Fampihetsehina an'Andriamanitra

1. pulm ( 14/09/2011 05:44)
toa gaga oa za mahita ireny afisy mipetraka eny @ arabe milaza hoe:" fanetsehana an'Andriamanitra" fanga efa tsy misy atao intsony ireny mpitarika ireny no zavatra ohatrizany no hitarihana ny olona, fangaha moa Andriamanitra sary vongana no ahetsika.Hoy mantsy ny soratra masina hoe: "na roa na telo mivory amin'ny anarako dia eo ampovoany aho", ny dikany izany dia hoe naiza naiza no misy anao dia manaraka anao foana Izy fa tsy oe eo @toerana iray iany akory dia hoe andao hetsehina.raha mba misy manana hevitra momba anio dia mba ilazao ny tenanay fa tena tsy azoko mitsy
novalian'i ichtus47 ny 10/04/2012 07:48
2. m.i.s.a ( 14/09/2011 06:36)
" fanetsehana an'Andriamanitra" fangaha moa Andriamanitra sary vongana no ahetsika.

mety hoe tsy azonao ny tian'ny ilay olona lazaina, fangaha midika io hoe fanetsehana=bouger?

aza raisina an-tendrony ny tian'ny olona lazaina fa io no mahatonga anao tsy mahazo ny tiana lazaina.

diniho kely anie e! na fiangona aiza na fiangonana aiza dia tsy maintsy mampilaza hoe @ zao fotoana izao misy an'zao sy zao, ny toerana, ny ora, inona no atao @ zany. Tsy midika velively anefa io hoe hanetsika an'Andriamanitra

tsy midika akory zany hoe tsy misy atao ry zareo mba hitarihana ny olona fa lozika io. Amin'ny fomba ahoana moa no andehan'ny olona sy ahafantarany fa misy an'zao sy zao etsy ry eroa raha tsy misy ny filazana?

Ilay ahetsika no olanao. Ny fandraisanao azy.
3. hery ( 14/09/2011 07:34)
Mba hazavao kosa ary ny fahazoan'i m.i.s.a an'ilay hoe "fanetsehana an'Andriamanitra" e
- Matoritovy ve Andriamanitra?
- Kotabaisina ve Andriamanitra?
- Sa Andriamanitra no manetsika?
- Sa hoe an'Andriamanitra ny fanetsehana :-p
4. m.i.s.a ( 14/09/2011 10:48)
ny fahazahoako azy aloha dia "fangatahana" satria mino aho raha toa ka mbola mino an'Andriamanitra ny mpangataka dia tsy hibaiko an'Andriamanitra mihintsy fa mangataka.

raisiko hoe fangatahana io mba ****hitodihan'Andriamanitra , azoko lazaina hoe manokana ? na bebe kokoa ?*** noho ity fiaianana miha sarotra isan'andro ity ? indrindra fa any dago?
5. pulm ( 14/09/2011 13:51)
aminao,maninona ny olona iray no hetsehina? amiko na izy matory na izy variana
tsy hoe mandray atendrony akory fa mba tokony sain'ilay olona anao lohateny hoe mety ve izany lohateny teneniko izany, lazaiko aminao fa betsaka ny olona hitako sosotra raha vao nahita ilay afisy, maninona Andriamanitra no hetsehina?
hoy ianao" raisiko hoe fangatahana io mba hitodian'Andriamanitra":fanga moa Izy tsy mahalala manome no hetsehina, hoe Izy "Izay mangataka dia homeko" fa tsy hoe" Izay mikitika ahy dia homeko" samyhafa izany,ny olona tsy mahalala fomba ange no manao an'izany, kitihanao izy mba hijery anao, izany ve tsy midika hoe matory na variana? amiko tsy tokony io lohateny io no hoetin'ilay olona hisarita ny olona fa tokony mba hovainy fa mandrary makarary maso ny mijery azy;amiko!
6. rijadolly ( 14/09/2011 15:32)
Ilay loha hevitra:

Fampihetsehina an'Andriamanitra

M.i.s.a.:

raisiko hoe fangatahana io mba ****hitodihan'Andriamanitra , azoko lazaina hoe manokana ? na bebe kokoa ?*** noho ity fiaianana miha sarotra isan'andro ity ? indrindra fa any dago?

Misy hevitra azo raisina ihany ao anatin'io hevitra io. Tsy hoe tsy mihetsika Andriamanitra na hoe tsy maheno na koa tsy velona fa kosa isika olombelona dia niala taminy. Raha niala taminy isika dia tsy maintsy mamerina ny fampihavanana Aminy. Matoa isika mbola mandalo test dia azo lazaina fa tsy azo antoka na entanim-po ihany. Noho izany dia isika mihitsy no mila mihezaka manome fahatokisana amin'Andriamanitra, izany hoe manantona amin'fo torotoro sy fitiavana feno izay mbola hatahorana mbola hiova iany koa anefa. Izany fihetsika izany anefa dia mampihetsi-po an' Andriamanitra satria izy mahalala ny ao anatin'tsirairay. Izany hoe raha tsy nisy ny fihezahana nataotsika hanantona (mandondona) AZY dia tsy nahazo ilay famindram-po isika.

Araho tsara naie ity e!

LIOKA 11 : 1 Ary Jesosy nivavaka tao amin'ny fitoerana iray, ka rehefa nitsahatra Izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Tompoko, mampianara anay hivavaka, tahaka ny nampianaran'i Jaona ny mpianany.2 Ary hoy Izy taminy: Raha mivavaka hianareo, dia ataovy hoe: Ray ô,hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao.3 Omeo anay isan-andro izay hanina sahaza ho anay.4 Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy.5 Ary hoy Jesosy taminy: Iza moa aminareo no manana sakaiza, izay hankeo aminy mamatonalina ka hanao aminy hoe: Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho;6 fa ny sakaizako nandeha tamin'ny nalehany, dia tonga atsy amiko, ka tsy misy izay hafahako azy;7 ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: Aza manahirana ahy; fa efa mihidy ny varavarana izao, ary ny zanako mandry eto am-pandriana eto amiko; tsy afaka hifoha hanome anao aho?8 Hoy Izaho aminareo: Na dia tsy hiainga hanome azy noho ny fisakaizana aza izy, dia hifoha ihany izy noho ny fitarainany fatratraka hanome azy izay ilainy.9 Ary hoy Izaho aminareo: Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dòndòny, dia hovohana hianareo.10 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandòndòna no hovohana.
7. niryna ( 16/09/2011 16:01)
pulm:

toa gaga oa za mahita ireny afisy mipetraka eny @ arabe milaza hoe:" fanetsehana an'Andriamanitra" fanga efa tsy misy atao intsony ireny mpitarika ireny no zavatra ohatrizany no hitarihana ny olona, fangaha moa Andriamanitra sary vongana no ahetsika.

tsy azoko

Hoy mantsy ny soratra masina hoe: "na roa na telo mivory amin'ny anarako dia eo ampovoany aho", ny dikany izany dia hoe naiza naiza no misy anao dia manaraka anao foana Izy fa tsy oe eo @toerana iray iany akory dia hoe andao hetsehina.
tsy azoko


raha mba misy manana hevitra momba anio dia mba ilazao ny tenanay fa tena tsy azoko mitsy
dia aleo aloha hamaly izay manana hevitra
8. indraimijery ( 21/09/2011 09:12)
Ny olana amintsika olombelona dia ny fisainanatsika sy ny fiheverantsika an'Andriamanitra. Tsy fitaovana eo am-pelatanan'ny olombelona Andriamanitra ka atao amin'izay tiana anaovana azy.
Raha maloto isika, isika ihany no tokony hanadio ny tenantsika fa tsy Andriamanitra no hetsehina hanadio antsika. Raha te ho afaka fanadinana ianao mianara tsara. Efa nomeny antsika ny zava-boahary ka raha noana isika, aza miandry azy hanatitra pizza eo ambony latabatra, tokony hiasa isika. sns....
9. Miharena ( 21/09/2011 16:00)
Mitombina ihany ny fanontaniana amin'ny lohahevitra fa ny hany azo lazaina dia ity: coup de publicité avokoa izay lohateny rehetra hisarihana ny olona hanatona rehefa io resaka fivavahana io. Samy manana izay slogan hitondrany azy avy ny karazana sekta rehetra misy eto ambonin'ny tany. Ary io no mahatonga ny fanontaniana handray fanadihadiana lalina kokoa satria toa mifono zavatra tsy azo heverina indraindray ny slogan soratana.

Mampanontany tena ihany ilay izy hoe: ny fiangonana tsy mpanao slogan ve no tsy mahatody hafatra dia mipoitra daholo ireo mpitarika hafa manao izao karazana fisarihana ny olona hiaraka aminy sa tena tsy mahalala izay inoany mihitsy ny olona ka raha tsy misy mandranitra anankiray mitady lalandava ireo endrika fitarihana ireo dia tsy misy hafanana eo amin'ny finoana?
10. rijadolly ( 21/09/2011 18:23)
Indraimijery:

Ny olana amintsika olombelona dia ny fisainanatsika sy ny fiheverantsika an'Andriamanitra.

Tena marina, misy izao mihevitra hoe miteny zavatra diso Andriamanitra fa ny heviny no marina.
Indraimijery:

Tsy fitaovana eo am-pelatanan'ny olombelona Andriamanitra ka atao amin'izay tiana anaovana azy.

Tena marina tokoa izany. Tsy azotsika didina Andriamanitra ka tsimaintsy hanamarina antsika satria izy no mahafantatra ny ao am-po tsy milaoka.
Indraimijery:

Raha maloto isika, isika ihany no tokony hanadio ny tenantsika fa tsy Andriamanitra no hetsehina hanadio antsika.

Diso, tena diso satria ny marina aminao mety tsy ho marina Aminy, aleo IZY ihany no hanafaka ny lototsika, fa ny anjaratsika dia ny fanantonana Azy amin' fanolorana ny lototsika amin' fo torotoro.
ISAI 30: 1 Lozan'ny zaza maditra, izay maka saina, nefa tsy avy amiko, hoy Jehovah,
ary manao fanekena*, nefa tsy avy amin'ny Fanahiko,
mba hanampy ota amin'ny ota,

Indraimijery:

Raha te ho afaka fanadinana ianao mianara tsara

Marina tena marina, fa kosa raha diso ny zavatra nataonao, dia ambarao ny Mpitsara ny tsy nety nataonao mba ahazava an'AZY fa amin' fonao tanteraka ny fahalalanao ilay fahadisoana ka hamela anao IZY ary dia ho hafahaNY ianao amin'ny délibération.
Indraimijery:

Efa nomeny antsika ny zava-boahary ka raha noana isika, aza miandry azy hanatitra pizza eo ambony latabatra, tokony hiasa isika. sns....

Marina tokoa izany, ary tena marina
11. rijadolly ( 21/09/2011 18:40)

Miharena:

Mitombina ihany ny fanontaniana amin'ny lohahevitra fa ny hany azo lazaina dia ity: coup de publicité avokoa izay lohateny rehetra hisarihana ny olona hanatona rehefa io resaka fivavahana io. Samy manana izay slogan hitondrany azy avy ny karazana sekta rehetra misy eto ambonin'ny tany. Ary io no mahatonga ny fanontaniana handray fanadihadiana lalina kokoa satria toa mifono zavatra tsy azo heverina indraindray ny slogan soratana.

Mampanontany tena ihany ilay izy hoe: ny fiangonana tsy mpanao slogan ve no tsy mahatody hafatra dia mipoitra daholo ireo mpitarika hafa manao izao karazana fisarihana ny olona hiaraka aminy sa tena tsy mahalala izay inoany mihitsy ny olona ka raha tsy misy mandranitra anankiray mitady lalandava ireo endrika fitarihana ireo dia tsy misy hafanana eo amin'ny finoana?

Aza mitsara ny an' olona haviatrany kosa i se hoe sekta, fa ny zavatra toriana no tokony jerena, mety misy milaza ny tenany tsy ho sekta nefa ny zavatra toriany mifanohitra izay lazain' Kristy. Ary misy izay lazaitsika fa sekta nefa dia Jesoa kristy sy ny filazantsarany ary ny fanjakan'lanitra no toriany ombeniombeny. Ny tiako hamafisina hatrany dia ity tenin' Jesoa Kristy ity.
MARKA 9: 38 Ary hoy Jaona taminy: Mpampianatra ô, nahita olona anankiray namoaka demonia tamin'ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy nanaraka antsika.39 Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin'ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety.40 Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.

Fa angaha rehefa tsy miaraka an'se dia heo sekta?

HS iny resaka iny fa mialatsiny an' tompon'ny loha hevitra.
12. Miharena ( 22/09/2011 07:00)
Rijadolly:

Fa angaha rehefa tsy miaraka an'se dia heo sekta?


Tsy resaka miaraka na tsy miaraka ilay izy Rija fa fanambarana fotsiny hoe sekta izy. Tsy manaratsy azy akory fa maneho ny hevitro momba ny fitaomana olona fotsiny aho.
13. indraimijery ( 22/09/2011 07:41)
Indraimijery:

Raha maloto isika, isika ihany no tokony hanadio ny tenantsika fa tsy Andriamanitra no hetsehina hanadio antsika.

Diso, tena diso satria ny marina aminao mety tsy ho marina Aminy, aleo IZY ihany no hanafaka ny lototsika, fa ny anjaratsika dia ny fanantonana Azy amin' fanolorana ny lototsika amin' fo torotoro.
ISAI 30: 1 Lozan'ny zaza maditra, izay maka saina, nefa tsy avy amiko, hoy Jehovah,
ary manao fanekena*, nefa tsy avy amin'ny Fanahiko,
mba hanampy ota amin'ny ota,


Ny olana anie dia ny interpretation ny toko sy andininy io no mampizarazara ny olombelon'e, izaho tsy miteny hoe ny marina amiko tsy ho marina Aminy e. Diniho kely ny voalazan'ny Matio 15.19 Car c'est du coeur que viennent les mauvaises pensées, les meurtres, les adultères, les impudicités, les vols, les faux témoignages, les calomnies.

Ka raha nijanganjanga ianao aza miandry an'Andriamanitra hanadio anao, ianao no miezaka ny hiala amin'izany, miainga aminao ny fanadiovanao ny tenanao, ary ny fiovanao no midika fa efa madio ny fonao, araka ny tenin'i Kristy hoe mandehana ary aza manota intsony .

tsy ny fijangajangana ihany no ota fa ao ny vono olona, lainga,ny halatra sns ilaina ny fandraisan'ny isam-batan'olona andraikitra e
14. rijadolly ( 22/09/2011 15:54)

ianao no miezaka ny hiala amin'izany,

Tena manaiky aho fa marina tokoa izany, ary tokony izay ny ataon'olon-drehetra, na Kristianina izy na tsy.

Ka raha nijanganjanga ianao aza miandry an'Andriamanitra hanadio anao,

Eo no tsy ekeko. Ny fialanao ny ratsy fanaonao dia tsy midika velively fa voadio ianao raha amin' maha Kristianina. Mila manaiky sy manolotra ny lotonao ho sasan'Ilay Rà Zanak'Ondrin'Andriamanitra ny lotonao izay vao madio.

ISAI 30: 1 Lozan'ny zaza maditra, izay maka saina, nefa tsy avy amiko, hoy Jehovah,
ary manao fanekena*, nefa tsy avy amin'ny Fanahiko,
mba hanampy ota amin'ny ota,
15. rijadolly ( 22/09/2011 16:13)

Ny olana anie dia ny interpretation ny toko sy andininy io no mampizarazara ny olombelon'e, izaho tsy miteny hoe ny marina amiko tsy ho marina Aminy e. Diniho kely ny voalazan'ny Matio 15.19 Car c'est du coeur que viennent les mauvaises pensées, les meurtres, les adultères, les impudicités, les vols, les faux témoignages, les calomnies.

MATIO 15: 7 Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian'Isaia anareo hoe:8 " Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony;Fa ny fony kosa lavitra Ahy.9 Koa foana ny ivavahan'ireo amiko,Raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy" (Isa.29.13).10 Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ka mahafantara:11 tsy izay miditra amin'ny vava no mahaloto ny olona; fa izay mivoaka avy amin'ny vava, izany no mahaloto ny olona.12 Dia nankeo aminy ny mpianatra ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa tafintohina ny Fariseo, raha nandre izany teny izany?13 Ary Izy namaly ka nanao hoe: Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen'ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana.14 Avelao izy; mpitarika jamba izy; ary raha ny jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa.15 Ary Petera namaly ka nanao taminy hoe: Lazao aminay ny hevitr'izany fanoharana izany.16 Ary hoy Jesosy: Hianareo koa va mbola tsy mahafantatra ihany?17 Tsy fantatrareo va fa izay rehetra miditra amin'ny vava dia mankao an-kibo ka avoaka ao amin'ny fivoahana?18 Fa izay mivoaka avy amin'ny vava kosa dia avy amin'ny fo, ka izany no mahaloto ny olona.19 Fa avy amin'ny fo no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny vonoan-olona, na fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy,

Nefa dia izay ny antony hitenenako hoe "hevi-diso" satria tsy avy Aminy no angalatsika saina fa ny fihevitsika fotsiny ihany hoe izao no ataoko fa tsy mila an'Andriamanitra aho dia afaka ny lotoko. Ary dia voalaza amin'io koa fa dia ny ao am-ponao no mamoaka izay hevitra izay satria tsy madio fo amin'Andriamanitra(na miray fo Aminy) ianao. Somary hanao fampitahana kely ary isika. Ny mibebaka dia tsy manao intsony sa tsy manao intsony dia vita?
16. indraimijery ( 23/09/2011 17:52)
tsy manao intsony dia vita .... izay no marina.
17. rijadolly ( 23/09/2011 19:12)

tsy manao intsony dia vita .... izay no marina.

ISAI 30: 1 Lozan'ny zaza maditra, izay maka saina, nefa tsy avy amiko, hoy Jehovah,
ary manao fanekena*, nefa tsy avy amin'ny Fanahiko,
mba hanampy ota amin'ny ota,


HEBREO 9: 22 Ary saiky diovina amin'ny ra avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy ra alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka.

SALAMO 130: 1 Fihirana fiakarana*. Tao amin'ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô, [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]2 Tompo ô, henoy ny feoko; Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon'ny fifonako.3 Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô,Iza no hahajanona, Tompo ô?4 Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, Mba hatahorana Anao.5 Niandry an'i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako.6 Ny fanahiko miandry ny Tompo. Mihoatra noho ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina,
Dia ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina.7 Manantenà an'i Jehovah, ry Isiraely; Fa eo amin'i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be;8 Ary Izy no hanavotra ny Isiraely Ho afaka amin'ny helony rehetra.
18. rijadolly ( 23/09/2011 19:20)
MATIO 6: 12 Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.
19. Miharena ( 24/09/2011 05:06)
Nampihetsika an'Andriamanitra tao amin-dry Rijadolly ity lohahevitra ity izany. Lasa nivadika fifandresen-dahatra be ilay izy an!
20. rijadolly ( 24/09/2011 05:50)
Hoy Miharena:

Nampihetsika an'Andriamanitra tao amin-dry Rijadolly ity lohahevitra ity izany. Lasa nivadika fifandresen-dahatra be ilay izy an!

:-) Azotsika vakiana tsara ny hevitro voalohany, Ivereno tsara fa tsy nivoana ny loha hevitra mihitsy aho. Ary azotsika arahina tsara hatramin'farany ny hevitro fa tsy nivoana amin'ilay hevitra mba hampihetsi-po an'Andriamanitra dia ny fanolorana sy faneken-keloka mafy dia mafy mba ahazoana ilay Famindram-po avy any Aminy.

hoy izaho mantsy:

Misy hevitra azo raisina ihany ao anatin'io hevitra io. Tsy hoe tsy mihetsika Andriamanitra na hoe tsy maheno na koa tsy velona fa kosa isika olombelona dia niala taminy. Raha niala taminy isika dia tsy maintsy mamerina ny fampihavanana Aminy. Matoa isika mbola mandalo test dia azo lazaina fa tsy azo antoka na entanim-po ihany. Noho izany dia isika mihitsy no mila mihezaka manome fahatokisana amin'Andriamanitra, izany hoe manantona amin'fo torotoro sy fitiavana feno izay mbola hatahorana mbola hiova iany koa anefa. Izany fihetsika izany anefa dia mampihetsi-po an' Andriamanitra satria izy mahalala ny ao anatin'tsirairay. Izany hoe raha tsy nisy ny fihezahana nataotsika hanantona (mandondona) AZY dia tsy nahazo ilay famindram-po isika.

Miharena:

Lasa nivadika fifandresen-dahatra be ilay izy an!

Mahafinaritra rehefa isika rehetra no indray mahatsapa fa maharesy lahatra ny Tenin' Andriamanitra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3086