Efa ahy daholo ireo
21. rijadolly
(
21/03/2011 15:59)
Miharena:
Raha io fanotanianao io dia misy fotoanany avokoa ny zava-drehetra ka rehefa mifanatrika tsara sy mieritreritra irery ianao sy ny Mpamorona
Mandrakizay ve izay fotoana izay Miharena sa hatramin' rahoviana?
22. Miharena
(
21/03/2011 16:11)
Anio mandrakizay, izany hoe tsy misy fetra ny fifohazana amin'ny voary na ao aorian'ny fandaozany ny nofony aza.
Ilay fametrahana fetra mihitsy ny ahy no hitako mahavery saina ny olona. Mibahana be ao an-tsainy ary mahavery saina azy ny fe-potoana.
Tsy tompon'ny ampitso isika fa tompon'ny anio no fametrahan'Andriamanitra azy. Ny lasa koa dia momba ny lasa toy ny rano raraka tsy azo raofina.
ka asa na mahavaly ny fanontanianao izay?

23. niryna
(
23/03/2011 05:03)
mirananirina:
Nahoana tokoa ary ny olona misotro toaka sy miloka na ireo mivarotena no lazaina fa manota...nefa ireo aza anie ka tsy voalaza @ didy folo.
ho valiako kely ilay tenin'i mirana
ahoana tokoa re e,mahafantatra ve izy fa manimba ny fanaovana izany?
Sal 107: 27 Nisangodingodina ireo sady nivembena toy ny mamo, Ka dia very ny sainy rehetra
Ohab 20:1 Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, Koa izay miraikiraiky azon'izany dia tsy hendry.
Moa tokoa ve tsy mahafantatra izay mahazo azy ireo olona mamo? eny angamba,tsia angamba
Isaia 19:14 Jehovah efa nampidina* fanahy mampandraingiraingy teo Egypta; ka efa nampivembena azy tamin'ny asany rehetra ireo, dia tahaka ny olona mamo miraingiraingy sady mandoa. [Heb. nangaroharo
-a ireo izay miditra ampiangonana ihany no tsy mpanota sa ve ao izy ireo no manala ny otany vitany isa kerinandro.sarotra be ilay fitsara.fa raha misy makorel mande mivavaka zao de mahazo tondro molotra hoe iny ilay mpanota..raha atao ny fandinihina anefa iza ary no mbola tsy nanota?
mety ho marina izany,ary firifiry tokoa moa ny olona miverina manatona an'Atra no mbola mahazo henjika foana? Tsy anjarantsika tokoa ny mitsara satria Atra tia antsika (tia ny mpanota rehetra izy ) saingy tsy tia ny ota izy ka izany no hiantsoany antsika isan'andro mba hibebaka sa tsy izany?
24. niryna
(
23/03/2011 05:30)
Andeha ary ho jerentsika kely ny tenin'Atra mampitandrina antsika mikasika ny fisotroana tampona na hoe "drunkerness"
Lev 10 :8-10 Ary Jehovah niteny tamin'i Arona ka nanao hoe:
9 Aza misotro divay na toaka hianao, na ny zanakao, raha miditra ao amin'ny trano-lay fihaonana, mba tsy ho faty hianareo (ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany),
10 ary mba hahaizanareo manavaka ny masina sy ny tsy masina, ary ny madio sy ny tsy madio,
Dia ity koa ary misy indray ka anjarantsika ny mamakafaka azy
Gal 5:17-20
17 Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo.
18 Fa raha tarihin'ny Fanahy hianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna.
19 Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijefojejoana,
20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,
21 fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra.

25. niryna
(
23/03/2011 05:41)
Miharena:
Raha miresaka ity atao hoe satana sy ny fahavalo ity isika dia vaka ihany satria Kristy no miteny hoe tiavo ny fahavalonareo.
satria tsy azonao angamba ilay tantara dia lasa HS ilay resaka
Azo raisintsika tokoa ny tenin'Atra dia omentsika araka izay mahamety azy na tsy misy hidiran'ilay tantara aza e.
ka ilay nanatra izay no asiana resaka,mizara ,mampahatsiahy fa tsy misy olona mandatsa kosa eo,tsy andatsa tena raha izany satria tsy misy marina tokoa na iray aza.Tiavo ny mpanota fa aza manota. Sa tsy izay moa no tanjona tian'Atra ataontsika,tiany isika ,izay mpanota saingy tsy tia ota izy ka hanariny foana isika isan'andro ary dia mila mibebaka foana foana izany fa tsy misy hoe tonga dia miaraka aminy daholo.Dia inona fotsiny izany no hizarana ny tenin'Atra raha toa ka voavonjy daholo na mino azy na tsia,izany ve tsy hafahafa be ?
Ary raha niresaka tamin'i Satana aza Izy dia tsy nanevateva azy velively fa nananatra aza. Ny anjely Gabriely koa aza raha nisy fifamaliana ny amin'izay hahazo ny nofon'i Mosesy teo amin'i Satana sy izy dia niteny tsotra hoe: Hananatra anao anie Jehovah.
ka izay ilay izy,fa tsy isika no hanova azy fa Atra irery ihany.
Ankehitriny dia tsy tokony hotanterahana ve ireo hevitr'i Kristy ireo? izany hoe manaja ny fahavalo isika noho ny safidiny ary mivavaka ho azy aza mba ho tafaverina soa aman-tsara amin'ny laoniny ny fisainany diso.
mba afaka hazavanao kely ve hoe manana fomba fisainan'i satana izany isika? dia ahoana izany? misaotra mialoha
Mila fiovan'ny saina sy fanavaozana ny fanahy isika amiko fa tsy hitaredretra amin'ny fomba fiasan'i Satana mba tsy hahazoany vahana eo amintsika intsony.
26. Miharena
(
23/03/2011 19:20)
Misaotra anao Niryna amin'ny fanazavana napetrakao fa ireto no manitikitika ahy:
Fanontaniana somary fametraky ny olona mametraka fetra io fanontanianao io satria aoka ho fantatsika fa misy endrika maro ahafahan'Andriamanitra handresy lahatra ny olombelona noforoniNY, ary Izy no Tompon'ny fotoana tsy manam-petra.
Raha mamadibadika ny Baiboly ianao ary mandinika tsara izay zavatra nianianan'Andriamanitra rehetra toy ny hoe "hosorataKO ao am-pony ny lalàko" sy ny hoe fitiavana mandrakizay no itiavaKO anareo sy ny sisa miresaka famindram-po, dia mihevitra ve isika fa tsy hotazoniNY izany Teny izany fa hasiany fe-potoana sy voleNY teny manindrona indray hahafaty izay mankahala na tsy manaiky Azy? Rava ny finoana satria tsy azo antoka Ilay Andriamanitra raha izay tokoa no izy amiko. Tsy Andriamanitra niteraka an'ireo rehetrra ireo izany Izy raha izay fa manavakavaka ihany.
Ny Famaritana an'Andriamanitra mihitsy no mandringa raha izay.
Fomba fiasan'i Satana no lazaiko fa tsy fomba fisainan'i Satana. Ilay mitaredretra no tiana ambara. Raha mamboly fisainana manome vahana fitanisana asa maizina hatrany isika dia mazava fa hitsilopilopy hatrany ary ho lavo mihitsy no hiafarana satria tsy ny fomban'Andriamanitra sy ny Fitiavany no lasa mibahana fa lasa ilay asa ratsy indray.
Niryna:
...mila mibebaka foana foana izany fa tsy misy hoe tonga dia miaraka aminy daholo.Dia inona fotsiny izany no hizarana ny tenin'Atra raha toa ka voavonjy daholo na mino azy na tsia,izany ve tsy hafahafa be ?
Fanontaniana somary fametraky ny olona mametraka fetra io fanontanianao io satria aoka ho fantatsika fa misy endrika maro ahafahan'Andriamanitra handresy lahatra ny olombelona noforoniNY, ary Izy no Tompon'ny fotoana tsy manam-petra.
Raha mamadibadika ny Baiboly ianao ary mandinika tsara izay zavatra nianianan'Andriamanitra rehetra toy ny hoe "hosorataKO ao am-pony ny lalàko" sy ny hoe fitiavana mandrakizay no itiavaKO anareo sy ny sisa miresaka famindram-po, dia mihevitra ve isika fa tsy hotazoniNY izany Teny izany fa hasiany fe-potoana sy voleNY teny manindrona indray hahafaty izay mankahala na tsy manaiky Azy? Rava ny finoana satria tsy azo antoka Ilay Andriamanitra raha izay tokoa no izy amiko. Tsy Andriamanitra niteraka an'ireo rehetrra ireo izany Izy raha izay fa manavakavaka ihany.
Ny Famaritana an'Andriamanitra mihitsy no mandringa raha izay.
Citation