Sosokevitra sao mahasoa !

21. didi10 ( 05/11/2011 15:39)
Tim II 4 : 1 - 12
[-4-] Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: 2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. 3 Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; 4 ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano. 5 Fa hianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.
22. RBNIR ( 07/11/2011 07:16)

Miharena:

RBNIR:

Ny teny mila hamarinina ihany namana (avy aiza marina ilay teny avy ao amin'ny Baiboly sa..)
Sao heritreritr'olombelona


Raha toa ka tsy ao anaty Baiboly izany dia tsy izy avy hatrany ve namana RBNIR? Ary ahoana ireo teny azo amin'ny Coran sy ny foto-pinoan'ny olona ankoatry ny Kristiana? Tonga ve dia lazaina fa eritreritr'olombelona ireny fa tsy anisan'ny mifono zava-dalina momba ny fanahy koa?

Faly miarahaba namana Miharena,

« [Ny amin'ny fampianarana sandoka, sy ny tokony hitiavantsika ny rahalahy, ary ny hanekentsika ny fanambaran'Andriamanitra ny Zanany] Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao. » (1 Jaona 4:1)
« Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no avy amin'Andriamanitra; » (1 Jaona 4:2)

Samy ho tahin'ny Tompo namana
23. Miharena ( 07/11/2011 11:23)
« Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no avy amin'Andriamanitra; » (1 Jaona 4:2)


Misaotra RBNIR amin'ny fampahatsiahivana. Fa lazaiko anareo aloha fa tsy misy milaza mihitsy ny fampianarana aty aoriana hoe tsy tonga tamin'ny nofo i Kristy.

Na ny Silamo, na ny Boudhista, na iza na iza dia tsy afaka manambara fa tsy nisy izany Krsity nandalo teto an-tany izany fa ny filazana ny momba AZY no samihafa. Ohatra, Mpaminany Lehibe no ilazan'ny Silamo Azy.

Ny fanambaràna azo avy amin'ny Fanahin'Andriamanitra dia samy manana ny olombelona rehetra araka ny vondrony sy ny fivoarany avy.

Fehiny : miteny amin'ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka Andriamanitra Mpamorona izao rehetra izao ary io dia tsy voatery amin'ny alalan'i Kristy irery fa afaka miteny mivantana Andriamanitra ka mamoaka izay fahendrena lalina indrindra arahan'ny maro ary tokony hitozo amin'izany lalana izany avokoa ny miaina rehetra rehefa tanteraka ny fotoana ahafantarana fa IRAY ihany ny rehetra.

Ny siansa aza dia mahatsapa fa iray ihany ny rehetra satria samy manana Atoma Fototra mandrafitra organisma tsirairay.

Ny mahasamihafa ny olona dia eo amin'ny hevitra, koa raha ariana tanteraka ny hevi-diso sy ny hevitra mampisavoritaka dia ho afaka avokoa ny olombelona.
24. RBNIR ( 07/11/2011 13:23)
Izany v ry namana Miharena,
Dia maninona no :
1- Tsy ilay anaran'Andriamanitra nasain'i Jesosy Kristy Tompoina no tompoin'izireo?
2- Tsy manompo an'i Jesosy Kristy ho Tompo (izay hany lalana ahazoana fiainana mandrak'izay) ry zareo??? fa olona hafa no tena indraindrain-drizareo???
3- Tsy ireo didy napetrak'i Jesosy Kristy Tompo no ampianariny amin'ny olona fa didy hafa??

Nefa ilay Fanahy tokony hoe 1 ihany (fa tsy fanahy marobe akory)???

« Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy an jentilisa*, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray. [* Gr. Grika] » (1 Korintiana 12:13)

Maninona no tsy tanteraka koa ity teny manaraka ity???
« iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, » (Efesiana 4:5)

Samy ho tahin'ny Tompo namana a!
25. Miharena ( 07/11/2011 19:33)
Raha mbola manana efitra amin'ny namama hafa isika RBNIR na koa manana efitra amin'ny olona mitovy amintsika dia mbola h otafiditra amin'ny fanao tsy mety hatrany.

Ny fanontaniana hoe i Kristy no tompoina dia endrika diso tsy mahalaza izay ampitain'i Krsity teto an-tany velively. Iray ihany no Tompo na ny Tsara hoy i Kristy dia Andriamanitra raintsika. Aoka angamba raisina tsara mihitsy io fanononana hoe RAY io fa tsy nomen'i Krsity anarana mihitsy IZY raha manamarika tsara ny Testamenta Vaovao ianareo.

Endrika nentin'ny Krsitiana iainana ny Batisa iray. Izany tsuy midika velively hoe izay tsy vita Batisa rehetrar eran-tany dia tsy iray ao amin'ny RAY. Izy dia manerana ary ao anatin'ny olon-drehetra tsy an-kanavaka.

Ny fanompoana na inona endriny na inona dia hevitra avokoa fa tsy mahafoana ny maha-iray ao amin'ny Ray velively.
26. RBNIR ( 08/11/2011 04:53)
Faly miarahaba namana,

« Izy nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra* ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an'ny Isiraely. [* Na: nasandratra ho eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra] » (Asan'ny Apostoly 5:31)
« fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin'ny fanjakana mandrakizay, izay an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika. » (2 Petera 1:11)
« Fa raha misy efa afaka amin'ny fahalotoan'izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr'izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany. » (2 Petera 2:20)
===>TOMPON-TSIKA SY MPAMONJY AN-TSIKA JESOSY

« Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. » (Jaona 14:6)

Samy ho tahin'ny Tompo ry namana isany


27. Miharena ( 09/11/2011 03:34)
Misaotra an'i RBNIR amin'ny fizaràna.

Tsy manafoana velively ny Fahasoavan'i Kristy ny teny lazaina eo ambony, dia ny maha-IRAY ny olon-drehetra tsy an-kanavaka. Ary isika tsy afaka hanambara velively hoe tsy notsidihan'IZY Tompo ny olona tsy manaraka ny fombafomba Kristianina. Ny endrika isehoaNY no mety samihafa. Ny Mpandinika ny voa sy ny fo dia manana fitaovana mao entina mampifoha ny Voary noforoniNY.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4112