hita tany @ helo i Mickael Jackson

21. zokieva ( 02/08/2011 05:51)
70 na 80 taona ihany hoy aho no eto;fa tsy manam-pahataperana ny aorian'izay;sao dia hanenenana lahy.
Inona moa no tombotsoako raha voavonjy ianao,na koa inona no fantiantoko raha very ianao?
Izay afafin'ny olona ihany no honjinjany!
22. bor2lais ( 02/08/2011 08:56)
zokieva:

70 na 80 taona ihany hoy aho no eto;fa tsy manam-pahataperana ny aorian'izay;

Ny Kristiana rehetra kosa angamba mahafantatra sy mino an'io daholo !
zokieva:

sao dia hanenenana lahy.

Raha ny Kristiana aloha amiko dia tokony ahalala izay inoany. Manana Azy ary ny fiadanaNY no manjaka ao am-pony !
zokieva:

Inona moa no tombotsoako raha voavonjy ianao,na koa inona no fantiantoko raha very ianao?
Izay afafin'ny olona ihany no honjinjany!


Dia hiverina amin'ny lohateny isika :

- araka io voalazanao io, inona moa izany ny tombontsoa amin'ny fanelezana izay METY mahazo an'io olona lazainao io any amin'izay misy azy any ! Amiko aloha dia fanelezan-tsaho sy fanalana baraka olona izao atao izao e ! Marika fa na dia efa maty aza ilay olona dia mbola "tsy tiana" ihany : toetra mifanohitra amin'ny soa toavina Kristiana raha ny fiheverako azy !

- ny mampalahelo dia ny zaza no atao fitaovana hanelezana izany !

Farany, lasa ihany ny eritreritra hoe (ahy manokana ity a !) : misy fifaninana famoahana films momba ny "tantaran'i Lazarosy mahantra sy ilay mpanankarena" angaha tato ho ato hijerena izay "scénario" tsara indrindra ? :-)

Fomba fijeriko ihany anefa ireo ambarako ireo a ! :-)
23. zokieva ( 02/08/2011 11:17)
Tady atsipy atandroky ny omby ny ahy,teny atsipy am-pon'ny mahalala,rafotsibe homan-kitoza ka izay mahadilotra no mahita ny tsirony;tsatokazo amoron-dalana tsy mitaona tsy handroso fa manasa anao hisaina!
24. bor2lais ( 02/08/2011 12:14)
Mahafinaritra ahy ery izany teninao izany ry zokieva ka averiko aminao ihany koa :

"Tady atsipy atandroky ny omby ny ahy, teny atsipy am-pon'ny mahalala, rafotsibe homan-kitoza ka izay mahadilotra no mahita ny tsirony; tsatokazo amoron-dalana tsy mitaona tsy handroso fa manasa anao hisaina!" :-)
25. zokieva ( 02/08/2011 12:35)
Misaotra @ doka: kanefa tsy vorontsiloza akory ny tenako ka raha siahina dia midoroboka,na koa toy ny tanalahy ka siontsiokan-jaza dia miova loko,fa tendrombohitr'Ankaratra ka tsy matahotra izay danikandro,fa rakorakofan'ny zavona ka Tsiafajavona.
Ny tiana ambara dia tsotra:Ataovy toy ny voankazo an'ala raha mamy ateleno,raha mangidy aleveno,raha misy tsy mety ny teniko,ny teniko ariana fa aza ny tenako.
26. bor2lais ( 02/08/2011 12:52)
zokieva:

Ny tiana ambara dia tsotra:Ataovy toy ny voankazo an'ala raha mamy ateleno,raha mangidy aleveno,raha misy tsy mety ny teniko,ny teniko ariana fa aza ny tenako.

Io injinja koa ange no tiako lazaina aminao e !
:-)
27. zokieva ( 02/08/2011 13:25)
Raha azoko tsara izany dia tsy misy azoko mihitsy izay lazain'ise!
28. rijadolly ( 02/08/2011 15:59)




HS kely :

tsatokazo amoron-dalana tsy mitaona tsy handroso fa manasa anao hisaina!

Tsy haiko tsara izy izay fa ohatry izao ny fitadidiako azy: "sampan-kazo an-dalana, sanatria hisakana anao tsy handroso, fa hiazona anao kely mba heritreritra"

Ny heviny mitovy ihany, fa raha amoron-dalana mantsy mety tsy tazana. tsara ka!
29. Miharena ( 02/08/2011 16:19)
Mahafinaritra ny fifanakalozan-kevitra fa ny hany hanampiako kely fotsiny dia ny momba ny lasa sy ny ankehitriny ary ny ho avy. Raha mandinika isika dia zary mitodika ny lasa na mampahatsiahy ny lasa hatrany ny olona entina handrafetany ny ho avy. zary mihodinkodinaanefa izy satria tsy mandroso amin'izany fomba izany.

Ohatra iray ity resaka olona efa nodimandry nefa lazaina miaina any amin'ny toerana izay tsy tsapan'ny hafa. Ny fanontaniana dia ity : Azo hakana lesona ve ilay resaka nozaraina sa tsia? Inona no tiana hampitaina, fahasoavana sa fampitahorana? Inona no endrika tokony horaisin'ny tsirairay enti-miaina hialàna amin'ny tahotra?

Ilay resaka mandrakizay aorian'ny fodiamandry, tokony hisy fijaliana mandrakizay ve?
Asa iza loatra no mpamorona izany eto amin'ny erana rehetra misy antsika. Sao lahy ka isika samy isika ihany no mamorona io endrika fijaliana mandrakizay io???

Mila ialàna izany ny fampahatsiahivana lava io resaka fampitahorana io fa manjary tsy mampandroso ka na dia ny tsy Kristiana aza mahita fa misy tsy milamina isika Kristiana. Te hanalavitra ny helo nefa mampahatsiahy azy hatrany toa te-hamelona hatrany ilay zavatra tsy mahomby.
30. zokieva ( 03/08/2011 06:44)
Miharena:
Ny fanontaniana dia hoe:Tia an'Andriamanitra marina ve ny olona?
Lesona:tsotra:raha hilaza fa tsy misy ny helo dia midika izany fa tsy misy koa ny paradisa;mipetraka aza ny fanontaniana:Inona no antony hahavelomanao? hiliba,sa hijanga,hanaram-po,dia ho very maina izany ireo aina marobe izay latsaka mba ho zezika nampiroborobo ny finoana tahaka izao? sanatria fa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko mba ahavitako ny iraka!
Fehiny:Na iza manaiky na tsy hanaiky;tsy mampiova ny tena marina izany,na iza hino na tsy hino ny marina dia marina ihany!Tandremo ary fa sao neninao vao hoe tahak'izay!
31. bichette ( 03/08/2011 10:02)
Fa ahoana moa no tsy misy ny helo satria na ny baiboly aza milaza izany ?

ilay hoe mijaly any amin'ny afobe anie ka "fitoamaniana sy fikitrohanify " : pleurs et des grincements de dents. izany hoe fijaliana be mihitsy. otran'ny rehefa maty olon-tiana ireny, nosarahin'ny sipanareo taloha ireny, dia INY ilay fijaliana be, souffrance de l'ame, ny ao anaty tena mijaly fa mihoatra izany ny any amin'ny helo. Mamaivay ny ame, manenina mafy.

ary toa sady misy famoahana ohabolan'ny Ntaolo izy izany hihihihihi !!!!!
32. bor2lais ( 03/08/2011 10:13)
bichette:

ary toa sady misy famoahana ohabolan'ny Ntaolo izy izany hihihihihi !!!!!

Tanjemo kely fa tsy zokizoki amin'izao anie ny ny olona e ! :-)
33. zokieva ( 03/08/2011 11:05)
Aleo mba aseho koa fa ny gasy anie ka manja e!koa mahaiza ary mionona izay nametrahan'Andriamanitra anao na sondenda na be lavak'orona dia manja foana eo anatrehan'Andriamanitra rehefa manaiky sy mankatoa Azy!sa tsy izany?
34. diamondra27 ( 03/08/2011 11:34)
nyrina: tena marina ny voalazan'ny baiboly ka! tsy hoe: finoana ihany fa hita maso ho an'izay manaiky Azy. Io resaka fiadanana omeny io notiako ho lazaina.


Tsara dia tsara tokoa ny fifanakalozan-kevitra fa aoka mba hangataka @ Tompo isika mba omeny fo tony hahay hampita ny heviny fa tsy ny hevitraizay fantanao fa manjary tsy tafa ilay zavatra tiana hampitaina nefa tena zava-dehibe ilay post.

tena masiaka tokoa ny devoly ka manakorontana.
Ny paradisa dia azo atomboka dieny izao ety an-tany, tsy hoe:akory rehefa tsy manana mitovy toy ny hananan'ny olona ianao dia tsy sambatra, fa ny sarobidy dia izay tsy hahavery ny fanahintsika. Raha miala eto an-tany ange isika tsy afaka hitondra ny harentsika any ankoatra e!

35. zokieva ( 03/08/2011 11:51)
Misaotra an' i Diamondra e! ho aminao anie Tompo ary hotahiaNy anie raha mivoaka,hotahiaNy koa raha miditra!Mahereza any ivelany any e!
36. bor2lais ( 03/08/2011 12:22)
Tafaverina soa ianao ! :-)
diamondra27:

Ny paradisa dia azo atomboka dieny izao ety an-tany ...

Misaotra anao mitondra vaovao mahafaly ! :-)
37. Miharena ( 03/08/2011 13:05)
Izay hahay mba misy vaovao mahafaly. Efa azo atomboka ety an-tany ny fiainana any an-danitra.
Tsy hisy angamba olona na ida iray aza hikasa hoe hanamboatra fiainana any amin'ny helo izay fariparitana ery moa izy eo ambony io hoe souffrance de l'âme.

Ny trangam-piainana no mahatonga ny olona hanao izay toetra fanaony ka asa hoe aiza ho aiza no tokony fahadisoany ka hitragan'ny fanariana azy amin'ny toerana atao hoe helo ary mandrakizay ny fijaliana amin'izany. Dia efa tsy sombin'ain'Andriamanitra mihitsy angaha ka hatao izany ny âme anankiray.

Ny hany azo antoka dia ain'Andriamanitra daholo na dia olona lazaina fa tsy mifaditrovana aza. Ny olombelona aza mbola manome zo sy hasina ny olona meloka. Ka mainka fa IZY Mpamorona. Izy ihany no mitrotro sy mitantana ny olona tsirairay fa tsy hisy avelany ho very izany ny sombin'AINY ka halefa any amin'ny toerana izay tsy noforoniNY.

Ka mamerina ihany aho hoe, sao dia misy ahitsy kely ny fomba fisainana ny helo fa tsy tonga dia lazaina sy hizingizinina fa fijaliana mandrakizay.

Ny hany ambara dia tsy hoe hevitro irery no ambarako fa fandalinana efa ela nataon'ny olombelona sy ny anjely maro.

Samy hotahian'Andriamanitra Raintsika avy isika.
38. zokieva ( 03/08/2011 13:57)
sao dia misy ahitsy kely ny fomba fisainana ny helo fa tsy tonga dia lazaina sy hizingizinina fa fijaliana mandrakizay.

Ahoana moa no tsy hizingizinina fa fijaliana ny any @ helo,faratapon'ny fahoriana sy fijaliana ny any, ny marina kokoa aza dia ampijaliana mihitsy ny olona any.

Tsy hisy angamba olona na dia iray aza hikasa hoe hanamboatra fiainana any amin'ny helo :eny tsy misy tokoa fa diso lalana no betsaka ka izay no tsy maintsy idradradrana fa Jesoa Kristy no lalana ...

Izy ihany no mitrotro sy mitantana ny olona tsirairay fa tsy hisy avelany ho very izany ny sombin'AINY ka halefa any amin'ny toerana izay tsy noforoniNY.
Aoka hazava tsy sitrak'Andriamanitra tokoa ny hahavery ny olona fa tena safidin'ny tsi-1-1 mihitsy no mahatonga azy ho any toerana voatokana ho an'ireo be loha tsy mety mibebaka.Saino anie fa ny Zanany mihitsy izay faran'izay sarobidy tamiNy aza no natolony!
39. Miharena ( 03/08/2011 14:31)
Nilaza moa i Zokieva hoe hampijaliana mihitsy ny olona any amin'ny helo.
Iza no omena izany fahefana izany? Andriamanitra Fitiavana ve hahavita izany?
Ny ao anaty Baiboly dia ny tantara momba an'i Joba ary koa ny tantara momba ny fakam-panahy nahazo ani' Jesoa. Miresaka soa aman-tsara ao i Satana sy Andriamanitra.

Ka raha aminao izany Zokieva, nomena fahefana handrava ve Satana?

Eo amin'ny hoe diso lalana ny olona, fahefan'ny olona ve izany sa avy amin'i Satana sa avy amin'Andriamanitra?

Mila valiana tsara ireo fanontaniana ireo hahafahana mamaritra ny sori-dalana tena itodian'ny olombelona tsirairay avy ka hamaliana hoe: inona no antony ahatongavan'ny olona iray eto an-tany, hanadio ny lambany sa hanefa ny trosany? Raha ireo no izy, avy amin'iza indray izany, avy amin'Andriamanitra sa avy amin'i Satana sa ny olombelona ihany no mamorona asa ho azy avy? asa mandeha mizotra mankaiza ilay izy anefa?
40. diamondra27 ( 03/08/2011 20:41)
ny tantara momba an'i Joba aloha dia izao an: voalaza fa notsapiana izy, nalàna taminy daholo ny zavara rehetra mba hahitàna hoe: hifikitra @Atra ve izy sa tsia. Atra dia nahalala fa tsy hivadika aminy i joba ary nilaza t@ satana hoe: azonao atao daholo ny rehetra fa ny AINY ihany no aza alaina ( fa AHY). Koa hita @izany aza fa tsy misy ambony ny aina eto an-tany na inona na inona ary an'ATra irery io , ny lakilé de ny fanekena fa Jesosy no Tompo sy Mpamonjy anao ka hanapaka ny fiainanao iray manontolo.
Ny sisa rehetra dia superficielle daholo, firifiry moa ny olona mandany volabe fa te-ho velona...
Ny resaka paradisa dia rehefa manaiky an'io Jesosy io ianao, @ fonao rehetra , ny sainao rehetra, @zavatra izay ataonao rehetra dia homba anao sy hanoro anao izy ary manome zavatsoa tsy araka ny ampoizinao aza.
Tsy resabe ireny teny voasoratra hoe: je vous donne la paix ireny ce n'est pas comme le monde donne. Mino aho fa efa nisy tamintsika ireto no efa niaina t@io. Te-hivalo @olona ianao hoe: minoa re fa tsara nge zao Jesosy izao e!, te hi -démontrer ianao hoe: mamaly vavaka Izy araka ny sitrapony fa tsy aaka ny sitrapontsika ary araka ny fotoany ihany koa fa tsy hoe: rehefa mangataka isika dia tsy maintsy hahazo eo no eo.

Ny helo dia tokony resahina fa tsy tokony aao fampitahorana amiko.
Voalaza ao @ baiboly ao fa tsy izay tsy mibebaka ihany no ho very any @helo fa na dia mpitory teny na mpivavaka be na mpanao asa soa sns nefa rehefa tonga ilay andro ka tsy niambina ianao dia naman'ny very ihany.
Izay no tena tokony atahorana hoe: Jesus reviens bientôt , suis-je préte?
na olona mpanota be ianao na mpivavaka be fa rehefa voadio ny àn'i Jesosy ka niambina dia ho voavojy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.545