hita tany @ helo i Mickael Jackson

41. Miharena ( 04/08/2011 05:50)
Eo indrindra anie Diamondra no tsara banjinina mahitsy amin'izay i Kristy fa tsy mitaredretra e. Rehefa Kristy no toriana dia tsy tokony hampahatsiahy izay helo izay efa tokony ilaozan'ny toetr'andro.
Efa 2000 taona lasa i Kristy no nanresy ny helo nefa lasa zary atao tatatata lava ilay izy ankehitriny ka asa na mbola tokony hiverin-dalana ihany na tsia.
42. Tefigasy ( 04/08/2011 06:46)
Hafatra kely fotsiny ity: ny tena marina aloha dia i Kristy no tokony ho toriana satria izy no filazantsara. Izy no mitondra famonjena.

Nefa izao, ahoana moa no hahalalano hoe ito mazava raha tsy efa nampahitana ny maizina ianao, ahoana no hahalalanao hoe ity lalana mahitsy raha tsy nampahafantarina anao hoe iry lalana mibiloka. Ahoana no hahitanao ny tsiron'ny hamamiana raha tsy efa nampahafantarina ny matsatso ianao.
Dia mety toy izany koa ny heritreritry ny namana eto hoe ny maizina aloha no apotrany vao ny mazava. Izay ny methodologie-any. Ny tanjona mety iray ihany hoe ny hahazoana ny fiainana mandrakizay. Matetika mantsy ny ataon'ny mpitory ny filazantsara dia ilay tsara sy ilay mazava no tonga dia atobany ho an'ny olona fa tsy mijery ilay fiainana faharoa izy, ilay paradisa tanjona hidirana no apotra fa tsy ilay lavaka mety hiafarana raha sanatria ..., fa ny azy kosa izany raha ny fahazoako azy dia ilay maizina aloha no asehony dia izay izy vao mitondra ilay mazava.

Hevitro io ka tsy haiko na izay no tian'ny mpanokatra sujet hatongavana na tsia. Ny atahorako fotsiny dia hoe tena mitondra finoana marina ve ilay tahotra ny ho faty any amin'ny helo ? Ny hahatonga ny olona HINO mantsy no tanjona satria Jao 6 : 47 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mino no manana fiainana mandrakizay
43. bichette ( 04/08/2011 07:49)
ity anie vakio e !

http://www.gedeonchampion.com/My_Homepage_Files/Download/French_Bill_Wiese_23_Minutes_in_Hell.pdf
44. zokieva ( 04/08/2011 12:05)
Nilaza moa i Zokieva hoe hampijaliana mihitsy ny olona any amin'ny helo.
Iza no omena izany fahefana izany? Andriamanitra Fitiavana ve hahavita izany?

Tsy hoe iza no nomena izany fahefana izany? fa ny devoly sy ny miaramilany mihitsy no mampijaly!Ohatra:Iza no nampijaly an'i Jesoa? tsy Satàna? Iza no nampijaly an'i Joba? tsy Satàna koa!Iza no antok'izao fijaliana maneran-tany sy atrehan'ny isam-batan'olona izao? tsy mbola izy koa;Satria fantatry ny Devoly fa efa voaheloka izy ka tsy maintsy mitady namana izy hiaraka hijaly aminy.Iza ary no mampijaly? Ny afo(Farihy mirehitr'afo)izay itoerany no mitondra fijaliana ho azy sy ireo mpanaradia azy;ilay afo koa anie dia midika hoe:fijaliana e!

nomena fahefana handrava ve Satana?

TSIA, avy hatrany ny valiny;tsy nomena izy fa izy mihitsy no minia mandrava ny drafitr'Andriamanitra rehetra izay tsara petraka.Ohatra:maty paika tsara ny tetikao fa hanao trano ianao,koa raha fantatro io plan-nao io dia ho avy aho hanimba sy hanapotika mba tsy hahavitanao izany!tahak'izany koa ny devoly,mpanasaraka,mpanakorontana,izay no dikany @ teny Grika hoe DIABOLOS(mitsifoka satàna manasaraka,mampiady)ohatra ny mpivady,ataony izay tsy hifanarahany dia avy eo miady.Koa isika izany dia mila mahalala tsara ny tetik'ilay fahavalo mba hahafahantsika mandrava ny planany koa.Mety ho azonao tsara angamba ny tiako ambara ry Miharena!

Eo amin'ny hoe diso lalana ny olona, fahefan'ny olona ve izany sa avy amin'i Satana sa avy amin'Andriamanitra?

Andrimanitra dia manambara mazava tsara fa ity no lalana ka araho(Jesoa no lalana...) ety ho Izy io lalana io ka vitsy no mahita azy!Dikany: Satàna mihitsy no minia manampina ny mason'ny olona mba tsy ahitany io lalana io fa manjary voavonjy izy.Ohatra:Manontany ianao hoe:Aiza ny lalana mankany Ambohimanarina? satria ianao tsy mahalala dia hoy aho manoro vohana!mandeha miantsinana mankany Tamatavy!sahala @ izay koa ilay izy.Izany indrindra no ilazana hoe:JESOA no LALANA raiso IZY ho TOMPO sy MPAMONJY dia hohitanao tsara ny lalana itondrany.

hanadio ny lambany sa hanefa ny trosany?
Ny fahamarinantsika dia toy ny lamba fotsy mihosin-dra hoy Isaia mpaminany ;koa tsy ny fahamarinanao no hitondranao ho any @ PARADISA fa mpanota avokoa ny olona rehetra fa Jesoa efa nisolo ny helokao no manamarina anao,tsy marina ianao fa nohamarinina;koa raha i Jesoa no ekenao dia handray izany FANAMARINANA izany ianao fa raha tsy mandray AZY dia efa voaheloka rahateo noho ny teniKo hoy i Jesoa;aza manao hoe Izaho hoy i Jesoa no hanameloka!fa ny TENY izay nambarako no manameloka azy.

asa mandeha mizotra mankaiza ilay izy anefa?
Hoy Paoly apostoly:tsy @ asa fandrao hisy hirehareha...
45. zokieva ( 04/08/2011 12:23)
Efa 2000 taona lasa i Kristy no nandresy ny helo nefa lasa zary atao tatatata lava ilay izy ankehitriny ka asa na mbola tokony hiverin-dalana ihany na tsia.

Fa angaha moa raha resy ilay izy dia midika hoe foana na tsy misy intsony?tandremo fa izay mihitsy no tian'ny satàna ahatongavana dia ny hoe tsy misy izany fijaliana izany,dia @ izay ny olona manao ny tiany atao avokoa!hisy mandrakizay ny helo any no itoeran'ny devoly sy ny miaramilany!

Tefigasy: tena mitondra finoana marina ve ilay tahotra ny ho faty any amin'ny helo ?
Inona moa no atao hoe finoana?(Heb.11:1)
Raha hiteny aho fa misy lavaka ao alohanao ao fa tandremo!dia asakasakao raha mbola hinia hikipy ianao ka tsy hitandrina ny dianao!Ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy azo ampitahorina,tsy azo ampihorohoroina,raha ato anatiko io Fiadanana io dia tsy misy tokony hampatahotra ahy na dia hihafara h@ aiko aza;fa matoa matahotra;dia midika fisalasalana izany...hoy ny soratra masina/Aza matahotra!koa tsy misy antony na zavatra tokony hampatahotra ahy raha tena i Jesoa no ao anatiko satria miaraka @ MPANDRESY aho.
Mahereza daholo ry zoky sy zandry isany!
46. pissoa ( 08/08/2011 10:27)
Hi hi hi, kay ato koa misy iray !

Ary nazotozoto nankany amin'ny Helo mihitsy anie Jesosy izany tato ho ato e ! LOL
47. zokieva ( 08/08/2011 11:39)
Te hamonjy anao IZY matoa mazoto nankany mba hampahafantatra ny zava-misy any,sa ianao mazoto ho any,mba andramo hoe jerena!
48. pissoa ( 08/08/2011 14:45)
Hi hi hi, fa angaha hono tsy ampy ny famonjena natolony teo amin'ny Hazo Fijaliana, no mbola mila mankany matetika Izy ? hi hi hi
49. rijadolly ( 08/08/2011 17:17)
Pissoa:

Hi hi hi, fa angaha hono tsy ampy ny famonjena natolony teo amin'ny Hazo Fijaliana, no mbola mila mankany matetika Izy ? hi hi hi

Mafy atoka anie ny olombelona Pissoa e! Raha i se ary izao no nahita an' Jesoa Kristy tamin' Izy tety an-tany, ahoana ny ataon'se? Dia hoy i se hoe avo 10 heny noho izay ny finoako. Dia ahoana ary ny olona tamin' izany no tsy nino nefa nahita maso izay tsy hitan' izay naniry ahita AZY? Ary nahoana koa no tsy X10 ny finoantsika amin'izao fotoana izao?

Vavan'ilay inoantsika anefa no miteny toy izao: LIOKA 16: 20 Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan'ny vavahadiny;21 ary naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin'ny latabatr'ilay manan-karena izy, fa ny alika kosa no avyka nilelaka ny feriny.22 Ary maty ilay malahelo, dia nentin'ny anjely ho any an-tratran'i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina;23 ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hitaizy ka niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.24 Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron'ny rantsan-tanany amin'ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin'ity lelafo ity.25 Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa hianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin'ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalina aty, ary hianao kosa no fadiranovana.26 Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala ety, ary tsy ho afa-mita hankety aminay izay eny.27 Dia hoy izy: Mangataka aminao ary aho, ry raiko: mba iraho Lazarosy hankany amin'ny tranon'ny raiko28 (fa manana rahalahy dimy aho), mba hilaza tsara aminy, fandrao mba ho tonga aty amin'ity fijaliana ity koa izy.29 Fa hoy Abrahama taminy: Manana an'i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy.30 Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy miala amin'ny maty hankany aminy, dia hibebaka izy.31 Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an'i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin'ny maty aza.

Dia hanome tsiny AZY ve isika, ary tokony tsy hitatara izany helo izany IANAO. Fa maninona ny olona sasany mahita ary mahiratra sy mahalala fa misy hafatra avy amin'izany teniNY izany?

Tandremo! Zanak'Andriamanitra avy any no milaza amintsika. Iza no sahy handiso ny teniny ka hilaza izany TENINY izany ho lainga, na hanolana izany? Ka hovohizina eto indray fa Voavonjy avokoa ny olon-drehetra na dia ireo tsy nanolotra ny otany ho dioviNY aza.

Ekeko, raha izay ny fandraisanao azy hoe fanoharana. Fa kosa, aoka hisaina izay mamaky ity.
MATIO 13: 10 Ary dia nanatona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?11 Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela.12 Fa izay manana no homena, ka hanana be dia be izy; fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia hesorina aminy.13 Ary noho izany dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy, fa tsy mahita; ary mandre izy, fa tsy mihaino, na mahalala.14 Dia tanteraka aminy ny faminanian'Isaia, izay manao hoe:
"Handre mandrakariva ihany hianareo, fatsy hahafantatra:
Ary hijery mandrakariva ihany hianareo, fa tsy hahita;15 Fa efa adala ny fon'izao olona izao.
Ary efa lalodalovana ny sofiny,
Ary efa nakimpiny ny masony,
Fandrao hahita ny masony,
Sy handre ny sofiny,
Ka hahalala ny fony,
Dia hibebaka izy,
Ka hahasitrana azy Aho" [Isa.6.9,10].16 Fa sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa nandre.17 Fa lazaiko aminareo marina tokoa fa maro ny mpaminany sy ny olona naniry hahita izay hitanareo, nefa tsy mba nahita; ary naniry handre izay renareo, nefa tsy mba nandre.
50. Zozoro ( 08/08/2011 17:30)

rijadolly:

wawoooo !!!! AMEN
51. zokieva ( 09/08/2011 08:03)
Pissoa

Hi hi hi, fa angaha hono tsy ampy ny famonjena natolony teo amin'ny Hazo Fijaliana, no mbola mila mankany matetika Izy ? hi hi hi

Ampy tsy ampiana ny teo @ hazo fijaliana;tokana tsy manam-paharoa:fa te hampahalala misimisy kokoa anao ny zava-miafina izay ao ambadik'izao fiainana izao Izy matoa mandefa ireny hafatra manokana tsy manam-paharoa ireny;koa tsy tokony ho faly ve isika raha ampahalalaiNy ny ankoatra any e?
Mankeny @ volana aza lafo dia lafo koa maika misy zavatra maimaim-poana izany,koa hoy aho hoe:Misaora Azy fa Mpanao ny tsara IZY!
52. pissoa ( 09/08/2011 08:15)
Hay, nohainoan' i Andriamanitra ihany izany ny tenin'ilay olona tany amin'ny Helo ? Hoe misy avy any mihitsy no alefa mankaty mba hibebaka ny rahalahy sisa tavela ? Nalefany tany amin'ny Helo ilay zaza folo taona, dia avy eo naveriny nankaty ? Azafady fa be fanontaniana fa sao tsy izay mantsy no tianao ampitaina amin'ilay fanoharana dia aleoko aloha manontany. Hi hi, fa inona no fahotana nataon'ilay zaza no nalefa tany amin'ny Helo izy ? Tokony mba atao ao amin'ilay Baiboly vaovao mantsy. Ilay Baiboly asiana recettes hoe izao sy izao no fahotana nataon'i xxx ka nahatonga azy tany amin'ny Helo. Maromaro ihany mantsy tato ho ato no nankany niaraka tamin'i Jesosy dia nitantara ny nataon'ny olona lasa any, ka tsy tokony atao ao amin'ny Baiboly tokoa ve ? Efa i Jesosy izao no mitondra azy any, fa tsy hoe tsindry mandry na tsy haiko ... bokiboky nofidifidian'ny olona ohatra ny taloha e hi hi hi !
53. Zozoro ( 09/08/2011 08:52)

pissoa:

hi hi hi hi Za mitovy hevitra @ pissoa Tena les recettes tokoa no tina ho fantatra.
54. andrywui ( 09/08/2011 11:33)
zah tsy de manankambara amle hoe any amin helo n'i zokieva na le oe any amparadisan'i diam's fa ny tiko kozina kely satria nampiakatra fon'oul iray tao ambonimbony tao de ity phrase ity :Azoazoko antsaina ilay mpitondra fivavahana malaza hitany tany i ingah hery no nilaza an'io izay midika fa tonga de fantany hono ary azony antsaina ilay mpitondra fivavahana any amin'ny helo io !! mba azonao vakina batsilana ve le "azoazoko veroka zay"r'ingah roa ? zah koa manko mba tonga de nahafantatra oe ilay raikalahy iny zay !! fa maranitra ihany i hery tonga de nahatakatra azy kah !! ...yyyeeeee Mr Heriniaina Eugene tena IZY mihitsy io azoazonao veroka fa any amin helo io !!!
55. andrywui ( 09/08/2011 11:34)
mba lazao ho fantatr'oul eto ary le anarana e !!.. sa ve ho borahiko eto ?? sa omeko sopapa kely ?? IZA io oul azoa zo veroka io ?? IIIZZAAAAA !!???
56. zokieva ( 09/08/2011 12:08)
Pisooa
Tsotra sy fohy ny valiteny:Ampy sy feno ny baiboly fa tsy ampiana;fa raha ny asa vitan'i Jesoa no hany voasoratra avokoa dia hoy i Jaona hoe:Na izao tontolo izao aza tsy antonona ny boky rehetra.
Inona no fahotan'ilay zaza? hoy ny Tompo tsy izy no nanota na ny ray aman-dreniny fa ny mba hanehoana ny voninahitr'Andriamanitra!
57. zokieva ( 09/08/2011 12:17)
andrywui -
mba lazao ho fantatr'oul eto ary le anarana e !!.. sa ve ho borahiko eto ?? sa omeko sopapa kely ?? IZA io oul azoazo veroka io ?? IIIZZAAAAA !!???
Inona moa no tombotsoanao @ fahafantaranao ilay anarana;izay no matetika mahavoa antsika satria maika hatrany hoe ny hafa aloha vao izaho,esory aloha ny andry eo @ masonao dia ho hitanao tsara ny an'ny hafa!
58. pissoa ( 09/08/2011 15:37)
Zokieva a ! Ka ilay mandeha any amin'ny Helo anie ohatra ny important be amin'i Jesosy raha azoko tsara e ! Impiry nivezivezy tany Izy izay tato ho ato hoa ? Ny nankeny amin'ny Hazo Fijaliana aza in-1 mandeha tsy niverina dia nijanona Izy koa. Dia izay no mba hiheverako hoe tokony ho atao ao amin'ny Baiboly hi hi hi. Ary sao dia tsy tiany ho tantaraina aza ilay izy no tsy hamelany azy atao ao anaty Baiboly ? hi hi hi.

Tsy azoko tsara ilay hoe voninahitr'Andriamanitra. Hoe tsy nanota ve ilay zaza sy ny ray aman-dreniny hoy ianao fa mba hanehoana ny voninahitr'Andriamanitra dia tsy maintsy nentina tany amin'ny Helo ? Raha tsy nisy helo naleha ve dia tsy afaka hiseho ny Voninahiny ?

Ohatra ny ahoana kay ny maquillage tokony ampiasaina, fa sao lasa any amin'ny afo-be raha manao be loatra fa hoe mandoko hoditra hono koa. Sa tsy mahazo mampiasa mihitsy ? Mba maka recettes ety an-jorony fa toa tsy hisy Baiboly ahitana zavatra tahaka izany izany koa hi hi hi.
59. zokieva ( 10/08/2011 06:24)
Pissoa:
Tsy hoe important na tsia fa izay aloha ny zava-misy dia aza ferana @ izay tiaNy atao ny Tompo fa izay no maha Andriamanitra Azy raha voafetra Izy dia tsy Andriamanitra.
Ny maquillage tsara indrindra dia JESOA Kristy raisina eo @ fiainana!
60. bor2lais ( 10/08/2011 12:52)
zokieva:

Tsy hoe important na tsia fa izay aloha ny zava-misy dia aza ferana @ izay tiaNy atao ny Tompo fa izay no maha Andriamanitra Azy raha voafetra Izy dia tsy Andriamanitra.

Dia tampina izany ny dômy e ! :-)

Ny olana ange zokieva dia afaka miteny an'io daholo ny "mpisoloky" izay maka ny toeraNY rehetra e ! ;-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3195