Zanak'i Satana ny olombelona rehetra_marina ve?

21. EVEIL ( 27/09/2011 11:30)
Ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy no olana teo amin'i adama sy eva. Raha amin'ny maha olombelona, ny zavatra tsara dia marina, ary ny ratsy dia ny tsy marina. Heloka anefa ny fahafantarana ny ratsy sy ny tsara. Izany no fihevitr'Andriamanitra. Raha miteny isika hoe ilaina ihany ny fahamarinana, ilaina izany izy io fa tsara nefa mifanohitra amin'ny zavatra tadiavin'Andriamanitra amintsika.
Voalaza fa ny tena fahamarinana dia ao anaty Baiboly IHANY. Maro anefa ny antoko'pinoana eto ambonin'ny tany. Samy maka hevitra ao anaty baiboly ary samy mandrirotra izay heveriny ho fahamarinana ao. Vokany: Andriamanitra tokana nefa ifandroritana ny marina satria samy mihevitra ny azy ho marina avokoa. Ny loza dia lasa mifandrafy ny olombelona, mifanaratsy an-toerana, mifanenjika mihitsy aza. Aiza ilay fahamarinana? Ary aiza izy io no tadiavina? Ary tena ilaina ve ny manana ny fahamarinana satria vao mahatsiaro ianao hoe manana fahamarinana dia midika sahady izany fa ny hafa tsy manana ny fahamarinana, satria tokana ny marina.
22. lals ( 27/09/2011 14:57)
Ny olana mipetraka amin'ilay hoe ny Marina dia ny hoe: tsy mitovy ny fiheverana ny hevitra fonosin'ny teny iray eo amin'ny olona roa na maromaro. Ohatra batisa: ny finoana sasany fametrahan-tanana eo ambony loha fotsiny dia vita, ny finoana hafa dia manizingizina miitsy fa tsy maintsy miroboka anaty rano tahaka ny nataon'i Kritsy. Dia tahaka izany koa ny kisoa azo na tsy azo hohanina satria izay no marina aminy.
Eo indrindra isika, maka ohatra aho @ ilay kisoa. Raha mihinan-kisoa tsy tokony hohanina ohatra ny tsy fady kisoa dia voalazan'ireto farany fa manota ireo mpihinana satria mandika ny lalàna. Ary rehefa mandika lalàna ny olona iray dia manota ary manao ny asan'ny satana, dia izay dia efa porofo fa zanak'i satana hono ny mpihinana kisoa.

23. Miharena ( 27/09/2011 16:32)
Eo amin'ny resaka fombafomba no miditra i Lais eto.
Ireo fombafomba ireo no tena anisan'ny maha-zanak'i Satana ny olombelona satria mametraka lalàna mamatotra azy izy ary tsy mampandroso azy ireo lalàna ireo fa mapiady azy hatrany sy mampifanipa-kevitra azy. Io no lalaovin'ny mpanara-dia an'i Satana ary hanararaotany ny tsy fahalalàn'ny hafa.

Mila mizara ny marina ny mpitory fa tsy manome lalàna mangeja arak'izay tiany fidina ao anaty Baiboly.

Fitiavana mandrakizay no itiavako anareo hoy Andriamanitra izay. Ka raha haroharoina izao resaka efa ilaozan'i Kristy rehetra izao ny finoana dia hisavoritaka ihany ny olon-drehetra ary tsy hahita masoandro mihiratra mihitsy.
24. eveil ( 27/09/2011 16:59)
Tena tsy mazava amiko intsony ny marina, raha ny resaka mandeha hatramin'izao. Angamba izany no mahabetska ny fiangonana mihevitra ho samy manana ny marina ho azy, tsy mifandefitra fa mifanenjika....
25. rijadolly ( 28/09/2011 02:19)
Tsotra ny marina mba tsy hanadisoana ny fombafomba ny hafa dia ity tenin' Jesoa Kristy ity.

JAONA 14: 6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.


Na inona fombanao na inona fanarahanao ny lalàna, na inona fiheveranao ny fhamarinan'ny atokonao ka raha vao tsy ao ny finoana an'io dia zero ariary ianao izay. "VERY NY HEZAKA" ho ny teny filamatra izay. koa aza manary hezaka e!
26. Miharena ( 28/09/2011 04:18)
Ilay mitady ny fahatsorana ao anatin'ny tantara misafotofoto noho ny fahalavoana no fahendrena ary io no tokony horaisin'ny mino ho fahamarinana.

Tokana ny marina hoy i Kristy ary io Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana io dia ao anaty ary maha-IRAY antsika amin'i Kristy izay nanome antsika ny lakile hoe IRAY AO AMIN'NY RAY isika ary afaka hiantso ny Rain'i Jesoa hoe RAY koa. Tsy zaza sary fa iray tampo amin'i Kristy.

Izay ihany no marina fa ny sisa dia safotom-pisainana avokoa.
27. didi10 ( 03/10/2011 11:50)
Somary ratsy fipetraka ilay fanontaniana!

Raha hanontany ianao oe zanak'i Satana ve ny Olombelona? Tsia, tsy iadian-kevitra.
Ny fanontaniana tokony hipetraka dia hoe! Satana ve no mpanjakan'ny tany sy izao Tontolo izao?
28. Miharena ( 03/10/2011 13:09)
Mitovy ihany angamba ny fanontaniana raha miresaka mpanjaka isika didi10. Ka raha io fanontanianao io dia izany indrindra no rafitra napetrak'i Satana, dia ny tsy hampitovy ny olombelona fa ho ao anatin"ny tontolo feno fifaninanana ary ilay fifaninanana dia tsy mba ahitana olona samy mandresy na samy mahazo tombon-tsoa fa tsy maintsy misy resy sy mahantra ary misy manjakazaka.
29. didi10 ( 05/10/2011 09:36)

Miharena:

Mitovy ihany angamba ny fanontaniana raha miresaka mpanjaka isika didi10. Ka raha io fanontanianao io dia izany indrindra no rafitra napetrak'i Satana, dia ny tsy hampitovy ny olombelona fa ho ao anatin"ny tontolo feno fifaninanana ary ilay fifaninanana dia tsy mba ahitana olona samy mandresy na samy mahazo tombon-tsoa fa tsy maintsy misy resy sy mahantra ary misy manjakazaka.


Tena latsaka anatin'i Miharena tanteraka mihitsy fa Andriamanitra tsara fanahy sady fitiavana, tia ny zanany Izy ka tsy hahafoy azy, tsara izany saingy ny fahafantarana an'izany matetika no mahadiso ny olom-belona ka mahatonga azy hanaonao foana, tadidio fa na dia nataon'Andriamanitra mitovy aza ny olombelona dia samy manana ny fiainany sy ny safidiny ka tsy maintsy ho avy ny andro hitsarana ny tsirairay, rehefa tonga any amin'ny Paradisa ianao vao ahita izany fiainana tsy misy fifaninanana sy fanjakazakana izany, raha mbola samy eto tsy maintsy misy ny tsara sy ny ratsy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0076