Ny andriamanitra inoako de Bessa
1. Tefigasy
(
01/08/2011 11:30)
Salama jiaby,
Mba gaga ihany aho mbola mahita olona maro milaza azy ho kristianina mbola mihira ity hiran'i Bessa ity hoe "ny andriamanitra inoako". Toy izao ilay tononkira :
Ny Andriamanitra inoako, Andriamanitra fitiavana
Tsy Andriamanitra masiaka mpanasazy
Tsy Andriamanitr'antoko, tsy mpanavaka foko
Tsy mpijery harena na fiaviam-pirenena,
Fa ny Andriamanitra inoakao hantra sady honena
Ka ny olona rehetra mahazo azy
Tsy mpizara alahelo, tsy mamorona helo
Fa Izy no fitiavana
....
De raha tena halalinina anefa io tononkira io dia tsy ilay andriamanitra voalaza ao anaty baiboly io andriamanitra tenenina eo @ tononkira io. Ny ampahany ao anaty baiboly fotsiny dia ny hoe "Andriamanitra fitiavana" fa ny ankoatr'izay dia tsy ilay description an'ilay andriamanitra ao anaty baiboly mihitsy.
Andeha anie raisina tsiraidray e :
Ny Andriamanitra inoako, Andriamanitra fitiavana ==> ok
Tsy Andriamanitra masiaka mpanasazy ==> Izy dia andriamanitra saro-piaro, masiaka ary tena manasazy. Jereo ny nahazo ny zana'kIsraely rehefa naditra t@ Andriamanitra izy ireo.
Tsy Andriamanitr'antoko, tsy mpanavaka foko ==> Andriamanitry ny rehetra andriamanitra, noho izany dia tafiditra ao ny antoko
Tsy mpijery harena na fiaviam-pirenena, ==> Tadidio fa ny jiosy aloha vao ny jentilisa, ary izy mihitsy no niteny hoe aza mety hiombona @ izay tsy mino (misy fanavahana ao)
Fa ny Andriamanitra inoakao hantra sady honena ==> ok
Ka ny olona rehetra mahazo azy ==> Sarotra ny mahazo an'Andriamanitra, eny fa na dia ireo miteny ho kristianina aza mbola tsy mahazo an'Andriamanitra ny ankamaroany satria izy masina tanteraka
Tsy mpizara alahelo, tsy mamorona helo ==> Misy tompoko ny helo ary mivaly ny ratsy atao rehetra
Fa Izy no fitiavana ==> ok
Azonao tohizana @ tonony manaraka fa hitako hoe efa lava loatra izay. Mba lanentana ny kristianina aho mba handinika tsara vao manao zavatra indrindra fa ny hira sy ny teny entina hidera an'Andriamanitra.

novalian'i miarana ny 02/09/2011 21:57
2. nameno
(
01/08/2011 12:13)
Tefigasy:

Diso mitsikera loatra ianao!!!! aza mitsara hoy Jehovah mba tsy ho tsaraina.
Misy teny ao @ Baiboly manao hoe: "Tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota mba hibebaka"
Raha ny votoatin'ny hira no jerena dia te hilaza @ maro fa na inona heloka vitanao ka tena mibebaka ianao dia ho voafafa avokoa izany heloka izany,izany hoe tsy mijery antoko izy,tsy mijery harena na fiahaviampirenena,fa izay rehetra manantona Azy ka mibebaka dia voavela ny heloka
3. euh
(
01/08/2011 12:17)
Izy angaha moa midoka aminao fa ny Andriamanitry ny baiboly io ? Ianao no tsy mahazo resaka izay mazava tsara izao fa hafa ny fiheviny ny andriamanitra, tsy ny voalazan'ny baiboly ilay masiaka manasazy fa be fitiavana tsy misy takalo
tohanako tanteraka koa ny voalazan'ny mpihira
tohanako tanteraka koa ny voalazan'ny mpihira
Tefigasy:
Ny Andriamanitra inoako, Andriamanitra fitiavana ==> ok
Tsy Andriamanitra masiaka mpanasazy ==> Izy dia andriamanitra saro-piaro, masiaka ary tena manasazy. Jereo ny nahazo ny zana'kIsraely rehefa naditra t@ Andriamanitra izy ireo.
Tsy Andriamanitr'antoko, tsy mpanavaka foko ==> Andriamanitry ny rehetra andriamanitra, noho izany dia tafiditra ao ny antoko
Tsy mpijery harena na fiaviam-pirenena, ==> Tadidio fa ny jiosy aloha vao ny jentilisa, ary izy mihitsy no niteny hoe aza mety hiombona @ izay tsy mino (misy fanavahana ao)
Fa ny Andriamanitra inoakao hantra sady honena ==> ok
Ka ny olona rehetra mahazo azy ==> Sarotra ny mahazo an'Andriamanitra, eny fa na dia ireo miteny ho kristianina aza mbola tsy mahazo an'Andriamanitra ny ankamaroany satria izy masina tanteraka
Tsy mpizara alahelo, tsy mamorona helo ==> Misy tompoko ny helo ary mivaly ny ratsy atao rehetra
Fa Izy no fitiavana ==> ok
4. Tefigasy
(
01/08/2011 12:31)
Diso mitsikera loatra ianao!!!! aza mitsara hoy Jehovah mba tsy ho tsaraina.
==> Raha miteny ny marina ve ny olona iray dia midika izany fa mitsara izy ?
Misy teny ao @ Baiboly manao hoe: "Tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota mba hibebaka"
==> Tsy haiko na za no tsy mahay mamaky teny fa tsy misy mihitsy ao anaty tononkira hoe "MIBEBAHA satria Andriamanitra fitiavana izy de mandefitra @ adalan'ny rehetra".
Izy angaha moa midoka aminao fa ny Andriamanitry ny baiboly io ?
==> ok, noheveriko fa kristianina i Besa ka ny Andriamanitra ao anaty baiboly no hinoany. Diso aho zany fa miala tsiny, Hitako mandeha any ampiangonana ihany mantsy izy iny
5. euh
(
01/08/2011 12:59)
Tefigasy:
ok, noheveriko fa kristianina i Besa ka ny Andriamanitra ao anaty baiboly no hinoany. Diso aho zany fa miala tsiny, Hitako mandeha any ampiangonana ihany mantsy izy iny
efa hoe aza mitsara
tsy aferanao raha miditra ampiangonana izy na tsia. Tsy natao ho an'ny tonga lafatra tia mitsara sy mitsikera ny fanaon'ny mpanota irery ihany ny fiangonana...
6. Tefigasy
(
01/08/2011 13:04)
De miala tsiny aminareo fanatika an'i Besa aloha fa dia voakitika le point .... e! hihihihi. Tsy fitsarana ny fitenenana ny zava-misy ary ny mahay mandinika ihany no hitenenana fa raha adala ve moa hiresahana tsony. lol
Raha kristianina ianao de raiso ny baiboly de jereo ze voasoratra ao, raiso io hiran'i Besa io de ampitahao @ izay voasoratra. Izay ihany no tiako holazaina ka. Point kely fa manandanja!

7. euh
(
01/08/2011 13:12)
Ny tebokao no tena voakitika raha ny fahitako azy
tsy fanatika n'i Besa akory fa tsy izy irery no mpanankato erantany mahafinaritra.
Rehefa lany morsa tsy mahita toherina dia borikeo ny resaka
Tsy voatery ny finoanao no marina sy tongalafatra eto antany. Misy ny mahavanona mamono olona sy manota fady noho ny finoanoampoana sy fanarahambotolo tsy misy fieritreretana lalina ny heveriny fa soratra Masina.
Midika izany fa tsy misy tonga lafatra velively na midehaka ho mahay baiboly sy mpivavaka aza
Aleo ihany miresaka @ izay mahay manetritena tsy mihebohebo @ kely fantany

8. Tefigasy
(
01/08/2011 13:28)
Tsy voatery ny finoanao no marina sy tongalafatra eto antany. Misy ny mahavanona mamono olona sy manota fady noho ny finoanoampoana sy fanarahambotolo tsy misy fieritreretana lalina ny heveriny fa soratra Masina.
Miala tsiny aminao za fa mbola tsy nahita finoana tena marina mihoatra ny ao anaty baiboly aloha za. Manana ny finoanoapoananao ianao dia tazony ho anao izany fa tsy olana amiko.
Ny mampalahelo fotsiny dia betsaka ny olona manambara ny baiboly nefa tsisy zavatra azony akory ny ao anatiny. Tsy fahamenarana anie ny mamaky azy fa tsy tonga de miteniteny foana imasom-bahoaka e!
Hoy ianao hoe manetry tena, fa izaho kosa tsy menatry ny filazan-tsara aho. Fantatro izay inoako ary azoko antoka 100% ny fahamarinany, ary Izy koa mahalala tsara ahy. Tokana ihany ny ahy no hireharehako dia Jesosy Kristy ary TENA HIREHAREHA NY AMINY AHO SATRIA mpanompony.
10. m.i.s.a
(
01/08/2011 14:37)
Tefigasy:aza mitsara mba tsy ho tsaraina. Samy manana ny finoany ny tsirairay. Raha ao anatin'io tononkira io no mba ahazahoan'ny sasany inspiraka , manahirana anao nga zany ? Aza misahiran-tsaina @ izay Andriamanitra hinoany e ! Omena tsiny ve ireo olona milaza hoe kristianina raha mihira ny hiran'i Bessa ? andray kosa e !
Salama jiaby,
Mba gaga ihany aho mbola mahita olona maro milaza azy ho kristianina mbola mihira ity hiran'i Bessa ity hoe "ny andriamanitra inoako". Toy izao ilay tononkira :
11. Miharena
(
01/08/2011 15:31)
Izay indray vao mba manoratra kely eto fa mbola be asa.
Zary lasa fifamaliana ilay lohahevitra nosokafan'i Tefigasy.
Inona no marina momba an'Andriamanitra no tokony hiompanan'ny fandalinana alohan'ny hilazana fa diso ny resak'i Bessa.
Raha i Kristy no lazaina dia milaza Izy fa Raintsika rehetra Andriamanitra ary Izy dia Fitiavana. Izay ataon'ny Ray no ataon'ny Zanaka hoy Izy izay.
Ka lasa toy izany daholo koa isika rehetra, rehefa mandalina ny kapoka ao anaty Testamenta taloha dia zary manana izany toetra izany ary miandry ho voakapoka vao mahitsy. Rehefa mandalina ny didim-pitiavana indray kosa dia milamina sy mizotra tsara avokoa ny zava-drehetra. Misy zava-droaloha mifameno anefa ireo satria misy lalana hizorany no antony hisian'ny hirifiry saingy fitiavana daholo izany rehetra izany.

12. rijadolly
(
01/08/2011 17:15)
Ny Andriamanitra inoako, Andriamanitra fitiavana
Tsy Andriamanitra masiaka mpanasazy
Tsy Andriamanitr'antoko, tsy mpanavaka foko
Tsy mpijery harena na fiaviam-pirenena,
Fa ny Andriamanitra inoakao hantra sady honena
Ka ny olona rehetra mahazo azy
Tsy mpizara alahelo, tsy mamorona helo
Fa Izy no fitiavana
Ny Andriamanitra inoako tompon'ny fahendrena
Te hanova izay ratsy ho tsara
Tsy mba faly manjera na revolisionera
Fa manarina hatrany ireo maditra eto an-tany
Ny Andriamanitra inoako Andriamanitra fitiavana
Tsy mba mila takalo fa mizara
Ny mandray izay omeny no hany fandreseny
Fa Izy no fitiavana
Ny zava-miafina ao anatin' Mpanankanto dia tsy azotsika heverina indraindray. Manana ny heviny izay ohatry ny voatelina izay, ka mitaky famakafakana tanteraka.
Raha io hiran' Besa io anefa, dia ireto ny teny manahirana indrindra ao:
1) " Ka ny olona rehetra mahazo azy " Mety ho isika anefa no mandika ilay heviny ka mandiso ilay tiany ho tenenina. Ny antony hitenenako izany dia mety manana heritreritra ihany izy fa mila miaky ny helony aloha izay vao mahazo AZY, noho ity : " Ny mandray izay omeny no hany fandreseny ", izany hoe raha tsy mandray ianao dia tsy mahazo AZY(Andriamanitra) ary dia tsy hivoaka ho Mpandresy mihitsy.
2) " Tsy mba mila takalo fa mizara" : Inona ilay takolo tiany ho tenenina? Raha mizara ve izy dia tsy mitaky zavatra ataotsika? io koa izao dia mazava fa mitaky ny finoana AZY araka ilay tonokiraka " Ny Andriamanitra inoako " ; izany hoe rehefa tsy mila takalony ve IZY dia tsy maninona na dia tsy tia AZY aza aho. Fa ny dikan'ilay hoe Mino sy ny zavatra tanterahana ao anatin'ilay Finoana no somary manjavozavo amin' heviny tsirairay angamba.
3) " Tsy mpizara alahelo, tsy mamorona helo ": Ahoana ny fihevitsika an'izay? Ekena fa tsy namorona izany IZY fa kosa tsy navelaNY niditra tao amin' fanjakaNY ny mpinjanganjanga, mpanao ody ratsy, ...izay lalana iray manasaraka antsika Aminy, Fa any amin' helo izay eny ivelan'ilay FanjakaNY, izay ahitana zavatra tsy misy intsony ao amin'io FanjakaNY io, oh: afobe, fikatrohanify, fijalina, tomany, hanohanana, hetaheta...

13. bichette
(
02/08/2011 12:49)
Tefigasy:
Salama jiaby,
Mba gaga ihany aho mbola mahita olona maro milaza azy ho kristianina mbola mihira ity hiran'i Bessa ity hoe "ny andriamanitra inoako". Toy izao ilay tononkira :
Ny Andriamanitra inoako, Andriamanitra fitiavana
Tsy Andriamanitra masiaka mpanasazy
Tsy Andriamanitr'antoko, tsy mpanavaka foko
Tsy mpijery harena na fiaviam-pirenena,
Fa ny Andriamanitra inoakao hantra sady honena
Ka ny olona rehetra mahazo azy
Tsy mpizara alahelo, tsy mamorona helo
Fa Izy no fitiavana
....
De raha tena halalinina anefa io tononkira io dia tsy ilay andriamanitra voalaza ao anaty baiboly io andriamanitra tenenina eo @ tononkira io. Ny ampahany ao anaty baiboly fotsiny dia ny hoe "Andriamanitra fitiavana" fa ny ankoatr'izay dia tsy ilay description an'ilay andriamanitra ao anaty baiboly mihitsy.
Andeha anie raisina tsiraidray e :
Ny Andriamanitra inoako, Andriamanitra fitiavana ==> ok
Tsy Andriamanitra masiaka mpanasazy ==> Izy dia andriamanitra saro-piaro, masiaka ary tena manasazy. Jereo ny nahazo ny zana'kIsraely rehefa naditra t@ Andriamanitra izy ireo.
Tsy Andriamanitr'antoko, tsy mpanavaka foko ==> Andriamanitry ny rehetra andriamanitra, noho izany dia tafiditra ao ny antoko
Tsy mpijery harena na fiaviam-pirenena, ==> Tadidio fa ny jiosy aloha vao ny jentilisa, ary izy mihitsy no niteny hoe aza mety hiombona @ izay tsy mino (misy fanavahana ao)
Fa ny Andriamanitra inoakao hantra sady honena ==> ok
Ka ny olona rehetra mahazo azy ==> Sarotra ny mahazo an'Andriamanitra, eny fa na dia ireo miteny ho kristianina aza mbola tsy mahazo an'Andriamanitra ny ankamaroany satria izy masina tanteraka
Tsy mpizara alahelo, tsy mamorona helo ==> Misy tompoko ny helo ary mivaly ny ratsy atao rehetra
Fa Izy no fitiavana ==> ok
Azonao tohizana @ tonony manaraka fa hitako hoe efa lava loatra izay. Mba lanentana ny kristianina aho mba handinika tsara vao manao zavatra indrindra fa ny hira sy ny teny entina hidera an'Andriamanitra.
______
averiko eto ny soratry Tefigasy dia ataoko eo akaiky eo ihany ny valiny :
- Ny Andriamanitra inoako, Andriamanitra fitiavana ==> ok :
< ==> bichette : ok tsara ito
- Tsy Andriamanitra masiaka mpanasazy ==> Izy dia andriamanitra saro-piaro, masiaka ary tena manasazy.
bichette : Jereo ny nahazo ny zana'kIsraely rehefa naditra t@ Andriamanitra izy ireo. jereo ny salamo 103 : 10 Il ne nous traite pas selon nos péchés, Il ne nous punit pas selon nos iniquités. hentitra Atra, severe izy. tsy MPanasazy izy fa Manasazy. samihafa ny MPanasazy sy ny Manasazy ary ny hiran'i bessa milaza hoe MPanasazy. Ny RAD dia manasazy ny zanany rehefa tenenina in-betsaka ka tsy mihaino ny zanany rehefa misy tsy mety ataony, miteny indray mandeha, miteny indroa, intelo izay vao manasazy, fitiavana no hananarany ny zanany fa rehefa tsy mety mihaino kosa dia faiziny am-pitiavana. dia toa izany koa Andriamanitra amintsika, tamin'ny zanak'israely. halalino tsara ny fiainan'i zanak'israely fa be momonomona, nanompy sampy sns anefa efa tenenin'Atra foana, tao anatin'izany anefa Atra tsy nahafoy azy ireo fa nitondra azy ireo hatrany hatrany. fa ny zanak'israely no be-mokony sy mafiloha sy maivandoha sy revolté lava sy rebelle
- Tsy Andriamanitr'antoko, tsy mpanavaka foko ==> Andriamanitry ny rehetra andriamanitra, noho izany dia tafiditra ao ny antoko.
< == > bichette : ka na antoko inona na inona dia tian'Atra daholo e ! tsy mijery izy hoe ny antokon'i Tefigasy tiana kokoa ny an'i Rijadolly tsy tiana kokoa, fa tiany mitovy daholo. aza adino fa TSY NY OLONA NO TSY TIAN'ANDRIAMANITRA FA NY OTA ATAON'NY OLONA. Andraso aloha hazavaina sao tsy mazava tsara, ovaina ny firafitry ny teny : NY OTA SY NY ATAON'OLONA NO TSY TIANY FA NY OLONA DIA TIANY FOANA NA INONA NA INONA. otran'ny RAD amin'ny zanaka, raha nanao zavatra masosotra be ilay zaza, tiany foana iny zanany iny ary tsy miova ny fitiavany fa ilay nataony no tsy tiany.
Tsy mpijery harena na fiaviam-pirenena, ==> Tadidio fa ny jiosy aloha vao ny jentilisa, ary izy mihitsy no niteny hoe aza mety hiombona @ izay tsy mino (misy fanavahana ao)
ok
bichette : raha izany ny fandraisan'i Tefigasy azy dia miala tsiny aho fa misy zavatra tsy azonao mihitsy izany ny momba an'Atra raha otran'izany ny fandraisanao azy.... Marina fa ny jiosy dia taranaka voafidy. fa jean 3 : 16 Car Dieu a tant aimé le monde qu'il a donné son Fils unique, afin que quiconque croit en lui ne périsse point, mais qu'il ait la vie éternelle . jean 1 : 12 Mais à tous ceux qui l'ont reçue, à ceux qui croient en son nom, elle a donné le pouvoir de devenir enfants de Dieu, lesquels sont nés, 1.13 non du sang, ni de la volonté de la chair, ni de la volonté de l'homme, mais de Dieu . isika tsy jiosy dia NI-ADOPTER-nY isika hanana fahafahana no tonga ZANAK'ANDRIAMANITRA dia izay mino an'i Jesosy Krisy. ka izany no mahatonga ilay hoe tsy misy intsony andeveo, jiosy sns ..; satria spirituellement sy au yeux de Dieu dia mitovy daholo. otran'ny hoe fianakaviana iray mananjanaka, dia nanangana zanaka hafa dia tena noraisiny otran'ny hoe tena zanany ka tsy misy mahasamihafa intsony.
- Fa ny Andriamanitra inoakao hantra sady honena ==> ok
- Ka ny olona rehetra mahazo azy ==> Sarotra ny mahazo an'Andriamanitra, eny fa na dia ireo miteny ho kristianina aza mbola tsy mahazo an'Andriamanitra ny ankamaroany satria izy masina tanteraka.
< === > bichette : izany no nanomezany an'i Jesosy Kristy ho sorona ahafanan'ny rehetra mahazo azy : romana 5 : 1 Étant donc justifiés par la foi, nous avons la paix avec Dieu par notre Seigneur Jésus Christ, kolos 1 : 20-23 Il a voulu par Son fils Jésus-Christ réconcilier tout avec lui-méme, tant ce qui est sur la terre que ce qui est dans les cieux, en faisant la paix par lui, par le sang de sa croix. tamin'inona hony ? RECONCILIATION AVEC LUI-MEME PAR LE SANG SUR LA CROIX
Tsy mpizara alahelo, tsy mamorona helo ==> Misy tompoko ny helo ary mivaly ny ratsy atao rehetra.
bichette : o ry Tefigasy a ! misy ny helo ENY ary Izy mihitsy no nanao ny helo. vakio ohabolana 3 : 20 C'est par sa science que les abîmes se sont ouverts. nanokatra sy nanao ny helo Andriamanitra ho an'ireo anjely namadika azy dia i losifera fa tsy noforoniny ho antsika. ary izany no mahatonga Azy hoe tsy tiany na dia iray aza ny ho any amin'ny helo ary izany no nahatonga Azy nanome ny zanany lahy tokana MBA TSY HO VERY IZAY REHETRA MINO AZY.
- Fa Izy no fitiavana ==> ok
Azonao tohizana @ tonony manaraka fa hitako hoe efa lava loatra izay. Mba lanentana ny kristianina aho mba handinika tsara vao manao zavatra indrindra fa ny hira sy ny teny entina hidera an'Andriamanitra.
bichette : [i]ENY raha tiana tohizana dia azo tohizana mihitsy ary afaka manome andininy soratra masina hatrany aho fa miangavy aminao aho TEfigasy, vakio sy hadiadio tsara ny baibolinao fa aza mifaly amin'ny mahalala ny globalité-ny fotsiny , zany an ???? dia mahereza hatrany ooo !!!!
14. bichette
(
02/08/2011 12:51)
Tefigasy:
De miala tsiny aminareo fanatika an'i Besa aloha fa dia voakitika le point .... e! hihihihi. Tsy fitsarana ny fitenenana ny zava-misy ary ny mahay mandinika ihany no hitenenana fa raha adala ve moa hiresahana tsony. lol
Raha kristianina ianao de raiso ny baiboly de jereo ze voasoratra ao, raiso io hiran'i Besa io de ampitahao @ izay voasoratra. Izay ihany no tiako holazaina ka. Point kely fa manandanja!
DIA NANARAKA NY TENINAO TOKOA AHO FA DIA NAHITA FA IANAO MIHITSY ANGE NO DISO E ! tsy mandalina tsara ny baiboly angamba ianao. tsy jugement izany fa mamporisika anao aho tena hi mediter tsara araham-bavaka ny baiboly hahalalanao sy hahatakarana ny zava-miafin'ny ara-panahy araka an'Atra . mahereza an ? :-)
15. Tefigasy
(
02/08/2011 13:15)
hentitra Atra, severe izy. tsy MPanasazy izy fa Manasazy. samihafa ny MPanasazy sy ny Manasazy ary ny hiran'i bessa milaza hoe MPanasazy.
Ie, aminao koa angamba dia hafa ny hoe mamono olona sy ny mpamono olona na dia samy nahafaty olona aza izy roa ireo. Ekeko hoe ny fomba filaza no mety tsy hitoviany fa raha ny hevitra fonosiny dia tsy misy mampihavaka izany. Le hevi-teny amiko ny zava-dehibe fa tsy le fomba hitenenana azy.
raha izany ny fandraisan'i Tefigasy azy dia miala tsiny aho fa misy zavatra tsy azonao mihitsy izany ny momba an'Atra raha otran'izany ny fandraisanao azy.... Marina fa ny jiosy dia taranaka voafidy. fa jean 3 : 16 Car Dieu a tant aimé le monde qu'il a donné son Fils unique, afin que quiconque croit en lui ne périsse point, mais qu'il ait la vie éternelle . jean 1 : 12 Mais à tous ceux qui l'ont reçue, à ceux qui croient en son nom, elle a donné le pouvoir de devenir enfants de Dieu, lesquels sont nés, 1.13 non du sang, ni de la volonté de la chair, ni de la volonté de l'homme, mais de Dieu . isika tsy jiosy dia NI-ADOPTER-nY isika hanana fahafahana no tonga ZANAK'ANDRIAMANITRA dia izay mino an'i Jesosy Krisy. ka izany no mahatonga ilay hoe tsy misy intsony andeveo, jiosy sns ..; satria spirituellement sy au yeux de Dieu dia mitovy daholo. otran'ny hoe fianakaviana iray mananjanaka, dia nanangana zanaka hafa dia tena noraisiny otran'ny hoe tena zanany ka tsy misy mahasamihafa intsony.
Eny ary, ao @ 2Kor6:14 : "Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino . Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? ary inona no iombonan'ny mazava sy ny maizina?" Manaiky aho fa mitovy ny olona rehetra tsy misy ankanavaka raha amin'ny maha-olombelona azy ary samy tian'Andtriamanitra daholo, fa kosa tsy mitovy ny efa kristianina sy ny tsy kristianina. Tsy azonao le tiako tenenina teo hoe ny jiosy aloha. Ankehitriny dia ny kristianina no taranaka voafidy
izany no nanomezany an'i Jesosy Kristy ho sorona ahafanan'ny rehetra mahazo azy
Manaiky aho hoe mba hahafahan'ny rehetra mahazo azy. fa tadidio fa na izany aza dia tsy azon'ny olon-drehetra Izy. Sarotra ary tena sarotra zany miara-dia @ Andriamanitra izany noho ny fisian'ny devoly. Miseseha hiditra @ vavahady ety ianareo hoy ny Tompo. Mora ho an'ny rameva ny miditra amin'ny vodin'ny fanjaitra fa ....Za manokana aloha tsy nahazo azy raha tsy nateraka indray. Ka raha olona mbola tsy nateraka indray dia tsy hahazo Azy mihitsy na hanao inona na hanao inona.
nanao ny helo Andriamanitra ho an'ireo anjely namadika azy dia i losifera fa tsy noforoniny ho antsika. ary izany no mahatonga Azy hoe tsy tiany na dia iray aza ny ho any amin'ny helo ary izany no nahatonga Azy nanome ny zanany lahy tokana MBA TSY HO VERY IZAY REHETRA MINO AZY.
Ok, manaiky anao 100% za fa ilay tononkira mantsy hoe "Tsy namorona helo Andriamanitra"
fa miangavy aminao aho TEfigasy, vakio sy hadiadio tsara ny baibolinao fa aza mifaly amin'ny mahalala ny globalité-ny fotsiny , zany an ???? dia mahereza hatrany ooo !!!!
Misaotra indrindra @ fanomezana lesona, fa noho ny fandinihako lalina tanteraka ny baiboly no tena nahitako io hiran'i Bessa io fa tsy biblika mihitsy le tononkira.
16. bichette
(
02/08/2011 16:03)

misy zavatra afangaronao be dia be izy izany. amin'ilay resahaka hoe "mahazo azy".
deja tsy isika mihitsy no misambotra an'Atra fa IZY AZA NO MIANTSO ANTSIKA HANANTONA AZY. aza avadika ny zavatra fa diniho. dia mangalà fotoana mandinika hoe inona no mahatonga ny olona tsy mahazo azy. ENY MILA ATERAKA NY OLONA. fa izany fahaterahana izany dia nomen'Atra an'olona rehetra sans exception, izay ilay hoe "ny olondrehetra mahazo azy" ; afaka manantona azy daholo na iza na iza rehefa manantona azy. fa ny olona tsy manantona, Jesosy efa mandondona ao am-po n'olona, ny olona tsy manokatra, jesosy miantso foana hoe AVIA ATOLORY AHY NY FIAINANAO fa ny olona no tsy manantona.
ny zavatra lazain'i Bessa eto dia ny "caractere" an'"Atra. Atra anie nanolotra ny rehetra e ! ary miantso ny olona aza izy hanantona azy. omeny avokoa ny lakilé ny zavatra rehetra tsy ankanavaka amin'ny fiainana, ny tokony hatao amin'ny fiainana, ny dingana atao ho tonga zanany, sns. ENY ao mamporisika ny olona aza izy hanantona azy , HATERAKA INDRAY.
ANDRIAMANITRA TSY MIOVA. ny mahonga ny olona tsy mahazo azy dia nohon'ny fahotan'ny olona, ary amin'ny mahampandinika ny baiboly anao tokony hainao tsara izany. ny toetrany toetrany tsy miova,fa isika no be mokony, misy olona tsy manantona an'Atra mihitsy fa rehefa misy fahavoazana vao manao an'Atra ho robot fotsiny. avy eo rehefa tsy mifanaraka amin'ny zavatra eritreretiny ny miseho amin'ny fiainany dia Atra foana no omeny tsiny. anefa ilay olona no tsy nanao ny tokony nataony.
ny olona rehetra dia afaka mahazo azy, izany no nahatongavan'i Jesosy hanao MEDIATEUR, na MPANELANELANA. FA ny olona no tsy manantona, no tsy mamaly ny antson'Atra, no tsy mamoa varavaran'ny fo, ny olona no tsy manaraka ny tenin'Atra.
misy zavatra afangaronao.
eny misy mahasamihafa ny Mpanasazy sy ny Manasazy. otran'ny misy mahasamihafa ny "coiffeur" et "coiffer". ny coiffeur dia tena asany io, MPanety, io foana no ataony. ny "coiffer"indray, ny olona rehefa afaka mi-coiffer fa tsy asany akory io fa azony atao. ---> ny kristianina tena matahoatra an'Atra dia manota fa tsy mpanota. izany hoe manota tsy nahy, tafanota, manota tsy fidiny, tafanao ota sns fa ny Mpanota dia tena fanaony mihitsy io.
samihafa ny Mpanolana sy Manolana. Ny mpanolana efa fanaony io, ny Manolana indray mety hoe sendra nanao indray izy fa tsy fanaony izany.
raha tsy mazava aminao dia tsy haiko intsony !!! mivavaha. dia mahereza hatrany ianao.
tsy misy afa tsy ny fanahy masina ihany no mandresy lahatra. ;-) zany an !!
17. tefigasy
(
03/08/2011 06:51)
Hihihi, misaotra an'i Bichette be de be aloha. Tsy ny fanazavanao akory no misy diso fa ilay entinao hanamarinana ilay tononkira. Efa fotoana ela be no efa nahazoako ny tianao ambara ary marina saingy terenao hanamarinana zavatra diso ilay izy.
Hoy ianao hoe:
Dia izay mihitsy ilay izy, nefa hoy i Bessa hoe "ny olon-drehetra mahazo azy", raha nataony hoe "ny olona rehetra AFAKA mahazo azy" dia nanaiky 100% za araka io fanazavanao io fa tsy izay ilay nambarany. Raha nandray azy ny olona rehetra izany hoe nahazo azy dia efa ela be ity tany ity no tsy toy izao angamba!
Eto ambany eto le izy de azonao tsara :
==> Andriamanitra tsy miova fa ny olona no tsy mahazo azy noho ny fahotany. Donc TSY NY OLONA REEHETRA NO MAHAZO AZY FA IZAY NANDRAY IHANY.
Ity ny conclusion farany omeko dia izay heveranareo Azy fa lany le ancre @ le clavier-ako. hihihihi:
Matetika ity hira ity dia hijeren'ny olona fa MORAMORA Andriamanitra:
- Mora azo satria FITIAVANA ka manaiky handefitra @ zavatra rehetra,
- mora atonona satria TSY MASIAKA,
- mora atao @ ze tiana hanaovana azy satria be famindra-po ka na nanao inona ianao na nanao inona dia tsy tokony ho VOASAZY sy tsy voaheloka. Manaiky aho fa misy ny famelan-keloka ary efa vita izany fa na izany ary tsy izay no tokony hararaotina hanaovana heloka foana satria tsy misy SAZY
-
Ireto misy vers vitsivitsy ho anareo ary :
Nah1:2 :
Deo 4 : 24 :
Isa 1 : 13
Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana
manavaka ny olony Andriamanitra fa tsy mampitovy azy ireo @ mpanota
Apo 18 : 4 :
ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe : Mialà aminy ianareo , ry oloko , mba tsy hiombonanareo ota aminy , ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy .
Jao 9 : 31
Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny .
Jak 4 : 8
Manatona an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy . Diovy ny tànanareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina .
==> Mila manatona an'Andriamanitra. Manaiky ho diovina ==> mahazo Azy
Be de be ny momba an'Andriamanitra ao anaty baiboly fa ireo aloha no voatsongako. Efa ho tonga ndray zao ny delestage aty Mada aty fa ajanoko @ zay e! hihihihi
Hoy ianao hoe:
afaka manantona azy daholo na iza na iza rehefa manantona azy. fa ny olona tsy manantona, Jesosy efa mandondona ao am-po n'olona, ny olona tsy manokatra, jesosy miantso foana hoe AVIA ATOLORY AHY NY FIAINANAO fa ny olona no tsy manantona.
Dia izay mihitsy ilay izy, nefa hoy i Bessa hoe "ny olon-drehetra mahazo azy", raha nataony hoe "ny olona rehetra AFAKA mahazo azy" dia nanaiky 100% za araka io fanazavanao io fa tsy izay ilay nambarany. Raha nandray azy ny olona rehetra izany hoe nahazo azy dia efa ela be ity tany ity no tsy toy izao angamba!
Eto ambany eto le izy de azonao tsara :
ANDRIAMANITRA TSY MIOVA. ny mahonga ny olona tsy mahazo azy dia nohon'ny fahotan'ny olona, ary amin'ny mahampandinika ny baiboly anao tokony hainao tsara izany. ny toetrany toetrany tsy miova,fa isika no be mokony, misy olona tsy manantona an'Atra mihitsy fa rehefa misy fahavoazana vao manao an'Atra ho robot fotsiny. avy eo rehefa tsy mifanaraka amin'ny zavatra eritreretiny ny miseho amin'ny fiainany dia Atra foana no omeny tsiny. anefa ilay olona no tsy nanao ny tokony nataony.ny olona rehetra dia afaka mahazo azy, izany no nahatongavan'i Jesosy hanao MEDIATEUR, na MPANELANELANA. FA ny olona no tsy manantona, no tsy mamaly ny antson'Atra, no tsy mamoa varavaran'ny fo, ny olona no tsy manaraka ny tenin'Atra.
==> Andriamanitra tsy miova fa ny olona no tsy mahazo azy noho ny fahotany. Donc TSY NY OLONA REEHETRA NO MAHAZO AZY FA IZAY NANDRAY IHANY.
Ity ny conclusion farany omeko dia izay heveranareo Azy fa lany le ancre @ le clavier-ako. hihihihi:
Matetika ity hira ity dia hijeren'ny olona fa MORAMORA Andriamanitra:
- Mora azo satria FITIAVANA ka manaiky handefitra @ zavatra rehetra,
- mora atonona satria TSY MASIAKA,
- mora atao @ ze tiana hanaovana azy satria be famindra-po ka na nanao inona ianao na nanao inona dia tsy tokony ho VOASAZY sy tsy voaheloka. Manaiky aho fa misy ny famelan-keloka ary efa vita izany fa na izany ary tsy izay no tokony hararaotina hanaovana heloka foana satria tsy misy SAZY
-
Ireto misy vers vitsivitsy ho anareo ary :
Nah1:2 :
Andriamanitra saro-piaro sy mamaly heloka Jehovah; Jehovah dia Mpamaly heloka sady be fahatezerana; Jehovah dia Mpamaly ny rafilahiny ary mitahiry fahatezerana hamelezany ny fahavalony.
Deo 4 : 24 :
Fa Jehovah Andriamanitrao dia afo mandevona; eny , Andriamanitra saro-piaro Izy .
Isa 1 : 13
Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana
manavaka ny olony Andriamanitra fa tsy mampitovy azy ireo @ mpanota
Apo 18 : 4 :
ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe : Mialà aminy ianareo , ry oloko , mba tsy hiombonanareo ota aminy , ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy .
Jao 9 : 31
Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny .
Jak 4 : 8
Manatona an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy . Diovy ny tànanareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina .
==> Mila manatona an'Andriamanitra. Manaiky ho diovina ==> mahazo Azy
Be de be ny momba an'Andriamanitra ao anaty baiboly fa ireo aloha no voatsongako. Efa ho tonga ndray zao ny delestage aty Mada aty fa ajanoko @ zay e! hihihihi
18. bichette
(
03/08/2011 07:01)
ary ahoana indray koa ny fijerin'i Tefigasy ilay hira hoe "aza avela hahalala ny antony nanaovanao ..." ???? ;-) hihihihi
19. tefigasy
(
03/08/2011 07:42)
Aza avela hahalala...
Tononkalon'i Rado anisan'ny tena tiako io. Tonom-bavaka ny fahitako azy. Aoka ho an'Andriamanitra ny fandaharana. Ekeko fa tsy nanao saribakoly Andriamanitra ka hobakoina isaky ny mihetsika ny olombelona fa na izany aza rehefa apetraka aminy ny zava-drehetra dia milamina ny fiainana.
Anisan'ny tononkalon'i Rado nasian'i Bessa feony ary tafiditra ao anatin'ny fihirana FJKM. Averiko indray fa tsy izay hiran'i Bessa rehetra akory dia tsy mety. Tsy niteny izany aho fa maro ny tononkalo nasian'i Bessa feony no saika hampidirina ao anatin'ny fihirana FJKM fa ireo ihany no nekena. Raha ny fehin'io tononkalo io dia tsy tokony hanahy n'inon'inona ny kristianina.
Sady ireto no voasoratra :
Oha 23 : 26 :
Anaka, atolory ahy ny fonao, ary aoka ny masonao ho faly mijery ny làlako
Fil 4 : 6 :
Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra .
Aza avela hahalala ny antony nanaovanao
ny hariva mamanala na ireo maraina vao
Tsy ho takatry ny saiko zay rehetra alahatrao
Ny angatahako ry Raiko, aoka aho hatoky Anao
Aza avela hanontany ny hafaliana atolotrao
na ny anton’ ny tomany efa hitako hatrizao
Aza avelanao hanefy ny ampitso zay Anao
aza avelanao handrefy zay ho fitantananao
Tononkalon'i Rado anisan'ny tena tiako io. Tonom-bavaka ny fahitako azy. Aoka ho an'Andriamanitra ny fandaharana. Ekeko fa tsy nanao saribakoly Andriamanitra ka hobakoina isaky ny mihetsika ny olombelona fa na izany aza rehefa apetraka aminy ny zava-drehetra dia milamina ny fiainana.
Anisan'ny tononkalon'i Rado nasian'i Bessa feony ary tafiditra ao anatin'ny fihirana FJKM. Averiko indray fa tsy izay hiran'i Bessa rehetra akory dia tsy mety. Tsy niteny izany aho fa maro ny tononkalo nasian'i Bessa feony no saika hampidirina ao anatin'ny fihirana FJKM fa ireo ihany no nekena. Raha ny fehin'io tononkalo io dia tsy tokony hanahy n'inon'inona ny kristianina.
Sady ireto no voasoratra :
Oha 23 : 26 :
Anaka, atolory ahy ny fonao, ary aoka ny masonao ho faly mijery ny làlako
Fil 4 : 6 :
Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra .
20. bor2lais
(
03/08/2011 09:58)
Amiko dia efa somary feno ihany ny fanazavana nentin'ny namana etsy ambony mikasika ity hiran'i Besa ity ("Ilay inoako" no titre fahafantarako azy).
Fanampiny kely fotsiny no mba entiko.
Raha ny fijeriko io hira io dia zoro iray entin'i Besa milaza sy manambara Ilay inoany.
Andriamanitra voalaza ao amin'ny Baiboly ve io inoany io ?
Amiko manokana (izay mino ny Andriamanitra telo izay iray) dia miainga avy amin'ilay teny hoe : "tsy misy mankany amin'ny Ray afa-tsi amin'ny alàlan'ny Zanaka ihany" (na mitovitovy amin'izay ...).
Rehefa mino ny Zanaka ianao ka mitafy Azy dia ho sarona eo anatrehan'ny Ray ny fahalotoana rehetra teo aminao satria ny fahadiovan'ny Zanaka no hitaNY. :-)
Fehiny : mifanaraka tsara amin'ny voalaza ao amin'ny Baiboly io tononkira io saingy tokony tsy adino fa fiaikem-pinoana izy io ! Mety olona vao niova fo angamba (vao nateraka indray) ka nandray ny Tompo !
Fomba fijeriko ihany anefa izay a ! :-)