Lehilahy gasy manampahaizana manambady vazaha

1. siga_soa ( 13/08/2011 05:13)
Nahoana ny ankambeazan'ny lehilahy gasy manampahaizana sy nandrato fianarana tany ivelany no manambady vazaha, kanefa dia milaza ho tena tia tanindrazana? Tsy antonona azy ireo ve ny vehivavy gasy? Kanefa anie ny vehivavy gasy dia sady tsara no mendrika ary indrindra koa be ny manana fahaizana.
novalian'i kooool4 ny 27/11/2011 01:46
2. m.i.s.a ( 13/08/2011 10:01)
ao no atao hoe "safidy" ! tsy hitako izay hidiran'ny hoe lahy gasy tena manampahaizana manambady vazaha, tsy hitako izay hidiran'ny hoe tsy antonona azy ireo ve ny vavy gasy ?

eran-tany na aiza na aiza dia ahitana an'io, na manampahaizana na tsia, ao ny vavy tia maizina, ao ny vavy tia fotsy, ao ny vavy tian'izay tiany

torak'izany koa ny lahy, ao ny tia vazaha, fotsy , maizina, gasy sns

miseho hoe tena tia tanindrazana hoy ianao? tsy hitako izay hidiran'ny tena fitiavana tanindrazana raha mba tsy gasy no safidin'ny fony

ireny vahiny rehetra manambady olon-kafa tsy avy @ niaviany ve dia lazaina fa tsy tia tanindrazana?

ny fanambadiana vahiny, amiko dia tsy midika velively hoe tsy fitiavana tanindrazana, mihoatran'zany aza ! manambady vahiny io no tena tsy mahafoy ny tanindrazany hany ka any foana no manao vakansy sns

tsy mahavery ny maha-malagasy, na ny tena fitiavana tanindrazana ny fanambadiana olon-kafa hafa firenena fa safidy tahaka ny safidy rehetra io
3. siga_soa ( 13/08/2011 13:26)
Marina ny hoe safidy, fa fanontaniana napetraka io. Misy mantsy ireo lehilahy manampahaizana gasy no diso manambany loatra ny vehivavy gasy.
4. ravonjison ( 14/08/2011 16:01)
Siga soa a, tokony ho faritanao tsara aloha ny atao hoe " fitiavan-tanindrazana ", dia avy amin'izay no iaingantsika amin'ny ady hevitra.
5. siga_soa ( 14/08/2011 17:38)
Ny fitiavan-tanindrazana tiako tenenina dia ilay fiarovana tanteraka ny maha-malagasy, anisan'izany ny fiarovana ny tsy hahalany tamingana ny malagasy 100%, sy ny fitondrana ny traik'efa sy fahaizana norantovina tany ivelany entina hanasoavana ny tanindrazana fa tsy vitan'ny resaka manidina fotsiny. Ary eo no mampametraka ny fanontaniako teo aloha amin'ireo manampahaizana manambady vahiny
6. manampi67 ( 14/08/2011 17:57)
bonjour,

fanambadiana, tia tanindrazana, manampahaizàna sont 3 choses différents .
7. siga_soa ( 14/08/2011 18:28)
manampi67: 3 samy hafa fa mifampiankina
8. manampi67 ( 14/08/2011 19:14)
mifampiankina oui et non "ça depend de la personne et la mentalité"
par exemple, je suis une Malgache et mon mari est Français/allemand . Je ne serais jamais française, je reste malgache et je suis fière de mon pays. Mon fils nampianàriko miteny Malagasy vitsivitsy et il comprend "salama, veloma, vary, Dadabe". Je ne suis pas parfaite mais je suis une personne simple na mipetraka aty an-dafy aza. Rehefa mandalo aty Antanindrazana aho dia hajaiko izay manodidina ahy na maloto, na madio, na mahantra.
9. mirananirina ( 14/08/2011 21:06)
Ataoko angamba fa marina daholo ny voalaza ny etsy ambony!betsaka koa anefa ny tsy aninona tsy aninona no manambady vazaha,fa io safidy,na ao koa ny déçu indrai2 ohatra hoe namita fianarana any ampita izy de ilay vhv gasy nosafidiany efa lasandry zalà,de nanambady vaza izy :)
10. ravonjison ( 14/08/2011 22:01)

siga_soa:

Ny fitiavan-tanindrazana tiako tenenina dia ilay fiarovana tanteraka ny maha-malagasy, anisan'izany ny fiarovana ny tsy hahalany tamingana ny malagasy 100%, sy ny fitondrana ny traik'efa sy fahaizana norantovina tany ivelany entina hanasoavana ny tanindrazana fa tsy vitan'ny resaka manidina fotsiny. Ary eo no mampametraka ny fanontaniako teo aloha amin'ireo manampahaizana manambady vahiny



Mazava ny tianao ho lazaina.Ny lohahevitra napetrakao dia mazava, betsaka ny olona mila valim-panontaniana mikasika izany, noho izany dia mila fanazavana tsara.
Ny fitiavan-tanindrazana dia ataontsika hoe zavatra iray ( saingy mizarazara be dia be: ny fiarovana ny tsy hahalany tamingana, ny fitondrana ny traik" kefa sy fahaizana avy any ivelany, ny fiarovana ny ala, .....sns...), fa kosa ny fomba fisehon"izany eo amin"ny tsirairay no samihafa, arakaraka ny possibilité ananany : izay manambola dia afaka manampy ara-bola, izany manana fahaizana dia afaka mampita izany, izay manatalenta amin"ny zava-kanto dia afaka manaparitaka izany any ivelany, sns...

Ka hiverenako ireo zavatra roa voalazanao mikasika ny fitiavan-tanindrazana : fiarovana tsy ho lany tamingana sy ny fitondrana ny traik'efa sy fahaizana norantovina tany ivelany.
Tsara ho fantatra aloha fa ny ankamaroan"ny olona any ivelany, tsy ny gasy ihany, raha tsy voadona sy marary ny sainy dia matetika mieritreritar foana ilay tanindrazany izy, saingy arakaraka ny possibilité misy eo ampelatanany no mampiseho na tsy mampiseho ilay fitiavan-tanindrazana. Isika miady hevitra eto ohara, mikasika izany izao dia efa fomba iray isehoan"ny fitiavan-tanindrazana amintsika koa izany, satria nieritreritra lalina mikasika izany isika ary nanana possibilité nanoratra teto !!! Misy anefa ireo mba nieritreritra lalina ny mikasika izany koa saingy tsy afaka nanoratra teto:

1- Fiarovana mba tsy ho lany tamingana : ireo lehilahy gasy manambady vazaha dia tia tanindrazana tokoa satria miaro ny gasy mba tsy ho lany tamingana tokoa. Izy manambady vazaha ka mipetraka any andafy io, dia afaka mandefa vola hoan"ny rahalahiny na ny anabaviny. Noho io vola io dia afaka miteraka sy karakara zaza tsara ireo iray tampo aminy.
Ilay fiarovana mba tsy ho lany tamingana izany eto dia tsy midika hoe ny ranon"ainan"izy ireo ihany no tokony ampiasaina, fa kosa midika hoe : manampy ireo rahalahiny sy anabaviny izy mba ahafahan"izy ireo mikarakara zaza tsara( manampy ny ranon"nainan"ny gasy hafa izy)

2- Fitondrana ny traik'efa sy fahaizana norantovina tany ivelany : tia tanindrazana tokoa izy ireo satria ny sasany dia mivezivezy any Dago ary mitondra ny fahalalana, ny sasany indray dia miara-miasa amin"ny gasy any an-toerana. Ny sasany moa di mandefa vola mihitsy mba hanampiana ny fampandrosoana ny zavatra sasany eny an-toerana.

Ka tsy tokony taitra ianao. Araka ny efa voalazan"ny sasany etsy ambony dia safidny tokoa izany nanambady vazaha izany. Araka io safidy io anefa dia manana possibilité izy hanehoany izany fitiavan-tanindrazana izany. Raha vehivavy gasy no vadiny dia hafa indray ny possibilité hananany hanehoany ilay fitiavan-tanindrazana .

Zavatra samihafa izany ny fitiavan-tanindrazana sy ny hoe manam-bady vazaha na gasy. Ny lehilahy rehefa tia tanindrazana izy dia azony aseho foana izany na gasy na vazaha ny vadiny. Arakaraka ny possibilité-ny no anehoany izany.
Ny lehilahy koa anefa rehefa tsy tia ny tanindrazany izy, na gasy na vazaha ny vadiny, dia tsy tia tanindrazana foana izy.


11. siga_soa ( 15/08/2011 03:28)
ravonjison: misaotra anao nanazava, ary mba samy hitondra ny fanampiany ho an'ny Madagasikara avoko izy ireo fa mampalahelo loatra ny misaina hoe be ny manampahaizana saingy mijanona any ivelany avokoa. Fa araka ny voalazanao hoe safidy io.
12. Hinagasy ( 16/08/2011 00:02)
Azoko ny tian'i Siga-soa lazaina, satria izaho dia tafiditra amin'ny sokajy lazainao io, fa fotsiny vehivavy aho. Velom-panontaniana aho tany ambohalohany hoe tsy fitiavan-tanindrazana ve?? indrindra izaho votaiza tamin'ny skoto.
Kanefa ;
1- ny fitiavana tsy terena, izaho manao hoe anjara ny vady. Niala tany gasikara aho tao antsaina ny hoe hianatra ary tsy hanambady vahiny izany kanefa rehefa tojo ilay tena fitiavana dia tena tia e!! adino daholo ilay voadivoady ny tsy hanambady vahiny. Ary amiko io aloha tsy azo hitsarana hoe tia tanindrazana ve ilay olona na tsia e!

Kenefa miezaka aho mampita ny cultures gasy amin'ny zanako, ny manodidina ahy. Ny zanako mahay miteny gasy couramment miaraka amin'ny accent-ny, nampitaiko ny tantara, ny angano gasy etc.. Ary ny tena nanohana ahy aza rehefa tonga any gasikara izahay manao vakansy dia ny zanako no mahay teny gasy fa misy maromaro ny zaza ao amin'ny fianakaviana sy ny zanaky ny namako izay ray sy reny Malagasy, mipetraka any Madagasikara tsy mahay teny gasy ny zaza.

2- na nianatra nandrato fianarana taty aza aho, ka mijanona aty ivelany dia mamampy be dia be ny fianakaviako sy manao izay vitako amin'ny tanana kely any ambanivohitray. Ny tsy fantatro! mety nahavita nanampy be kokoa noho izao ve aho raha nipetraka tany??tsy haiko! Mandainga aho raha miteny hoe tena milamina ny saiko amin'izaho mipetraka aty ivelany, kanefa amin'izay remords hananako aloha dia vao maika mampiezaka ahy hanao be dia be amin'ny adidy any.
Ka raha misy miteny hoe tsy tia tanindrazana aho, tsy manome tsiny aho hoe izany ny fitsarany an'ilay izy, na izaho aza hoy aho manana alahelo amin'ilay mipetraka aty ivelany, kanefa ny ato anatiko fantatro fa tiako ny tanindrazako ary na aty ivelany aza aho miezaka ny hanao izay adidy takatro

13. siga_soa ( 16/08/2011 10:30)
Hinagasy: hafa ihany ny vehivavy gasy e! Fa asakasak'ireo lehilahy gasy diso manambany ny vehivavy gasy ary manao tsinontsinona azy ireo.
14. sitlo ( 17/08/2011 02:14)
Misy kosa aloha sipa gasy tena mahavoa be tokoa. Dia misy koa sipa vazaha tena mahavoa be. Dia arakaraka ny maro an'isa ihany io.
Raha 1 na 2 fotsiny ny gasy eo, sady amin'ilay tsy mahavoa. Dia nefa etsy feno vozongo amin'ilay mahavoa. Dia koa raha tsy mitapy koa.
Dia raha misy vozongo minanaka be koa anefa eo. Dia misy gasy tena mijajika be. Dia koa raha tsy mitapy koa koa.

Dia raha fintinina dia aleo anaky roa, ny iray vozongo dia ny iray gasy. [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Sport_et_loisirs/banane-fouet.gif[/IMG]
15. avylavitra ( 19/08/2011 18:37)
Tsy hanakiana izay voalaza aho, fa e-hiteny fotsiny hoe Mahafinaritra ahy ny mamaky ity fifanakalozan-dresaka ity fa tena feno fifanajàna tanteraka, na avy amin'ny mapnontany, na ny mpanome valinteny tsirairay avy. Niezaka nitsikilo teny mahery setra, na manivaiva aho fa angamba tsy nahita. Misaotra anareo
16. siga_soa ( 20/08/2011 04:49)
avylavitra: ny tiako hasongadina amin'ity koa dia ny fahambonian'ny saina malagasy sy ny fahaizana mifampiresaka antin'ny fifanajana tanteraka. Satria hita @ izao fotoana izao fa mitady ho very miandalana izy io. Ny lehilahy no lohan'ny tokantrano araka ny fiteny malagasy ka raha ny lehilahy tokony hitarika indray no tsy ao dia mampanahy. Tiako koa ny mba hampisaina ireo izay lehilahy manampahaizana gasy manambady vahiny ka manao tsinontsinona ny maha malagasy azy sy ny vehivavy malagasy. Ka izay indrindra no nahatonga ahy hametraka io fanontaniana io.
17. soanja ( 22/08/2011 21:09)
Ny tena tokony ho lohateny eto angamba araka ny fahitako azy dia hoe " Nahoana maro amin'ny lehilahy malagasy any an-dafy tafita no manambany ny vehivavy malagasy mitovy ra aminy ka zary nanambady vazaha?"

Eo mantsy dia mazava tanteraka ny zavatra tian'ilay tompon'ny lohahevitra voizina.

Amiko dia ny fitiavan-tanindrazana dia tsy miseho amin'ny alalan'ny fanambadiana mantsy fa amin'ny alalan'ny asa atao.

Amiko koa raha ny hevitro manokana dia efa nialako ela ilay hoe tiako ny tanindrazako fa hoe velona aho dia manao adidy sy fanasoavana ho an'izay hitako sy tsapako fa mila izany fanampiako izany. I Madagasikara aloha no voalohany tena fantatro dia izy no hampiako saingy tsy misakana ahy tsy hanampy ny tany hafa koa izany. Satria manko raha fitiava-tanindrazana no nisy dia tsy tonga tany Madagasikara ny volam-panjakana Amerikanina fa nijanona taty Amerika. Ny manosika azy ireo hanampy dia ny fo feno fitserana fa mila mifanampy ny olombelona. Dia izay no hitako sy arahiko fa tsara.

Ny hoe ho lany tarangana ny Malagasy dia mbola ho ela izany satria isika Malagasy no isan'ny firenena mitombo haingana indrindra raha ny statistika no jerena. Ny tahotro dia hoe sao ho feno loatra i Madagasikara ary tsy haharaka ny vava mihinana ny zava-bokarina sy ny fahendrena ampifandraisina amin'io fitombon'ny olona sy ny mba hananany fiainana milamina!

Mazotoa daholo!
18. soanja ( 22/08/2011 21:12)
Tsy haiko loatra kosa ilay hevitra hoe " fanambaniana ny vehivavy malagasy"

Hazavao eo raha azo atao?


19. daran ( 23/08/2011 20:43)
safidy io e. Ny vazaha vavy koa né tsy hoe manam-pahaizana daoul e!! tsika gasy mits mantsy ndraindray no manana complexe hoe ref vazaha d tena iz zay nefa ry zareo reo koa mba misy donto sy tsy manam-pahaizana sy ny tariny e....Raha manam-bady vazaha vavy ny tovolahy gasy any amintsika dia iny zany no nahababo ny fony e, après mety manana antony manokana koa izy zay azy manokana zany e
20. vale ( 30/08/2011 12:57)
Bjr!
amiko aloha tsy tokony hisy ny olana na manambady vazaha izy na manambady malagasy ihany raha toa fotsiny ka olona sahaza azy ilay olona iarahany, ohatra: mifanaja aminy, tsy olona hanararaotra ny fahaizany sy ny volany fotsiny, fa ny fanambadiana vahiny akory tsy voatery hanadinoana na manakana ny olona iray hanampy ny mpiray tanindrazana aminy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8076