AZO ANTOKA?
1. ydifas
(
14/02/2011 11:32)
Faly manoratra aminao indray ny tenako. Ny fahasoavan'i Kristy anie hamonto antsika indray ao anatin'izao hafatra izao.
Mipetraka amintsika ny fanontaniana: Velona ho an'ny inona isika? velona ho an'iza?
Amin'izao vanim-potoana iainantsika izao dia ny hohanina anio tadiavina rahampitso. Izany hoe, notrosaina ilay natao sakafo anio (ilay namahana olana) ary tadiavina rahampitso ny handoavana azy. Ny tiana hambara dia hoe: fotoana mahavery hevitra ny olona izao.
"Dia aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafianay? Fa izany rehetra izany dia katsahin'ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany." Matio 6/31 - 33
Manoro antsika ary maneho safidy roa indray Jesosy eto: ny fanahiana ara-nofo sy ny fikatsahana ny fiainana mandrakizay.
Misy teny mampieritreritra ity: "Fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy." Galatiana 6/8
Tsarovy fa ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra no misy ny fiainana mandrakizay. Isika no vahoaka ao amin'izany Fanjakana izany.
Mamporisika antsika hikatsaka ilay Fanjakana miantoka sy tsy mety potika mandrakizay Izy. Izany hoe, mitady fatratra izay fomba hiainana ny fiainan-danitra. Ny hany angatahana amintsika dia ny hiditra ao amin'izany Fanjakan'Andriamanitra izany. Ahoana nefa ny hidirana amin'izany Fanjakana izany? Olona manao ahoana no mendrika ny hiditra ao amin'izany?
Aoka isika handini-tena ka hilaza hoe: azoko antoka ve fa voavonjy aho? efa nateraka indray tokoa ve? Tena zanak'Andriamanitra ve aho? Toetran'Andriamanitra ve ity toetrako ity?
Raha zanak'Andriamanitra isika dia tokony hanaraka izay teneniny: "Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon'ny maro..." Malakia 1/6
Raha Andriamanitra no Raintsika dia tokony hanaiky sy hankato ny teniny, tokony handeha amin'ny fahamarinana sy ny fahamasinana isika.
Jesosy no làlana hidirana io Fanjakan'Andriamanitra io: "Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako" Jaona 14/6 . Efa vitany ny famonjena antsika tamin'ny nandatsahany ny rany teo amin'ny hazofijaliana. Ny nangatahana tamintsika dia ny handray ny anjara famonjena efa vonona eo anoloantsika.
Ny famonjena dia ialohavana fibebahana, ialohavana fanapahan-kevitra hiala amin'ny ratsy fanao. Mibebaka = mahatsiaro tena fa tsy nety ny natao, miaky fa diso teo anatrehan'Andriamanitra.
Mipetraka indray ny fanontaniana: efa nibebaka marina ve isika? efa nialatsika tokoa ve ireo toetra tsy araka ny sitrapon'Andriamanitra?
Mandray famonjena = manaiky diovina amin'ny ran'i Jesosy, "tena vonona" fa tsy hoe "hiezaka" hiala amin'ny faharatsiana, manaiky hanoa (hanaiky) izay sitrapon'Ilay Ray Tsitoha.
Miara-manaiky isika fa sarotra ny hanatanteraka izany. Alao hery ry havana malala, ary "miseseha hiditra amin'ny varavarana èty hianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka" Lioka 13:24.
Voalaza fa rombahana ny Fanjakan'ny lanitra, koa noho izany midira amin'Ilay vavahady dia Jesosy izany. Hoy Izy: "Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina." Jaona 10/9.
Mbola misokatra "Ilay Vavahadin'ny fiainana mandrakizay" ary hirindrina (hikatona) Izy satria efa andro farany izao. Fantaro ry havako malala fa efa miseho daholo ny faminaniana ao anaty baiboly ny amin'ny andro farany.
Koa eto am-pamaranana, tsarovy ny famonjena nomen'Andriamanitra antsika. Fotoana izao hiainana sahady ny fiainan-danitra (ety an-tany tahaka ny any an-danitra). Tsarovy fa amin'ny alalan'ny fanazaran-tena no ahafahan'ny mpihazakazaka manomana ny fandreseny. Toa izany koa ny fandrombahana ny loka dia ny "satro-boninahitra fiainana", ny fotoana omena iainantsika ety an-tany no fotoana iomanana handovana ny fiainana mandrakizay.
Aoka ho tsara sy araka ny sitrapon'Andriamanitra ny toetratsika, aoka isika handeha amin'ny fahamarinana sy fahamasinana fa izany no fanomanantsika ny mandrakizaintsika.
Hafatra: Izay ataoko sy izay safidiko no mamaritra ny mandrakizaiko.
"Fa raha velona isika, dia velona ho an'ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an'ny Tompo; koa amin'izany, na velona na maty isika, dia an'ny Tompo ihany" Romana 14/8
Aoka ho an'Ilay Rain'ny mandrakizay ny dera sy ny haja ary ny voninahitra faratampony. Aleloia

novalian'i RBNIR ny 28/02/2011 08:23
2. RBNIR
(
15/02/2011 07:10)
AMEN MARINA MIHITSY IZANY,
HAJAO ANDRIAMANITRA, ARY MATAHORA AZY,
IANARO ARY ATAOVY NY SITRAPONY FA IZAY IRERY IHANY NO AHAZOANA ANTOKA NY HIDIRANA AMIN'NY FIAINANA MANDRAK'IZAY.
Tsarovy mandrakariva ilay tenin'i Tompo hoe :
« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21).
Hotahin'ny Tompo anie isika rehetra.

3. majesty
(
26/02/2011 07:49)
"" Aoka ho tsara sy araka ny sitrapon'Andriamanitra ny toetratsika, aoka isika handeha amin'ny fahamarinana sy fahamasinana fa izany no fanomanantsika ny mandrakizaintsika.""
io fehezanteny io no tiako halalinina kely :
1) ho tsara ny toetratsika.
2)ho araka ny sitrapon'Atra ny toetran-tsika
3) handeha @ fahamarinana isika
4)handeha amin'ny fahamasinana isika
..........
Hisy olona ahavita an'izany ve rehetra izany ve ???

4. niryna
(
27/02/2011 06:10)
majesty:

hoy ny tenin'Atra milaza hoe tsy misy marina na dia iray aza ary koa ny hoe efa nanota avokoa isika rehetra,efa nania avokoa ka tsy mendrika ho antsoina hoe zanak'Atra
saingy tsy mora ny manaraka an'i kristy fa milanja ny hazofijaliany isan'andro isika,andalo amintsika ny henjika,ny fankahalana,ny fanendrikendrehina sy ny teny izay efa nomeNy antsika kanefa izay maharitra hatramin'ny farany no ho vonjena.
Ny kristiana tsy mandalo fitsampana hoy ny olona dia tsy kristiana izy(Atra no anome antsika hery ahatohitra izany rehetra izany rehefa miantso Azy isika)
Mivavaka,mibebaka ,mamindra fo,mamela heloka ary mangataka amin'Atra mba omeny ny fanahy masina hanampy antsika @izany:ny fametrahana ny fiainana hoe eo ambany fahefany dia anampy antsika sy anome antsika hery andro aman'alina satria isika tsy mitolona amin'ny vatana fa mitolona amin'ny fanahy maloto,fanahy tsy ita maso,miriorio toy ny rivotra,toy ny tadio ,toy ny liona mitady haripaka ka miandry antsika ho potraka dia ho lavo tokoa dia toy izany ny asan'ny fanahy maloto,fanahy ratsy ,fanahy manohitra an'Atra
5. RBNIR
(
28/02/2011 08:23)
Hisy olona ahavita an'izany ve rehetra izany ve ???
[/quote]
Majesty,
Raha toa ka mino ianao fa tsy mpandainga Andriamanitra niteny ireto teny ireto dia ho vitanao tokoa ny zavatra rehetra,
« Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo. » (Matio 11:29)
« Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako. » (Matio 11:30)
Minoa dia mianara Aminy dia ho hitanao fa ho tanteraka aminao ny famonjena.
Atoroko lalana iray ianao : Jereo ny profileko ao fa misy lehilahin'Andriamanitra iray izay efa nofinidiny hampianatra ny maro ny sitrapony.
Samy ho tahin'ny Tompo anie isika rehetra.