mba hetsika hafa re atao ry gasin'andafy

1. bazylou ( 23/02/2011 19:00)
fa io rns tsy misy farany io ihany no andanian aandro e.
ny pokona ary efa kere 50 taona, ianao rns sy hizity bmw

beuurrrk
2. vale ( 23/02/2011 20:10)
ko hafa alo ny any am tany misy kere, fa hafa koa ny blem aty, ka matoa ny oul manao an'io lava dia ilainy izany, fa ny oe fotsiny mifanindry am vam etc no drôle am le histoire, ha!ha!ha!ha!
3. 3188 ( 23/02/2011 20:28)
inona ndray ny blem ry bazy?to tonga masiaka be aty @diaspora toi sa ...leo politika
4. soanja ( 24/02/2011 00:06)
bazylou:

fa io rns tsy misy farany io ihany no andanian aandro e.
ny pokona ary efa kere 50 taona, ianao rns sy hizity bmw

beuurrrk

hummmm fa angaha misy an'izany koa any andafy any? misy raha la tera! :))) ndeha i bazylou mba sarety no ento any dia soraty avo be eo hoe " Maty noana ny gasy ianao, koa ve??? " dia asio boatin-drakitra dia hita eo zay mahafoy be. Enga anie ka hipilopilotra ny drala!!!
5. bazylou ( 24/02/2011 19:41)
shhh, resaka izany ry soanja a,

misy an'izany tokoa aty fa adala mpiray lavak adaholo izy rehetra kooo.

TSy hoe misy ilan aazy dia atao foana an. hevitra diso izany
fandanina andro no betsaka ao.

rehefa katry ny beksa daholo , looool

NY gasy hoa dia varina foan aamin'ny zavatra tsy hitondra aiza hany jka ny fireneny koaaza dia ohatr'izay foana.

beuurrrk

6. soanja ( 25/02/2011 02:36)

Bazylou,

Misy zavatra iray mba tiako lazaina aminao raha sitrakao ny mandray azy an. Ny Malagasy anie aty an-dafy ka miasa mafy tokoa mitady izay mba hampetimpety ny fiainany. Ny ankamaroantsika dia misasatra mifofotra tokoa ary tsy mora ny zavamisy saingy tokoa na izany aza dia tsy afaka hifandanja amin'ny zavamisy any Madagasikara. Any na ny FAHAFAHANA aza mbola tadiavina mafy , izay vao hoe hitady ny fameloman-tena izay zara raha misy. Izay atao any dia misy tohitra foana, asa anie ka tsapanao izany. Politika, fahantrana, kolokolo, tsindrialoka, ao daholo....

Ny aty an-dafy kosa, iezahana ialana izay sintona mitondra amin'ny TSY FAHAFAHANA izay. Veloma ra-politika. Noho izany dia ilaina tokoa ny fialam-boly. Ilaina ny fifaneraserana sy ny fanaovana fety mba hialana amin'ny stress isankarazany. Eny fa ao aza ny labiera dia tsy misy maharatsy azy izany raha afapo ilay mandray azy fa tsy manimba azy.
Io fotoana io izany na dia mbola tsy tany aza aho dia mba nataon'i Malagasy hialana voly, hilalaovana, hiaramifaly.

Isika Malagasy amiko tao anatin'ny 20 taona izay dia olona voizin'ny tahotra. Inona moa fa izay atao dia misy fiafiana daholo. Betsaka ny entanin'ny Politika noho izany ary koa anefa leom-boananana noho ny hamatroky ny politika na toetsaintsika tsy mba hivonona hivoatra sy ho olon'afaka.

Koa noho izany dia na dia tiany aza ny tanindrazany dia voafetra ny fahafahany hanao zavatra miavaka any satria nahoana?? be ny tahotra sy ny fanapotehana ny mahaizy antsika raha miseho loatra, raha milaza fa hanova zavatra dia indro ny mpimpotsitra, nosimban'ny tantara niainantsika ny fitiavan-tanindrazana izay mitory hanolotra mihitsy izany fiainana izany ho azy. Tsy amin'io sehatra io intsony ny vahoaka Malagasy ny fahitako azy ny ankamaroany. Jereo anie ny manjo ny firenentsika e!!! mahafapo anao ve izao zavamisy izao?? mitroatra ve isika na dia mitomany ilay firenena???

Nefa aiza daholo isika???? Tsara ny hevitrao saingy mbola marefo loatra amin'izany ny tontolo iainan'ny malagasy amin'izao ka aleo aloha mipetrapetraka sy manao izany mahafaly satria fandalovana fotsiny anie ny eto an-tany e.

Misaotra amin'ny fitiavan-tanindrazana fa tsy aleo atomboka amin'ireo Malagasy manakaiky anao indrindra any ampita any? Dia ho diso ve zah?

7. bazylou ( 25/02/2011 19:56)
tiany ny tanin-drazany nefa mitsoaka aty daholo izy rehetra e. MAhazendana

dia avy eo manipy vola kely ho any mada ve? shhhh, beuurrk izany e,

KA noho isika aty ivelany tsy mandray andraikitra ihany no nahatonga izao fa faly itrefla sy hizity aty an dafy fotsiny koo

Jereo ny gasy aty mihoatran'ny firenena hafa, mba manana depute 1 na senatera 1 ve isika ???
tsy misy , satria jamba mifampitantana daholo ary mihanona amin'ny saosy alefa any dago fotsiny dia izay.
Dai avy eo manafatra ny fianakamsa fa mahantra mada e,

beuuurrrk
8. bazylou ( 25/02/2011 20:05)
ireo gasy ireo anefa di atokony hanana andraikitra fa tsy hivadivady vazaha etsy sy eroa dia lasa makorela noho ny farany.

NAhoan ano tsy haitsika tahaka ireny diaspora afrikanina , vazah , manana ny andraikiny sy ny fanampiana entiny ireny ??
Nahoana no faly hivorivory etsy sy eroa fotsiny no hay??

Nahoana isika no tsy nahay nanandram peo mba hanana depute na senatera 1 aza? efa 50 taona fahaleovantena izao??

TSy ny gasy aty am pita mihitsy no anombohan aazy satria ireo tsy hanao na inona na inona eo.
Ianao aty no mila manazava ny sain'ny any mada, izay loharano nipoirana.
9. soanja ( 26/02/2011 04:24)
bazylou:

tiany ny tanin-drazany nefa mitsoaka aty daholo izy rehetra e. MAhazendana

dia avy eo manipy vola kely ho any mada ve? shhhh, beuurrk izany e,

KA noho isika aty ivelany tsy mandray andraikitra ihany no nahatonga izao fa faly itrefla sy hizity aty an dafy fotsiny koo

Jereo ny gasy aty mihoatran'ny firenena hafa, mba manana depute 1 na senatera 1 ve isika ???
tsy misy , satria jamba mifampitantana daholo ary mihanona amin'ny saosy alefa any dago fotsiny dia izay.
Dai avy eo manafatra ny fianakamsa fa mahantra mada e,

beuuurrrk

Isika Malagasy mihitsy ry Bazylou ny fahitako azy dia tsy mba tena nampianarina fitiava-tanindrazana mavaivay toy ny nananan-dRy Railamongo sy maro hafa.

Zany hoe nisy lesoka be ny fitaizana sy ny fanabeazana fa nobeazana isika mba hianatra hihoatra ny namantsika ao anaty fifaninana ary izay tsy mahavita fianarana dia voa mafy. Fa tsy nomena ilay fanabeazana hoe raha omena fahaizana ianao dia mba hitondranao soa ho anao sy ny fianakavianao ary ny tanindrazanao.

Io farany io tena banga be tao anaty fampianarana/fanabeazana.

mety HS ity resaka manaraka ity fa aty Amerika ohatra dia na dia mbola kely aza ny zaza dia efa entina hijery baolina dia izay ekipa misy ny tananao no tohananao mafy ka na ny akanjo , na ny satroka n'inona n'inona dia milaza fa manohana hatramin'ny farany io ekipa io ianao. Dia toy izany koa ny fetim-pirenena, mbola tsy tonga akory ilay andro dia efa feno fampianarana momba ny tantaran'ny firenena , ny constitution, ireo olona niady mafy sy niasa mafy ny firenana sns sns ny sekoly sy ny manodidina rehetra ary miravaka sainam-pirenena izay atao rehetra. Ny antsika anefa na saina aza zara ampiakarina rehefa fetim-pirenena fa baikona atao avy amin'ny presidam-pokontany vao manao izany. ny aty ny saina dia mihofahofa isanandro any amin'ny toeram-piasana ary betsaka ny trano miravaka azy eo an-tokotany mba hanohana izay tohanany momban'ny fireneny.

Koa amiko aza dia manantena izany loatra amin'ny gasy fa vitsy ny manana izany. efa nifoha tamin'ny torimaso izy raha manana izany ary tsy sehatra Malagasy intsony aza ny misy azy amin'izay fa efa miaina ny hoe olon'afaka amin'ny tahotra ary ny planeta tany no valam-parihiny.

Tsy misy tsara ny manao modely anefa dia vonona izahay hijery anao arahinay raha izany!

10. soanja ( 26/02/2011 04:32)
bazylou:

Ianao aty no mila manazava ny sain'ny any mada, izay loharano nipoirana.

Tsy tena azoko io fehezanteny farany io. Isika Malagasy vitsy an'isa aty andafy ve no tokony hanome fahazavana ny sain'i Malagasy any Madagasikara?

Mety hihomehy antsika ry zareo satria isika tsy miaina izay iainany any no fahitako azy. Ny Malagasy ao Madagasikara no mila mandray an-tanana ny hoaviny, miketrika ny fiovam-piainany ho tsaratsara kokoa ary ry zareo ao ihany no ahita ny fahafahana tsara momba azy ny fahitako azy. Isika aty dia mpanohana sy mitondra am-bavaka ary manao izay mety an'asa tsy resaka ambony latabatra fotsiny, fa tsy tokony isika kosa no antenaina 100% ny fahitako azy aloha. nefa mety ho diso aho satria misy tokoa aloha izay ao anaty korontana mety tsy ahita ny hirika ivoahana fa ny mpitazana avy ety ivelany no mahita tsaratsara kokoa.

11. bazylou ( 26/02/2011 19:28)
tsia tsy izany no tiko lazaina eto Soanja a,

Ny tiko lazaina amin'io dia tokony anampy sy anao hetsika goavana fanoroana sy fanampiana ireo gasy ireo isika aty ivelany aty.
Na io resaka fampianarana sy fanamboarana sekoly io fotsiny aza.
Na dia ilay hoe mampianatra ny olona hahay hanoratra rehefa manao vacance any na olona 1 aza no mety hampianarina amin'izany.

rehefa miraviravy tanana sy maty noana ny ao an tanana dia tsy mahita ny hoavy fa ny kibo ihany no ady eo.
Ka eo indrindra isika no tsara miditra an tstehatra na resaka teknolojia na inona na inona.
Ny atsika misy ny vola na kely aza ary misy ko any fahaizan sy experience azo aty ivelany.

Lazaiko anao Soanja a, misy injeniera gasy 20 ao am eads manamboatra avion, ary misy injeniera gasy 10 mahery ao amin'ny boeing manao avion koa.

Dia ireo olona ireo ve tsy hisy na 1 aza hanamboatra ho an'ny fireneny?

12. bazylou ( 26/02/2011 19:35)
izaho tsy hihanona fotsiny hoe hijery an, fa peako ny ahy rehefa tsy mamely.
Raha ny fandorona io ambasady frantsay io no vaha olana dia ataoko satria ela nandevozana loatra ireo.

Ny fahitako azy Soanja a, dia tena trotrak aary nilavo lefona Ramalagasy ao MAdagasikara satria 50 taona tsy misy haf atsy akisaosy fotsiny no ady teo.

Mba jereo anie air mad e?? 50 taona io orinasa io nefa mandrak'ankehitr'io dia tsy manana avion izy fa manofa brokatera foana.
Mampalahelo an,

Hany ka lasa any an tsaina sy any amin'ny fanabeazana satria tsy misy fefy miaro tsony ny olona no tsy misy repere tsony ko afa samy manao izay tiany dia vita.
Any Mada no ahitako an'izany hoe olona lhl 20taona, mananjanaka 3.
Dia eritrereto hoe aiza le fanjakana ary aiza le fahamatorana hitondra tokan trano??

" izay maty ihany no mifono lamba mena hoy ny ntaolo izay"
13. soanja ( 27/02/2011 04:35)
bazylou:

tsia tsy izany no tiko lazaina eto Soanja a,

Ny tiko lazaina amin'io dia tokony anampy sy anao hetsika goavana fanoroana sy fanampiana ireo gasy ireo isika aty ivelany aty.
Na io resaka fampianarana sy fanamboarana sekoly io fotsiny aza.
Na dia ilay hoe mampianatra ny olona hahay hanoratra rehefa manao vacance any na olona 1 aza no mety hampianarina amin'izany.

rehefa miraviravy tanana sy maty noana ny ao an tanana dia tsy mahita ny hoavy fa ny kibo ihany no ady eo.
Ka eo indrindra isika no tsara miditra an tstehatra na resaka teknolojia na inona na inona.
Ny atsika misy ny vola na kely aza ary misy ko any fahaizan sy experience azo aty ivelany.

Lazaiko anao Soanja a, misy injeniera gasy 20 ao am eads manamboatra avion, ary misy injeniera gasy 10 mahery ao amin'ny boeing manao avion koa.

Dia ireo olona ireo ve tsy hisy na 1 aza hanamboatra ho an'ny fireneny?

Tsy misy kianina fa marina tokoa ny teninao bazylou.
14. soanja ( 27/02/2011 04:47)
bazylou:

izaho tsy hihanona fotsiny hoe hijery an, fa peako ny ahy rehefa tsy mamely.
Raha ny fandorona io ambasady frantsay io no vaha olana dia ataoko satria ela nandevozana loatra ireo.

Tandremo anefa sao manao Mlagasy mahery fihetsika!

Eny fa na dia mandaitra aza amin'izao ny herisetra hanonganam-panjakana na hanimbana ny lamin-javatra napetraka dia hoy aho hoe tsy vahaolana izany. Tsy mampianatra n'inona n'inona ny taranaka amam-para ny fihetsika mahery vaika. Tsy fahendrena izany ary tsy lasa lavitra akory fa hikoro ihany satria izay nahita dia hanaraka ny dian'ny teo aloha ihany.

Raha te hanova goavana ny zavamisy isika rehetra dia mila atomboka amin'ny fampianarana/ fanabeazna ny be sy ny maro hoe inona tokoa moa izany hasin'ny tanindrazana izany ary nahoana ny firenen-kafa no miasa mafy hampiakatra izany hasiny izany eo anivon'ny firenena samy firenena?

Tsy mbola amin'izay ny sehitra iainantsika Malagasy anefa raha ny fahitako azy.

Ny antsika izay kely mahasoa arodana avao!

15. vale ( 27/02/2011 12:53)
TSy hoe misy ilan aazy dia atao foana an. hevitra diso izany
fandanina andro no betsaka ao.

-----------------------
Bazylou> ka hitanao ihany le fiainana aty , mba ilaina kosa anie ny fihaonana tahaka ireny e, raha oe mamon'ny bex dol, dia mbola vokatr'ilay oe fanalàna stress dol izany, ny iombonako hevitra aminao indray dia ilay hoe: tokony hisy ihany koa hetsika hafa hamonjena ny vahoaka mahantra sy tsy mananko hanina! ;Asa..!
16. bazylou ( 27/02/2011 13:07)

mety be io lazainao io ry Soanja, " Malagasy Mahery fihetsika" rahahanao fikambanan aho dia io no ataoko anarany.

Sarotra ihany ry Soanja ny ampianatra olona noana a.
Raha ampianarinao mamboly izy dia ho loarany tao ny masom boly hohaniny.
sady tsyhahavita hitan astylo koa izy no tsy h iodina ny sainy.

Kanefa raha omena sakafo indray izy dia hanao meo meo foan aminao avy eo.

vahaolana ?? forcena ny olona tsy hatoritory ao an tanana sy andany andro hiteraka fa asaina mamboly avokoa, na miompy.

17. soanja ( 28/02/2011 14:34)

Tsy misy mangidy tsy andramana re. Ampisao izay hitanao fa hanova an'i Madagasikara. Saingy aza mandevin-tsotrobe mora fotsiny satria izay no nahavoa antsika rehetra.

Hetsiketseho hoy aho ny Malagasy andafy akaikinao ireo!

Tsy isika avy aty anefa no hameno sakafo an'i Madagasikara fa izy irery ihany no hanondrotra olona hampiroborobo azy ary ho tondraka ny sakafo raha mahalala misintona ila fotoana izy ireo.

Marina ny anao. Aza varimbariana fa aforeto ny tanan'akanjo!
18. bazylou ( 01/03/2011 19:11)
izaho ry soanja tsy te hanetsika reo gasin'andafy ireo fa ireo beurrk be loatra sady feno olona be fialonana izany.
Tsy ahy hoe ahoana.

Aleo tonga dia ny any MAdg no tairina e.
Jereo anie ohatra ilay ramatoa namboly mimosa amina 20ha any mada iny e.
Tany amin'ny faritry mahajanga izy no nanao an'io.
Izao izy dia mikasa ny hiompy tantely amin'ilay mimosa novoleny.
Ireny hahay hitako action mahery vaika be sady misy vokany eo noho eo an.

19. soanja ( 01/03/2011 22:20)

Marina izany. Fa n'inona n'inona anefa ny zavamisy dia amiko dia sady Malagasin'andafy aho no malagasin'i Madagasikara dia manana adidy roa sosona aho izany.

Mampalahelo ahy raha izahay aty Amerika no stereotyper-van'ny fiarahamonina aty hoe mandreraka na tsy azo atokisana na mipetra-potsiny tsy manampy ny tanindrazany. Izy misahirana mafy ho antsika any Mada ve dia izaho indray no iraviravy tanana.

Saingy samy manana ny mahamaika azy ny olona aloha ary ny adidy samy manana, indrindra koa ny soa toavina. Dia manao ny adidiko aho fa tsy ataoko ambanin-javatra ny manentana azy ireo hoe mihetseha koa ary izay kely vitany aty dia efa tena goavana tokoa.

Ny mifanaratsy tena tsy azo atao mihitsy aloha raha te hanana namana hiaramiasa.

Hatramin'zao aloha dia mbola tsy nisy nandiso fanantenana ahy izahay aty e.:)) eny fa misy 0.01% ohatra manao zavatra tsy azonao eritreretina.
20. bazylou ( 02/03/2011 18:30)
ny adidy hono tsy anolon dratsy ary rehefa betsaka ny olona dia miharatsy izy izay.

Raha 0.01% ny gasy any us, fa tsy +500 000 ohatr any aty france dia mbola metyoihany angamba hoy ahoy ilay hoe mifankahita sy manana fifandraisana milay fa raha be dia be izao ianareo dia hafa io.

ny gasy anie tsy mety miala eto amin'ny frantsa e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4117