mpanao fanafody

21. njk412 ( 24/02/2012 13:57)
Marina fa mandalo andrana fanafody vazaha. tsy misy afaka hilaza mihitsy anefa hoe ireo mpikaroka rehetra ireo dia mivaky loha noho'ny @ fahasalamanao. ny voamarina aloha dia vola @ankapobeny no antony hikarohan'izy ireny.
http://www.slate.fr/story/35859/milliards-lobby-labo-medicaments

manaraka izay : efa ao anatin'ny tontolo maloto ny resaka fanafody izay itokianao fatratra @zao. ohatra fotsiny ireny affaire médiator, chirurgie estetika,... sns http://www.terrafemina.com/vie-privee/bien-etre-beaute/articles/2250-medicaments-dangereux--la-liste-des-77-publiee-par-lafssaps.html
ka tsy haiko hoe azo antoka daholo ve ny fanafody vazaha...

fahatelo : ny fanafody tradi-... (in moa izy teo? )dia efa nataon'ny olona taloha rehetra. anisany i jesoa. ra nanao jesoa hoe sitràna ianao mantsy ilay jamba dia nampiasainy izay hitany : fotaka niampy rora. nahosotra dia sitrana (niampy ny finoan'ilay jamba izay nanampy ny tenany mba hanantona azay). Jehovah koa efa nanao an'io t@ vahoakan'israely t@ famaizana azy ireo t@ kaikitry ny bibilava (?mety ho diso ilay hoe bibilava fa tsy tadidiko). manaova hoy izy t@ moizy tehina misy bibilava varahina dia izay manantona (nanampy ny tenany) eo no ho sitrana.

fehiny: tsy ny mahavazaha na ny mahagasy no tokony hitokianao fa ny heriny sy ny zavatra mety hoentiny hanasoa anao. rehefa mino ianao na tsy hihinana fanafody aza dia ho sitrana. fa tsy dia tsara loatra ny manaratsy ny fanafody "malagasy mahomby" (izay tokony ho hatsaraina @alalan'ny fikarohana aza). ny vato aza hono raha nahitana soa hosora-menaka....

miala tsiny fa lavalava.
22. Randria2007 ( 17/08/2012 13:49)
Misy famaritana tsara ho fantatsika ihany. Ny atao hoe "ody" dia zavatra ratsy: mety ho nataon'ny mpamosavy io na nataon'ny olona ratsy fanahy na ilazana @ ankapobeny ihany koa ny aretina. Fa ny "fanafody" kosa (avy @ teny hoe fanafa ody) dia zavatra tsara satria fitaovana fanalana ilay ratsy. Dia diniho hoe niainga t@ izay famaritana nomeko izay ve ny voalaza teo ambony rehetra sa hors sujet? Bye
23. Ratoa ( 17/08/2012 14:41)
misaotra an'i njk412 sy Randria 2007 fa izay no atao hoe miadt hevitra. Nangataka mpanao fanafody ilay olona ery ambony. Tsy niteny izy hoe mahay na sandoka. Dia ny tokony n tao izany dia milazaaminy fotsiny ho inty Ranona , ratsy io, inty Rabe, tsy dia mahomby izy, indro indray Ra... hitako fa mahay izao sy izao...
dia ilay nangataka noo misafidy na dia tia hametra ny mponolo-kevitra.

Marina ireo voalazan'i njk412 sy Randria2007 amiko? Ny fanafody dy fanafaka ody fa tsy fametraha na fametahana ody na aretina akory;

Angamba ilay olona nangataka, angamba hoy aho, mikasa hampiroborobo ny fanafody gasy mahsoa ka izay no nampidirany an'ity lohateny ity eto amin'ny tetikasa sy vinavina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.088