo hohanina ohatra an itony dia tsy maninona mht,fa iretsy tapakazo sy ravina bdb tsy fanta-piaviana rht ity ,tsssss
5. miraj ( 20/02/2012 11:49)
bjr. atoroko anao ny mpanasitrana tena tsara sy mahomby amin'ny aretina rehetra sady mora azo sy maharitra mandrakizay. tsy iza fa Andriamanitra ilay nahary antsika amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy
6. LazaDaddy ( 20/02/2012 22:39)

mirananirina:
fa iretsy tapakazo sy ravina bdb tsy fanta-piaviana rht ity ,tsssss
Fantatra ny ratsy fihavian'ireny ka. Ary izy ireny matetika dia mifangaro vovo-paty na vovoka taola-paty nalaina avy any am-pasana.
7. Ratoa ( 20/02/2012 22:52)
Fa nahoana no raha vao hoe gasy dia atao hoe mpamosavy? fa raha vita vazaha kosa ny fanafody dia inoana fa tsara sy manasitrana? ny vahona dia fanafody gasy, ny katrafay dia fanafody gasy , ny farehitra dia fanafody gasy , ny tantely mifangaro sakamalao sy voasaty makirana dia fanafody gasy manasitrana areti-tenda. Ny katrafay sy ando dia fanafody gasy. Be dia be tsy tambo ho tanisaina ny fanafody gasy....Fa inona araky ny hevitrareo ireo no nanaovan'i Prof. Rakoto Ratsimamaga fikarohana raha tsy tapaka hazo sy bozaka sy ravinkazo isankarazany....Mba mahaga ihany lahy....
8. LazaDaddy ( 21/02/2012 03:37)
Ratoa,

Ny an'i Prof. Ratsimamanga raha ny fahafantarako azy tsy misy resaka "occulte", ary tsy mifangaro vovo-paty sy vovoka taolam-paty, tsy misy "fombafomba toy ny fanaovana sorona" ary tsy mitaky fanatitra toy ny menaka/tantely/akoho.

Ny resahina eto, b]raha ny fahafantarako azy ihany koa[/b] dia "mpanao fanafody", izany hoe ireo manao "occulte". Ka ireny dia efa nokianin'i Jesoa Kristy fa ratsy na gasy na vazaha.
9. mirananirina ( 21/02/2012 09:18)


Ny an'i Prof. Ratsimamanga raha ny fahafantarako azy tsy misy resaka "occulte", ary tsy mifangaro vovo-paty sy vovoka taolam-paty, tsy misy "fombafomba toy ny fanaovana sorona" ary tsy mitaky fanatitra toy ny menaka/tantely/akoho

Mitovy hevitra @ LazaDaddy!Ny mampiasa zavamaniry Malagasy ka manodina azy ho lasa fanafody dia olona manam-pahaizana no lazainay,efa nanao teste maro isan-karazany vao azo antoka.


Fa nahoana no raha vao hoe gasy dia atao hoe mpamosavy? fa raha vita vazaha kosa ny fanafody dia inoana fa tsara sy manasitrana?


Amiko izany mpanao fanafody gasy izany mpamosavy!!!manoronoro foana(tsy specialista),ary ny loza dia izy ireo matetika no miteny ny olona entina any aminy fa namosavian olona io!!grrrr!!Ny an ny vazaha indray dia olona nianatra,nandalina nanao essai isan-karazany ,izay vao mivoka ampiasan ny vahoaka,mitovy @ izay koa raha dokotera Malagasy sy ny mpanamboatra fanafody Malagasy toan ny Pharmad ohatra!dia ara-dalana,!


mba mitady fanampina aminareo sao mba misy mahafantatra mpanao fanafody gasy ato


sucrette,ohatra 1 omeko anao nahazo ny dadatoako iray (misionera)anefa izy io,ka narary mafy tokoa,nisy nanome toky aza fa sitrana ny mpanao fanafody gasy ka nentin ireo tany!!dia nomena tapak azo sy ravina be de be(nosotroina sy nievohina izy ireo),10 andro taty aoriana dia nando be,sady reraka be,de nentina niverina tany,dia hoe izay fa sitrana ,niala ny mosavy nataon ol azy (nolazainy fa namosavian' ol manko),nentina nody fa hoe sitrana,nitohy ny fandoavana zvt maintimainty be!!!,sady tsy nahatsiaro tena,izay vao nentina tany @ hop!!!!Tsy nisy Foie (aty)intsony ilay dadatoanay!!maty
10. Ratoa ( 21/02/2012 20:50)
Mahagaga ahy ianareo é!
Ny mpanao fanafody gasy tsy voatery ho mpamosavy mihitsy. Na aiza na aiza dia misy ny marina ary misy ny mpisandoka. Misy mpanao fanafody misandoka ary misy koa dokotera !
Ny médecine traditionnelle dia tena misy. Anisan'ny fanafody gasy izy.
Ireo manampahaizana nikaroka teo aloha dia niatomboka tamin'ny tapakazo fa tsy tonga dia cachet sy sirop na pilulle; Ny fahaizan'ny razany ihany no niatombohany ary mbola misy izany ankehitriny. (taloha ohatra natety no natao "saingée" ny olona mararay mafy rehetra satria hatreo ny fari-pahaizana nisy tamin'izany fotoana izany.)
Ankehitriny ny dokotera avy amin'ny tany maro dia manonondrotra ny nenti-paharazany ary dia miara-miasa amin'ny tradi-praticien (izany no iantsoina ny mpanao fanafody nenti-paharazana).
Ny olona avy amin'ny tany an-dala-mpandrosoana rehetra dia mbola mampiasa ny karazana fitsaboana mitovy amin'ny fanaovana fanafody gasy. Misy ny mahay, misy ny misandoka, sahala amin'ny eny amin'ny hopitaly ihany é!
Fa ny tradi-praticien malagasy ahetry. Tsy milaza aho fa izay manao fanafody rehetra dia olo-marina fa ny fanaovana safo be mantsina no ialako.
taiza angaha ianareo no nahita izany fanafody mifangaro vovoka sy taola-paty izany?

Mba mahagaga
11. Ratoa ( 21/02/2012 20:56)
tsy voatery ho mpanao "occulte" ny mpanao fanafody!!! Ny misandoka no tokony ho helohina fa tsy ny mahay ny zava-boary mahasoa;
Resaka hafa: Jesosy Kristy sy Jehovah Andriamanitra Rainy dia tsy manampy na mitsabo izay tsy manampy na tsy mitsabo ny tenany .
Ny hopitaly sy ny fahaizan'ny dokotera dia fikarohana sy fitiavana mikaroka nateraky ny zava-misy, hita sy voadinika fa tsy "génération spontanée née du néant" na "illumination" avy any an-danitra ka nampisokatra tampoka ny sain'ireo dokotera.
Na i Ratsimamanga aza dia niainga tamin'ny zava-misy sy hita sy manitikitika ny sainy
12. LazaDaddy ( 21/02/2012 22:10)
Ratoa:
tsy voatery ho mpanao "occulte" ny mpanao fanafody!!!
Ny fantatra aloha hatramin'izao dia mpanao "occulte" daholo ny mpanao ody na gasy na vazaha.

Ratoa:
Jesosy Kristy sy Jehovah Andriamanitra Rainy dia tsy manampy na mitsabo izay tsy manampy na tsy mitsabo ny tenany.
Miala tsiny fa resaka DISO voizin'ny mpanao ody gasy io resakao io fa izay mifandray amin'i Jesosy mahafantatra falainga io. Ny marina dia "i Jesosy Kristy dia tsy manampy izay tsy miantehitra Aminy tanteraka".

Ny zavatra "tsy fantatrao" na "tsy tianao ho fantatry ny olona" dia ny "toerana fanamboarana ireny ody gasy/vazaha ireny sy ny mpanampoatra azy". Matetika dia tsy ilay mizara ilay ody no nanamboatra azy. Misy toerana mihafina fanamboarana azy ireny tokoa ary i Satana no mibaiko ny mpamosavy voafantiny amin'ny fanamboarana ireny ody ireny na gasy na vazaha. OCCULTE izy ireny.
13. Ratoa ( 22/02/2012 08:10)
ny mahagaga aminao dia afangaronao ny mpamosavy sy ny mpanasitrana fa izaho dia efa nahita mpanasitrana tokoa. Ary kilemaina aho raha tsy io rangahy be io. Lazain'ny dokotera fa polyo no nanjo ahy. Mbola kely aho tamin'izany. tonga dia noleman'ilay rangahy be ny tanany dia nohoriny ny tongotra. intelo andro nisesy. dia ny erin'ny andro voalohany dia vita.
Izaho aho tsy mahita olona toa azy. Nioritra ny sandriko. Tsy vitan'ny dokotera. Natao kyné sy pommade sns fa mbola eto é! 3 volana izao.
Ekeko fa sarotra ny mahita ny tena mahay satria be ny mpisandoka.
14. LazaDaddy ( 22/02/2012 22:30)
Ratoa,
Diso toerana angamba ianao na tsy namaky tsara fa any @ dinika hafa no tokony mandeha.

Ny eto dia "Tetikasa sy vinavina", ary "mpanao fanafody" no lohahevitra naroson'ny mpanoratra.

Na izany na tsy izany dia aza adino fa "mahay mampiseho fanasitranana" ihany koa ny mpamosavy/mpiantso tromba/mpisikidy, sns... fa raha tsy izany mantsy dia hitombo ny fankahalan'ny olona azy.
15. bichette ( 23/02/2012 11:04)
"ambigu" be ilay terme hoe "ody gasy" sy hoe "mpanao fanafody", matetika ireo terme roa ireo misy lien amin'ny occultisme foana.

ny plante dia voajanahary ary misy vertu benefique natoraly ao anatiny, manasitra tokoa, efa izay no naharian'i Andriamanitra azy.

ny manao fanafody (occculte) mampiasa an'izy ireny tokoa, SAINGY indrisy, manisy hery miafina, hery avy amin'ny satana EN PLUS ao anatiny. Misy aza tapakazo tsy manasitra ilay mahazo ilay olona akory fa ilay hery miafina, ilay fanahy napetraka ao anatin'ilay tapakazo no mamindra ny aretina sy mampisy fiovana amin'ny vatan'ilay olona. TSAROVY ARY FANTARO ANEFA FA NY DEVOLY TSY MANASITRANA VELIVELY FA MAMINDRA NY ARETINA IZY, mety ho tsara eo ny eo ilay olona fa misy consequence hafa foana iny, na potika ny fiainani'lay olona, mety tsy eo ny eo fa afaka andro na volana na taona vitsivitsy, na misy aretina miseho hafa ao amin'ilay olona na zavatra hafa : "satan ne donne rien sans rien".

misy koa ny olona izay mitady ny vertu naturel n'ny plante medicinal, nanao fianarana manokana sy fikarohana momba izany, izay tsy misy occultisme mihitsy ao anatiny.

ilay ohatra nomen'i mirananirina momba ny dadatoany, tsy mahagaga ahy ilay izy ary tena otran'izany mihitsy ireny manao ody gasy (occultisme irery), matetika miafara amin'ny fahafatesana foana, fanapotehina tanteraka ilay olona.

ito misy tantara, vavolombelona hahitanao tsara ny tena occultisme sy ny asan'ny satana :

http://ddata.over-blog.com/xxxyyy/1/36/28/76/TEMSORC.pdf
16. bichette ( 23/02/2012 11:13)
otran'ny homeopharma izao, jereo ny momba ilay fondateur ... nanao occultisme, astrologie, remedes medicinaux et occultes, sns izy ... ary henjana ihany ! dia jereo koa ny produits sasany, misy ranomanitra misy pouvoir de seduction sy fascination ao anatiny, moa tsy karazana envoutement ihany ve izany ? ary iza no lehiben'ny seduction ? moa tsy satana ??? ranomanitra otran'ny ody fitia ihany izany amiko indirectement ! tsara ny produit homeopharma satria naturel, tsy laviko izany, saingy indrisy anefa misy hery miafina ihany ao anatin'ny produits sasantsasany !
17. Ratoa ( 23/02/2012 20:50)
Mahaga sy mampiomehy ianareo izay namay hafatra.

Nametraka ilay olona ery ambony ery hoe :"iza no mahalala mpanao fanafody gasy"

Tonga dia ny ratsy no tanisainareo , tonga dia ny ratsy no alehan'ny sainareo.

Izaho tsy miresaka na mihevitra an'i satana na ny "occultisme" na iray segondra fotsiny aza. Ny ahy dia hoe :"misy nenti^-paharazana izay tsara, misy koa ny mpisandoka". Tsy ahoaka na iza no anarana na inona no maha izy azy ilay mpisandoka fa izay tsara sy mety ho tsara no banjiniko amin'ny fanaovana fanafody gasy nenti-paharazana.

Izay manala ny rofy rehetra na manome rofy koa dia fanafody. Ny manala ny rofy koa no banjiniko.

Nenti-paharazna no nahafatrana ny farehitra, ravinstara (mba diniho ity anarany) mandrava sarotra, rambiazana , satriko aza maratra, aika sns.

Ilay mitanisa ny vovo-paty sy taola-paty tsy mamaly ny fanontaniako hoe :" taiza angaha ianao no nahita izany olona mampihinanan vovo-paty sy taola-paty izany? hitanao maso ve? Mba atoroy ahy izy fa mba te hanatrika sy hanamarina ny fisian'izany aho.

Ary koa, mitanisa ny ratsy ianareo fa tay mamaly ny fanontanian'ilay nametraka ny dinika.

Valio izy raha mahalala ianareo dia omeo azy ny ladiresy dia ilazao izy hoe i Ranona manisy vovo-paty, i Ranona indray manao izao... Dia avelao izy hisafidy.
18. LazaDaddy ( 23/02/2012 21:47)

Ratoa:

Nametraka ilay olona ery ambony ery hoe :"iza no mahalala mpanao fanafody gasy"
Tonga dia ny ratsy no tanisainareo , tonga dia ny ratsy no alehan'ny sainareo.


Tsy mahagaga izany satria efa fantatra fa ratsy ny ody gasy. Ary resy lahatra aho fa fitiavana avokoa no antony nampitandreman'ireo nilaza rehetra etsy ambony.
19. LazaDaddy ( 24/02/2012 04:53)

bichette:
otran'ny homeopharma izao

Ny mahagaga ahy tamin'io dia ny nahazoany alalana tamin'ny fanjakana mivarotra sy mamboatra "ody" ka mampitovy sokajy azy amin'ny laboratoire pharmaceutiques hafa. Angamba mety tsy nasiany resaka "occulte" ny fangatahana taratasy fahazoan-dalana? ... kanefa aiza ho aiza ny fanjakana amin'izao? Ahoana ny fampiharana ny lanana?

Niezaka namaly ireo fanontaniako ireo aho dia nitsiky kely fotsiny fa kay moa ao ambonimbony ao koa no tena toerana fipetrahan-dry zareo mpanao "occulte". Mahonena ahy ianao ry fireneko!
20. bichette ( 24/02/2012 07:33)

LazaDaddy:


bichette:
otran'ny homeopharma izao


Niezaka namaly ireo fanontaniako ireo aho dia nitsiky kely fotsiny fa kay moa ao ambonimbony ao koa no tena toerana fipetrahan-dry zareo mpanao "occulte". Mahonena ahy ianao ry fireneko!


ao ambonimbony ao ahoana ? hazavao kely hoe !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2539