Ny Andriamanitra inoako
1. Miharena
(
10/06/2011 08:38)
Raha manaraka tsara ny tononkiran'i Bessa isika dia mamaritra tokoa an'Andriamanitra ny filazany ary tsy tokony ho isan'ireo tsy mahalala intsony ny olona amin'ny fandrebirebena hoe Andriamanitra masiaka sy manameloka Izy.
Hoy i Bessa hoe: Tsy Andriamanitra masiaka, mpanasazy, tsy andriamanitra antoko, na mpanavaka foko fa IZY NO FITIAVANA.
Rehefa azo tsara izay dia ampy sy feno fa ny pitsony no an'ireo tsy manam-pahatsorana ka mety hiteraka tantara nampivily izay efa voalaza ao anaty Baiboly ao daholo moa izany. Tsy an'Andriamanitra ny complication fa an'i Losifera sy ny olona tsy tsotra. Nefa na izany aza, miara-miasa ny zava-drehetra ho an'ny olona ka hahatsapa izy fa manan-dova tsy hita pesimpesenina na lavo impiry impiry aza.
Ny fahendrena ao anatiny no maha-zanak'Andriamanira azy ka mahairay azy AMINY.

répondu par niryna le 05/07/2011 03:58
2. rijadolly
(
10/06/2011 09:52)

Miray hevitra tanteraka koa aho.
Miharena:
Tsy an'Andriamanitra ny complication fa an'i Losifera sy ny olona tsy tsotra.
Miray hevitra tanteraka mihitsy koa ny tenako; be famindram-po ny Andriamanitsika ho an' izay tso-po sy manolo-tena ho diovin' ilay Rà ny Zanak'Ondrin'Andriamanitra.
3. Maranatha
(
10/06/2011 10:43)
rijadolly:

Tsy diso ny eritreritrareo fa izao misy farany ny zavatra rehetra tena be famindram-po tokoa Atra fa rehefa tsy hibebaka sy tsy mety ho sasan'ny Ran'ny Zanak'ondry kosa ve ny olona dia mbola hiandry eo ihany Izy Apok 21:8:" Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa" Rehefa tapitra ny famindram-po dia tonga amin'izay koa ny sazy rehefa tsy hibebaka ilay olona.
Ka indraindray sao dia hevitry i Bessa irery ihany io fa tsy hevitr'Atra. Tsy diso fa Atra dia FITIAVANA ary tena izany mihintsy Izy . Hoy i Jesosy Jaona15:13" Tsy misy manana Fitiavana lehibe noho izao dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany." Matoa nomen'Atra antsika ny Zanany mba ho famonjena an-tsika dia tiany tokoa isika. Fa raha tsy mety mino sy tsy mandray izany FITIAVANY izany kosa ve ny olona tsy iharan'ilay fahafatesana faharoa teo( izay azo adika hoe sazy). Marina tokoa fa Atra tsy manavaka fa ny asa 10:34 Milaza hoe" Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe Hitako marina izao fa tsy mizaha tavan'olona Atra fa amin'ny firenena rehetra izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany" Izay firenena rehetra manao ny marina no ankasitrahany (Condition: manao ny marina) Mahereza e!
4. Miharena
(
10/06/2011 13:15)
Maranatha:
(Condition: manao ny marina)
Izy no Marina ary Izy no mahamarina ny voariNY. Rehefa mahatsapa isika fa IZY no ao anatintsika dia marina ao AMINY isika. Ary ny fampitana izany ho an'ny olona rehetra no atao fa tsy hiolonolona na hitsaratsara satria raha zohina dia tsy misy afa-tsy IZY izao rehetra izao ary IZY no manitsy azy amin'ny alalan'ny bitsika ao am-po.
Ilay resaka hoe misy farany Maranatha no toetrantsika olombelona fa tsy an'Andriamanitra velively. Ary io farany io dia ny toetra tsy haharitra satria tsy avy AMINY fa avy amin'ny fahadisoam-pijerin'ny olona. Io fahadisoam-pijery io no misy farany fa tsy ny AINA na Fofon'Ai'Andriamanitra tao anatin'ny voariNY velively akory, na diso fijery aza izy (Io ilay hoe hantra sy honena IZY, ka ny olona rehetra mahazo AZY na dia tsy nahalala an'i Kristy hatrizay hatrizay aza (Io ilay ohatra hoe nisy ireo izay nanontany hoe taiza Ianao no notafianay sy nomenay hanina ary nampandrosoiny tao anatin"ny fiadanana). Izay no tsy hitsarana mihitsy ho antsika olombelona fa mamantatra sy mizara ny famindram-poNY no atao dia izay.
5. rijadolly
(
10/06/2011 14:32)
Maranatha:
rijadolly:
Raha manaraka tsara ny tononkiran'i Bessa isika dia mamaritra tokoa an'Andriamanitra ny filazany ary tsy tokony ho isan'ireo tsy mahalala intsony ny olona amin'ny fandrebirebena hoe Andriamanitra masiaka sy manameloka Izy.
Hoy i Bessa hoe: Tsy Andriamanitra masiaka, mpanasazy, tsy andriamanitra antoko, na mpanavaka foko fa IZY NO FITIAVANA.
Rehefa azo tsara izay dia ampy sy feno fa ny pitsony no an'ireo tsy manam-pahatsorana ka mety hiteraka tantara nampivily izay efa voalaza ao anaty Baiboly ao daholo moa izany. Tsy an'Andriamanitra ny complication fa an'i Losifera sy ny olona tsy tsotra. Nefa na izany aza, miara-miasa ny zava-drehetra ho an'ny olona ka hahatsapa izy fa manan-dova tsy hita pesimpesenina na lavo impiry impiry aza.
Ny fahendrena ao anatiny no maha-zanak'Andriamanira azy ka mahairay azy AMINY.
Miray hevitra tanteraka koa aho.
Miharena:
Tsy an'Andriamanitra ny complication fa an'i Losifera sy ny olona tsy tsotra.
Miray hevitra tanteraka mihitsy koa ny tenako; be famindram-po ny Andriamanitsika ho an' izay tso-po sy manolo-tena ho diovin' ilay Rà ny Zanak'Ondrin'Andriamanitra.
Tsy diso ny eritreritrareo fa izao misy farany ny zavatra rehetra tena be famindram-po tokoa Atra fa rehefa tsy hibebaka sy tsy mety ho sasan'ny Ran'ny Zanak'ondry kosa ve ny olona dia mbola hiandry eo ihany Izy Apok 21:8:" Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa" Rehefa tapitra ny famindram-po dia tonga amin'izay koa ny sazy rehefa tsy hibebaka ilay olona.
Ka indraindray sao dia hevitry i Bessa irery ihany io fa tsy hevitr'Atra. Tsy diso fa Atra dia FITIAVANA ary tena izany mihintsy Izy . Hoy i Jesosy Jaona15:13" Tsy misy manana Fitiavana lehibe noho izao dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany." Matoa nomen'Atra antsika ny Zanany mba ho famonjena an-tsika dia tiany tokoa isika. Fa raha tsy mety mino sy tsy mandray izany FITIAVANY izany kosa ve ny olona tsy iharan'ilay fahafatesana faharoa teo( izay azo adika hoe sazy). Marina tokoa fa Atra tsy manavaka fa ny asa 10:34 Milaza hoe" Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe Hitako marina izao fa tsy mizaha tavan'olona Atra fa amin'ny firenena rehetra izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany" Izay firenena rehetra manao ny marina no ankasitrahany (Condition: manao ny marina) Mahereza e!
Miray hevitra koa aho amin'iny ary izany antony nitenenako hoe:
rijadolly:
Miray hevitra tanteraka mihitsy koa ny tenako; be famindram-po ny Andriamanitsika [color=green]ho an' izay[/coloro] tso-po sy manolo-tena ho diovin' ilay Rà ny Zanak'Ondrin'Andriamanitra.
6. rijadolly
(
10/06/2011 14:35)
Miharena:
Rehefa mahatsapa isika fa IZY no ao anatintsika dia marina ao AMINY isika
ary rehefa tsy mahatsapa?
7. rijadolly
(
10/06/2011 15:03)
Ary ny fampitana izany ho an'ny olona rehetra no atao fa tsy hiolonolona na hitsaratsara
izay no andrasana antsika Mpino.
satria raha zohina dia tsy misy afa-tsy IZY izao rehetra izao ary IZY no manitsy azy amin'ny alalan'ny bitsika ao am-po.
araka ilay asa miandry antsika izay voalaza io ambony io dia mpiray antoka Aminy isika Mpino raha ny asa no lazaina, iray izay. faha roa; Raha io voalazan' Miharena io anefa dia midika ho fanameloha AZY satria misy mihitsy ny tsy mandray AZY(marina ve izay voalazako izay?) raha marina, dia, azoko antoka fa tsy IZY no nahatonga an'iny olona iny tsy handray, fa manantsafidy ny tsirairay. fehiny: tsy IZY irery no miasa fa ny mpino koa, ary manatsafidy malalaka ny tsirairay rehefa avy voatafika
8. Miharena
(
10/06/2011 15:25)
Rjadolly:

Ilay fanamelohana dia tsy mitombina velively satria raha tsy nomena fahafahana manan-tsafidy isika dia hanameoka Azy tokoa. Ilay isika tsy mahalala Azy no tsy mahita Azy tsara fa Izy dia tsy miala ao anatin'ny tsirairay tsy an-kanavaka ary mahalala tsara fa mkombona Aminy na misokatra Aminy ny tsirairay. Ny tsy manana fahamelohana tsy ho meloka mandrakizay ary mahalala izay aina tsy meloka ao anatin"ny tsirairay mbola azo tohizana satria mandrakizay io aina io.
Ny fitsarana dia isika ihany amin'ny alalaNY no mahatsapa izany ka isanandro io. Io fitsarana io no mampibebaka ary hanariana ny fahadisoana izay mety nahazo antsika.
IZY dia tsy raisina satria mbola vao teraka isika dia efa AZY ary Kristy velona sahady. Tsy mila miala lavitra. Ny fifehezan'ny olombelona ny fiaraha-monina no mametraka conditions ny amin'ny fahazoana famonjena fa Krsity tsy nametraka conditions velively. Ohatra velona ireo jamba sy mpivaro-tena sy ny ankizy izay nahiliky ny fiarahamonina nilaza tamin'izany fotoana izany fa mahalala an'Andriamanitra.
9. Miharena
(
10/06/2011 15:31)
Miharena
Rehefa mahatsapa isika fa IZY no ao anatintsika dia marina ao AMINY isika
Rehefa tsy mahatsapa dia IZY no mahalala tsara ny ao am-po tsy miloaka ary manome lalana hombana hatrany. Fa na inona na inona ataon'ny diso lalana dia ho foana ny lalan-kalehany rehefa ela ny ela ka hiharihary eo anatrehan'ny fahazavana eo ihany izy. Somary mangirifiry fotsiny izy amin'ny hevi-disony rehefa foana ireo fa miverina amin'ny Tompony hatrany izy.

Rijadolly:

10. rijadolly
(
10/06/2011 15:38)
Izay no tsy hitsarana mihitsy ho antsika olombelona fa mamantatra sy mizara ny famindram-poNY no atao dia izay.
Miray hevitra aho amin'iny, satria ny mitsara olona dia tsy azo atao mihitsy, tsy anjaratsika izany.
Ny tsy azon'Miharena eo amin'ilay hevitra tsy hiraisana angamba dia ny hoe, ireo olona izay tsy mety mandray AZY eo amin'ilay ora farany, izay hampihavaka ny fanjakana roa samy hafa, dia ny Fanjakan'Andriamanitra sy ilay fanjakana ho resy. Tadidio miharena fa hiady hatramin'farany io anjely nolazainao any ho any hoe losfera io, ary manana ny anjeliny, sy ny olony. Eo ilay fitsarana no mipoitra satria afaka adidy ny rehetra. Tsy ekeko noho izany ilay hevitrao hoe "mitsara olona izay miteny fa misy ny ho very".
Fa raha ohatra kosa ny Mpanota iray no teneniko hoe ianao dia tsy maintsy ho very. Izay aho no atao hoe mitsara. satria tsy mbola afaka adidy aminy na izaho na ianao na isika Mpino, Indrindraindrindra Ilay Mpanisy ZEZIKA, alohany hanakapaina ilay aviavy tsy nisy voany ka mety hanimba ny tany. Tsy azotsika lavina fa efa misy mialoha antsika ho an' amin'ilay Jerosalema vaovao ny mpivaro-tena.
11. rijadolly
(
10/06/2011 16:21)
Ny fifehezan'ny olombelona ny fiaraha-monina no mametraka conditions ny amin'ny fahazoana famonjena fa Krsity tsy nametraka conditions velively. Ohatra velona ireo jamba sy mpivaro-tena sy ny ankizy izay nahiliky ny fiarahamonina nilaza tamin'izany fotoana izany fa mahalala an'Andriamanitra.
Ny zavatra tiako marihina ihany koa dia izao Miharena, ny Fitoriana na fisehon-javatra, na antso, na fikasiaNY ny fonao dia tsy midika velively fa ao anaty ny voavonjy ianao.
Ekeko mety manaitra izay teniko izay nefa azo heritreretina tsara tahaka ireo jamba 10 lahy ohatra, firy ny nankalaza AZY ka sahy niverina nisaotra? firifiry ireo voakasika ny fony ka tsy nanao hosana hosana, ka tsy nivadi-dela homboy homboy? Firifiry ireo naheno ny bitsika mivantana ary nanatri-maso izay tsy hitany izay naniry ahita AZY no nandaha ny TENINY?
Izay maharitra hatramin' farany no ho vonjena
MATIO 24: 4 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo,5 Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany.6 Ary handre ady sy filazana ady hianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany.7 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa.8 Fa izany rehetra izany no fiandohan'ny fahoriana.9 Ary dia hatolony ho amin'ny fahoriana hianareo ka hovonoiny; ary ho halan'ny firenena rehetra hianareo noho ny anarako.10 Ary amin'izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy.11 Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro.12 Ary noho ny haben'ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan'ny maro.13 Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.
12. Miharena
(
10/06/2011 16:25)
Tsy mahatsapa ny fanazavako tokoa aloha raha tsy efa mandini-tena lalina ka hahay hijery an'i Kristy sy Satana ao anatintsika tsirairay avy. Isika tsirairay avy ihany no mahafaka ny fahadisoantsika izay nangonina ela be izay. Ny tsy fahalalàna no niteraka izany fahadisoana izany. Mtambatambatra izy io dia teraka eo ilay satana ao anaty ao. I Kristy anefa no tena tompon-daka ary IZY no manana fanapahana mandrakizay.
Ilay haramagedona dia isanandro ao anatintsika tsirairay efa an-dalam-pifohazana ka mahita mazava fa tsy izy ilay miezaka ny manarona sy manakatona ny vavahadintsika isanandro tsy hiposahan'ny mazava ao anatintsika ao. Hiady hoy ianao izy ka ianao ihany io miady aminao io fa tsy hery ivelany velively akory. Izay noheverinao fa marina nefa tsy tena izy io miady aminao andro aman-alina io.
Ka rehefa mahatsapa fa Kristy no IZY dia alàna ny eritreritra diso fa miaina araka an'i Kristy izay nilaza hoe Izaho sy ny Ray dia IRAY ihany.
Tsy mitsara ny hafa fa ny tena no tsaraina. Io ilay andry eo anoloan'ny maso. Tsy i Jesosy araka no afaka hanala io andry io fa ianao tompony nametraka azy. Izay no anatra nataoNY tamintsika.

13. rijadolly
(
10/06/2011 17:09)
Tsy mahatsapa ny fanazavako tokoa aloha raha tsy efa mandini-tena lalina ka hahay hijery an'i Kristy sy Satana ao anatintsika tsirairay avy.
Izay mantsy, Ny olona efa mandray AZY ao anatiny izay hanjakaNY sy miaina ao anatin'ny Fanjakany sahady dia ny mbola ety an-tany no mahatsapa izay hevitry se izay hoe IRAY AO AMINY, aiza ny ahatongavana an'izay? Mila dingana goavana izay ataon' tsirairay ary maharitra hatramin' farany.
14. Miharena
(
10/06/2011 18:04)
Ilay dingana goavana dia ny fanariana izay noheverina fa marina amintsika ka zary nofikirintsika loatra. Rehefa manaiky entina isika ary mandray izay omeNY dia manam-piadanana.
Ny faharetana dia mitombina ho azy rehefa azo izay fahalalàna tsotsotra izay.
Tsy misy zava-tsarotra eo amin'ny Tompontsika fa mazava sy mahitsy ary mangarahara hatrany rehefa miaina ao anatintsika IZY.

15. rijadolly
(
10/06/2011 18:32)
Manaiky aho amin'izay, fa ny fototra ahatongavan'izany dia ny fanoloran-tenatsika hanaiky hodiovin'ilay Rà ny Zanak'Ondry noho io fanamarinan-tena nefa làlan-diso nodiavina io, Mariako hatrany anefa Miharena fa manatsafidy ny tsirairay ao anatin'izany rehetra izany, raha ny hevitro dia tsy hoe miaina ao anatitsika IZY( izy no miditra) fa hoe raisitsika ao anatitsika IZY.(mbola mandondona Izy) izay ilay antony hitenenako fa mila Dingana goavana mba ahatsapana ilay hevitrao(hevitsika izay nampitana) hoe IRAY AO AMINY.
16. soanja
(
11/06/2011 03:43)
Miharena:
Raha manaraka tsara ny tononkiran'i Bessa isika dia mamaritra tokoa an'Andriamanitra ny filazany ary tsy tokony ho isan'ireo tsy mahalala intsony ny olona amin'ny fandrebirebena hoe Andriamanitra masiaka sy manameloka Izy.
Hoy i Bessa hoe: Tsy Andriamanitra masiaka, mpanasazy, tsy andriamanitra antoko, na mpanavaka foko fa IZY NO FITIAVANA.
Mahafeno azy tsara tokoa ireo tononkiran'i Bessa ireo.
Isika dia ao amin'Andriamanitra ary Andriamanitra dia ao anatintsika. Iray isika sy ny tontolo namboariny. Ny rehetra mifandray no Fitiavana asehony. Iray isika sy Andriamanitra. Aoka tsy hatahotra na hangorohoro! Ny Fitiavana dia mameno ny rehetra. Raha mbola tsy ampy io dia mbola tsy nifoha ilay fanahy ao aminao izay mampiseho halehibeny eo amin'ny fiananao! Bestaka amintsika ny matory miala amin'ity tany ity saingy mbola hifoha ihany indray andro any. Izy mahalala ny fotoana!
17. Miharena
(
11/06/2011 04:38)
Misaotra ny zoky Soanja amin'ny fahatsorana lehibe.
Ilya voatsipika no tsy mampitovy antsika tokoa Rijadolly. Ka asa raha manazava ity ambany ity aho raha voarakao tsara:
Raha tsy ao anatintsika hatrizay hatrizay IZY tsy hahalala tanteraka ny momba antsika. Izay ataontsika dia fantaNY avokoa ka tsy haka lavitra IZY fa manaraka ny fofon'AINY ao anatintsika. I Kristy no mandondona satria nanao fefy matevim-be nahajamba antsika isika ka mila fohazina handrehitra ny jirontsika tsirairay avy mba ho Kristy be dia be. Inona no ran'ny Zabak'ondry? Io famelomana ny jiro ao anatintsika io. Io no mikoriana. Ra iray ihany dia Andriamanitra velona ao anatintsika.
Izay iay hoe IRAY mahafeno ny FITIAVANA tonga lafatra.
Raha tsy mbola mahatsapa io fahamarinana io dia mbola manana fefy novolentsika izany isika tsy hiombonantsika amin'ny AVO INDRINDRA izay efa eo foana.
Hoy ilay tononkira izay hoe Hay teo foana i Kristy.
Fa miresaka ilay fanomezana lehibe indrindra nomen'Andriamanitra antsika aho dia ny fahafahana misafidy. Mpanjakan'ny aintsika nomena antsika isika toa an'Andriamanitra Tompo dia tompon'ny aintsika isika. Efa nomena io ary tsy halaina amintsika velively mandrakizay satria fofon'ain'Adriamanitra dia mandrakizay. Rehefa kobonitsika amin'ny fefy matevina feno fahadisoana IZY dia afaka soa amantsara isika manao izany noho io fanomezan-dehibe manan-tsafidy io. Rehefa fantatsika fa diso daholo izay natsangantsika satria isika nomena fahafaha-mamorona ihany koa dia horavantsika izany ka izay marim-pototra sisa no entintsika miaina dia tsy misy afa-tsy IZY sisa no maharitra sy mamiratra ao anatintsika.
Rehefa tonga amin'izay dia afaka miteny hoe HALELOIA AMEN!
Rijadolly:
Manaiky aho amin'izay, fa ny fototra ahatongavan'izany dia ny fanoloran-tenatsika hanaiky hodiovin'ilay Rà ny Zanak'Ondry noho io fanamarinan-tena nefa làlan-diso nodiavina io, Mariako hatrany anefa Miharena fa manatsafidy ny tsirairay ao anatin'izany rehetra izany, raha ny hevitro dia tsy hoe miaina ao anatitsika IZY( izy no miditra) fa hoe raisitsika ao anatitsika IZY.(mbola mandondona Izy) izay ilay antony hitenenako fa mila Dingana goavana mba ahatsapana ilay hevitrao(hevitsika izay nampitana) hoe IRAY AO AMINY.
Ilya voatsipika no tsy mampitovy antsika tokoa Rijadolly. Ka asa raha manazava ity ambany ity aho raha voarakao tsara:
Raha tsy ao anatintsika hatrizay hatrizay IZY tsy hahalala tanteraka ny momba antsika. Izay ataontsika dia fantaNY avokoa ka tsy haka lavitra IZY fa manaraka ny fofon'AINY ao anatintsika. I Kristy no mandondona satria nanao fefy matevim-be nahajamba antsika isika ka mila fohazina handrehitra ny jirontsika tsirairay avy mba ho Kristy be dia be. Inona no ran'ny Zabak'ondry? Io famelomana ny jiro ao anatintsika io. Io no mikoriana. Ra iray ihany dia Andriamanitra velona ao anatintsika.
Izay iay hoe IRAY mahafeno ny FITIAVANA tonga lafatra.
Raha tsy mbola mahatsapa io fahamarinana io dia mbola manana fefy novolentsika izany isika tsy hiombonantsika amin'ny AVO INDRINDRA izay efa eo foana.
Hoy ilay tononkira izay hoe Hay teo foana i Kristy.
Fa miresaka ilay fanomezana lehibe indrindra nomen'Andriamanitra antsika aho dia ny fahafahana misafidy. Mpanjakan'ny aintsika nomena antsika isika toa an'Andriamanitra Tompo dia tompon'ny aintsika isika. Efa nomena io ary tsy halaina amintsika velively mandrakizay satria fofon'ain'Adriamanitra dia mandrakizay. Rehefa kobonitsika amin'ny fefy matevina feno fahadisoana IZY dia afaka soa amantsara isika manao izany noho io fanomezan-dehibe manan-tsafidy io. Rehefa fantatsika fa diso daholo izay natsangantsika satria isika nomena fahafaha-mamorona ihany koa dia horavantsika izany ka izay marim-pototra sisa no entintsika miaina dia tsy misy afa-tsy IZY sisa no maharitra sy mamiratra ao anatintsika.
Rehefa tonga amin'izay dia afaka miteny hoe HALELOIA AMEN!
18. rijadolly
(
11/06/2011 09:01)
Manaiky tanteraka ilay lazain' Soanja sy Miharena aho raha ohatra hoy aho raha mandray an' Kristy ho Tompo sy Mpamonjy izaho ohatra. Izany hoe ny olona izay efa manana an' Andriamanitra sy Jesoa Kristy no toriana an' ireo hevitrareo ireo, ary dia mahatsapa ireo izy.
Mialatsiny aho ry Soanja sy Miharena raha manao ity ohatra ity fa izay angamba no hitako hanazava azy bebekokoa.
Atao ahoana no ahatonga ny biby ahatsapa an' izany satria izy tsy handray an' Jesoa Kristy ho tompo sy Mpamonjy azy mihitsy? Ny tiako lazaina izany dia ny hoe izay mahatsapa sy mandray an' Jesoa Kristy no mahalala io vokatra tsara lazainareo ireo. Ny tsy eken' saiko hatreto dia ILAY LALANA ahatongavana an' izany ho an' diso lalana. Fizirizirina ve? Fanamarinan-tena ve? avonavona ve? Fanandratan-tena ve? ...ataoko fa miray hevitra amiko ianareo fa ny fiaiken-keloka, izay hatolotra ho diovin' Ilay Rà ny zanak'Ondrin'Andriamanitra( izay ilay dingana lehibe). Eo ny eo ihany, Fanahy Masina miasa ao anatin'iny olona iny izay voadio.
Tsy azo heritreretina mihitsy ny hoe sady anao ny ataoko aho no miasa ao anatiko ny Fanahy Masina.
Tsy azo toriana ve ny Filazantsaran' Kristy fa ho an'olona ny famonjena? Sakanana hanolotra ny helony ve izy mba ho olon'afaka tsy ho andevo?

19. Miharena
(
11/06/2011 16:24)
Raha toa ka mifototra amin'ny fitsaran'olona na fitsaram-biby isika dia manao toa an'i ijadolly. Izany hoe fiheverana fa diso avokoa izay tsy afaka na tsy hanaiky ny famonjen"i Kristy. Ireo tsy mahalala AZY moa izany dia avy hatrany dia voahilika (sanatria voakilasy ho toy ny biby araka ny flazanao eo ambony Rijadolly).
Ny dingana tsotra anefa no ampianarina antsika dia ny hoe tsy misy afatsy Andriamanitra no mamorona izao rehetra izao hatramin'ny fahafahana misafidy eo amintsika olombelona. Ao koa ireo voary maro toy ny biby sy ny zavamaniry ary koa ireo anjely marobe.
Ka ny lalana dia tsotra dia tsotra fa lasa sarotra raha toa ka misy io condition hoe sasan'ny ran'ny zanakondry io ihany. Maro be ny fitaovana entin'Andriamanitra hampahafantarana AZY fa tsy voatery sasan'ny ran'ny Zanak'Ondry akory.
Ohatra voalaza ny hoe nisy ireo olona izay tsy nahafantatra AZY hatrizay akory nefa noraisiny soa aman-tsara.
Ny efitra mampisaraka noho ny fiheveran-diso ananan'ny olombelona no atao hoe fihodinana fa izany anefa dia tsy manafoana ny feon'ny fieritreretana izay ny Ray Mpamorona no afaka mamantatra azy tsara ka afaka manome famindram-po amin'izay fahadisoana misy.
Asan'i Satana ny miampanga fa tsy asan'Andriamanitra. Ny AZY dia fitiavana na manangam-pahavalo AZY aza ny voariny.
Farany, zary natao fampianarana raiki-tampisaka indraindray ity resaka mafy hatoka ity ka tsy tokony hialana tanteraka amin'izay ve fa ny fampahafantarana an'Andriamanitra Fitiavana no afafy sy toriana hatraiza hatraiza mba tsy hisy faka mangidy intsony eo amin'ny feon'ny fieritreretan'ny olona?

20. rijadolly
(
11/06/2011 18:07)
Miharena:
Raha toa ka mifototra amin'ny fitsaran'olona na fitsaram-biby isika dia manao toa an'i ijadolly. Izany hoe fiheverana fa diso avokoa izay tsy afaka na tsy hanaiky ny famonjen"i Kristy. Ireo tsy mahalala AZY moa izany dia avy hatrany dia voahilika (sanatria voakilasy ho toy ny biby araka ny flazanao eo ambony Rijadolly).
Averiko indray ny fialako tsiny amin'ilay ohatra Miharena fa nentiko hanazava ilay resaka ho an'izay mandaha ny Rà fanadiovana ny antony, fa , tsy mampitovy an'Biby velively ny olombelona aho, ary dia mazava ny hevitro sy ny zavatra voarahiko fa na dia ny mpivarotena aza efa misy mialoha lalana antsika ho any amin' Ilay Jerosalema vaovao. Inona ny dikan'izay? Nandray Ilay Fanahy Masina sy nanolotra ny otany ho sasana amin'ilay Rà ny Zanak' Ondrin' Andriamanitra izy. Izay no andavako sy nazavaiko ao aloha ao ny hoe "mitsara ve izany amin' fandraisanao azy".Avereno vakiana tsara ny hevitro mikasika ilay mitsara.
Ny dingana tsotra anefa no ampianarina antsika dia ny hoe tsy misy afatsy Andriamanitra no mamorona izao rehetra izao hatramin'ny fahafahana misafidy eo amintsika olombelona.
Ny olombelona rehetra ve samy manaiky an'io lazain'se io? Tsia ny valiny. inona no tokony ataotsika mahalala? manafika azy ireny. Inona izany ny dingana ataon'ilay olona mba ahatankaran'izany hoe : "tsy misy afatsy Andriamanitra no mamorona izao rehetra izao hatramin'ny fahafahana misafidy eo amintsika olombelona." Mila manaiky (mandray)an' Andriamanitra izy.
Ohatra voalaza ny hoe nisy ireo olona izay tsy nahafantatra AZY hatrizay akory nefa noraisiny soa aman-tsara.
Ity angamba no tian'se lazaina ô? http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=ISAIA&toko=65&andininy=1-1&dika= . Ahoana ny famakian'se azy?
Aleo aloha Miharena hazava tsara fa samy hafa mihitsy ny fanafiana ny olona iray sy ny asa fanadiovana ny olona iray,Ekena fa asa mifampitohy izy ireo, izay voazavako ao ambony ao ihany koa ny hevitro mikasika izay; hoe: tsy izay nokasiana ny fony , na nobitsihin'Fanahy Masina, na izay natsoina, na izay voatory no ho voavonjy, fa izay nanadio mangatsakatsaka ny fitafiany ary nandray dia nahazo ny Fanahy Masina(isan'ny marika tombokase amiko) nefa maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.
avy amin'izay no angalako ny fanamarihana ny maha samy hafa ny tenin'se hoe :
Ka ny lalana dia tsotra dia tsotra fa lasa sarotra raha toa ka misy io condition hoe sasan'ny ran'ny zanakondry io ihany. Maro be ny fitaovana entin'Andriamanitra hampahafantarana AZY fa tsy voatery sasan'ny ran'ny Zanak'Ondry akory.
Ny efitra mampisaraka noho ny fiheveran-diso ananan'ny olombelona no atao hoe fihodinana fa izany anefa dia tsy manafoana ny feon'ny fieritreretana izay ny Ray Mpamorona no afaka mamantatra azy tsara ka afaka manome famindram-po amin'izay fahadisoana misy
Miray hevitra tanteraka, ho an'izay miaiky ny elony ka manolotra ny otany ho sasan'Ilay Zanak'Ondry
Asan'i Satana ny miampanga fa tsy asan'Andriamanitra. Ny AZY dia fitiavana na manangam-pahavalo AZY aza ny voariny
Asan'satana marina no miampanga ny olon'Andriamanitra eo hanatrehan'Andriamanitra, nefa noho Ilay Zanak'Ondry dia resy ilay miampanga antsika
APOKALYPSY 12:10 Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan'Andriamanitsika, ary ny fahefan'ny Kristiny, satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika. Dia ilay miampanga azy eo anatrehan'Andriamanitsika andro aman'alina.
Farany, zary natao fampianarana raiki-tampisaka indraindray ity resaka mafy hatoka ity ka tsy tokony hialana tanteraka amin'izay ve fa ny fampahafantarana an'Andriamanitra Fitiavana no afafy sy toriana hatraiza hatraiza mba tsy hisy faka mangidy intsony eo amin'ny feon'ny fieritreretan'ny olona?
Miray hevitra tanteraka, ary ampiako hoe Torio azy ny marina fa izay manadio ny ankanjony amin' Ràn'Zanak'Ondry no ho vonjena fa be famindram-po ny Andriamanitsika no sady be Fitiavana satria nahafoy ny Zanany Lahitokana ho antsika IZY.
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=APOKALYPSY&toko=7&andininy=13-17&dika=
APOKALYPSY 7 : 13 Ary ny anankiray tamin'ny loholona namaly ka nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy?14 Fa hoy izaho taminy: Tompoko, hianao no mahalala. Dia hoy izy tamiko: Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry.15 Ary noho izany dia mitoetra eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman-alina eo amin'ny tempoly; ary Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana dia hamelatra ny tranolainy handrakotra azy.16Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory.17 Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony.(Isa.25.8)