Lehilahy gasy manampahaizana manambady vazaha
21. siga_soa
(
31/08/2011 19:04)
soanja:
Tsy haiko loatra kosa ilay hevitra hoe " fanambaniana ny vehivavy malagasy"
Hazavao eo raha azo atao
Mihevitra fa ny vehivavy malagasy dia tsy natao hianatra sy tsy mahatakatra lavitra fa natao hikarakara tokantrano sy hitaiza ka tsy mendrika ny fahaizana nananan'ireo lehilahy gasy manampahaizana. Nefa tiako ny manamarika fa misy ireo lehilahy gasy manampahaizana sasany tena manaja ary manome lanja tanteraka ny vehivavy gasy.
Ireo voalohany nolazaiko no tena nanitikitika ny saiko hoe efa toe-tsaina tokony hovaina izany
22. niryna
(
02/09/2011 15:49)
siga_soa:Toa mampihomehy koa izy izany,arakaraky ny toerana misy azy io ,mety tsy misy malagasy antonona azy angamba na araka izay anjara koa.Tsy mainty malagasy foana ve no tokony ho vadiny na tsy misy gasy kely aza any?
Nahoana ny ankambeazan'ny lehilahy gasy manampahaizana sy nandrato fianarana tany ivelany no manambady vazaha, kanefa dia milaza ho tena tia tanindrazana? Tsy antonona azy ireo ve ny vehivavy gasy? Kanefa anie ny vehivavy gasy dia sady tsara no mendrika ary indrindra koa be ny manana fahaizana.
23. siga_soa
(
08/09/2011 13:04)
niryna:Aza hihomehezana e! fanontaniana mba ilaina valiny sy fanazavana izy io. Raha araka ny voalazanao hoe tsy misy gasy any, izay indray anie hafa e! Fa ny ankapobeny no tiana ho lazaina, ary indrindra ilay hoe "tsy misy gasy antonona azy" ka io indrindra anie no tiako ahatongavana e! satria ve manampahaizana be dia mieritreritra fa tsy antonona ny vehvavy gasy?
siga_soa:Toa mampihomehy koa izy izany,arakaraky ny toerana misy azy io ,mety tsy misy malagasy antonona azy angamba na araka izay anjara koa.Tsy mainty malagasy foana ve no tokony ho vadiny na tsy misy gasy kely aza any?
Nahoana ny ankambeazan'ny lehilahy gasy manampahaizana sy nandrato fianarana tany ivelany no manambady vazaha, kanefa dia milaza ho tena tia tanindrazana? Tsy antonona azy ireo ve ny vehivavy gasy? Kanefa anie ny vehivavy gasy dia sady tsara no mendrika ary indrindra koa be ny manana fahaizana.
24. vahiny2004
(
21/09/2011 13:10)
Mety tsy arako h@ voalohany ny resaka fa mahagaga ihany ny fanontaniana toy itony
Tahaka ny hoe misy lalàna na matrice mamaritra ny combinaison n'ny afaka mivady sy tsy mivady arakaraky ny fahaizana sy ny fihaviana , ny loko sy critères hafa ihany koa
Ny hidiran'ny fitiava-tanindrazana ao anatiny moa dia mbola manginy fotsiny

25. rabokona
(
03/10/2011 17:58)
sady io koa anie re olona dia izao e! rehefa nitso-drano ilay nahary izao tontolo izao dia nilaza hoe miteraha maro dia mamenoa ny tany fa tsy nanavaka izy hoe mitokana ny vazaha dia mitokana ny gasy na koa hoe ary mainty dia aty ny fotsy, fa ny saina no mibaiko an'io ary ny fitiavana no ambony indrindra ary ny vady tsy safidy fa anjara, misy olona ninofisinao ho vady fa tsy lasa vadinao fa olon-kafa no lasa vadinao ka amiko na vazaha na gasy na karana dia olona daholo fa tsy sanatria biby
Misaotra tompoko io no mba hevitro azafady raha misy tafintohina aminio fa dia hifonako mialoha tompoko
Misaotra tompoko io no mba hevitro azafady raha misy tafintohina aminio fa dia hifonako mialoha tompoko
26. siga_soa
(
04/10/2011 10:25)
Marina ny voalazanao fa dia misaotra antsika rehetra namaly sy nanazava ny hevitra. Fa faniriana ny hoe ireo lehilahy manampahaizana gasy any ivelany sy mipetraka any manambady vehivavy gasy, faniriana ihany fa ny toro-hevitra ho anareo manampiahaizana gasy na lahy na vavy ka manambady hafa firenena dia mba hampitao @ taranakareo fa malagasy izy ary tokony ahalala tsara ny taniny dia i Madagasikara sy ny kolon-tsaina ao aminy. Satria misy ireo ray aman-dreny tsy mampita izany, ary misy @ ireo zanak'izy ireo no tsy mahay ny teny malagasy. Fa tsara anie ny tanintsika e! Misaotra daholo ô!
rabokona:
sady io koa anie re olona dia izao e! rehefa nitso-drano ilay nahary izao tontolo izao dia nilaza hoe miteraha maro dia mamenoa ny tany fa tsy nanavaka izy hoe mitokana ny vazaha dia mitokana ny gasy na koa hoe ary mainty dia aty ny fotsy, fa ny saina no mibaiko an'io ary ny fitiavana no ambony indrindra ary ny vady tsy safidy fa anjara, misy olona ninofisinao ho vady fa tsy lasa vadinao fa olon-kafa no lasa vadinao ka amiko na vazaha na gasy na karana dia olona daholo fa tsy sanatria biby
Misaotra tompoko io no mba hevitro azafady raha misy tafintohina aminio fa dia hifonako mialoha tompoko
27. kooool4
(
27/11/2011 01:46)
Tena tsisy idiran'ny fitiavan-tanindrazana io ngamba... tsotra ny valiny: mety tsy nahita sipa gasy mety taminy fotsiny izy tany @toerana nisy azy na mampihomehy be ny toetran'ny sipa gasy fantany... ho an'itsy farany moa dia miantefa @sipa gasy aty andafy, eto frantsa ndrindra2.. ny antony tsy itiavan'ny bandy sasany ny sipa gasy aty andafy dia ny toetrany sns sy ny fitondran-tenany... raha tsy kobo mety tsy maninona fa raha miharihary be kosa tsy poinsa e! Ahoana moa ohatra no hanambadiako sipa niaraka t@ iry bandy akama iry, dia avy eo nisaraka dia nifindra t@iry, dia nifindrafindra teny, looool, sady ny toetran'ny sipa sasany rehefa aty andafy aty misy tena lasa loool be mahakivy... miala tsiny @sipa gasy eto frantsa izay tsy ohatra zany e! Tianay dia tianay tokoa ny hanambady gasy saingy indrisy, enga anie mba hahita... :p