Sosokevitra sao mahasoa !

1. bor2lais ( 31/10/2011 13:29)
Faly miarahaba antsika rehetra.

Tato ho ato dia somary vaka ihany ny saina mamaky ity seraserantsika "Fivavahana sy finoana" ity satria toa lasa miafara amin'ny faran-teny ny dinika sasany eto in11.

Ka mahatonga te-hanontany hoe : inona moa no andraisantsika izany antsoina hoe forum izany ?

Amiko manokana mantsy dia sehatra iray natao ifampizarana, ifanakalozana izany. Tsy natao ifandresen-dahatra ny forum amiko.

Ny olona miditra eto dia olona efa manana ny faresen-dahany avy ny ankamaroany ka tsy izaho akory no andeha hihevitena fa aharesy lahatra ny hafa hanaraka ahy.

Ny tiana lazaina dia aoka re hijanona amin'ny fifampizarana sy fifanakalozana ny resaka fa aza hitarina amin'ny fifandresen-dahatra raha azo atao.

Mazava ho azy fa ao anatin'ny fifampizarana ny fangataham-panazavana, saingy tsy voatery ihany koa ahazo (na hanome) valiny mahafapo isika amin'izany ...

Heveriko fa mety mba mampandroso sy mahasoa kokoa ny dinitsika amin'izay.

Sosokevitra ihany ny ahy iny ka avereno aty amiko raha toa ka tsy mety (sady tandremo fa tsy moderatera akory i bor2lais a )! :-)
novalian'i Miharena ny 09/11/2011 03:34
2. didi10 ( 31/10/2011 18:29)
Misaotra an'ny Moderatera bor2lais ;-)

Manaiky kosa angamba aloha ny namana bor2lais fa tsy azo ampitovizina amin'ny "rubrique" hafa eto amin'ny serasera ny fivavahana sy finoana.

Tsy maintsy hita eto ny fifandresen-dahatra satria "FANAHY" no enjeu!!!
Izaho manokana dia mahatsapa manana adidy amin'ny fanahin'ny mpiara-belona amiko satria maro ny olona no mahafantatra an'Andriamanitra saingy tsy miraharaha ny didiny, dia eo ilay "cause à effet" izay efa noporofoin'Andriamanitra tamin'i Adama sy Eva, Noa, Sodoma & Gomora,ary mbola nampatsahiviny ao amin'ny Evanjely sy ny Apokalipsy.
3. Miharena ( 31/10/2011 20:13)
Tsy dia fara-teny loatra indray no fahitako azy Bor2lais fa fitadiavana izay lalana marina farany tsy azo hihodivirana intsony ho an'ny tsirairay isam-batan'olona. Izay no hitako mahaliana be amin'ny forum ato ary ahitana izay mbola fisainan'ny olona tsirairay izay misy ny tsy ampy mila hatevenina. Misy koa ny faly mitanisa fa tsy manazava ifotony tsara. Nefa rehefa mandeha eny ny dinika dia manana tsoa-kevitra mazava ihany.

Ilay izy rehefa miasa eny ny teny dia mizotra amin'ny hitsiny mazava hatrany ary izany no irariana fa tsy faly manothitra fotsiny dia ajanona eo ny dinika.

Rehefa hita fa misy fahamrinany ny an'ny hafa dia lazaina aminy tsara ary rehefa hita fa mbola tsy miorina dia mba ahitsy araka izay azo atao.
4. rijadolly ( 01/11/2011 06:53)
Ny fanaovana farateny ato anaty forum, indrindra indrindra raha resaka fivavahana sy finoana, dia tokony tsy atao kosa e! Ny antony mantsy dia mbola ao anatin'ny test daholo isika rehetra. N aiza na iza milaza fa fa efa ao amin'Tompo dia mbola tsy nampiakarina velona. Ny antony dia ny fiovaovantsika olombelona. Izay ny antony iray handresen-dahatra ny tsirairay noho ny fahalalana araka an'Andriamanitra. Na izany na tsy izany anefa dia tsy azo atao ambanin'javatra na ny marimaritra iraisana ny mikasika an'Andriamanitra, ka eo no miteraka ny teny somary mahery ny fandraisana azy satria ny fahamarinana tsy zakan'ny olona matetika noho izy mandiso ny heviny, hany ka manindrona azy ka lasa farateny aminy. Raha amiko manoka aloha dia mandini-tena aho rehefa mahatsiaro ho voatsindrona, fa raha ohatra ka manana ny marina aho dia tsy voatsindron'iny teny iny mihitsy.

Raha eo amin'ilay hoe mifandresy lahatra indray, dia eto no tena misokatra betsaka indrindra izay raha amiko satria ny maha Kristianina ahy mihitsy no fihiniko raha tsy manambara aho, na milaza ny hafa ny arina an-tavany ka haatonga ny mpamaky indrindra indrindra hanao analyse izay tena marina.

Tena marina tokoa ny fijerin'Bor2lais raha eo amin'ilay hoe tsy ho resy lahatra mihitsy ilay olona fa efa manana ny heviny izay tena lalipaka ao anatiny ka tsy hiova amin'izany mihitsy izy. Raha raisiko anefa ny fijorona vavolombelona izay nataon' Yves izay avy aminy ny antony iray nahatonga ilay olona tany amin'i helo sy ny hiran' Rija Rasolondraibe hoe "hitsangana hanameloka anao, ahoana no ataonao" Mitsangana fotsiny ilay olona dia efa voaheloka ianao, Dia tonga ilay fanotaniana hoe efa nanambara ny marina tamin'ilay olona ve ianao ary efa nihezaka nandresy lahatra aminy sa farateny no nentinao teo aminy dia iny ianao no lasa. Hoy izay Mpampianatranay izay hoe: "rehefa tsy tiana handroso ny olona dia aza tenenina amin'ny tsy mety ataony."
5. Miharena ( 01/11/2011 15:19)

"rehefa tsy tiana handroso ny olona dia aza tenenina amin'ny tsy mety ataony."


Marina.
6. zokieva ( 02/11/2011 06:40)
marina daholo e!
7. RBNIR ( 02/11/2011 12:59)

zokieva:

marina daholo e!


Marina daholo tokoa v?? ry namako,
:-) faly miarahaba namana, bor2lais milaza tsy tokony ho fifandresen-dahatra ny forum, i didi10 milaza fa tokony.
Izaho manokana dia ity teny ity no mitaona ahy (izay marihako fa tsy ahy fa Azy).
« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Timoty 3:16)
Fiainana mandrak'izay no resahina (na fiadanana mandrak'izay na afo maharitra mandrak'izay)
Ny marina no zaraina, anjaran'ny tsirairay sisa na handray izy na tsia.
Tsy voatery horaisina, koa anefa satria na i Jesosy Kristy aza tsy ny 100% no nandray Azy, maika ka izay mpanompo kely aty aoriana.

Manoro hevitra kely fotsiny, raha hitanao marina fa ara-baiboly v na iza na iza miteny azy tsy tokony ho raisina e!

Samy ho tahin'ny Tompo namana
8. RBNIR ( 02/11/2011 13:02)

Tsy tokony ho raisina v? no tiako ambara fa azafady ry namana isany a!
9. bor2lais ( 02/11/2011 14:05)
Misaotra antsika rehetra naneho ny hevitsika !
Averiko indray fa sosokevitra ihany ny ahy sao dia mahasoa.

Fanamarihana kely fotsiny no ataoko :
didi10:

Tsy maintsy hita eto ny fifandresen-dahatra satria "FANAHY" no enjeu!!!

Ka eo indrindra isika anie :
- amiko dia tsy anjarako velively ny mandresy lahatra fa an'Ilay naniraka (manambara no anjarako)
- ny fandresen-dahatra amiko dia :
1) midika fianteherana amin'ny saina sy herin'ny tena samy irery : fahatokisan-tena !
2) tsy voatery ho tonga amin'ny tanjona kendrena na nantenaina
3) mety miteraka fahadisoam-panantenana (araka io 2) io)
4) mety miteraka fahakiviana na fahatezerana (araka io 3) io)
5) sns vokatry io 4 io !
rijadolly:

Raha eo amin'ilay hoe mifandresy lahatra indray, dia eto no tena misokatra betsaka indrindra izay raha amiko satria ny maha Kristianina ahy mihitsy no fihiniko raha tsy manambara aho, na milaza ny hafa ny arina an-tavany ka haatonga ny mpamaky indrindra indrindra hanao analyse izay tena marina.

Ekeko fa adidy ny manambara ny "heverina" fa tsy mety satria mariky ny fitiavana izany ! Araka ny voalazako etsy ambony anefa dia tokony hijanona amin'ny fanambarana ihany fa tsy isika no hiezaka handresy lahatra : asan'ny Fanahy izany amiko !
RBNIR:

Ny marina no zaraina, anjaran'ny tsirairay sisa na handray izy na tsia.

Io anie no tiako tsindrina fa tsy hoe aza miteny akory e ! :-)
RBNIR:

raha hitanao marina fa ara-baiboly v na iza na iza miteny azy tsy tokony ho raisina v!

Amiko indray angamba io dia arakaraky ny olona iresahana a ! Miverina amin'ny voalazako etsy ambony (fandresen-dahatra) !
Eto amin'ity sehatra ity anie tsy voatery ho Kristiana daholo e ! :-)
miharena:

Izay no hitako mahaliana be amin'ny forum ato ary ahitana izay mbola fisainan'ny olona tsirairay izay misy ny tsy ampy mila hatevenina.

Ny ahy indray tsy dia hoe any amin'ilay "tsy ampy mila hatevenina" loatra ny mahafinaritra ahy fa ny fahitana karazan-kevitra maro izay mety misy azo akan-desona tokoa ! :-)
(Izaho manokana aloha dia be ny zava-baovao hitako teto !) :-)
10. RBNIR ( 02/11/2011 15:07)
RBNIR:

raha hitanao marina fa ara-baiboly v na iza na iza miteny azy tsy tokony ho raisina v!

Amiko indray angamba io dia arakaraky ny olona iresahana a ! Miverina amin'ny voalazako etsy ambony (fandresen-dahatra) !
Eto amin'ity sehatra ity anie tsy voatery ho Kristiana daholo e ! :-)
[/quote]
Ilay fomba fandraisana ny tenin'Andriamanitra koa namana no tsapako fa tsy mbola hain'ny tsirairay.
Azavaiko kely: adinon'ny olona fa hoe "tenin'Andriamanitra anie no atolotra e!" adinon'ny olona fa tokony heverina toy ny tsinontsinona ilay "olona" manolotra (satria fitaovan'Andriamanitra fotsiny ihany". Ilay "teny zarainy no tokony hananan-daja".

Tsy tokony ho fantatr'isika akory hoe fiangona iza no fiangonanan'io olona io, fa ilay "Teny ihany no tokony dinihina"
Tokana ny tanjona e: tehafantatra ny marina isika ka na iza na iza mizara ilay marina dia ekena , na iza na iza kosa mizara zavatra tsy marina dia lavina. (marina ny "teny" atolotr'i Didy10 na dia somary masiatsiaka ho an'ny hafa aza ny fizarany Azy (Jesosy koa efa nanao mihoatra lavitra no izy an!: Afobe anie ny enjeu e! mandrak'izay no voalaza, tsy azo atao kilalao io).
Raha hitanao kosa v fa misy fahamarinana tokony hozaraina fa tsy mbola fantatry ny hafa tsy hozarainao (raha manampitiavana ianao). Etsy andaniny kosa tokony mba otran'izay no andraisana azy, : sao mba fitiavana marina tokoa no hizaran'ny hafa ny "teny" fa tsy dia hoe faly hitsikera fotsiny.

Rehefa tsy mahay mandray ny "teny" ny olona dia izao no hiafarany. Raha olona na fiangonana no hitan-tsika fa tsy ilay tenin'Andriamanitra. dia izao no hiafarany. Rehefa olona ao amin'ny fiangonana X no miteny fa Jehovah no anaran'Andriamanitra dia lazaina fa MARINA fa rehefa olona ao amin'ny fiangonana Y kosa no miteny hoe Jehovah no anaran'Andriamanitra dia lazaina fa DISO,
Adino ilay "teny" hoe JEHOVAH NO ANARAN'ANDRIAMANITRA. fa ilay olona sy ny fiangonany no hita.

Ny Baiboly namana no fototra a! na iza na iza miteny na mitory azy dia MARINA (eny fa na dia tsy mpino na sanatria koa aza ka hoe hafa finoana silamo ohatra).

Ny "teny" no zava-dehibe ary izao no hafatr'Andriamanitra mikasika ireo teny henon-tsika rehetra : « Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin'ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo. » (Jakoba 1:21)

Ny teny no mahavonjy ny fanahintsika ary tokony ekena amin'ny fahalemem-panahy (Andriamanitra no mamboly fa tsy ilay olona namana).
Aza mankahala an'iza na iza fa ny "teny" entiny dinihina. Raha hitanao fa "Marina" inona no tsy hanekenao izany?. Raha hitanao fa diso inona tsy ahasahianao mitondra ilay marina fantatrao? (raha tianao izy maninona tsy atoro azy ny marina mba tsy ho very izy namana??)

Izay fa dia samy ho tahin'ny Tompo namana a, ny Tompo anie hanazava an-tsika rehetra.




11. niryna ( 02/11/2011 15:31)
bor2lais:

Faly miarahaba antsika rehetra.

Tato ho ato dia somary vaka ihany ny saina mamaky ity seraserantsika "Fivavahana sy finoana" ity satria toa lasa miafara amin'ny faran-teny ny dinika sasany eto in11.
faran-teny ahoana aky izany?
raha resaka fivavahana no asiako teny dia mila malo isika ary ilaina tokoa ilay mifanitsy kanefa na inona na inona lazaina na henoina rehefa tsy mety hiova izay ny olona na izaho io na ny hafa dia tsy hiova izy.Saingy ny Teny dia toa ny sabatra ka raha mahavoa mahafaty ,raha tsy mahavoa mahafanina.Rehefa mamaky izay fanitsiana omen'ny olona isika ka mitsakotsako an'iny dia mahita lesona hianarana amin'ny fiainana- hevitro iny an
Fa ny mamingavinga ny an'ny hafa kosa angamba no tsy tokony ataontsika.Indraindray ohatra misy olona mbola tsy mahalala an'Atra dia any amin'ny karazana fanontaniana maro izy no maneho izany mba ho tena resy lahatra dia avy eo izy mitsakotsako izay nomena azy.
Indraindray koa anefa manoro vohana tanteraka izao satria izay no nomena azy ary noheveriny ho marina dia eo no manomboka ny fanitsiana saingy amin'ny fitiavana feno no anehoana izany fa tsy latsa na teny mahery dia azy irery no mandanjalanja izany avy eo.
Izay ilay izy amiko
12. bor2lais ( 02/11/2011 15:51)
RBNIR:

Ny teny no mahavonjy ny fanahintsika

Tandremo koa fa ny teny mamono a ! :-)
13. RBNIR ( 03/11/2011 04:53)

bor2lais:

RBNIR:

Ny teny no mahavonjy ny fanahintsika

Tandremo koa fa ny teny mamono a ! :-)


Faly miarahaba namana a!

Ny mahatonga ny olona hiteny an'io hoe mamono io dia satria tsy raisiny ilay "teny" namana dia manjary tanteraka tsy fidiny ity manaraka ity : « Izay manda Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin'ny andro farany, » (Jaona 12:48)
Izay no maha sabatra 2 lela azy e!. Lasa fitsarana ilay "teny" satria tsy noraisina.
Fanafodiny : tsotra kely : raisina ilay teny.

Samy ho tahin'ny Tompo namana

14. bor2lais ( 03/11/2011 11:54)
RBNIR:

Ny mahatonga ny olona hiteny an'io hoe mamono io dia satria tsy raisiny ilay "teny" namana

Mety ho izay tokoa angamba SAINGY mba efa nanontany tena ve isika sao dia isika kosa no tsy nahay nampita ! :-)
15. Miharena ( 03/11/2011 14:24)
Ity resaka tsy mahay mampita ity Bor2lais no tena betsaka amiko. Indrindra moa ka rehefa mahazo izay resaka fanasaziana hitany ao anaty Baiboly izay ny mpitory ary miezaka ny mampitandrina ny olona itoriana amin'izany hatrany fa tsy mizara ny teny fampanantenana sy mitondra fiainana rehetra ao.

Ilay fizaràna ny tsy mampierika ny olona intsony no tsy ampy ka hany ka lasa toa an'ny vadin'i Lota daholo izay itoriana rehetra ka tsy mahazo aina.
16. RBNIR ( 04/11/2011 06:30)
bor2lais:

RBNIR:

Ny mahatonga ny olona hiteny an'io hoe mamono io dia satria tsy raisiny ilay "teny" namana

Mety ho izay tokoa angamba SAINGY mba efa nanontany tena ve isika sao dia isika kosa no tsy nahay nampita ! :-)


Faly miarahaba namana,
Inona marina tokoa moa ilay hoe mahay mampita namana?
Tambatambazana v ny olona mba hanaiky ny fahamarinana?
Raha izay no izy mety azo lazaina ho tsy mahay mampita koa v ireto voasoratra ao anaty Baiboly ireto,
Jesosy :
« Ry taranaky ny menarana! hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara? fa avy amin'ny haben'ny ao am-po no itenenan'ny vava. » (Matio 12:34)
« Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin'ny helo? » (Matio 23:33)

Inty indray dia i Jaona mpanao Batisa no niteny azy nefa ireo olona aza mba efa nanantona ery hoe hatao Batisa (mba masiaka loatra kosa i Jaona an ny olona aza efa mba tonga hibebaka ka dia....):
« Dia hoy izy tamin'ny vahoaka izay nankeo aminy mba hataony batisa: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy? » (Lioka 3:7)

Tsy haiko aloha namana fa ny ahy rehefa nataon'ireo olona taloha ka voasoratra ao anaty Baiboly, dia ataoko koa satria izay ilay "Marina".

Tsy aleo v namana manao toy ireo nataon'i Jaona Batisa ireo a! na dia voalatsalatsa toy izany aza nandroso ihany (mamy ny aina koa).

Samy ho tahin'ny Tompo namana
17. bor2lais ( 04/11/2011 09:05)
RBNIR:

Inona marina tokoa moa ilay hoe mahay mampita namana?
Tambatambazana v ny olona mba hanaiky ny fahamarinana?

Raha "tambatambazana" no fandraisanao ny zavatra teneniko dia "tsy nahay nampita" aho izany ! :-)
RBNIR:

Tsy haiko aloha namana fa ny ahy rehefa nataon'ireo olona taloha ka voasoratra ao anaty Baiboly, dia ataoko koa satria izay ilay "Marina".

Tandremo fa mety ho gravy ihany izany RBNIR a ! :-)
Ny ahy indray aloha tsy dia ny soratra loatra no zava-dehibe fa ny Teny !
18. RBNIR ( 04/11/2011 09:13)
RBNIR:

Tsy haiko aloha namana fa ny ahy rehefa nataon'ireo olona taloha ka voasoratra ao anaty Baiboly, dia ataoko koa satria izay ilay "Marina".

Tandremo fa mety ho gravy ihany izany RBNIR a ! :-)
Ny ahy indray aloha tsy dia ny soratra loatra no zava-dehibe fa ny Teny !
[/quote]
Ny teny mila hamarinina ihany namana (avy aiza marina ilay teny avy ao amin'ny Baiboly sa..)
Sao heritreritr'olombelona

Samy ho tahin'ny Tompo e,
19. bor2lais ( 04/11/2011 10:04)
RBNIR:

Ny teny mila hamarinina ihany namana (avy aiza marina ilay teny avy ao amin'ny Baiboly sa..)
Sao heritreritr'olombelona

Eto izao dia mahatsapa tena indray aho fa tsy nahay nampita : "Teny" no nosoratako fa tsy "teny" ! :-)
Amiko, Teny = soratra (ao Baiboly) + Fanahy Masina !
20. Miharena ( 04/11/2011 14:48)
RBNIR:

Ny teny mila hamarinina ihany namana (avy aiza marina ilay teny avy ao amin'ny Baiboly sa..)
Sao heritreritr'olombelona


Raha toa ka tsy ao anaty Baiboly izany dia tsy izy avy hatrany ve namana RBNIR? Ary ahoana ireo teny azo amin'ny Coran sy ny foto-pinoan'ny olona ankoatry ny Kristiana? Tonga ve dia lazaina fa eritreritr'olombelona ireny fa tsy anisan'ny mifono zava-dalina momba ny fanahy koa?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7429