Fitadiavana volamena manimba ny zaza malagasy

1. soanja ( 01/02/2011 01:42)
Tena dia malahelo dia malahelo tokoa ny tenako milaza aminareo fa dia vitsy ny zaza na ankizy miakatra any an-dakilasy any ambanivohitra any amin'izao fa dia variana mihady na mitaty volamena eny amoron-drano na eny anaty renirano eny. Asa na mba oviana no ho lany ny volamenantsika dia amin'izay mba alefan'ireo ray aman-dreniny miverina mianatra indray ny ankizy.

Raha misy mpivarotra/ mpividy volamena ianareo dia miangavy aho diniho tsara hoe avy aiza no nahatongavan'ireo volamena ireo fa dia ny ho avin'ny firenena no matroka dia matroka. Aza simbaina ny ho avin'ny firenentsika.

Efa nampilaza tany amin'ny lehiben'ny fampianarana aho saingy variana amin'ny adilahy politika ny ao.

Ny hany azoko hambara dia raha tia volamena ianao dia aza mbola mividy aloha amin'izao fa ny ain'ireo ankizy zanantsika any ambanivohitra any no manefa noho izany.
novalian'i vonynive ny 07/03/2011 07:39
2. mirananirina ( 05/02/2011 15:32)
marina ny anao ry Soanja..saingy ireo anie tonga dia ny vahiny no mandray azy ireo!!!Mividy mora dia mora ary mivarotra lafo dia lafo.Ka ny atsika Malagasy ny fitadiavam-bola aloha ,zay vao ny fianarana.Adino ilay hira taloha hoe
Rankizy Malagasy ô
Mianara taratasy vonjeo ny lakilasyyyy.....indrisy manko
3. cyril ( 05/02/2011 17:49)
marina nen'i mirana !

fa aza makany am fpvm taninanndrano zani mirana sao ataony otrireo vevavy roa reo any eo ko e
4. soanja ( 08/02/2011 01:23)

mirananirina:

marina ny anao ry Soanja..saingy ireo anie tonga dia ny vahiny no mandray azy ireo!!!Mividy mora dia mora ary mivarotra lafo dia lafo.Ka ny atsika Malagasy ny fitadiavam-bola aloha ,zay vao ny fianarana.Adino ilay hira taloha hoe
Rankizy Malagasy ô
Mianara taratasy vonjeo ny lakilasyyyy.....indrisy manko

Indrisy tokoa! :( Mampalahelo ahy ianao ry Gasikara!
5. soanja ( 08/02/2011 01:23)

6. soanja ( 08/02/2011 01:23)

7. joax20 ( 08/02/2011 15:28)
Marina fa ny fianarana ny lova tsara. Fa mba imazinenareo hoe manana maitrise na licence... daholo aza ny olona an ambanivolo any de iza indray ny amboly fa lasa mpiasa birao daholo ny tantsaha d poainsa alou fa ho kere daholo tsike he! he! sa taratasy A4 no ohanina
8. soanja ( 08/02/2011 19:36)

joax20:

Marina fa ny fianarana ny lova tsara. Fa mba imazinenareo hoe manana maitrise na licence... daholo aza ny olona an ambanivolo any de iza indray ny amboly fa lasa mpiasa birao daholo ny tantsaha d poainsa alou fa ho kere daholo tsike he! he! sa taratasy A4 no ohanina

Ka ilay any ambanivohitra mihitsy izany no tsy arakao loatra satria na ny voly izay resahinao eto dia tanety lavavolo no ankamaroan'ny tany amin'izao satria tsy manam-potoana intsony ny mponina mamboly sy manasoa azy fa variana miady volamena avokoa. Haolo ny saha. Ny ketsa raha nisy nahavita dia mitombo eo an-toerana hoe ketsa antitra, tsy misy firy intsony ny sarakantsaha fa aleo mitetika ny mena miafinafina.

Ireo olona ambanivohitra resahinao ireo ihany koa no voambakan'ireo mahay taratasy. Ireo no sahirana satria tsy nivadika vola na harena hiroboroboana ny haza na ny volamena azo fa nivadika kibo an-tsena dia ny kafe sy ny siramamy ary ny vary tsy novokariny, ny mampalahelo indrindra dia tsy mifanentana tokoa amin'izay tokony ho vidim-bolamena nisahiranany. Ataoko fa tsy mila license sy maitrise izany fahaizana izany.
9. joax20 ( 09/02/2011 15:46)
Mampalaelo ilay iz fa ts maints izay n lalampiainana e! izy aza mba maita volamena ho amidy fa betsak ane n eto @ ville no ts mahita na de varahana atsas'kilao aza e
10. soanja ( 09/02/2011 23:15)

joax20:

Mampalaelo ilay iz fa ts maints izay n lalampiainana e! izy aza mba maita volamena ho amidy fa betsak ane n eto @ ville no ts mahita na de varahana atsas'kilao aza e

Samy manana fisainany tokoa ny olona. Tsy ny volamena hohadiana amiko ny olana fa ny ray aman-dreny manadino ny ho avin'ny zanany. Ireo ray aman-dreny resin'ny tsy fahalalana ihany. Fa raha misy varahina tokoa ve hohadiana any amin'ny ville dia ilaozanao ny asa aman-draharaha nivelomana hatramin'izay na dia fantatrao aza fa ilavoamena no hividianan'olona ilay varahina?
11. joax20 ( 10/02/2011 12:36)
Ka refa ts misy ny asa d ts maints mitady vola @ fomba tsotsotra hoy rabossa zay e!
12. soanja ( 10/02/2011 13:29)

joax20:

Ka refa ts misy ny asa d ts maints mitady vola @ fomba tsotsotra hoy rabossa zay e!

Any indray misy ny asa ka, ianao indray aza no tsy haharaka fa saingy tsy mivadika vola eo no ho eo fa sakafo fotsiny. Dia eo ilay ny kajikajy ilay ilana fahendrena, fianarana sy fahaizana satria raha namboly ianao sy nandefa ny zanakao nianatra dia misy ho avy andrandraina.

Satria na isika Malagasy any am ville mpihinambary aza dia ahita voka-dratsy momba izany satria tsy hisy vokatra firy hiakatra firy satria variana miady volamena ny olona. Voatery tsy maintsy hividy vary ratsy avy any ivelany indray e.

Henoko hoe tsy mahazo anana intsony hono ny latsaky ny dimanjato.

Aoka ho lazaiko fa nofy ny ahy e.
13. bazylou ( 11/02/2011 17:53)

marina izany ry soanja , nefa atao ahoan amoa e.
Ny kibo tsy mba lamosina fa anjaratsika aty ivealny sy nahita tray kefa sy manana hanin kohanina no manoro azy ireo hanana fidiram bolamaharita.
14. soanja ( 11/02/2011 20:31)

bazylou:

marina izany ry soanja , nefa atao ahoan amoa e.
Ny kibo tsy mba lamosina fa anjaratsika aty ivealny sy nahita tray kefa sy manana hanin kohanina no manoro azy ireo hanana fidiram bolamaharita.

Ekena tanteraka izany Rabazy.

Amiko rehefa mihena ny tinady dia mihena ho azy ny tolotra.

Nampalahelo be mantsy ny nanjo ity tanana kely iray fa nahitana emerody hono ny manodidina azy ireo. Faly dia faly ny iray tanana ary nilaozana daholo ny asa nahazatra tany an-tsaha. Na ny ankizy aza dia samy revo niroboka nandeha nangady ilay vatomalaza. Niova ny tontolo iainana na ny teo an-tanana na ny tany an-tsaha ary indrindra ny vohitra nahafinaritra tsara tazinina. Nisy fety lava tsy voarefy. Niodina ny toekarena nefa vetivety teo dia lefy. Vokadratsiny hoy ianareo, bevohoka daholo ny zatovo vavy na dia ny ankizy mbola 12 taona aza. Lasa daholo anefa ireo mpiremby vatosoa. Fotsy ny tanana tsy nisy tombotsoa. Lavenona sisa napetrak'ireo ali-malaza noheverina fa tsy hisy fiafarana. Ho aiza moa ny ambanivohin-tsika fa tsy ho eo ihany. Ho aiza moa ny tantsaha fa tsy ho eo manaiky hatrany. Ny isan'ny mponina no niampy ary nanampy trotraka ny fahantrana satria tsy nisy ny vokatra ho raisina.

Izay no momba antsika. Ilay Gasikara vohitry ny nofy. Mamiko ianao saingy atahorako ho rofy!
15. bazylou ( 12/02/2011 18:59)

rehefa mankany ambany volo ianao na isika rehetra amin'ny manaraka dia andao ampianatra ny olona hahay soratra.
16. soanja ( 13/02/2011 01:09)

bazylou:

rehefa mankany ambany volo ianao na isika rehetra amin'ny manaraka dia andao ampianatra ny olona hahay soratra.

Firy amintsika eto anefa no mba sahy mankany ambanivolo any?

Indrisy mantsy fa vitsy amintsika no manana Ambala amin'izao fotoana. Ny manana aza tsy mankany raha tsy hamadika sy hanao fetim-pianakaviana.

Tsara ny hevitr'i bazylou fa amiko indray dia ny fanentanana mihitsy ny olona hirotsahana any ambanivolo any hijery ny zavamisy any aloha no atao, dia rehefa tonga any eo mahita izay azo anampiana azy ireo.

17. bazylou ( 13/02/2011 19:02)
andao hiaraka hientana soanja a, na anao associationa za moa inona ny olana.
Dia aty ivelany isika manao operation boky sy cahier ary stylo.

Arina fotsiny anie ireny aty e
18. soanja ( 14/02/2011 03:36)

bazylou:

andao hiaraka hientana soanja a, na anao associationa za moa inona ny olana.
Dia aty ivelany isika manao operation boky sy cahier ary stylo.

Arina fotsiny anie ireny aty e

Atombohy fa tsara ka. Ny association ihany no fomba tsara entina hanombohana asa any Mada raha te hiara miasa amin'ny tanana any. Ianareo any Eropa tokony hifandray dia miara-manangana azy. Ilaina foana tokoa ireny fitaovam-pianarana ireny fa na dia tsaoka aza anie ka tsy voavidin'ny sekoly amin'izao indraindray. Ny seza/ tabilao ao an-dakilasy dia simba daholo ka izay mahay mandrafitra dia tongasoa daholo satria mora potika ny hazo ampiasaina nanaovana azy ireny noviadian'ny fanjakana.

Izay tsy manana ambanivolo handehanana dia manorata amiko mail fa tsy lany izany any amintsika any. Ry zareo any Androy sy Mahafaly dia tena mila izany tokoa raha misy mazoto.

Misaotra bazylou a. Tohizo hatrany ny ezaka.
19. vonynive ( 16/02/2011 10:53)
misaotra anareo mihevitra ny firenentsika
mampalahelo tokoa ny zavamisy aty Mkara, maro ihany ny association na ONG na olon-tsotra manao ezaka ho fanampiana ny zaza malagasy, ary midera ny ezaka ataon'izy ireny isika sady mankahery koa; tsy mora ny asa @ io lafiny fanabeazana io raha aty Mkara, sarotra ny ahitana résultat in1 1 saingy tsy atao mahakivy izany fa efa natao oe asa masina.
Tonga dia raiso ny andraikitra ry zareo a, ataovy izay tandrify ny tena fa tena SOS tokoa ny taranaka malagasy; aza misalasala mananatra ny tanora manao hadalana; manitsy, manoro na ny mandroso vahaolana ho an'ny ray amandreny fa inoako fa hisy vokany izany na dia tanora 1 ihany aza no nanarinao. mahereza e.
20. bazylou ( 16/02/2011 18:49)
Izaho soanja mila ambanivohitra iray a.
Sady mba mijery ny any androy koa raha metyianao.

Ilay association tsra be fa ny olana dia tena sarotra ny mifankahita aty eropa aty an, na ny mpivady aza hariva vao mifanoroka.

misaotra e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5168