ATAOVY IZAY AHATAFIDIRANAO FA MANGIDY LOATRA NY AN'IREO HO VOAHIDY ANY IVELANY. MIDIRA AMIN'NY VAVAHADY ETY.

1. RBNIR ( 15/02/2011 09:38)
« Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna sy ny vohitra nampianatra sady nandroso hankany Jerosalema. » (Lioka 13:22)
« Dia hoy ny anankiray taminy; Tompoko, moa vitsy va no hovonjena? Ary hoy Izy tamin'ny olona: » (Lioka 13:23)
« Miseseha hiditra amin'ny varavarana ety ianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka. » (Lioka 13:24)
novalian'i RBNIR ny 07/03/2011 10:27
2. cyril ( 15/02/2011 12:22)
merci rbnir fa hiditra isika a !..

iza koa no higodana any amin'ny tsy izy any e ,lalana ety ihany
3. RBNIR ( 15/02/2011 13:07)
Mandrosoa Cyril a!
Izaho vavolombelona fa izay tafiditra tao dia samy niaiky fa tanteraka taminy tokoa ireto teny ireto :
« Ary ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany. » (Matio 13:44)
« Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpandranto anankiray izay nikatsaka vato soa*;[*Gr.perila] » (Matio 13:45)
« ary rehefa nahita vato soa* iray saro-bidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.[*Gr. perila] » (Matio 13:46)
« Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harato-tarihina, izay nalatsaka tao amin'ny ranomasina ka nahavory ny samy hafa karazana rehetra; » (Matio 13:47)
« ary rehefa feno izany, dia notarihiny ho eny an-tanety, dia nipetraka ny olona ka nifantina ny tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy nariany. » (Matio 13:48)

Izao anefa : aoka handatsaka am-po ianao satria koa efa voasoratra koa hoe : amin'ny fahoriana lehibe no hidirana ny fanjakan'ny lanitra« Fa hoy izaho taminy: Tompoko, ianao no mahalala. Dia hoy izy tamiko: Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry. » (Apokalypsy 7:14)

Na izany aza kivy satria mora sady maivana ny zioga ho entina ary zaka tsara tokoa :« Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo. » (Matio 11:29)
« Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako. » (Matio 11:30)

Samy hotahian'ny Tompo anie isika rehetra.

4. Dan23 ( 25/02/2011 11:25)

RBNIR:

AMEN,enga anie ka mba tsy ho ilay nafafy teny amin'ny tany marivo tototra ka mora nalazo fa ilay nafafy teo amin'ny tany lonaka ka naavokatra bdb.
5. RBNIR ( 25/02/2011 12:54)
Faly miarahaba an-tsika rehetra indray,

Zava-miafina no fomba ahafahan-tsika mitandrina ny tenin'Andriamanitra. Tsy amin'ny herin'ny tenan-tsika no ahafahantsika manantanteraka izany.

Raha tiantsika, jereo ao amin'ny profilako aho misy zavatsoa zaraiko ho an-tsika fa nisy lehilahin'Andriamanitra iray efa nofinidiny mba hizara io zava-miafina io.

Maro be no efa nahazo ary efa midera an'Andriamanitra avokoa amin'izao fotoana izao,

Ianao koa raha mety, dia hiaraka hifaly ary hidera an'Andriamanitra toy izay rehetra efa nahazo koa.

Samy ho Tahin'ny Tompo anie isika rehetra.
6. niryna ( 25/02/2011 16:02)
Miasaotra anao nizara
Andriamanitra dia manome andro tsara sy andro ratsy ny tsirairay na mpino na tsy mpino ,samy nomeny orana isika,nomeny andro mibaliaka na iza na iza.Raha izany tokoa moa ka hoe ity ihany no omeko fa ity no mpino ahy ,na tsy omeko ity fa be loha tsy mino ny teny izay nomena?
Isaorana anefa ny Tompo fa mbola nomeny fotoan'andro ny tsirairay ka na ety aza ny vavahady rehefa tonga ny fotoana hibebahany,hiekeny ny heloka,hamelana ny heloky ny hafa sy ny tena dia tsy miraviravy tanana ilay Atra be fitiavana,Toa indrindra ,Mahery sy Tsara indrindra fa manafaka antsika rehetra ho afaka amin'izany izy ary dia ho zanany avokoa isika rehetra izy mino Azy
Izaho indray aloha dia tsy maka lavitra fa ny andro iray nomeny ahy isan'andro dia efa ampy hijoroko vavolombelona,tsy toa izao aho raha tsy nisy Azy ary Izy ka nanome hery sy tanjaka ary ny Fanahay Masina miaraka amiko isan'andro isan'andro.
Mino koa aho fa toy izany isika rehetra,tsarovy fotsiny ny mibebaka isan'andro isan'andro ary ny mamela ny heloky ny hafa sy manadio ny fontsika ba hiala amin'ny fahazaran-dratsy rehetra
Tsy mora anefa izany ka izany no hitadiavana sy hivavahana Azy isan'andro mba anome antsika ny Fanahy Masina hiara-dia antsika
Amena
7. majesty ( 26/02/2011 07:44)
RBNIR ve zany zao efa ao @ ilay vavahady ety ???
8. RBNIR ( 28/02/2011 08:09)
majesty:

RBNIR ve zany zao efa ao @ ilay vavahady ety ???

Faly miarahaba majesty,
Efa ao mihitsy isika izao,
Ary mitaona anao mba ho ao koa satria izay ihany no tena lalana ahazoana antoka,

Hoy ny Tompo hoe Miseseha, mila misesika isika.

Samy ho tahin'ny Tompo indray ary e!
9. bor2lais ( 01/03/2011 09:01)
Aza dia bahanana loatra ary ilay vavahady ry RBNIR a !
10. RBNIR ( 01/03/2011 09:21)
bor2lais:

Aza dia bahanana loatra ary ilay vavahady ry RBNIR a !

Faly Miarahaba bor2lais,
Bahanana ahoana moa ilay izy? Izay tafiditra anie, tsy mijanona eo ambavahady intsony fa avy dia mipetraka tsara ao anatiny na mampandroso sy mankahery izay mbola tsy tafiditra e, ary ilay vavahady koa anie misokatra saingy mila misesika isika satria ety ilay izy e,

Miseseha, fa azo atao tsara ny miditra ao matoa ny Tompo miteny.

Samy ho tahin'ny Tompo indray e.
11. bor2lais ( 01/03/2011 09:48)
RBNIR:

Izay tafiditra anie, tsy mijanona eo ambavahady intsony fa avy dia mipetraka tsara ao anaitny na mampandroso sy mankahery izay mbola tsy tafiditra e

Alaiko an-tsaina ny sarin'ilay toerana : rehefa tsy eo ambavahady i RBNIR no mampandroso sy mampahery olona io, avy aiza kosa ? Eny amin'ny "gradin" anatiny sa ivelan'ny vavahady ?
12. RBNIR ( 01/03/2011 10:04)

Mba hampazava azy tsara ary e, ilay vavahady tsy bahanana mihitsy saingy ety .
Mba ahafahanao miditra amin'io ety io dia mila misesika ianao.
io vavahady ety io ihany no vavahady ahafahana miditra (raha arak'ilay tenin'Andriamanitra
ery ambony ery an, fa tsy izaho akory no mamorona).
Dia mankahery an-tsika mba hiditra na dia ety aza e, izay tavela ety ivelany ange ka hangidy e.
Samy ho tahin'ny Tompo anie isika rehetra
13. RBNIR ( 01/03/2011 11:14)
Hafatra am-pitiavana atolotra ho an-tsika rehetra,
Ny probleman'ny ankamaroan'ny olona raha vao mahare hoe "ety", "fahoriana lehibe" sns... dia na tahotra, na fahakiviana, na fiketrahana no mameno ny fony,

Izao anefa, izaho tena sahy milaza amin-tsika fa ny devoly no mamafy izany ao ampon-tsika ary ny tanjony dia tokana ihany dia ny tsy hidiranao ao amin'ilay varavarana ety ka ho voavonjy tokoa ianao.

I Jesosy Tompo tsy mba mpandainga (mino aho fa isika rehetra dia samy manaiky an'io avokoa).
Aza matahotra fa izy efa niteny hoe :

« Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo. » (Matio 11:29)
« Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako. » (Matio 11:30)

Sy koa hoe :
« Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany. » (1 Korintiana 10:13)

Vavolombelona aho, fa marina ireo teny ireo, mora ny ziogany ary maivana ny entany ary tsy haka fanahy anao miohatra ny zakanao izy.

Mahereza daholo, Aza matahotra, Aza kivy na ketraka, Mandrosoa daholo, Ampy izay fa andeha hody amin'Andriamanitra avokoa isika rehetra ho voninahitry ny Anarany sy ho famonjena ny fanahintsika.

Ny fanampahankevintsika no andrasany, angataho Izy hanampy anao hanantanteraka ny zavatra rehetra.

Samy ho tahin'ny Tompo anie isika rehetra.
14. cyril ( 01/03/2011 11:27)
misaotra anao rbnir ! mazava tsara ny resaka sy ny fampitanao hafatra !!

15. RBNIR ( 01/03/2011 11:43)
cyril:

misaotra anao rbnir ! mazava tsara ny resaka sy ny fampitanao hafatra !!

Andriamanitra no isaory Cyril, Izy no nanome sy nandidy ny hizarana, Izy no tena tiantsika fa ny olona ampiasainy dia fitaovany fotsiny ihany.

Samy ho tahin'i Jesosy isika rehetra.
16. bor2lais ( 01/03/2011 13:23)
RBNIR:

Ny probleman'ny ankamaroan'ny olona raha vao mahare hoe "ety", "fahoriana lehibe" sns... dia na tahotra, na fahakiviana, na fiketrahana no mameno ny fony

Dia tokony ahagaga ve izany fihetsika izany hoy ianao raha olona mbola tsy nahare mihitsy ny momba izany fanjakan'ny lanitra izany no itorianao "fahoriana lehibe", sns ? Hoy ilay ranamana izay hoe : "izaho angaha no nangataka ? Avelao aho amin'ny toerana misy ahy fa aza tabatabaina amin'izany !"

Ny tiana tenenina dia izao : mba tsara jerena ihany in-11 ny "forme" ampitàna ny hafatra fa sao dia sanatria tsy Filazantsara intsony no voatory fa ny mifanohitra amin'izay !

RBNIR:

Izao anefa, izaho tena sahy milaza amin-tsika fa ny devoly no mamafy izany ao ampon-tsika ary ny tanjony dia tokana ihany dia ny tsy hidiranao ao amin'ilay varavarana ety ka ho voavonjy tokoa ianao.

Mety misy marina angamba ny voalazanao eto, saingy tsara ihany koa angamba ny manontany tena in-11 hoe sao dia ny nataoko kosa ary no nahatonga ny olona ho ketraka, matahotra, sns.

Fijeriko ihany anefa izay !
17. RBNIR ( 01/03/2011 13:50)
Bor2lais,

Ny teny nentiko rehetra teto dia tsy nisy noforoniko fa avy ny tenin'i Jesosy Tompo avokoa, no nampitaiko,
Mety ho mafy amin'ny sasany tokoa angamba ny nandray azy nefa rehefa izay ny marina dia tsy maintsy lazaina fa tsy ho vitako ny mamitaka ny hafa,

Maro ny fijoroana vavolombelona nataoko teto amin'ny mahamorana sy ny mahamaivana ilay zioga tsy maintsy ho entina.

Anjaran'ny tsirairay sisa no mandinika na hiroso izy na tsia.

Tsarovy anefa, fa raha tsy hiroso ianao dia fantatrao ny mety hiandry anao.

Ny Tompo anie, hitahy an-tsika ka handrotsaka amin-tsika ny Fanahiny Ampahery an-tsika tsirairay avy.

18. bor2lais ( 01/03/2011 15:10)
RBNIR,

Misaotra anao miezaka manome fanazavana !

Forum moa izy ity ka natao indrindra iadian-kevitra sy ifanakalozana. Sanatria amiko ny hiezaka handresy lahatra na iza na iza : tsy ahy izany fa an'Ilay naniraka !

RBNIR:

Anjaran'ny tsirairay sisa no mandinika na hiroso izy na tsia.
Tsarovy anefa, fa raha tsy hiroso ianao dia fantatrao ny mety hiandry anao.

Io fehezan-teny farany io no mamehy ny tsi-fitoviako hevitra aminao : fanerena an-kolaka no filaza izao amiko.
"Hiroso noho ny tahotra ve no tanjona ?" Dia azo lazaina fa Vaovao Mahafaly ve izany ?

Averiko indray fa fomba fijeriko manokana ihany izay : ialako tsiny mialoha amin'izay mety ho tohina !
19. RBNIR ( 02/03/2011 05:42)
bor2lais
"Hiroso noho ny tahotra ve no tanjona ?" Dia azo lazaina fa Vaovao Mahafaly ve izany ?

Faly miarahaba bor2lais,
Marina tokoa fa tokony amin'ny fifaliana no andraisana ny famonjen'Andriamanitra satria vaovao tokony hahafaly no ambara,
Nefa tsarovy fa noho ny tsy fahampian'ny tahotra an'Andriamanitra no mahatonga ny maro anaonao foana ka hitenenan'ny olona sasany ratsy ny anaran'Andriamanitra (ireny v no mba mpivavaka, aleo ihany otranay tsy mivavaka raha otran’izany).
Tsara ny mampianatra ny olona mba hatahotra an'Andriamanitra na dia noho ireo antony ireo fotsiny ihany aza.

Vokatry ny tsy fampianarana ny olona ireo marina sasany ao amin'ny baiboly (satria v matahotra sao hihemotra ny sasany????) dia aza gaga ianao raha ohatra ka betsaka ny tsy fahamasinana sy ny fandikana ny didin'Andriamanitra ao amin'ny fiangonana iray ka mahatonga fahatafitohina ho an'ny hafa.

Tsy tokony hatahotra ny hilaza ny marina ny maro mba ho hendry sy ho mendrika ny vahoakan'Andriamanitra.

Sitrak'Andriamanitra izany.

Inty misy hafatra ho an-tsika kristianina (satria tsy ny israelianina no notolorana azy ity fa ireo kristianina tany amboalohany):

« Koa amin'izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin'ny tahotra ny ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. » (Filipiana 2:12)

Samy hotahian'ny Tompo anie isika rehetra
20. bor2lais ( 02/03/2011 14:10)
RBNIR:

Nefa tsarovy fa noho ny tsy fahampian'ny tahotra an'Andriamanitra no mahatonga ny maro anaonao foana ka hitenenan'ny olona sasany ratsy ny anaran'Andriamanitra (ireny v no mba mpivavaka, aleo ihany otranay tsy mivavaka raha otran’izany).
Tsara ny mampianatra ny olona mba hatahotra an'Andriamanitra na dia noho ireo antony ireo fotsiny ihany aza.

-> Ataoko fa tsy resaka tahotra an'Andriamanitra ny antsika eto fa hafa ! Ilay argument fampitahorana entina hitaomana ny olona no tsy dia ekeko (fanerena ankolaka hoy aho)

RBNIR:

Vokatry ny tsy fampianarana ny olona ireo marina sasany ao amin'ny baiboly (satria v matahotra sao hihemotra ny sasany????) dia aza gaga ianao raha ohatra ka betsaka ny tsy fahamasinana sy ny fandikana ny didin'Andriamanitra ao amin'ny fiangonana iray ka mahatonga fahatafitohina ho an'ny hafa.

Tsy tokony hatahotra ny hilaza ny marina ny maro mba ho hendry sy ho mendrika ny vahoakan'Andriamanitra.

-> Tsy voatery kosa angamba mampiasa fampitahorana raha te-hampianatra fitondran-tena Kristiana ô.

Farany : ny fomba fampianarana amin'ny alàlan'ny tahotra amiko dia mety mitarika amin'ny antsoina hoe fandemen-tsaina, ka hanimba ny maha-olona, izay tena mifanohitra amin'ny tanjona kendren'ny fitaizana Kristiana angamba !

Fomba fijeriko ihany anefa izay !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099