Resaka Devoly sy helo

41. rijadolly ( 04/11/2011 20:13)
Hoy i Miharena:

Ny ahy dia raisiko tsotra io dia ampy ahy be dia be fa tsy mitady vonjy ivelany intsony aho na IZY hisarika ahy satria IZY efa manome ny toro-lalana mazava ny mahazanak'Andriamanitra ny olon-drehetra tsy an-kanavaka (na jiosy na jentilisa na iza na iza).

Azonao hazavaina sy atoro anay ve io toro-lalana mazava nomen'Andriamanitra io fa tsy fantatray?
Ity mantsy misy toro lalana izay nolazain' Jesoa Kristy anakiray:
JAONA 8: 21 Ary hoy indray Jesosy taminy: Handeha Aho, ary hitady Ahy hianareo, ary ho faty amin'ny fahotanareo; izay alehako tsy azonareo haleha.22 Dia hoy ny Jiosy: Hamono tena va Izy, no manao hoe: Izay alehako tsy azonareo haleha?23 Fa hoy Izy taminy: Hianareo avy aty ambany; Izaho avy any ambony; hianareo avy avy amin'izao tontolo izao; Izaho tsy mba avy amin'izao tontolo izao;24 koa izany no nilazako taminareo fa ho faty amin'ny fahotanareo hianareo; fa raha tsy mino hianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin'ny fahotanareo hianareo.
Mila mitady AZY marina ô!Satria aho jetilisa toetra, iza no hanafaka ahy sy hamonjy ahy? Mitadiava dia ahita, dodomy dia hovohana, Iza no ho Tompoiko? ROMANA 6: 16 Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo hianareo na ho an'iza na ho an'iza, dia mpanompon'izay arahinareo hianareo, na ny ota ho amin'ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin'ny fahamarinana?
42. Miharena ( 05/11/2011 05:37)
Mazava be anie io tenin'i Krsity io e! Tsy nisy nino ny Jiosy fa zanak'Andriamanitra IZY fa olona ihany "hono". Izy anefa mampahatsiahy hatrany ny maha-zanak'Andriamanitra ny olon-drehetra tsy an-kanavaka toa AZY. Ny fanompoana nataon'ny Jiosy no diso satria toy ny mivavaka amin'Andriamanitra tsy fantatra any ambony beeeee any na koa hoe taloha be tany araka ny filazany hoe Andriamanittry ny razanay. Ny Mandrakizay tsy mety atao hoe taloha be fa ankehitriny lalandava.
Io no lakile omena Rijadolly dia hiadana ianao mamaky ny Baiboly sy ny teny izay ambaran'i Kristy na ao anaty Baiboly na ivelan'ny Baiboly lazaina fa boky taty aoriana. Feno ny Fanahy Masina ianao amin'izay satria IZY no présent ao aminao mandrakariva ary tsapanao tsara IZY miasa ao am-ponao isan'ampahan-tsegondranao.

Fehiny : Ilay mitady AZY dia tadiavo ao anaty IZY dia vohay ny varavaram-pahadisoanao rehetra hifandraisanareo mandrakariva. Raha ny tokony ho izy dia rodanina mihitsy ny rindrina rehetra fa raha manana rindrina ianao dia mbola hihevitra ihany hoe mety hisy hanafika. Ny Fanahy Masina tsy manafika fa miaina ao anaty sy eran'izao rehetra izao. Ny fahadisoam-pihevernao ihany no manafika anao.
43. rijadolly ( 05/11/2011 09:23)
Hoy i Miharena:

Mazava be anie io tenin'i Krsity io e! Tsy nisy nino ny Jiosy fa zanak'Andriamanitra IZY fa olona ihany "hono". Izy anefa mampahatsiahy hatrany ny maha-zanak'Andriamanitra ny olon-drehetra tsy an-kanavaka toa AZY. Ny fanompoana nataon'ny Jiosy no diso satria toy ny mivavaka amin'Andriamanitra tsy fantatra any ambony beeeee any na koa hoe taloha be tany araka ny filazany hoe Andriamanittry ny razanay. Ny Mandrakizay tsy mety atao hoe taloha be fa ankehitriny lalandava.

Dia inona ary ny vokatr'izay tsy finoana izay? Tsy ho hoe avotra daholo kosa angamba ô? "fa raha tsy mino hianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin'ny fahotanareo hianareo."

Miharena:

Io no lakile omena Rijadolly dia hiadana ianao mamaky ny Baiboly sy ny teny izay ambaran'i Kristy na ao anaty Baiboly na ivelan'ny Baiboly lazaina fa boky taty aoriana. Feno ny Fanahy Masina ianao amin'izay satria IZY no présent ao aminao mandrakariva ary tsapanao tsara IZY miasa ao am-ponao isan'ampahan-tsegondranao.

Fa za angaha miteny an' se hoe tsy feno ny Fanahy Masina aho Rehefa mamaky Baiboly? Koa tsy ho lany andro eo fotsiny ve ry se aho raha izany, tsy aleo akatona tsy mamaky. Hitan'se tena tsy miadana ve aho mandresy lahatra an'se avy amin'ny alalan'TENINY, hihihihi! ity fanotaniana ity Miharena tsara mba hapetraka ihany rehefa mamaky hevitr'olona, indrindra indrindra rehefa mamaky boky hafa: Araka ny Tenin'Kristy sy Andriamanitra ve izany sa manohitra? Ahoana hoy ny TENINY amin'izany?

Ny fanahinao fohazina hitady AZY, handray Ilay mandondona ny fonao, ary raiso amin' fo, sy saina, fanahy, ary amin'ny herinao rehetra IZY,mba ho zanaky ny RAY isika ka hateraka indray.
44. Miharena ( 07/11/2011 20:02)
Rijadolly:

Dia inona ary ny vokatr'izay tsy finoana izay? Tsy ho hoe avotra daholo kosa angamba ô? "fa raha tsy mino hianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin'ny fahotanareo hianareo."

Endrika tianao hotohizana hatrany ity resaka vokany ity Rijadolly fa tsy manan-danja eo aminao mihitsy angamba ny fampanantenana fanadiovana rehetra voatanisa ao anaty Baiboly ao.

Io no tsy mapitovy fijery antsika angamba. Izaho manantena fanadiovana mandrakariva fa ianao matahotra sao very raha tsy manao izatsy na izaroa.

45. rijadolly ( 08/11/2011 03:39)
Hoy i Miharena:

Endrika tianao hotohizana hatrany ity resaka vokany ity Rijadolly fa tsy manan-danja eo aminao mihitsy angamba ny fampanantenana fanadiovana rehetra voatanisa ao anaty Baiboly ao.

Iza indray no nilaza an'se an'izany? Zany angaha ny fijerise azy, tsy mino ny asa Vitan'Jesoa Kristy teo ambony ny hazo fijalina? Fa angaha rehefa tsy manaiky ny tenin'se hoe: hatramin' satana sy ny devoly losifera aza dia ho voavonjy dia lazaina fa tsy manaiky ny Teny rehetra mikasika ny fanadiovana ao anaty Baiboly? Mila manolotra ny lotontsika ho diovin' ilay Rà ny Zanak'Ondrin'Andrimanitra isika. Izay ilay fanavotana lehibe ho an'ny jetilisa toetra rehetra.

Miharena:

Io no tsy mapitovy fijery antsika angamba. Izaho manantena fanadiovana mandrakariva fa ianao matahotra sao very raha tsy manao izatsy na izaroa.

Ity ny antony hanoherako anao hatramin'izao fa tsy io Fanavotana io. "SAMY HO VOAVONJY AVOKOA NY OLONA REHETRA NA DIA TSY MIAIKY NY FAHOTANY KA MANOLOTRA NY LOTONY HO DIOVIN' KRISTY AZA" eny fa na ny devoly satana aza, izay mitarika ny tsy finoana ny fisian'ny helo sy ny fanahy ratsy, sy hanakonana izany avy amin' alalan'ny silak'Andriamanitra.
46. Miharena ( 08/11/2011 18:19)

Tsy hety ho tanteraka mihitsy izany fa teny foana ny teny hoe HO IRAY IHANY ANIE IZY REHETRA. Satria takonana ny filazanao azy raha miteny aho hoe silak'Andriamanitra ny tsirairay.
Amiko anefa dia tsy takona afenina ny maha silak'Andriamanitra ny tsirairay fa tsy eken'ny saina aman'eritreritrao mihitsy ilay izy. Toy ny mitsipaka avy hatrany ny fiandohana ianao no fandraisako azy raha vao teny tokana teo amin'ny fiandohana aza dia tsipahinao marindrano.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1305