Ahoana no fomba hampitana ny Baiboly amin'ny olona tsy namaky izany mihitsy
1. Miharena
(
03/11/2011 14:48)
Sendra nahatsiaro ny toriteny iray nilaza ny nahazo mpitory iray nampamaky Baiboly an'i Gandhi aho ka nilazanity farany hoe tsara ny boky nampamakianao ahy fa saingy tsy ho Kristianina velively aho noho ny fahitako ireo toetran'ny olona ao.
Asa hoe tsy ny tsara tao ve no noraisin'ny Kristianina sa inona no mety hitan'i Gandhi?
Dia ahoana tokoa ny fandresan-dahatry ny mpino? Indrindra moa ka isika lehbe izay mikolokolo ny zanatsika izay olona tsy manan-tsiny nefa tezaina avy amin'ny Baiboly. Aiza ho aiza ny fahaizantsika milaza aminy ny marina sy ny mahitsy?

novalian'i niryna ny 26/11/2011 17:08
2. Tefigasy
(
04/11/2011 05:18)
Ahoana ny fomba hampitana ny Baiboly amin'ny olona tsy mamaky izany.
1. Raha tsy mahay mamaky teny ilay olona dia ampianarina mamaky teny izy aloha dia avy eo mamaky baiboly
2. Raha olona kamo tsy te hikitika baiboly indray nefa mba misy sofina mihaino ihany dia asaina mihaino radio ara-pilazantsara
3. Raha sady marenina no jamba indray dia efa misy baiboly natokana ho azy ireo.
4. Raha olona efa namaky ny baiboly indray no nisafidy ny tsy hamaky intsony sy tsy hanaraka an'i Jesoa, dia efa safidiny izany. Tsy azonao terena izy. Tsy tsara raha izay metimety aminy ihany no atolotra azy ao anaty baiboly. Ohatra Andriamanitra dia fitiavana. Izay ihany no asaina vakiany ao anaty baiboly fa tsy aseho azy fa misy ihany koa anie ny farihy mirehitra afo sy solifara e! Betsaka ny olona mieritreritra fa tokony sady afaka manompo sampy izy no afaka manompo an'andriamanitra.
Ka rehefa tsy metimety aminy ny baiboly dia aoka izy hisafidy izay andriamanitra tiany hivavahana : raha bala no andriamanitra dia aoka izy no hivavahana, raha Jehovah no andriamanitra, aoka izy no hivavahana.

3. LazaDaddy
(
04/11/2011 06:29)
Asa'ny Fanahy Masina ny fandresen-dahatra fa tsy asan'ny mpino.
Mifono fanetre-tena lehibe izany ary tsara tadidiana fa na dia ny finoan'ny mpino aza dia fanomezana avy amin'Andriamanitra.

5. Miharena
(
04/11/2011 14:42)
Zokieva:
Ka rehefa tsy metimety aminy ny baiboly dia aoka izy hisafidy izay andriamanitra tiany hivavahana : raha bala no andriamanitra dia aoka izy no hivavahana, raha Jehovah no andriamanitra, aoka izy no hivavahana
Lovantsofina no iorenan'ny finoana raha toa ka atao hoe izay voasoratra ao anaty boky (Baiboly, Coran, Evangile de Boudha sns...) no isintonana azy. Fifampitaizana sy fifampikolokoloana no tokony hampiorina ny finoana. Ary ny fikarohana manokana ho an'ny tsirairay aza no tokony hampiorina azy bebe kokoa.
Rehefa mandeha ny fifanakalozana dia hita eny ihany ny olona manjary olon'ny boky sy ny olona miorimpaka maneho izay hevitra mahitsy izay lasa fianany mihitsy fa tsy indramina intsony ao anaty boky. Izay no manome Teny Fiainana ary ny Fanahy Masina no miteny ao anatiny ary mora voampita amin'ny manodidina ny Teny amin'izay fotoana izay.
Fomba fianana sy firesaka dia efa mety handresy lahatra ny manodidina na dia tsy miteny akory aza ny olona izay Mazava fo.
Raha miverina kely amin'ny resaka nataon'i Gandhi eo ambony io dia mahita izy fa tsy lalimpaka ny Kristianina. Izy dia notezaina tamin'ny finoana Hindoue izay mandalina kokoa ny momba ny fiainana ka mino fa réincarnation no mihatra amin'ny olona tsirairay avy ka mibaby ilay atao hoe karma (antontam-pahadisoana teo amin'ny fiainana teo aloha) ny tsirairay alohan'ny idinany ho nofo indray. Izany hoe tsy misy ny zava-mitranga zay tsy amin'antony eo amin'ny fiaianan'ny olona tsairairay fa ilay vesatra teo aloha no mihatra. Ny an'ny Boudha moa dia afaka io cycle io rehefa manana ny état boudhique ny olona. Izany hoe nahita ny mazava sy ny fahamarinana ka mandroso amin'ny dingana manaraka. Ireo dia samy mino ny fiainana mandrakizay.
Ny an'ny Kristianina sy ny Silamo moa dia mazava fa ny fiainana mandrakizay ao am-paradisa no kendrena ary mila conditions ny mankao.
Ireo rehetra ireo anefa dia tokony tsy hanomezantsiny izay mandray azy avy fa tokony hanana safidy malalaka ny olona amin'ny finoany. Saingy ny tsapa indraindray dia mikorontana kokoa ny Kristianina raha oharina amin'ny hafa. Izay fkorontanana izay no tokony hojerena tsara ny fotony ahafahana mampijoro ny maha-fahamarinana fototra ny Baiboly izay toriana.
6. rijadolly
(
04/11/2011 21:16)
Hoy i Miharena:
Lovantsofina no iorenan'ny finoana raha toa ka atao hoe izay voasoratra ao anaty boky (Baiboly, Coran, Evangile de Boudha sns...) no isintonana azy. Fifampitaizana sy fifampikolokoloana no tokony hampiorina ny finoana. Ary ny fikarohana manokana ho an'ny tsirairay aza no tokony hampiorina azy bebe kokoa.
Hatreto aloha dia tsy mbola nisy nilaza ny Baiboly fa tsy ampy hitondra tena Finoana an'Andriamanitra sy Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina afa tsy izay milaza ny Baiboly ho diso sy nilaozan' toetr'andro, hany ka mamorina Baiboly vaovao hampihorina ny Finoany. Ny teniNY no mitondra Finoana noho ilay TeniNy manome aim-baovao sy Fahamarinana Marina fa tsy ny fifampitaizana sy fikolokoloiana izay tsy mbola fanta-pototra na avy any Aminy na tsy.
Miharena:
Rehefa mandeha ny fifanakalozana dia hita eny ihany ny olona manjary olon'ny boky sy ny olona miorimpaka maneho izay hevitra mahitsy izay lasa fianany mihitsy fa tsy indramina intsony ao anaty boky. Izay no manome Teny Fiainana ary ny Fanahy Masina no miteny ao anatiny ary mora voampita amin'ny manodidina ny Teny amin'izay fotoana izay.
bokin'iza? bokin'olombelona izay noforoniny ve? Marina tokoa izay voalazanao raha izay. Fa raha ny TeniNY kosa no entina maneho ny fifampizarana dia iarahatsika manaiky ny vokatra na ho an'ilay mizara na ho an'ilay mandray ilay TENY. Ny zavatra tsara ho fantatra anefa dia nisy ireo no tsindrian'Fanahin'Andriamanitra talohatsika. Sanatria lany andro izy ireny ka ho diso rehefa aty aoriana noho izay heveritsika fa ny atsika no marina nefa mifanohitra izay lazain'ny Zanaka ilay antsika. Manamarin-tena isika satria mpandalina, hany ka tsy manaiky intsony tarihan'ilay Fanahy izay mandiso ny fandalinantsika ka manolana izay voalaza ny Fototra Ihorenan'ny Fahendren'Andriamanitra, dia Jesoa Kristy izany. Dia io tenin'io Zanaka io no ho disoana sy ovana na aholana hitovy ny fandalinantsika. Io fandalinantsika io anefa araka ilay voalazanao dia nohamafisina tamin'ny boky maro izay novakiana fa tsy ny TeniNY irery ihany novakiana.
Tsy aiko na manolan-kevitra se hoe boky ny Baiboly fa tsy te-hilaza mivantana, fijeriko io an! Ka raha izay no hevitry se dia tsy diso mihitsy ny hevitro hatramin'izay milaza hoe hamorina Baiboly tena marina araka izay fandinihan'se ise.
Ireo rehetra ireo anefa dia tokony tsy hanomezantsiny izay mandray azy avy fa tokony hanana safidy malalaka ny olona amin'ny finoany. Saingy ny tsapa indraindray dia mikorontana kokoa ny Kristianina raha oharina amin'ny hafa. Izay fkorontanana izay no tokony hojerena tsara ny fotony ahafahana mampijoro ny maha-fahamarinana fototra ny Baiboly izay toriana.
Ohatry ny hevitsika sy se izay tsy mety mifanaraka mihitsy ô! Tsy misy marimaritra iraisana ny Fanjakan'Andriamanitra izay tatanan'Ilay Mpanjaka ny mpanjaka, matoa misy ny tsy fitovian-kevitra dia noho ny fisian'Fahamarinana izay tena Marina. Iza no Marina? Ny TENINY.
7. Miharena
(
05/11/2011 05:12)
Ny valin-teny rehetra ataon'i Rijadolly eo ambony moa dia vokatry ny fiheverany hatrany fa manolana ny Teny ny olona (izaho no marimarina kokoa). Izaho aloha dia mahatsapa fa maro be tokoa ny mpitory teny no ny voasoratra ao anaty Baiboly no hazavainy diso fa tsy hazavainy marina.
Ohatra, misy singa tokana tsy lazainy mihitsy rehefa manazava izy nefa io no singa fototra tokony hiaingan'ny fanazavana rehetra manaraka ao anaty Baiboly manomboka any amin'ny Genesisy ka hatramin'ny Apokalypsy. Io ilay singa mialza hoe : andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika.
Raha izaho no anontanianao dia io no hany mba tiako zaraina lalandava satria io avokoa no fototry ny fanambaràna rehetra ao amin'i Kristy hatraiza hatraiza.
Rehefa tototra ny saina dia very io dia tsy mahalala intsony ny olona hoe : endrik'Adriamanitra anie i ranona mpangalatra fa ny fiaraha-monina natsangantsika no nahatonga azy nanana toetra toy izao. Dia izay no fifampitaizana ilaina amin'izao fotoana izao.
Ireo boky moa dia lazaintsika fa isika olombelona no namorona azy. Tsia, izay nampanoratana azy ihany no nozarain'ny mpanoratra ka zaraina eto fa tsy izaho no mamorona Rijadolly. Ary fantatro fa marina sy manazava marina ny TENY ao anaty Baiboly vakiako ny fanambarana ao amin'ny boky hafa izay azoko antoka fa i Kristy no miteny ao.
Ka raha mivavaka ny Rainay any an-danitra ianao, dia io ihany fikirina fa aza mandeha any amin'ny fakam-panahy ka hiaina fiheveran-diso hatrany.
Ity angamba no tsy dia voaraikitra loatra : ilay resaka tempolin"Andriamanitra. Tsy misy afa-tsy ny FO izany tempoly izany.
Ka rehefa miresaka amiko Rijadolly, dia mijere aloha ao anaty fa izay avokoa no itombenan'ny resako rehetra fa izaho tsy mijery ivelany mihitsy. Izay no mety hampitovy hevvitra antsika angamba.

8. rijadolly
(
05/11/2011 08:05)
Ny valin-teny rehetra ataon'i Rijadolly eo ambony moa dia vokatry ny fiheverany hatrany fa manolana ny Teny ny olona (izaho no marimarina kokoa). Izaho aloha dia mahatsapa fa maro be tokoa ny mpitory teny no ny voasoratra ao anaty Baiboly no hazavainy diso fa tsy hazavainy marina.
Fa vitsy ny tahaka an'se milaza ny marina?
9. rijadolly
(
05/11/2011 08:08)
Ohatra, misy singa tokana tsy lazainy mihitsy rehefa manazava izy nefa io no singa fototra tokony hiaingan'ny fanazavana rehetra manaraka ao anaty Baiboly manomboka any amin'ny Genesisy ka hatramin'ny Apokalypsy. Io ilay singa mialza hoe : andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika.
Mitovy hendrika fa tsy Andriamanitra Miharena a! Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina ihany no Andriamanitra fa tsy ny devoly koa izay miady ny toeraNY.
10. rijadolly
(
05/11/2011 08:15)
Miharena:
Raha izaho no anontanianao dia io no hany mba tiako zaraina lalandava satria io avokoa no fototry ny fanambaràna rehetra ao amin'i Kristy hatraiza hatraiza.
Ilay hoe Andriamanitra daholo ve?
11. rijadolly
(
05/11/2011 08:24)
Miharena:
Ireo boky moa dia lazaintsika fa isika olombelona no namorona azy. Tsia, izay nampanoratana azy ihany no nozarain'ny mpanoratra ka zaraina eto fa tsy izaho no mamorona Rijadolly. Ary fantatro fa marina sy manazava marina ny TENY ao anaty Baiboly vakiako ny fanambarana ao amin'ny boky hafa izay azoko antoka fa i Kristy no miteny ao.
Dia mety ve izany amin' Miharena e! "A" no tenenin'Kristy hoe ataoNY anaty toerana izay misy vala no asiaNY ny ondriNY, nefa dia "Z" no lazaina fa teniNY hoe :mitambatra ao daholo na ny ambodia mpihinana ny OndriNY aza, dia atao inona vala? Mampihomehy be izany.
12. rijadolly
(
05/11/2011 08:35)
Miharena:
Ary fantatro fa marina sy manazava marina ny TENY ao anaty Baiboly vakiako ny fanambarana ao amin'ny boky hafa izay azoko antoka fa i Kristy no miteny ao.
Inona no antoka nahafatarana fa avy any amin'Kristy ilay izy? manaiky sa manohitra ny teniNY ve? Sa tenenina fotsiny hoe avy any io dia mino tokoa? izay miteny hoe samy ho voavonjy avokoa na ny satana devoly aza ve?
JAONA I : 1 Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao.
Mazava io teny io fa misy ny tsy avy any amin'Andriamanitra.
13. rijadolly
(
05/11/2011 08:50)
Ka raha mivavaka ny Rainay any an-danitra ianao, dia io ihany fikirina fa aza mandeha any amin'ny fakam-panahy ka hiaina fiheveran-diso hatrany.
Ahitsio ny fihevitrao Miharena fa tsy midika tsy fisian'ny fanahy ratsy satana ny manohitra azy na ny fahareseny.
Miharena:
Ity angamba no tsy dia voaraikitra loatra : ilay resaka tempolin"Andriamanitra. Tsy misy afa-tsy ny FO izany tempoly izany.
Tsy diso io tenin'se io fa kosa tsy ampy,
MARKA 12: 30; LIOKA 10: 27; MATIO 22: 37 Dia hoy Jesosy taminy: "Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra; ary ny herinao rehetra" ( Deo.6.5).
14. rijadolly
(
05/11/2011 09:01)
Miharena:
Ka rehefa miresaka amiko Rijadolly, dia mijere aloha ao anaty fa izay avokoa no itombenan'ny resako rehetra fa izaho tsy mijery ivelany mihitsy. Izay no mety hampitovy hevvitra antsika angamba.
Ny tsy mapitovy hevitra antsika Miharena dia ilay voalazan'ilay boky nolazainao fa voavonjy avokoa na ny devoly satana aza. Ary izay hevitra izay no toheriko hatramin'ny farany avy amin' alalan'Teninin'Jesoa kristy izay ao anaty Baiboly, fa tsy tenin'olombelona izay mbola tsy fantatra na avy aiza na avy aiza.
15. Miharena
(
05/11/2011 09:14)
Mitovy hendrika fa tsy Andriamanitra Miharena a! Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina ihany no Andriamanitra fa tsy ny devoly koa izay miady ny toeraNY.
Ilay hoe Andriamanitra daholo ve?
Iray ao amin'Andriamanitra daholo no tiana lazaina raha miteny hoe silak'Andriamanitra ny tsirairay. Iray no ipoirany dia ny Ray lazain'i Kristy.
Tsy mitombina ny teny hoe miady ny toeraNY ny devoly satria ny antontam-pahadisoam-piheverana tsy persona ka afaka handray ny toeran'Andriamanitra.
Ny amin'ilay hoe Andriamanitra daholo ve? raha mamaky tsara ny resak'i Krsity tamin'ny Fariseo ianao izay nilazaNY fa avy amin'Andriamanitra IZY dia nampahatsiahy ny Fariseo Izy hoe jereo ny Soratra fa misy milaza ao hoe Andriamanitra ianareo. Mila vakiana tanteraka ny Baiboly no dikan'izany fa tsy tonga dia hamaritra avy amin'ny eritreritra sy concept fa i Kristy irery no Andriamanitra. Ilay fifandraisana mihitsy no hitako mandringa ny fiheverana azy Rijadolly. Ny teny hoe "Iray ao amin'ny Ray" dia hafatra mazava milaza ny fitoviana ao amin'ny Ray. Raha mbola tohizana dia toy ny ohatra natao tamin'ireo izay nokaramaina tamin'ny ora samihafa nefa nahazo karama mitovy ny iray ora sy ny 12 ora niasa teo. Izany no Andriamanitra satria misy Azy avokoa izy rehetra ary mitovy no omeny ao anatin'ny tsirairay.
Dia mety ve izany amin' Miharena e! "A" no tenenin'Kristy hoe ataoNY anaty toerana izay misy vala no asiaNY ny ondriNY, nefa dia "Z" no lazaina fa teniNY hoe :mitambatra ao daholo na ny ambodia mpihinana ny OndriNY aza, dia atao inona vala? Mampihomehy be izany.
Tsy azonao indray izay lazaina fa diso jamban'ny resaka vala indray angamba i Rijadolly eto. Na asa na efa reraky ny mahita amboadia satria voavoly tao an-tsaina loatra izany ka manjary mivarina any indray ilay resaka. Ny fanambarana amin'ny boky hafa manamarina izay voasoratra mirindra ao amin'ny Baiboly no resahana fa tsy nisy niteny tao hoe raha vala no ao amin'i Kristy dia miaraka ao daholo ny amboadia sy ny ondry.
Dia mametraka fanontaniana indray aho hoe : ny amboadia ve afaka ho lasa zanak'ondry? Dia inona no nahatongavan'i Krsity niteny hoe : tsy tonga hiantso ny marina aho fa ny mpanota mba hibebaka?
Miala tsiny aho aloha raha hilaza hoe sao dia manjary mihozongozona ny finoan'i Rijadolly rehefa mamaky ny resako eto. Ny ahy moa dia miorim-paka ka tsy afaka hiteny aho hoe lavitra ahy i Krsity na Andriamanitra fa ao anatiko IZY ary ny Fanahy Masina no mahatonga fahitsiam-pijery entiko maneho hevitra.
16. rijadolly
(
05/11/2011 14:17)
Miharena:
Tsy azonao indray izay lazaina fa diso jamban'ny resaka vala indray angamba i Rijadolly eto. Na asa na efa reraky ny mahita amboadia satria voavoly tao an-tsaina loatra izany ka manjary mivarina any indray ilay resaka. Ny fanambarana amin'ny boky hafa manamarina izay voasoratra mirindra ao amin'ny Baiboly no resahana fa tsy nisy niteny tao hoe raha vala no ao amin'i Kristy dia miaraka ao daholo ny amboadia sy ny ondry.
Tsy haiko tokoa hoe ny hevitrao ve no tsy azoko sa ny ahy no tsy azonao. Tena miteniteny foana marina aho zany a! Nefa dia io nataoko gras io mihitsy no tiako lazaina aminao. Hazavaiko ve sa avela amin'izao tsy azonao izao?
17. Miharena
(
05/11/2011 16:23)
Raha izay àry dia omeo tsara ilay A sy Z dia ho hita eo hoe mifanipaka sa tsia.
Ny A fantatro mantsy dia fiombonana ary ny Z fantatro dia fiafarana amin'ny fiombonana ihany. Izay no fampianaran'Ilay Tsy miova hatrizay ka ho mandrakizay. Io no asaNY sy vavaka nataoNY raha nilaza Izy hoe ho iray ihany anie izy rehetra.
lay ianao tonga dia mamaritra fa tsy maintsy hisy amboadia handrombaka ireo no mahagaga ahy. Toy ny hoe nipoitra tampoka avy any an'anonanona any ilay anboadia hamono ireo ondry.
Ilay izy koa moa resaka jery ivelany ihany fa tsy miditra ao anaty ka manjary mikorontana daholo tokoa ny fanehoan-kevitra.

18. rijadolly
(
06/11/2011 21:32)

Aoka aloha Miharena fa vao maika nivilana be ilay filazanao azy, fantatro fa tsy azonao mihitsy ilay anton'ilay vala sy ilay A sy Z izay mifanohitra atsimo sy avaratra. Mbola resaka lavabe ny fanazavana an'io fa aleo aloha mamaky tsara ao anaty Baiboly se dia mazava amin'se ny tiako tenenina. Tys miala amin'ty zavatra torian'se ity anefa ny tiako ho tenenina Hoy i se "SAMY HO VOAVONJY AVOKOA NA NY DEVOLY SATANA AZA." izay nomarihako va ao anaty valan'Andrimanitra izay endrasan'Ilay Mpiandry tsara.
19. Miharena
(
07/11/2011 04:25)
Rijadolly:
"SAMY HO VOAVONJY AVOKOA NA NY DEVOLY SATANA AZA." izay nomarihako va ao anaty valan'Andrimanitra izay endrasan'Ilay Mpiandry tsara.
Eny àry fa mazava ny tian'i Rijadolly tenenina. Izany hoe misy fizaràna vala izany eo amin'ny sahan'ny erana rehetra misy ka nifampizaran'Andriamanitra sy Satana ka izay miaraka amin'i Krsity dia ao anatin"ny valan'Andriamanitra ary izay tsy ao dia ao amin'ilay vala hafa (Ahitsio raha diso fandray aho).
Ao anaty Baiboly dia mazava ny genesisy fa Andriamanitra no nanao izao rehetra izao. Amiko dia midika io fa IZY tsy manana vala satria ao amin'ny rehetra (Omniprésent hoy ny Frantsay).
Dia nitohy ilay tantara tao anaty Baiboly ka nanjary nisy ny fisarahan'i Satana sy Andriamanitra ary lasan'i Satana daholo ny fitarihana. Inona moa izany? Lavitra ny Ray ny olon-drehetra (mpanota avokoa izy rehetra).
Dia tonga i Kristy nanambara fa zanak'Andriamanitra anie ny olon-drehetra ary ho iray ihany no tanjona.
Izay miverina mahalala fa Andriamanitra no nanao izao rehetra izao dia efa tafiditra amin'ny tanjon'i Kristy.
Ka fahatsiarovan-tena ilay izy eto fa tsy fanangonana. Ary ny tsy fahatsiarovan-tena dia mazava fa miparitaka aminizay alehany avy alohan'ny hahatsiarovany tena fa silak'Andriamanitra izy.
Rehefa tonga ny fotoana fahafenoan'ny fahalalàna dia tsy misy fitoeran'ny hevitra fisarahana nokolokoloina intsony dia foana ilay asan'ny mpampisaraka fa tsy ny mpampisaraka no foana fa lasa iray ao amin'ny rehetra izy ary tsy afaka hanao io asa io intsony. (Io ilay hoe na Satana aza ho voadio).
20. rijadolly
(
07/11/2011 09:48)
hoy i Miharena:
Eny àry fa mazava ny tian'i Rijadolly tenenina. Izany hoe misy fizaràna vala izany eo amin'ny sahan'ny erana rehetra misy ka nifampizaran'Andriamanitra sy Satana ka izay miaraka amin'i Krsity dia ao anatin"ny valan'Andriamanitra ary izay tsy ao dia ao amin'ilay vala hafa (Ahitsio raha diso fandray aho).
Manomboka azon'se ilay tiako ho tenenina. Andriamanitra no manisy vala ho an'izay OndriNY mna tsy afahan'Ambodia miditra mihinana Izay ondry ihandrasaNy amin'ny maha mpiandry tsara AZY. Fanotaniana mipetra dia hoe famaninona ireo ondry ireo no andrasana? Fa misy inona? Dia raha tsy ekenao indray izay heritreretinao ho valin'izany fanotaniana izany dia disoanao indray ny ao amin'Baiboly ny maha Mpiandry tsara an' Kristy.