Ahoana ny hevitrareo @ vady tsy mety manao n'inon'inona?

21. mmmhh ( 06/01/2011 11:43)
felicia > zah anie tsy manda an'le mifanampy e, mahafinaritra be izany,

fa rah ilaozana hifanjana eo de isika vehivavy no ho reraka aloha, ny asa efa iray taonina mbola hifamaly am'resaka rahrah.
22. Aynah ( 14/01/2011 18:34)

Zao Kamory a! tamin'ny mbola tsy nivady ny olon-droa fa mbola nifampikôty dia misy karazana lehilahy (izany hoe tsy ny rehetra) mba te hahafaly ilay ho ampakariny, dia manampy amin'ny raharaha rehetra ataon'ilay vehivavy... Rehefa manomboka iray ny zaza dia miova izy, mihakamo, miakatra roa ny zaza dia tena mahalana izy manao raharaha,... Ka io ny fahitako azy, tsy nozarin'ny ray amandreniny hanao raharaha izy hatrin'ny kely fa zatra mamantam-bonona! Raha tsaroanao anefa fa misy article iray rehefa misora-panambadiana dia misy resaka hoe mifanampy izay ao an-tokatrano, dia manaiky ilay lehilahy, dia avereno azy izay. Iray koa dia izao, raha tiana hafana ny tokantrano, sy hahafinaritra dia tokony mifanampy ny roa tonta, zaraina ny asa, avy eo maka aina miplayst na mijery télé, fa tsy hoe ny iray foana! Carte sur table no mety, mifampilaza ny mavesatra satria hitondra aretim-po ho anao ilay izy no farany! Ekeko fa ny vehivavy tokony hikarakara tokantrano, ary atao @ fo ny zavatra atao, nefa rehefa be kosa ve ny zavatra enjehina (fampiriman-trano, fanasan-damba,fikarakarana sakafo, fanenjehana lera,sasa vilia, fipasohana, ny courses any ivelany...), tsy araka kosa aloha fa tsy maintsy zaraina e! Firy kilometre isan'andro ary no vitan'ny vehivavy mikarakara tokantrano isan'andro, mandreraka ihany alie ny vezivezy madinika ao antrano e! Tokony fantan'ilay lehilahy ihany izany fa tsy faly manakiana sy mamantam-bonona! Fara-faharatsiny izy mba tsy manakiana fa manambitamby sy manao câlins, miteny mamy, mampahery... Bref, amaranako azy, ento am-bavaka ny tokantrano, tonony anaty vavaka ataonao mihintsy ny anarany fa hiova izy, andramo dia ho tsapanao fa mahery Andriamanitra. zay fa mahereza akia!
23. kamory ( 15/01/2011 19:46)
tena marina mintsy izany ry aynah, ny tena tsapako dia rehefa entinao am-bavaka ny fiainanao dia tena misy vokany tokoa; saingy tsy voatery hoe: vetivety fa misy fotônany daholo ny zava-drehetra ka dia miandry fotsiny aho h@ izao. Refa marary anie dé mitovy fôna ny mahazo e! Ny tiako lazaina dé mitovy fôna ny vava azo na ianao marary na ianao salama; koa dé misaotra akia @ fampaherezana!
24. vale ( 22/02/2011 16:42)
Bjr,
raha za manokana alo efa ela no nisaraka tamin'izany oul izany, asa na za sendra lhl manao ménage etc , sady efa samy miasa izao , hafa ny taloha hoe samy manana ny andraikiny ny lhl sy ny vhv, dia mbola izy ihany no mimenomenona, te ho mpanjaka kely izy izany, anefa nareo efa nifampiteraka no efa nifanambady efa hatrizay, ka sarotra be ny hampiova azy amin'izay efa niainany hatrizay elabe niarahanareo nipetraka izay, hafa-tsy ny hoe misaraka, tena tsoriko alo fa za hoatranao koa ry Kamory, tsy tia lhl macho zany koa aho, tsy vitan'izay indray fa mbola arahany menomenona lé izy, mila hiteny aminao za oe, rehefa avy manazava aminy ny tsy tantinao ataony enao, ka tsy mety miova izy, dia hisaraho tery, dia ho hita eo zay teniny, enfin, ampilazanao mialoha izy hoe , rehefa tsy mifanaraka isiska fa tsy hiova amin'ny fombanao enao dia lasa zà fa ny tokantrano akory tsy natao hanjakazakan'oul iray, dia raha tsy miraika moa izy dia ao raha, mety oe manana amoureuse any ivelany izy de lasa mila vanony aminao, na raha tsy taitra koa izy na hoe hiova, dia tsy tia anao izy izany fa ny tenany no tiany, hum!
25. kamory ( 23/02/2011 11:05)
bjr,efa nolazaiko azy izany hoe: hisaraka izany saingy tsy mahafoy ny anao; koa dé aleoko manao izay mahafinaritry ny saiko sy ny masoko;refa ela ve tsy ho leo ihany izy dé hiova! Réfa mivôka ny trano aho sady maquillé dé lazainy fa handé anao makorelina ,mijanona ato an-trano mahazo taim-bava;ka ny hitako fa mety dé manao izay mahafinaritra e!
26. Aynah ( 23/02/2011 12:43)
O ry Kamory a! Mahereza sy mahatanjaha fa homba anao Andriamanitra! O ry Kamory a, andao tsika hanao vacances e! Dia any Kamory miezaka mamerina départ à zéro ny eritreritra sy paikady rehetra, dia avelao izy ho ao, hianatra hahandro, hianatra mampirin-trano, hianatra fiainana samirery aloha!
27. vale ( 23/02/2011 14:30)
kamory> aza miova, tazony hatrany ny hevitrao, sady tsy misy mahadiso andry an'izany, tena mety mihintsy izay, Efa toetrany izany lé izy, macho ny anao lahy, ndàna mivoaka foana, vao mainka rangito (mdr!) ze vavany any aza rarahina,izay mints tadiavina azany, (mdr), de tsy maintsy hiteny izy ny farany oe, ary enao tsy mihaino ahy fa manoy foana, de araraoty eo amzay, hi!hi!hi! bisous.
28. arialy ( 24/02/2011 09:17)
Loza koa izany lhl kamo izany , kamory anie mety tsy hanana fotoana ivoahana akory raha oe tototry ny asa ao an-trano é; za aloha rehefa reraka dia tabaisiko ny vadiko oe mba mietseha e.
Fa ny lhl tia milalao ps3 mihitsy io kamo lahy io, mety lanin'ny ecran daolo ny énérgie-ny , efa nanana namana nanambady otry izany aho fa nisaraka ny farany.
Asivo contrat kely indray e, manaova zavatra tsy tiany, dia refa miteny dia lazao oe samy manao effort izany, ny anao ps3 ny ahy ... no ialàna.
Mahereza fa sarotra be ny manova olona an
tsy manamaivana ny olanao aho, fa aleoko olona kamo toy izay mamolava sy mandany vola any ivelany...
29. vale ( 26/02/2011 13:14)
Arialy< izay mints akia no hivoahana lava amin'izay izy tsy himenomenona intsony fa ho tsapany eo tsara oe: hay ve ohatr'izao rehefa tsy eo izy iny e! hi hi hi, fa ny ataon'i Kamory isanandro tsy tsapany mints raha tsy avela kely ho hitany eo ny olana! hi hi hi!
30. kamory ( 27/02/2011 09:09)
bjr, Vale
31. vale ( 27/02/2011 12:31)
Bjr kamory! hi hi hi :-) , nanao awoana izy tao aky aaa?! bisous! ;-)
32. kamory ( 28/02/2011 14:03)
Bjr, tsy aôn-tsiaôna aky ry Vale fa toy ny mahazatra ôtran'ny mihinam-bary isan'andro a!
Ny eo ihany no eo , Omaly tsy niova ôtran' ny volan-kakafotra e!
33. vale ( 01/03/2011 12:07)
loza koa Izany, bon courage e! ;-)
34. arialy ( 03/03/2011 11:30)
sarotra be lay izy aloha e, satria raha milaza am kamory oe andana maka vacances kely, dia avelao ao 1sem, mety ho bordel be ny trano ivantanany refa mody izy fa na ny vilia aza hi savovona sns , ny akanjo hisy eran'ny coin, aza misy anie izany e
satri ny olona refa kamo zay dia tena tsy mivakiloha mihitsy fa dia eo , ndrindra fa oe fantany fa iverina i kamory... mahereza akia
35. kamory ( 03/03/2011 22:53)
misaotra akia ry arialy fa efa nisy anie izny fa tsy vao izao e! Efa nilaozana fa tena nony niverina nody aho tena izany no tena hoe:tsitako izay ilazana azy e! antenaiko fa azonareo an'eritreritra angamba ny tiako ho lazaina fa dé izay efa an'ny tena lé izy dé ho entina @ onjany eo e!
36. Aynah ( 04/03/2011 12:38)
O ry Kamory a! Ity indray atao ary e! Ovay daholo ny pirin-trano, ataovy milamina arakzay tratranao! Ataovy tena new look ao an-trano hampahazava ny sainy ahitany hoe tena mahavita ahy ity vadiko ity na tsy raharahako aza. Ataovy hafa mihintsy ny fijeriny, tsy mila mividy zava-baovao akory izany fa ny teo no avadibadika... Après, ovay koa ny look eny aminao rehefa hivoaka, jejojejo tsara amle maotina fa tsy hoe exagéré akory, ataovy hitany hoe manana fomba fijery vaovao ianao, direction vaovao, tsy maintsy hametra-panontaniana izy hoe, fa inona ny antony? dia lazao tsotra hoe, mba te hanana fijery vaovao aho ato antokatrano, ary tiako ianao hoe hanao toy izany, mila miezaka isika ato antrano fa raha tsy izany dia tonga amin'ny tenenin'ny ntaolo hoe "Tokantrano fijaliana, tokantrano fihafiana...", entan-jarai-mora zaka hoe, tsy aleo ve isika mifampizara izay mavesatra ao am-po sa tiana zà itantara ny fiainantsika any ivelany angalako solution amin'olona? Tsy adalan'ny ntaolo hoe ny miteny hoe "Tokantrano tsy ahahaka", ka rehefa tsy taitra ianao dia ambarako isan-tafon-trano ny hakamoanao!!! Ary hono ho'aho e, maninona lesy raha afenina ilay ps3, na ny câble fotsiny aza? Kamory nga afaka mandehandeha miaraka amin'ny namana? Efa tsy hanao vacance ihany tsinona dia mba mandehandeha isika.... Zà tsy ratsy saina an, tsy ao anatin'ny saiko izany faharatsiana izany, fa juste hoe mba hanalana hamohamo an'i Kamory fotsiny! Entina ny ankizy kely! Nefa raha toa tsy mety tsy maninona fa andramo ilay ilay fiovam-penitra nolazaiko teo! Courage
37. vale ( 10/03/2011 21:04)
>>tena hitako oe hevitra mety ahahomby koa io an'i Aynah io, andramo oe aky ry Kamory dia ho hita eo indray oe nanao ahoana! hi hi :)
38. danbal ( 14/01/2012 19:48)
o r'ireto a, ny fomba nifampitondrana h@ voalohany ihany no mitondra an'io, rehefa t@ voalohany izy no nozarinao an'izay tsy manao inon'inona izay de izay foana fa tsy miova tsony na ataonao inona eo aza, tsy hoe mifanindry fa mifampitaiza e. Fa nahoana moa no tsy maintsy enao foana no voatery hanao an'zao rehetra zao? ny ahy ny vadiko zahay vao nifapisipa mihintsy de efa namboariko, raha manao sakafo aho, izy mamafa trano, raha manasa lamba aho, izy mipasoka, manasa vilia mifandimby, ny raharaha rehetra e,rehefa tsy izay de samia miparitaka.Efa mpivady zahay zao, za tsy avelany miasa, tsy olana iny,fa zany tsy midika hoe de ze tiany atao tanterahiko? azafady, tsisy io!Vady ange no nangalany anao fa tsy la bonne e, aleo hazava ny resaka! Fa ny ahy ndray aloha na tena tiako aza, nga ny fiainana vitan'ny tiako enao? Taloha zany, zao ny zaza efa misy, ny adidy maro, tsy maintsy hifampizarana ny raharaha fa tsy misy mamatam-bonona zany tsony. Ny ahy ny rafozako sy ny zaobaviko gaga mihintsy sady hitako sosotra fa zay ny ahy no itondrako ny fiainako. Mety tsara. tsy misy ny fimenomenomana,sy ny komandimandy. Noana? io ny lakozia malalaka tsara, fa za mbola manao volo, hi,hi. Reraka? aleo fa hanao la sieste tsika zao. Aza maka lagy zany oa, fiainana efa sarotra sy manahirana ty, Fa ty an-dry ty ry Kamory hotran'ny efa sarotra a, andramo ihany aloha e, za tsy manakivy. De mahereza e
39. Aynah ( 15/01/2012 22:00)

Bonne année ry Kamory sy ny akama rehetra!
Marina ny an'i Danbal, tsisy lazaina tsony fa marina zany!
40. kamory ( 16/01/2012 14:07)
Bonne Année daholo ô!
Dia misaotra @ toro-hevitra rehetra e!
Bisous e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3278