Ny andriamanitra inoako de Bessa
21. pulm
(
04/08/2011 05:57)
bjr daholo e!
amiko Andriamanitra dia masiaka, mpanasazy ... ,ny olona zay rehetra tsy manao ny sitrapony dia fahaiziny na kapohany mba hiverenanay ho ao Aminy ny dikany izany dia masiaka izy, ny olona rehetra izay tsy nandray azy dia any @ helo farihy mirehitra afo,ny dikanizany dia mpanasazy koa Izy,fa ianao kosa rehefa zanak'Andriamanitra dia tiany ka tsy masiaka aminao izy ,tsy manasazy anao fa vao maika aza ianao tiany,arovany @ratsy na ny fahavalonao rehetra satria ianao efa eo atanankavanany, ny fehiny dia izao raiso Jesoa mba ho famonjena hoa anao raha tsy ho tianao no hiaran'ny saziny rehetra

22. Tefigasy
(
04/08/2011 06:08)
Mba hitako tary @ forum moov tary ty de mba hoetiko eto. hay za no taraiky fa efa misy sujet mitovy @ ty napetrako eto ty koa any :
Par: blagueur
Date: 12 juillet 2011 - 08:08
@intéresée
Ny olona rehetra aloha tsy zanak'Andriamanitra ary famaizana ety an-tany no resahiko fa tsy famaizana any amin'ny helo.
Ilay tononkiran'i Bessa hoe "Tsy Andriamanitra masiaka mpanasazy" no antony nanaovako an'io teny eo ambony eo io.
Ity no teny nataoko :
-------------------------
Ny anay ny Andriamanitray dia Andriamanitra tia anay ka mitondra anay tahaka ny zanaka ary manafay sy mikapoka anay rehefa misy tsy mety ataonay saingy ny famaizany dia misy antony daholo ary mahasoa anay.
-------------------------
Raha mandinika tsara dia mahita teny hoe "rehefa misy tsy mety ataonay", izany hoe rehefa misy tsy mety atao dia manitsy Izy, izany hoe amin'ny fiainana andavanandro io.
Andriamanitra dia Andriamanitra mpanasazy, mpikapoka tokoa ary ny fanitsiana sy ny kapoka na dia raisin'ny ankizy ho tsy fitiavana aza dia ny ray aman-dreny mahatsapa tsara fa fitiavana no anton'ireny kapoka ireny.
Resaka kapoka sy sazy ety an-tany no resahiko eto ary averiko ihany fa tsy ny olona rehetra no zanak'Andriamanitra. Tsy misy olombelona vao teraka tonga dia zanak'Andriamanitra izany ankoatra an'Ilay nidina avy tany an-danitra ihany. Ary tsy ny olona rehetra milaza ny tenany ho kristiana sy mivavaka koa akory no zanak'Andriamanitra.
23. Tefigasy
(
04/08/2011 06:12)
Par: Maro
Date: 12 juillet 2011 - 09:16
Niera t@ olombelona ve ny andriamanitrareo nandefa ny olombelona ety no ananany droit ny hanasazy sy hampijaly azy raha tsy manao ny sitrapony ny olona?
24. Tefigasy
(
04/08/2011 06:14)
Par: blagueur
Date: 12 juillet 2011 - 16:20
Ianao ve ohatra raha manana omby dia andeha hiera amin'ny ombinao hoe avoaka amin'izay ve ianareo na hoe azoko kapohina ve ianao fa maditra. Fanoharana fotsiny iny fa mitovy amin'izany ihany ny olombelona.
25. Tefigasy
(
04/08/2011 06:18)
Par: blagueur
Date: 12 juillet 2011 - 17:33
@Maro
Mbola averiko ihany koa fa tsy ny olombelona rehetra no zanak'Andriamanitra.
Mbola averiko ihany koa fa Andriamanitra dia efa nampitandrina foana foana hatramin'izay ary jereo fotsiny ny nanaovany ny zanak'Isiraely fa maro ireo zanak'Isiraely novonoin'Andriamanitra noho ny fiodinany, ireo aza moa firenena nofidiany nefa dia novonoiny.
Vao nanomboka ny tany raha nanota Adama sy Eva dia nozoniny sy noroahiny tsy ho ao amin'ny saha Edena intsony.
Hoy angamba ianao hoe raha tena zanany ve ireny dia notereny hiasa fa tsy navelany tao amin'ny saha Edena tao.
Jereo ny nanaovan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora, tanàna iray manontolo tonga dia nilatsahan'ny afo avy any an-danitra ary maty tao daholo ny olona rehetra izay mbola tavela tao.
Jereo ny tamin'ny andron'i Noa fa Noa sy ny fianakaviany ihany no sisa tavela tamin'ny olona rehetra fa tsy mbola nisy tondra-drano tao izany teto ambonin'ny tany.
Zavatra efa nisy izany ary mbola hisy.
Ity tany itoerantsika ity dia mbola ho rava ary tsy hisy intsony ary izay olona mifikitra amin'ity tany ity dia ho levona miaraka aminy ao.
-------------------------
Matio 25.41 Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, hianareo izay voaozona ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny.
-------------------------
26. Tefigasy
(
04/08/2011 06:31)
Ity no hamaranako azy fa toa lasa mpandika forum ndray koa za :
Par: intéressée
Date: 13 juillet 2011 - 13:57
Par: blagueur
Date: 13 juillet 2011 - 16:26
Par: intéressée
Date: 13 juillet 2011 - 13:57
blagueur: vo namaky bible mintsy maly alina ao @ Jaona 1er ao ( tsy tadidiko ny toko sy andininy fa iniko enao malany tsianjery azy) hoe mifalia isika fa efa voafidin'A/tra ho zanany, otraotranio le phrase, de fantatro fa misy koa ao ra tsy diso aho hoe, zanakiny devoly,fa nga ny devoly ko navita namorona olombelona???
Par: blagueur
Date: 13 juillet 2011 - 16:26
@intéressée
Mino aho fa ity no teny resahinao :
---------------------------
[Jaona 1.12] Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany.
---------------------------
Raha mandinika tsara ianao dia apetrako aminao ny fanontaniana hoe :
- Maninona moa no omena hery vao ho tonga zanak'Andriamanitra?
- Efa zanak'Andriamanitra ve dia mbola omena hery ho tonga zanak'Andriamanitra indray?
- Fa angaha araka ny finoanareo tsy hoe efa zanak'Andriamanitra daholo ny olona rehetra koa maninona no misy fombafomba atao (mandray Azy + Mino ny anarany) indray vao ho lasa zanak'Andriamanitra?
Hoy ihany koa Jesosy ao amin'ny [Jaona 8.44]
---------------------------
Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao.
---------------------------
Izany hoe ny zanak'Andriamanitra dia ireo olona tia manao ny sitrak'Andriamanitra fa ny zanaky ny devoly kosa dia ireo olona izay tia manao ny sitraky ny devoly dia ny ratsy rehetra efa voatanisa any ambony any.
Ireo tena zanak'Andriamanitra dia handova ny lanitra dia ireo olona efa niala tamin'ny ratsy fanaony, efa nibebaka ary efa tarihin'ny Fanahy Masina. Izany olona tarihin'ny Fanahy Masina izany dia tsy mahay manota intsony, tsy manao fanahy iniana manota intsony. Ota tsy nahy sy otan'ny saina sisa no ataony.
27. Hinagasy
(
09/08/2011 22:15)
Amiko aloha dia tena mahalaza ilay Andriamanitra inoako ilay tononkiran'i Bessa. Fitiavana ilay Andriamanitra inoako, ary raha milaza ny tenako kristianina aho , tsy ny olona ety ivelany no afaka mitsara ahy hoe zanak'Andriamanitra aho na tsia satria manaiky io tononkiran'i Bessa io.
Amiko, tsindriko, amiko, dia ny olona mpitsaratsara ny finoan'ny hafa, mihevitra ny lazainy ho marina, tsy ny ho aminy ihany fa marina tokony ho an'ny rehetra, ireny no mety mahatonga any amin'ny helo satria miteraka intolérance, tsy fifankatiavana, ary ady, izay tena tsy mifanaraka amin'ilay Fitiavan'Andriamanitra inoako.
Tsy mifanaraka amin'ny finoako ilay Andriamanitra Fitiavana koa ny fanangarangaranina izao helo sy fanasaziana amin'ny alalan'ny teny sy toriteny mampatahotra rehetra izao.
Efa tsindriko fa amiko fa tsy manao aho hoe tokony ho aminao koa!!!!
Ilay hiran'i Rado "aza avela hahalala indray" , manaiky ny fitantanany aho fa izaho nefa te hahalala na bitika dia bitika aza no mety takatro satria izaho koa anisan'ny tena manefy ny ampitso ho ahy . Tokony mahafantatra ny nety sy ny tokony ataoko. Fantatro fa tsy izany no tena tian'i Rado lazaina kanefa tsy dia tena mifanaraka ny finoako ilay hira faharoa noho ilay hiran'i Bessa "Ny Andriamanitra inoako"

28. bor2lais
(
10/08/2011 12:36)
hinagasy:
Ilay hiran'i Rado "aza avela hahalala indray" , manaiky ny fitantanany aho fa izaho nefa te hahalala na bitika dia bitika aza no mety takatro satria izaho koa anisan'ny tena manefy ny ampitso ho ahy .
Iombonako io voasoratrao io saingy eo amin'ny heviny angamba no tsy mampitovy antsika.
Amiko mantsy dia mitovy ihany "Ilay inoako" n'i Bessa sy ny an'i Rado.
Raha inoako fa Andriamanitra Fitiavana Izy dia inoako araka izany fa fitiavana ahy izay rehetra omeNY na dia tsy mifanojo amin'izay nantenaiko na nangatahiko aza izany ! :-)
Izay anefa dia efa fantatra, ka ilay hoe "aza avela hahalala" amiko dia toa miteny hoe "aza avela hanome tsiny" na "aza avela tsy hatoky", izany hoe "aza avela tsy hino intsony" !
Fehiny : vavaka fanamafisam-pinoana no fandraisako io tononkalon'i Rado io (indrindra rehefa avy nisedra ny mafy teo amin'ny fiainana) ! :-)
Fomba fijeriko ihany anefa izay a !
29. bichette
(
10/08/2011 17:53)
bor2lais:

ny ahy izany dia hoe satria Andriamanitra no resahina ka ny zavatra rehetra dia tokony ho voaporofo amin'ny tenin'Atra hatrany. Aiza ao amin'ny baiboly ny manamafy fa "aza avela hahalala .... ny antony .... " tsy azontsika atao mantsy ny hoe mandeha araky ny eritrerintsika sy izay hitiavantsika momba an'Atra fa tokony izay ao anaty baiboly foana.
momba ilay hiran'i Bessa dia nomeko etsy ambony ny andininy ao anaty baiboly ny amin'ny hiran'ny Bessa, miandry anareo indray izany ny momba ny hiran'i Rado
;-) ;-)
30. bor2lais
(
11/08/2011 09:27)
bichette:
ny ahy izany dia hoe satria Andriamanitra no resahina ka ny zavatra rehetra dia tokony ho voaporofo amin'ny tenin'Atra hatrany. Aiza ao amin'ny baiboly ny manamafy fa "aza avela hahalala .... ny antony .... " tsy azontsika atao mantsy ny hoe mandeha araky ny eritrerintsika sy izay hitiavantsika momba an'Atra fa tokony izay ao anaty baiboly foana.
Misaotra anao nanao fanamarihana !
Raha napetrakao mazava tahaka io ny lohateny dia mety tsy nilaza ny hevitro akory aho satria tsy dia havanana amin'ny resaka toko sy andininy. ;-)
Ary izay foana no hamaranako ny teniko hoe "fomba fijeriko ihany anefa io" satria tsy afaka ny hiambo ho manana ny marina velively !
Sady amiko koa ny sehatra tahaka itony dia natao hifampizarana (izay heverina) momba ny lohateny iray ! ;-) Noho izany, tsy voatery mpandalina Baiboly daholo akory ny mpandray anjara ! ;-)
Nangataka toko sy andininy moa ianao, ny olana dia tsy mbola mandeha ilay .org sy .exe nomen'i rijadolly ka tsy hitako izay omena ! :-)
Na izany aza anefa dia toa misy ao hoe "ny zavatra rehetra dia miara-miasa ahasoa izay tia an'Andriamanitra " (na mitovitovy amin'izay, hay toa sopapa nomenao angamba izy io izay). Toa misy koa ao angamba milaza raha tsy diso aho hoe "moa ny soa ihany no azonareo ..." (ialako tsiny fa tsy tadidiko a !).
Ireo 2 ireo ny ahy no entiko milaza fa Andriamanitry ny Baiboly (Izay Fitiavana) tahaka ny an'i Bessa ihany no an'i Rado izay milaza hoe "Aza avela ahalala" eto ! ;-)
Averiko ihany fa fomba fijeriko ihany ireo aposako ireo ! Ny dikan'izany dia izao : na dia manonona toko sy andininy aza aho dia tsy voatery ho marina fa mety HS ! ;-)
31. Prime
(
16/08/2011 11:46)
Faly miarahaba anareo rehetra!
Mahaliana ilay lohahevitra satria mampandinin-tena tsara amin'ny hira mandeha ankehitriny raha manambara marina na tsia ny lazain'ny soratra masina, indrindra rehefa hira mahakasika ny finoana...
Izaho manokana dia tsy afaka ny hilaza na tsia ny tena tian'i Bessa ambara satria amin'ny maha-mpanakanto azy dia manana ny tena heviny manoana izy... fa raha ny asa sorany sy ny hirany kosa dia ahitana taratra ny tiany ahatongavana... ny hiran'i Bessa toa ity hira iray ity dia izaho mino fa ilay Andriamanitra Nahary izao tontolo izao no tiany resahana ary izaho mahatoky fa izay koa no fandraisan'ny mpino izay mihira ilay hira... fa saingy indrisy ny filazany Azy kosa dia tsy dia manambara loatra ny tena lazain'ny soratra masina ka itoviako hevitra amin'i Tefigasy amin'ny ampahany...
Amiko manokana dia hevitra roa loha no tena manahirana amin'io hira io dia ilay efa voaresaka lava ao aloha ao :
- "Andriamanitra inoako... Izy no fitiavana" (hoy i Bessa)... raha ny lazain'ny soratra masina dia anaran'Andriamanitra mihitsy izany saingy izany fitiavana izany dia mihoatra lavitra noho ilay heverintsika hoe fitiavana sy ny ambaran'io tonon-kira io, satria tsy maintsy misy maty, atao sorona, alatsa-drà, ràn'ny Zanak'ondry tsy misy kilema, ràn'ny Zanak'Andriamanitra, latsaka vao tanteraka ilay tena maha-fitiavana Azy... Andriamanitra tsy fitiavana araka ny iheveran'ny maro Azy fa fitiavana ao amin'i Kristy ary Jesosy no fahatanterahan'izany fitiavana izany... dia ny hamonoana ny marina hahavelona ny tsy marina...
Hoy ny lazain'ny tenin'Andriamanitra : « Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminy kosa isika. » (II Korintiana 5:21)... ka tsy hoe fitiavana Izy nefa Jesosy tsy ambara akory ho tena ain'izany fitiavana izany, dia fitiavana hafa mihitsy no torina amin'izany... (fa ny finoana hafa koa mbola mahavita tonon-kira lalina sy kanto mihoatra lavitra mihitsy aza noho io nambaran'i Bessa io ny amin'ny maha-fitiavana an'ilay andriamanitra izay inoany...)
Hoy ny tenin'Andriamanitra : « Izao no nanehoana ny fitiavan'Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany. » (I Jaona 4:9)... koa izay mitory ilay tena Andriamanitra fitiavana dia tsy maintsy mitory an'i Jesosy... (amin'ity hira ity nefa dia tsy dia tena hita taratra loatra izay Jesosy vongam-pitiavana ao amin'Andriamanitra izay)...
- "Andriamanitra tsy masiaka na mpanasazy" (hoy i Bessa)... Andriamanitra tsy indray mandeha no nanasazy, na ny zanak'Israely, na izao tontolo izao... fantatsika tsara ny tantaran'ny safodrano tamin'ny andron'i Noa... fantatsika tsara ny tantaran'ny Sodoma sy Gomora... fantatsika tsara ny tantaran'ny tempoly tao Jerosalema sy ny jiosy mandrak'ity ny androany... ary fantatsika tsara ny ihafaran'ny olona tsy mino an'i Jesosy fa any amin'ny toeran'ny fikotrohanify sy fisentoana ary ny farihy mirehitra afo... ary ny sazy indrindra mendrika ho an'izao tontolo izao amin'ny fahamaizinana ankehitriny dia ny FAHAFATESANA no nanehoany ny sazy mafy indrindra tamin'ny Zanany, ilay Lahitokan'Andriamanitra, mba hamonjena ilay izao tontolo izao rakotry ny haizina, lon'ny fahotana sy ny heloka... ka tsy afaka mihitsy ny hatezeran'Andriamanitra amin'izao tontolo izao raha tsy misy rà latsaka... ary dia fitiavany an'izao tontolo izao no nanolorany an'i Jesosy ho faty teo amin'ny hazofijaliana mba ho velona izay rehetra mino an'i Kristy kosa... ireo no tena tonga zanak'Andriamanitra rehefa mandray ny hery avy Aminy amin'ny finoana ilay Tokan'Andriamanitra dia Jesosy... fa ny ràn'i Jesosy latsaka tao Kalvary no herin'ny fitiavan'Andriamanitra...
Hoy ny voasoratra amin'ny anaran'i Jesosy : « Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy; » (Eksodosy 20:5)
« Fa tsy hiankohoka eo anatrehan'izay andriamani-kafa ianao; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy, » (Eksodosy 34:14)
« Fa Jehovah Andriamanitrao dia afo mandevona; eny, Andriamanitra saro-piaro Izy. » (Deotoronomia 4:24)
« Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy, » (Deotoronomia 5:9)
« fa Andriamanitra saro-piaro eo aminao Jehovah Andriamanitrao, fandrao hirehitra aminao ny fahatezeran'i Jehovah Andriamanitrao, ka hofongorany tsy ho eo ambonin'ny tany ianao. » (Deotoronomia 6:15)
« Andriamanitra saro-piaro sy mamaly heloka Jehovah; Jehovah dia Mpamaly heloka sady be fahatezerana; Jehovah dia Mpamaly ny rafilahiny Ary mitahiry fahatezerana hamelezany ny fahavalony. » (Nahoma 1:2)
Ary dia mbola io Andriamanitra io ihany ilay tsy miova, omaly sy anio ary ho mandrakizay...
Ka izay no mampieritreritra tokoa amin'ilay tonon-kiran'i Bessa... marihako tsara : ilay tonton-kiran'i Bessa... fa ny heviny manokana dia angamba tsy hisy afaka hilaza afatsy i Bessa izay nanoratra ilay hira...
Tahian'Andriamanitra daholo anie hianareo!

32. rijadolly
(
17/08/2011 17:47)
rijadolly:
Ny Andriamanitra inoako, Andriamanitra fitiavana
Tsy Andriamanitra masiaka mpanasazy
Tsy Andriamanitr'antoko, tsy mpanavaka foko
Tsy mpijery harena na fiaviam-pirenena,
Fa ny Andriamanitra inoakao hantra sady honena
Ka ny olona rehetra mahazo azy
Tsy mpizara alahelo, tsy mamorona helo
Fa Izy no fitiavana
Ny Andriamanitra inoako tompon'ny fahendrena
Te hanova izay ratsy ho tsara
Tsy mba faly manjera na revolisionera
Fa manarina hatrany ireo maditra eto an-tany
Ny Andriamanitra inoako Andriamanitra fitiavana
Tsy mba mila takalo fa mizara
Ny mandray izay omeny no hany fandreseny
Fa Izy no fitiavana
Ny zava-miafina ao anatin' Mpanankanto dia tsy azotsika heverina indraindray. Manana ny heviny izay ohatry ny voatelina izay, ka mitaky famakafakana tanteraka.
Raha io hiran' Besa io anefa, dia ireto ny teny manahirana indrindra ao:
1) " Ka ny olona rehetra mahazo azy " Mety ho isika anefa no mandika ilay heviny ka mandiso ilay tiany ho tenenina. Ny antony hitenenako izany dia mety manana heritreritra ihany izy fa mila miaky ny helony aloha izay vao mahazo AZY, noho ity : " Ny mandray izay omeny no hany fandreseny ", izany hoe raha tsy mandray ianao dia tsy mahazo AZY(Andriamanitra) ary dia tsy hivoaka ho Mpandresy mihitsy.
2) " Tsy mba mila takalo fa mizara" : Inona ilay takolo tiany ho tenenina? Raha mizara ve izy dia tsy mitaky zavatra ataotsika? io koa izao dia mazava fa mitaky ny finoana AZY araka ilay tonokiraka " Ny Andriamanitra inoako " ; izany hoe rehefa tsy mila takalony ve IZY dia tsy maninona na dia tsy tia AZY aza aho. Fa ny dikan'ilay hoe Mino sy ny zavatra tanterahana ao anatin'ilay Finoana no somary manjavozavo amin' heviny tsirairay angamba.
3) " Tsy mpizara alahelo, tsy mamorona helo ": Ahoana ny fihevitsika an'izay? Ekena fa tsy namorona izany IZY fa kosa tsy navelaNY niditra tao amin' fanjakaNY ny mpinjanganjanga, mpanao ody ratsy, ...izay lalana iray manasaraka antsika Aminy, Fa any amin' helo izay eny ivelan'ilay FanjakaNY, izay ahitana zavatra tsy misy intsony ao amin'io FanjakaNY io, oh: afobe, fikatrohanify, fijalina, tomany, hanohanana, hetaheta...
4) "Andriamanitra tsy masiaka na mpanasazy" : Niniako tsy nalefa tokoa io hevi-dehibe izay sarotra raisina indrindra ao amin'io tonon-kiran' i Besa io, Iraisako hevitra araka izany ny hevitry Tefigasy, Pulm, ary Prime eo amin'io tonony io. Ary mbola azo hamafisina fa mandiso ity hevitra nalefan' Bor2lais ity.
Bor2lais:
Raha inoako fa Andriamanitra Fitiavana Izy dia inoako araka izany fa fitiavana ahy izay rehetra omeNY na dia tsy mifanojo amin'izay nantenaiko na nangatahiko aza izany !
Izany hoe mety ho ratsy amintsika fa manatsara antsika ny antony. ohatra hoe sazy, ratsan-kazon'Andriamanitra,
33. rijadolly
(
19/08/2011 03:00)
PETERA I 4: 12 Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany;13 fa araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin'ny fisehoan'ny voninahiny koa.
34. bor2lais
(
19/08/2011 15:13)
rijadolly:
4) "Andriamanitra tsy masiaka na mpanasazy" : Niniako tsy nalefa tokoa io hevi-dehibe izay sarotra raisina indrindra ao amin'io tonon-kiran' i Besa io, Iraisako hevitra araka izany ny hevitry Tefigasy, Pulm, ary Prime eo amin'io tonony io. Ary mbola azo hamafisina fa mandiso ity hevitra nalefan' Bor2lais ity.
Bor2lais:
Raha inoako fa Andriamanitra Fitiavana Izy dia inoako araka izany fa fitiavana ahy izay rehetra omeNY na dia tsy mifanojo amin'izay nantenaiko na nangatahiko aza izany !
Izany hoe mety ho ratsy amintsika fa manatsara antsika ny antony. ohatra hoe sazy, ratsan-kazon'Andriamanitra,
Tsy dia azoko loatra ny tian'i rijadolly tenenina eto !
35. rijadolly
(
19/08/2011 16:23)
Misy hevitra roa no mety tsy azon'se raha io
1) Ny hevitry se izay manaiky ny fitatan'Andriamanitra na dia tsy ilay nangatahin'se na tsy nivaly mihitsy ny fivavak'ise. Ary amin' se manokana dia mahatoky i se fa mahatsara an' ise izay fisehoan-javatra izay, satria se manaiky ny Fitiavan' Andriamanitra sy ny fitatanany.
2) Dia io hevitry se io ihany no nahatonga ahy niteny fa tsy mety raha tena Tsy manasazy sy tsy masiaka Andriamanitra satria, mety homeNY bonbon ihany isika rehefa mitomany na dia marary aza ny nifitsika raha tsy masiaka Izy. Na ho valiany foana izay tsara hangatahatsika nefa misy tsy mety ataotsika izay tsy araka ny sitrapoNy. Ary dia ho takona tsy ho fantatsika ao anatin'izay FitahiaNY izay ilay tsy mety ataotsika satria IZY tsy manasazy. Fa raha manasazy izy, izany hoe tsy mamaly ny Fivavatsika izay anisany zavatra tsara tokoa, dia ho tonga saina isika fa misy tsy mety ataotsika izay hefitra mampisaraka Aminy.
Dia izay no nahatonga ahy niteny hoe :

Izany hoe mety ho ratsy amintsika fa manatsara antsika ny antony. ohatra hoe sazy, ratsan-kazon'Andriamanitra,"
36. bor2lais
(
19/08/2011 16:53)
Misaotra an'i rijadolly @ fanazavana !
Ny tiako marihina kely fotsiny dia izao : raha miteny an'io voalazako io aho dia mipetraka eo amin'ny toeran'ilay mpihira fa tsy eo amin'ny toeran'ny mpihaino akory !
Ny dikan'izay : amin'ny alàlan'ny finoako ny Zanaka no mahafoana ao an-tsaiko ny resaka sazy avy Aminy sy ny fahatezeraNY !
Izany hoe, raha miteny i Prime :
izaho indray mahatsapa fa tena ny finoana an'i Jesoa mihitsy amiko no ao ambadiky ny soratra (tonon-kira) !
Mazava ho azy fa (toy ny soratra ao amin'ny Baiboly ihany) miankina amin'ny (asan'ny Fanahy ao @) tsi11 ny fiainana ny soratra ! :-)
Fomba fijeriko ihany anefa io a ! :-)

prime:
koa izay mitory ilay tena Andriamanitra fitiavana dia tsy maintsy mitory an'i Jesosy... (amin'ity hira ity nefa dia tsy dia tena hita taratra loatra izay Jesosy vongam-pitiavana ao amin'Andriamanitra izay)...
izaho indray mahatsapa fa tena ny finoana an'i Jesoa mihitsy amiko no ao ambadiky ny soratra (tonon-kira) !
Mazava ho azy fa (toy ny soratra ao amin'ny Baiboly ihany) miankina amin'ny (asan'ny Fanahy ao @) tsi11 ny fiainana ny soratra ! :-)
Fomba fijeriko ihany anefa io a ! :-)
37. rijadolly
(
19/08/2011 17:23)
Azoko tsara mihitsy ny antony namalin'se an' Prime an'io hevitry se io. Ary izay no nahatonga ahy niteny hoe hevitra roa no tsy azon' se amin'ilay fanazavako. Dia ilay hevitry se izay azo nalaina hanamarinana ny hevitro izay nataoko 1)
Bor2lais:
Raha inoako fa Andriamanitra Fitiavana Izy dia inoako araka izany fa fitiavana ahy izay rehetra omeNY na dia tsy mifanojo amin'izay nantenaiko na nangatahiko aza izany !
Hoy ny fanazavako amin'io hevitry se io:
1) Ny hevitry se izay manaiky ny fitatan'Andriamanitra na dia tsy ilay nangatahin'se na tsy nivaly mihitsy ny fivavak'ise. Ary amin' se manokana dia mahatoky i se fa mahatsara an' ise izay fisehoan-javatra izay, satria se manaiky ny Fitiavan' Andriamanitra sy ny fitatanany.
39. miarana
(
02/09/2011 21:57)
ouf !
mahay daholo nareo ka !
« Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy. » (Filipiana 4:7)