Zanak'i Satana ny olombelona rehetra_marina ve?

1. Miharena ( 06/09/2011 05:01)
Lohahevitra tiako raisina manokana ity satria mety ahafahantsika mamantatra ny tena vontoatin'ny fahamarinana iainantsika.

Ara-tantara dia izany tokoa isika tamin'ny fotoana nahalavo an'i Adama sy Eva ary tamin'ny fotoana namarinana an'i Losifera sy ny anjeliny teto an-tany.

Ny fanontaniana mipoitra dia hoe:
- inona avy no vokatry ny asan'i Satana?
- inona no mbola hitantsika ankehitriny ka mbola mahazo vahana?
- inona no soa azontsika tamin'ny fampianaran'i Satana ?
- inona no endrika tokony hiainan'ny olombelona araka ny tokony ho izy marina?

Dia mazotoa manome hevitra fa mety hanazava antsika kokoa raha toy izao indray no itondrana ny resaka.

novalian'i didi10 ny 05/10/2011 09:36
2. rijadolly ( 07/09/2011 03:14)

Zanak'i Satana ny olombelona rehetra_marina ve?


Tsia, tsy ny olombelona rehetra.

JAONA 8: 44 Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao.
izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin'ny [mitoetra amin'ny] marina satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga.
3. niryna ( 07/09/2011 05:48)



Zanak'i Satana ny olombelona rehetra_marina ve?
rijadolly:


Tsia, tsy ny olombelona rehetra.

JAONA 8: 44 Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao.

izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin'ny [mitoetra amin'ny] marina satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga.

Misaotra anao Rija fa mazava be an.
Toa tsy mety ny saina raha hiteny hoe izaho anie ka zanak'i satana e!ary tsy hiteny izany velively ny olona aho aloha fa voavelin'ny kitay eo.
Andao isika anamboatra olona mitovy amintsika hoy Atra.Zanak'Atra izany ny olombelona satria noharian'Atra mitovy aminy.Ny hoe miala aminy na manda azy na tsy mino azy dia toy ny olona nisitaka tao an-tokantrano io.Tao anatin'ilay trano ihany izy fa saika niala fotsiny avy eo sa tsy fiteny izany?
4. AndriambyII ( 07/09/2011 09:53)
Anjely nania i Satana ! Fa raha ny hoe zanany ny olombelona dia tsy marina .
5. niryna ( 07/09/2011 14:23)

AndriambyII:

Anjely nania i Satana ! Fa raha ny hoe zanany ny olombelona dia tsy marina .
itako
6. Tefigasy ( 08/09/2011 06:12)
Za olombelona, zanak'i dadanay sy i mamanay, de i mamanay sy dadanay zanak'i dadabeanay sy bebeanay , ...... de tonga any amin'i adama sy Eva namboarin'Andriamanitra. De tsy hitako izany aloha le hoe maha zanak'i Satana e, na tsy haiko hoe nisy nanao RS tamin'i satana ve teo anelanelany teo, hihihihihi METY NISY a !
Fa na izany aza efa naterak'Andriamanitra indray , fahateraham-baovao, fialana amin'ny planetan'ny faharatsiana, ny fahamaizinana ho amin'ny fahazavana.
Somary mapme le fanazavako fa angamba mety ho azon'ny rehetra ihany !
7. lals ( 08/09/2011 07:24)

Zanak'i Satana ny olombelona rehetra marina ve?


Amiko manokana aloha, ny olombelona sy ny satana dia anisan'ny ankohonan'A/tra hatramin'zay miitsy. Ny olombelona navelan'Andriamanitra tety an-tany fa ny satana kosa anjely nivadika, nanohitra tany an-danitra ka nazeran'A/tra tety izy. Te hitovy amin'A/tra ilay satana (ilay ratsy) sady te hilahatra AMINY, ka lasa manana safidy anankiroa ny olombelona.
8. niryna ( 08/09/2011 16:53)

Tefigasy:

Za olombelona, zanak'i dadanay sy i mamanay, de i mamanay sy dadanay zanak'i dadabeanay sy bebeanay , ......
fa tsy azo tohizana hoe zanak'i satana e.. de tonga any amin'i adama sy Eva namboarin'Andriamanitra. De tsy hitako izany aloha le hoe maha zanak'i Satana e, na tsy haiko hoe nisy nanao RS tamin'i satana ve teo anelanelany teo, hihihihihi METY NISY a !
Fa na izany aza efa naterak'Andriamanitra indray , fahateraham-baovao, fialana amin'ny planetan'ny faharatsiana, ny fahamaizinana ho amin'ny fahazavana.

[/quote]aleloia ! izay ilay izy
9. Miharena ( 09/09/2011 15:30)
Misaotra ny rehetra nanome hevitra fa raha ara-tantara dia teo ambany fitaizan'i Satana daholo ny rehetra hatramin'i Adama sy Eva. Na i davida aza anie ka lasa nijangajanga sateia tsy nahaleo ny fitaizan'i Satana izay misarika mandrakariva ny olona hanota e!

Raha lalinina tsara ny valinteny rehetra ataonareo rehefa manao tetiharana dia iray ihany izany raha toa ka hakapoka ny zava-drehetra ka na i Satana aza zanak'Andriamanitra.

Hoy Kristy izay hoe tiava ny fahavalonareo. Ka ahoana izany ny amin'i Satana? tsy mendrika hisaorana ve izy satria nampahita antsika ilay lafiny iray diso mba ho marina isika rehefa teraka indray?
10. rijadolly ( 10/09/2011 03:55)

Hoy Kristy izay hoe tiava ny fahavalonareo. Ka ahoana izany ny amin'i Satana? tsy mendrika hisaorana ve izy satria nampahita antsika ilay lafiny iray diso mba ho marina isika rehefa teraka indray?


Za tsy hisaotra an'satana fa Andriamanitra no isaorako, satria Andriamanitra no nampahafantatra ahy ny Marina. Fa raha tsy izany, dia voafitak'ilay mpamitaka aho hatramin'izao satria voafatotr'i satana foana tao anatin' otako, dia izay ihany no fantatro, tsy misy afatsy ny tsy fahamarinana.
11. rijadolly ( 10/09/2011 04:09)
12. niryna ( 14/09/2011 15:37)
Miharena:

Lohahevitra tiako raisina manokana ity satria mety ahafahantsika mamantatra ny tena vontoatin'ny fahamarinana iainantsika.
fa hoe zanak' i satana isika ? an.an.an ,tsy manaiky azy ho raiko aho aloha satria araka tantara dia ny rainareo any an-danitra no anome anareo
Ara-tantara dia izany tokoa isika tamin'ny fotoana nahalavo an'i Adama sy Eva ary tamin'ny fotoana namarinana an'i Losifera sy ny anjeliny teto an-tany.
ry zareo ve no nanao ny tsy mety ,naka ny toeran'Atra dia isika no lasa zanany. Rainay izay any an-danitra,ho hamasinina anie ny Anaranao,ho tonga anie ny FanjakaNao,ho tanteraka anie ny SitrapoNao

Ny fanontaniana mipoitra dia hoe:
- inona avy no vokatry ny asan'i Satana?

amin'ny fiainana andavan'andro dia tsy misy mieritreritra ny olona hoe manao ny asan'i satana izany ary satana koa dia tsy mivandravandra mampatahotra fa mibitsibitsika amin'ny teny feno fitaka.Ny olona tsy manana an'Atra dia tsy ataony inona satria efa fantany fa azy ireny: tsy afaka hanompo tompo roa isika noho izany na isika manana an'Atra Iray izay nanao ny tany sy ny lanitra(andao isika anao olombelona mitovy amintsika ) na isika tsy manana Azy fa manana atra hafa.
Satana dia mpamitaka,tranondainga,manimba ny tempolin'Atra no ataony ary izay azony dia tsy avelany fa lahoana vao afaka ao aminy(ny toetra ratsy rehetra,ny fanimbana ny vatana izany na amin'ny fomba inona na amin'ny fomba inona sigara ,toaka,ny rongony , fanaovana atra ny vola ,ny harena,ny toetra(ambompo,fisahosahoana,fitiavantena
,fankahalana,fialonana,fitsiriritana,fialonana,fanamboniana,ny fahaizana ka mahatonga
ny tsy finoana ny fisiany na inona na inona ka fantatrao fa tsy sitrapon'Atra izany dia efa manimba ny tempoly avokoa.
Satana dia mahavita fahagagana maro toy ny fahagagana nomen'Atra antsika saingy misy fetrany ilay izy ary misy tambiny ka mety anaraka hatramin'ny ainao mihitsy na ny olontianao mihitsy aza:fanaovana fatidra amin'i satana
13. Miharena ( 20/09/2011 11:15)
Niryna:

Satana dia mpamitaka,tranondainga,manimba ny tempolin'Atra no ataony ary izay azony dia tsy avelany fa lahoana vao afaka ao aminy(ny toetra ratsy rehetra,ny fanimbana ny vatana izany na amin'ny fomba inona na amin'ny fomba inona sigara ,toaka,ny rongony , fanaovana atra ny vola ,ny harena,ny toetra(ambompo,fisahosahoana,fitiavantena


Asan'i Satana ve no fihevitr'i Niryna ireo fa tsy hoe safidin'ny olona manao ireo toetra ireo ?

Raha zohina anie dia manana ireo toetra ireo ny olombelona rehetra tsy ankanavaka ary safidy no manao ireo toetra ireo fa tsy terena velively.

Ilay fandraisana ny resaka lovam-pitaizana no tiako ambara rehefa nanokatra ny lhahevitra aho.
Raha miteny ianao hoe Rainay any an-danitra, dia efa mba hitanao ve hoe inona no mampiray anareo sy ny Ray? Ary nahoana isika krisitianina no mbola lavon'ny fitaizana ataon'i Satana na dia midradradradra isanandro ny vavaka nampianarin'ny Tompo aza?
14. niryna ( 21/09/2011 14:40)

Miharena:
tsy tokony hisaotra an'i satana ve isika ? hoy hianao

E,e, da mbola tsy nisaina na hisaina hisaotra an'i satana izany velively aloha aho e,e ,izy izany hoe lahona vao afaka raha tonga ao an-tranonao izy.Ny trano madio no endrasany hisy loto kely ary dia miditra izy ka sarotra ho azy amin'izay ny hivoaka ao satria aza mitombo ny miaramilany sa tsy izay?
Niryna:

Satana dia mpamitaka,tranondainga,manimba ny tempolin'Atra no ataony ary izay azony dia tsy avelany fa lahoana vao afaka ao aminy(ny toetra ratsy rehetra,ny fanimbana ny vatana izany na amin'ny fomba inona na amin'ny fomba inona sigara ,toaka,ny rongony , fanaovana atra ny vola ,ny harena,ny toetra(ambompo,fisahosahoana,fitiavantena


Asan'i Satana ve no fihevitr'i Niryna ireo fa tsy hoe safidin'ny olona manao ireo toetra ireo ?

eny nomen'ATra safidy isika olombelona ary izany safidy izay dia miankina amintsika tsi11 na anaraka Azy na tsia.
Atra tsy manoro vohana sa efa naheno hianao fa manoro vohana izy.
An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy hoy ny hira kanefa ahoana hoy izy tamin'i kristy? Omeko anao daholo izao rehetra izao raha toa ka manaiky ny hiankohoka amiko hianao.
Jereo izy izany ,kristy aza Atra sahiny ny manome fahatokisana azy amin'ny fitaka ka maika fa isika?
Asan'i satana sa safidin'ny olombelona?
Dia anao no mamaly azy.Iza no ao ambadikin'ny safidy? iza no manoro lalantsara? ary iza no mitondra andeha any amin'ny tsy tokony ho izy?

Raha zohina anie dia manana ireo toetra ireo ny olombelona rehetra tsy ankanavaka ary safidy no manao ireo toetra ireo fa tsy terena velively.
ka izay no antony hivavahana andro aman'alina ny mba andeha amin'ny fahamarinana isan'andro sy mangataka azy mba hanova ny toetra ho tsara.Iza ilay AZY? Atra
Tsy mbola nisy nangataka tany amin'i satana kosa aloha raha tsy ireo mpiray fatidra aminy e.
sa ahoana?

Ilay fandraisana ny resaka lovam-pitaizana no tiako ambara rehefa nanokatra ny lhahevitra aho.
mba hazavao hoe izany?

Raha miteny ianao hoe Rainay any an-danitra, dia efa mba hitanao ve hoe inona no mampiray anareo sy ny Ray? Ary nahoana isika krisitianina no mbola lavon'ny fitaizana ataon'i Satana na dia midradradradra isanandro ny vavaka nampianarin'ny Tompo aza?
andraso fa anokatra lohahevitra mikasika an'io ok
15. Miharena ( 21/09/2011 15:40)
Niryna:

Dia anao no mamaly azy.Iza no ao ambadikin'ny safidy? iza no manoro lalantsara? ary iza no mitondra andeha any amin'ny tsy tokony ho izy?


Araka io fanontaniana nataon'i Nirna io dia mametraka hatrany ny antony ivelany hatrany i Niryna ny mahatonga ny olona ho ratsy na tsara dia misy responsable ivelany toa an'i Satana na Andriamanitra raha vao mametraka hoe iza ? Toy ny hoe unilatéral izany fifandraisana eto fa tsy misy hoe ny tenaben'ny olona mihitsy no manao ilay toetra ananany.

Io no mahatonga ny fomba fijery diso amiko. Dia ny mametraka responsable ivelan'ny tena hatrany manome safidy. Io no mahatonga ny olona hijery ivelany ka rehefa manana toetra tsy mifanaraka amin'ny eritreritry ny tena ny olona iray dia ialàna lavitra ohatra, na misy koa aza ireo izay samy ao am-piangonana ihany dia mahita fa tsy mety ny ataon'ny mpitarika dia lasa tsy Kristianina intsony ireo mijery ivelany ireo fa miala.

Mandihy ambony sahafa izany ra-olombelona raha araka ny fanontaniana hoe iza? ka io IZA io no mamaritra ny fiainany manontolo ve???
16. Miharena ( 26/09/2011 13:41)
Mbola tsy voavalin'i Niryna moa ny fanontaniana eo ambony io ary eo am-piandrasana ny valiny aho.

Fa eo ihany isika,
raha dinihina tokoa ny tantara ny nahalavo ny olombelona dia teo amin'ny fihinana ilay hazo famantarana ny ratsy sy ny tsara. Ny an'Andriamanitra dia tsy misy izany ratsy sy tsara izany fa mandroso araka ny zava-misy IZY sy ny voariny.
Raha vao tafiditra anefa ny resaka fahalalàna ny ratsy sy ny tsara dia teraka ny fitsaràna sy fomba fitondrana nitarika fisarahana ary anisan'ny akony be dia be ny fifaninana niteraka fialonana sy fitiavan-tena ka nanjary izao no tontolo lasa iainantsika. Ahitana ny manana sy ny mahantra, ny matanjaka sy ny osa sy ny endrika mifanipaka isan-karazany eo amin'ny sehatra rehetra. Izany hoe roso tany amin'ny faharavana na fahafatesana voalaza ilay drafitra voalohany napetraka vao nanavaka ny ratsy sy ny tsara ny olona.
Io no mahatonga ny lohahevitra hilaza ny hoe zanak'i Satana ny olona rehetra vao nahalala ny tsara sy ny ratsy.
17. eveil ( 26/09/2011 14:15)
ka raha izany ary rehefa ny fahalàlana ny tsara sy ny ratsy no maha zanaky satana, tokony ialàna daholo ny resaka misy dualité rehetra: ohatra ny tsara sy ny ratsy, ny marina sy ny tsy marina sns... amin'izay zanak'Andriamanitra isika
18. Miharena ( 27/09/2011 04:09)
Voarain'i Eveil tsara ny tiana ambara ary raha manana io principe io isika dia tsy ho lavo intsony eo amin''ny foto-piheverana an'Andriamanitra fa ho IRAY ny finoana ary handroso hiara-hiasa ny zava-drehetra ho tody eo amin'ny tanjona tiana haleha.

Ny miditra amin'ny vavahady ety dia ny fialàna amin'ny toetra nisabakabaka mbetika tsara, mbetika ratsy araka ny fitsarantika azy. Io no niteraka ny fanarahan-driandrano manaraka hevi-diso eo amin'ny fiainana ary nahatonga ny tsy fahatanterahana rehetra fa toa tsy mety avokoa izay atao sy heverin'ny olombelona.

Rehefa mahay miditra ny vavahady ety anefa ka afaka mitodika ao am-po MAZAVA ny olona dia hazava ny manodidina azy ary ho feno ny fahalalàny. Rehefa mahatsapa fa zanak'Andriamanitra ny tsirairay dia tonga izay fahafenoana izay.
19. eveil ( 27/09/2011 04:42)
miarahaba anao miharena ary misaotra amin'ny valiteny. Ny famantarana ny ratsy sy ny tsara dia niteraka olana teo amin'ny Adama sy Eva manoloana an'Andriamanitra. Raha ny fahazoako azy dia ao amin'ny tontolo misy an'Andriamanitra dia tsy ilaina izany ratsy sy tsara izany, ny marina sy ny tsy marina, heloka ny mahalala izany. Ny fanontaniako dia ity raha esorina daholo ny fifanoheran-javatra (tsara sy ratsy, marina sy ny tsy marina, sns...), mbola ilaina ary ve izany ny fikatsahana ny fahamarinana?
20. Miharena ( 27/09/2011 07:30)
Raha ny fanontaniana hoe ilaina ny fikatsahana ny fahamarinana dia ilaina ihany satria ny fahadisoana rehetra izay nitana ny fivoaran'ny olombelona dia mbola tsy voafafa fa mbola iainan'ny maro ankehitriny.

Ny endrika hanehoana ny fahamarinana no mety hihafaingana noho ny serasera maro sy ny fihezahan'izay mahalala manaparitaka izany fahamarinana izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0623