ATAOVY IZAY AHATAFIDIRANAO FA MANGIDY LOATRA NY AN'IREO HO VOAHIDY ANY IVELANY. MIDIRA AMIN'NY VAVAHADY ETY.
21. RBNIR
(
03/03/2011 05:36)
Faly Miarahaba bor2lais,
Ny filazana ireo marina rehetra avy ao amin'ny baiboly v no mampitahotra????
Tandremo, fa sao sanatria ka ho tanteraka amin-tsika ity teny ity ka tsy ahazaka ny fampianarana tena izy marina avy amin'i Kristy isika :
« Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema*; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; [* Gr. salama] » (2 Timoty 4:3).
Tsy mampitahotra aho fa mizara ny marina rehetra.
Marina izay toa nafenina mafy tokoa nefa nampianarin'i Jesosy Kristy ihany koa,
Marina izay fongarin'i Kristy ankehitriny ahantanteraka ny famonjena marina.
Raha azoko tsara dia tsy tianao ny hanambarana ny olona hoe "ETY" ilay vavahady tokony hidirana satria mampitahotra ny olona ny filazana izany.
Dia ahoana àry??? nefa i Jesosy Kristy Tompo nilaza koa hoe « Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. » (Matio 7:13).
Hofitahina handeha any amin'ny vavahady lehibe izay tsy izy ary v izany ireo olona?????? Nefa hoy ny Tompo hoe mankany amin'ny fahaverezana izany?????
Tsy ho vitako kosa izany bor2lais fa andrao aho hadinina ny amin'izany any aoriana any.
Hoy koa ianao hoe tsy tokony hambara ny olona fa misy fahoriana tsy maintsy andalovana fa sao hatahotra ny olona raha azoko tsara.
Tsy aleo v hampihomanina tsara ny olona satria amin'izay rehefa tojo fahoriana noho ny fizahan-toetra tsy maintsy handalovana izireo tsy mba ho isan'ireo izay hotafitohina na hihemotra?????
« Fa ilay nafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy dia izay mandre ny teny ka malaky mandray azy amin'ny hafaliana; » (Matio 13:20)
« nefa tsy manam-paka ao anatiny izy, fa maharitra vetivety foana; koa raha avy izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia malaky tafintohina izy. » (Matio 13:21)
Samy hotahin'ny Tompo anie isika rehetra.

22. bor2lais
(
03/03/2011 13:59)
RBNIR:

1. Tsy mbola niteny kosa angamba i bor2lais hoe aza hambara ny olona fa "ety" ilay vavahady ka ! Raha nomarihinao dia tsy nanisy resaka momba ny tsimpona nalainao aho, fa ny "commentaire" na "interprétation" na "conclusion" noraisinao no mba nasiako resaka kely !
Ohatra, hoy ny lohateny noraisinao :
"ATAOVY IZAY AHATAFIDIRANAO FA MANGIDY LOATRA NY AN'IREO HO VOAHIDY ANY IVELANY. MIDIRA AMIN'NY VAVAHADY ETY."
Misy fehezanteny 2 amin'io lohateninao io : ny voalohany no antsoiko hoe "commentaire" na "interprétation" na "conclusion" avy aminao manokana, ary io no resahiko eto fa tsy ilay fehezanteny faharoa akory !
RBNIR:
Hoy koa ianao hoe tsy tokony hambara ny olona fa misy fahoriana tsy maintsy andalovana fa sao hatahotra ny olona raha azoko tsara.
Tsy aleo v hampihomanina tsara ny olona satria amin'izay rehefa tojo fahoriana noho ny fizahan-toetra tsy maintsy handalovana izireo tsy mba ho isan'ireo izay hotafitohina na hihemotra?????
2. Raha novakinao tsara ny nosoratako dia nolazaiko tsara hoe "raha olona mbola tsy naheno mihitsy izany fanjakan'ny lanitra izany" no iresahanao "fahoriana be" dia ho gaga ve ianao raha toa ka mety mihemotra na kivy izy ! ... Resaka "méthode" na "approche" fotsiny no tiako resahina eo ! Ataoko fa tsy hanome ventin-kanina tsy mbola sahaza azy ny zaza mbola minono RBNIR a !
Raha tsy izany angamba dia mety ho tanteraka tokoa io voalaza @ Matio 13:20-21 lazainao io a !
Averiko indray fa fizarana fomba fijery ny ahy : tsy voatery hitovy akory !
23. RBNIR
(
04/03/2011 10:14)
bor2lais:
2. Raha novakinao tsara ny nosoratako dia nolazaiko tsara hoe "raha olona mbola tsy naheno mihitsy izany fanjakan'ny lanitra izany" no iresahanao "fahoriana be" dia ho gaga ve ianao raha toa ka mety mihemotra na kivy izy ! ... Resaka "méthode" na "approche" fotsiny no tiako resahina eo ! Ataoko fa tsy hanome ventin-kanina tsy mbola sahaza azy ny zaza mbola minono RBNIR a !
Marina izany saingy tsy izany mihitsy no tokony ahasakana an-tsika tsy hanambara ny marina amin’ny olona,
Izany indrindra koa no ampaherezako ny olona mety ho tratran’io tahotra sy fahakiviana io foana hoe :
MORA, ARY MAIVANA ILAY ZIOGA TSY MAINTSY HO ENTINA (Mat.11 :29-30) ary ANDRIAMANITRA MAHATOKY FA TSY HAMPITONDRANTSIKA MIHOATRA IZAY HO ZAKAN-TSIKA (I Kor.10 :13).
Tsarovy ihany koa fa isika izay mahalala ny marina rehetra nefa tsy miteny dia azon’Andriamanitra adininina ny amin’izany satria sao ny tsy fanambaranao an’iny no nahavery ny hafa.
Samy ho tahin’ny Tompo anie isika rehetra.
24. Dan23
(
04/03/2011 14:12)

tena zay za vo tafiditra marn,
Miarahaba antsika rehetra ndray lo e.
Ngamba kosa le fampianarana tsara koko ra ohatra ka atomboka amin'ny 1 lo vo 2 zay vo 3 sns.................fa ra tonga d any am 1000000000 vo idina an am voalohany mino za fa ho sarotra amin'ny olona ny handray azy,
25. RBNIR
(
07/03/2011 05:28)
Dan23:
tena zay za vo tafiditra marn,
Miarahaba antsika rehetra ndray lo e.
Ngamba kosa le fampianarana tsara koko ra ohatra ka atomboka amin'ny 1 lo vo 2 zay vo 3 sns.................fa ra tonga d any am 1000000000 vo idina an am voalohany mino za fa ho sarotra amin'ny olona ny handray azy,
Faly miarahaba Dan23,
Marina daholo ny teneninao sy bor2lais mikasika ny fampianarana tokony atomboka amin'ny 1 na 2...izay voatokana ho an'ny zaza raha araka ny baiboly.
Fa saingy ity misy fanontaniana kely???
Tamin'i Jesosy nitory iry teny atolotro amin'ny lohahevitra iry kay olona otran'iza no notoriany azy ary olona taiza????
hoy ny teny hoe :
« Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna sy ny vohitra nampianatra sady nandroso hankany Jerosalema. » (Lioka 13:22)
« Dia hoy ny anankiray taminy; Tompoko, moa vitsy va no hovonjena? Ary hoy Izy tamin'ny olona: » (Lioka 13:23)
« Miseseha hiditra amin'ny varavarana ety ianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka. » (Lioka 13:24).
Hoy ny teny hoe nandeha nitety tanàna sy vohitra (hanavahana olona v izany mitety tanàna sy vohitra izany???? ).
Olona mbola tsy tafiditra tao amin'ny fiangonanan'i Kristy anie no nizarana ireny teny ireny e!.
Ho an'i bor2lais mikasika ilay "interpretation" :
Nadikako fotsiny ange ny tenin'i Jesosy Tompo e!
"Misesehe hiditra amin'ny varavarana ety" kosa v tsy mba azontsika adika hoe?? "ataovy izay hahatafidiranao amin'ny varavarana ety?????
Ary hono hoy aho tsy mangidy loatra kosa v ny anjaran'ireo maro lazainy hoe "maro no hitady hiditra nefa tsy tafiditra??? ny sasany ery tafiditra nefa ianao te hiditra mafy fa tsy ho afaka.
Koa tsy aleo v entanina ny olona mba hanao izay azony atao hidirana amin'ilay varavarana lazainy hoe "ety"????
Izaho aloha dia mbola mampirisika foana e, marina hoy aho fa "ety" tokoa ilay izy saingy azo zakaina tsara satria ilay zioga tsy maintsy ho entina ao anie hoy aho ka "mora" sady "maivana" arak'i ny tenin'i Jesosy Tompo ihany e!
Hanenina tokoa isika raha tsy manararaotra.
Izay mahita izao aoka re mba handinika sy hisaina tsara e! Tsy teniko anie no entiko eto e! Sao sanatria hanohitra an'i Jesosy Tompo (Andriamanitra) ianao ny farany fa mba eritrereto ihany.
Samy ho tahin'ny Tompo anie isika rehetra.
26. RBNIR
(
07/03/2011 10:27)
Faly miarahaba an-tsika rehetra,
Hamaranako ity lohahevitra ity sy hanazavako tsara ny zavatra tiako zaraina sy ampitaina eto dia inty misy tenin'Andriamanitra hozaraiko amin-tsika.
« Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, » (1 Timoty 2:3)
« Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin'ny fahalalana ny marina. » (1 Timoty 2:4)
Ny tanjon'Andriamanitra dia tokana ihany hamonjy ny olona rehetra tsy hanavahana na iza na iza, na toy inona toerana misy anao na toy inona, na inona asanao na inona, na inona mety ho saranganao na inona.
Tia ny olona rehetra hovonjena Izy, Manomboka amin'ny Filoha ka hatramin'ny izay heverin-tsika ho madinika indrindra,
Tokana ihany no takian'Andriamanitra, dia ny anaovanao ny Sitrapony araka ny voasoratra ao amin'ny Mat.7:21.
Andriamanitra (IZAY MARINA NO SADY TSY MBA MPANDAINGA) dia tsy mba mila voatsiary amin'ny olona fa vitan'ny olona rehetra io Sitrapony io na inona toerana misy anao na inona matoa takiany amin-tsika.
Ny hitaona an-tsika hianatra sy hanao io Sitrapony io no tanjoko, mba hananao ilay fanantenana marina tokoa.
Vavolombelon'ireo teny ireo aho , D.A.F no asako ary vazaha no mpampiasa ahy nefa azoko atao tsara ny mitondra ilay zioga ary mora sy maivana amiko tokoa ilay izy. Ary ankoatra ahy dia misy ihany koa profesora eny amin'ny université (Maitre de conférence), manamboninahitra ambony amin'ny miaramila, sy ny maro hafa tsy hovoatanisa, ary ao koa ireo heverina ho madinika eto amin'izao tontolo izao. Tsy manavaka marina tokoa Andriamanitra fa nohamarininy marina tokoa iry teniny ery ambony iry.
Raha mety ianao, minoa dia maneke hianatra sy handray fanampahakevitra avy hatrany hanao ilay Sitrapon'Andriamanitra ahazoanao antoka ny amin'ny fiainana mandrak'izay.
Ny olona nofidin’Andriamanitra nampianatra ahy io Sitrapon’Andriamanitra io dia ho hitanao ao anaty profileko aho.
Samy ho tahian'Andriamanitra anie isika