Ilaina tokoa ny fanitsiana eo amin'ny fanabeazana ara-panahy ho antsika Malagasy, saingy ny fametrahan-kevitra sy ny fizarà na ny vokatry ny fikarohana atao amin'izany dia mbola hita hoe misy fahatarana ihany isika. Diso variana amin'ny fitadiavana ka zary lasa ambanin-javatra ny fahafahana mandini-tena sy mahazo ireo karazana fahefana maha-olombelona anaty azontsika ampiroboroboina entina miatrika ireo karazam-pikorontanana misy ankehitriny.
Ny eo amin'ny fifandraisan'izany amin'ny politika indray dia hita fa mitodika tokoa any amin'ny tombon-tsoa ny olona dia tsy mahavaha olana mihitsy.