New age, loza mitatao ho an'ny tanora malagasy

21. Miharena ( 24/12/2011 03:07)


- Baiboly: Matio 24, hiharatsy sy hiady ny olona any am-parany
New age hifankatia daholo ny olona atsy ho atsy

- Baiboly: Tsy miresaka afa-tsy tany onenan'ny olom-belona
New age mampianatra ny fisian'ny extra-terrestre




Misy fanamarihana akely tiako hatao amin'ireo famitahana ataon'i DIdi10 ireo:

Tsy diso ve ny filazanao Didi10 hoe tsy miresaka afa-tsy ny tany onenan'ny olombelona ny Baiboly? Aiza ny resaka lanitra ao raha izay no tena izy?

Ary ilay teny notsongoina momba ny ady any amparany ve tena anisan'ny tena tanjon'ny Baiboly?



Ialana tsiny amin'i Didi10 fa teny diso tsy mba kabary, latsaka ny p tamin'ilay fehezanteny etsy ambony, fampitahana fa tsy famitahana no tiana ambara fa miala tsiny indrindra.

Sady miandry valinteny avy aminao koa raha azo atao ny amin'ireo fanontaniana ireo.
Misaotra mialoha.
22. bichette ( 26/12/2011 23:22)

rijadolly:

Ny tena tian'ny Didifolo ambara raha azoko tsara dia tsorina amin'ireo tanora ny marina mety ahazo azy raha ohatra ka mandika ny lalàna iray izy ireo. Ny marina hoy aho fa tsy afenina ka mahatonga antsika hanan-tsiny. Ohatra iray, tsy maintsy ambara azy fa manimba ny tena ny finjangajangana, ary izay manimba ny tena dia ho sombaina.
OHABOLANA 6: 32 Izay mijangajanga amin'ny vehivavy dia tsy ampy saina;
Izay ta-hanimba tena no manao izany.

KORINTIANA VOALOHANY 3: 6 Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra hianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra ao anatinareo?17 Raha misy manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimban'Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin'Andriamanitra, dia hianareo izany.

Tsy misy zavatra mampitahotra mihitsy izany fahamarinana izany na iray aza. Ny olona matahotra lalàna dia olona mpadika lalàna.


ka izao anie ny olana ry reto ee !!! , raha raisintsika hoe voatory ilay tanora, nolazaina aminy koa fa manimba ny tenany ny mijangajanga sns, manimba fiaraha monina sns ary na dia fantatr'ilay tanora aza fa tsy mety ny mijangajanga, ary fantany koa fa tempolin'Andriamanitra izy sns, mety ekeny izany, manaiky izy, ny zavatra ambara azy rehetra dia ekeny avokoa FA NY MAHA OLOMBELONA AZY NO METY MITAKY IZANY ACTE DE FIJANGAJANGANA IZANY : ny emotion, ny filàna, ny fahazaran'ny nofo, ny sentiment envers ilay olona tsy tokony hiarahany, ny nature charnel ;

Ovaiko kely ilay ohatra, dia hoe raha olona alkolika no tenenina, resy lahatra izy fa ratsy, resy lahatra izy fa manimba ny vatany ary manimba ny fifandraisany amin'ny fiaraha monina ihany koa, ny tokatranony, mandany vola ary tsy araka an'Andriamanitra ENY FA NA DIA FANTANY AZA IZANY REHETRA IZANY, METY MAFY DIA MAFY AMINY ANIE NY MIJANONA SATRIA NY NOFONY MIHITSY NO EFA MILA ILAY TOAKA E !!! KA NA DIA MAHAFANTATRA AZA IZY FA TSY METY SY MAMPALAHELO NY FANAHY MASINA et tout le tralala, DIA METY SAROTRA HO AZY NY MIJANONA SATRIA MIJALY DIA MIJALY IZY ; izay no mahatonga ny ankamaroan'ny kristianina mbola "voafatotra" na dia fantany tsara izao aza fa tsy mety ! ary zavatra hita be dia be eo amin'ny fiainana kristianina mihitsy izany "karazana fatotra" izany, eny fa na dia efa nandray an'iJesosy kristy aza izy ka noho izany :

(raisiko ilay resaka toaka satria ilay resaka fijangajangana somary tsy tena concret ny ohatra) ny fitenenana ny tanora hoe tsy mety sy tsy araka an'Andriamanitra ny zavatra iray, ny toaka, TSY AMPY HANOVANA OLONA IRAY IZANY. METY VAO MAIKA AZA MAMPI SE CULPABILISER AZY ny fieritrerenany hoe "tokony tsy hisotro intsony izy, tokony hiala toaka satria mampalahelo an'Andriamanitra, mety haha-decu olona .../..." ary miady amin'izany izy isan'andro, mety hilatsaka indray aza, avy eo mi se culpabiliser mafy dia mafy, dia rehefa tafisotro izy dia tsy sahy mivoaka sy tsy te hahita olona intsony, indrindra moa ny olona kristianina satria matahoatra ny fijerin'ny olona izy dia aleony mijaona ao antrano sy mi se culpabiliser ao, raha tonga dia aseho azy ny andinin'ny soratra masina mampiseho fa tsy hiditra ao amin'ny fankajan'Atra izy amin'io fahalemeny io dia vao maika tena mety hakahala ny tenany mihitsy izy, tena hi en vouloir au monde entier, ireo olona namorisika azy holatsaka amin'ilay fahotana, mieritreritra izy hoe "rehefa afaka aho vao hiverina hijery ireo kristianina indray" na hoe "eee !!!! efa tsy avotra intsony aho fa tena tsy tafala amin'ito zavatra ito aho anefa ny baiboly dia tena mazava, ka dia eee !!!!!! vita ny amiko e !!!! tsy tian'i Tompo aho " .. indrindra indrindra izy tsy te hahita ilay olona nitory azy sao tafitohina ilay nitory, sao mitsara azy sns dia : na izy mihatsara velatsihy, na izy mitsoaka ilay olona ary mitady hevitra sy antony foana tsy hahitàny ilay kristianina nitory taminy sao rejeter, sao mi decevoir, sao mi choquer sns anefa tsy fidiny ho azy anefa ilay izy fa ny nofony no efa mitaky ilay toaka ; maro ny kristianina tratran'io zavatra mamatotra io, manimba azy anefa izany

Sombitsombim-pilàna (addiction) : fijangajangana, fitiavam-bola diso tafahoatra, porno, masturbation, toaka diso tafahoatra, sakafo diso tafahoatra, (ohatra koa hoe chocolat, glace ...) sns ...

manezaka ilay olona hiala amin'ny toaka ary manao izay hahafahany mihitsy izy mba tsy hampalahelo an'i Jesosy Kristy, nolazaina taminy koa moa fa ny mpimamo, ny mpijangajanga dia tsy miditra ny fanjakan'ny lanitra ka tena matahoatra dia matahoatra izy ; mifona mafy izy ary tena mahatsiaro meloka ary midradradradra mi se culpabiliser mihitsy aza izy raha sendra tsy nahatohitra ny toaka ! dia toa izany ny fiainany isan'andro ; tsy sahy mandray andraikitra ao ampiangonana, maka coin foana, mihatsara velatsiny, mody masina beuuuuu ;-)

----> TSY IZANY ANEFA NO TOKONY HISEHO !!! ary tsy tokony hilatsaka amin'izany ireo olona toriana sy ambarana ny tenin'Andriamanitra

Amiko, dia mbola mipetraka hatrany ilay hoe : "tsy angatahina ilay olona hiala, tsy arantiranty aminy daholo ny coté negatif ny acte-ny rehetra ; surement fantany tsara izany, efa nanana fotoana izy lucide ka nanao auto critique, surement efa nisy nilaza taminy izany, efa noeritreretiny ; ary rehefa avy nitoriana izy dia vao maika koa miampy hoe mampalahelo an'i Jesosy koa ny ataony ary tena tsy ankasitrahan'Andriamanitra

AMBARANA AZY NY FAMONJENA SANS POUR AUTANT RESAHINA directement et tt de suite NY FAHALEMENY; ambarana azy fa tsy misy tanteraka na dia iray aza, fa tellement lehibe ny fitiavan'Andriamanitra dia nomeny ny zanany lahy tokana ka tsy ho very izay rehetra mino sy mandray Azy ; tsy hadinoina ny manambara fa mpanota daholo isika rehetra, maka ohatra vitsivitsy mampiseho izany, ny didy folo fotsiny ohatra, dia miaiky hoe tena tsy mendrika ary tarihana hibebaka ilay olona, lazaina Azy fa Andriamanitra dia mamela heloka

Lazaina Azy ny momba an'i Jesosy, lazaina Azy tanteraka mihitsy : tsy diluer-na, tsy anesorana, tsy ovaina, tsy amboamboarina. LAZAINA AZY FA MANAFAKA NY TOMPO amin'ny fahotany. Andriamanitra fitiavana ny Tompo ARY TSY MI EXIGER PERFECTION ; RAHA MISY ZAVATRA MAMATOTRA DIA ENTINA EO AN TONGOTRY JESOSY IZANY ARY LAZAINA AZY FA MALEMY SY MANANA FALEMENA KA MANANTONA AZY MBA HAFAHANY; Izany no anisan'ny sorona nataon'i Jesosy;

Noho izany, raha olona misotro toaka, dia tsy tenenina azy hoe "tsy araka an'Atra ny toaka ka debrouille toi mba ho afaka fa tena mila afaka ianao" ; Eny mila afaka tokoa satria tsy ankasitrahan'Andriamanitra fa raha toa izany no tenenina amin'ilay olona, mampi se culpabiliser azy izany ka tsy mety. FA : ambarana azy ny fitiavan'i Jesosy Kristy sy ny hazo fijaliana, ny tenin'Andriamanitra izay manafaka "vous connaitrez la verité et la verité vous rendra libre" : romana 8. Entanina izy hametraka ny addicted eo antongotry Jesosy fa Jesosy no manafaka, entanina izy hamaky ny tenin'Andriamanitra satria ny tenin'Andriamanitra no sabatra roa lela manafaka. Lazaina Azy fa tsy tokony hi se culpabiliser Izy fa entiny eo amin'ny Jesosy ny enta-mavesatra fa Jesosy no hanafaka Azy. izany no nahafatesan'i JESOSY

Ary izany anie no tokony ho izy e ! raha misy zavatra mamatotra antsika dia entika eo amin'i Jesosy izany. Dieu "n'exige pas" de nous la perfection pour venir à Lui, tsy hoe rehefa vitantsika olombelona ny afaka amin'ny filàna, amin'ny drogue, toaka sns izay vao ankasitrahan'i Tompo na hoe izay vao hiditra fiangonana na hoe izay vao faly Jesosy : TSIA. Isika manana fahalemena iny indrindra no tena hiriany hanantona Azy sy hitady Azy satria tia antsika Izy ka te hanafaka antsika rehetra, hanapatapaka ny gadra, ilay filana tsy mety afaka amintsika io, tiany hafahana isika. Tsy ny herintsika fa Izy no hanafaka , isika kosa "MANANTONA" sy mitady Azy mba ho hafahany.

Izay no tena izy !!!!!

ka noho izany, ireo tanora, raha hiverenana ny sujet ;-) :-) dia important ny fahafantarany tanteraka ny filazan-tsara, ny famonjena, ny fiainana vaovao, isika mpanota, Jesosy manafaka mba hanantonany ani Jesosy satria te hanana fiainana mandrakizay Izy ary tena tia an'Andriamanitra fa tsy hoe fatahorana ny elo fotsiny akory.

:-)

Misy koa anefa na dia fantany aza fa tsy ankasitrahan'ny TOmpo ny zavatra iray, anefa tiany ilay zavatra, tin'ny nofony mihitsy ilay izy ary tsy hitany izay maharatsy azy fa manana ny argument-ny hafa mihitsy izy , ohatra hoe ny "fornication" ohatra. lazaina azy ny famonjena otran'ny voalaza etsy ambony, tsy hiadian-kevitra aminy fa toriana azy tsotra ny filazan-tsara, entanina izy ho tia an'i Tompo, hamaky baiboly, handalina ny tenin'Andriamanitra, ary raha tena ao aminy ny Fanahy Masina sy mihinana ny sakafom-panahy isan'andro izy dia ny Tompo no hanova azy sy hanokatra ny sainy ka hahita fa tsy mety izany. "vous connaitrez la verité et la verité vous affranchira"
Isika kosa, mivavaka ho Azy foana mba hitombo ny "voa" nafafy; nafafy ny voa, isika kosa manondraka izany amin'ny vavaka ary ny Tompo no mampitsiry Azy araka izay hitany fa mety, ny fitomboan'ilay voa tsy anjarantsika fa an'Andriamanitra izany, raha tiany hitombo haingana na hitombo tsikelikely, tsy anjarantsika mihitsy izany. ny anjarantsika dia mikarakara ilay "tany", mametraka ny voa araky ny tokony ho izy tsara dia manondraka izany amin'ny vavaka, vavaka, vavaka.

izay indray aloha ! miala tsiny fa lava be loatra izany zavatra lazaiko izany an ! :-0


23. didi10 ( 27/12/2011 09:08)
Namana bor2lais

Misy possibilité hafa ankoatry ireo 3 ireo ve?

Raha misy dia azavao ny hevitrao!

Ny eritreritro dia mitady "ésquive" ianao mba tsy hamaliana ilay fanontaniana momba ireo trondro kely.
24. zokieva ( 27/12/2011 11:06)
Mila manao tsy omby aloha isika @ fitoriana sy fanabeazana ara-tsoratra masina dia mila mijoro tsara koa @ toetra sy fihetsika fitafy indrindra fa ny toe-po!
25. bor2lais ( 27/12/2011 11:40)
didi10:

Eritrereto hoe trondro isika ka manana zanaka trondro kely tsy ampy trai-kefa amin'ny fiainana ambany rano, misy fintana misy kankana milatsaka ao anaty rano.

Tranga telo no mety hiseho
1/ Tsy hiteny isika lehibe na mahafantatra ny loza aza fa avelao hisafidy ny tanora.
2/ Hanome toro-hevitra ny zana-trondro ny lehibe hoe, andramo ka hano, sokisokiro tsara ny sisiny fa aza manao iraim-bava dia tsy haninona ianareo.
3/Handrara avy hatrany hoe aza mikitikitika io kankana io mihitsy na kely aza fa raha lasan'io any dia izao sy izao no zavatra mety hitranga.

Manontany anareo aho iza amin'ireo trondro kely ireo no mety ho ela velona 1 sa 2 sa 3

Tsy tianao ny zanakao, tsy tianao ny tanora malagasy raha misafidy ny 1 sy 2 ianao,
ny tena ratsy amin'ilay 2/ dia ampianarinao handia ny lalan-diso efa nodiavinao izy.

didi10:

Namana bor2lais

Misy possibilité hafa ankoatry ireo 3 ireo ve?

Raha misy dia azavao ny hevitrao!

Ny eritreritro dia mitady "ésquive" ianao mba tsy hamaliana ilay fanontaniana momba ireo trondro kely.

Izaho manokana moa no resahinao eto ka hiezaka aho hamaly anao ary hanaraka ny "jeu"-nao (maka ny toeran'ny trondro lehibe misaina tahaka ny olombelona) :
- raha ilay tranga 1 aloha dia tsy fihetsika Kristiana akory satria mijery arina an-tava mariky ny tsi-fitiavana (mifanohitra amin'ny soa toavina Kristiana), noho izany tsy asiana resaka ny amin'iny !
Eo amin'ny fomba fametrahanao ireo tranga anie dia efa hita mazava ny tranga tianao avohitra arahina e : mbola tsy misokatra ny fifanakalozana dia efa "terenao" (ankolaka) ny safidy !
Tranga 2 : Hanome toro-hevitra ny zana-trondro ny lehibe hoe, andramo ka hano, sokisokiro tsara ny sisiny fa aza manao iraim-bava dia tsy haninona ianareo.

Hoy ianao hoe fampianarana lalan-diso efa nodiavina ilay izy ! Somary gaga ihany aho tamin'ny voalohany tamin'io tsoa-kevitra io ! Raha izay tokoa ahoana no mbola maha eo anao ihany (raha ity lalao ity no jerena) ? ;-)

Rehefa jerena ilay "formulation" nataonao dia mety nijanona teo amin'ny hoe "andramo ka hano" angamba ianao na io no masaka tao an-tsainao (fa tsy nijery ny tohiny) ka nahatonga anao nihevitra fa làlan-diso ilay izy ! ;-)

Azo atao tsara ohatra ny miteny hoe :
Tranga 2 bis : sokisokiro "moramora" tsara ny sisiny aloha ( :-) ) fa aza manao iraim-bava, avy eo dia andramo ka raha tianareo dia hano ...
Mety hafa ny fandraisana azy amin'izay e ! :-)

Amiko dia mbola azo atao ny manambatra ny tranga 2 sy 3 :
Tranga 4 : hazavaina ny antom-pisian'ilay kankana eo amin'ny fintana, lazaina ny mety ho vokatry ny tsi-fitandremana raha manakaiky azy. Ao anatin'ny fitandremana ny tranga 2 bis lazaiko etsy ambony !

Fanoroana sy fampianarana am-pitiavana fa tsy fanerena ilay izy ! Ary zava-dehibe ny fomba fiteny amin'izay ! :-)

Fomba fijeriko ihany anefa izay ! Ary miala tsiny raha toa tsy tena nipetraka amin'ny toeran'ny trondro (izay moana tsy miteny ... :-) ) fa tsy maintsy nampiteneninao ! ;-)
26. didi10 ( 27/12/2011 11:54)
Namana Miharena

Ny fampitahana noentiko dia nalaina tao amin'ny site izay nomeko tao ambony ny référence ny,
raha tsy azonao angamba ny tiany ambara dia hamafisiko fa "tany onenana" na "terre habitée" no tiany lazaina.

Ilay ilay fifankahalana sy ady any amparany dia faminaniana "prophétie" ary Jesosy en personne mihitsy ny nanome izany faminaniana izany:

Matio 24 3-10
3 Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan'izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan'izao tontolo izao.
4 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo, 5 Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany. 6 Ary handre ady sy filazana ady hianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany. 7 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa. 8 Fa izany rehetra izany no fiandohan'ny fahoriana.
9 Ary dia hatolony ho amin'ny fahoriana hianareo ka hovonoiny; ary ho halan'ny firenena rehetra hianareo noho ny anarako. 10 Ary amin'izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy.

FANAMBARANA NY ZAVATRA TSY MAINTSY HO AVY IO SA IANAO MAHITA TOKO SY ANDININY HAFA MILAZA FA TSY HO TONGA IZANY? SA EFA NAKA COULEUR NEW AGE MIHARENA?
27. Miharena ( 28/12/2011 07:32)
Tsy maka couleur New Age aho Didi10 fa manamarika zavatra tsy manana tanjona ao anatin"ny fanamarihana nataon'ny olona avy amin'ny site nolazainao. Indrindra moa fa mikasika ny Baiboly.

Ny amin'ny hoe faminaniana indray ao anaty Baiboly dia azontsika lazaina fa misy ireo izay toa mihevitra fa tsy mbola tanteraka daholo ireo voalaza fa misy fananganan'ady ireo nefa azoko antoka fa efa tanteraka izany ary tonga amin'ny fotoana ifaranan'izany aza isika izao. Ka izay no nilazako hoe marina ny fihavanan'ny olombelona rehetra atsy ho atsy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1094