Efa ahy daholo ireo

1. niryna ( 17/03/2011 04:44)
Nisy tantara kely iray izay mba nahatonga saina ihany.
Rehefa nivenjivenjy teo amoron'ny fiangonana satana dia nanontany azy ity anjelin'Atra hoe maninona ety amoron'ny fiangonana ety hianao? Fa maninona hianao no tsy any amin'ny toerana filokana sy fisotroan-toaka na ireny toerana fivarotantena ireny .Na ireny toerana feno asan'ny filan'ny nofo ireny no mandeha.(aiza izany,hi,hi)
Dia hoy no navaliny hoe (satana io an).Efa anay avokoa ireny fa ireto olona ato am-piangonana ireo no mbola hiandrasanay hiverina aty aminay.

Ny zavatra ataontsika amin'ny maizina dia tsy misy mahita saingy indray andro any dia mbola hibaribary eo amin'ny mazava ilay izy( eny na dia heverintsika fa tsy misy mahita na mety tsy ho hisy ahita mihitsy mandrakizay)

Satana na koa mba anasorana ny anarany : ny mandeha amin'ny fahamarinana,ny manao ny marina,ny mandeha amin'ny lalana tsara dia sarotra tokoa satria maro ny fandrika izay mety mandavo antsika na fakam-panahy izay mihazona antsika tsy andeha amin'ny fahamarinana saingy rehefa mametraka ny fiainantsika amin'Atra isika ary mino tanteraka ny teny izay nampitondrainy dia tsy tokony ho kivy na ketraka fa mivavaka sy miambina no tokony ataontsika.
Sarotra ny mianatra fahoriana fa mora ny mianatra fiadanana hoy ny fiteny ary vokatr'izany koa dia mety mifanohitra kely ity an: satana dia tsy anao na inona na inona ireo izay tsy mino an'Atra satria efa fantany fa efa ho azy ireny ( ahoana tsara hoe: izay mino no vonjena,izay tsy mino dia hoheloina hoy ny baiboly) fa ireo zanak'Atra kosa ,ireo rehetra mino ny zanaka(izay mino ny zanaka no ho vonjena hoy ny baiboly koa an) ,ireo mino Azy izany dia ataony(satana ) foana ny fomba maro samihafa ahalavo azy sy ampiverindalana azy ka ahatonga azy ireo hanome tsiny an'Atra aza matetika( raha misy koa izao Atra izao nahoana aho no ....)
mahereza daholo e
novalian'i Miharena ny 23/03/2011 19:20
2. Miharena ( 17/03/2011 14:15)
Miarahaba an'i Niryna!

Somary mahavariana ahy io tantara velominao eto io. Araka ny filazana ao dia satana izany dia nomen'Andriamanitra olona ho azy nefa Izy Andriamanitra no tompon'izao rehetra izao.

Miala tsiny aloha fa manjary manadihady be aho ny amin'ny fahamarinan'ny tenin'i Satana voalaza eto satria amiko Satana dia rain'ny lainga ka mazava fa lainga izany no lazainy ny amin'ny hoe efa ahy avokoa ireo ary ireo ao am-piangonana dia haveriko ho ahy. Lainga marivo tototra io resaka io amiko satria mazava fa tsy misy azy na iray aza amin'ny olombelona noharian'Andriamanitra fa halatra sy fitaka daholo izay resahany, koa nahoana moa no hinoana fa azy ireo izay jamban'ny nofo ankehitriny?

Araka ny fahitako azy dia olona mbola ho tonga saina avokoa ireo jamban'ny nofo fa tsy avelan'Andriamanitra ho very satria Izy Andriamanitra no manan-jo hiteny hoe hiverina Amiko ny oloko fa tsy Satana velively.

Sa ahoana hoy ianao?
3. vale ( 17/03/2011 15:16)
Miharena: Somary mahavariana ahy io tantara velominao eto io. Araka ny filazana ao dia satana izany dia nomen'Andriamanitra olona ho azy nefa Izy Andriamanitra no tompon'izao rehetra izao
--------------------------------------------------------------------
Eny tsy nomen'Andriamanitra olona ho azy akory iSatana, fa kosa Satana dia romotra ary indrindra amin'izao fotoana efa manakaiky ny fahatongavan'ny Tompo izao, ka mitady olona faran'izay betsaka indrindra mba hanaraka azy, satria te hamaly faty an'Andriamanitra izy (i satana), ka ataony daholo ny fomba rehetra mba hahazoany olona hanaraka azy, mialohan'ny fotoana izay hahatongavan'i Kristy.
4. Miharena ( 18/03/2011 04:54)
Vale a! Ialako tsiny raha toa ka manamafy indray aho hoe sao dia isika olombelona no te-hamelona hatrany io tantara io fa efa tokony havalon'ny lasa ilay tantara?
Ny tokony ifotorantsika dia ny fahalalàna ny amin'ny HAZAVANA nomen'i Kristy fa tsy manome asa an'i Satana izay fantatra fa efa hivalona tanteraka ho lasa tantara sisa.
Asa na vakiantsika tsara ny lojika voalaza ao amin'ni Soratra Masina ny amin'io izay 2000 taona lasa izay fa tsy tokony hovelomina ankehitriny intsony izay efa rava fa ny Hazavana miposaka no tokony hofahanana. Sa ahoana hoy ianao?
5. mirananirina ( 18/03/2011 18:45)
Nahoana tokoa ary ny olona misotro toaka sy miloka na ireo mivarotena no lazaina fa manota...nefa ireo aza anie ka tsy voalaza @ didy folo.-a ireo izay miditra ampiangonana ihany no tsy mpanota sa ve ao izy ireo no manala ny otany vitany isa kerinandro.sarotra be ilay fitsara.fa raha misy makorel mande mivavaka zao de mahazo tondro molotra hoe iny ilay mpanota..raha atao ny fandinihina anefa iza ary no mbola tsy nanota?
6. vale ( 18/03/2011 23:54)

Miharena:

Vale a! Ialako tsiny raha toa ka manamafy indray aho hoe sao dia isika olombelona no te-hamelona hatrany io tantara io fa efa tokony havalon'ny lasa ilay tantara?
Ny tokony ifotorantsika dia ny fahalalàna ny amin'ny HAZAVANA nomen'i Kristy fa tsy manome asa an'i Satana izay fantatra fa efa hivalona tanteraka ho lasa tantara sisa.
Asa na vakiantsika tsara ny lojika voalaza ao amin'ni Soratra Masina ny amin'io izay 2000 taona lasa izay fa tsy tokony hovelomina ankehitriny intsony izay efa rava fa ny Hazavana miposaka no tokony hofahanana. Sa ahoana hoy ianao?

Miarahaba an'i Miharena!

an,an! zaho tsy niteny hoe isika no manome asa an'i satana! milaza ny zava-misy fotsiny ihany aho hoe efa miha-romotra i satana satria efa manakaiky ny farany, ka mila mitandrina mba tsy ho voafitany isika. tsia a, ny 2000 taona lasa dia efa fanombohan'ny nanotàn'ny zanak'olombelona, ary amin'izao fotoana izao i satana dia tena miasa mafy mihintsy aza mba hanangonany olona faran'izay betsaka indrindra mba ho amin'ilay ady hifanaovan'ny fitondrampanjakan'olombelona sy ny fitondran'Andriamanitra, amin'izao fotoana izao aza izy no vao mainka tena romotra mafy mihintsy, tsy efa tapitra nandritry ny 2000 taona mihintsy ny asa ratsin'i satana, araka ny zavatra nampianarina ahy avy tao amin'ny baiboly.
Asa raha azoko tsara ny tian'i Miharena hanontaniana ahy eto, fa ireo ny valiny azoko lazaina momba an'izay hoe 2000 taona efa lasa izay.
Miombon-kevitra aho ny @ hoe: tokony handray ny fahazavàna amin'izay, izany tokoa satria efa ampy nieritreretana sy nisafidianana izay taona marobe nifandimby izay.
7. Miharena ( 19/03/2011 04:18)
mirananirina:

Nahoana tokoa ary ny olona misotro toaka sy miloka na ireo mivarotena no lazaina fa manota...nefa ireo aza anie ka tsy voalaza @ didy folo.-a ireo izay miditra ampiangonana ihany no tsy mpanota sa ve ao izy ireo no manala ny otany vitany isa kerinandro.sarotra be ilay fitsara.fa raha misy makorel mande mivavaka zao de mahazo tondro molotra hoe iny ilay mpanota..raha atao ny fandinihina anefa iza ary no mbola tsy nanota?

Ny valin'ny fanontanianao dia efa voaresak'i Kristy ny amin'ny hoe "izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy". Koa raha tsy miaina izany ny kristiana dia lasa mitsaratsara foana, izany hoe kristiana mpangalatra akoho alatsinainy araka ny fiteny.
8. niryna ( 19/03/2011 04:40)
Miharena:

Miarahaba an'i Niryna!

Somary mahavariana ahy io tantara velominao eto io. Araka ny filazana ao dia satana izany dia nomen'Andriamanitra olona ho azy nefa Izy Andriamanitra no tompon'izao rehetra izao.
tsy izany kosa e,mba vakio tsara moa ilay tantara e

Miala tsiny aloha fa manjary manadihady be aho ny amin'ny fahamarinan'ny tenin'i Satana voalaza eto satria amiko Satana dia rain'ny lainga ka mazava fa lainga izany no lazainy ny amin'ny hoe efa ahy avokoa ireo ary ireo ao am-piangonana dia haveriko ho ahy.
dia mbola tsy afaka ny hamaly anao ihany koa aho satria mbola tsy namerina namaky ilay tantara hianao ,sa tsy mazava ilay izy ?
Lainga marivo tototra io resaka io amiko satria mazava fa tsy misy azy na iray aza amin'ny olombelona noharian'Andriamanitra fa halatra sy fitaka daholo izay resahany, koa nahoana moa no hinoana fa azy ireo izay jamban'ny nofo ankehitriny?
aiza no mbola nisy tantara ka tantara ho lainga ,hi,hi

Araka ny fahitako azy dia olona mbola ho tonga saina avokoa ireo jamban'ny nofo fa tsy avelan'Andriamanitra ho very satria Izy Andriamanitra no manan-jo hiteny hoe hiverina Amiko ny oloko fa tsy Satana velively.

Sa ahoana hoy ianao?
eto aho vao afaka mamaly satria hafa indray ny resakao eto: ilay hoe avelany ho very na tsia dia efa nabaribariny tamintsika olombelona rehetra ny teniNy hoe " Fa toy izao no notiavan'Atra izao tontolo izao; nomeNy ny zanany lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay Jaona 3:16 " tsy izay moa ilay izy? ahitsiho kely raha tsy izay
Dia ny fahalalako izany dia hoe : nasehon'Atra tamintsika tokoa ny fitiavany
Tonga tety an-tany Izy nisolo endrika mitovy amintsika( kristy tonga nofo) ,nahita fahoriana,nandalo fiainana amin'ny maha olona azy( afatsy ny fahotana ihany -niidina tany amin'ny fiainantsihita-nitsangana tamin'ny andro fahatelo) hoy ny teny ao amin'ny baiboly satria ny fahafatesana tsy naharesy Azy,tsy izay moa? Ny fahotantsika rehetra dia nodioviny tamin'ny rany avokoa ( indray mandeha tsy miverina io fa tsy hoe ny an-dranona mbola tsy voadio - fa eto no mandeha ny hevitra ,rehefa miaiky ny fahotantsika isika ka mahatoky fa marina tokoa izy ary manafaka antsika amin'ny fahotana dia voavonjy isika.
Noho izany dia averimberina foana fa nomena safidy hatrany amboalohany isika ka dia anjarantsika no ho voavonjy na tsia satria izay mitady izany famonjena izany dia ahita tokoa.
Aleo aloha izay fa manjary mampatory sy lasa resaka toriteny eto.
9. niryna ( 19/03/2011 04:41)

vale:

Miharena: Somary mahavariana ahy io tantara velominao eto io. Araka ny filazana ao dia satana izany dia nomen'Andriamanitra olona ho azy nefa Izy Andriamanitra no tompon'izao rehetra izao
--------------------------------------------------------------------
Eny tsy nomen'Andriamanitra olona ho azy akory iSatana, fa kosa Satana dia romotra ary indrindra amin'izao fotoana efa manakaiky ny fahatongavan'ny Tompo izao, ka mitady olona faran'izay betsaka indrindra mba hanaraka azy, satria te hamaly faty an'Andriamanitra izy (i satana), ka ataony daholo ny fomba rehetra mba hahazoany olona hanaraka azy, mialohan'ny fotoana izay hahatongavan'i Kristy.

io izao dia misy nizara ny heviny
misaotra anao
10. niryna ( 19/03/2011 04:45)

Miharena:

Vale a! Ialako tsiny raha toa ka manamafy indray aho hoe sao dia isika olombelona no te-hamelona hatrany io tantara io fa efa tokony havalon'ny lasa ilay tantara?

havalon'ny lasa ahoana kosa e,tss ,izay mba mizara tantara k'nou

Ny tokony ifotorantsika dia ny fahalalàna ny amin'ny HAZAVANA nomen'i Kristy fa tsy manome asa an'i Satana izay fantatra fa efa hivalona tanteraka ho lasa tantara sisa.
mety amin'i Miharena izany fa mba avelao ny olona mba hizara e

Asa na vakiantsika tsara ny lojika voalaza ao amin'ni Soratra Masina ny amin'io izay 2000 taona lasa izay fa tsy tokony hovelomina ankehitriny intsony izay efa rava fa ny Hazavana miposaka no tokony hofahanana. Sa ahoana hoy ianao?
ka ny baiboly indrindra no mampiantra antsika mba hiambina tsara fa mirenireny mitady izay haripany toy ny liona masika ny asa ataon'ny miaramilan'ny satana sy ny firongony .Miambena,miambena ! dia atao izao indray izany ny olona hoe aza miambina ha,ha
11. niryna ( 19/03/2011 05:11)
mirananirina:

Nahoana tokoa ary ny olona misotro toaka sy miloka na ireo mivarotena no lazaina fa manota...nefa ireo aza anie ka tsy voalaza @ didy folo.-a ireo izay miditra ampiangonana ihany no tsy mpanota sa ve ao izy ireo no manala ny otany vitany isa kerinandro.sarotra be ilay fitsara.fa raha misy makorel mande mivavaka zao de mahazo tondro molotra hoe iny ilay mpanota..raha atao ny fandinihina anefa iza ary no mbola tsy nanota?

mety ho HS kely ity fa ho zaraiko ihany;mifona ny olona fa mahafantatra fa manao ny fahadisoana,ny marary hoy ny Tompo no mitady dokotera fa tsy ny salama.Ny olona izany matoa mandeha miangona dia mitady fanasitranana ara-nofo sy ara-panahy.Mazava amin'ny mirana aloha hatreo?
Ao am-piangonana dia ahitana karazana olona: tsy misy fiangonana tonga lafatra na iray aza fa ao aza no tena ahitana ny toetra.Satria tonga mba hibebaka ny olona dia ao izy no manova ny fiainany tsikelikely amin'ny fahenoana ny soratra masina izay toriana na hianarana.
Rehefa manota dia manota tokoa ary tsy misy hoe ity kely ,ity lehibe,rehefa mandika ilay didy folo izany
Ny hoe misotro toaka? eny fahotana tokoa ny mpidoroka toaka( ahitsiho raha tsy izay no filaza azy,mamo an-tantatra,tsy mahatsiarotena,na mamo tampona lava.Hifonako raha misy tohina fa mitovy ny fahotan'ny tsirairay izay tsy mety miala ihany io( fahazaran-dratsy ohatra) ka jereo na ny filazana azy aza hoe fahazaran-dratsy,tsy misy ny hoe fahazarana tsara.
Ahoana hoy ilay hira? aza mba manambady mamolava ihany hoa ..
ny zanany mahia,ny tena mamelona ny epicerie...Ny vady antitra tsy fidiny
Fahoriana,fijaliana,ny vady aman-janaka tsy mihinankanina,ny ankizy voadaroka na anaovana teny maharary kanefa rehefa afaka sy misinda ny toaka dia adinony ilay izy.
Izany rehetra izany na atao aza hoe tsy fahotana: inona no vokatra ratsy ateraky ny fisotroana toaka lava?

Raha resaka loka indray koa dia toa izany: misy tena tsy mety afaka mihitsy fa dia mivarotra hatramin'ny taninketsa hoy ny fiteny;mijaly ny vady aman-janaka,vao mahazo karama dia miloka ary misy aza ny peratra mariage no namidy noho ilay fahazarana te hiloka.Eny e,tsy hoe akory mitsara olona isika an,na inona na inona zavatra atao ka andratra ny hafa( ny tena,ny vady aman-janaka ,ny manodidina ,ny fianakaviana).isika ihany dia efa mahalala hoe tsy mety io fa mbola ataontsika ihany dia izay ,manary antsika any amin'ny zavatra hafa ilay izy ary hanimba antsika tokoa na ara-nofo na ara-panahy.
Ny fijangajangana moa dia e,e io foana no matetika resaka ao anaty baiboly: izay miaraka ny amboalambo dia amboalambo.Izay miaraka ny mpijangajanga dia efa mijangajanga koa izy ( mety tsy fiteny io satria raha ny tantara no jerena nitora-bato an'ilay ramatoa avokoa ny olona rehetra -tsy ho hisy tantara mihitsy ka hiteny hoe nakaiza ilay rangahy niaraka taminy fa dia ilay ramatoa irery no notorahambato)
Dia ny teny koa no manambara fa ny vatantsika dia tempolin'Atra
izay aloha no mba eritreritro fa dia ahitsiho aho raha tsy izay no tokony ho izy

Kanefa kosa na inona na inona fahotantsika ka miaiky izany isika ary mibebaka amin'ilay Atra nahary antsika dia ho voavelany tokoa izany Avia hoy izy hifandahatra amiko fa na mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho fotsy toy ny oram-panala izany..Ary dia tsy ho tsarovany intsony koa hoy Izy
Noho izany : na inona na inona fahotana ataontsika na nataontsika ka miaiky sy mifona amiNy isika dia ho voavela tokoa izany
12. niryna ( 19/03/2011 05:19)
Miharena:

mirananirina:

Nahoana tokoa ary ny olona misotro toaka sy miloka na ireo mivarotena no lazaina fa manota...nefa ireo aza anie ka tsy voalaza @ didy folo.-a ireo izay miditra ampiangonana ihany no tsy mpanota sa ve ao izy ireo no manala ny otany vitany isa kerinandro.sarotra be ilay fitsara.fa raha misy makorel mande mivavaka zao de mahazo tondro molotra hoe iny ilay mpanota..raha atao ny fandinihina anefa iza ary no mbola tsy nanota?

Ny valin'ny fanontanianao dia efa voaresak'i Kristy ny amin'ny hoe "izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy". Koa raha tsy miaina izany ny kristiana dia lasa mitsaratsara foana, izany hoe kristiana mpangalatra akoho alatsinainy araka ny fiteny.

marina izany ,efa nilaza izy ary hianao koa niteny tary ambadika tary fa andeha izy anamboatra toerana ho anareo( iza moa ireo anareo ireo? ) tsy izay mino sy mahazo famonjena ve? sa ny rehetra rehetra eto an-tany? satria toa izay no noteneninao hoe tsy misy ataony ho very ( izany hoe mitovitovy izay ilay hevitrao fa tsy izay ilay teny aloha)
Eny kristy no fahazavana ary mila mitady izany fahazavana izany ny olona ,kanefa na mbola teto aza izy ny Azy hoy izy tsy nety nandray azy.
Dia toa tsara ihany izany ireo ny azy tsy nandray azy ireo satria voavonjy ny tsy azy( ny jentilisy izay nino azy .Mahavariana tokoa izy izany an
Tonga teo amintsika ny jiro kanefa moa ve ny rehetra no mandray ny jiro?
Izay no hizarana ireo izay mbola tsy mahalala ny fahasoavana nomeny azy ireo :tsy isika no anova ny olona fa toy ny rano mitete eo amin'ny vato matetika ilay izy ka izay mangetaheta ihany tokoa no ahazo ilay rano,rehefa mitete eo ambony eo foana ny rano @ farary mitsitra ny vato ary dia tafiditra ny rano .Sa tsy mety izany fanoharana izany ?
13. rijadolly ( 19/03/2011 09:34)

Miharena:

Somary mahavariana ahy io tantara velominao eto io. Araka ny filazana ao dia satana izany dia nomen'Andriamanitra olona ho azy nefa Izy Andriamanitra no tompon'izao rehetra izao.

Miharena:

Vale a! Ialako tsiny raha toa ka manamafy indray aho hoe sao dia isika olombelona no te-hamelona hatrany io tantara io fa efa tokony havalon'ny lasa ilay tantara?

Io ilay ambarako foana Miharena fa manana safidy ny tsirairay izay mbola namafisin' Niryna eto ihany koa. Sanatria ny vava raha Andriamanitra no naniraka ahy hanompo ny satana, fa safidiko io. Aza adino Miharena fa anjely toe amin' Andriamanitra satana no nivadika te haka ny toeran'Andriamanitra hatramin'izao. Mila mpanohana azy izy mba hivoahany ho mpandresy. Ary izay rehetra mandray baiko avy any aminy dia olona mbola tsy afaka fa andevony. Ahoana ary izany no hanalana ilay tantara nefa ny safiditsika mankany amin'ilay ratsy? moa koa ilay ratsy mbola eo izay mahazo vahana hatrany. Na dia ny olom-boafidy aza dia mbola sarihany ihany ho any aminy. Raha ny fiainan'zanak'olombelona ve miha ratsy sa mihatsara hoy isika? Miharatsy angamba hoy ianao. fa nahoana? efa voavalin' namana ao ambony ao ihany fa miherona tahaka ny liona izy mitady izay arapany.Moa koa efa voalaza rahateo.
Misy teny izay nataon'Jesoa Kristy izay manao hoe: MATIO 9 : 13 Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: " Famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra" (Hos.6.6); fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota. fetsy ny fahavalo, io dia manamarina ilay tantarakelin' Niryna fa mba manan-kevitra ohatr'izany koa satana, ka hangaroniny hatramin' olom-boafidin' Andriamanitra aza. Porofo izany, fa tsy tokony handry mananan'ady isika, na ihevitra fa efa resy satana.Ekena efa resy izy, fa kosa mitady olona hiara-resy aminy. Test ho antsika avokoa anefa izany mba ahalalana fa miorina isika na hamadika indray. ENY FA NA DIA HATRAMIN' FAHAFATESANA AZA.
14. Miharena ( 19/03/2011 12:49)
Marina ny anareo Rija sy Niryna fa samy manana ny heviny tokoa ny olona ary tsy azo ferana ihany koa ny safidy izay raisina momba ny hazavana sy ny fitiavana. Raha miresaka ity atao hoe satana sy ny fahavalo ity isika dia vaka ihany satria Kristy no miteny hoe tiavo ny fahavalonareo. Ary raha niresaka tamin'i Satana aza Izy dia tsy nanevateva azy velively fa nananatra aza. Ny anjely Gabriely koa aza raha nisy fifamaliana ny amin'izay hahazo ny nofon'i Mosesy teo amin'i Satana sy izy dia niteny tsotra hoe: Hananatra anao anie Jehovah.

Ankehitriny dia tsy tokony hotanterahana ve ireo hevitr'i Kristy ireo? izany hoe manaja ny fahavalo isika noho ny safidiny ary mivavaka ho azy aza mba ho tafaverina soa aman-tsara amin'ny laoniny ny fisainany diso.

Ilay resaka fiambenana amiko dia toa milaza fa misy lafiny ratsy jerena hatrany ka hambenana. Mila fiovan'ny saina sy fanavaozana ny fanahy isika amiko fa tsy hitaredretra amin'ny fomba fiasan'i Satana mba tsy hahazoany vahana eo amintsika intsony.
15. rijadolly ( 19/03/2011 13:43)
MATIO 9 : 13 Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: " Famindrampo no sitrako,

Marina ny anareo Rija sy Niryna fa samy manana ny heviny tokoa ny olona ary tsy azo ferana ihany koa ny safidy izay raisina momba ny hazavana sy ny fitiavana. Raha miresaka ity atao hoe satana sy ny fahavalo ity isika dia vaka ihany satria Kristy no miteny hoe tiavo ny fahavalonareo. Ary raha niresaka tamin'i Satana aza Izy dia tsy nanevateva azy velively fa nananatra aza. Ny anjely Gabriely koa aza raha nisy fifamaliana ny amin'izay hahazo ny nofon'i Mosesy teo amin'i Satana sy izy dia niteny tsotra hoe: Hananatra anao anie Jehovah.

Miray hevitra tanteraka amin'se koa aho.
Somary tsindriko aza fa hadinina amintsika mahalala izany raha toa ka tsy manao ny asa isika ho an'ireo izay fantatsika fa mbola tsy nahalala.
Eo amin'ilay fananarana dia misy fomba samihafa ny anatra.Ny fomba fandraisana ireo anatra ireo anefa dia mety handray aho ary azoko atao koa ny tsy mandray satria izaho dia satana. Izy satana no mibaiko no fantany fa tsy Andriamanitra izay fahavalony, izay no maha satana azy. Ka noho izany, raha mbola tsy tonga hanaiky ny helokany izy dia tsy ho tonga aminy ny Famindrapo.
Raha amiko manoka Miharena dia heloko raha toa ka manevateva ny olom-boafitaky satana aho.Ny Tsy azoko atao kosa anefa dia ny mijery fotsiny azy, ka tsy miteny izay tsy mety ataony, miampy ny fanorona lalana ilay Fahazavana lazainao foana am-pitiavana tsy manam-petra, Manomboka eo manan-tsafidy izy.

Ankehitriny dia tsy tokony hotanterahana ve ireo hevitr'i Kristy ireo? izany hoe manaja ny fahavalo isika noho ny safidiny ary mivavaka ho azy aza mba ho tafaverina soa aman-tsara amin'ny laoniny ny fisainany diso.

efa vohazavako eo ambony ny hevitro, misaotra anao fa miray hevitra ihany isika eo.

1)lay resaka fiambenana amiko dia toa milaza fa misy lafiny ratsy jerena hatrany ka hambenana.
2)Mila fiovan'ny saina sy fanavaozana ny fanahy isika amiko fa tsy hitaredretra amin'ny fomba fiasan'i Satana mba tsy hahazoany vahana eo amintsika intsony.

Somary nasiako n° ilay fehezan-tenin'se roa ireo
Raha mifampihankina ireo feheza-teny ireo dia miray hevitra amin'se ihany koa aho
raha mifanipaka kosa anefa dia tsy miray hevitra aho satria ilay fehezanteny faharoa mihitsy no mahatonga antsika hiambina sy mivavaka andro aman'alina .

Ny zavatra tsikaritro miharena dia miresaka amin'olona izay efa mino ny firesakao ka mahay manavaka tsara hoe: izao ny fitaky satana ka ataoko tsy mahazo ahy intsony. Misy dingana anefa izay.
16. Miharena ( 19/03/2011 16:56)
Niryna:

Dia toa tsara ihany izany ireo ny azy tsy nandray azy ireo satria voavonjy ny tsy azy( ny jentilisy izay nino azy .Mahavariana tokoa izy izany an



Io resaka lazainao io indrindra no midika fa hovonjena avokoa ny olon-drehetra tsy ankanavaka satria ireo Azy lazaina fa tsy nandray Azy ireo ve ho tavela tokoa? Tsia angamba ny valiny voalohany satria ny Isiraelyrehetra dia hita fa hovonjena avokoa araka ny fokony avy (12 isa izireo). Hamarinina maimaim-poana izany izy ireo. Ny Jentilisa koa dia mazava fa hiditra avokoa.
Ilay resaka hoe mino sy tsy mino mihitsy no tiana hofoanana amin'ny filazan'i Jesoa hoe izay te-hamonjy ny ainy no hahavery izany. Koa sao isika Kristiana tia manavaka no tratran'io teny io ka ho sahirana satria diso lalana sy diso foto-kevitra tanteraka, tsy mahatana ilay hoe "aza mitsara mba tsy hotsaraina" sy izay efa voalaza eo ambony hoe "izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy".
Izay aloha no tena fijeriko azy fa asa na manana hevitra hafa mirindra kokoa Niryna hanazavana ny Fitiavana notorian'i Kristy.


Rijadolly:

Ny zavatra tsikaritro miharena dia miresaka amin'olona izay efa mino ny firesakao ka mahay manavaka tsara hoe: izao ny fitaky satana ka ataoko tsy mahazo ahy intsony. Misy dingana anefa izay.


Misaotra anao amin'ny fanamarihana fa tsy natao hanandratan-tena akory anefa ny fizahana ny fahamarinana fa anisan'ny mianatra toy ny olon-drehetra ihany vao afaka mitana fahitsiana fototra tsy azo hozongozonina. Indrindra fa ny fizaràna mba tsy ho voafitaka amin'ny zava-tsy manankery intsony ny olona.
17. rijadolly ( 20/03/2011 17:38)
Ahoana amin'izay ary Miharena no ahafantarako fa mihorina tsara aho ary azoko antoka sy manana fahitsina fototra araka ilay voalazanao aho, no sady tsapako fa tsy manan-kery amiko intsony ilay ratsy?
18. Miharena ( 21/03/2011 05:31)
Rijadolly, rehefa fantatrao fa tsara avokoa ny zava-drehetra ary natao hahasoa izay tia an'Andriamanitra dia tsy mandaitra aminao intsony ny "ratsy" (natao farango sosona satria ny ratsy amintsika sy amin'Andriamanitra tsy mitovy, amin'Andriamanitra tsy ny exclusion no manandanja fa ny inclusion sy ny fanovana ny zavatra iray hatao hahasoa, ny antsika olombelona dia ny fandavana no mibahana nefa arakaraka ny hanaovana izay no vao mainka mampirongatra izay lavina hatrany).
19. rijadolly ( 21/03/2011 15:27)

Rijadolly, rehefa fantatrao fa tsara avokoa ny zava-drehetra ary natao hahasoa izay tia an'Andriamanitra dia tsy mandaitra aminao intsony ny "ratsy"

Izany hoe tsy ho tsapako ve raha tsy tia an'Andriamanitra aho?
20. Miharena ( 21/03/2011 15:41)



Citation
Rijadolly, rehefa fantatrao fa tsara avokoa ny zava-drehetra ary natao hahasoa izay tia an'Andriamanitra dia tsy mandaitra aminao intsony ny "ratsy"

Izany hoe tsy ho tsapako ve raha tsy tia an'Andriamanitra aho?



Raha io fanotanianao io dia misy fotoanany avokoa ny zava-drehetra ka rehefa mifanatrika tsara sy mieritreritra irery ianao sy ny Mpamorona (ataontsika hoe tsy Andriamanitra ohatra no ilazanao Azy) dia ho tsapanao ho azy ny FitiavaNY. Tsy misy olombelona na dia milaza ho athée hiringiriny aza tsy mahatsapa ny fitondran'ny Loharanon'ny Aina azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.066