Resaka Devoly sy helo
1. Miharena
(
26/10/2011 07:22)
Nampihomehy an'i Zokieva ilay resaka nataoko tatsy ambadika ka tiako horesahana eto ny mahatonga ahy hilaza hatrany hoe tsy misy ireo fa ao antsain'ny olona ihany.
Ity misy resaka nifanaovana tamin'i Jesosy efa tany amin'ny taona 1800 tany izay nosoratan'ny mpandalina sady missionnaire iray Baird Spalding ao amin'ny boky "La vie des Maitres"
La conversation en arriva au point où l’un de nous
demanda où se trouvait l’enfer et que signifiait le diable.
Jésus réagit rapidement et dit : L’enfer et le diable n’ont pas
de demeure en dehors de la pensée mortelle de l’homme.
Tous deux se trouvent exactement à l’endroit où l’homme les
place. Instruits maintenant comme vous l’étes, pouvez-vous
trouver à l’un ou à l’autre une position géographique en
quelque point de la terre ? Si le ciel est tout et entoure tout,
trouverait-on dans l’éther une place pour l’enfer ou le
diable ? Si Dieu régit tout et est tout, où y a-t-il place pour
l’un d’eux dans le plan parfait de Dieu ?
Ka eo isika no mandaina hoe marina io filazana io sa diso?
Izaho aloha dia manaiky fa marina io filazana io ary tena ao anatin"ny sain'ny olombelona ihany no misy ny helo sy ny Devoly izay lazainy mangeja azy.

novalian'i Miharena ny 08/11/2011 18:19
2. bor2lais
(
26/10/2011 08:54)
Miharena:
Jésus réagit rapidement et dit : L’enfer et le diable n’ont pas
de demeure en dehors de la pensée mortelle de l’homme.
Tsy fantatro aloha ny fahamarinan'ilay tantara fa raha io voasoratra io monja no jerena dia tsy afaka mihitsy ny hilaza aho hoe "tsy misy ny devoly sy ny helo".
Araka io teny io mantsy, raha ny fahazoako azy, dia ny olombelona no "cible"-n'ny devoly : hanimba, hamotika, hamono ny olombelona !
Raha ny hoe "position géographique" (misy azy) no lazainao fa tsy misy dia zavatra hafa indray izay ! :-)
Izay no fijeriko azy !
3. rijadolly
(
26/10/2011 15:41)
Mino koa ary ve Miharena raha omeko fijorona vavolombelon'izay nalefan'ny namana teto mikasika ny fisian'ny helo sy ny paradisa izay tena samy hafa tokoa? ary Jesoa Kristy mihitsy no nitondra azy nampiseho izany. Dia mety hiteny se hoe diso izany fa zavatra avy amin'ny harerahatsainy. Dia hoy aho hoe ny an'iza no marina? ary rehefa mifanaraka ny hevitr'iza ilay fisehony izay vao marina?
Tsy maintsy misy iray marina anefa amin'ireo hevitra roa ireo. Tenin'iza ary no arahina ahalalana izany fahamarinana fa misy helo na tsy misy helo izany? Dia miray hevitra isika rehetra hoe Tenin'Andriamanitra ihany. dia hoy indray aho hoe Tenin'Andriamanitra azo avy aiza? Sanatria manambany ny fahitan'olona taty aoriana aho fa kosa mahatsapa fa misy ny manaraka ireo mpaminan'Andriamanitra voalazan'Baiboly, ary, misy dia mandiso ny voalazan'Mpitondra tenin'Andriamanitra ao anaty Baiboly. Dia mipetraka indray ny fanontaniana hoe maninona ny Baiboly no angalana ny Fahamarinana fa tsy ny fandalinana ankehitriny? Dia bokin'iza ary hoy aho? dia izay no nahatonga ahy niteny foana hoe miandry Baiboly vaovao ho soratana indray izany isika fa iny taloha iny lany andro sy lainga be ary mamitaka fa tsy misy izany helo izany. Ny zavatra mahagaga ahy anefa dia ny tsy fahasahian'se milaza ny tenin'Jesoa Kristy ao anaty Baiboly hoe : tsy marina. Izay tena mahafinaritra ahy tokoa, nefa dia sahy ary manamarin-tena i se fa tsy misy izany helo sy devoly izany.
Raha eo amin'ny ara-jeografikan' ilay Helo no tiantsika ho fantatra dia eny ivelan'ny vavahady sy ny fefin'ilay Fanjakan'Andriamanitra.

4. Miharena
(
26/10/2011 17:17)
Tsy manana fanamrinan-tena mihitsy aho ary tsy mandiso izay voalazan'ny Baiboly sy ny fampisehoan'i Jesosy ny helo amin'ny olona iray mijoro vavolombelona. Saingy manamafy izay tsoa-kevitra farany ataon'i Jesosy aho hoe ao anatin'ny sain'ny olombelona no itoeran'ny helo. Aseho ilay izy ho an'ny mpijoro nanehoana izany fa isika izay mihaino sy mijery azy mijoro tsy hahalala velively hoe taiza no nalehany ara-jeografika fa raha ara-tsaina dia fantatra tsara hoe tao amin'ny erana ara-tsaina no nitondran'i Kristy azy hahalala tsara ka hahay hizara ny fahasoavana ho afaka amin'izany fahadisoam-piheverana voarafitra izany.
Ny amin'ny hoe tsy manafoana ny fisiany ny filazana eo ambony. Isika dia mihevitra hatrany fa ivelany ny Devoly ary manangoly, nefa raha zohina dia ny tontali-ben'ny fahadisoam-piheverana nangonintsika no nahatonga antsika hihevitra izany fandrebirebena izany satria ny saintsika nanangona izany dia mamerimberina ilay savorovoro dia mihevitra isika fa hery ivelantsika mihitsy ilay izy.
Ka tsoa-kevitra ihany moa io ka asantsika ihany.

5. didi10
(
26/10/2011 20:10)
Lk 23;43
Anio ihany dia hihaona amiko any Paradisa ianao
Maro ny Fiangonana mampianatra fa tsy misy fiainana aorian'ny fahafatesana, ny teny hoe helo hono dia tsy afobe ny dikany fa fasana na lavaka maizina, ary tsy misy hono izany fanahy tsy mety maty mijaly mandrakizay izany fa rehefa maty ny vatana dia maty ny fanahy.
Jiolahy 2 no teo anilan'i Jesosy,tsy niteny izy hoe ianareo roalahy, fa ianao hoy izy, ilay iray izany mankaiza?
Tsy haiko aloha i Miharena sy izay tsy mino ny helo miaraka aminy ao raha eto Madagasikara fa izao, isanandro izahay aty mahita gazety maneho ny asan'izany devoly sy satana izany,

6. rijadolly
(
27/10/2011 00:49)
Hoy i Miharena:
Tsy manana fanamrinan-tena mihitsy aho ary tsy mandiso izay voalazan'ny Baiboly sy ny fampisehoan'i Jesosy ny helo amin'ny olona iray mijoro vavolombelona.
Misaotra betsaka an'se fa mety ho resilahitra ihany se izany fa miandry fotoana kely fotsiny.
hoy i Miharena:
Saingy manamafy izay tsoa-kevitra farany ataon'i Jesosy aho hoe ao anatin'ny sain'ny olombelona no itoeran'ny helo.
Tamin'IZY mbola tety an-tany ve io sa afatra taty aoriana?
Na izany na tsy izany dia azo lazaina fa marina ihany io voalazan'se io fa afaka iainana dia ny mbola ety an-tany ny Fanjakan' Andriamanitra. izany hoe rehefa tsy tia an'izay se dia afaka miaina sahady koa ny any amin'ny helo. Ary somary ahitsiko kely hoe tsy ao an-tsaina fa ao anaty.
Miharena:
Aseho ilay izy ho an'ny mpijoro nanehoana izany fa isika izay mihaino sy mijery azy mijoro tsy hahalala velively hoe taiza no nalehany ara-jeografika fa raha ara-tsaina dia fantatra tsara hoe tao amin'ny erana ara-tsaina no nitondran'i Kristy azy hahalala tsara ka hahay hizara ny fahasoavana ho afaka amin'izany fahadisoam-piheverana voarafitra izany.
Dia maninona ary no fitahin'Kristy indray io olona nanehoany ny Helo sy ny Paradisa io raha izany? Nivavaka anie io olona io, ary nahatsiaro tena tsara, fa kosa ni- décolle na ny marimarina kokoa nanao "voyage astrale" niala tamin'ny vatany izy e! Efa namaky an'izay ve aloha miharena sa tsy mbola e? leo alefa ko eto ilay rohy ary aloha dia vakio tsara mba hangalan' se lesona na koa angalan' se hevitra hanoheran'se azy, mahaiza misafidy izay tsara anefa. JEREO ETO, sady misy Radio mahafinaritra ao fa alefao ny hautparleur
Miharena:
Ka tsoa-kevitra ihany moa io ka asantsika ihany.
Hoy izay hiran' Rija Rasolondraibe izay.
Raha mbola misy ny fofonaina,
tsy misy anaiky ho sahiran-tsaina,
Hajanon'i Tompo ny fotoana,
izay vao tsy hitay atao ahoana.
Misy Zanahary, izay nanao izao tontolo izao
Jesoa, zanaky ny Ray no ahavonjy anao
Asakasakao e,e,e,e, asakaasakao, asakasakao e!
Henoy tsara fa misy hafatra tsara be ao anatin'io
[dailymotion]http://www.dailymotion.com/video/x6xckj_rija-rasolondraibe-dia-ahoana-ihany_music[/dailymotion]
LIOKA 13 : 34-35; MATIO 23 : 7 Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanòmban'ny akoho ny zanany ao ambanin'ny elany, fa tsy nety hianareo!38 Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.39 Fa lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia tsy hahita Ahy tokoa hianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah.
7. Miharena
(
27/10/2011 03:52)
Rijadolly:
Dia maninona ary no fitahin'Kristy indray io olona nanehoany ny Helo sy ny Paradisa io raha izany? Nivavaka anie io olona io, ary nahatsiaro tena tsara, fa kosa ni- décolle na ny marimarina kokoa nanao "voyage astrale" niala tamin'ny vatany izy e! Efa namaky an'izay ve aloha miharena sa tsy mbola e? leo alefa ko eto ilay rohy ary aloha dia vakio tsara mba hangalan' se lesona na koa angalan' se hevitra hanoheran'se azy, mahaiza misafidy izay tsara anefa. JEREO ETO, sady misy Radio mahafinaritra ao fa alefao ny hautparleur
Somary mivoaka sy miditra ihany i Rijadolly eo amin'ny fanazavana rehetra ataony eo ambony fa ity fanontaniana voatanisa ity ihany aloha no entiko hazavaina kely amintsika hoe aiza ho aiza ny fiasan'ny saina sy ny fiasan'ny fanahy.
Arak'io voalazanao eo ambony io moa dia voyage astral hoy ianao no nandehanan'ny olona nanehoana ny helo sy ny paradisa. Ny hany azoko ambara fotsiny dia anisan'ny eo anelanelan'ny nofo sy ny fanahy ny astral fa tsy fanahy tanteraka ary io no mahatonga ny tontolo roa azo iainana aminy toy ny tontolo ara-nofo (=ara-tsaina) sy ny tontolo ara-panahy.
Fhatsapana ny ara-nofo na ny ara-astral toy ny fahatsapana fa mivaivay ny afo. Ny ara-panahy dia tsy misy eriny aminy ny afo na dia kely aza satria ny fanahy dia fahazavana ary tsy misy mampiempo azy velively. Ny eo amin'ny resaka fanehoana ny helo izay ahitana ireo faharetan'ny fiverenan'ny nofon'ny olona miempo ao anaty afo dia gadra noforonin'ny saina ka miverimberina maharitra no mahatonga azy.
Ny hany mba marihina fotsiny amin'ny fahitana olom-pantatra ao amin'ny helo dia isan'ny fanenenana ao amin'ny olona hanehoana azy izy ireny dia zavatra ao an-tsaina mitady haharitra ka asehon'i Kristy azy tsara izany mba ho fantany fa ireo zavatra angoniny hanamelohany ny tenany ireo anie ka miteraka ireo helo faritany dieny izy eto an-tany izao ary miteraka tahotra ho azy ireny.
Ny tsy fahamatorana eo amin'ny fahafantarana ny fanahy avokoa anefa no mahatonga ireo eritreritra mibirioka rehetra ireo izay aseho tokoa ny vokany izay tsara fantarina fa sarintsarin-javatra na illusion ihany.
Soa ihany moa fa miteny ihany Kristy ho an'ny olona fa tsy mamela azy amin'izao hatramin'izao fotoana iainantsika izao.
Raha ny fanontanian'i Did10 indray amin'ny hoe marobe ireo olona ampahorian'ny devoly dia hoy aho hoe fisehoan'ny vokatry ny fisainan'olombelona nentiny nitaizana io olona io avokoa ny miseho aminy. Raha zohina tsara ireny olona ireny dia anisan'ny marefo satria maneho izay karazana vibration manan-danja ao aminy fotsiny izy fa tsy mahatsiaro tena ka mahafehy izany vibration izany. Eritreritra maro mifamahofaho no matetika miteraka io resahantsika fa fampahorian'ny devoly io. Rehefa sitranina izy io dia misy fiaraha-miasa eo amin'ny mpiandry na mpanasitrana amin'ny vavaka sy ilay fanahin'ilay olona ataontsika hoe marary na bokan'ilay eritreritra ka ireo no miala fa manjary ny fanahy no manan-danja rehefa sitrana ny olona iray.
Raha tsy manana ny finoana fototra ny maha-iray ny olon-drehetra ao amin'i Kristy ny mpiandry dia tsy mahasitrana velively. Toy izany koa ireo ombiasa manasitrana any amin'ny toerana tsy misy kristianina, ny mahazanak'Andriamanitra ny rehetra no entiny manasitrana.
8. zokieva
(
27/10/2011 07:04)
Saingy manamafy izay tsoa-kevitra farany ataon'i Jesosy aho hoe ao anatin'ny sain'ny olombelona no itoeran'ny helo.
Ny tsotra rehefa tsy voamarina ara-baiboly dia diso!mba omeo ny toko sy andininy

9. Miharena
(
27/10/2011 07:34)
Raha tsy ara-Baiboly moa hoy Zokieva. Fa mba azon'i Zokieva hazavaina tsara ve aloha ny resaka helo ao anaty Baiboly ary raha ny Tompo mihitsy no milaza mivantana ankehitriny ilay fanazavana momba ny helo dia tsy hanaiky ve Zokieva?
Raha misy anjely iray iraky ny lanitra hilaza zavatra ho antsika olombelona, dia tsy hahafantatra ve isika hoe tena teny avy amin'Andriamanitra marina izany ambarany izany? voatery hatrany ve isika hanamarina raha voasoratra ao anaty Baiboly izany na tsia?
Hoy ny Apostoly raha namaramparana ny bokiny hoe zavatra maro no nataon'i Kristy teto an-tany ka na boky marobe aza hanoratana izany dia tsy ho ampy mihitsy.
Misy famantarana izay teny marina sy diso na dia tsy hita ao anaty Baiboly aza. Eto moa i Kristy dia manamarina ara-tsiantifika mihitsy ny resaka helo sy ny fisehony. Ankoatr'izay dia misy teniNY maro ao anaty Baiboly izay hazavaiNY tsara ao anatin"ny boky "La Vie des Maitres" ary ao koa ny nanehoany ny fiarahany tamin'i Boudha. Ka asa hoe aiza ho aiza moa isika eo anatrehan'ny tena fanazavana tsy nohalalinin'ny olombelona fa mivantana avy amin'ny Tompon'ny Teny.

10. lals
(
27/10/2011 08:50)
Miarahaba ny namana rehetra
Namana Miharena,
Izaho aloha tsy mahay hoe fiangonana aiza marina ianao no miditra dia isaky ny inona ny fanompoam-pivavahana. Fa ny fantatro aloha hatreto dia ny Temoin de Jehovah no manizingizina sy mivoy tahaka anao fa tsy misy ny helo.
Tiako ary miangavy anao aho mba ho vakianao ao anaty Baibolinao ao ny bokin'ny Apokalipsy.
Sombintsombiny no omeko anao ao amin'ny Apok. 20: 12-15
" Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky araka ny asany. Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy.14 Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy."
Ahoana indray ary ny fanazavanao amin'io?
Amiko io farihy afo io ilay helo, ilay fahaverezana mandrakizay mandrakizay
samy ho tahian'Andriamanitra isika rehetra

11. Miharena
(
27/10/2011 09:34)
Izaho aloha Lals dia kristianina toa anao io mihitsy fa ny fandraisana ny fahamarinana no mety tsy itovizantsika. Ny ahy dia rafitra ao anaty izay rafi-panahy no iaingan'ny fandraisako ny teny rehetra.
14 Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy."
Bokin'ny fiainana moa ny resaka eto. Amiko io tsy boky misy lisitry ny olona nodimandry rehetra hatrizay fa misy ny fiainana amin'ny maha-fianana azy. Mazava be anie io teny io hoe ny fahafatesana sy ny fiainatsi-hita no natsipy fa tsy olombelona marobe akory e!
Mila vakiana tsara araka ny hitsiny ny teny fa raha tsy izany dia very isika. Mety hilaza ianao hoe fitsarana ny maty no voalaza eo ambony. Ny fitsarana dia araka ny asany avy izay mifanandrify amin'ny bokin'ny fiainana. Tsy voatery izany hilaza hoe ilay olona notsaraina no natsipy. Ahoana tokoa moa ny fomba hifikiran'ny fanahin'olona izay mitovy endrika amin'Andriamanitra amin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita? Ny vesatra sy fahadisoana rehetra teo aminy no miala ary atsipy noho ny famindrampon'Andriamanitra izay efa nosorataNY elabe talohan'ny nanoratana ny Apokalypsy ary mazava fa endrika fandevonana tanteraka izany no voalaza amin'ny tanisa natanao io Lals.
Eo ambony moa dia milaza momba ny astral aho, ny vatana astral dia mifanohitra amin'ny fanahy ary mitovy amin'ny filazan'i Kristy hoe ny nofo sy ny fanahy dia mifanohitra. Koa raha miaina ara-panahy ianao dia iaino izany fa aza mitaredretra amin'ny ara-nofo izay mety lo sy may. Rehefa tonga ny fahatsiarovana fa tsy nofo isika dia mazava ho azy fa afaka tanteraka amin'ny fahadisoam-piheverana momba ny fahafatesana mandrakizay na fahafatesana faharoa io izay momba ny nofo sy ny lalànany ihany fa tsy momba ny fanahy velively.

12. didi10
(
27/10/2011 10:42)
Miharena:
Izaho aloha Lals dia kristianina toa anao io mihitsy fa ny fandraisana ny fahamarinana no mety tsy itovizantsika. Ny ahy dia rafitra ao anaty izay rafi-panahy no iaingan'ny fandraisako ny teny rehetra.
Tsy novalianao moa ilay fanontaniako tetsy ambony mikasika ny resaka nifanaovanao sy christian777 (fm foi) ka dia averiko apetraka indray!
Milaza ianao fa Kristianina FJKM nefa milaza fa tsy mino ny helo sy ny demonia, izany ve no nampianarin'ny fiangonanao anao? sa efa natakalonao ireo version 'ny mpaminany nanoratra baiboly vaovao toa an-dry "Ellen White" sy "ireo ao amin'ny "Terre Nouvel" ny Baibolinao?
Raha ny fanehoan-kevitrao aloha dia efa tena lasa lavitra loatra ianao ka maniditsidina sy filozofika avokoa ny zavatra soratanao, efa irrecuparable enao fa ny zavatra teneniko fotsiny dia mirary anao aho hifamihina sy hiara-paly amin-dry Hitler, Kadafi, Sadam hussein rehefa tafaraka any amin'ny Paradisanareo tsy manavaka ny mpanota sy ny tsy mpanota ianareo.
13. darojo
(
27/10/2011 11:52)
Tsy hamaly ny fanontanianareo aho, fa mangataka anareo kosa : mankanesa ao @ site google, dia ampidiro, ary ataovy recherche ao ity anarana ity "Angelica zambrano - Témoignages", dia samia mamaky ; mino ianao = tsara ; tsy mino ianao = anjaranao samirery izany ; fa tandremo : "âmes sensibles = s'abstenir!"
14. Miharena
(
27/10/2011 15:58)
-----Didi10
----Milaza ianao fa Kristianina FJKM nefa milaza fa tsy mino ny helo sy ny demonia, izany ve no nampianarin'ny fiangonanao anao? sa efa natakalonao ireo version 'ny mpaminany nanoratra baiboly vaovao toa an-dry "Ellen White" sy "ireo ao amin'ny "Terre Nouvel" ny Baibolinao?
Raha ny fanehoan-kevitrao aloha dia efa tena lasa lavitra loatra ianao ka maniditsidina sy filozofika avokoa ny zavatra soratanao, efa irrecuparable enao fa ny zavatra teneniko fotsiny dia mirary anao aho hifamihina sy hiara-paly amin-dry Hitler, Kadafi, Sadam hussein rehefa tafaraka any amin'ny Paradisanareo tsy manavaka ny mpanota sy ny tsy mpanota ianareo.----
Raharaha be ny fomba firesakao azy eto Didi10 an!
Tsy milaza aho hoe tsy nampianarin'ny fiangonana angamba hatrizay nanoratako teto fa misy zavatra mbola maro izay tokony ho fantatra vao afaka manana tsoa-kevitra mazava momba ny finoana. Ny Baiboly tsy atakalo akory ary raha tsy nahavaky tanteraka ny Baiboly tsy afaka hanakatra izay hevitra hafa voalaza momba izay hafatr'iKristy aty aoriana.
Tsy filozofia misavoana koa no soratako eto fa izay mba fantatro momba ny fandalinako ary ataoko fa mitovy fijery amin'ny mpiteny maro momba ny ara-panahy koa aho.
Raha momba ny fanavahana ataon'ny olona amin'ireo mpanota sy tsy mpanota dia tsy avy amin'i Kristy izany fa avy amin'ny olona. Ny an'i Kristy dia hoe : tsy tonga ho avy hiantso ny marina IZY fa ny mpanota mba hibebaka.
Koa raha ireo olona tanisainao eo ambony ireo dia manana ny anjarany izy eo amin'ny Mpamorona azy toa anao manana ny anjaranao eo anatrehan'ny Mpamorona anao izay IRAY ihany fa tsy misy samihafa. Raha tsy hoe angaha ianao mihevitra fa afaka mamorona olona ny Devoly izay fantatra fa antontam-pahadisoana miorina ao an-tsain'ny olona.
Mila mijery mahitsy isika mba ho afaka amin'ny tahotra ary hatoky marina an'i Kristy izay mizara Fiainana mandrakizay fa tsy fahafatesana na antontan-kevitra mety ho foana.

15. Miharena
(
27/10/2011 16:20)
Darojo:
Tsy hamaly ny fanontanianareo aho, fa mangataka anareo kosa : mankanesa ao @ site google, dia ampidiro, ary ataovy recherche ao ity anarana ity "Angelica zambrano - Témoignages", dia samia mamaky ; mino ianao = tsara ; tsy mino ianao = anjaranao samirery izany ; fa tandremo : "âmes sensibles = s'abstenir!"
Misy extrait vao manomboka ny tantarany i Angelica Zambrano ka tiako mba hazavaina kely eto:
J'ai dit: «Seigneur, cette parole m'est elle adressée?» j'ai gardée cette révélation confidentielle pendant que les autres témoignaient de ce que le Seigneur leur a donne et de ce qu'ils ont vu. Mais j'ai gardée mon secret et méditais sur la parole: « Invoque-moi!»Signifie prier, mais qu'est ce que « de grandes choses, des choses cachées » veut dire? Je réfléchissais, «ce ci ne peut signifier que le Paradis et l'Enfer.» Si bien que j'ai dit: «Seigneur, je veux que tu ne me montres que le Paradis mais pas l'Enfer car j'ai appris que c'est un endroit horrible.» Puis je priais de tout mon CÅ“ur: «Seigneur si cela est ta volonté de me montrer ce que tu as planifie, alors que ta volonté soit faite, mais transforme moi d'abord. Je veux que tu fasses de moi une personne nouvelle; je veux étre transformée.»
Ilay voatsipika no aoka hisarihina ny hevittsika. Avy hatrany dia ny Paradis sy Enfer no noheverin'i Angelica fa zava-miafina dia nanehoana izany tokoa izy.
Marina tokoa fa zava-miafina ireo roa ireo fa ilay helo dia ho levona rehefa tonga ny fotoana ifohazan'ny olona rehetra ka hahafantarany fa IRAY AINA amin'Andriamanitra RAY izy rehetra.
16. niryna
(
27/10/2011 16:41)
Miharena:tsy azoko ,inona no tsy misy? raha tohizako ny lahatsoratra dia hoe helo sy Devoly ve ?
Nampihomehy an'i Zokieva ilay resaka nataoko tatsy ambadika ka tiako horesahana eto ny mahatonga ahy hilaza hatrany hoe tsy misy ireo fa ao antsain'ny olona ihany.
Raha izay ilay lazainao tsy misy dia tsotra ny valiny:
Ny famonjena dia nomena maimaimpoana ho antsika rehetra izay mIno an'i kristy ho Tompo sy mpamonjy antsika(ny fanahintsika ) .
17. rijadolly
(
27/10/2011 18:54)
hoy Miharena:
Somary mivoaka sy miditra ihany i Rijadolly eo amin'ny fanazavana rehetra ataony eo ambony
Fa angaha rehefa manaiky ny hevitry se sasany dia hoe mivoaka miditra? Ny olona tsy misokatra sy manohitra be amin'ny tsy fitiavana no manao izany satria na marina aza ny lazain'olona dia lazaina fa diso fa ny azy ihany no marina. Ary, ny Miaina dia ny ety an-tany ny Fanjakan'Andriamanitra ve dia midika hoe tsy misy any an-Danitra? Ny fikolokoloinao ny fanahinao ety an-tany no miantoka ny fiainanao any an-Danitra.
Miharena:
Arak'io voalazanao eo ambony io moa dia voyage astral hoy ianao no nandehanan'ny olona nanehoana ny helo sy ny paradisa. Ny hany azoko ambara fotsiny dia anisan'ny eo anelanelan'ny nofo sy ny fanahy ny astral fa tsy fanahy tanteraka ary io no mahatonga ny tontolo roa azo iainana aminy toy ny tontolo ara-nofo (=ara-tsaina) sy ny tontolo ara-panahy.
Fhatsapana ny ara-nofo na ny ara-astral toy ny fahatsapana fa mivaivay ny afo. Ny ara-panahy dia tsy misy eriny aminy ny afo na dia kely aza satria ny fanahy dia fahazavana ary tsy misy mampiempo azy velively. Ny eo amin'ny resaka fanehoana ny helo izay ahitana ireo faharetan'ny fiverenan'ny nofon'ny olona miempo ao anaty afo dia gadra noforonin'ny saina ka miverimberina maharitra no mahatonga azy.
Tsy aiko na efa hitan'se na modidin'se fanina ilay loha hevitro any ambany any mikasika ny fanahy maha olona sy ny Fanahy Masina. Ise moa tsy mino fa misy fanahy maha Rijadolly an' Rijadolly izay tsy hitambarako mihitsy an'Miharena velively. Aminay mino dia io fanahy io no miatrika ilay fitsarana farany ka iray very rijadolly na miaraka an' Kristy. Aza kamo se mamaky ireto kitsipona ireto, ary dia ho fantatry se manomboka eto fa tsy Fanahy Masina ireo raha tsy hoe lainga indray ny voalazan' Jesoa Kristy satria misy teniny ao, misy tenin'Davida ao, tenin' Maria, Tenin' Paoly, tenin' Stefana,...samy nitaiza ny fanahy avy ireo olona ireo, ka aza mamitaka ny olona hoe Silak'Andriamanitra nefa ny fanahitsika no ratsy satria navela hanara-po ny faharatsiana sy fahavetavetana isakarazany. Manina raha tsorina fotsiny mihareana hoe Ny Baiboly mihitsy no tsy misy ilana azy fa tsy eo mihodikodina fotsiny manohitra ny teny rehetra ao nefa tsy sahy mandiso izay teny ao. Jereo tsara anie se raha mahasahy miteny hoe diso ireto tanisako ireto e! tonga dia tsory tahaka ny hitenenako azy hoe Marina ireo.
ASAN'NY APOSTOLY 7: 59 Ary ny olona nitora-bato an'i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko.
SALAMO 42: 5 Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko, ka mitoloko ato anatiko?
Manantenà an'Andriamanitra ianao, fa mbola hidera Azy ihany aho noho ny famonjen'ny tavany.
MATIO 22: 37 Dia hoy Jesosy taminy: "Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra" ( Deo.6.5).
SALAMO 103: Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko;
Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.
1 TESALONIANA 5: 23 Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika.
MATIO 26: 38 Dia hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miaraha miaritory amiko.
LIOKA 1 : 46 Ary hoy Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo,47 Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin'Andriamanitra, Mpamonjy ahy;
KORINTIANA VOALOHANY 14 :14 Fa raha mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra aho, dia ny fanahiko ihany no mivavaka, fa ny saiko kosa tsy mahavanona.
LIOKA 23 : 46 Ary niantso amin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko (Sal.31.5); ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy.
JAONA12 : 27 Ankehitriny mangorohoro ny fanahiko; ary ahoana no holazaiko: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin'ity ora ity? nefa izao no nihaviako ho amin'ity ora ity;
…Mbola maro ao
18. Miharena
(
28/10/2011 03:12)
Rijadolly:
Tsy aiko na efa hitan'se na modidin'se fanina ilay loha hevitro any ambany any mikasika ny fanahy maha olona sy ny Fanahy Masina. Ise moa tsy mino fa misy fanahy maha Rijadolly an' Rijadolly izay tsy hitambarako mihitsy an'Miharena velively.
Misaotra anao mapahatsiahy ity resaka ity. Tsy mbola nilaza aho hoe tsy mino fa manana ny fanahy maha-olona azy ny tsirairay saingy izay nomena azy avy amin'Andriamanitra avokoa no eo am-pelatanany ary ampiasainy sy iainany ara-panahy. Mila miavaka ny nofo sy ny fanahy. Ny Fanahy Masina dia mazava fa iraisanny rehetra ao amin'ny RAY ary ny fiombonana no asany na koa ny fiverenan'ny fanahy tsirairay an-Doharano. Izay no antony ilazana ny hoe aoka tsy hanan-tsiny eo anatrehan'ny Ray isika izay midika fahadiovam-panahy tsy misy pentina.
Ireo teny notsongainao ireo moa dia mazava fa tenin'ny madio ara-panahy na madio am-po.
19. zokieva
(
28/10/2011 06:09)
Mazava be anie io teny io hoe ny fahafatesana sy ny fiainatsi-hita no natsipy fa tsy olombelona marobe akory e!
Rehefa may ianao dia ho hita eo fa za leo mamaly fa rehefa tsy mino ianao dia zay zany

20. lals
(
28/10/2011 07:05)
Miharena,
Tena efa lalim-paka sy mafy orina ao anatinao manontolo ny tsy fisian'ny helo sy ny devoly ka mbola ezaka be ny mandresy lahatra anao amin'izany.
Efa niangavy anao aho ny hamakianao ny Bokin'ny Apokalipsy manontolo ka asa raha efa namaky ianao na tsia. Dia diniho tsara izay voarakitra rehetra ao. Aza raisina sy tsimponina amin’ny ambangovangony ilay izy fa jereo aloha ity :
Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky araka ny asany … Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy.
Isika izay miaina sy velona ankehitriny izao ka tsy maintsy ho faty anie ireo maty rehetra ireo e. Dia tsaraina araka ny asantsika ety an-tany.
Raha mbola misy heviny hafa io Soratra Masina io dia mba lazao hoe inona no dikany.
Fanontaniana tiako apetraka aminao koa dia ireto:
- Inona ary no ilaina ny mivavaka e?
- Hoy i Jesosy Kristy: Mibebaha fa efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra
Fa maninona isika no asaina mibebaka?
- "Izay mino sy atao batisa no hovonjena fa izay tsy mety mino kosa no hohelohina"
Ireo tsy mety mino ireo izany hohelohina aiza dia hohelohina ahoana?
- Mino ny nahafatesan’I Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana sy ny nitsanganany tamin’ny maty ianao? Nahoana ary IZY no navelan’Atra teo nefa tsy mba nanota akory Izy na dia kely aza.