Ahoana no fomba hampitana ny Baiboly amin'ny olona tsy namaky izany mihitsy

21. Miharena ( 07/11/2011 11:08)
Tsy misy mandiso ny ao anaty Baiboly ny resaka voalaza Rijadolly fa manamafy ny asan'i Kristy. Ny resaka hoe mbola andrasana ny ondry dia hita hoe misy fahatahorana ny fahavalo. Ny mba hany hitako fotsiny amin'ny fampianaran'i Krsity anefa dia ny fandresena ny haizina amin'ny fitiavana no nentiNY teto ary ataoko fa hatramin'izao. Tsy namela izay namantsika Azy hanao izany Izy fa naleoNY nisy maty sy velona teo raha tsy nanana Fitiavana IZY ka sahy niroso tsy namaly an'iza na iza. Ny mahavery ny ainy noho ny amin'ny rahalahiny no hahazo izany hoy IZY ary notanterahaNY io. *

Raisina ho ohatra IZY araka ny Teniny hoe hahavita asa lehibe noho Izaho ianareo. Koa raha Mpiandry tsara fotsiny Izy dia olona tsy hamokatra izany no andrasana na koa olona hibirioka.

Ilay ohatra nolazaiNY momba ny voaloboka sy ny sampany no mahalaza AZY kokoa fa tsy Mpiandry tsara loatra aloha.

Afaka manamafy ny maha-Mpiandry tsara AZY anefa i Rijadolly fa io aloha no fantatro manan-danja kokoa amin'ny fahafantarako an'i Kristy.

22. rijadolly ( 07/11/2011 15:12)

Miharena:

Tsy misy mandiso ny ao anaty Baiboly ny resaka voalaza Rijadolly fa manamafy ny asan'i Kristy. Ny resaka hoe mbola andrasana ny ondry dia hita hoe misy fahatahorana ny fahavalo.

fa inona io fahavalo io? iza no marimarina kokoa?
Miharena:

Ny mba hany hitako fotsiny amin'ny fampianaran'i Krsity anefa dia ny fandresena ny haizina amin'ny fitiavana no nentiNY teto ary ataoko fa hatramin'izao.

iza indray no maizina eto?

Tsy namela izay namantsika Azy hanao izany Izy fa naleoNY nisy maty sy velona teo raha tsy nanana Fitiavana IZY ka sahy niroso tsy namaly an'iza na iza. Ny mahavery ny ainy noho ny amin'ny rahalahiny no hahazo izany hoy IZY ary notanterahaNY io.

Misaotra anao, fa izay tsy manary ny ainy ho an' rahalahiny mazava ho azy dia... ????????
Miharena:

Raisina ho ohatra IZY araka ny Teniny hoe hahavita asa lehibe noho Izaho ianareo. Koa raha Mpiandry tsara fotsiny Izy dia olona tsy hamokatra izany no andrasana na koa olona hibirioka.

Efa tena maharo tena amin' herin-tena marina nareo ka tsy mila AZY intsony ihandry, tsarovy Miharena fa mbola mitafy nofo isika, ary mbola ao anatin' test tanteraka ny fanahitsika hoe azo antoka sa tsia. raha tsy test-na mantsy dia mbola mety hivadika indray izay nataon' satana ka hitarika anjely 1/3 indray hanohitra sy aka ny toerana maha Andriamanitra.
Miharena:

Ilay ohatra nolazaiNY momba ny voaloboka sy ny sampany no mahalaza AZY kokoa fa tsy Mpiandry tsara loatra aloha.

Dia ato inona ary ireo sampana tsy mamoy e? avela eo ihany ve? Sa hanohitra izay voalazan' Baiboly indray amin'io ohatra raisinao io, ka dia tapahana ny teny heo atsipy any anaty afo satria mandiso ilay fandalinana, ka ny teniNy indray no lazaina fa tsy marina.
Miharena:

Afaka manamafy ny maha-Mpiandry tsara AZY anefa i Rijadolly fa io aloha no fantatro manan-danja kokoa amin'ny fahafantarako an'i Kristy.

Fa ianao tsy hanamafy maha Mpiandry Tsara AZY satria mandiso ny fandalinanao?


23. Miharena ( 07/11/2011 19:24)
Rijadolly:

fa inona io fahavalo io? iza no marimarina kokoa?

iza indray no maizina eto?

Dia atao inona ary ireo sampana tsy mamoy e? avela eo ihany ve? Sa hanohitra izay voalazan' Baiboly indray amin'io ohatra raisinao io, ka dia tapahana ny teny heo atsipy any anaty afo satria mandiso ilay fandalinana, ka ny teniNy indray no lazaina fa tsy marina.



Ireo fanontaniana roa ireo ihany no tiako asiana fanamarihana amin'ireo resak'i Rijadolly ireo.

Ny teny hoe iza no mandiso matetika. Lazaina fa Devoly ny maizina. Tsarovy fa Anjely mamiratra i' Losifera fa tsy maizina velively fa manana toetra te-hoderaina fotsiny. Toetra miebohebo sy te-hotompoina no tao aminy ary azony amin'izany daholo izay olona mitady hery hotompoina fa tsy hery ampiantranoina.

Hoy i Kristy hoe tsy izay miantso Ahy hoe Tompoko, Tompoko no tena mpianatro fa izay manatanteraka ny sitrapon'ny Ray. Mariky ny tsy itovizaNY amin'i Satana izay toetra izay. Izayilay toetra mitady ny hahamira lentta Azy amin'ny mpianaNY ary mbola mahazo tso-drano indray aza ny mpianany hoe hahavita be kokoa noho IZY.

Ny haizina sy ny fahavalo dia tsy ivelany fa ao anatin'ny tsirairay satria efa tafalatsaka anaty loatra ny fahadisoam-piheverna rehetra, indrindra moa ny fomba fiheverna an'i Kristy sy Andriamanitra Ray.

Raha resaka voaloboka sy ny sampany ary ny fahatapahana eo amin'n y tsy mamoa dia mazava fa izay miaina amin'ny maizina dia toy ny miala ho azy. Mila dorana tanteraka indray ireo rindrina namonosany ny mazava ao aminy. Izay no mandrafitra sedra izay mfototra amin'ny fahaizana miala amin'io fifonosana na fahatotorana io.
24. rijadolly ( 08/11/2011 03:18)
Rijadolly:

fa inona io fahavalo io? iza no marimarina kokoa?

iza indray no maizina eto?

hoy I Miharena:

Ny teny hoe iza no mandiso matetika.

Lazaina fa mandiso matetika satria mitaky ilay valiny marina izay mandiso ny fandalinanao. ary dia tsy valina.
Miharena:

Lazaina fa Devoly ny maizina. Tsarovy fa Anjely mamiratra i' Losifera fa tsy maizina velively fa manana toetra te-hoderaina fotsiny. Toetra miebohebo sy te-hotompoina no tao aminy ary azony amin'izany daholo izay olona mitady hery hotompoina fa tsy hery ampiantranoina.

Efa mahafinaritra ny filazan'se satria mino ny losifera se ary mahafantatra tsara ny fomba fiadiny ka afaka miala an'izany.
Miharena:

Hoy i Kristy hoe tsy izay miantso Ahy hoe Tompoko, Tompoko no tena mpianatro fa izay manatanteraka ny sitrapon'ny Ray.

ity ilay teny aloha fa aza ovaina hoe "no tena mpianatro" fa manjary aolana ilay teny mba hanaraka ny fandalinanao sy ny Baiboly vaovao tianao avoaka.
MATIO 7 : 21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra.
Za tsy miteny hoe tsy maintsy hianarana tsianjery akory ny Baiboly a!, fa kosa ny hevi-dehibeny izay tiany hampita aza ovaina hanaraka izay mampetipety anao ary dia aolana na tapahina na tsy toriana mihitsy izay Teny manohitra ny fandalinana ataontsika. Aza mitoritena fa kosa mitoriTeny
Miharena:

Ny haizina sy ny fahavalo dia tsy ivelany fa ao anatin'ny tsirairay satria efa tafalatsaka anaty loatra ny fahadisoam-piheverna rehetra,
Ok indray eto aloha fa manaiky ny fisian'ny fahavalo se, fa saingy mbola tsy dia mazava tsara ny fandraisan'se ny hoe: rehefa raoviana ny eny ivelany ny hery hafa iray na rehefa raoviana no efa ao anaty ny hery hafa iray noho ilay fomba filaza azy fa fahadisoam-piheverana,izay tena voambolana tena tian'se sy mahavantana an'se ny fampiasana azy.
Miharena:

ndrindra moa ny fomba fiheverna an'i Kristy sy Andriamanitra Ray.

Tsy misy idiran'ilay loha hevitra ny fahalalako an'io tenin'se io.
Miharena:

Raha resaka voaloboka sy ny sampany ary ny fahatapahana eo amin'n y tsy mamoa dia mazava fa izay miaina amin'ny maizina dia toy ny miala ho azy.

Ok! voaray, iraisantsika hevitra tanteraka
Miharena:

Ilay ohatra nolazaiNY momba ny voaloboka sy ny sampany no mahalaza AZY kokoa fa tsy Mpiandry tsara loatra aloha.

Rijadolly:

Dia ato inona ary ireo sampana tsy mamoy e? avela eo ihany ve? Sa hanohitra izay voalazan' Baiboly indray amin'io ohatra raisinao io, ka dia tapahana ny teny heo atsipy any anaty afo satria mandiso ilay fandalinana, ka ny teniNy indray no lazaina fa tsy marina.

Miharena:

Mila dorana tanteraka indray ireo rindrina namonosany ny mazava ao aminy. Izay no mandrafitra sedra izay mfototra amin'ny fahaizana miala amin'io fifonosana na fahatotorana io.

Fa nga nisy mazava indray to aminy e! Tsy efa vita ve ny alanenina taminy e! ko izy aza efa maina ko, efa zezika avy any amin'Kristy sy ny RàNY izao mihitsy no natao taminy fa e!e!e! Dia tonga amin'izay ny tompotany hanakapa azy anie ary dia izay ilay dikan'ilay afo eto, atsipy any izay sampany tsy mamohy. Sa mbola afo fanadiovana indray izay.
25. Miharena ( 08/11/2011 04:35)
Miverina amin'ny loha-hevitra aho angamba Rijadolly fa tsy afaka handresy dohika an'ise.

Io ataontsika io indrindra no anton'ny nilazan'i Gandhi fa tsy hiditra Kristianina velively izy. Fantany izany fa korontana tsy hifankahitana ilay fiheverana Kristiana. Asa na diso mitodika ivelany loatra na ahoana fa ny an'ny Hindoue aloha dia fandinihana anaty no entiny mitondra ny fiainany fa tsy natolany tany amin'ny Devoly ny faharatsiana misy (karma no ilazany azy).

Ny famerenana ny olona handini-tena anaty no anton'ny fizaràna eto amin'ny loha-hevitra satria tsy afaka ny hampahafantatra an'i Kristy amin'ny olona mpandini-tena mihitsy ny Kristiana mitodika ivelany sy tsy mahay mamintina izay voambaran'ny Baiboly sy ny tanjony.
26. niryna ( 26/11/2011 17:08)
Tefigasy:

Ahoana ny fomba hampitana ny Baiboly amin'ny olona tsy mamaky izany.

1. Raha tsy mahay mamaky teny ilay olona dia ampianarina mamaky teny izy aloha dia avy eo mamaky baiboly
2. Raha olona kamo tsy te hikitika baiboly indray nefa mba misy sofina mihaino ihany dia asaina mihaino radio ara-pilazantsara
3. Raha sady marenina no jamba indray dia efa misy baiboly natokana ho azy ireo.

hatreto aloha dia hevitra tsara tokoa ary raha tsy mahay mamaky teny aza izy na tsy mahita ka nofidian'Atra ny hizara ny teniNy dia izy tompon'ny Teny ihany no mahafantatra sy manome hery ary hizara ny teniny amin'ny fotoana izay ilainy an'izany ary dia hisosa fotsiny ny teny ao ambavany satria ilay tompon'ny Teny no manokatra ny varavarana mizara ny teNy izay ampitaina.

4. Raha olona efa namaky ny baiboly indray no nisafidy ny tsy hamaky intsony sy tsy hanaraka an'i Jesoa, dia efa safidiny izany. Tsy azonao terena izy. Tsy tsara raha izay metimety aminy ihany no atolotra azy ao anaty baiboly. Ohatra Andriamanitra dia fitiavana. Izay ihany no asaina vakiany ao anaty baiboly fa tsy aseho azy fa misy ihany koa anie ny farihy mirehitra afo sy solifara e!
safidy ny finoana ary Atra no efa mahafantatra ny diantsika rehetra na hiaraka aminy na tsia fa mbola omeny fotoana hatrany isika
Betsaka ny olona mieritreritra fa tokony sady afaka manompo sampy izy no afaka manompo an'andriamanitra.
dia hianao izany izao dia efa mahalala fa tsy tokony,ka anjaranao ny mizara izany aminy fa tsy afaka ny hanompo an'i Baala sy ATra isika fa na ny iray ho tiany na ny iray ho alany. Izany efa nahafantatra an'Atra nivadika izany no tena zava-doza,kanefa moa tsy omena tsiny izy satria indraindray manao fitarihambaton'ilay vilambava isika kristiana ka mety mahatofoka ny sasany ny toetra ataontsika ary mampiverindalana azy mihitsy aza noho isika

Ka rehefa tsy metimety aminy ny baiboly dia aoka izy hisafidy izay andriamanitra tiany hivavahana : raha bala no andriamanitra dia aoka izy no hivavahana, raha Jehovah no andriamanitra, aoka izy no hivavahana.
e,dia mbola tena lavitra ny afo ny kitay raha izany ka.Raha olona mifanerasera amintsika no mahita ny toetrantsika dia mety hiova hino
Azy izy na hanalavitra an'ilay ATra ,ka isika no fitaratra napetrak'i kristy anoloana ireo olona manodidina antsika ka mangataha aminy mba omeny fo vaovao ahay hifandray ny manodidina na dia misy aza ny fahavalo indraindray,tsy izy ireny ny fahavalo fa ny fanahy izay miaraka aminy no tsy mitovy ny fanahy izay miaraka amintsika e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0444