New age, loza mitatao ho an'ny tanora malagasy
1. didi10
(
17/12/2011 06:00)
Tsara ny Tompo,
Maro ny tanora malagasy no fatram-paka tahaka ireo fomba vahiny entin'ny rivotry ny taona arivo vaovao izay miely tsy misy sivana amin'ireo fantson'ny fifandraisana maro isan-karazanany. Tato ho ato dia lamaody ho an'ireny mpihira sy mpilalao sarimihetsika malaza ireny ny fomba fihinanana "végétarien", izay tsy mihinana biby sy ny vokatra azo avy aminy na an-tanety na an-dranomasina na an'habakabaka, ao koa ny ezaka maro isan-karazany hanalana ny takon-kenatra amin'ny fiarahan'ny lahy samy lahy na vavy samy vavy (homosexualité) ka ametrahana ny fitiavana ho ambonin'ny zavatra rehetra; ny tena mampalahelo dia manara-drenirano ny ankamaroan'ny tanora malagasy sady tia andrakandrana rahateo ka tafaroboka amin'ireo foto-pisainana izay raha jerena ivelany dia mitory ny fandriam-pahalemana sy fitiavana kanefa misy ambadika finoana "occulte" sy "anti-chrétien".
Ny foto-pisainana "new age" dia tsy misora-tena ho foto-pinoana na sekta, milaza tsy manana firehena politika kanefa dia manana ireo tanjona dimy manaraka ireto:
- Governemanta tokana maneran-tany
- Fotom-pinoana tokana maneran-tany
- Toe-karena tokana maneran-tany
- Tafika tokana maneran-tany
- olom-pirenena tokana maneran-tany
Raha hampitahana ihany koa ny foto-pisaina kristianina sy ny new age dia ireto no maha samihafa azy:
- Baiboly: Ny Baiboly ihany no tenin'Andriamanitra
New age izay voasoratra rehetra dia avy amin'andriamanitra;
- Baiboly: Jesosy ihany no lalana sy fahamarinana ary fiainana
New age ny làlana rehetra dia mety hahitana an'andriamanitra
- Baiboly: Tsy misy hanina maloto fa ny fahalotoana dia mivoaka avy ao anaty
New age aza mihinana biby fa diovy ny vatanareo
- Baiboly: Izay mino no hovonjena ary izay tsy mino no helohina
New age tsy misy famonjena sy fanamelohana fa samy afaka manao izay tiany;
- Baiboly: indray mande ihany ny olona iray no velon'aina
New age rehefa maty ny olona dia miova olona na biby vaovao indray (réincarnation)
- Baiboly: Ao anatin'ny fanambadiana ihany no tokony hisy firaisana ara-nofo
New ageNy zava-dehibe dia ny fifankatiavana, rehefa mifankatia ka mahazo fahafinaretana dia tsy maninona.
- Baiboly: manajà ny aina
New age mety ny avortement, euthanasie, manipulation génétique
- Baiboly: fahotana ny homosexualité
New agemamporisika ny homosexualité
-Baiboly: hajao ny raiamandreninao dia ho lava velona ianao
New ageny fitaizana ny zaza dia anjaran'ny fiaraha-monina fa tsy mila ray sy reny
- Baiboly: Andriamanitra nanao ny olona mitovy andrika aminy
New age Ny olona afaka mino izay andriamanitra tiany inoana
- Baiboly: Matio 24, hiharatsy sy hiady ny olona any am-parany
New age hifankatia daholo ny olona atsy ho atsy
- Baiboly: Tsy miresaka afa-tsy tany onenan'ny olom-belona
New age mampianatra ny fisian'ny extra-terrestre
Ny symbole new age
- Ny tena matetika fampiasany dia ny havana "arc en ciel" izay midika fifandraisan'ny fanahin'ny isambatan'olona sy ny fanahy lehibe manerana ny tontolo dia tsy iza fa i Losifera;
- ny isa 666 iza heveriny fa ny fampiasana azy matetika dia hampanjary haingana ny new age
- ny croix gammée izay nampiasain'i Hitler sy ny sekta raélien hitsenana ny extra-terrestre
Fehiny: Arovy ny tanoran-tsika fa ireny no ho avin'ny firenena.

novalian'i Miharena ny 28/12/2011 07:32
3. miarana
(
19/12/2011 20:07)
Misaotra an'i Se !
inona ary ny vahaolana ho an'ny tanorantsika ?
1 - ny hamela azy hanao izay tiany ve.
2 - sa hametra ny tokony hataony
Raha ny Baiboly aloha dia mamela malalaka mihitsy hamantatra ny zavatra rehetra :
« Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara. » (1 Tesaloniana 5:21)
saingy, vitan'ny tanorantsika ve ny hiazona izay tsara ? (ny te hamantatra aloha dia efa voajanahary aminy e )
ny tsy haintsika dia : samy manana ny manintona azy ny tanora tsiarairay, ary samy manana ny tsara aminy, nefa : « Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra. » (Lioka 18:19)
zay ary fa manonona ny Fiadanan'ny Tompo ho aminao

4. taxerick
(
20/12/2011 00:23)
miarana:

5. taxerick
(
20/12/2011 00:27)
raha ny amiko manokana dia ny fijoroan'ny tanora vavolombelona @ tanora nandray an'i jesosy nyo hevitra tsara indrindra;izany hoe mila mitory ny filazantsara ny tanora kristiana satria JESOSY ihany ange no afaka manakana ny filan'ny tanora e!ka rehefa tsy manana an'i JESOSY ny tanora iray dia tsy maintsy andeha @ izay tiany
6. miarana
(
20/12/2011 04:28)
tena marina ny hevitr'se, ny anjarantsika dia ny mitory an'i Jesosy sy mivavaka ho azy, fa ny Fanahy Masina no miasa mampanaiky azy amin'ny fotoany.
7. bor2lais
(
20/12/2011 11:33)
miarana:
Raha ny Baiboly aloha dia mamela malalaka mihitsy hamantatra ny zavatra rehetra :
« Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara. » (1 Tesaloniana 5:21)
saingy, vitan'ny tanorantsika ve ny hiazona izay tsara ? (ny te hamantatra aloha dia efa voajanahary aminy e )
ny tsy haintsika dia : samy manana ny manintona azy ny tanora tsiarairay, ary samy manana ny tsara aminy, nefa : « Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra. » (Lioka 18:19)
Miombon-kevitra tanteraka amin'ny voalaza ny tenako !
Tsy vahaolana velively ny fandraràna amiko (indrindra moa raha tanora no iresahana !!!) : aseho azy am-pitiavana ny tsy mahamety na ny mety ho vokatry ny firehana na fandehanana amin'ny làlana iray ! Azy ny safidy avy eo ... :-)
8. didi10
(
20/12/2011 16:12)
bor2lais:
Tsy vahaolana velively ny fandraràna amiko (indrindra moa raha tanora no iresahana !!!) : aseho azy am-pitiavana ny tsy mahamety na ny mety ho vokatry ny firehana na fandehanana amin'ny làlana iray ! Azy ny safidy avy eo ... :-)
Ny didin'Andriamanitra izay miseho amin'ny endrika "tsy maintsy" sy "mandràra" dia tsy mamela na iza na iza milaza azy ho Kristiana hisafidy na hanaraka na tsia, lalàna anie io e! ka izay mifanohitra amin'ny lalàna dia heloka. Noho izany ny afobe no miandry azy rehefa tsy mibebaka izy.
Rom 1 : 18
18 Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny faharatsiana rehetra sy ny tsi-fahamarinan'ny olona izay misakana ny fahamarinana amin'ny fanaovan-dratsy,
9. bor2lais
(
21/12/2011 12:52)
Amafisiko ihany : tsy vahaolana amiko ny fandraràna (miendrika didy jadona!) sy ny fampitahorana. Ny fifampiresahana (na/sy fifanazavana) am-pitiavana ihany no heveriko fa mety indrindra ! :-)
Amiko, matoa ianao mandositra fifampiresahana fa mialoka fotsiny amin'ny hoe : "tsy maintsy" satria "izay no voasoratra" dia toa manaporofo ankolaka fa na ianao aza dia tsy dia resy lahatra loatra !
Fomba fihevitro ihany anefa izay ka mety ho diso a, ary ialako tsiny raha toa ka mety manindrona ! Avereno aty amiko raha toa ka ... ! :-)

10. taxerick
(
21/12/2011 21:19)
mananpy an' io ralahy io ny tenako.tsy hoe tsy dia resy lahatra izy fa mahatsapa ny fahalebiazan'ANDRIAMANITRA,itanao JESOSY misy no nilaza fa raha misy te hanaraka AHY dia aoka izy anda ny tenany;izany hoe tsy ilay zavatra tian'ny olona iray intsony no ataony fa tsy maintsy izay tian'i JESOSY KRISTY;ary ny baiboly koa dia milaza mihintsy ao@ ASA17:30 ARY ANDRIAMANITRA ninia tsy nijery ny andro tsy fahalalana;fa ankehitriny IZY mandidy ny olona rehetra hibebaka
11. bichette
(
22/12/2011 09:07)
ie, ampiako kely koa :-)
Toriana Jesosy, ny famonjena, ny hazo fijaliana, ampahafantarina ny olona fa mpanota isika, manota ny tsirairay ary raha tarafina amin'ny baiboly, ny tenin'Andriamanitra dia meloka avokoa ny rehetra, arak'izany toriana ny "fahasoavana", ny Grace omenAtra antsika amin'ny alalan'ny Jesosy Kristy izay tena nataony sorona sns !!! izay no zava-dehibe lazaina voalohany amin'ny olona tsy manana an-Andriamanitra. rehefa tonga saina amin'izay izy, rehefa niasa ao aminy ny Fanahy masina ka mihiratra ny masompanahiny ka tena mahita tokoa sy mahatsapa fa tena meloka ka mandray an'i Jesosy ho TOmpo sy Mpamonjy izy, miova tsikelikely, dia eo no aseho azy tsikelikely ny voasoratra ao amin'ny baiboly sy ny zavatra tsy ankasitrahan'Andriamanitra.
momba ny incarnation ohatra, aseho azy ny tenin'Andriamanitra momba ny fiainana vaovao après la mort,ny fiverenan'i jesosy Kristy; ny resaka tatouage aseho azy ny andininy ao amin'ny baiboly izay mandrara izany ...
tsy tonga dia tenenina hoe izao tsy mety izao tsy mety fa mitsoaka ilay olona, ary tsy izany koa no tokony atao fa toriana aminy ny famonjena, rehefa manaiky an'i jesosy Kristy izy dia miova tsikelikely satria efa ao aminy ny Fanahin'Atra, dia tenenina ampitiavana sy aseho ny andininy ao amin'ny baiboly izay manambara fa tsy mety ny zavatra iray. mety tsy resy lahatra eo ny eo izy fa ny anjarantsika kosa dia mivavaka ho azy mba hiasa ao aminy ny Fanahin'Andriamanitra.
maro ny olona rehefa miteny dia tena masiaka be hoe "tsy azo atao izao sy izao fa very any amin'ny afo be ianao", "esory ity zavatra ity fa tsy araka an'Atra" "raha tsy manaiky an'i Jesosy ianao dia ho very" "raha tonga tampoka Jesosy izao dia ahoana ? aiza ho aiza ianao" .../.... tsy manampy olona mihitsy ireo fa mampitahoatra, ary lasa fatahorana ny ho very no hanekeny an'i jesosy kristy na pour faire plaisir fotsiny fa tsy tena nandray marina an'i Jesosy akory ilay olona.
Averiko, ny hazo fijaliana, ny fitiavan'Atra , ny famonjena, isika mpanota avokoa anefa afaka mandova ny fiainana mandrakizay ao amin'ny Jesosy Kristy, izany no lazaina amin'ny olona, indrindra ny tanora :-) :-) dia tsy mandositra izy fa mihaino tsara :-) sy mametraka fanontaniana izy avy eo.
Tena mahatsiravina tokoa anie fa tato ato tena mirongana be ny new age, aiza ve ka ny dessin animé fotsiny aza dia resaka occulte daholo, miresaka chakra sns no heno ao, ny homosexualité, mampinatra koa fa mahavita tena ny olona, sns .... ny film moa dia tsy lazaina intsony fa manasa antsika aho ny hivavaka isan'andro ho an'ireo zanantsika, ho rakofan'ny ran'i Jesosy isan'andro isan'andro ka tsy hoe victime n'ny new age

12. bichette
(
22/12/2011 09:16)
bor2lais:
Amafisiko ihany : tsy vahaolana amiko ny fandraràna (miendrika didy jadona!) sy ny fampitahorana. Ny fifampiresahana (na/sy fifanazavana) am-pitiavana ihany no heveriko fa mety indrindra ! :-)
Amiko, matoa ianao mandositra fifampiresahana fa mialoka fotsiny amin'ny hoe : "tsy maintsy" satria "izay no voasoratra" dia toa manaporofo ankolaka fa na ianao aza dia tsy dia resy lahatra loatra !
Fomba fihevitro ihany anefa izay ka mety ho diso a, ary ialako tsiny raha toa ka mety manindrona ! Avereno aty amiko raha toa ka ... ! :-)
miombokevitra aminao mihitsy aho !
14. bichette
(
22/12/2011 16:31)
bor2lais:
Hafa ihany ny fanazavana entin'i bichette a ! ;-)
mifampahery eto isika e ! ;-) ;-)
15. taxerick
(
22/12/2011 20:32)
marina ny voalazan' i BICHETTE tena miombo-kevitra @azy za.ny zavatra nolazaiko teny amboalohany dia ny hoe mila mitory ny famonjen'i JESOSY @ireo tanora no vahaolana tsara indrindra ary ny fitoriana filazantsara dia atao ampitiavana fa tsy hitsarana olona velively;ny manaraka dia ny fijoroan-tsika kristiana vavolombelona @izy ireo.mananjavatra azo atao be dia be koa anie isika @sehatra ny fanompoana e!azo taritany @izany izy ireny eny amboaloany(sport,arts:hira,danse,teatra sns)fa rehefa liana @izay izy dia manomboka toriana @ny famonjena,ary ny FANAHY MASINA koa mikasika azy tsikelikely.VAVOLOMBELONA ny @izany ny tenako satria anisan'ny naha CONVERTI AHY fihirana sy fandihizana rehefa nisy nanasa izaho.samia mahery ao@ TOMPO E!ny irariana dia ny itomboan'ny revelation avy @ FANAHY MASINA ISIKA TSIRAIRAY IZAY MIFANAO PARTAGE ETO.AMEN
16. Miharena
(
23/12/2011 06:17)
Didi10:
- Baiboly: Matio 24, hiharatsy sy hiady ny olona any am-parany
New age hifankatia daholo ny olona atsy ho atsy
- Baiboly: Tsy miresaka afa-tsy tany onenan'ny olom-belona
New age mampianatra ny fisian'ny extra-terrestre
Misy fanamarihana akely tiako hatao amin'ireo famitahana ataon'i DIdi10 ireo:
Tsy diso ve ny filazanao Didi10 hoe tsy miresaka afa-tsy ny tany onenan'ny olombelona ny Baiboly? Aiza ny resaka lanitra ao raha izay no tena izy?
Ary ilay teny notsongoina momba ny ady any amparany ve tena anisan'ny tena tanjon'ny Baiboly?
Raha ny momba ny new age, araka ny hevitro, dia mazava fa zava-poronina avy amin'ny zava-misy iainana ihany no mandrafitra azy raha ireo tanisain'i Didi10 ireo no lazaina. Tsy finoana ilay izy amin'izay satria tsy misy fandalinana ny momba ny maha-olombelona sy ny Fotony.
Ny eo amin'ny Kristianina indray dia rehefa tsy ampy tanteraka ary tsy fantatra ireo antsipirian'ny hevitra ambara ao anaty Baiboly ary tsy fantatra tsara hoe iza avokoa ireo mpandray anjara voalaza ao (Andriamanitra, Satana, Anjely, Jesoa, olombelona) dia mandringa ihany ny fahalalàna ka mivarina any amin'ny fombafomba sisa ny finoana ary very ny maha-izy azy. Dia mitovy tsy misy valaka ihany amin'ny famoronan-kevitry ny olombelona koa ilay izy eto.
Araka ny lohahevitra moa dia milaza Didi10 fa mirona any amin'ny new age ny tanora ankehitriny. Rehefa mbola maizimaizina tsy misy fitodiany tokoa ny fampitana ny vontoatin'ny fampianaran'i Kristy ary tsy hain'ny mpitory ny mizara ny Fahazavana tiaNY ampitaina dia mazava fa ireo rendrarendra sy filozofian'ny olombelona araka ny zavatra manintona azy no ironan'ny tanora. Anisan"ny amihen-danja be dia be ny kristiana ny firooroboan'ny fitoriana mifanenjika fa tsy mmaritra mazava ny FOTOTRA izay iaingana sy hanorenana.
17. Prime
(
23/12/2011 10:14)
Miombon-kevitra amin'i Bor2lais koa ny tenako, tsy azo terena ny fitaizana ary tsy amin'ny fampitahorana no ahitan'ny tanora ny fahamarinana... safidy ny famonjena ka tsy hoe raha terenao ny tanora ka manaiky amin'ny vava izy satria matahotra anao dia izay no ahitany ny famonjena... fahajambana indray aza no hahazo azy amin'izany, mampahatsiahy indrindra ireo fariseo sy sadoseo ary mpanora-dalàna tamin'ny andron'i Kristy ka nahatezitra an'i Jesosy raha nanery ny olona ho andevon'ny lalàna izy ireo, indrindra ny nahakasika ny sabata sy ny fifadian-kanina ary ny fahadiovana... ary tsy ho mora ny hanafaka azy amin'izany... ny fanambarana sy ny fitoriana ary ny fanehoam-pitiavana ilay avy amin'i Kristy ihany no lalana tsara mitarika ho amin'ny famonjena.
Raha itarina kely ny lohahevitra entin'i Didi10 dia tsara ihany koa ny mandinika ny loza mitatao avy ato anatiny noho io new age io koa aza... mahakasika ny fomban-drazana sy ny fivavahan-drazana malagasy ary ny fombam-pivavahana mifangaro eto an-toerana entin'ny rivotry ny fandrosoana.

18. didi10
(
23/12/2011 16:42)
Namana Prime, Bor2lais sy ireo rehetra miray hevitra aminy.
Eritrereto hoe trondro isika ka manana zanaka trondro kely tsy ampy trai-kefa amin'ny fiainana ambany rano, misy fintana misy kankana milatsaka ao anaty rano.
Tranga telo no mety hiseho
1/ Tsy hiteny isika lehibe na mahafantatra ny loza aza fa avelao hisafidy ny tanora.
2/ Hanome toro-hevitra ny zana-trondro ny lehibe hoe, andramo ka hano, sokisokiro tsara ny sisiny fa aza manao iraim-bava dia tsy haninona ianareo.
3/Handrara avy hatrany hoe aza mikitikitika io kankana io mihitsy na kely aza fa raha lasan'io any dia izao sy izao no zavatra mety hitranga.
Manontany anareo aho iza amin'ireo trondro kely ireo no mety ho ela velona 1 sa 2 sa 3
Tsy tianao ny zanakao, tsy tianao ny tanora malagasy raha misafidy ny 1 sy 2 ianao,
ny tena ratsy amin'ilay 2/ dia ampianarinao handia ny lalan-diso efa nodiavinao izy.

19. bor2lais
(
23/12/2011 17:03)
Radidi > ahoana moa no tonga dia feranao ho ireo tranga 3 ireo ihany no azo aseho ? Izay ilay antsoin'ny namana anao hoe hidinao fa tsy sokafanao ny fifampiresahana !
Am-pitiavana ! (tsy tadidiko iza moa no mpampiasa an'io teny io teto, fa tsaroako tampoka) ;-)

20. rijadolly
(
23/12/2011 18:24)
Ny tena tian'ny Didifolo ambara raha azoko tsara dia tsorina amin'ireo tanora ny marina mety ahazo azy raha ohatra ka mandika ny lalàna iray izy ireo. Ny marina hoy aho fa tsy afenina ka mahatonga antsika hanan-tsiny. Ohatra iray, tsy maintsy ambara azy fa manimba ny tena ny finjangajangana, ary izay manimba ny tena dia ho sombaina.
OHABOLANA 6: 32 Izay mijangajanga amin'ny vehivavy dia tsy ampy saina;
Izay ta-hanimba tena no manao izany.
KORINTIANA VOALOHANY 3: 6 Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra hianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra ao anatinareo?17 Raha misy manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimban'Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin'Andriamanitra, dia hianareo izany.
Tsy misy zavatra mampitahotra mihitsy izany fahamarinana izany na iray aza. Ny olona matahotra lalàna dia olona mpadika lalàna.