Vita hatreo ny amin-dRavalo!!!!!!

1. ronaldo09 ( 29/07/2011 14:00)
hatomboka ity ny fanaovantsonia ilay sori-dalana na fantatra amin'ny hoe TONDRO ZOTRA avy amin'ny SADC, vaovao mahafaly izany ary ny tena tsara dia ity: vita hatreo ny amin-dRavalo tsy misy fanantenana intsony ny ho avy politikan'ity filoha mpanao didy jadona ity satria , ny HAT no manapa-kevitra amin'ny fiverenany rehefa milamina ny tanàna, izy anefa raha sanatria ka miveririna dia tsy ho afaka hilatsaka satria melohin'ny lalàna.Koa inona izany fa tsy vita hatreo ny aminy ;maninona moa raha tonga dia mijanona any afrika e, vao roa taona fotsiny ange izay ianao no nitsoaka tany nefa ry Pierrot sy Maharante 7 taona be izao tsy nody mihitsy koa mahatantesa valin-kitsaka ry TATA aaaaaa de bye e!ha,ha,ha,ha.......
répondu par nilex le 22/08/2011 05:37
2. bibidia ( 29/07/2011 14:44)
Mampalahelo ny zavatra mitranga Any Ambatondrazaka sy Amparafaravola e any Alaotra e
Nangataka miramila hampandritany mpitondra tetezamita any hampandry tany . Novaliany pre ministra ny antso Ny zvatra nitranga dia izao nanao liste ireo mpitondra any izany hoe LISTE NOIRE izany hoe rehefa any liste ianao dia hotifina tsy alaharo
Victime izany ralahiko sa tao ny anarany dia nampijaliana sy fatora ary tsy natsiaro tena dia notifirina te amason'ny zanany sy ralahiny teo ankalamanjana dia Maty soa amnatsara
Maro anefa olona ao anaty liste noire @ iny faritra iny izany hoe ho avy anjarany isaka izany izao Miverina poltikan'ny MDRM . Momba zandriko anefa alako bika tsy tiako tarehy fa manakavava any andafy dia miseho milay hoy izy . Voampangafa mpanodrana taolam-paty aty France , mpamono olona mpanagalatra omby aty Alaotra tonga dia tifiro raha vao tratra dia maty izy......
3. sitlo ( 31/07/2011 00:47)
Ity serasera ity angamba taraiky be vao mivoaka ny hevitra. Na ronaldo no taraiky.

Rajoelina aza lasa nilelaka kely an-dRasak kely mitsy fa tsy zakan'ny lohany ny zava-mitranga. Sarotra noho ny bacc. Ilay 2011 nolazaina fa ela be tamin'ny 2009 mantsy efa ho tapitra ihany.
Ilay AVI nantenaina tsy misy mpitia intsony. Ratsiraka sy ny rezepy sisa no ianteheran'ny HAT.
Ilay referendum nifi.an'ny olona.
Ilay frantsay nantenaina tsy mahahetsika eo amin'ny union européenne. Miandry fankatoavana avy amin'ireto mpitondra afrikanina niakatra tam coup d'Etat sy akolitan-dRatsiraka sisa.
Ny ao am tanàna, Ratsirahonana milalao ny lalàna no ianteherana, nefa iza moa no tsy efa notohanan-dRatsirahonana? Ny an'iny rangahy iny ny hameno ny paosiny ihany no ao an-tsainy.
4. locl ( 31/07/2011 14:27)

Tsy omena tsiny izy fa tsy mahara-baovaova, iza mou izao no tsy miandry ny fiverenan-dRavalo e! Izy ihany no mahay azy e! Aleo ho hita eo rehefa miverina izy
5. nilex ( 02/08/2011 14:09)
Tsy tena maharaka loatra ny tena zava-misy marina io olona manoratra io.Raha toa ka afaka mandeha tsy misy ny any ivelany ve ny hat tsy efa nataony izany fa tsy mety mihintsy io ary tsy afaka mandroso sy manao be loha izany ireo.Tsy maintsy manaiky ny fiverenandra8 eto ireo vao mety io fa resaka be fotsiny ny sisa rehetra.raha miziriziry eo enefa ireo dia tsy afaka ny handroso mihintsy akory,nefa ny malagasy miha sahirana dia hitroatra amin'izay avy eo.Miezaka ihany aloha ry zalahy mampitahotra amin'ny basy fa misy farany io an.Miandry fotoana fotsiny io fa mbola tsy taitra aloha ny olona izao.
6. ronaldo09 ( 02/08/2011 14:25)
Ianareo ireo no tena mampalahelo sy tsy manara-baovao ary manonofy atoadro na i Fetison tananankavany aza ity efa makaty amin'ny HAT mitady seza ko inona indray!Ary iza moa ity lazainareo fa miandry an-DrRavalo??? Olona raciste iny ve?Ngah moa mba misy olona avy any amin'ny province tia azy iny??? Ny zavatra nataony ve ho hadinoin'ny Kil,ny governemanta tamin'ny androny tsisy équitable régionale fade nailika ny avy any@ cote ko iza ny olona miandrya azy?Firy moa no mba mamonjy kabary ao @ Magro ao zao? Fantatra mihitsy fa nareo le mitovy toe-tsaina amin'iny rangahy iny !!!! Tsy mila olona toy ireny Madagasikara!!!!Sady ny elements-ny rehetra anie lasa HAT daholo e: Rasomotra, Yves Aimé, VYvato, Raharinaivo sns....Nareo ireo miaro azy satria zanadrahavaviny fa nygasy rehetra tsy mila an'iny daholo, anontanio anie ny any @ province fa vao maheno hoe ravalo dia midegoba daholo!!!!!!
7. rijadolly ( 02/08/2011 16:32)
Dia mbola misy ihany ny manangan'ady ao anaty fahoriam-bahoaka. Fankahalana olona iray no anaovana takalon'aina ny aty vilian' mahantra. Tsy sarotra anefa ny vahaolana raha ohatra ka tena marina ny fahatokisan-tena fa lanim-bahoaka ianao. Omeo an' vahoaka ny fahefana.
8. nilex ( 03/08/2011 05:30)
Ny olona rehefa miresaka izany foko sy fihaviana izany dia olona ambany saina izany ary tsy tokony hiditra eto mihintsy,miteraka zavatra ratsy mantsy izany fa tokony ho resaky ny malalatsaina no atao eto fa tsy asiana resaka fihaviana izany.Ny fitondrana ny fanjakana tsy misy hoe avy aiza na avy aiza fa izay mahay dia antsoina eo daholo fa matoa tsy voahantso dia tsy mamely izay.
Ny tena marina tokoa ange dia izao e,ny tokony ho izy dia avela hilatsaka mihintsy ra8 sy tgv dia ho hita eo izany lazainao hoe tsy tian'ny olona izany,avelao ny vahoaka no hitsara dia ho hitan'ny havany eo izay resy e.Io mantsy no tena hatahoran'ny hat ny amin'ny fiverenandra8 eto.Fantany tsara fa faible be rajoelina ka tsy haharesy andra8 mihintsy.
Tsy ilay fodiandra8 mihintsy no olana amindry zalahy fa ilay mbola fitiavan'ny olona azy mihintsy.
Ho tapaka daholo ny tendan'ny mpangalatra rehetra sy ny mpameno paosy.
Efa mba nitety faritra maro aho fa tena mbola tia andra8 daholo ny olona an fa saingy tsy miteny fotsiny.Ireo tia andrajoelina aza dia ireo olona mahazo tombotsoa manokana ihany sisa fa mahalala ihany anefa fa tsy mahavita azy lery.fa ny mahagaga dia ireo olona vendrana tsy mahazo tombotsoa nefa mbola manohana anlery ihany.
Tsy misy asa mandeha mihintsy izao izay nampanantenainy ,Hopitaly,kianja ho an'ny rugby.tsy mbola misy miainga ireo na kely aza fa atao resabe fotsiny.Ny kianja eo antsonjombe moa dia mampalahelo mihintsy.Ny miaramila no karakarainy mafy fa matahota mantsy.Ho hita eo no ho tohiny fa izaho aloha mahita fa tsy ho lasa lavitra io fitondrana io e.Ny vahoaka fotsiny no mijaly eto,ry zalahy matavy be dia avy eo mitsoaka any ivelany fotsiny.
9. ravatorano ( 03/08/2011 15:32)
ilay hoe vita hatreo ny amin dravalo sy ny hoe anontanio ny olona fa mùidegoba daholo io arakaraky ny olona anontanianao ihany ronaldo ah rah sendra ny zanak'i dada enao d teny mafaitra lavitra nohon ny voalazanao no azonao fa raha sendra ny mpiaro ny FAT kosa d mazava ho azy fa gobsss mitosaka miaraka amin ny afero aza no hivoaka eo hihihihihih !
tsita tsony izy ty e nendrasana ho raim nefa nitarazoka ny fidiran i fetison sy ny efa nadehanan ireo tim sasany ireo aza vao maika mapitarazoka ny fandehan 'ny raharaha sa nareo ve tsy mahita an izany ? ny mande sy tsy mande aloaha d sarotra wa fa misy ny ao misy ny mikatso tanteraka fa ny tena marina dia aleo fifidianana ihany io karakaraina tsara sady atao izay hankatoavan ny bobaka sy ny tontolo rehetra izao d mlam io e ! zay ihany ny fanafodiny fa raha ireo mpanao politika ireo no enjasana d ........
10. reeves ( 05/08/2011 10:14)
Ny hoe vita na tsy vita , tsy dia izay loatra ny olana angamba ! Ny tena olana raha ny fijeriko azy dia manao izay TSY HISIAN'NY MARIMARITRA IRAISANA ny FAT mba hahafahana MITARIKA LAVABE lay tetezamita @ zay dia afaka mangalatra satria tany tsy misy lalàna ny eto amintsika @ izao ka ireo olona mahita tombo-tsoa @ bizna maloto isan-karazany ireo no mbola mihogahoga manohana ny FAT . Ny tafika ,ny zandary sy Polisy izany moa dia tsy lazaina intsony fa tena lasa mpanao bizna tanteraka mihitsy , tsy misy vidiny intsony fa na dia mijery azy aza maharikoriko . Raha sanatriavina ka lasa Filoha tokoa ilaikely io indray andro any , dia fitondràna ohatr'zao izany no azo antoka fa hisy eto : Fanjakan'i BAROA . Vao afak'omaly izao teny Ivato nahita izahay fa namoaka Hummer vao2 koa Ingah Brunly teny Ivato . Ilay mba atao hoe SAMFIN sy BIANCO am'zany anarany fotsiny ohatran'i Besakafo fa zéro manatody , tsy misy olona tratra mihitsy hono , mazava amintsika hoe inona no antony . Ny vehivavy izao tsy misy sahy manao kavina volamena intsony eny Analakely fa Fanjakàn'ny foza moa izao , andron'ny BARANAHINY ka efa tsy mahagaga intsony ! Tsy misy afatsy ny firaisankinan-tsika vahoaka ihany no mety ahafahana miady amin'izany fa raha izao fandehan-javatra izao dia tena mampanahy be ihany.
11. milamm ( 05/08/2011 13:20)
ronaldo09, efa voalaza ny rehetra teo aloha fa amafisiko misy ny olona tsy mahafantatra akory ny zv resahiny fa de entiny fankahalana olona 1 ftsn mikatona toy varavarampasana ny sainy enao io zany sy ny mitovy aminao, tsy anisany le very asa na voatifitra teny Ambohitsirohitra na reo mitrongy vao homana vokatry zao fandrobana fanjakana izao akory fa tapatenda ny havany t@ androny Atoa Ravalomanana de zao mivovo entiny tahotra toy kivindro fa tsy hery.tsy mpandalina ny Lalàna ny tenanay fa ny fanamelohana ataony jiolahy ve no atao oe Lalàna
mba azavao aminay oe ry akama izany fa liana zahay te ahalala? asa na mba takatry sainy akama fa tsy ny CCO(ordinary criminal court)an'i krisy zanakisoa no mamoaka sy manapaka ny fitsarana ambony @ fitondrampanjakana dikany tsy mitombona ny fanamelohana(aminareo zay manana basy de afaka manao Lalàna) fa ny fitsarana tsy miankina toy ny HCJ na Magistrature Supreme Court zay no mahatonga ny TPI hiditra @ io raharaha io.
ary aza adino fa tsy misy mitodika na mijery eto Madagasikara na any ivelany akory io fat io fa efa ambivitra Atoa Ravalomanana dolidoly sy ny fiverenany no misarika ny sainy rehetra afatsy ny foza
12. nilex ( 05/08/2011 13:36)
Ianao io mihintsy ry namana no tena hita fa kely saina fa tokony hanana fijery lalina sy mandinika tsara.Marina fa nanana ny rahadisoany ra8 fa raha misafidy dia aleo ihany ra8 toy izay izao.Maro be ny very asa nefa tsy misy vahaolana hatramin'izao,ny zavatra rehetra tsy misy mandeha intsony.Reraka be ny firenena ka inona indray no mbola andrasanao amin'izao fitondrana izao.Efa hita taratra fa tsy mahomby io fitondrana io ,ny miaramila sy ny mpanao rugby no karakarainy eo,fa nga moa ireo ihany no vahoaka malagasy,marina fa ireo no nametraka azy teo.Tsy misy zavatra tanteraka mihintsy ny zavatra nampanatenainy fa lasa resabe daholo :menaka 12500/ny hopitaly tsy misy mandeha amin'ny laoniny/ireo kianja nampanantenaina tsy misy .Mahamenatra raha izany no atao hoe mpitondra,tsy aleo ve tsy miteny fotsiny e.Na ataoko heo tsy hiverina intsony aza i ra8 tsy ireo olona ireo kosa aloha no azo antenaina hampandroso ny firenena e.izao ary vao tetezamita fotsiny dia efa mangalatra fotsiny no ataony eo ka maika fa hahazo fahefana eo tsy dia loza be.
Diniho tsara ny zavamisy ry olona a,aza mijery tavan'olona fa ny tena zava-mitranga jerena dia tsarao.Izao ve no tianao sa inona?
13. andrywui ( 09/08/2011 10:38)

hatomboka ity ny fanaovantsonia ilay sori-dalana na fantatra amin'ny hoe TONDRO ZOTRA avy amin'ny SADC, vaovao mahafaly izany ary ny tena tsara dia ity: vita hatreo ny amin-dRavalo tsy misy fanantenana intsony ny ho avy politikan'ity filoha mpanao didy jadona ity satria , ny HAT no manapa-kevitra amin'ny fiverenany rehefa milamina ny tanàna, izy anefa raha sanatria ka miveririna dia tsy ho afaka hilatsaka satria melohin'ny lalàna.Koa inona izany fa tsy vita hatreo ny aminy ;maninona moa raha tonga dia mijanona any afrika e, vao roa taona fotsiny ange izay ianao no nitsoaka tany nefa ry Pierrot sy Maharante 7 taona be izao tsy nody mihitsy koa mahatantesa valin-kitsaka ry TATA aaaaaa de bye e!ha,ha,ha,ha.......
salut ronaldo !!

mampalaelo letsy fa de mbola misy manantena tsy misy fona anie reto zanaki dada adala ireto e !! "" tadidio ity ry zanaka adala "" ny manantena tsy misy , fa ny mamoy mora fona"" ka afoizo any ze dada dada efa tsy hamokatra io ry reto fa mitadiava lalambarotra vaovao ndray a lany andro mikosoka eto fotsiny nareo nefa oul efa maty ozatra iny !!! ry tabera sy ry vaovao benjamin ,ry mamy rakotoarivelo , ry ranjeva mirahalahy isany reny ndray mba tilitiliana fa mety ahavoa ihany reny !! fa i dada ty toa efa natsatsiky ny oul ko !!
14. nilex ( 10/08/2011 05:28)
Mampalahelo koa ilay isany izany le,efa ela nge ny hat no nilaza fa hanao sonia e fa tsy mety vita satria matahotra mandeha tsy misy fankatovana ny hat.Fantany mantsy fa tsy afaka mano na inona na inona izy ireo satria tsy misy vola.Raha toa ka tsy ilain'ny hat io fankatoavana io moa ve tsy efa ela no notohizany ny lalany fa tsy hiandry eo izy.Mba alefaso lalina ny fandinihina fa aza anaovan'ny olona resabe eo e.Efa mazava ny resaka napetraky ny SADC dia miandry antsika malagasy ry zareo hanatanteraka ny resaka tany ary tena mazava iny.Ankehitriny indray dia i Rajoelina no manontany any fa ahoana e?na ianao manaiky na tsia dia ny lalanao tohizana fa avelao any ny SADC raha mahery ianao.
Tapidalankaleha tanteraka ny hat izao,hiembotra dia mody ra8 ,handroso anefa tsy misy vola sady tsy misy fankatoavana.
Tsy misy sonia tanteraka izany eo raha tsy hifanarahan'ny rehetra ary ankatoavin'ny fianakaviambe iraisam-mpirenena.Mizaka ny mamono lolo ihany ny hat fa tsy mahataitra ny any ivelany e,hiomehezan'ny olona fotsiny fa tsy afa-mikofoka akory nefa miseho ho be loha.
15. ronaldo09 ( 10/08/2011 06:15)
Ny olana ange dia ity e! Ianareo mimenomenona ireo dia olona pro ravalo zany hoe ireo very seza rehetra ka tsy mahagaga raha miaro an-dRavao sy miteny fa miandry azy ny vahoaka!Vahoaka iza moa ity lazainareo fa miandry azy ity sa ianareo no tsy naharaka ny zava-nisy teto tam'ireny tolom-bahoaka ireny ka nahatonga ity filoha jadona ity nitsoaka nakany afrika?Tsorina koa fa i Ravalo no filoha mora naongana indrindra satria roa volana fotsiny dia vita ny mission satria ny antony dia tsy nanana olona tany amin'ny province izy satria ireo minisitra coach dia saika tsy olona avy any amin'ny région avokoa!Ireo députés tamy fotoan'androny dia tsy misy olona voafidy ar-dalana fa saika hala-bato no nahalany azy!Noho izany tsy misy olona tia iny lehilahy iny ny eto ary ny any amin'ny faritra anie mitoto-rebika amin'ny zava-bitan'ny FILOHA HAJAINA ANDRY RAJOELINA, hopitaly manara-penitra, kianja manara-penitra vao hainga no notokanana ny trésor ao Mahajanga nefa anie ka lazaina fa tsy mahazo fanampiana avy any ivelany isika e!!!!
Koa n'inona resahana , vita hatreo ny amin-dravalo , Fetison ange fa niala e, Yves Aimé efa tsy ao, Raharinaivo efa aty aminay aolona folo sisa no ao amin'ny Magro sady na ny sonorisation aza tsisy tsony koa inona fa tsy vita hatreo ny aminy!!!ha, ha,ha ha......
16. nilex ( 10/08/2011 11:42)

sarotra be ny miresaka fa aleo ange hitohy ny tantara dia ho hitantsika eo ny fandehany .Raha toa ka vita ve ny amindra8 maninona ny hat no tsy manaiky ny hodiany eto.Fantatr'ireo mpitondra ireo tsara ny mbola lanjany.Tsy ny mampody azy eto ve no mora dia samborina izy nefa tsy sahy ny hat satria mbola mifono zavatra lalina i ra8.Mbola mahana amin'ny ratsy nataony ny hat.Aiza moa izay asa vita eo,tsy mbola misy na biriky iray aza izao ny eo andohotapenaka momba ilay hopitaly,ny kianja ho an'ny rugby lasa resaka fotsiny sady nga ny foza ihany no vahoaka malagasy.Tsy nisy vahoaka nahaongana andra8 izany mihintsy teo an,raha naharaka ny tantara ianao dia i rajoelina aza tamin'ireny efa niafina tany amin'ny masoivoho frantsay,tsy hita teo amin'ny 13 mei intsony fa roindefo sisa no mba niteniteny teo.Ny miaramila no nanaongana andra8 fa tsy ireny olombitsy ireny akory.Tsy vahoaka malagasy ireny.Raha tena sahy ny hat izao dia izao no tena vahaolana tsara indrindra.
Atao ny fifidianana filoha satria io no olana eto.Milatsaka ho tsarain'ny vahoaka eto i ra8 sy i tgv.Ny ONU sy ny UA no avela hikarakara ny fifidianana.Efa nisy proposition an'izany teo aloha fa tsy nanaiky ny hat a.Ho tsaraina eo amin'izay izay tena tsy tian'ny vahoaka .Raha resy ra8 dia gadraina izy .
Kanefa tsy ho sahy an'izany mihintsy ny hat satria fantany ,na ireo namany ireo aza mahalala izany fa maivana be amin'ny lafiny rehetra rajoelina ka tsy haharesy mihintsy.
Nefa raha izay no atao dia hilamina tanteraka ny firenena satria izay ho resy eo tsy ho sahy ho be vava intsony hoe mbola mamim-bahoaka fa mipirina amin'izay.
Nefa raha izao no mitohy tsy io sary io no hitranga eto satria tazomin'ny any ivelany amin'ny sangany mihintsy ny hat ka tsy afaka mikofoka.
17. cpd8910 ( 10/08/2011 22:43)
Mampalahelo fa mpisoloky, mpamitaka, mpanao hosoka diplaoma indray zao no lasa Ministra ao amin'ny gouvernemanta malagasy. Andriamandavy Riana VII misandoka ho manana diplaoma avy ao Harvard. Après vérification dia tsy misy trace na farak'izay kely momba ny fandalovan'io mpisoloky io tao Harvard na site internet na ny taratasy fanotaniana izay nalefanay tany amin'ny tompon'andraikitr'io oniversité io. Nanomboka fanadihadiana ny tompon'andraikitr'io Oniversité io ka handray ny fepetra mety amin'io mpisoloky io amin'ny fotoana mahamety azy.

Mbola ho avy koa ny an'ingahy Pierrot Rajaonarivelo. Misandoka ho sortant ENA France koa nefa tsy nandingana tao na iray andro.

Masina io tanindrazana io ka tsy azo vetavatain'ity mpisoloky, mpamitaka, mpandroba, mpanao ampihi-mamba rehetra ity. Na pro-ra-8 io na pro-TGV na pro sikidy na pro- fanahy masina, na pro an'i Rabe sy Rakoto sy Rasoa sy pro an'iza n'iza refa vandana dia kary daholo.

TANTARA MITOHY IO FA TSY HAVELA HOENTIN'NY TSY MATAHOTODY NY FIRENENA
18. cpd8910 ( 10/08/2011 22:46)
Mbola be ny ambany saina toa anao zao ry Ronaldo ka zay no mahatonga io firenena io mandohalika toa io. Angaha moa ny fiainana ry ise dia tena voafehin'ny hoe ravalo sy TGV a! Tsy zanak'anabavin-dra8 aho, tsy misy iraharahian'ny a-maniko zay ra8 any.Tsy havan'i TGV koa aho ka tsy misy iraharahiah'ny t-aiko zay TGV koa. Tsotra fotsiny ny tiako hahatongavana hoe ny misandoka, mpandainga, mpisoloky, mpanao hosoka toa itony Andriamandavy itony dia tsy tokony hiselintselina na kely eo amin'ny fitondrana satria fanetriben'ny firenena. Tsy hampandroso ny dian''io eo fa ny hameno paosy...toa ny debany taloha (Ra-8).

Dia vao maika mampihomehy ahy enao amin'ilay hoe refa tsy misoratra ao amin'ny siten'ny oniversité izy dia tsy voatery hoe tsy tao....ENY tompoko...matoa ny olona iray tsy hita ao amin'ny lisitry ny nahazo diploma tao amin'ny université iray dia tsy tao izy zany, tsy nahazo diploma tao. Inona ndray no mbola porofo tadiavinao ankoatra izay? A l'ère d'internet tout est vérifiable!!! Quel C-O-N ce Ronaldo...un autre sbire de ce c-o-c de TGV certainement car il n'ime pas le c-o-n de ra-8 (pour lui le monde et la vie se résume aux 2 c-o-n-s TGV et Ra-8). Tu défend tout simplement l'indéfendable l'ami mdr


19. milamm ( 11/08/2011 00:15)
ka ny fijeriko ty resaka ty defa voasasa loha no resahina tsy hita tsony taorinany kabariny lavanify tany Mahajanga iny/hopitaly tsy mbola vita no ireharehany, (mampalahelo ny mahazo an'i ron aretimpoza tsy ahitampanafana, azo antsaina fa kofa tsy misy atidoha fa karamainy pokona aty ivelany miandrandra bojy kely manohana mafy ireo tompon'andraikitra "@ raimpianakavina very asa mpianatra mitaky ny zony, hanagadra zay tsy mitovy hevitra aminy. Ka i pety aza iny efa vaky vava oe ny teo aloha ihany no miverina ry lavanify, soniany tenany aza laviny tao anatiny krizy(maputo, addis abeba...) de iza no hino sy ahatoky azy tsony ???
mbola misy i ronaldo, de zay tsy mitovy hevitra aminy tsy maintsy pro ra-8 ... manonofy atoandro ty kofa ty fa tsy hainy zv resahiny na tsy ilaza ny karamany nomena azy aza izy ilaza ny zv tsy hainy de mibaribay @ rehetra toy ny kary an'efitra ny maha poakaty ny resaka foza
20. ronaldo09 ( 11/08/2011 08:03)
Tsy ny vahoaka hy nareo no nanongana an-dRavalo fa ny miaramila !Fa inona ireny nilahatra teo amin'ny 13 mai ireny? Miaramila? Ny nahatonga an'i Filoha hajaina ANDRY tsy hita noho ny harisetra nataon'ireo mpikaraman'ady vahiny teo amin'ny 13 mai ka saika namonoana an'ity filoha mahavita azy sady mbola tanora ity!!!Noho ny fisian'ireo mpikaraman'ady ireo dia nijoro ny Cap sat nanohitra ny tsy rariny! Na irny famonoan'olona teny Ambohitsorohitra ireny moa tsy azo amaritana ny hoe betska ny vahoaka!
Raha ohatra ary ka fifidianana no natao maninona moa Ravalo raha nahafantatra fa tiam-bahoaka no tsy nanao fifidianana aloha ny fotoana dia ho hita teo ny hoe iza no tian'olona izy sa iAndry! tsoriko aminareo fa na 2002 na 2006 samy tsy lany prémier tour i Ravalo fa nanao tery vaimanta fotsiny ary nangala-bato!!!
Momba an'i Rina andriamandavy olon-dRavalo anie iny e!Fa noho ity zavatra ity govenemanta misokatra dia nampidirina ny TIM midika izany fa olona mpisandoka izany ny olon-dRavalo ka tsy misy tokony hidiran'ny Andry sy ny fitondrana:Raha i Hajo, Christine, Camille no misandoka dia tokony hiteny ato ianao fa olonareo ihany ireo misandoka ireo!
Hopitaly efa ho vita ny ao Mahajanga,Toliara, Diego nefa tsy misy ny fanampiana avy any ivelany!
Ny hoe ambany fisainana dia ny tenanareo ihany no asianareo:sur anie aho fa ex minisitra ndravalo na ohatrizay nareo reo fa tsy vahoaka madinika akory matoa sahy manaratsy olona tia tanindrazana toa an'i Andrye!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0088